Ny Maritiora

Mety ho maritiora ve ny mpampihorohoro iray?

Mba hahazoana na hamahana olana na toy inona na toy inona dia ilaina aloha ny mamantatra ny antony nahatonga azy. Raha tsy izany dia tsy mahomby ny fandalinana, ny fanazavana sy ny vahaolana rehetra. Raha ny tanjona ambony toy ny maha maritiora no mety ho zavatra atao amin'ny asa tsy voamarina dia ilaina ny manadihady io toe-javatra io amin'ny lanjan'ny rehetra sy manorina ny fandalinana azy ami'nio fomba fiasaio. Na dia izany aza dia tsy hifototra amin'ny fandalinana toy izany isika fa saika hiompana eo amin'ny fitadiavana valim-panontaniana ny atao hoe maritiora ary iza no atao hoe maritiora amin'ny finoana silamo.

Ireo olona faka tahaka

Ao amin'ny loharano roa fototry ny finoana silamo, ny CORAN sy ny SONA dia vondron'olona efatrano aseho sy omem-boninahitra ho toy fakatahak hoan'ny olombelona: ny Mpaminany, ny Siddîq (ireo olo-mendrika tsy misy tohina), ny chahîd (ny maritiora na ny vavolombelona) sy ny Sâlih (ny olomarina). (Nisa 4:69). Ny voalohany amin'ireo no maneho ny ambony indrindra sy ny fahatsarana mety ho tratran'izay maniry azy sy manao ezaka ho amin'izany satria Andriamanitra irery ihany no mifidy izay tiany ho Mpaminany ary izy no manafy fahamarinana aminy. Io lalana io dia mikatona taorian'ny Mpaminany farany dia i Mohammed. Iretsy sata telo hafa dia ny fahamendrehan'ny fo, ny maritiora sy ny fahamarinana. Eto isika mazava loatra no handinika mikasika ny maritiora.

Ny singa fototra maha maritiora dia satria vavolombelon'ny fahamarinana teo amin'ny fiainany izy sy teo amin'ny fitondrantenany. Fanampin'izany ahitan'ny fijoroana ho vavolombelon'ny fahamarinan'ny ghaïb (ny tontolon'ny tsy fantatra sy tsy hita) amin'ny alalan'ny fahatsapana ao anaty ny maha maritiora, toy ny hahatsapan'ny olona aradalana ety ivelany ny tontolo arabatany. Amin'io hevitra io no ampiasan'ny CORAN ny teny hoe «chahîd» (maritiora/vavolombelona) sy «chachâda» (maritiora/fijoroana ho vavolombelona). Vokany, fanovan-javatra ny fiantsoana ho maritiora ireo izay manao sorona ny ainy hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra. Antsoina hoe «vavolombelona» (maritiora) ireo satria vavolombelon'ny fahamarinana izay inoany lalina fa vonona izy ireo hamoy ny ainy amin'izany.

Mandrakariva ny maritiora dia mahatratra ilay fahamboniana katsahin'ny silamo rehetra. Ny maritiora dia nanjary loharanon-jery hoentin'ny silamo handresy ny fahavalo izay matanjaka tanteraka noho izy na maro noho izy. Raha mifandritra amin'izany dia miahiahy sy mihemotra manoloana ny maritiora ny silamo, miafara amin'ny fahareseny izany. Ohatra, ny hoe silamo ny tafiky ny Timour dia niteraka ny faharesen'ny tafika Ottomane tamin'ny ady tao Ankara satria nihevitra ireo miaramila ottomane fa tsy hahazo ny satan'ny maritiora na ny «ghâzî» (olona maherifon'ny ady) (Gögbilgin, 1977).

