Ny Jiady

Ny fivoarana manarapenitry ny teny ho Jiady

Raha te-hanana hevitra marina mikasika ny fitondrantena sy ny asan'ny silamo isika dia tsy maintsy mandray ireo teboka lehie telo ireto: ny voalohany mikasika ny CORAN sy ny SOUNNA izay miantoka ny faha famaritana ny ara-drariny hoan'ny silamo rehetra; ny faharoa dia rafitra nentin-drazana sy kolotoraly izay novelarin'ny silamo teo amin'ny tantarany; ary ny fahatelo miova arakaraky ny faripahalalany sy ny fahaizany mandinika io. Amin'ny ankapobeny dia tsy heverina loatra ny fantina avy amin'ny fivavahana marina, io no vokatry ny fahatsapana voafetra ananan'ireo mpivavaka sy ny fiantraikan'ny lafiny ara-tantara iainany, na ilany koa avy amin'ny fandinihana tsy maharitra sy ny fahalalana tsy ampy izay mitarika fametrahana fitsarana be fahatany fotsiny.

Vao tsy ela akory niaraka tamin'ny adim-pahaleovantena hanoherana ny fanjanahana tany amin'ny 80%n'ireo tany misy ny silamo no mamohazan'ny teny hoe jiady ny herin'ny olombelona izay rendremana tao amin'ny silamo. Mpanao politika sy manampahaizana silamo maro no nahatsapa malaky ny vokatra mety hitranga avy amin'ny hery toy izany no nanambara ny jiady ho zavatra azo ampiasaina hanoherana ny fanjanahan-tany. Tao amin'ny Concase dia i Inde no faritra voazanaka tany Moyen-Orient kanefa niady tamin'ireo izay nonina tao, nampiasaina ho lamim-piarovantena ny jiady ary ho toy ny vala aradrarin'ny ady. Mazava ho avy fa nampiasaina hanoherana ireo hery tandrefana izay hery nanafika izany nierahan'ny famaritana miiba tao amin'ny literatiora arapivavahana sy politika endrika izay tsy maitsy hiadiana. Vokany, niteraka hevi-dravina hanoherana ny jiady tany amin'ny tatsinana ziany rehetra izany, tany izay efa nahitana hevitra mikasika ny siln hevitra izay avy amin'ny fifandraisana ara-tantara.

Rehefa namolavola ny tetikasa islamisma amin'ny naha fihetsiketsehana ara-tsaina sy politika azy ny tarnaka silamo tamin'ny taonjato faha XIX dia nanokatra ny lalana ho amin'ny « ijtihad »[1] tamin'ny fiverenana tamin'ny CORAN sy ny loharanom'pivavahana tsy nisy fiovana. Tamin'ny fanaovana izany izy ireo dia nametraka ny tsindrim-peo teo amin'ny teny hoe jiady sy ny famohazana ny toe-tsainan'ny piady. Tamin'io vanim-potoana io anefa dia nofaritana indray tao amin'ny valam-pamaritana ara-kevitra vaovao izay midika ho fanoherana ny fanjanahantany ny jiady. Nampiasaina tamin'ny fomba mivantana mba hahazoana ny faharisihana ilaina tamin'ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsiansa sy tekinika ny teny hoe jiady nanomboka teo. Niseho indray ny hevitra hafan'ny jiady rehefa napetraka tao amin'ny faritoe-javatra vaovao izy: fanafoanana ny hakamoana sy ny tsy fiasana izay nahazo faka tao amin'ny fiarahamonina hatry ny ela ary ny fanatsidihana fihetsiketsehana noheverina hiteraka dingana ara-tsaina, sosialy sy materialy. Toy ny fahalotoan'ny rano rehefa miandrona izy no tsy hietsehan'ny fiainana ara-tsosialy koa rehefa tratran'ny tsy fihetsehana izy. Natao ho toy ny loharanom-panahy sy hery fototra afaka hitondra fiovana hoan'ny fihetsehana faobe sy hoan'ny fanafoanana ny jiogan'ireo mpanjanaka tranainy ny jiady. Teraka tamin'izany ny tetikasa aratsosialy navitrika nifototra tamin'io hery io.

Na dia teo aza anefa ireo ezaka sy fitandremana tamin'ny asa dia tsy noheverin'ireo oriantalista tandrefana io fivoarana tena nanan-danja izay nifanaraka amin'ny vaninandro anekhitriny sy mampanarapenitra ny hevitry ny hoe jiady io. Heverin'izy ireo ho toy ny lafin-javatra ara-pivavahana manimba ny kolontsaina sy ny fandrosoana ny jiady, zavatra mitovy amin'ny hevitra krsitianina tamin'ny kroazady, izany hoe fampihorohoroana ho toy ny fitaovana hahatongavana amina tanjona politika na fitiavana anjabany hamafisin'ny fivavahana (Peters, 1989).

