Ny fotokevitra ijoroany

Ao amin’ny soratra sy ny kabariny, Gülen dia mirary ny taonjato faha XXI ho taonjaton’ny fahaterahana ara-panahy mahery vaika ka isika noho vavolombelon’izany. Io fahaterahana ara-panahy io dia hampiaina indry ireo soa toavina morally nanjavona nandritry ny taona maro, ho taonan’ny fifamelana, ny fifankazahoana sy fiaraha-miasa maneran-tany amin’ny alalan’ny fifampidinihana ara-kolotsaina sy ny fifampizarana soa toavina izay mitondra mankanyamin’ny fifandraisan’ny fomba amampanao. Teo amin’ny sehatry ny fanabeazana izy no nanorina sampan’asa fanaovantsoa maro mba hiasana hahasambatra ny zanak’olombelona, sady hita tao ‘Turquie’ izany no tany ivelany ihany koa. Noheveriny fa ny fampiasana ny haino amanjery, indrindra fa ny fahita lavitra dia mba hampalalana vaovao tena ilaina ho an’ny rehetra, mahakasika ny tsirairay sy ny daholobe.

Nihevitra I Gülen fa ny lalala mankany amin’ny fahamarinana ho an’ny rehetra dia amin’ny alalan’ny famantsiam-bola ny fanabeazana misokatra manerantany, mifanaraka amin’ny zava-misy sy tena ilaina. Raha tsy izany no tanteraka dia tsy hisy ny fifankazahoana sy ny fifandeferana mba hiantohana ny fanajana ny zon’ny hafa. Mba hanatanterajhana izany dia an-taonany maro no nanentanany ireo olona sangany teo amin’ny fiarahamonina sy iroe mpitarika vondron’olona samy hafa, ny tompon’orinasa matanjaka, eny fan a dia ny mpivarotra madinika aza mba hanohana fanabeazana manara-penitra. Noho ny fanampian’izy ireo nonahafahana nanangana sekoly maro tao ‘Turquie’ sy tany ivelany.

Nanambara I Gülen fa ny fomba tokana ahafahana mampanaiky ny olona amin’ny hevitry ny tena eto amin’ity tontolo ity dia fandresen-dahatra. Tondroiny ho toy ny olona tsy manna-tsaina ny manaoizay ahatongavana amin’izany amin’ny herisetra. Maniry hana-tsafidy malalaka mandrakariva ny olona amin’ny fomba hitondrany ny asany sy hanehoany ny soa toaviny ara-pivavahana sy ara-panahy. Amin’I Gülen ny demokrasia ihany no rafitra politika azo iainanana amin’izao fotoana izao na dia eo aza ny voka-dratsy entiny, ary ny olona dia tsy maintsy miezaka manatsara sy manamafy ireo rafitra demokratika rehetra mba hahafahana manorina fiarahamonina hanjakan’ny fahafahana sy ny fiarovana ary ny fanajana ny zon’ny tsirairay, ary tsy ho nofinofy intsony ao amin’izany fiarahamonina izay ny fitovian-jo.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.