Ny Famelankeloka Hoan

Fahasoavana mivandravandra indrindra avy amin’Andriamanitra ny aina, ny fiainana hita maso sy mandrakisay dia ny any ankoatra. Naniraka mpaminany sy mpanoratra soratra masina tamimpamindram-po Andriamanitra mba ho mendrika io fiainana io isika raha mangataka aminy. Noho izany antony izany no ilazany ireo fanomezampahanoavana hoainy zanak’olombelona ireo ao amin’ny Coran “ar-Rahman”, hoy Andriamanitra: “ny mpamindra fo indrindra. Nampianatra ny Coran izy. nanao ny olombelona. Nanampianatra azy hiteny mazava” (55:14)

Ny hendrik’io fiainana io rehetra dia fanomanana ny any ankoatra ary natokana ho amin’izany tanjona izany ny voany tsirairay avy.  Hita isaky ny zaka ataony didy ary ao amin’ny fahombiazanany famindram-po. Misy korontana ar-tsosialy na vanimpotoana araboanjanhary sasany toa mahakamo eo amboalohany, tsy afaka mihevitra izany ho tsy mifanaraka amin’ny famindram-pon’Andriamanitra anefa isika. Toy ny roana mamirapiratra na ny tselatra sy ny kotroka izy ireny,izay mampatahotra, kanefa na iazany aza miala amintsika ny vaovao, ny fiavian’ny orana.hihira ny fiderana ilay mpamindra fo indrindra anie ny voary tontolo.

Toy ny loharano madio eo anivon’ny tany karakaraina I Mahommed, loharanon’ny fahazavana ao amin’ny aizina manarona.ny famindram-poinday dia toy ny fanalahidy mahagaga eo an-tanan’ny mpaminany, satria amin’io no hamohany izy fo mafy sy feno roy (arefesina) izay heverin’ny olona ho tsy afaka mivoha intsony.ary mbola afaka manao ambony noho izany izy: mandrehitra fom-pinoana ao aminy.

Nampianatra ny silamo ny fivavahan’ny famindram-po ha an’ny daholobe ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra. Na izany aza, nony olona sasany milaza tena ho mandala ny maha olona milaza azy io ho “fivavahana mahery vaika misetrasetra”. Diso tanteraka izany;

Ary tena ilaina ny manasokajy ny famindram-po sy manavaka izay mendrika azy, satria ny “famindram-po amin’ny ambo dia mety tsy hampahazoto omana azy, ary raha tokony ho faly amin’izay efa azony izy dia mbola mangataka fanampiny”. Ny famindram-po amin’ny mpanao ratsy dia mahatonga azy hasika indray ary mampahery azy hanohitra ny hafa. ny tena marina, mitarika ny olona hiala amin’ny fanaovan-dratsy ny famindram-po tena izy. Rehefa nilaza tamin’ny namany hanampy ny olomasina sy tsy masina ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra, nangataka azy hanazava izy azy ireo fa to misy fifanoheran-javatra izany. Ary hoy izy: “Ampianaro hiala amin’ny fanaovana ny tsy fahamarinana ny olona”. Noho izany, ny famindram-po dia mitaky fa ireo izay mahatonga ny olona dia tsy omena ny fitaovana mamela azy hanao izany na samborina. Raha tsy izany, hanatanteraka io araka izay tiny izy. Ny famindram-pon’izay nirahin’Andriamanitra dia, hoan’ny voary tontolo. Fantany fa nyfanomezana alalana ny olona handatsa-drà no lian-drà amin’nyfifehezana ny hafa no fametavetana mahatsiravinaindra mety hisy vokatr’izany, noantintrantsiny fa amin’ny alalan’ny famindram-po no ahafahan’ny zanakondry miaina ampiadanana, eo am-panafihan’ny ambodia. Araboajanahary, maniry ny rehetra ho voatarika izy. Izany koa no teny andraikinylehibe:

"Mety halahelo mafy ianao satria nanome lamosina anao izy ireo ary tsy nino ny teny voalaza!” (18:6).