Ny anjara toeran'ny jiady ao amin'ny terminolojia fototry ny finoana silamo

Ny finoana silamo dia mametraka ny fombam-pinoana hafa toy ny jodaisma sy ny kristianisma ho toy ny hafatra masina izay nambara talohan'ny nisehoany dia manana fomba filazana fototra eo amin'ny tontolon'ny teolojiam-pisiany, fahalalana sy moraly. Ireo fomba filazan-javatra fototra ireo dia mifototra amin'ny finoana silamo ary mifototra amin'ny «tawhid» (finoana ny maha tokana tanteraka an'Andriamanitra); ny «akhira» (fiainana mandrakizay aorian'ny fahafatesana) sy ireo fomba filazana hafa mifamatotra amin'ireo. Na dia tsy anisan'ny andry fototry ny finoana aza ny jiady dia manana ny toerany amin'ireo fomba filan-javatra fototra izay manampy antsika hahatsapa ny endrika manokana sy sosialin'ny finoana silamo. Ny fifanolanana ara-miaramila sy ara-politika naharingotra ny silamo teo amin'ny fifanoherany tamin'ireo tsy silamo teo amin'ny zotran-tantara no nahatonga ny fahasamihafana eo amin'ny lafiny hevi-teny ao amin'ny hevitra hoe jiady, tonga niaraka tamin'ny hevitra hafa koa izany. Azo lazaina eto fa ny nitana anjara toerana goavana ny hetsiky ny tantara sy ny fompitondrana. Ohatra, ny teny hoe «Sadaga» (fanomezana) dia natambatra tamin'ny hoe «tassaddouq» (manome fanomezana) ary samy azo ilazana ny «fanampiana ara-bola an-tsitrapo» na «hetram-panjakana tsy maintsy aloha». ankehitriny kosa dia niova ny hevitr'io teny io ary tys midika afatsy ampaham-bola omena an-tsitrapo ny mahantra sy ny mpangataka.

Toy izany koa ny teny hoa jiady izay niova hevitra ary nadika hatramin'io fotoana io ho ady entin'ny manokana amin'ny finoana ary ireo voambolkana ara-miaramila sy fanafihana tany vokatr'izany no nanova ny heviny hatrany ampiandohana izay hita ao amin'ny loharanon'ny fivavahana sy ny fatsapan'ireo silamo voalohany azy. Raha ny tena marina anefa dia manana hevitra malalaka izay mahasahana hevitra hafa sy dikany hafa koa ny jiady toy ny teny hoe «injâq» (manao fanomezana ireo fananany). Ny teny hoe 'injâq » dia mahasahana ireto hevitra rehetra ireto: «sadaqa» (fanampiana ara-bola tsy maintsy atao na an-tsitrapo, izany hoe fanomezana), «Zakât» (hetra) na/sy «tassaddouq» izay tsy maintsy efain'ny silamo manomboka amin'ny fananany volamena, vola fotsy, entam-arotra, biby fiompy, harena hakibon'ny tany, vokatry ny tany, …), ny al-'ohr izay miditra ao amin'ny tontolon'ny «Zakât» (Hetra 1/30, 1/10n'ny lanjan'ny vokatry ny tany), «kharâdj» (hetra alaina amin'ireo izay mamboly ny tanim-panjakana), alkhoms (hetra 1/5n'ny mineraly azo avy amin'ny vy).

Ireo teny rehetra ireo sy ireo hafa mitovy aminy izay mifamatotra amin'ny hetram-panjakana dia tafiditra ao amin'ny tontolon'ny «injâq». izy tsirairay avy dia manana hevitra manokana izay mifanaraka amin'ny seha-pamokarana, ny indostria, ny varotra na ny fambolena. Raha raisina amin'ny heviny manokana ny jiady dia tsikaritra fa ao amin'ny ny teny sasany toy ny hoe «qitâl» (ady), «mouharaba» (ady atrehina), «isyân» (fikomiana) sy «djidâl» (fifandirana). Ankoatra izany dia manankarena ny dikanteny arabo mba hilazana ireo asa tsirairay avy sy ireo toetra amin'ny alalan'ny teny samy hafa. Ny «quitâl» dia midika hoe ny ady amin'ny maha ady azy manokana, ady ara-batana, ny «mouharaba» kosa dia manakaikikaiky ny ady ifanandrinan'ny vondrona roa. Raha midika fotsiny ho «famonoana» sy ady ny «jiady», dia tsy nisy antony tokony ho nampiasana ny teny toy ny hoe «qitâl» na «mouharaba» tao amin'ny CORAN.

Ny valam-pamaritana

Raha tiana ho faritana amin'ny fifotorana amin'ny rafitry ny tena dikany marina ny jiady dia izao no azo lazaina: «Ny jiady dia hery foronina mba hanalana ireo vato misakana izay mampisaraka an'Andriamanitra sy ny olombelona».

Amin'io famaritana io, teny hoe olombelona, Andriamanitra sy vato misakana dia samy teny fototra. Ao amin'ny fanadihadiana farany, ny olombelona dia nidika ho ny tsirairay. Izy dia vokatry ny finoany sy ny manodidina azy arakolotsaina sy tantara. Raha tena irina marina anefa dia afaka miala amin'ny ziogan'ny finoan-diso, amin'ny tantara sy nyt ontolo manodidina, ary mitsahatra mba hivezivezy atsy sy eroa toy ny ravina entin-drivotry ny faritoe-javatra. Ny finoana silamo no fivavahana farany nambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Mpaminany Mohammed. Amin'ny vato misakana indray, izy ireo dia maro sy isankarazany ary mahakasika ny fiaretana manokana mihatra amin'ny fahafahana ara-pivavahana sy aratsaina ihany koa, na koa ny fangejana ara-politika sy ny tsy fanampiana ara-tsosialy.

