Ny Fahafahana Manao Zavatra Efa Ao Anatintsika Sy Ny Fanabeazana

Nosokajiana ho vondrona telo hatramin’ny fotoanan’ny Ibn Miskawayh ny fahafahan’ny olombelona manetsika ny ao anatiny : ny fisaintsainana, ny fahatezerana, ny faniriana. Ny fisaintsainana dia mahakasika ireo fahafahantsika mamolavola zavatra, mandinika, mandini-tena, mitadidy, mianatra, sy ny sisa. Ao amin'ny fahatezerana ny fahafahantsika miaro tena izay faritan’ny lalàna silamo ho toy ny zavatra ilaina mba hiarovana ny finoantsika sy ny fivavahantsika, ary ny fahatonian-tsaina sy ny fananana, ny aina sy ny fainakaviana ary ny zava-masina hafa. Faniriana indray kosa no anaran’ireo hery manetsika ny filàna maha-biby antsika.

“Nohatsaraina tamin’ny olona ny fitiavana ny zavatra izay irin’ny fony : vehivavy, zanaka, tahirim-bolamena sy ny vola, soavaly, ny biby fiompy sy ny saha ; ireny rehetra ireny dia zavatra hifaliana eto amin’ity fiainana ity, eo akaikin’Andriamanitra anefa ny fiverenana tsara” (3:14)

Io hery manosika io koa dia hita ao amin’ireo zavaboary hafa. Na dia izany aza anefa, izy io dia faniriany, fahiratan-tsainy, fiarovana voafaritra ho an’ny ainy sy ny zara-taniny, misy fetra ihany izy io ao amin'ny zavaboary ankoatra ny olombelona. Samy nomena safidy malalaka sy ny tsy maintsy hifehezana ny hery anaty manosika antsika isika tsirairay avy. Arakaraka izay manodidina antsika sy ny anton-javatra miseho, io hery io matetika dia misho amin'ny fialonana, fankahalana, ny fihatsarambelatsihy, sy ny avonavona ary ny fanafihana. Mila fifehezana tsara avokoa ireny rehetra ireny.

Tsy natao ho vatana sy saina fotsiny isika. Manam-panahy izay tsy maintsy afa-ketaheta isika tsirairay avy. Raha tsy misy io dia tsy afaka ny hahita ny tena fahasambarana marina sy fihatsarana isika. Tsy hisy ny fahafaham-po ara-panahy raha tsy amin'ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny finoana azy. Raha mianona fotsiny amin'ny tontolo ara-batana isika dia tsy ho tafavoaka. Afaka mandresy izany amin'ny alalan’ny finoana sy ny fiderana isan’andro isika sy amin'ny tsy fitopoan-teny fantatra amin'ny fampiasana io hery manosika antsika hanao zavara io. Tsy azo atao ny mitady hanafoana io hery io, fa ampiasaina ny safidintsika malalaka mba hanajanonana sy hanadiovana azy sy mba hitarihana azy mankany amin'ny fahamarinana. Ohatra, tsy afaka manafoana ny faniriantsika , filan’ny nofo isika, fa afaka manome fahafaham-po izany ara-dalàna amin'ny fiterahana. Ny fahasambarana dia mikendry hampihena ny vaikan’ny filantsika ara-nofo ao amin'ny fetra ara-dalànan’ny fahamaotinana sy fahamendrehana fa tsy ho amin'ny filibana amin'ny fiainam-betaveta.

Toy izany koa, ny fialonana dia azo tarihina mankany amin'ny fihetsehan-tsaina tsy misy lolom-po izay irintsika anahafana ireo  izay ao anatin’ny fahatsarana sy ny asa mendrika. Ny mampihatra ny fitsipika tokony sy mifanaraka amin'ny fisainantsika mahatonga ny fahazoam-pahalalana ary miafara amin'ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahendrena. Mitondra mankamin’ny herim-po sy faharetana ny manadio sy mahafehy ny fahatezerana. Fehezo ary ny filàna sy ny faniriantsika ary mapitomboy ny fahamaotinana.

Raha heverina ho toy ny ivom-paribolana iray ny fahamarinana ka lavitra io ivo io ny hetsika tsirairay toy ny hadalana, dia miha-mitombo arakaraka ny fanalavirana io ivo io, ary tsy misy afa-tsy ivo iray ao amin'ny faribolana kanefa teboka maro no manodidina azy. Na zotra mankaiza na zotra mankaiza misy azy, ny fialana amin’io ivo io dia hadalana.

Misy zavatra manan-danja roa mifatotra amin'ny fahamarinana ara-moraly : ny fahabangana sy ny tafahoatra. Hadalàna sy hevi-dratsy ireo zavatra roa ireo raha oharina amin'ny fahendrena. Ho an’ny herim-po, misy ny hakanosana sy ny tsy fitandremana, ary ho an’ny fahamaotianam-pitondran-tena. Ao ny faniriana tsy voafehy sy ny tsy fahatsiarovan-tena. Noho izany, ny fahatsaran’ny olombelona izay tanjona lehiben’ny fisiantsia dia mifototra amin'ny fepetran’ny fandanjalanjana ireo zavatra roa mifamatotra amin'ny fahamarinana isan-karazany ireo. I “Ali ibu Abi Talib dia milaza fa :

“Navahan’Andriamanitra tamin’ny fahiratan-tsaina tsy misy fairiana ara-nofo na hafinaretana na hatezerana ny anjely, ary ny biby kosa tamin’ny hatezerana sy ny fanirian-dratsy tsy misy fahiratan-tsaina. Izy kosa nanome ny zanak’olombelona ny toerra avy aminy manontolo. Vokatri’izany, raha maha-tohitra ny fanirian-dratsiny sy ny hatezerany ny sain’ny olombelona dia ho lasa amony noho y an’ny anjely ny azy.

Tsy vita ny manatsara ny fairahamonin’ny zanak’olombelona raha tsy asandratra ho amin'ny laharana maha-olona izy, fa tsy hoe potehina sy aringana ny taranaka ratsy. Na dia voan-javatra kely iray amin'ny fivavahana, ny fomban-drazana sy ny fahalalana ara-tantara aza no mitsimoka amin'ny firenen-drehetra, misy zavatra hafa vaovao manimba miseho sy miha-lehie maka ny toeran’ny taranaka ratsy naringana.”