Moa va ny maritiora dia sata azofotsiny ihany koa satria matin'ny miaramila tsy silamo nandritry ny ady; tsy miantoka ny maha maritiora ny toe-javatra toy izany. Ny fahafatesana ao ampelatanan'ny tsy silamo dia emty ho tonga koa amin'ny antony hafa tsy misy hifandraisany tamin'ny ady. Na dia ireo maty eo ampelatanan'ny mpino masika na izay maty noho ny fanapoizinana, na maty andrano na tamin'ny faritoe-javatra toy izany dia emty ho maha maritiora. Noho izany ny maritiora dia laharana ara-panahy izay tena mibahantoerana ao ny fihevitra manokan'ilay olona. Raha hafa noho izany dia nangataka ho vonoin'ny tsy silamo avokoa ny silamo rehetra fa tsy naniry ny ho maritioran'Andriamanitra. Ny maniry ho mitolona mba ho velona sy handresy ny mpino fa tsy misafidy ny ho faty. Tsy mety ho maritiora izy raha efa niady mafy tamin'ny heriny manontolo mba handresy amin'ny ady kanefa maty avy eo. Vokany, na dia maritiora aza no tao am-pon'ilay olona, raha misafidy ny fahafatesana fa tsy ho velona mandrapahatapitry ny ady hoan'Andriamanitra izy dia azo heverina ho toy ny famonoan-tena izany. Nandray ny fitandremana rehetra ilaina ny Mpaminany sy ireo mpanaradia azy mba tsy ho faty; tsy nitady ny fahafatesana izy ireo. Nitondra azy mba tsy ho faty; tsy nitady ny fahafatesana izy ireo. Nitondra fiarovan-tena izy ireo, niaro vatana tamin'ny ampinga nandritry ny ady, nihemotra izy matetika na nandavakahadivory raha nilaina izany. Amin'ny teny hafa, na iza na iza miditra amin'ny ady mba hahatratra io tanjonaio dia tsy ampy hahazoana ny maha maritiora.

Iza no azo antsoina ho maritiora?

Ny maritiora dia ireo izay manaraka ny lalana nosoritan'Andriamanitra hoan'ny olombelona mpino, lalana mitondra mankamin'ny fankatoavan'Andriamanitra, ary izy ireo dia maty na novonoina kanefaniezaka tsy hivily tamin'izany lalana izany, na koa ireo izay maty nandritry ny fiarovany ny soa toavina izay nodidin'Andriamanitra harovana. Omem-boninahitra sy hajaina ho maritiora ireo olona ireo. Ambara ao amin'ny loharanon'ny literatiora silamo matetika ireo sokajy telon'ny maritiora: ny maritiora tonga lafatra, ny maritioran'ity tontolo ity sy ny maritioran'ny any ankoatra.

Ny maritiora tonga lafatra

Ny maritiora tonga lafatra dia izay mahafeno ny fepetra mahamaritiora eo imason'Andriamanitra ary vita taminy ny fomba fandevenana maha maritiora. Izao no atao mandritry ny fandevenana ny maritiora tonga lafatra:

  • Tsy sasana ny faty.
  • Tsy fonosana lamba mena ny faty
  • Tsy tanterahina ny fivavahana atao amin'ny fandevenana (io farany io anefa dia mbola miteraka ady hevitra).

Misy teboka 6 fenoana mba ho azo sokajiana ho anisan'ireo maritiora tonga lafatra ny olona iray:

1- Ny finoana: ny fepetra ilaina voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy mpino ilay olona (silamo). Ny tsy silamo dia tsy afaka mahazo ny tombontsoa ara-panahy mifanaraka amin'ny finoana silamo, anisan'izany ny laharana maha maritiora.

2- Ny andraikitra: araka ny fotokevitra silamo, mba ho azo raisina ho tompon'andraikitra ny olona iray dia tsy maintsy salama saina sy efa tonga taona. Vokany, ny zaza sy ny manankilema ara-tsaina dia tsy tompon'andraikitra. Tsy emty ho mpifanina ho maritiora tonga lafatra izy rieo. Izany no hevitry ny Imam Amza. Ny manam-pahaizana hafa kosa dia milaza fa «ireo rehetra tonga taona sy ireo izay tsy tona taona dia tsy mitovy amin'ny lafiny maha maritiora. Amin'ny fiheverana fa ireo efa tonga taona koa dia heverina ho silamo raha maty eo ampiadiana amin'ny fahavalo dia efa nanao toy ny nataon'ny tonga taona izy ireo. Ny fitsarana no mitsara azy amin'ny fomba mitovy. Mba hanamafisana io fomba fijery io dia ambara ny fomba nametrahan'ny Mpaminany ny maritiora tamin'ny ady tao Ouhoud satria nisy olona mbola tanora dia tanora toandr'I Harith ibn Nou‛labe tokoa tamin'izy ireo» (Zuhayli 3:105).

