Fomba nentina nampitha ny finona silamo amin

Ny Fivavahana, indrindra fa ny fivavahana silamo dia nanjary zavatra sarotra raisina nandritr’ireo taona maro lasa teo ho eo. Ny kolontsaina ankehitriny dia nametraka fomba fijery antropolojika, teolojika, na psikanalitika mba handefazana ny finoana amin’ny zavatra azo tsapaintanana. Ankilany ny finoana dia zavatra tsapa sy re ao anaty ary mifamatotra indrindra amin’ny lafimpiainana andavanandro. Andaniny ny mpino dia afaka mandray ny finoany ho toy ny filozofia, ho toy ny vondrona fotopisainana mazava sy fifandraisana tsotra fotsiny amin’Andriamanitra. Tsy mitsaha – mitombo ny fifanaroana raha ny finoana silamo no asianteny, satria ny mpino silamo sy ny mpanao politika sasantsasany, raha tokony hihevitra azy ho finoana dia mihevitra azy ho politika sy sosiolojika ary ekonomika rano fotsiny.

Raha te-hanao fanadihadiana marina mikasika ny finona, ny Demokrasia sy ny Filozofia isika dia tsy maintsy mametraka olombelona sy ny fiainany ho ivompandinihana. Amin’io fomba fijery io, ny finoana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny finoana silamo dia tsy azo ampitahaina  na atao mitovy toerana amin’ny rafitra politika, sosialy na ekonomika hafa afatsy amin’ny Demokrasia. Ny finoana dia mifototra indrindra amin’ny lafiny tsy miovan’ny fiainana sy ny fiasiana, ny foto-kevitra sy ny lamina pôlitika, na sosialy na ekonomika kosa dia tsy mahakasika afatsy lafim-piainana sasantsasany izay mety miova eto antany fotsiny.

Ny lafimpiainana nifamatoran’ny finoana dia mbola miatra hatramin’izao, hatramin’ny nisian’ny olombelona ary ho mndrakizay. Ny lamina tsy avy amin’Andriamanitra dia miova arakaraky ny toe-java misy ary tsy maintsy hazavain’ny antonjavatra nampisy azy sy manodidina azy. Ny finoana an’Andriamanitra, ny ao ambony ny mpaminany, ny boky masina, ny anjely sy ny sitramon’Andriamanitra dia tsy mifanaraka velively amin’ny fivoaran’ny fotoana. Toy izany koa, ny lalàna mifehy izao tontolo izao dia tsy mitovy amin’ny fanompoana sy ny moraly, tsy manampifandraisana amin’ny fotoana sy ny fiainana eto ambany masoandro.

Noho izany, raha hampitaha ny finoana hafa na ny finoana silamo amin’ny Demokrasia isiska dia tsy maintsy atao ao an-tsaina fa ny Demokrasia dia lamina tsy mitsaha-mivoatra ary havaozina. Io lamina io dia miovaova arakaraka ny toe-javatra sy ny toerana hampiasana azy. Mifanohitra amin’izany anefa, ny fivavahana dia mametraka foto-kevitra tsy miova mahakasika ny finoana, ny fifantohana amin’Andriamanitra sy ny moraly. Araka izany, tsy misy afa tsy ny endrika ivelan’ny finoana silamo ihany no azo ampitahaina amin’ny Demokrasia.

Ny tanjona avon’ny finoana silamo sy ny halebeazany tsy miara dia amin’ireo endri-dalàna maharitra mifehy ny fiainantsika. Ny finoana silamo dia tsy manome endri-pitondrana tsy miova, ary tsy mieritreritra akory ny hano iray  amin’izany. Ny finoana silamo kosa dia manolotra hevitra fototra izany manoritsoritra ny tokony ho toetra ankpoben’ny refipitondrana iray, ary mamela ny vahoaka hisafidy malalaka ny karazana sy endri-pitondrana mifanaraka amin’ny fotoana sy ny toe-javamisy. Raha mizava izany, azontsika ampitahaina amin’ny rafitra demokratika sy ny leberaly ankehitriny ny finoana silamo ary azontsika tsara ny mikasika ny finoana silamo manoloana ny atao hoe Demokrasia.