Vokany, azo atao ny manambara halebeazana roa fototry ny jiady (teny avy amin'ny fakanteny hoe «jahd» midika hoe ezaka na tolona) ny voalohany mahakasika ny ezaka ara-moraly sy ara-panahy izay tsy maintsy foronina mba ahafahana manafoana ny fetra sy ny vato misakana izy vy ao anaty lalin'ny tsirairay sy ny tena maha izy azy marina, ny faharoa kosa dia ny fitambaran'ny asa rehetra izay tsy maintsy hidirana mba hampisy ny tontolo ara-batana sy ara-tsosialy izay azo hampitana (tabligh) sy hampiharana tsy misy teritery ny fivavahana. Tsy maintsy manao ny ezaka faran'izay tratrany ny tsirairay amin'ireo lafiny roa ireo mba hanafahana ny olombelona amin'ny tontolo ivelany sy anatiny.

Ny «Islam» izay tanjon'ny fiainana ara-pivavahana sy ny asan'ny tsirairay dia midika hoe –ankoatry ny sehatra misy azy ao amin'ny teolojia sy ny lalàna- fanekena an'Andriamanitra, fandriampahalemana, famonjena, filaminana sy hatsarana. Ireo fotokevitra ireo no mpizara iombonan'ny fivavahana manontolo. Ary rehefa miteny mikasika an'I Abrahama ho toy ny razam-be iombonan'ireo finoana mino Andriamanitra tokana 3 ny CORAN dia milaza azy hoe «Musulman». Miantso azy hoe «Musulman»[2], izany hoe izy dia Mpaminany manaiky an'Andriamanitra ary nampianatra ny fahatoniana ara-panahy ao amin'ny tontolo anatin'ny olombelona, sy ny fandriampahalemana ao amin'ny tontolo ivelany. Izy no Mpaminany naneho ny fitaovana hampidirana fiainana ara-tsosialy hanjakan'ny fandriampahalemana. Mitaky ny fiainana ao amin'ny «silm» ny fanekena an'Andriamanitra. Ny silm dia midika hoe miaina ampilaminana miaraka amin'Andriamanitra sy ny voary, ny hafa sy ny tena manokana.

Mampianatra antsika koa ny CORAN fa «tokana sady iray» ny fivavahana marina ary tsy ahitana fahasamihafana afatsy ao amin'ny fitsipika faharoa sy fahatelon'ny lanjan'ny lalam-pivavahana. Ireo fahasamihafana ireo dia mipetraka arakarakiny faritoe-javatra ara-tantara, eo anatrehan'ny fotokevitra tsy miofon'ny fivavahana. Io dia mifanaraka amin'ny hoe ao amin'ny fakan'ny fanekena an'Andriamanitra no mifototra ny fitambaram-pisiana, ny olombelona sy ny tantara. Noho izany, ao amin'ny hafatry ny Mpaminany rehetra sy ny hiraka manontolo, avy any amboalohany ka hatramin'ny farany dia ahitana fiovana mitohy amin'ny lafin-javatra tsy dia manao ahoana -fa io fiovana io anefa tsy mikasika na oviana na oviana ny votoatin-kafatra ary mikasika mandrakariva ny antsipirihan-javatra.

Ny hoe avy amin'ny faka iray ny «djihâd» sy ny «ijihâd» dia midika fa iray fianakaviana izy. Ny Ijtihâd dia midika fa ny olona iray mpino, ara-panahy sy ara-tsaina sy afaka ara-tsiansa dia manao ezaka mafy mba hanatsoaka fitsarana miainga avy amin'ny andininy ao amin'ny CORAN sy ny SONA. Ny «jahd» izay avy amin'ny loharano ara-drariny sy azo antoka (asl, izany hoe ny CORAN sy ny SONA) sy ny fomba sasany (oussoul) –dia manamarika hezaka tsy miova ara-tsaina sy ara-tsiansa. Ny hoe «moudjâhada» izay avy amin'ny faka mitovy koa idnray, io teny io dia nifanaraka amin'ny ezaka ataon'ny tsirairay manokana miohatra eo amin'ny maha izy azy samy irery mikatsaka fanadiovana ara-moraly sy fahamatorana ara-panahy («moudjâhada» miaraka amin'ny izaho ara-nofo). Raha ekentsika ho halebeazana ara-tsaina sy fomba fiasa ary indrindra eo amin'ny lalàna (fiqh na lalana islamika) ny «jtihâd» dia azontsika heverina ho fomba fiasa Sofisana koa ny moudjâhada. Ny harena etimolojikan'ny teny hoe jiady dia mampiseho mazava ny harenan'ny olombelona izay hisehoan'ny traikefantsika. Tsy misy hiamahambana fa tsy natao hoan'ny ady ihany ny fiainana. Matetika dia tsy maintsy atao ao antsaina fa ny herin'ny fahatezerana sy ny faniriana izay ananantsika dia mety hampivily lalana antsika mankany amin'ny tsy ara-drariny; tsy maintsy malina isika hiatrika ny toe-javatra toy izany. Ny zavadehie dia ny miamina ireo hery roa ireo amin'ny alalan'ny feon'ny fiheritreretana, ny herim-panahy io izay hazavain'ny fahazavan'Andriamanitra ao am-po amin'ny fomba hitarihany ny hery rehetra mankany amin'ny tanjona ara-drariny sy misy tombontsoa. Io no ady lehibe sy «moudjâhada».

Ny fahalebeazana fototry ny jiady izay mahakasika ny fiainana anatin'ny olona dia maneho ny ady hifanandrinana amin'ny nahim-po sy ny faniriana avy amin'ny «haj» (ny izaho ara-nofo). Ny «naf» dia teny manan-danja ao amin'ny literatiora silamo izay midika hoe «haterin'ny haizina» nyf akany, izany hoe ny fitiavana hoan'ny tontolo ara-materialy sy ny fifantohantsika mafy amin'ny endrika maha tany ny fisiantsika. Ny fanamelohantena, ny fitiavan-tena, ny fiharetana, ny fiankinan-doha amin'ny fanirian'ny nofo, ny fanenjehana hafinaretana ara-materialy, ny finakohafana amin'ny tontolo sy ny fitiavana ny soa toavina ara-batana no toetra fototry ny «naf».