3- Ny fahaduiovana: ny maritiora dia tsy maintsy madio araka ny fahadiovana voasoritry ny lasitra. Araka ny voalaza ao, nylehilahy ao anatin'ny filana ny fanavaozana ny fidiovana lehibeny (Jounoub) sy ny vehivavy mandeha fadimbolana dia tsy manatrika ny fandevenana ny maritiora tonga lafatra; izany ho emba hadio ny vatan'ilay olona amin'io fepetra io. Fa ankoatra izany koa, io fitsarana io dia an'ny Imam Azam ihany. Araka ny voalazan'ny manampahaizana hafa toandr'I Imam Mohammed, Abou Youssouf, chafi‛I, Ahmet ibn Hanbal sy Iman Malik, ny maritiora irery ihany dia efa ampy hanadio ny tsy fahadiovana ka tsy mila sasana ny vatany rehefa ao amin'ny fepetra maha maritiora izy. Manohana ny heviny ireo manampahaizana voalaza ireo amin'ny filazany ny tranga tamin'I Handhala ziay nandray anjara tamin'ny ady nahafaty azy tao Ouhoud. Vao avy natao raharaham-panambadiana izy ary maika hamonjy ny ady ka nahavita ny fidiovana akory (izay takoana aorian'ny fanaovana firaisana ara-nofo). Na dia nampatsiahy ny Mpaminany ny tsy fahadiovany aza ny vadiny tamin'ny fotoana nahafaty azy dia nanambara ny Mpaminany fa ny anjely no nanadio azy ary alevina tsy ampandroina izy (toy ny maritiora rehetra) (Ibn Abidin 3:514).

4- Ny vono olona tsy andrariny: ireo izay tsy novonoina noho ny antony marina –ohatra, fanamelohana ho faty ara-dalana (araka ny lalana maso solon'ny maso) noho ny heloka- dia heverina ho maritiora tonga lafatra.

5- Tsy tokony ho «mourta» (maratra andosirana amin'ny ady): io teny io izay midika ara-bakiteny hoe «olona naratra nandritry ny ady ka nafindra tamin'ny toeran-kafa»anisan'izany ireo tsaboina, mihinana, misotro, matory, miresaka lava, maneho ny faniriany farany na manao zavatra toy izany alohan'ny hahafatesana. Raha ireo zavatra ireo izay heverina fa an'ny tany no tonga aorian'ny faharatran'ilay olona ka entina amin'ny toeran-kafa izy, noho izany dia tafiditra ao anatin'ny sokajin'ny «mourtas» izy. Raha hita teo amin'ilay toerana naharatra azy anefa ireo zavatra ireo kanefa nitohy ny ady dia maritiora tonga lafatra izy. Manazava sy manamafy ireo fepetra ireo ny trangan'i ‛Othmane sy ‛Ali (ny kalifa faharoa, sy fahatelo sy fahefatra). I ‛Omar sy ‛Ali dia nentina tany amin'ny toeran-kafa rehefa naratra mafy. Nosasana ny vatany. I ‛Othmane idnray izay maty teo no ho eo dia tsy nosasana ny vatany ka nalevina tamin'ny fomba fandevenana ny maritiora tonga lafatra izy.

6- Tsy voatery ny vidindra: ao amin'ny lalana sl, ny vonoan'olona dia mahavoasazy amin'ny lalana maso solon'ny maso. Matetika raha tsy fanahiniana ny famonoana dia tsy ampiharina ny (qissâs) lalana maso solon'ny maso. Ohatra, raha natao atondro be nanahary teny antampontanana ny asa ratsy, tamin'ny fandakana na nokapohina tamin'ny karavasy ka tsy ny tena hamono no tanjona dia tsy ampiharina ny maso solon'ny maso. Vokany, araka ny lalana silamo, heverina ho maritiora ny niaran-dozam-pamonoana; ireo izay novonoina ankoatra izany anefa dia tsy heverina ho maritiora (Al-Kassani 1/321). Ireo izay maty nandritry ny adiny tamin'ny tsy silamo, tsy mpanaradalana na mpikomy dia maty maritiora na toy inona nahafaty azy na toy inona. Ireo izay tsy mahafeno farafaratsiny ny iray amin'ireo fepetra ireo dia tsy alevina amin'ny fomba fandeenana maritiora tonga lafatra (Yuce, 32-36).