Efa hatramin’ny ela ny hevitry ny hoe Demokrasia. Ny Demokrasia liberally ankehitriny dia teraka taty afaran’ny revolisiona nataon’ny amerikanina (1776) sy ny frantsay (1789 hatramin’ny 1799). Ao amin’ny fiarahamonina Demokrasia dia ny vahoaka no tompon’ny fehefana fa tsy misy fahefana abmony noho izy mitondra azy. Amin’io karasan-drafitra politika io, ny tsirairay no manana fahefana ambony eo amin’ny fiarahamonina ary malalaka izy amin’ny fisafidianany izay ho fomba fiainany izay ho fomba fiainany. Na dia izany aza anefa dia tsy mahazo vahana beloatra ny fitsitokotokoana. Tsaratsara kokoa ny fiainan’ny olona mivelona eo anivon’ny fiarahamonina ary izany dia mitaky fanekena ny fitsipika apetraky ny fiainam-piarahamoninaizay mametra ny fahafahan’ny tena.

Araka ny tenin’ny mpaminany ( Mohammad), ny olombelona rehetra dia mitovy toy ny nifim-pihogo, na eo amin’ny firazanana, na eo amin’ny volonkoditra, na eo amin’ny taona, na eo amin’ny tany nivaiana n any endrika ety ivelany. Hoy ny mpaminany hoe: “Avy amin’I Adama avokoa ianareo, ary I Adama dia tanimanga…” “ Ry mpanompon’Andriamanitra! Mifanmpitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy”. Izay be taona na manankarena na matanjaka kokoa noho ny hafa, na izay ao anatin’ny fianakaviana sy ny foko toy izatsy na izaro dia tay mananjo hanjaka amin’ny hafa.

Tohanan’ny finoana silamo ireto hevitra fototra manaraka ireto:

  1. Ao anatin’ny fahamarinana no misy ny fahefana – fanipahana marindrano ny hevitra iobmonana hoe  ambonin’ny so ny hery
  2. Ilaina ny fahamarinana sy ny fampajakana ny lalàna
  3. Tsy azo osiosena ny fahalalahana aran-tsaina sy ny zo hiaina, ny zo hananjavatra manokana, ny so hanaranaka sy ho salama ( na ara-batana na ara-tsaina)
  4. Tsy maintsy apetraka ny zo manokana sy ny zo ho  anovana amin’ny fiainana manokana
  5. Tsy misy na iza na iza azo melohina tsy misy porofo na melohina sy saziana amin’ny heloka vitan’ny hafa.
  6. Ilaina ny antenimiera eo anivon’ny rafi-pitondran-panjakana

Zava- dehibe avokoa ny zo rehetra ary ny zon’ny olona iray dia tsy azo atao sorona ho an’ny tombontsoa iombonana. Ny sinoana silamo dia mihevitra fa ny fiarahamonina dia fitambaran’ny olona tsirairay misaina, manampahefana ami’ny tenany manokana, tompon’andraikitra amin’ny tenany sy ny manolona ny hafa. Raha refesina dia efa mihoatra izany ny finoan silamo. Tsapany fa ny olombelona no vaika manetsika ny tantara, mifanohitra amin’ny fomba fisain’ireo filozofa fatalista mpahay tantara tandrefana niseho   tamin’ny taonjato faha 19, toy ny materialisma sy ny historisma dialektika. Manambara izany rehetra izany fa ny sitrapon’ny olona sy ny fitondrantenany tsirairay avy no mamaritra ny vokatry ny fiainany eto antany sy any ankoatra, ny fandrosoana na fihemoran’ny fiarahamonina iray iany koa dia voafaritr’izany sy ny fahitana izao tontolo izao ary ny fomba fiainan’ny olona ao aminy. Hoy ny Coran:

“Ny tena marina dia tsy mavo velively ny mponina Andriamanitra fa ny tsirairay ihany no manova ny zavatra eo aminy [izany ho ny finoany, ny fahitany izao tontolo izao sy ny fomba fiainany] ( 13:11).