Rehefa naratra mafy tamin’ny adin’i Ouhoud izy, nanangana ny tanany ary nivavaka hoe: “Ry Andriamanitra! Avelao ny helony fa fa tsy fantany izay ataony”. Ry mekoa (mponina), mpiara-velona aminy nampijaly azy fatratra ka mahatonga azy hifindra monina tany Medine. Taorian’io, tsy nisy fandriampahalemana ny dimy taona manaraka. Kanefa rehafa nahazo an’I La Mecque tsy nisy latsa-dra izy ny taona faha 21 n’ny asa faminaniany dia nangataka ny mponina tao La Mecquetsy mpino hoe: “Fihezana toy inona no andrasanareo amiko”. Namaly tsy amimpiambahanbana izy ireo hoe: “Avo indrindra sy zanaky ny avo indrindra ianao” nampahafantatra azy ireo ny fanapahan-keviny izy: “Afaka mandeha ianareo satria tsy misy fanamelohana azo atao aminareo ankehitriny. Hamela ny helokareo anie Andriamanitra. Izy no tena mpamindra fo lahibe”.

Nampiseho ny famelankeloka anao indrindra manoloana ireo tsy mpino ny irak’Andriamanitra: “Marina , ho alaina eo anivonareo ny irak’Andriamanitra ary avy aminareo, havesatra aminy ny olana mahazo anareo, hitandrina anareo tsara izy, mihevitra anareo sy mpamindra fo amin’nytsy mpino izy. (15:88), manan-jo feno amin’ireo mpino izay tsy anany eo aminareo ny mpaminany (33:6) ary ny haditra milaza hoe: “… Izay maty anhin-trosa sy mamela olona tsy manam-piahy, tongava ho avy eo amiko, izaho no miantoka izany.” (Bukhari, Kitâb at-tafsîr)

Mahazo ny famindram-pony na ireo mpiatsara ivelatsihy sytsy mpino aza. Fantany ireo mpiatsara ivelatsihy kanefa tsy nanameloko azy na oviana na oviana izy, satria tsy manana ny zo maha olom-pirenena feno izay azony tamin’ny asan’ny fivoana sy ny fivavahana izy ireo.

Tsy manaiky ny handringavana ireo tsy mpino Andriamanitra, na dia mandringana ireo vahoaka mitovy aminyaza taloha:

"F Andriamanitra tsy handringana azy raha mbola eoanatrehany ianao; ary tsyhikapoka azy raha mangata-pamelanaizy ireo.” (8:33).

Mahakasika ire tsy mpino nandrintry ny vanim-potoana nifandimby io andidiny io. Tsy handringana olona Andriamanitra raha mbola misy mpino roa mankaboa ny iraka nalefany eo anatrehany. Fanampin’izany, mamoha ny varavaranyhoan’ny olona tsirairay izy. Na iza na iza afakamanaiky ny finoana silamo sy mangata-pamelana amin’Andriamanitra na firy na firy ny isa sy ny haben’ny fahotana hitany.

Izany no maha endri- mpamindrampo ny fitiavana ananan’ny silamo iray manoloana ny tsy mpino. Rehefa nahita lahy antitra 80 taona tsy mpino io ‘Omar. Mipetraka izy ary mitaraina. Rehefa nanontaniana izy hoe fa nahoana dia namaly hoe: “Nomen’Andriamanitra fiainana lava izy kanefa tsy nahita ny lalana mahitsy”. I ‘Omar dia mpanaradia ny irak’Andriamanitra izay niteny hoe: “Tsy nalefa hanozona ny olona aho fa nalefa ho mpamindra fo” ary “Izaho ihany no i Mohammed sy Ahmad sy Mouqaffi (mpaminany farany); izaho ihany koa no i Hachir (mpaminany lehibe nanangana ny maty teo anoloany); mpaminan’ny famelan-keloka.mpamindrafo manoloana ny zaza koa ny irak’Andriamanitra raha mahita zaza mitomany izy dia mipetraka teo anilany ary manambitamby azy. Mahatsiaro mihoatra noho ny fitaintainan’ny reny amin’ny zanany izy. Hoy izy indray andro: “raha mitsangana hivavaka aho kanefa nandre tarainanjàza, lasa niantso an-dreniny haingana”. Noraisiny ny zaza ary notrotriny. Rehefa nitrotro ny zanany kely roa, i Hassan sy Houssaïnizy indray maka, niteny taminy i Aqra ibn Habis hoe: “mananjanaka folo aho, ary ary tsy nanoroka na oviana na oviana ny iray taminy”. Namaly azy ny irak’Andriamanitra: “Izay tsy mitsetra ny hafa dia tsy hitserana koa izy”. Amin’ny teny hafa, hoy izy taminy bédouin (mpifindra monina avy any Arabie) iray: “Inona no azoko atao anao raha alan’Andriamanitra ao am-ponao ny famindram-po”?