Manana toetra roa ny olombelona, ny iray ao anatin'ny iray. Manana toetra mifototra sy mifantoka amin'ny tany izy ary manana toetra ara-panahy (fofonain'Andriamanitra). Ny iray mitoetra ao am-po ary ny iray mitoetra ao amin'ny fanriiana ara-nofo sy ny fiaretana (ny nafs ao amintsika). Ny tanjom-pahriana ny olombelona dia ny hametraka ny ara-panahy ho ambonin'ny toetra ara-paterialy. Ny fahafahana azo avy amin'ny «jahd» sy ny «moudjâhada» dia ny fahazoana fahefana hifehy tsara ny toetrantsika mifantoka amin'ny tany sy fitehirizana io fahefana io. Novolavolain'Andriamanitra tamin'ny tanany ny olombelona tao amin'ny toetra sy endrika tonga lafatra.[3] Nomeny ho antsika ny fofon'Andriamanitra iny, nampianariny antsika ny anarana (izany hoe ny fahafantarana izay misy rehetra) ary nasehony antsika ny lalan-tsara tamin'ny alalan'ireo mpitondra ny hafany. Ny tanjon'ny fahariana dia mba ho isika no tsara indrindra amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ny fomba ahatongavana amin'izany ny ny vokany dia ny fiovana ho «al-insân al-Kâmil», izany hoe olombelona tonga lafatra sy matotra izay manana ny dingam-pahamatorana ambony indrindra ara-moraly sy ara-panahy. Miantso izany ao amin'Andriamanitra sy ao am-Paradisa izay fonenany voalohany ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona; mikasika ny toetra mifantoka amin'ny tany izay toe-pisian'ny olombelona indray dia antsoina ao amin'ny tontolo sy ny tany vokatry ny hazom-pisiana ny olombelona –voary tonga lafatra indrindra- afaka miady amin'ny ratsy izay atosiky ny «nafs» ao aminy izy ary manatanteraka ny tanjompisiany raha tena iriny izany amin'ny alalan'ny fanomezan-dalana, ny fanampiana sy ny herin'Andriamanitra. «moudjâhada» no anarana hafa entin'io ady io, izany hoe «jiady».

Tsikaritry ny silamo ho toy ny jiady lehibe indrindra io ezaka lehibe ataony ara-panahy io. Araka izay voalaza rehefa niverina avy tany amin'ny adin'I Badra dia hoy ny Mpaminany tamin'ireo namany mpandresy: «Niverina avy tamin'ny jiady kely ianareo izao hoany amin'ny jiady lehibe». Rehefa nanontany azy izy ireo hoe: «Inona ny jiady lehibe?» dia hoy ny navaliny: «Io no jiady hiadiana amin'ny «nafs»[4]. Araka ny fitantarana iray hafa dia hoy izy: «Ny tena mojahidina marina dia ireo izay miady amin'ny «nafs» ao aminy».[5]

Io halebeazana anaty ao amin'ny jiady no zavadehibe indrindra satria ny olona tsy manohitra ny ratsy ao amin'ny toetrany sy ireo izay tsy mahomby amin'ny fanesorana ireo vato misakana mifafy eny andalam-pahamatorana ara moraly sy ara-panahy dia tsy afaka hanao ezaka mamokatra ao amin'ny tontolo ivelany mba hitarika hankamin'ny lala-mahitsy. Amin'io lafiny io ny jiady dia midika ho ny ezaka ambony indrindra izay foronin'ny tsirairay ao amin'ny lalam-pidiovana ara-panahy, ny fifehezana ny «nafs» ao aminy sy ny fifehezan-tena mba hahazoana fahamarinana ara-moraly. Satria io tolona io no sarotra indrindra ka izay no hiheverana ny jiady hiadiana amin'ny «nafs» ho jiady lehibe.

Ny lalana, ny ady sy ny jiady

Raha eo amin'ny halebeazana ivelany ao amin'ny jiady indray dia misy fomba fijery ananan'ny silamo iay manamasina ny ady ao amin'ny tanjona hanerena ireo mpiandany amin'ny fivavahan-kafa hivadika, ho silamo, na jiady niditan'ny politika ka mampiasa hery ny mpanatanteraka azy, miampy fampihorohoroana mba hahatongavany an tanjon'izy ireo, amin'ny filazana ho fakana ny maha ara-drariny ny asany avy ao amin'ny finoana silamo. Ny haino aman-jery tandrefana dia tonga hatramin'ny fampisehoana herisetra sy ny fampihorohoroana atao mba hitanjovana lafin-javatra ara-politika nadio rano ho toy ny ohatra amin'ny «jiady islamika» manarapenitra.