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ny fairahamonina tsirairay no manatanteraka ny faniriana eo ampelantanany. Ny faminaniana dia manipika izao hevitr izao: "Ho tarihina arak’izay sitrakareo ianareo”. Izany no toetry ny foto-pisainana demokratika izay tsy mifanohitra velively amin’ny fotokevitry ny finoana silamo. Satria ny finoana silamo dia mametrka ny tsirairay sy ny fiarahamonina ho tomponan’andraikitra amin’izay zavatra tian’ny fony, noho izany ny olona dia tsy maintsy tompon’andraikitra aminy fitantanana ny zavatra ataony. Miteny amin’ny fiarahamonina toy izao ny Coran: “Ry olombelona! Ry mpino!” Ny andraikitra ankinina amin’ny lamina demokratika manara-penitra dia izay omen’ny finoana silamo ny farahamonana ka sokajiny arakaraka ny laharam-pahamendrehany ho toy izao:” Tsy maintsy ilaina, indrindray ilaina na tadiavina”. Ahitana izao teny izao ao amin’ny boky masina:

“Ry mpino! Ry mpino! Midira ao amin’ny fiadanan’Andriamanitra ianareo rehetra” Lanio ny zavatra tsara izay azonareo sy ny vokatry ny tany nomanay anareo (2:267); mitsangana ho vavlolombelona ny efatra aminareo raha mijangajanga ny vadinareo [hanamarinana izany] (4:15); mandidy marina anareo Andriamanitra hanome ny ambim-bava ho an’izay tokony hahazo izany, ary rahefa mitsara olona ianareo, aza miangatra (4:58), Ry mpino, diniho ampahamalinana ny fahamarinana ary meteza ho vavolombelona masina arak’izay andidian’Andriamanitra, ataovy amin’ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary izay ray aman-dreny akaiky anareo izany (4:135); ary raha mihavana aminao ny fahavalonao dia mihavana aminy koa (8:61); ary raha misy olona tsy azo antoka mitondra vaovao ho anareo, diniho tsara fa sao hanointsoina ny tsy manantsiny izany(49:6)”

Raha fintinina, ny Coran dia miteny amin’ny fiarahamonina tsy ankanavaka ary manankina aminy ny asa manontolo izay iandraketan’ny lamina demokratika ankehitriny. Miara-miasa sy mitsinjara izany andraikitra izany ny olombelona tsirairay ary mametraka ny fototra ilaina mba hanatanterahana azy. Ny rafi-pitondrana dia ahitana ireo fototra ireo. Noho izany, dia mitaky fitondrana mifototra amin’ny fifanarahana ara-tsosialy. Mifidy ny mpitondra ny olompirenena ary mametraka filankevitra mba handinihina ny olana iombonana. Ankoatra izany, mandray andraikitra ny fiarahamonina manontolo amin’ny fanaraha-maso ny fitondra,a. Nandritry ny andro nitondran’ireo mpandimby an’I Mahomet 4 (632 – 661) no tena nampiharana ara-bakiteny io endri-pitondrana io, tao anatin’izany ny fifidianana malalaka. Noho ny fifandirana tao anatiny sy ny fepetra takian’ny vanim-potoana no nampiova ny rafi-pitondrana ho fitondram-panjakana taorian’ny sahafatesan’I Ali, mpandimby raha zfatra. Ny fahefam-panjakana dia nivandovàna, io no mahasamihafa azy tamin’ny fisian’ny Kalifa. Na izany aza anefa, na tsy misy intsony aza ny fifidianana malalaka, ny fiombonambe silamo dia nampihatra ireo foto-kevi-dehibe niteraka ny demokrasia malaka.

Fivavahana manana ny maha izy azy ny finoana silamo mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra tokana, tomo sy mpahary, mpahita ny miafina sy mitondra izao rehtra izao izy. Ny finoana silamo dia fivavahana ho an’izao tontolo izao, izany hoe, manaraka ny lalàna napetrak’Andriamanitra, noho izany, izay rehetra eto amin’izao tontolo izao dia ‘silamo” ary manaiky an’Andriamanitra sy eo ambany fahefany.