Ny mpino vonoina tsy andrariny dia miditra mivantana ao amin'ny sokajin'ny maritiora tonga lafatra. Eny amin'ny sahan'ady, izay maty amin'ny ady ara-batana manoloana ny fahavalo koa dia maritiora na dia izay mahatifi-tena tsy fanahiniana aza na izay matin'ireo namany tsy nahy na ireo izay nianjera teny amin'ny sovaliny ka naratrany mafy na voahitsany ny soavalin'ny silamo na tsy silamo, na izay voatsatoky ny zanatsipika very, na iza na iza maty tsy nahitana antony mazava aorian'ny ady (na tsy naratra aza izy), dia heverina ho maritiora avokoa ary alevina arak'izany. Tsy hoe akory azo soloina amin'ny fitaovana maoderina ankehitriny mba hanatsoahana fitsarana sahala amin'izany ireo fitaovam-piadiana taloha (soavaly, zanatsipika).

Ireo izay maty tampoka noho ny fanafihan'ny fahavalo ny tananany ireo izay vonoina tsy ara-dalana, izay maty nandriry ny fanavotany olona, na tamin'ny fanafihana ny tranony na teo amin'ny asany, na ireo novonoin-drainy tsy tamim-pitandremana ihany koa dia maritiora (Sarakhsi 2,52). Raha miady amin'ny vodnrona iray ny vodnrona iray, na dia fantany aza fa silamo ity farany dia amritiora koa izay maty tamin'ny fiarovan-tena satria izy dia maty tao amin'ilay toerana notafihina tamin'ny fiarovan-tena sy tamin'ny fiarovana ny fiarahamonina silamo (Al-Ayni 3,307). Azo faranana fa ireo izay maty tamin'ireo vondrona mpanafika dia tsy azo heverina ho maritiora avokoa fa olon-doza mpanonta.

Ny maritioran'izao tontolo izao

Ireo izay maty nandritry ny ady tamin'ny fahavalo ka nahazo ny fombafombam-pandevenana fanao amin'ny maritiora tonga lafatra kanefa tsy maritiora tamin'izany sy tsy nahazo tombotsoa ho maritiora dia antsoina hoe «maritioran'izao tontolo izao». ansian'ireo vondrona ireo izay nitsoaka an'ady ka maty na nanolo-tena ho amin'ny fandrika[1], na ny tena tao antsaina dia tsy ny fankatoavan'Andriamanitra fa ny mba ho hita fotsy na hamaly faty, na miady hoan'ny foto-kevitra toy ny marksisma izay manohitra ny fotokevitra silamo, na koa ny fitiavana ny fananan'ity tany ity (Zuhayli 2,560). Satria sarotra dia sarotra ary tsy azo atao ny mamaritra ireo rehetra ireo ka atao ho toy ny maritioran'izao tontolo izao ireo olona ireo. Raha mikasika ny anjarany any ankoatra idnray dia hoy ny famaritan'ny Mpaminany azy: «Ny olona voalohany izay melohin'ny fitsarana ho tsy mendrika amin'ny andro farany dia marituiora sandoka. Entina ho any toerana hanehoana aminy ny valisoa sahaza azy izy. Avy eo amnontany azy Andriamanitra hoe: «Inona no nataonao mba hahazoana ireo tombondahiny ireo?» hamaly izy hoe «Niady ho anao mandrapianjerako ho maritiora aho» Ary manambara Andriamanitra hoe: «Mandainga ianao! Niady ianao mba ho lazain'ny olona ho mahery fo!» Izany no nolazain'izy ireo teny antany. Avy eo mandidy ny hitondrana io olona io any amin'ny afobe Andriamanitra ary aelany hitsiriritra ny endriny».[2]

Ao amin'ny hadita iray hafa dia ampiasaina izao fomba fiteny izao: (mba hamaritana ny fepetra naha maritioran'izao tontolo izao any ankoatra): anontaniana mikasika izay olona niady mba hahazoan-karena, homem-boninahitra ho be herim-po, na noho ny antony fanavakavahana ara-drazana na fitiavana an-jambany, ary na ziany aza mbola heverina ho niady hoan'ny fitiavan'Andriamanitra, ny Mpaminany. Hoy ny valinteniny: «Ireo izay niady mba hametrahana ny tenin'Andriamanitra dia teny amin'ny lalan'Andriamanitra».[3] Tsy maintsy misy zavatra iray hazavaintsika eto: ny fisainana marina dia ny tsy maintsy hahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra sy hanomezam-boninahitra ny fivavahany; ny olona izay miasa ao amin'io lalana io koa dia afaka miady amin'ny antony hafa ilaina amin'ny tanjona mitovy. Amin'io lafiny io dia mbola heverina ho maritiora ihany. Na dia izany aza anefa dia tsy maintsy mitandrina fatratra amin'ny fahamendrehan'ny fo sy ny fiheverana ary tsy manao ambany maso tsy hita ny tanjon'ny ady.

