Ny Finoana Silamo Amin

Noho ny fitaovan-tserasera sy ny fitateram-bahoaka mivoatra dia mivoatra dia nanjary tanana lehibe iray izao tontolo izao. Ny mampalahelo dia mora taitran-drandram-bao ny olona, amin'ny tanana toy izany, mitarika ny fahefana sy ny maha zava-dehie ny haino aman-jery koa izany. Ankoatra izany dia mampalahelo fa amin'ny toerana maro eto amin'izao tontolo izao, anisan'izany i Turquie, dia te-hanova soratra ny finoana silamo ho toy ny fivavaham-pampitahorana. Miatrika tsy fahafantarana ny finoana silamo isika, izany hoe tsy fahalalana, eo koa anefa ny tsy fahampian'ny ezaka sy hatsaram-po na finiavana avy amin'ny haino aman-jery sy ireo rafitra manana ny maha izy azy mba hamantarana ny finoana silamo. Ny ampahan'izany dia avy amin'ny saindratsin'ny sasany ary ny ampahany avy amin'ny tsy fahaizan'ny silamo maneho sy mampahalala ny fivavahan'izy ireo. Andraikitry ny silamo noho izany ny mametraka ny fahamarinana.

Noho ny fitaovan-tserasera sy ny fitateram-bahoaka mivoatra dia mivoatra dia nanjary tanana lehibe iray izao tontolo izao. Ny mampalahelo dia mora taitran-drandram-bao ny olona, amin'ny tanana toy izany, mitarika ny fahefana sy ny maha zava-dehie ny haino aman-jery koa izany. Ankoatra izany dia mampalahelo fa amin'ny toerana maro eto amin'izao tontolo izao, anisan'izany i Turquie, dia te-hanova soratra ny finoana silamo ho toy ny fivavaham-pampitahorana. Miatrika tsy fahafantarana ny finoana silamo isika, izany hoe tsy fahalalana, eo koa anefa ny tsy fahampian'ny ezaka sy hatsaram-po na finiavana avy amin'ny haino aman-jery sy ireo rafitra manana ny maha izy azy mba hamantarana ny finoana silamo. Ny ampahan'izany dia avy amin'ny saindratsin'ny sasany ary ny ampahany avy amin'ny tsy fahaizan'ny silamo maneho sy mampahalala ny fivavahan'izy ireo. Andraikitry ny silamo noho izany ny mametraka ny fahamarinana.

Ny tena hevitra sy ny toetra fototry ny finoana silamo

Ny teny hoe «Islam» dia avy amin'ny fakan-teny hoe «Silm» izay midika hoe fampihavanana, fandriampahalemana, Iraka sy famonjena. Ny fanambarana teo alohan'ny finoana silamo dia samy nalefa tsirairay avy hoan'ny vahoaka voatondro. Ireo fiavahana tsirairay ay ireo dia samy natokana ho ana firenena iray. Indray mandeha teo amin'ny tantara no nisehoan'ny finoana silamo ho fivavahana hoan'ny tany tontolo ary ny Mpaminany Mohammed no voalohany nomem-boninahitra hamita Iraka eo anoloan'ny zanak'olombelona manontolo. Hoy Andriamanitra ahery indrindra taminy: «Ary tsy nandefa anao afa tsy ho mpilaza sy mpananatra ny olombelona rehetra izahay. Tsy mahalala anefa ny ankamaroan'ny olona» (Saba' 34:28).

Nalefa ho mpamindra fo ho an'izao tontolo izao sy ny tontolon'ny voary rehetra koa ny Mpaminany fa tsy hoan'ny zanak'olombelona ihany.

«Ary tsy nandefa anao afa tsy ho mpamindra fo hoan'ny voary tontolo izahay» (Al-Ambiyyâ' 21:17).

Fivavahan'ny fiombonana (tawhid) ny finoana silamo, izany hoe ao amin'ny tontolon'ny finoana izy dia fivavahana mifototra amin'ny finoana an'Andriamanitra tokana, ilay Tompo sy mahefa. Ilay fiombonana amin'ny fahitan'izao amin'ny fiainana sy ny lamina sosialy dia miantsy ny fitambaran'ny zanak'olombelona ho amin'ny firahalahiana, ny fitovian-jo fototra ary amin'ny famongorana ny fanavakavahana mifototra amin'ny teny, ny volon-koditra, ny firazanana, ny fianakaviana sy ny taranaka.

