Ny Fahendren'andriamanitra Ao Ambadik'ireo Fahariana Ny Olombelona Maro Samy Hafa

Fa maninona Andriamanitra no nahary antsika tamin'ny tsy fitoviana amin'ny fananan-karena, ny fahiratan-tsaina, ny fomba fiaina sy ny endrika ivelany? maninona no avelany hisy ny fijaliana sy ny tsy fahampian-tsakafo eo akaikin'ny fahampiana tanteraka sy ny fiainana raitra? ankoatry ny fifamatorany amin'ny faniriana dia maro koa ireo fanontaniana mifandray amin'ny fahatsapana ny asan'Andriamanitra.

Tsy maintsy manandrana mamatatra an'Andriamanitra isika

Alohan'ny hiadian-kevitra mikasika io hevitra io dia tsy maintsy marihintsika fa teraka noho ny tsy fahalalantsika an'Andriamanitra ireo fanontaniana ireo. Raha maniry hianatra ny zava-drehetra ao amin'Andriamanitra mba ho tonga mpilalao sary mihetsika malaza na mpanao fanatanjahan-tena isika, raha nahazo loharanon-karena izay mety hianarana zavatra momba ny Tompontsika isika, raha mandinika ny bolain'ny tontolo araka ny toromariky ny CORAN isika sy raha manaraka ny foto-kevitra ampianarin'ny Mpaminany mba hametrahana fiainana marina –raha manao izany rehetra izany isika- dia ho afaka hanavaka ny halebeazan'ny tsy hita maso sy ny zava-mitranga noho ny fahazavan'ny saintsika. Raha afaka mahatratra io faritra io isika dia tsy ilaintsika ny mametraka izany fanontaniana izany. Raha mbola miavaka amin'ny fivavahana anefa ny siansa, raha ny fandinihana madiodio soloina fiainana mekanika sy amin'ny vaovaon-danja, dia tsy hanam-piafarana ny fametrahantsika ireo fanontaniana ireo sy ny fahasarotan'ny fahafantarana ny Mpahary antsika.

Mifehy ny rehetra sy miasa malalaka Andriamanitra

Hevero kely ny faniriantsika hanana sy hifehy izay heverintsika fa fananantsika. Inona no fandraisana anjarantsika tamin'ny famokarana ny sakafo hanintsika? Ny singa madiniky ny sakafo tsirairay avy dia mila ny fisian'ny tontolo manontolo. Amin'ny fanomezana izany, ary raha maniry ny hanana sy hifehy ny fananantsika manokana isika izay tsy nandraisantsika anjara afa tsy bitika monja, ahoana Andriamanitra mpahary sy Tompon'ny zavatra rehetra tokana sy izao tontolo izao no tsy hanana ny fifehezana tanteraka ny fananany?

Manana fisehoana maro samy hafa ny anaran'Andriamanitra Mahery Indrindra

Manome io fanomezana io hoan'ny mananaina rehetra ny Anarana mahita ny hoavy izay ilany mba ho velona. Ny anarana Mpanasitrana ny rehetra no miantoka ny fahasalaman'ny marary. Ny Anarana Mpamaly ny rehetra dia manampy izay rehetra mila fanampiana. Mampitandrina ireo mpiahiahy amin'ny anarany mpampitandrina Andriamanitra. Mampionona izay reraka amin'ny Anarany Mpampionona izy. Raha mandinika ny fisehoan'ny anaran'Andriamanitra isika dia afaka mahita ny hatsarantarehy ao amin'ny fahamarinana izay entiny hoan'ny tontolo, ary mahatsapa ny fahendrena ao ambadiky ny fahasamihafana izay misy ao amin'ny voary. Fantatra amin'ny fisehon'ireo anarany Andriamanitra. Ohatra, ny voninkazo mitsiky amintsika dia vokatry ny fisehoan'ny Anaran'Andriamanitra avy amin'ny voninahiny, fa ny loza voajanahary kosa dia manambara amintsika ny fahatezerany toy ny fisehoan'ny Anarana avy amin'ny Fahalebeazany.

Fanomezan'Andriamanitra ny zava-drehetra

Tsy mahazo mangata-panazavana amin'Andriamanitra Mahery indrindra amin'izay omeny na tsy omeny isika. Averintsika indray fa Andriamanitra dia tsy nahary antsika toy ny vatana tsotra tsy misy aina na toy ny zavamaniry sy biby fa toy ny olombelona. Ary tahaky ny fisian'ny olona manankarena kokoa sy masina kokoa noho isika no isian'ny olona hafa mahantra kokoa na marary kokoa noho isika. Vokany, hoan'iza ny harena sy ny fahasalamana, heverontsika iray mahantra kokoa sy marary kokoa noho isika. Ary ho an'iza ny fahamendrehana sy ny hatsaran-toetra, ny fahalalana sy ny fiheverana ny hafa, ny fahamarinana sy ny fahfoizana, sy ny sisa, alaovy tahaka izay tsaratsara kokoa noho isika.