Indray andro nangataka ny Mpaminany: «Iza aminareo no milaza tena ho maritiora?» namaly ny olona nanodidina azy hoe: «Ireo izay novonoina tamin'ny fitaovam-piadiana» dia mbola hoy izy: «Maro ireo izay novonoina tamin'ny fitaovam-piadiana fa tsy maritiora avokoa anefa izy ireo; ary maro koa ireo izay maty teo ampandriany kanefa mahazo ny voninahitra fanome ny «siddâq, sy ny maritiora» (Al-Isfahani 8,251).

Ao amin'ny hadita iray hafa dia misarika ny saina amin'ny lzoa ateraky ny fahazaran-dratsy izy. Ireo izay nanozona mandrakizay ny manodidina azy dia tsy hombana amin'ny andron'ny fitsarana farany ary tsy heverina ho toy ny maritiora».[4] Maro ny olona sasany ankehitriny no milaza ho miasa hoan'ny soa toavina masina ary tsy faly amin'ny fanapariahana fanahy ratsy amin'ireo izay misaina toa azy na ireo tsy manohana azy, mandeha hatrany amin'ny fanamelohana azy ho tsy mpino na mino Andriamanitra maro. Mazava ho azy anefa fa mampididoza ny fomba fiasa toy izany. Rehefa voatevateva ho tsy mpino anefa ny olona mpino iray dia ilay mpanevateva ihany no heverin ho tsy mpino.[5] Hoy ny CORAN:

«Ry mpino! rehefa mivoaka hiady eny andalan'Andriamanitra ianareo, hereo tsara (aza maika ianareo) ary aza mba milaza na iza na izay amin'izy arabainareo (amin'ny fomba silamo): «Tsy mpino ianao». (an-Nissa 4:94).

Fa io andininy io tsy manamarina ny famonoana na iza na iza notondroin'ny fiarahavany fa silamo izy. Mbola ady hevitra lava ny famonoana silamo amin'ny fanaovana vivery ny aina manoloana io lafin-kevitra io.

Ny maritioran'ny any ankoatra

Olona novonoina tamin'ny fomba namonoana ny maritiora tonga lafatra ihany izy ireo kanefa tsy nahafeno ireo fepetra 6 oalaza teo aloha. Tsy azo heverina ho toy ny «maritioran'izao tontolo izao» anefa izy ireo fa sokajiana ho anisan'ireo maritioran'ny any ankoatra. Ireo izay antsoina ho maritiora amin'ny Mpaminany sy ireo maty tsy novonoina dia tafiditra ao amin'io sokajy io. Anisan'ireo ny Mpaminany sy Abou Bakr satria ny poizina izay nateliny tany Haïbar dia loza taminy. I ‛Omar sy ‛Ali koa dia heverina ho maritioran'ny any ankoatra satria nafindra toerana hafa tsy teo amin'ilay naharatrany. Ankoatra izany dia lazaina fa ny fetra ambony indrindra amin'ireo sokajina maritiora ireo –ankoatry ny an'ny Mpaminany masina– dia ny an'I ‛Omar.[6]

Ny maritioran'ny any ankoatra dia alevina amin'ny fombam-pandevenan'ny silamo rehetra, izany hoe sasana ny fatiny, fonosan-damba ary anaovana ny vavaka fanao amin'ny fandevenana. Hitovy hevitra avokoa ireo manam-pahaizana amin'io lafiny io. Na dia izany aza dia atao toy ireo maritioran'ny any ankoatra izy ireo. Faritor-javatra maro no nampatsiahivin'ny Mpaminany ireo izay tao amin'ny fiarahamoniny ka maritiora. Na dia tsy manavaka ny maritiora tonga lafatra sy ny maritioran'ny any ankoatra rieo hadita ireo dia nanosika ireo manam-pahaizana hanao fanavahana rieo zavatra nataon'ny Mpaminany.