Ny finoana silamo izay manimba ny fiafaran'ny fivavahana isam-pirenena teo amin'ny tantaran'ny olombelona dia miantso ny olona hiara-hiaina am-pirahalahiana, amim-pahafahana ao anatin'ny lalana iombonana. Nalevin'ny finoana silamo izay manodidina ny vanim-potoanan'ny haizina[1] na izay mitarika ny zavatra toy ny fitiavan-tena, ny harisetra, ny famoretana sy ny tsy ara-dariny; nahomby tamin'ny fanafoanana ny ampahany betsaka tamin'izany ny finoana silamo. Efa hatramin'ny ela no nilazan'ny finoana silamo fa ny olombelona dia tsy «ambodia hoan'ny olombelona» intsony fa «mpirahalahy», tsy «ady» intsony ny fiainana fa «dingam-pifanampiana», ny fotokevitra mifototra amin'ny «fihinana ny hatsembohan'ny hafa» dia niova ho firaisankiana, ny «famoretana» nanjary «fahamarinana» ary ny «halozana» nanjary «famindram-po sy fisakaizana». Napetraka ny foto-kevitra hoe nohariana ho afaka sy malalaka ary mitovy ny olona ary manan-jo arakaraky ny asany ao amin'ny fiarahamonina izy. Ny foto-kevitra diso toy ny hoe «eo ambany vahohon'ny herisetra ny zo; izay matanjaka no tompon'ny fahamarinana» dia nofongorina ka nosoloina tamin'ny hoe «ao amin'ny zo no misy ny hery; ny marina no mahery indrindra». Napetraka eo ambany fiahian'ny fotokevi-dalanan'ny fahamarinan'ny Mpahary ny fiarahamonina fa tsy eo amin'ny lalanan'ny fitiavan-tena sy manavakavaky ny olombitsy nandresy na ireo mpanao jadom-pamoretana.

Manome voninahitra ny olombelona manontolo ny finoana silamo, tsy manao fanavakavahana ara-politika na ara-pirazanana, na arakolotsaina, na arapitaovana na arapanahy. Manome sata ambony ny rehetra ambonin'ny an'ny oary hafa ny finoana silamo. Hoy ny CORAN: «Marina, nomenay voninahitra ny zanak'I Adama» (al-Isrã' 17:70).

Amin'ny finoana silamo, na dia tsy mpino aza ny olona sasany dia tsy azo kasihina ireo fananany, ny fiainany sy ny voninahiny. Zo tsy azo esorina ao amin'ny tsirairay ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ny fahalalahana hanorina fianakaviana. Misy toy izany koa ao amin'ireo zo fototra hafa sy fahalalahana hafa. na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza dia tsy maintsy hajaina sy tandrovana ny vehivavy, ny ankizy sy ny antitra tsy mandray anjara amin'ny ady. Araka ny fahamarinana entin'ny CORAN masina dia mitovy lenta amin'ny famonoana ny olombelona manontolo ny famonoana tsy manantsiny iray monja. Amin'ny finoana silamo dia tsy azo hosihosena ny zon'ny tsirairay, toy izany koa ny fananan'ny fiarahamonina masina toy ny zon'ny olon-drehetra ny zon'ny kasingan'olona iray.[2]

Ohatra amin'ireo fandeferana teo amin'ny tantara

Noho io fahamboniana sy voninahitra io no hanomezan'ny sal ny zanak'olombelona ny fahamarinana, ny fahafahana hatrany amin'izay alehany rehetra. Teo amin'ny tantaran'ny silamo manontolo dia naka ny Mpaminany ho ohatra ireo kalifa, manome ny baiko hoan'ireo mpitaritolona hiady, baiko mitovy amin'izay nomen'i Abou Bakr hoan'i Oussama rehefa nalefany tany Siria izy (mbola hita ao amin'ny tahirin-kevitra silamo ireo baiko ireo):

« Ry Oussama! Aza mamadika, aza manao ny tsy rariny, aza manapaka ny ratsambatan'ny maty; aza vonoina ny zaza madinika, ny vehivavy sy ny antitra, aza potehina ny tany hanirian'ny palma sy ny daty ary aza dorana. Aza tapahina ny hazo fihinam-boa. Aza vonoina ny ondry, ny biby fiompy na ny rameva afatsy izay ataonareo sakafo. Mety hifanena amin'ny olona avy ao amin'ny monastera ianareo eny an-dalana: aza mifangaro aminy sy ny fivavahany ary aza miady aminy»[3]

Ilaina ihany koa ny mampahatsiahy etoana ny fifanarahana nosoniavin'ny Mpaminany miaraka tamin'ireo kristianina tao Najrân izay manome ohatra tonga lafatra hoan'ny silamo ho avy sy mandrapahatongan'ny androm-pitsarana farany.

«Iantohan'ny fiarovan'Andriamanitra ny Mpaminany Mohammed ary mianaka amin'ny mponin'I Najrâm sy izay manodidina azy izany, eo amin'ny fananany, ny olony, ny fivavahany, izay eo sy tsy eo aminy, ny fianakaviany, ny toeram-pivavahany sy izay rehetra madinika na lehibe eo ampelatanany. Tsy hisy eveka ho roahina amin'ny faripiadidiany, tsy hisy pretra ho roahina amin'ny paroasiny, tsy hisy mpitoka-monina hesorina amin'ny toeram-ponenany ka alefa any ivelany. Tsy hisy trosa amin'izy ireo na valy faty. Tsy hisy miaramila hanafika ny taniny. Ary rehefa mitaky izay tokony ho azy ny iray amin'izy ireo dia ampiharina aminy ny fitoviana. Sady tsy ho mpamoritra izy ireo no tsy ho poretina. Tsy hisy na dia olona iray aza amin'izy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny fahadisoan'ny hafa» (Hamidullah 2003, 1/622).