Mbola nilaza izao koa izy: “Manan famindram-po amin’ireo izay eto ambany masoandro mba hanan’izy ireo famindram-po aminao any an-danitra”. Raha narary i Sa’d ibn ‘Ubada indray andro dia namangy azy ny irak’Andriamanitra, nitomany izy raha nahita ity namany tamin’endrika mampalahelo ary miteny hoe: “Tsy manameloka noho ny ranomaso sy ny alahelo Andriamanitra fa manameloka amin’ity”, ary notondroiny ny lelany. Nitomany mafy izy rehefa maty i ‘Othman ibn Mad’.

Namely fehamaina ny mpanompo vaviny ny iray tamin’ny fohon’I Bannu Muqarrinindray andro. Nambarany tamin’ny mpaminany izany ka nantsoin’i tsy farany ny tompony ary nilaza hoe: “Nikapoka azy tsy amin’antony ianao. Votsory izy”. Tsara hoan’ny mpmpanandevo kokoa ny nanafaka ny andevony noho ny ho voasazy amin’ny fahadisoany any an-koatra. Miaro sy manampy ny maty vady, ny kamboty sy ny mahantra ary ny manankilema mandrakariva ny irak’Andriamanitra, eny fa na dia talonan’ny fiantsoana azy hanatanteraka ny famivamiana aza. Rehefa nandao ny tendrombohitra hira tamim-pihetseham-po lahibe izy.noho ny fanambarana voalohany ka niverina tany aminy, miteny taminy: Khadija vadiny hoe: “Manantena aho fa ianao no ho mpaminanin’ny Oumma (fifondronan’ny mponina silamo), satria ianao milaza ny fahamarinana mandrakariva, mendri-pitokisanaianao, mankahery ny manodidina anao, manampy ny mahantra sy ny osa ary mampiatrano ny marary ao aminao”. Hatramin’ny biby rehetra aza mahazo ny famindram-pony.

Nianarantsika taminy fa “voatantan’Andriamanitra nankany amin’ny fahamarinana ny mpijangajanga ary tafiditra ny Paradisa satria nanome rano ho sotroin’ny alika mahantra iray izay efa ho fain-hetaheta. Fanampiny, hatsipy any anaty afo ny vehivavy iray satria namelasaka ho matin’ny anoanana”. Indray andro, rehefa avy nanatanterakany raharaha miaramila izy ireo dia nandray voron-kely vao menamena tao anaty tranony mba ho safosafoina. Tsy mahita ny zanany tao ny reninyrehefaniverina ary nanidintsidina teo amin’ny manodidina sady nihiakiaka mafy. Tezitra ny mpaminany rehefa nambara azy izanyarynandidy ny hamerenana ny voronkely any amin’ny akaniny.

Rehefa tany Mina izy, nahazo bibilava iray saika ho vonoiny nympiaradia taminy sasany soa ihany fa afa-mitsoaka ilay izy. Nahita izany lavidavitra ny irak’Andriamanitra ka nanao fanamarihana hoe: “Avotra tamin’nyharatsianareo izy, toy ny namarotana anareo tamin’ny faharatsiany”. Mitantara i Ibn ‘Abbas fa nahita lehilahy iray vonona hanatsatoka antsy manoloana ondry iray ny  mpaminany, koa ho vonoiny io onry io. Nanotany azy ny mpaminany: “Tehamono azy fanimpiriny ianao?”

Nanafoana ny fanavakavahana ara-bolonkoditra sy ara-pihaviana rehefa ny mpaminany. Tezitra mafy tamin’i Bilal i Abou Dharr indray andro ka nanevateva azy hoe: “Inona koa izay ianao taranaky ny mainty!”. Nambaran’i Bilal tamin-dranomaso ny mpitondra afatr’Andriamanitra izany. Nanome tsiny an’i Abou Dharr ny mpaminany: “Entinao isan’andro na ny famantarana ny Jahiliyya?”. Nitsotra tamin’ny tany tamimpanenena lehibe i Abou Dharr aryniteny hoe: “Tsy hiarina aho raha tsy mametraka ny tongony eo an-dohako i Bilal”.Namela ny helony i Bilalary nihavana izy ireo.