Rehefa dinihina ny hadita mikasika ireo izay voatondro ho maritiora kanefa nalevina tamin'ny fomba tsota, dia iray sokajy amin'ireo maritioran'ny any ankoatra, hita fa ireo vondrona ireo dia foronin'ny maritiora voafaritra etsy ambony sy ireo izay niharan'ny fahafatesana vokatry ny aretina mafy, fahafatesana tsy azo ialana na dia nihazaka toy inona aza, fahafatesana noho ny fangirifiriana sy ny voina tsy zaka, fahafaesana noho ny lozam-pifamoivoizana, na tonga nandritra ny fanoherana ny jadona, na tamin'ny fifatorana mafy tamin'ny fivavahana, na tamin'ny tsy fahampian'ny fananana Andriamanitra mahery indrina, izay mahafantatra ny fahasahiranana manontolo tsirairay hiaretan'ny mpino dia manome valisoa azy ireo ho amin'ny laharan'ny maritiora rehefa maty noho ny fahasahiranana sy ny fiharetana izy. Izany no azo andrasana amin'ny famindram-pony. Andriamanitra, ilay ambony indrindra, amin'ny alalan'ny famindram-pony tsy manam-petra dia maniry hamela ny fahotan'ny mpanompony silamo sy mampakatra ny laharany mba ahafahany miditra ao am-Paradisa sy homem-boninahitra eo anatrehany. Ho amin'ny tanjona toy izany no nahariany ny fitaovana isan-karazany. Mampahalala vaovao amintsika amin'ny alalan'ireo fitaovana rieo amin'ny alalan'ny tenin'ny Mpaminany Mohammed izy.

Ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina

Miainga amin'ireo vaovao ankapobeny voalaza tetsy ambony ireo dia afaka mifantoka tsara amin'ny zavatra resahina dia ny fampihorohoroana, ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina sy ny fifandraisany amin'ny maha maritiora.

Amin'ny fifotorana amin'ireo fanao voalazan'ny tantaran'ny finoana sil[7], dia nametraka lalàna ireo mpahay lalàna sy manam-pahaizana silamo:

«Tsy ara-dalana hoan'ny olona iray ny miditra ankeriny ao anaty vahoaka fahavalo sy ny manafika azy ireo ao amin'ny toerana izay heveriny fa ahafahana mivoaka na izy koa tsy afaka manantena zavatra toy izany, mety hampihatra loza amin'ny fahavalo izy farafaharatsiny, mandemy ny sainy, mandrisika ny namany, na amin'ny alalan'ny hery miavaka tsapany ao aminy, na koa izy gadra izay miharitra famoretana ka matahotra ny hamoaka vaovao miafina» (ach-chïbânî 4/1512).

Ny fandinihana tsara io fatwa io dia ahatarafana fepetra telo ilaina mba hanekena ho maritiora:

1- Ny maritiora dia tsy maintsy ao amin'ny faritoe-javatry ny ady. Takiana ny fisian'ny tafika roa ary tsy maitnsy efa vonona ny tafika ary amin'ny fahavalo sy efa vonona hiatrika ny ady.

2- Izay mikarakara fanafihana dia tsy voatery ho faty.

3- Ny fahafatesana dia tsy maintsy avy amin'ny andaniny mifanohitra.

Ny vidin'ny fahombiazana

Ireo izay misafidy ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina dia mihevitra fa tsy misy fomba hafa mahomby intsony. Manamarin-tena izy ireo amin'ny filazana mialoha fa manana tombon-dahany tsy azo ampitahaina ny andaniny mpifanandrina ary ambony dia ambony amin'ny isa, fitaovam-piadiana, fitaovana hafa, fanazaran-tena ara-miaramila sy tohana amin'ny haino aman-jery. Misy vokany roa io lafin-kevitra io:

1- Tsy misy fanavahana vita eo amin'ny tanjona sy ny fitaovana hanatrarana izany; misy fifangaroana eo amin'izy roa ireo. Hoan'ny mpino dia tsy maitnsy ara-drariny ny tanjona sy ny fitaovana ampiasaina, dia tsy maintsy ara-drariny ny tanjona sy ny fitaovana ampiasaina, tsy mahazo miataka amin'ny andaniny ny ankilany. Ary satria ny tanjona ambony indrindra dia ny hahazo ny fankatoavan'Andriamanitra, ny faniriana hahazo vokatra amin'ny lafiny rehetra dia tsy mahazo sy tsy mahasoloilay voalohany.