Heerontsika hoe misy mpanakarena iray nanome mahantra telo ka ny iray nomena efitano iray, ny iray trano lehibe ary ny iray lapa soa. Moa va ilay olona nadray efitrano mannjo hitaraina amin'ilay mpanakarena mpanao soa noho ny tsy nanomezana azy ny trano sy ny lapa? moa tsy tokony tsy maintsy hisaotra ilay mpanao soa aza no nataony noho ilay efitrano? toy izany koa izay ananantsika avy amin'Andriamanitra rehetra. Noho izany, na nanankarena isika na mahantra, salama na kilemaina dia tsy maintsy manome voninahitra an'Andriamanitra mandrakariva.

Mamafy eto antany mba ho jinjaina any ankoatra isika

Kianjan'ny fisedrana ity tontolo ity, toerana itadiaantsika ny fahazoana ireo endrika aman-toetra mendrika amin'ilay fiainana hafa. Ary tsy mora izany. Toy ny mpanjaitra izay manao ny sarin'ny fitafina tsara indrindra hoan'ny mpanjifany amin'ny fandidiana sy fanjairana ny rovindamba avy eo mamokatra azy any amin'ilay mpanjaitra no hamelan'Andriamanitra mahery indrindra antika mba hanome endrika antsika mifanaraka amin'ny fiainana any ankoatra.

Toy ny vainga mbola tsy voahodina mila fanatsarana isika. Toy ny fisian'ny harena ankion'ny tany isankarazany, dia mila ny fisian'ny ambaratongam-pahiratantsaina ny fiainana ara-tsosialintsika, hery arabatana sy fahatsapana. Arakaraka ny vokatra farany azo, na volamena na vato soa, na aritany na varahana, tsy maintsy miharitra fisedrana maro samy hafa ny vianga. Toy izany koa, mila fisedrana ny tsirairay avy amintsika na fanofanana mba ho voamboatra tsara sy hahatratra ny fe-pahombiazana farany izay natokana ho antsika. Midika izany fa Andriamanitra mampiharitra antsika fijaliana amin'ny endriny samy hafa mba ahafahany mampakatra antsika amin'ny endrika sy toetra mendrika ny any ankoatra.

Faritry ny fahasarotan-jaatra koa ity tontolo ity. Rehefa nandrara an'I Adama tsy hihinana ilay voankazo voarara Andriamanitra dia namerina tamin'ny hoe:

"Ry Adama, itsy dia tena fahavalo ho anao sy ny vadinao marina. Tandremo tsara mba izy no hamoaka anareo ato am-Paradisa satria hampalahelo ianao. Ato am-Paradisa ianao tsy hahafantatra hanoanana sy fitanjahana, tsy hiharitra hetaheta na hafanan'ny masoandro ianao ao" (20:117-119).

Mitarika izany fa ho noana sy hangetaheta isika, ho vizana sy hifanojo amin'ny olona isan-karazany eto an-tany. Afafintsika eto antany ny vokatra ho jinjaintsika any ankoatra. Ireo izay mikatsaka ny hanome fahafaham-po ny faniriany no itenenan'Andriamanitra amin'izao teny izao:

"Naparitakareo [fananana] ny tsaranareo indrindra ary nifalianareo tanteraka tety antany: omena sazy enjana ianao ankehitriny noho ny fiavonavonana izay nataonao teny antany, sy hoan'ny fahsiahanareo" (46:20)

Ny nifanohitra amin'izany, ireo izay miharitra ny hanohanana sy ny hetaheta sy ny fahasarotana hafa eto antany noho ny fitiavana an'Andriamanitra dia hahazo ny Paradisa ary teny amin'izy ireo toy izao ny anjely: "Hoaminareo anie ny fiadanana! Olo-marina ianareo. Dingano isan'andro noho izany ny tokonan'ity tontolo ity! (39:73), ary: "Mihinana sy misotroa am-piadanana ma ho takalon'izay nataonareo taloha". (69:24)

Arakaraka ny halebeazan'ny tsodrano no halebeazan'ny andraikitra

Arakaraka ny ahazoantsika tombontsoa sy tsodrano avy amin'Andriamanitra no itomboan'ny andraikitra eo ampelatanantsika. Ohatra, ny fandrotsahana fanomezana ara-dalana dia tsy maintsy ataon'ny manankarena ihany. Ny manankilema, ny jamba sy ny marary anefa dia tsy manao jiady. Mba hanambarana ny finoana farany ambony dia hoy I Jesoa Mpaminany:

"Nianaranareo fa hoy izy: "Tsy hanao fitenenan-dratsy ianao" ary izaho kosa miteny aminareo hoe: na iza na iza mijery vehivavy ka maniry azy fatratra ao am-pony dia efa nijangajanga taminy. Raha manelingelina anao ny masonao avanana, esory izy ary ario lavitra anao: satria tsaratsara kokoa ho anao ny manala ny taovanao iray mba tsy ho ny vatanao manontolo no atsipy any amin'ny afo. Ary raha ny tananao no mandavo anao, tapaho izy ary ario lavitra anao: satria tsaratsara kokoa ho anao ny mamoy iray monja amin'ny ratsambatanao noho ny handehanan'ny vatanao manontolo any amin'ny helo". (Matio 5:27-30)

Tsy mahafantatra isika na manankarena na mahantra na salama na marary no tsara ho antsika. Mampianatra antsika koa ny CORAN: "Mety ho halanareo ny zavatra tsara ho anareo, ary mety ho tianareo ny zava-dratsy ho anareo. Fantatr'Andriamanitra izany fa ianareo kosa tsy mahafantatra" (2:216)

Fanampiny, maro ireo mpanankarena tsy mahatsapa ny tsirontsakafo, tsy mazoto homana, tsy tia zava-pisotro na ny hatsarantarehin'ity tontolo ity noho ny mahantra, ny tsy fahazotoany homany sy ny tsy fahasalamany no mahatonga izany. Na dia tsy anisan'ny zavatra irina aza ny fahantrana ary mety hitarika mankamin'ny tsy finoana aza araka ny voalazan'ny Mpaminany Mohammed dia sarotra ny milaza fa sambatra mandrakariva ny mpanankarena noho ny mahantra. Tsy misy afaka miteny ny olona tany amin'ny "Moyen-âge" izay ambany dia ambany ny faripiainany dia tsy sambatra noho ireo mpanankarena ankehitriny. Mipetraka ao amin'ny fahafaham-po ara-panahy ny fahasambarana fa tsy ao amin'ny fahabetsaham-pananana izay tsy misy afa tsy faniriana ara-batana.

Hevitra iray tsara ho tsipihina koa ny hoe tsy misy afaka mitaraina amin'ny fahasarotana. Raha ampitahaina amin'ny fotoam-pahasalamana, ny fahampiana sy ny fahasambarana dia tsy mendrika ambara ny faharetan'ny aretina sy ny fijaliana. Azontsika ampiana ihany koa fa indraindray isika dia tsy tonga saina amin'ny fanomezam-pahasoavana azontsika. Ohatra, miposaka isanandro ny masoandro ary mandefa ny hafanany sy ny tarany maimaim-poana ho antsika. Na dia tsy manome takalony aza isika dia tsy hoe tsy omena rivotra kanefa raha tsy misy azy isika dia maty vetivety. Tonga tsy misy asa avy amintsika ny tranga voajanahary ilaina mba hiavian'ny saina. Ny tokony hataontsika dia ny misaotra an'Andriamanitra amin'ireo fanomezany sy amin'ny hafa rehetra (izay tsy haintsika vokarina) satria ny ampahany betsaka amin'ny fiainantsika dia lany amin'ny fahasalamana sy ny haingo. Noho izany tsy tokony hitaraina amin'Andriamanitra noho ny aretina sy ny fahasarotana na ny tsy fisian'ny fanomezana fanampiny hafa isika.

Ny fitoviana amin'ny loharanon-karena aramaterialy, sy ny fahafahana ara-tsaina sy ara-batana dia tsy azo heverina fa tanjona irina ara-tsosialy satria tsy mifanaraka amin'ny filan'ny fiainana sosialy izany. Ireo fahasamihafana ireo sy ny toetran'ny olona, ny fepetra sy ny safidy no miantoka ny fahasamihafan'ny andraikitry ny olona, io no singa fototra amin'ny fananan-karena ara-tsosialy. Io fahasamihafana io no miteraka filana mifamaly eo amin'ny mpiara-monina ary miantoka ny fifandraisana tsara eo aminy.na dia izany aza dia tsy maintsy ahorina amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana, ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana io fifandraisana io. Tsy tokony hitondra mankany amin'ny fangejana izy io, ny kolikoly sy ny fandrobana, na amin'ny fanafihana sy fankahalana manoloana ny saranga hafa. araka ny voalazan'I Said Nursi (maty ny taona 1960), manampahaizana, mpandinika sy aktirista silamo izay nahatonga ny fahaterahan'ny silamo indray tany Turquie nandritry ny tapany voalohan'ny taonjato faha XX, ny antony roa lehibe indrindra tao ambadiky ny revolisionina sy ny korontana tamin'ireo taonjato farany dia ireto toetra manaraka ireto: "Ny zava-dehibe dia voky ny kiboko ary na matin-kanoanana aza ny hafa dia tsy raharahiako" ary "Torovana noho ny haitraitrako va ianareo; miasa mafy mba hinanako"