Eto «ny fomba tsara indrindra mba hialana amin'ny fampifangaroana dia manavaka tsara ny ady araka izay voalazantsika tery aloha, ny iray amin'ireo vaovao malaza amin'ny laalana manankery iraisam-pirenena mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena (raha atao amin'ny teny hafa dia ny ady amin'ny maha ady azy), sy ny jiady izay nanana dikany malalaka kokoa sy mahazo kokoa noho ny an'ny ady. Vokany, tsy ampisalasalana fa ny iray ihany amin'ny ireo dikan'ny jiady no ady. Raha tantaraina rieo asa efatra mahazatran'ny fanjakana dia manaiky ny hidiran'ny jiady ho anisan'ireo mpahay lalana hanefita (izany hoe anisan'ireo sekolin-dalana silamo lehibe idnrindra). Araka ny hevitr'izy ireo, ny andraikitra lehibe efatry ny fanjakana dia: ny fiandrianana sy ny fanehoana fifehezana (ny fitantanana ny fivavahana amin'ny zoma), ny fanangonana ny hetra sy ny fandaniana azy ireo amin'ny asa iombonana sy tsy azo zarazaraina (fay'), ny fiarovana ny fandriampahalemana anatiny sy ny fahaleovantenan'ny sampan'asa ara-pitsarana (ny fampiharana ny didim-pamaizana islamika), ary ny fiarovana ny firenena (fanononana ny jiady). Nihevitra ireo mpahay lalana hanefista fa ny fiarovam-pirenena amin'ny alalan'ny jiady dia fahefam-panjakana. Tsy midika ho ady tsy misy fitsaharany izany, toy ny zava-misy tany amin'ny marksisma na ny nazisma izay nifototra tamin'ny «ady» mandrapanaikan'izao tontolo izao ny fahambonian'ny firazanana iray ny hevitra. Ny mifanohitra amin'izany, manaporofo io fahefam-panjakana io fa tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny lalana ny lafin-jaatra manontolo. Ny filazana fa io andraikitra io dia tsy maintsy an'ny fanjakana dia manipika fa ny fahefana hamaky ady amin'ny firenena iray sy ny fidirana ao amin'ny jiady dia maintsy eo apelatanan'ny fahefana tokana sy ara-drarina. Ny olona tsirairay, ny vondrona politika dia tsy nahazo mamaky ady, na inona antony na inona, ka antoiny hoe jiady.

Na dia efa voafaritry ny lalana aza io toe-javatra mazava io dia mbola faritan'I Hanse Kruse ho «ady mitohy eo amin'ny firahamonina silamo sy tsy silamo» ny jiady. Tsy fantatra raha tonga tamin'io famaranana iot amin'ny fandinihana ohatra teo amin'ny tantara izy na nifototra teo amin'ireo loharano fototry ny fivavahana. Na dia izany aza, rehefa jerena ireo loharano azo antoky ny fivavahana dia tsy nahitana jiady mitohy na dia iray aza izay manana ny dikan'ny jiady ho ady (qibâl); izany no tsy mahatonga azy io ho zavatra tsy maintsy atao (fardh) hoan'ny silamo. Tsy maintsy arovana ny sisitanin'ny firenena silamo iray amin'ny alalan'ny tafika, tafika ara-dalana, tafi-panjakana. Ireo mpahay lalana silamo voalohany tamin'ireo nanan'ny Mpaminany toandr'I Abdullah ibn 'Omar, 'Amr ibn Dinar sy Soufyane ath-Thawmi dia samy nanaiky io hevitra io. Araka ny voalazan'ireo mpahay lalana sy manampahaizana ireo, raha tsy tandindomin-doza ny sisin-tany silamo dia tsy hoe tsy maintsy atao ny ady. (Abu Duleyman, 1985, p. 24).

Hita ao amin'ny ady ara-panahy ny fifamatorana eo amin'ny jiady sy ny ady amin'ny fiandrasana ny valisoa avy amin'Andriamanitra. Ny olona mandray najara amin'ny fomba toy izany dia mandraya anjara amin'ny ady izay marina sy ara-drariny ny antony, amin'ny fanamasinany ny fiainany hoan'ny fahafahana sy ny fahleovantenan'ny olombelona satria sitrak'Andriamanitra izany asa izany. Na iza na iza maty tamin'ny fiarovana ny finoany, ny voninahiny sy ny fananany, ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina dia heverina ho maritiora ny fiainany (hahîd). Tsy toy ny fiheveran'I Joseph Schat, oriantalista azy ny jiady, «ady masina izay miha lehibe «Dâr al-Islâm» (fampihorohoroana silamo) amin'ny fanapotehana ny «Dâr al-Harb» (fampihororohoroana tsy silamo) ary miha lehibe izany sy mitohy hatramin'ny fiovan'izao tontolo izao ho silamo sy hiditra ao amin'ny fahefan'ny silamo» (Schat 1997, p. 139). Ampahatsiahivina fa nya dy masina dia teny hevitra tandrefana tanteraka tahaka ireo any amin'ny sehatra maro hafa fa tsy omena ny tena dikany marina ny jiady sy ny toerany eo amin'ny finoana silamo, ireo ara-tsaina tandrefana sasany dia manandrana manasokajy ny jiady araka izay tiany manokana sy ny fametrahany azy ary miafara tamin'ny fandikany azy ho ady masina. Ankoatra izany dia afangaron'I Schact ny ady masina sy ny ady ara-miaramila izay miteraka fifandirana eo amin'ny fanjakana samy fanjakana. Araka izay efa voalaza teo aloha dia avy any ivelany ny hevitra hoe «ady masina» amin'ny fomba fahazoany azy ara-politika sy miaramila ny silamo. Ny ady dia tsy zavatra faniry, dia endrika hafa isehoan'ny politika. Amin'io lafiny io ny jiady dia andraikitry ny fanjakana ihany, izany hoe ny fahefam-ahoaka ara-dalana sy ara-drariny. Ny tanjon'ny ady toy izany dia ny hahazo vokatra maro sy mahazo fankasitrahana ary io ady io dia tsy mahazo mihoatra ny fefin'ny ara-drariny. Hoy I Mevlâna Djalâleddin: «Ny ady dia tsy maitnsy atao mba hanesorana ny sabatra eny an-tanan'ny mpano jadona» Ary ny finoana silamo dia tsy mampiasa na oviana na oviana ny teny hoe masina mba hanafiana toetra ny ady. Ny mifanohitra amin'izany, milaza ny CORAN fa ratsy mandrakariva amin'ny olombelona ny ady (al-Baqara 2:216) ary manome azy fitsipika misy tombontsoa amin'ny vokany farany.