2- Raha azo ampiasaina ny fitaovana rehetra na toy inona vidiny na toy inona mba hanampy amin'ny fahazoana vokatra dia manokatra lalana ho amin'ny asa tsy mifanaraka amin'ny maha olona sy tsy ara-dalana toy ny fampiasana ny fijangajangana na ny fanapoizinana amin'ny zavamahadomelina mba hamotehana ny fahasalamana ara-moraly sy ara-tsainan'ny fahavalo izany, tonga hatramin'ny famonoana amin'ny fomba hafa mba hitsitsiana ny eo ampelantanana. Na dia izany aza, ny fivavahana sy ireo Mpaminany izay nalefa mba hitarika ny olona amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any an-danitra dia tsy nampiasa na oviana na oviana fomba tsy mifanaraka amin'ny maha olona na mankatoa ny asa toy izany. Ny mifanohitra amin'izany, nandidy ny lalam-pandriampahalemana izy ireo, tsy mba nihevitra ny ady ratsy tsy efa tamin'ny ora farany tsy maintsy nilana ziany izy ireo. Ny maritiora dia laharana tsy mety ho tratra raha tsy manaraka ny fotokevi-pivavahana, tsy amin'ny fialonana sy ny valifaty. Tsy maintsy marina ihany koa ny fomba ampiasain'ny silamo ary mendrika ny tanjona tiany ho tratrarina.

3- Ankoatra izany, tsy mahazo mihoatry ny vala ny silamo na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza: «Miadiva ao amin'ny làlan'Andriamanitra amin'izay miady aminareo ary aza mandika izany. Marina, tsy tian'Andriamanitra ny mpandika lalàna!» (al-Baqara 2:190). Manazava fohifhy io andininy io I Sayyid Quib:

«Ny fandikan-dalana dia mety ho hita toy ny mikendry vehivavy, zaza, antitra sy ireo relijiozy na inona fivavahany na inona sy ny fiandohan'ny fifantohany amin'ny fiderana, sy ireoolon-drehetra mendri-pitokisana sy tsy manohitra izay tsy mandray anjara amin'ny ady ary tsy miteraka loza amin'ny fampitana ny finoana silamo na hoan'ny fiarahamonina silamo. Izy koa (ny fandikan-dalàna) dia mety ho ao anatin'ny fandikana ny fifanarahana amin'ny ady mba hanakelezana ny halozan'ny ady na ankehitriny na omaly. Ireo fahabibiana ireo dia ny heloka mahatsiravina izay lavin'ny fatsiarovan'ny silamo sy tsy ankasitrahan'ny famindram-po silamo».

Rehefa avy nilaza ny fomba fanaon'ny Mpaminany sy ireo mpanaradia azy I Sayyid Qut dia namarana hoe:

«Nahatsapa tsara ny silamo fa tsy nahazo fandresena raha mikasika ny hamaroan'isa satria vitsy izy ireo. Fantatr'izy ireo koa fa ny fandreseny dia tsy avy amin'ny fahamboniana ara-pitaovam-piadiana satria vitsy ny fitaovam-piadiana nananany noho ny an'ny fahavalony. Nandresy noho ny finoany izy ireo, ny fifantohany tamin'Andriamanitra sy ny fanampian'Andriamanitra nomeny azy ireo. Noho izay raha nanao fihetsika mifanohitra tamin'ny baiko nomen'Andriamanitra sy ny Mpaminany izy ireo dia tsy ho nandresy na oviana na oviana. Izany no antony hanajany tsara ireo lalanan'ny ady voalaza tery ambony ireo na dia eo anoloan'ireo fahavalo tena nampitondra faisana azy aza na namono ny sasany tamin'ireo namany rehefa avy nampijaly azy fatratra» (Qutb, fandalinana ny andininy 2:290).

Ireo karazana fanaovana fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina

Rehefa dinihana ny fanaovana fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina nitranga teto an-tany dia tsikaritra fa misy karazany roa miavaka:

1- Ao ny fanafihana fanaovana vivery ny aina, izay voahomana tsara ary ataon'ny olona voatondro ao amin'ny tafik'ireo firenena roa mifanohitra amin'ny ady. Amin'ny fomba roa no azo anatanterahana olombelona fanafihana io:

a) Olona iray na vondron'olona no manafika vondrona lehibe avy amin'ny mpifanandrina aminy na toby miaramila amin'ny alalan'ny fiaramanidina na fiara mifono vy, na grenady… Ny ohatra notsoahina avy tamin'ny tantaran'ny silamo dia manamafy ny asa sahala amin'izany ary ny olona ziay mitarika io fanafihana io dia heverina ho toy ny maritiora raha maty amin'io fotoana io. Amin'io karazan'asa io anefa, ny mpanafika dia mety ho velona.

