Fanaovana hadalana sy famonoana olona ho entina handotoana ny fivavahana

Fanaovana hadalana sy famonoana olona ho entina handotoana ny fivavahana

Tamin’ny fotoana farany nitenenan’Atoa Fethullah gulen dia nilaza izy mikasika ireo loza voajanahary farany izay nihatra sy vokatry ny nataon’ny zanak’olombelona tato anatin’ny taonjato farany. Ohatra amin’izany ireo famonoan-tena vokatry ny fo. Nanazava ny antony manosika ireo olona ireo hanatanteraka izany fihetsika izany izy. Na inona na iza no nahatonga ny famonoana dia midika foana ho fandatsahana aina tsotra izao izany.

Ao anaty andian-teny ao amin’ny coran dia milaza toy izao Andriamanitra: Andriamanitra dia tsy mihevitra ny hanisy ratsy ny firenena iray raha tsy hoe efa be loatra ny ratsy ataon’ny zanakolombelona eo amin’izany faritra misy azy izany.Ireo olona izay manana fahefana ny hanohitra izany ratsy izany no nantsoina hoe muslihun. Raha amin’ny dikateny arabika indray izany teny izany dia midika hoe fitohizana ary fandriampahalemana. Izany hoe muslihundia ızany dia midika hoe tsisy fitsaharana na matory na mihinana na misotro dia mieritreritra foana hoe inona no mety hiafaran’izao fahantrana lalina izay mihatra amin’ny olombelona izao. Ny vahaolana amin’izany dia ny fisian’ny olona izay tsy manana eritreritra afa-tsy ny hahasoa sy hahatsara ny fiainan’ny olombelona. Raha misy izany karazan’olona izany ao amin’ny firenena iray dia tsy hanisy ratsy izany firenena izany Andriamanitra. Raha adika amin’ny fomba hafa izany andian-teny ao aminy coran izany dia azo lazaina hoe :ireo olona izay mahatandrina izay voalazan’ny coran dia ireny no olona mihevitra sy mikatsaka ny fandriampahalemana ho an’ny olombelona, ary ireo olona ireo dia azo lazaina fa ny fiainany dia natokany hikatsahana izany fandriampahalemana izany. Ary Andriamanitra dia tsy hanisy ratsy izany olona izany na amin’ny fandalovany ety an-tany na amin’ny fiainana any ankoatra any. Izany no nahatonga ny manampahaizana teolojika iray nilaza hoe matoa nisy ny horohorontany nihatra tao Izmir sy Erzincan dia satria vitsy an’isa ireo olona izay nikatsaka ny tsara mihoatra noho ireo olon’izao tontolo izao.

Tamin’ny andron’ny manampahaizana teolojika Kubra Necmeddin dia nilaza ny zava-nitranga tamin’izany androny izany ihany koa izy. Ny antony nahatonga ny zava-dratsy teo amin’izy ireo dia noho izy ireo ihany satria tsy nanaraka ny lalan-tsara izay efa voasoritrAndriamanitra izy ka dia nandefa olona mpampijaly Andriamanitra mba hanasazy azy ireo, Fa rehefa any amin’ny farany dia mbola hahazo ny saziny avy amin’Andriamanitra ihany koa ireo olondratsy ireo.

Ireo olona izay miara-dia amin’i Mohamed (mandria am-piadanana sy ho tahian’Andriamanitra anie izy) izay mendrika ny hahazo sazy ihany koa dia andefasanAndriamanitra ireo olona mpapijaly ireo. Satria izy ireo no tahaka ny sabatr’Andriamanitra roa lela satria voalohany aloha dia nandefa ireo olona mpampijaly ireo Andriamanitra mba hanasazy ireo izay nivily tamin’ny lala-mahitsy fa rehefa avy eo dia mba ho ampijalian’Andriamanitra ihany koa izy ireo.