Tsy manankeritreritra ny hanao ho silamo izao tontolo izao ny silamo. Milaza mazava ny CORAN fa «tsy hino avokoa ny olon-drehetra (toy ny silamo)». (Youssouf 12:106). Tsy mety hahita ny lala-mahitsy sy hahazo ny famonjena (hidâya) ny olona raha tsy amin'ny sitrapon'Andriamanitra (machîa) sy ny fitarihany. Na dia zava-dehibe aza ny ezaky ny tsirairay ary tena ilaina dia mijanona ho zava-dehibe ambony amin'Andriamanitra ny finoana. Midika izany fa tsy azo sainina ny fanerena ny tsirairay ho voatarika sy hiditra ao amin'ny finoana. Miteny amin'ny Mpaminany ny CORAN, ary amin'ny alalany no itenenany amin'ny silamo manontolo amin'ny fomba toy izao: «'Ampahatsiahivo! Mpampatsiahy ihany ianao fa tsy mpandidy azy ireo» (al-Ghâchiyya 88:21-22). Ny foto-kevitra manan-danja amin'ny fivavahana silamo dia: «Tsy misy faneriterena amin'ny fivavahana» (al-Baqara 2:256).

Ny mifanohitra amin'izany tokoa, ny iray amin'ireo antony maha ara-drariny ny ady dia ny fametrahana sy famerenana ny fahafahana eo amin'ny fivavahana sy ny fisainana ary ny fanafoanana ny vato misakana eo amin'ny feon'ny fiheritreretan'ny olombelona sy Andriamanitra. Raha manana andraikitra sahanina amin'io tontolo io isika amin'ny maha olombelona dia tsara ny famongorana ireo vato misakana ireo. Ao amin'ny fanjakana iray izay miantoka ny fahalalahan'ny fivavahana sy ny fiheritreretana amin'ny alalan'ny lalana sy ny lalam-panorenana, ao amin'ny faritry ny fahambonian'ny lalana dia tsy hisy tery setra ampiharina amin'ny olona mba hisafidy fivavahana izatsy na izaroa. Tsy manda ny fahalalana ara-pivavahana, ny fisainana sy ny fitenenana fotsiny ny fitondrana jadona fa miterana tsy fahamarinana sy fahapotehana ara-moraly ihany koa.

Ny ady hoan'ny fahafahana sy ny fahamarinana manohitra ny fitondrana jadona no tanjona ara-moraly ilain'ny jiady. Hamarinin'ny Mpaminany ny tanjona ara-drarin'ny politika anatiny: «Ny jiady lehibe indrindra dia mifototra amin'ny fanambarana tenim-pahamarinana sy ara-drariny manoloana ny mpitondra jadona»[6]. Ny fiantohana ny fahalalahana ara-pinoana sy ara-pisainana, ny zo hiaina araka izay tiana sy ny fametrahana ny fahamarinana hoan'izay rehetra tsy natao ho tombotsoan'ny silamo fotsiny. Raha ara-potokevitra, ny fisian'ny fivavahana mihoatra ny iray, izany hoe fisian'ny finoana maro, fomba fiaina sy fisainana dia mamaritra ny faritra fototry ny fahamaroana. Tsy nirian'Andriamanitra ho mitovy tanteraka ny olombelona, tahaka izay nivoahany tao amin'ny lasita mitovy. Be tokoa ny fahasamihafana ara-boajanahary mba ahafahana manavaka izay tsara amin'ny fiarahamonin'ny olombelona. Tsy ampiambahambana no isian'ny adihevita ara-teopmpjioa sy epistemolojia eo amin'ireo vondrona ara-pivavahana rieo. Tsy tokony ho antony mahatonga ny ady anefa izany na fifanoherana. Andriamanitra no tompon'ny fitsarana farany mikasika ny fifandirana eo amin'ny olona sy ny fiarahamonina. Ny nahatonga antsika eto antany dia ny hifaninana amin'ny hafa mba hitanjona ny tsara sy ny marina (khaïr).

Ny olombelona anefa dia sady manana ny fahamarinana andaniny no manana ny fitiavantena, ny faniriana, mpanjakazaka sy mpanimba andaniny. Tsy manaraka mandrakariva ny fotokevitra moraly izy ary manimbazimba ny zon'ny hafa. ny antony toy ireo ihany no mety hiteraka ny ady ara-drariny sy marina. Ankoatra izany, ady hiarovan-tena ary ady entina hanohitra ireo izay mitady hanao ratsy, aza atao koa ny mamaky ady mba hametrahana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ara-pisainana ary ny lalàna fototra rehetra sy ny fahafahana. Zavatra tena iriana tokoa ny tontolo tsy misy ady sy fandrahonana,t anjona mamirapiratra. Na dia izany aza dia manambara amintsika ny tantara sy ny fiainana an-davanandro fa lavitra antsika io idealy io. Tsy maintsy miaina miaraka amin'io fandrahonana tsy ankijanona io isika noho izany. Satria tsara ny mametraka ny ady amin'ny fototra ara-moraly sy marina. Eken'ny finoana silamo ny trangan'ny ady, tsy hoe adidy fototra tsy maintsy atao fa toy ny zavatra miseho tsy ampoizina sy tsy azo ialana.