b) Olona na vondron'olona mamatotra baomba amin'ny vatany na amin'ny fiarany avy eo miolomay eny afovoany miaramila fahavalo tafiditra ao amin'ny ady na ao amin'ny tobin'izy ireo ary manapoaka ny baomba amin'izay avy eo. Tsy azo atao io karazam-panafihana io raha tsy efa misy fepetra tena voafaritra, izay apetraky ny mpahay lalàna silamo ary tsy azo atao raha tsy mandritry ny ady iray. Raha ankoatra ireo faritoe-jaatra ireo dia tsy azo ato mihitsy ny fanafihana toy izany ary heverina ho toy ny asa mamoafady tsy maintsy melohina tanteraka. Misy fanafihana sasany atao any amin'ny firenen-kafa na tsy amin'ny fotoanan'ny ady aza, firenena izay mamela ny mpanatanteraka io fanafihana io ho ao amin'ny fireneny (misy na tsy misy alalana), firenena manome alalana ny olom-pireneny ny firenen-kafa hiasa, hianatra, hipetraka, hanorina orin'asa, hifanambady –misy fepetra vitsivitsy- ho olom-pirenen'io firenena io. Amin'io lafiny io, ny firenena hitrangan'ny fanafihana dia mandray ny mpifanandrina ho eo ambany fiharovany, manome alalana azy roa hiditra sy honina ao. Midika ho fandikan-dalana sy heloka ny fandikana io filaminana io sy fandikana ny fanomezan-dalana nomena (amin'ny fomba fitenin'ireo manampahaizana mikasika ny lalàna silamo, lazaina ho famadihana hanoherana mpialokaloka sy manohitra ny fahalalahana hivezivezy). Tsy azo atao izany. Ibn Hajar Haythami dia mihevitra ny famonoana azy io na ireo izay nanaovana fifanarahana, ho iray amin'ny fahotana lehibe indrindra (az-Zawâjir 2, 153).

2- Ireo fanafihana ireo na natao hikendrena olona avy any ivelany na amin'ny olom-pirenena na miaramilan'ny firenen-kafa ifanandrinan'ny mpanafika, dia tsy azo atao na azo heritreretina. Ny mpanao ny fanafihana araka izany dia tsy azo heverina ho maritiora. Fanampiny, ny mpanao heloka toy izany dia meloka koa ho:

a) Mamono tsy manantsiny,
b) Mamadika sy manimba ny fanjakana izay nanome alalana azy,
c) nahatonga faharavana tamin'ny fananan'ny tsy manantsiny,
d) raha silamo ilay mpanao vivery ny aina dia manamatroka ny endriky ny fivavahana silamo,
e) mamadika ny firenena nihaviany ary mametraka olana ho azy eo amin'ny sehatra iraizam-pirenena,
f) mampiharitra sy mampijaly ny fianakaviany,
g) manampy ny fahombiazan'ireo tambanjotram-panao heloka be vava iraisam-pirenena,
h) (raha silamo izy) mahatonga ny fifalian'ireo fahavalon'ny silamo ary hamaranana azy,
i) Tompon'andraikitra amin'ny heloka tsy azo avela.

Raha amin'ny haratsiana sy amin'ny halebeazan'ny fahotana mifototra amin'ny famonoantena sy amin'ny famonoana ny tsy manantsiny (silamo na tsy silamo) eo anatrehan'ny fivavahana, nijanona ho any ivelan'ny resatsika izany.

Famaranana

Mazava fa ao amin'ny sehatry ny hevitra voalaza etsy ambony dia tsy manan-toerana ao amin'ny finoana silamo ny fanafihana amin'ny famonoan-tena ary tsy maintsy foanana ireo fepetra izay miteraka ny fanafihana toy izany.

Prof. Abdulhakim Yuce – Professeur d'Histoire du Soufisme, Université Yuzuncu Yıl, Van.


[1] Mouslim, al-Imâm, 182.
[2] Mouslim, al-Imâm, 152; Nassai, al-Jihâd, 22.
[3] Boukhari, al-Jihâd, 15; Mouslim, al-Imâm, 149-151.
[4] Mouslim, al-Birr, 85, 86; Abou Dawoud, al-Adab, 45.
[5] Boukhari, al-Adab, 44.
[6] Imam Malik, Mouwatta', «al-Jihâd», 36.
[7] Cf. Boukari, al-Jihâd, 12; Mouslim, al-Imâra, 145; Ibn Athir, 1/206; Ibn Hajar, 1/144.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.