Indray andro nisy kristianina iray nijoro teo ankaikin'I Ghanafa ibn Harith. Mpianatry ny Mpaminany, nanevateva ny Mpaminany. Tsy afaka nanao na inona na inona ilay kristianina I Gharafa fa tsy nijery azy fotsiny nandritry ny fifandirana. Nitaraina tamin'ny Governoran'I Egypta, ‛Amr ibn al-‛As, noho I Gharafa ilay kristianina. Nanome tsiny an('io Gharafa toy izao ity farany:

«Nampanatenaina azy ireo ny fandriampahalemana kanefa ianao naninona no manao toy izany?» tsy noheveriko hoy I Gharafa fa io fanomezan-toky io dia ahafahany manompa ny Mpaminanin'Andriamanitra. Araka ny fantatro dia zavatra toy izao no nampanantenaina azy ireo:

1-      Tsy hifangaro aminy ao amin'ny trano fivavahany ary halalaka hanao ny fivavahany araka izay mety aminy ao izy ireo.

2-      Tsy ho terena hanao zavatra sarotra tanterahina izy ireo.

3-      Hanavotra azy izahay raha misy ny fahaalo manafika azy.

4-      Ho afaka mamaha ny olony manokana samy irery izy ireo araka izay sitraky ny fony.

5-      Hotsarainay araka ny lalan'Andriamanitra sy ny Mpaminaniny ireo izay maniry ho fehezin'io lalàna io, ary izahay tsy hanery ny hafa ho fehezin'ny lalànay.

«Marina ny anao!» hoy ny fideran'I ‛Amr ibn al-‛As (Ibn Abdoulbarr 3/193-194)

Tamin'ny andron'ny kalifa ‛Omar, taona faha 4 tamin'ny hezira (636) no nahazoana ny tananan'I Horns. Ny taona manaraka an'io anefa rehefa nahafantatra ny silamo fa vonona hanafika an'I Horns I Héraclès amin'ny alalan'ny tafika ahitana miaramila 200 000 dia nanapakevitra izy ireo fa handao ny tanana. Teo amin'ny fotoana handaozana ilay toerana izy ireo dia nanapakevitra fa ho tsinjaraina amin'ny vahoakan'I Homs ireo nalaina taminy (hetra isan'olona nantsoina hoe «djizya» ary efain'izay tsy silamo ankoatry ny vehivavy, ny zaza sy ny antitra, mba hiarovana azy ireo) ary hoy izy ireo taminy: «Rehefa nanome anay io hetra io ianareo dia izahay no niantoka ny fandriampahalemana. Ankehitriny kosa anefa dia tsy manankery hiarovana anareo intsony izahay. Tsy maintsy miaro tena manokana ianareo noho izany». Tsy faly noho izany ny vahoakan'I Homs, ahitana kristianina sy jody izay mahafantatra tsara ny zavatra hasehon'ny fanjakan'ny Bizantina; ny mifanohitra amin'izany, trotraka izy ireo ary hoy ny kristianina: «Mahafinaritra anay kokoa noho ny famoretana sy ny fanavakavahana talohan'ny fiavinareo ny fanjakana sy ny filaminana nataonareo. Hanambatra ny herinay amin'ny governoranareo izahay ary hiaro ny tananantsika amin'ny tafik'I Heraclès». Nanampy ny jiosy hoe: «Amin'ny anaran'ny Torah! Tsy maintsy handresy antsika nytafik'I Héraclès ary hamotipotika antsika alohan'ny ahafahany miditra ny tananantsika».

Farany nanidy ny vavahady miditra ny tanana ny mponina tao an-toerana ary niaro azy. Rehefa resy ny tafik'I Heracles ary tsy maintsy nanao tari-dositra dia niantso ny silamo indray ny mponin'I Homs mba hijanona eo amin'izy ireo ary nandray azy ireo tsara. Toy izao no filazan'I Belaruzi ny tohin'io tantara io: «Ny tanana jiosy sy kristianina hafa koa nanao fomba toy izany ary niteny hoe: Raha nandresy ny silamo ny Romanina sy ny vahoakany, izahay kosa hanoy ny zavatra lasa. Na dia silamo iray aza no nijanona dia tohizanay ny fifanarahana» (Belaruzi 1987,187).

Toy ny namelan'ny silamo ny olona teo ambany fifehezany hampihatra ny fombam-pivavahana nahazatra azy no tsy nanakanan'izy ireo ny fanorenana trano fivavahana silamo, eglizy sy sinagoga mifanakaiky, na dia ny silamo sy ny kristianina samy hafa fombam-pivavahana aza dia mivavaka ao amin'ny trano fiangonana iray. Io fifankahazoana izay nanomboka tamin'ny namelan'ny Mpaminany ny kristianina hivavaka tao amin'ny trano fivavahan'ny silamo tao Njrân indray alahady io dia nitohy tamin'ny fanjakan'ireo kalifa voalohany. Nisy nilaza fa nisy toy izany koa tany Cordone eo ambany fahefan'ny Omeyyade, tany Andolozia (Özdemir 1994,1/68). Io fanajana sy fandeferana manoloana ny fivavahana hafa io izay porofon'ny fiangonana silamo sy ny eglizy sy ny sinagoga hita amin'ny toerana iray any amin'ny toerana sasany any Istambul dia niandoha avy amin'ny finoana silamo sy ny fandeferana nentin'ny Mpaminany Mohammed. Raha very tsikelikely teny an-dalan'ny fotoana fotoana tany amin'ny tany silamo sasany na teo amin'ny silamo tsirairay izany dia tsy azo heverina ho misy ifandraisany amin'ny finoana silamo; tsy maintsy jerena ny antony ara-piarahamonina na politika nahatonga izany, na ara-paritra na teo anivon'ny isambatan'olona.