Manamara ny CORAN fa fametrahana ny fahalalahana ra-pivavahana sy ara-pisainana izany ary fiarovana ny tranom-piangonana:

«(…) ireo izay nesorina tao amin'ny toeram-ponenany, manohitra ny fahamarinana reheta satria izy niteny fotsiny hoe: «Andriamanitra no tomponay». Raha tsy manilika ny olona iray amin'ny alalan'ny hafa Andriamanitra dia ho potika ny toeram-ponenana, toy izany koa ny eglizy, ny sinagoga sy moske izay anononana matetika ny anaran'Andriamanitra. Manohana ireo izay manohana tojkoa Andriamanitra» (ny fivavahany) (al-Hajj 22:40).

Ny teny hoe «def'» (manosika) ao amin'io andininy io dia avy amin'ny fakan-teny hoe «d-j'Andriamanitra izay ady no heviny iray. Tsy azo apetraka amin'ny maha ady ny ady fotsiny anefa ny dikany (mouqâtala). Ny teny hoe «def'» dia midka aloha hoe «miala amin'ny», maharay ny hevitry ny hoe miharitra ny endripamoretana politika sy ideolojika koa izy. Maro koa ireo endrika fihetsiketsehana mitondra ny hevitry ny hoe «def'»: ny filatsahana ao amin'ny tolona politika sy ara-drariny mba hiantohana ny fahalalahan'ny fivavahana sy ny fisainana, ny ady hanoherana ny fangejana iainan'ny olona, ny ezaka ara-tsaina amin'izany lalana izany, ny fivelaran'ny fahatsapan'ny sivily, ny fanomanana fivoriana hiadin-kevitra mikasika io toe-javatra io ary ny fandraisana anjara amina fihetsiketsehana amin'ny maha mpihaino na mpandray anjara. Ahoana ny fivavahana iray ziay miantso amin'ny asa hanafahana ny olombelona, anisan'izany ireo tsy silamo, amin'ny fangejana no ho antony ara-drariny ny fivoan'ny olona anterisetra ho silamo na ny herisetra na ny fampihorohoroana atoa amin'ny tsy manantsiny?azontsika atao ny mandray ohatra nosintonina avy ao amin'ny tantara mba hanehoana fa ny silamo dia mitsinjo ny zon'nyhafa. Tamin'ny fiafaran'ny ady mahatsiravina nifanandrinanana tamin'ny Mongola, tamin'ny fifampiraharahana dia nitaky ny fanafahana ireo voasambotra tsy silamo koa ny vahoaka silamo. Zavatra tsy mahazatra ity toe-javatra izay nangatahin'I Krthn chah mpitaritafika Mongola tamin'I Ibn Taymiyya, solontena sy mpitarika ny fifampiraharahana silamo ity: «Ahoana ary! Te hilaza va ianareo fa hitohy amin'ny ady raha tsy afahanay ireo jiosy sy kristianina voasambotra?». Araka ny voalazan'I Ibn Taymiyya, mba hiantohana ny famoahana ireo tsy silamo nanaovan'ny silamo fifanarahana dia tsy maintsy niady ny silamo –ary jiady hoan'ny fitiavan'Andriamanitra izany.[7]

«Taorian'ny fahalasanan'ny volana masina, vonoy ny mpampitambatra any amin'izay ahitanareo azy. Sambory izy ireoary enjeho amin'izay alehany rehetra ka afatory. Rehefa mifona izy, tanteraho ny «Salat» ary alaivo ny Zakat dia avelao izy ho afaka satria Andriamanitra dia Mpamela heloka sy Mpamindra fo» (at-Tawba 9:5).

Io andininy io araka ny hamarinin'ny andininy 4 amin'io Sorata io mazava tsara dia mifandraika amin'ny toe-javatra ahitana fifanarahana tsy tanteraka, ahitana fifampidinihana ra-diplomatika tsy mahomby ary mety hiseyho ny ady amin'izany. Fanampiny dia milaza toy izao ny andininy faha 4:

«Ankoatra ireo mpampikambana izay nahavitanareo fifanarahana, ka tsy nivadika tamin'izany izy ireo ary tsy nanolana na iza na iza niady taminareo: hajao fatratra ny dina nifametrahana tamin'izy ireo araka izay ilaina. Tian'Andriamanitra ny mpino» (at-Tawba 9:4).

Ao amin'ny andininy faha 6 dia nomena ny baiko fa ny paiana izay mangataka fialofana na fiarovana dia esorina amin'ny ady. Raha atao amin'ny teny hafa dia ampiharina ihany amin'ny fotoanan'ny ady ireo andininy ireo.

Eto dia tsy maintsy faritana mazava tsara eo amin'ny fomba fijery amin'ny teorian'ny ady sy ny fivavahana hoe inona no tena antony ifotoran'ny ady. Araka izay efa nolazaina tery amboalohany, ny ady dia endrika ady miaramila izay avy amin'ny tsy fitoviana ara-politika sy ny fifandirana; manana anton'ny hafa izy amin'io. Faritan'ny jeneraly Clausewiz hoe «fitohizan'ny politika amin'ny fomba hafa ny ady». Fomba fiasa azo trandrahina mba hampanekena tanjona politika amin'ny alalan'ny fampiasana herisetra ny ady. Araka ny voalazan'ny ankamaroan'ny mpahay lalana silamo (joumbour), amin'ny finoana silamo dia fanafihan'ny fahavalo ny silamo sy ny zaratanin'ny silamo no antony mahatonga ny ady[8]. Voafaritra ao amin'ity andininy manaraka ity ny antony nanosika hanao ny ady:

«Miadia amin'izay miady aminareo, ataovy amin'ny lalan'Andriamanitra, ary aza mandika ny lalana. Marina, tsy tia ny mpandika lalana Andriamanitra!» (al-Baqara 2:190).