Na dia ny fisian’ny tsy mpino an’Andriamanitra aza dia finoana silamo satria singa madinika indrindra amin’ny vatany dia manaraka ny lalan’Andriamanitra, nosoritany tamin’ny alalan’ny fahefany hatramin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany sy ny fahapotipotehan’ny nofony. Ny finoana silamo dia mampianatra fa Andriamanitra, ny zavaboary sy ny olombelona dia tsy mifanalavitra na samihafa. Miseho amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny zavaboary sy ny olombelona ihany Andriamanitra; ary ny olombelona sy ny zavaboary dia bokimpahariana roa ka ny teny tsirairay avy ao dia mampahalala an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny olona hihevitra fa ny zavatra rehetra dia an’Andriamanitra tompo iray ihany, azy samy irery, ary ety antany dia tsy misy tsy fantany. Noho izany, ny fahatsaran’ny olombelona sy ny fitiavany ary ny asany dia tsy natao ho an’ny olona mitovy firazanana, na iray foko na mitovy volonkoditra aminy ihany. Fikirin’ny mpaminany amin’izao didy izao. Izany:” Mandova toy ny mpiray tampoa ianareo ry mpanompo an’Andriamanitra.” Ny zavatra iray lehibe koa dia ny fankatoavan’ny fioana silamo ny fivavahana teo aloha. Mnaiky ny mpaminany rehetra sy ny boky masina nalefa tamin’ireo firenentsamihafa tamin’ny tantara mifandimby izy. Ankoatra ny fanekena azy, ny finoana silamo dia mihevitra ny mino izany dia fepetra lehibe takiana mba ho silamo. Ny mpino silamo dia tena mpanara-dia an’I Abraham, moizy sy I Davida ay I Jesoa sy ny mpaminany hafa rehetra. Izany finoana izany dia manazava ny fahalalahan’ny kristianina sy ny jiosy hiaina amin’ny fivavahany manoka teo ambany fifehezan’ny fitondrana silamo.

Mikatsaka firahamonina anjakan’ny fahamarinana sy ankatoavin’Andriamanitra mandrakariva ny lamim-piarahamonina silamo. Tsy azo ekena ny fifanafihana. Tsy maintsy mifototra amin’ny finoana, ny fitiavana, ny fifanajana sy ny fifanampiana ny fifandraisana fa tsy amin’ny fifandirana sy ny fitadiavana tombontsoa manokana. Ny fanabeazana sosialy dia natao hamolavola sakana amin’ny fanirian-dratsy ary mankahery antsika arka izay azo atao mba hanatsarana ny tsaratsara kokoa amin’ny fitarihana ny fontsika hanaraka tanjona ambony. Mitaky firaisankina ny zo, mitarika tsy fisaraham-bazana sy fifanampiana ny fahamarinana, ary miantoka ny firahalahiana ny finoana. Mitondra fahasambarana ety antany sy any andanitra ny fitarihana ny fanahy ho amin’ny mendrika kokoa.

Mivoaka manaraka ny fivoaran’ny fotoana ny Demokrasia, Nandalo dinganan maro teo aloha izy ary tsy mitsaha-mivoatra sy mihatsara amin’ny ho avy. Izany lalana nodiaviny izany no nahatonga azy ho lamina iray tena mifanaraka amin’ny maha olona sy marina, lamina mifototra amin’ny tsara sy ny zava-misy. Raha heverina ho toy ny vondrona iray ny zanak’olombelona, tsy atao ambanin-javatra ny haben’ny ara-panahy amin’ny fisiany ary tsy adinoina koa fa ny fiainan’ny olombelona dia tsy voafetra eto amin’ity fiainana mandalo ity ary ny tsirairay dia mangetaheta ny fiainana mandrakizay dia mety hahatratra ny fahambonian’ny fahatsarana ny Demokrasia ary hitondra fahasambarana misimisy kokoa ho an’ny zanak’olombelona hanampy azy amin’ny fitoviana, amin’ny fifandeferana sy amin’ny fahamarinana.