Tsy hoe toe-javatra azo tsinontsinoavina ny fisafidianan'ny mponina eo an-toerana ny fahefana silamo manoloana ny fahefan'ireo mpiray finoana aminy. Maro ny ohatra mitovy amin'izany. Ohatra iray amin'ireo hafa maro ny fitantanan'I Osman Turan (efa maty) mikasika ny tantaran'ny mpahay tantara kristianina tao Urfa (any Turquie) toy izao:

«I Melik Shah, ilay olona marina indrindra, ilay hendry sy mahery indrindra dia toy ny rain'ny olon-drehetra, anisan'izany ny kristianina. Ny zanak'I Bizansa rehetra dia ny armeniana no nisafidy ho eo ambany fahefany» (Turan 1969,2/138).

Mpanoratra kristianina iray izay nalahelo ny fiovan'ny kristianina maro ho silamo noho ny fandeferana sy ny fahalalahan'ny fahefana silamo. Turka izay mametraka fa ireo Bizantina –izay tsy nahitana fandrobana loatra, faharavana sy fanaovana tsindry azo nataon'ny latina rehefa tonga tao Istambul izy ny taona 1204 mba hiady amin'ny silamo- no nampahatsiahy ny toetran'ny finoana silamo ary nametraka mazava tsara ny fotokevitry ny silamo. «Telo arivo tamin'ireo nandositra ny jadon'ny Bizantina ortodoksa no nivadika ho silamo. Ianao ry famindram-po! Masiaka loatra noho ny famitahana ianao! Satria mahate-ho tia ny Turc ary tsara fo eo anatrehan'ny kristianina, nividy ny fivavahan'izy ireo. Tsy nanery azy ireo hivadika tamin'ny fivavahany koa izy ireo» (Turan 1969,2/162)

Fandeferana nomena hoan'ireo tsy silamo izay avy amin'ny finoana silamo ny zo hiaina, halalaka amin'ny fivavahana, ny teny, ny kolontsaina, ny lalana sy ny fomba fitafy. Hoy ny Mpaminany ao amin'ny hadita iray izay mandrisika ny silamo ho tsara fitondra ireo izay tsy silamo: «Fahavalon'iza na izay manao ratsy amin'izay tsy silamo aho. Ary na iza na iza fahavaloko dia haveriko aminy izany nataony amin'ny andron'ny fitsarana farany»[4] Tsy misy na dia silamo iray aza ka mino ny any an-koatra tsy hiazakazaka antsitrapo mba hamerina ny zavatra nataony amin'ny Mpaminany any an-koatra. Hita izao ao amin'ny hadita iray hafa: «Na iza na iza manalaaraka tsy silamo iray ka manameloka ho nanao ratsy dia hahazo ny kapoky ny afon'ny fitsarana amin'ny andro farany».[5]

Tsara ampahatsiahivina koa fa ny tsy silamo dia malalaka amin'ny fampiharana ny lalàny manokana eo amin'ny sehatry ny fitsarana. Izany dia avy amin'ny fahatsapana sy ny fandalana ny fahafahan'izy ireo ara-pivavahana. Raha misy tsy silamo miantso ny fitsarana islamika dia tsaraina amim-pahamarinana tanteraka ny raharahan'izy ireo. Hoy ny CORAN:

 «Ary raha mitsara ianao, aza misy iangarana izy ireo. Satria Andriamanitra dia tia ny tsy fitongilanana» (al-Ma'jda 5:42) Mba hanamafisana izay voalaza teo dia tsara ny manambara izay voalazan'ny Solitana Otomana Mostafa faha III hoan'ilay «Grand Vir» any:

«Araka ny fitarainana avy any Moldaria sy Balasy dia toa hoe tsy miraharaha ny mponina kristianina tamin'ireo faritra ireo ianao. Tamin'io fotoana izay nanaovana ezaka maro mba handefasana governora vaovao tany More (Poloponezy ankehitriny) sy tany Hidjâz (Faritra ahitana an'I La Mecque sy Medina), izay faniriako tamin'ireo «Grand vizir» ako dia ny mba hifantenany izay olo-mendrika amin'ireo olona ireo. Tsy te-hahita anareo manao antsirambina amin'io fifantenana io aho ka hatao fialantsiny ny fahasamihafam-pitenenana sy ny fivavahan'ireo faritra ireo. Satria samy oloko avokoa izy ireo dia fantaro fa mitovy zo izy sy ny oloko ao Istambul. Tandremo tsy hanao ratsy na kely aza amin'izy ireo… (Nalaina tao amin'ny gazety Tercüman, 9 Febroary, 1983).