Mba hahatrarana ny tanjona tsara voapetraka ho kendrena dia tsara hatrany ny manaraka ny lalana izay efa voasoritra mba hahatongavana amin’izany tanjona izany. Ireo izay manaraka ny fivavahana silamo dia manana zo sy andraikitra ny hampiseho izany amin’ny alalan’ny fitondratena tsara ary mba hahatanterahana izany tanjona izany dia tsara hatrany ny manaraka ny lalana izay efa voasoritra. Tsy afaka ahazo ny fitiavana sy fankasitrahanAndriamanitra mihitsy isika raha tsy mahitsy fo, noho izany raha te hanao zavatra tsara na te hanaraka ny tokony ataon’ny silamo dia tsy tokony handeha amin’ny lalana tsy izy.Mety misy olona afaka mitondra tena ho amin’ny lalana tsy izy fa ireo mpino kosa dia tsy afaka miala sy tsy tokony hisaraka amin’ny lalana mahitsy izay voasoritra.

Raha notanterahina tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo karazana famonoana olona izay natao dia tena faratampony amin’ny faharatsiana izany, ary indrindra raha toa ka ny olona izay nahavita izany asa ratsy izany ka tsy nihinana na nisotro na nomena zavamahadomelina mialohan’ny anaovany ny asa ratsiny dia tena tsy misy famindram-po ho azy mihitsy ny fiainana any ankoatra fa meloka mandrakizay izy. Ireo olona izay manatanteraka ireny famonoan’olona faobe amin’ny alalan’ny fanaovana ny sorona ny tenany miaraka mipoaka amin’ny baomba ireny mety mieritreritra hoe raha manonona ny anaran’Andriamanitra izy mialoha ny anatanterahany izany asa ratsiny izany dia mety ho tonga any amin’ny paradisa kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no izy satria dia mivantana any amin’ny helo izy. Satria amin’ny finoana silamo na ho amin’ny fandriamphalemana na ho amin’ny ady dia misy foana ireo fepetra izay tsy maintsy arahina. Ohatra raha ao anatin’ny tontolon’ny fandriampahalemana dia tsy azo atao mihitsy ny mamono olona ary mandritra ny ady kosa indray dia tsy azo atao ny mamono zazakely na vehivavy na ireo beantitra. Izany no antony ilazana fa ireo asa ratsy rehetra na amin!ny endrika inona na inona dia tsy tokony atao amin’ny anaran’ny fınoana muzulmana mihitsy.

Usame B Zeyd mpanaradia an’i mpaminany Mohamed (mandria am-piadanana ary ny fitahianAndriamanitra anie ho aminy) raha tany an’ady dia nanana fahavalo ary nikasa hamono io fahavalony io izy. Rehefa tonga ny fotoana nifanena tamin’io fahavalony io izy dia namono azy fa mialohan’ny amonoany azy dia nilavo lefona ilay fahavalo ary niteny hoe Andriamanitra dia tokana ihany tsy misy masina toa Azy, fa na izany aza dia novonoiny ihany io fahavalony io. Tato aoriana kely dia ren’i mpaminany Mohamed izany tantara izany ary nanohina ny fony dia niteny tamin’io mpanaradia azy io izy hoe nahoana no novoinoinao ihany izy, tsy misy mahalala izay any am-po lalina any fa mety tamin’ny fahatsorana no nitenenany izany teny izany. Rehefa izany dia naka saina I Usame B Zeyd ary nilaza hoe raha mba izao aho vao lasa muzulmana dia angamba tsy naninona fa izaho efa muzulmana ary mahalala ireo lalana mifehy izany kanefa dia nahatanteraka famonoana olona toy izany ihany.

Amin’ny andro farany dia hanjaka ny ady. Amin’izany andro izany ireo izay milaza fa tena mino an’Andriamanitra dia tokony hikatsaka hatrany izay vahaolana entina manohitra izany ady izany. Tokony hieritreritra foana hoe (ireo mpino) inona no atao mba hisian’ny fandriampahalemana mba tsy hisian’ny herisetra ary manao ezaka hatrany mba hahatrarana izany tanjona izany.