Amin'ny teny hafa, ny anton'ny ady dia tsy hoe hanova ny tsy silamo ho silamo. Raha izany no zava-misy dia tsy maintsy iadivana sy vonoina ny tsy silamo rehetra, tsy misy ankanavaka fa ny lehilahy sy ny vehivavy, ny zaza sy ny lehibe, ny relijiozy sy ny sivily; mihoatra ny vala anefa izany rehetra izany, arak'io andininy io. Ny zavamisy kosa dia, na amin'ny andron'ny ady aza izay ifanonerana amin'ny fahavalo dia tsy mahazo mamono vehivavy, zaza, antitra sy manankilema, relijiozy sy sivily izay tsy mandray anjara amin'ny ady ny silamo na inona antony na inona.na dia tsy manaiky ny fitsipika moraly aza ny fahaalo sy ny fitsipika ara-dalana ankapobeny dia tsy manaiky ny fampiharana ny maso solon'ny maso ny lalana silamo. Ohatra, na dia nisy silamo natao ankeriny aza tamin'ny fotoanan'ny ady dia tsy midika izany fa ny miaramila silamo dia hanolana ny vehivavin'ny fahavalo koa (Abou Zahra 1976, 42).

Ny fanolanana akoa dia heloka be vava hoan'ny silamo nanomboka tamin'ny fanambarana ny CORAN ny taonjato faha VII. Tany amin'ny tany maoderina anefa dia efa taty amin'ny taona 2001io vao noraisina ho heloka be vava. Ny taona 1994., folo taona taorian'ny nanaovan'ny miaramila Serba ankeriny vehivavy sy tanora vavy silamo 5000 teo ho eo dia miaramila serba 3 no voaheloky ny fitsaran'I La Haye. Taorian'io fitsarana io vao nandray ny fanaovana ankeriny ataon'ny miaramila amin'ny vehviavy ho heloka ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Efa anjato taonany no namaritan'ny Mpaminany mazava tsara io fitsipiky ny ady io talohan'io toe-javatra io ary ny silamo dia nandray ny baiko hanaja izany (Mba hahitana ny antipirihany, hereo ny Yaman 1998, p. 57).

Ny lalana fototra sy ny fitsipika ara-dalana napetraka mikasika ny fampihorohoroana (izay mifototra amin'ny famonoana tsy manantsiny ary dia heloka manohitra ny maha olona) ho mitovy amin'izany?

Raha mijery akaiky ao araka ny finoana silamo dia tsy maintsy apetraka ny fototry ny fifandraisan'ny fivavahana samy fivavahana, tsy maintsy apetraka eo amin'ny fifanajana sy ny fanekena ny maha masina ny fivavahana hafa, ny fombafombany manokana amin'ny finoana sy ny zony hivavaka. Io fotokevitra fifanajana io –ihtirâm) dia mandrisika ny fivavahana hifaninana ao amin'ny tsara (khaïr)».

Ny khaïr dia hevitra izay lalina sy malalaka ny heviny. Mitondra ny soatovina tena manandanja toy nyhatsaram-po, ny hatsaran-tarehy, ny moraly sy ny fahintsiana izy. Miantsoa ny fametrahana ny fifampidinihana izy, ny fiarahamiasa, ny fifanampiana, ny fifandeferana sy ny ezaka atao mba hanatrarana io tanjona io. Ny toerana misy antsika amin'izao fotoana izao dia mametraka ho tsy maintsy ny fahatsapantsika ny andraikitra manoloana ny olana iombonana sy miaraka amin'ny fiarahamiasa mahafinaritra fa tsy fifandirana eo amin'ny samy fivavahana.

Ali Bulaç – chroniquer pour le journal Zaman; sociologue et théologien qui a écrit plus de trente livres sur l'Islam et le monde islamique.


[1] I jtihad: (arabakiteny: ezaka mafy) fampiasana ny saina mba hahitana fitsarana mifanaraka amina fanontaniana tsy hita mivantana ao amin'ny CORAN.
[2] «Musulman» avy amin'ny faka mitovy amin'ny «Islam»: «s-l-m» izay midika hoe fanekena sy fandriampahalemana.
[3] Hoy Andriamanitra taminy: «Ry Ibis, iza no nanakana anao tsy hianoka eo anoloan'izay namboariko?» (Sad 38:75). Ambonin'izay nataon'olombelona Andriamanitra. Ny teny arabo hoe «yad» ampiasaina ao amin'io andininy io dia maneho ny maha zava-dehibe ny olombelona. Araka ny voalazan'ny mpandinika maro izany dia noho ny fahamboniany noho ny voary tontolo.
[4] 'Ajlouni, Kachf al-Khafâ, 1/45.
[5] Tirmidhi, Fadhâ'il al-Jihâd, 2.
[6] Abou Dawoud, al-Malâhim, 17.
[7] Abu Zahra, Imam Ibn Taymiyya, Istanbul: Islamoglu Yayinlari.
[8] Sarakhsi, al-Mabsout, 10/5.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.