Fanehoana sy fampitana ny finoana silamo

Ny silamo dia mihevitra ny olombelona ho zavaboary mendrika indrindra, nomena fiheritreretana sy fahafahana misafidy malalaka ary manaja ny fahalalaham-pinoana ho toy ny zo tsy azo hosihosena ihany koa. Vokany, manao ezaka lehibe amin'ny famongorana ny vato misakana misy eo amin'Andriamanitra sy ny fahiratantsaina, ny feon'ny fiheritreretana sy ny sitrapon'ny olombelona izy. Apetrany sy tandremany noho izany ny fomba atao rehefa maneho ny finoana silamo, tsy maintsy arahina ny lalan'ny « fanehoana sy ny fampitana » -ny lalan'ny fampiharana manokana sy ny fampitana ny hafatry ny finoana silamo amqn fomba faran'izay tsara azo atao.

Ohatra, ao amin'ny andininy maro ao amin'ny CORAN dia manambara izy fa ny andraikitra tokan'ny Mpaminany Mohammed sy ireo Mpaminany hafa rehetra dia ny fampitana ny fivavahana.[6]

Ankoatra izany, miteny amin'ny Mpaminany Andriamanitra fa tsy mahazo manery ny olona izy:

«Ary ampahatsiahivina! Mpamerina fotsiny ihany ianao, ary tsy ianao no mpanositra azy ireo» (ah-Ghâchiyya 88:22).

Teo alohan'ny silamo dia nisy olona sasany nilokaloka fa hiditra ao an fivavahan'ny «olon'ny boky», indrindra fa rehefa atahorany ho faty ny zanany, raha velona izy»[7] Izany no nahatonga ny zanaky ny paiana ho olon'ny boky tamin'ny fahatongavan'ny silamo tao Medina. Rehefa tonga tao Medina ny finoana silamo dia te-hanery ny zanany hivadika ho silamo ny fianakaviana sasantsasany, izany no nahateraka ity andininy ity: «Tsy misy faneriterena amin'ny fivavahana! Satria ny làlan-tsara dia tsy mitovy amin'ny fahadisoan-dàlana…» (al-Baqara 2:256).[8]

Noho io foto-kevitry ny CORAN io dia tsy mba nanery ny vahoaka tao amin'ny tany babony hivadika ho silamo ny silamo. Misy mpanoratra anglisy sasantsasany misavika ny saina amin'io endriky ny finoana silamo io amin'ny filazana toy izao: «Raha nanjaka tany Azia ny Eropeanina fa tsy tany Arabia sy Turkia dia tsy nisy hijanona hoan'ny eglizy ortodoksa grika. Ary tsy naneho fandeferana toy izany izy teo anatrehan'ireo silamo –ny fandeferana mitovy izay asehon'ireo tsy mpino (ny silamo) ireo manoloana ny kristiana» (Toynkee 1978,185).

Tsy nifangaro na oviana na oviana amin'ny soa toavina ao amin'ny tany babony ny silamo; ny mifanohitra amin'izany, arovan'izy ireo toy ny fanaon'ny Etnografy izy ireo. Ohatra, rehefa nandao an'I Eropa Atsinanana, ieo Otomana, I Afrika avaratra sy I Moyen-Orient dia maro ireo firenena nipoitra tamin'ny fivavahany avy manokana, ny fiteniny sy tamin'ny fitafiny nentim-paharazana.

Ahoana no fomba hiheveran'ny finoana silamo ny zanak'olombelona

Antony faharoa izay manakana ny silamo tsy hampiasa hery rehefa mampita ny fivavahana ny «fomba fihevitr'izy ireo ny olombelona» araka izay ambaran'ny CORAN.

Araka ny voalazan'io fomba fihevitra io, ny olombelona, raha ampitahaina amin'ny endripiainan'ny voary hafa toy ny zavamaniry ohatra na ny biby sy ny anjely dia ahitana fahasamihafana goavana amin'ny maha izy azy manokana sy ny fahariana azy. Nohariana miaraka tamin'ny firohana ho amin'ny tsara ny zanak'olombelona ary manantsaina sy fahatsapan-javatra. Nomena azy ireo ny fironana mankamin'ny tsara sy ny fampiasana ny safidy malalaka sy ny sainy mba hisafidy izay tsara, mendrika sy misy tombotsoa.

Vokany, tsy maintsy manavaka ny tsara amin'ny alalan'ny fahiratantsainy izy ireo, ary misafidy izany amin'ny safidiny malalaka. Manana andraikitra hanao izay safidy tiany izy ireo. Ny maha zavaboary tompon'andraikitra azy dia av amin'ireo toetra ireo tanteraka.

Amin'ny silamo dia fisedrana ny fiainana eto an-tany eto. Ao amin'io fisedrana io no tsy maintsy hahombiazany mba hahazoana ny lanitra, ny zava-dehibe dia ny fampiasana ny fahafahana misafidy malalaka. Toy ny tsy maha tompon'andraikitra ny olona mahavita fahotana noho ny tahotra sy ny herisetra no tsy hananan'ny asa tsara ataony amimpenerena lanjany- io lafin-kevitra farany olombelona anefa dia mbola azo iadian-kevitra. Noho izany, ny fampitahorana dia tsy nampiasaina na hampiasaina hampitana ny finoana silamo.

