Ny Fianakaviana, Ny Sekoly Sy Ny Manodidina

Ny firenena te-hiantoka ny ho aviny dia tsy afaka manampi-maso amin'ny fanabeazaa ny zanany. Ny ankohonana, ny sekoly, ny manodidina sy ny haino aman-jery dia tsy maintsy miara-miasa ma ahazoana ny vokatra tadiavina. Ny firehana tsy mitovy amin’ireo rafitra saro-pady ireo dia maneho fiantraikany mifanohitra amin'ny tanora izay mandiso az ary manaparitaka ny herim-pony. Ny haino aman-jery indrindra indrindra dia tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanabeazana ny tanora mitovy amin'ny fahalalana amin'ny fandaharam-pianarana izay ilain’ny fiarahamonina. Tsy maintsy tomombana araka izay azo atao amin'ny fandaharam-pianarana koa ny sekoly, ny moraly sy ny ny fahalalan’ny mpampianatra sy ny  endrika ivelan’ny sekoly? Ny ankohonana ihany koa dia tsy maintsy manome tontolo mahafinaritra sy mendrika ary tena ilaina amin'ny fahalalana ny zaza.

Nandritra ny taon-jato voalohany ny silamo, niezaka mafy hahalala izay sitrak’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany y saina, ny fo sy ny fanahy. Ny dinidinika, adihevitra, ny fifandraisana sy ny zava-nitranga dia nirona tamin’izany avokoa. Vokatr’izany, arakaraky ny halebeazan-tsain’ny tsirairay no idiran’ny zavatra tsara sy ny saina tsara izay manodidina azy ao aminy. Toy ny mampianatra ny zavatra rehetra tamin’izany, manomana ny fanahy sy ny sain’ny tsirairay ary mampivoatra ny fahafahany hahatakatra lalina ny fahalalana silamo.

Ny tokantrano no sekoly voalohany handraisantsika ny fanabeazana ilaina izay mitondra mankamin’ny fahamendrehana. Io tokantrano io no fototra tsara indrindra ho an’ny fahalalana ny taranaka ao aorina  sy ma hiantohana lamina sy rafitra ara-tsosialy mirindra. Mitohy mandrity ny androm-piainana izany andraikitra izany. Izay voaraintsika ao an-tokantrano dia mamela marika tsy voafafa amintsika. Ankoatra izany, ny tondro zotra omen’ny fianakaviana ny zaza ao an-trano (ny fifandraisana amin'ny rahalahy sy ny anabavy, ny kilalao sy ny sisa) dia mitohy hatrany an-tsekoly (naman’ny zaza, ny bokiny, ny toerana alehany). Tsy maintsy manae ny sain-janany amin'ny fahalalan ny ray aman-dreny mialohan’ny tsy hidiran’ny zavatra tsy manjary ao an-tsainy, satria ny fanahy tsy misy fahamarinana na fahalalana dia saha hitsimohana sy hanirian’ny fisainan-dratsy.

Tsy afaka handray fahalalana tsara ao an-tokatrano ny zaza raha tsy mahita fiainam-pianakaviana milamina ao. Noho izany, ny tanjon’ny fanambadiana dia tsy maintsy afototra amin'ny fiainam-pianakaviana milamimna sy mandray anjara amin'ny fitohizan’ny fireneny manokana ary ny olombelona Andriamanitra ankapobeny. Ny filaminana sy ny fahifaretana ao an-tokatrano dia miteraka fandinihana sy soa toavina ara-moraly ary finoana iombonan’ny mpivady. Alohan’ny hanapahan-kevitra hivady, tsy maintsy mifankazatra tsara ny lahy sy ny vavy ary manao ho zava-dehibe ny fahadiovan-tsaina, ny hafamaotinana, ny moraly sy ny fahamarinana, noho ny harena sy ny fisarihana ara-batana. Ny lafiny ratsy sy ny ditran’ny zaza dia taratry ny tontolo nanabeazaa azy. Ny fiainam-pianakaviana tsy mirindra dia sady mandoto ny sain’ny zaza no mandoto ny fiarahamonina.

Ao an-tokatrano, ny lehibe dia tsy maintsymendrika manoloana ny kely, ary ny kely manaja ny lehibe avy eo. Tsy maintsy mifanaja sy mifankatia ny ray aman-dreny ary tsy maintsy manabe ny zanany amin-katsaram-po sy mandray tsara ny fihetseham-pony. Tsy maintsy marina eo anatrehan’ny zanany tsirairay avy izy, tsy manavaka azy ireo. Raha mampahery ny zanany hampivelatra ny fahafahany manao zavatra, sy ho tompon’ny tenany sy ho an’ny fiarahamonina ny ray aman-dreny dia manome fototra tsy voazera ho an’ny tanindrazany. Raha tsy mampianatra ny fihetseham-po sy ny fanabeazana izay ilaina ho ao amin'ny zanany izy dia mamaha sy mandefa maingoka ao amin'ny fiarahamoniny.

Ny fomba tsara dia fahamarinana tsikaritra ao amin'ny olona izay ahitana izany. Ireo izay manana toetra tsara dia tiavina na dia tsy dia manana fari-pahalalana ambony loatra aza izy. Ny vondrom-bahoaka tsy manana kolontsaina sy fanabeazana dia toy ny olona tsy tomombana satria tsy ahitana fahatsarana ao amin'ny fifankatiavan’izy ireo, tsy misy firaisankiana koa. Ho kivy mandrakariva ireo izay mametraka fitokisana aman’olona,ar izay mametra-pitokisana aminy dia tsy hahazo ny fanoanany ao aoriana kely.