Tanjona ara-drariny, fitaovana ara-drariny ary teny malefaka

Ny finoana silamo dia mikendry ny hahazoana tanjona ara-drariny amin'ny làlana sy fomba ara-drariny. Vokany, tsy eken'ny silamo na oviana na oviana ny famoretana, ny fampijaliana, ny jadona sy ny fampihorohoroana ho toy ny fitaovan'ny silamo.

Ankoatra izany, ny silamo dia mandidy ny hampitana ny finoana silamo amin'ny teny malefaka amin'ny olona mpanao jadona toandri'i Faraona. Asehon'ny CORAN ity teny izay niantefa tamin'i Moizy sy Arona ity:

«Mankanesa any amin'I Faraona: marina fa hikomy tokoa izy. Avy eo mitenena aminy amim-pahamendrehana. Mety mba handinika kely izy na hatahotra ahy va izy?» (Ta-Ha 20:43-44).

Amin'ny fifandraisana amin'ny olon'ny boky indray dia hoy ny voalazan'ny CORAN:

«Ary aza miadihevitra afa tsy amin'ny fomba tsara indrindra amin'ireo olon'ny boky raha tsy hoe tsy marina ny avy amin'izy ireo:

«Inoantsika izay nalefa tamintsika sy nalefa taminareo satria iray ihany ny Andriamanitray sy ny Andriamanitrareo, ary izy no ekentsika» (Al-‛Ankabût 29:46).

Dis: «Ry olon'ny boky, tongava amin'ny teny iombonantsika: tsy hidera afa tsy Andriamanitra anie ianareo, tsy hanambatra azy na amina inona na inona. Ary enga anie ny tsirairay avy amintsika tsy hisy handray Andriamanin-kafa ivelan'Andriamanitra» Avy eo raha manome lamosina izy ireo dia lazao hoe: «Meteza ho vavolombelonay, manaiky izahay» (Al-Imrân 3:64).

Hitanisa andininy hafa azo arahina koa isika rehefa mandrisika ny olona ho amin'ny lala-mahitsy, anisan'ireny ny olon'ny boky:

«Antsoy amim-pahendrena sy fitiavana ho eny an-dalan'ny Tompo ny olona. Ary miresaha aminy amin'ny fomba mendrika. Satria ny Andriamanitra no ilay mahalala kokoa izay mivily amin'ny làlany ary izy koa no mahalala kokoa izay voatantana tsara». (Nahl 16:125).

Misy andininy iray hafa manamara ny fomba malefaka nampiharin'ny Mpaminany tamin'ireo niresaka taminy, toy ny famindrampon'Andriamanitra ary mampatsiahy fa raha masika ny Mpaminany na dia ireo olona akaiky azy handositra.[9]

Nifototra manokana tamin'ny fandresen-dahatra ny olona tamin'ny hatsaran-tarehin'ny finoana silamo ny Mpaminany Mohammed ary naneho ny finoana silamo tamin'ny maha olona azy manokana. Nampiasainy ho toy ny fitaratra hahatongavana amin'io tanjona io ny trano fivavahana. Ohatra, nandray vahiny tao amin'ny trano fivavahana izy. Nihinana sy natory tao ireo olona ireo ka nanana tombondahany tamin'ny fahitana ireo silamo rehefa mivavaka sy mitanisa ny CORAN amin'ny alina.[10] Matetika ny Mpaminany no mamatotra olo-meloka eo amin'ny andrin'ny trano fivavahana; mahazo lesona amin'ny zavatra voalaza tery aloha ao koa ireo olo-meloka ireo, tena mahomby izany lesona izany ary matetika mitarika azy hanaraka ny lala-mahitsy na mahatonga ny fivadihany ho silamo raha paiana ilay olona. Maro noho izany ireo olona voavela heloka sy voatarika. Ohatra amin'ireny I Thoumama ibn Outhal. Io lehilahy io dia mpino Andriamanitra maro izay nandray anjara tamina heloka be vava maro. Voasambotry ny Mpaminany izy avy eo nafatony teo amin'ny andrin'ny trano fivavahana, nanjary tonga silamo sy nahavita be teo amin'izany finoana izany I Thoumama.[11]

Ny fandriampahalemana ho an'ny daholobe sy ny finoana silamo

Raha te-hahatsapa ny lanja omen'ny finoana silamo ny fandriampahalemana isika dia tsy maintsy mahafantatra ny endrika sy ny toetran'ny tolona nataon'ny Mpaminany Mohammed aloha. Raha dinihina tsara izany dia hahatsapa marimarina fa ireo korontana ireo dia fiarovantenany fotsiny ihany.

Ny ady natrehin'ny silamo voalohany indrindra dia ny fifanandrinany tamin'ny Mekoanina tao Badra. Ny tanjon'io ady io dia ny hampahatsiahy amin'ny koraisita ny halebeazan'ny toerana ara-toekaren'I Medina amin'izy ireo; ny hampitsahatra ny fanoheran'izy ireo sy ny hampanekena azy ny fandriampahalemana; hanampy ny silamo hanavotra ny fananany sisa tavela tao La Mecque ihany koa rehefa handositra tany Medina izy ireo. Norobain'ny koraisita ireo fananana ireo ary namidiny tany Siria. Ny nahim-pon'ny silamo tamin'io ady io izany dia ny haka izay tokony ho azy sy hametraka ny fandriampahalemana fa tsy ady velively.

Taorian'ny ady tao Badra dia tonga hatrany Medina ny mekoanina ka niantsy ny ady tao Ouhoud mba hanao valifaty. Midika mazava izany fa hanao ady fiarovantena ny silamo. Ny ady nanaovana lavaka koa dia ady nanaovana fiarovan-tena izay nanaovana adivory manodidina an'I Medina hiarovana ny tanana. Ny tanjon'io ady io dia hanohitra ny mekoanina, tao koa anefa ireo foko tsy mpino teny amin'ny manodidina miampy ireo mekoanina tamin'ny ady nataony.

Saika ny ady ara-miaramila manontolo notarihin'ny Mpaminany dia fiarovantena avokoa na hanosehana ny fivosesiky ny fahavalo hamely ny silamo na hisakanana ny ady tsy hiseho (noho ireo fampahalalam-baovao voarain'ny sampam-pitsikilovana silamo). Ny ady tao Khaïbara, ny tao Moustaliq, ny tany Tabouk sy ny ady mafy samy hafa toy ny tao Badra sy ny adin'ny lavaka dia natao noho ny ady amin'ireo antony efa voalaza ireo.

Nampiseho ezaka tsy manampaharoa mba hampandry fahalemana sy hahazoam-pandresena ny fanafiana an'I La Mecque. Azo tamim-pilaminana ny renivohitr'I La Mecque. Aloha sy tafaran'ny fanafihana dia:

  1. Tsy voaroba ny tanana.
  2. Tsy novonoina na natao sesitany ny mponina tao.
  3. Tsy misy nanao valifaty.
  4. Tsy misy fomba natao tsinontsinona.

Tamin'ny fiafaran'ny korontana dia nisy ny famotsoran-keloka faobe ankoatr'ireo nandany ny fiainany tamin'ny fanoherana mafy ny silamo sy mbola niziriziry tamin'ny lalana nahazatra azy. Maty tamin'ny sabatra izy ireo tamin'ny fanafihana, nandika ny lalànan'ny ady tamin'izany fotoana izany ary nanitsakitsaka ny lalàna efa niaraha-nametraka – raha mampiasa fomba filaza manara-penitra dia azo antsoina hoe «Criminels de guerre» ireo olona ireo. Io fomba nitondrana sy nampiharina tamin'ny vahoakan'i La Mecque io dia naneho endrika tsara izay tokony hampirehareha ny zanak'olombelona manontolo, medalim-boninahitra entiny isanandro.

Amafisin'i Muhammad Hamidullah fa 250 eo ho eo ny paiana maty nandritry ny 10 taona niainan'ny Mpaminany Mohammed tany medina. Nandritra izany fotoana izany dia nanaraka ny fivavahana silamo ny mponin'ny tany rehetra manodidina an'i Arabia (Canan 1998,2/298-301).

Ny fifanarahana tao Houdaïbiyya sy ny fotokevi-pandriampahalemana ao amin'ny CORAN

Mba hahazoana tsara ny hevitry ny fanafihana ao amin'ny CORAN dia ampatsiahivina fa ny ampiasain'ny boky masina io fomba fiteny io rehefa milaza mikasika ny fifanaraham-pandriampahalemana tao Houdaïbiyya ny taona faha 6 teo amin'ny Hezira (628) izy. Nandeha mba hanatanteraka ny fivahiniana masina miaraka tamin'ireo silamo 1500 ny Mpaminany Mohammed. Ny andia-miaramila mekoanina anefanisakana azy ireo tao amin'ny toerana iray akaikin'i La Mecque antsoina hoe Hou daïbiyya mba hilaza amin'izy ireo fa tsy mahazo mamangy ny Ka‛ba izy ireo. Niafara tamin'ny fanaovana fifanaaham-pandriampahalemana ny fifandirana sy ny fifanakalozan-kevitra satria mankatoa fandriampahalemana hatrany ny Mpaminany. Nihevitra izy fa ilaina ny fifampiresahana sy ny fandriampahalemana hoan'ny fahatsapana tsara ny fivavahana silamo. Araka ny heviny, ny fivavahana silamo izay finoana tena marina sy mifanaraka amin'ny natiora ny tena maha olona ny olona dia tsapa amin'ny tena tokony ho toerana misy azy, azo antoka fa tsy hisy na dia iray manampisainana tsara aza tsy handray azy, tsy hanohitra azy na hanisy ratsy azy.

Noho izany antony izany no tsy maintsy hanasoniavana fifanaraham-pandriampahalemana, tsy mainty hanomanana toeram-piantsonana; izany hoe tsy maintsy manjaka ny fandriampahalemana mba hahafahan'ny olona mifandray ara-barotra amin'ny silamo sy hahita ny fomba amam-piainan'ny silamo ka hamantatra akaiky ny finoana silamo. Ny mekoanina kosa dia nametraka olona mivangongo mba hanakanana ny fidiran'ny fandriampahalemana; nanolotra fepetram-pandriampahalemana tsy azo ekena izy ireo. Na dia izany aza dia neken'ny Mpaminany ihany ny sasany tamin'ireny na dia nahasorena ny silamo sasany aza mba hametahana ny fandriampahalemana. Ohatra, tsy hananjo hiditra ao La Mecque ny silamo amin'io taona io ary tsy mahazo mitsidika ny Ka‛ba raha tsy amin'ny taona manaraka kanefa mbola arahina fepetra aza izany; ireo izay nivadika ho silamo na mialokaloka any medina dia tsy maintsy averina any La Mecque ary raha misy silamo avy any medina te hoany La Mecque dia tsy maintsy omem-pahafahana – ireo no fepetra roa sarotra ekena. Na dia izany aza dia nanaiky nanasonia ny fifanarahana ny Mpaminany satria tsy tia ady izy. Ankasitrahiny mandrakariva ny fandriampahalemana ary tsy asiany ahiahy na dia iray segondra monja aza ny fahamarinan'ny finoana silamo. Manahatahaka io fifanaraham-pandriampahalemana io izay ambaran'ny CORAN ho «Fanafiana midedadeda» (al-Fath 48:1).

Famaranana sy fampatsiahivana

Mampalahelo fa ny vodnrona sasany mpanohitra ny silamo izay mihevitra fa ny fandriampahalemana dia tombony hoan'ny finoana silamo dia tsy te hamela ny silamo hiaina am-pilaminana miaraka amin'ny tontolon'ireo tsy silamo. Manao izay zavatra rehetra mba hifandiran'ny silamo amin'ireo manodidina azy izy ireo ary mametraka tontolom-pifandirana zsy ady hatrany. Ankoatra izany, ireo vondrona ireo no mitarika ny (tsy ankijanona ny sain'ny mpitarika silamo izay manome endrika diso ny finoana silamo –noho ny tsy fahafantarana tsara ny fivavahana silamo- na eo amin'ireo manam-pahefan'ny tany silamo sasantsasany izay mampisalasala ny fifandraisany amin'ny fivavahana silamo. Izany no tsy maintsy hitandreman'ny vahoaka manontolo amin'ny maha vatana iray azy raha vao mikasika io lafin-kevitra io; ireo olona voalaza eto ireo dia heverina fotsiny fa hoe silamo, izany no singa fototry ny paikadim-pamitahana sy famotehana an-tsitrapo ny finoana silamo.

 

Prof. Ibrahim Canan – Professeur de Hadith à l’Université de Marmara, Istanbul. Il a traduit en turc plus de 7000 hadiths qu’il a regroupés en dix-huit volumes pour former al-Kutub as-Sitta.

Boky nanovozan-kevitra

  • Belaruzi, Foutouh al-Boudan, Beyrouth, 1987.
  • Canan, Ibrahim, Peygamberimizin Tebliq Metodlari, Istanbul, 1998.
  • An-Wabbini, Yasuf, Al-Fath al-Kabîr.
  • Hamidullah, Muhammad, «Islam Peygamberi, Ankara, Yenisafak 2003, vol. 1, p. 622. nadikan'I Salih Tug. Navoaka voalohany amin'ny maha Muhammad Rasulullah, ivon-toeran'ny kolontaina silamo, Paris.
  • Ibn Abdoulbarr, al-Isti‛ab.
  • Ibn Athir, al-Kâmil Fiarahamonina'Hârîkh.
  • Özdemir, Mehmet, endülüs, Müslümanlara, Ankara, 1994.
  • Toyubec, Arnold, Tarihçi Açisindan Din, Istambul, Kayihan, 1978. navoaka voalohany amin'ny maha «Andriamanitra Historian'sy ny to Religion, London, Oxford, 1956.
  • Turhan, Osman, Türk, Liban Hakimiyeti Taribi, Istambul, 1969.
  • Wagidi, al-Maghâzî, Oxford, 1966.

[1] Fotoana teo alohan'ny nahatongavan'ny finoana silamo.
[2] «Na iza na iza mamono olona tsy meloka tamin'ny vono olona na kolikoly teto an-tany dia toy ny namono ny olon-drehetra» (al-Mâ'ida 5:32).
[3] Ibn Athir, 2/335.
[4] An-Nabahi, 3/144; Ajluni, 2/218.
[5] Tabarani, «Al-Mu‛Jamul-kabîr», 22/57
[6] An-Nahl 16/35, 82; al-Imrâm 3 :20; al-Mâ'ida 5:92, 99 ar-Ra‛d 13:40, Ibrahim 14:5 sy ny sisa.
[7] Na fantatra fa ilazan'ny rehetra ny jiosy sy ny kristianina aza ny «olon'ny boky» dia eken'ny fomba amam-panao silamo amin'ny ankapobeny koa ilazana ireo zoroastrianina, ny bodista.
[8] Az-Zuhayli 1991, 3/20.
[9] Noho ny famindram-po avy amin'Andriamanitra no mahatonga anao handefitra manoloana azy ireo (Mohammed). Fa raha enjana ianao, mafy fo, dia handositra izy ireo. Avelao ny helony ary angatao amin'Andriamanitra ny famelan-keloka ho azy, marina, tia izay mahatoky azy Andriamanitra (al-Imrân 3:159).
[10] Waqîdi 1966, 3/967-65.
[11] Bulhari, al-Maghâzi, 70; Mouslim al-jihâd, 59

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.