Ny finoana silamo dia mamaha ilay olona voalohany amin'ny alalan'ny "Zakât", ilay fanomezana tsy maintsy atao izay arotsaky ny silamo manankarena ka zaraina amin'ireo mahantra sy mila izany. Ary ilay loza faharoa dia vahany amin'ny alalan'ny varotra tsy mifototra amin'ny fikatsahana, fakana tombombarotra be loatra. Ankoatra izany, ny finoana silamo dia mankasitraka ny fahamarinana mifototra amin'ny fanampiana ny mahantra ary mitaky fiainana voalanjalanja sy manara-dalana. Ny Mpaminany sy ireo mpandimby azy ara-politika efatra (fantatra amin'ny anarana hoe kalifa voatantana tsara) dia ohatra tokony harahin'ny elita silamo.

Ilaina amin'ny inona ny loza?

Alohan'ny hamaranana ity fizarana ity dia tiana no manambara fa na dia tsy azo iriana aza ny fangirifiriana sy ny aretina ary toa mampatahotra dia mitondra vokatra tsara izy ireny. Toy ny fanasaziantsika ny zanatsika mba hanabeazana azy tsara, ny fanapahana na fanesorana taova iray mivonto na ihany koa famokarana fanafody amin'ny alalan'ny poizina avy amin'ny bibilava no itondran'ny ankamaroan'ny fanaintainana sy ny aretina vokatra tsara[5].

Ny fanafiana manindrona ataon'ny vorona dia mampivelatra ny fahamailoana sy ny paik'adim-pandosirana ataony. Na dia manimba ny olona aza indraindray ny orana, ny afo sy ny herin'aratra dia tsy misy olona manozona azy. Amin'ny ankapobeny dia miha mafy noho ny aretina ny lamim-piarovana ao amin'ny zaza kely. Tsy mora ny manao fanatanjahantena kanefa dia tena ilaina tokoa amin'ny fahasalamana sy ny hery ara-batana.

Mety ho sarotra koa ny fifadian-kanina kanefa manome hery hoan'ny vatana, manome asa sy fiaretana. Miha tsara ny fanahin'ny olona amin'ny alalan'ny fiderana sy fandinihana ary koa amin'ny alalan'ny aretina, ny fijaliana sy ny fahasarotan-javatra. Mamela azy ho any am-Paradisa izany satria ho takalon'ny fihafiana kely dia manome valisoa lehibe Andriamanitra. Mampiakatra ny olona ho amin'ny laharana ara-panahy ambonimbony kokoa ny fahasarotana sy ny fiaretana ary mahatonga ny fanomezana valisoa mandrakizay ho azy ireo any ankoatra. Izany no antony niharetan'ny Mpaminany rehetra fahoriana sy fahasahiranana mavesatra indrindra, ary narahin'ny olo-marina sy mpino maro izy tsirairay avy araka ny halebeazan'ny finoany.

Ny fisedrana sarotra, ny fiaretana sy ny loza dia miteraka famelan-keloka hoan'ny mpino, mamela azy hiady amin'ny fahotana, ny fandrebireben'I Satana sy ny izaho ara-nofo, manampy ay ireo hahatsapa ny zavatra tsaran'Andriamanitra ary manokatra ny lalana amin'ny fahatsiarovantena. Ankoatra izany, manosika ireo mpanankarena sy salama hieritreritra ireo mahantra sy marary izy ireo ka hanampy azy. Izay mbola tsy niharitra dia tsy hahatsapa na oviana na oviana ny hanoanana, na ny aretin'ireo marary. Fanampiny, ireo sazy ireo dia mety handray anjara amin'ny fametrahana fifandraisana akaiky kokoa eo amin'ireo vondrona sosialy samy hafa. ny loza sy ny fiharetana dia mampitombo ny fanoherana ny zava-tsarotra eo amin'ny fiainana ary miantoka ny fiofanantsika mba haharitra sy tsy ho kivy. Azo anavahana ny mpino matanjaka sy mendrika amin'ireo izay tsy nanohana ny anton-javatra afa tsy amin'ny fihaviany na anton-javatra manokana hafa koa izy.

[5] De tels événements ont des avantages à la fois pour les croyants et les incroyants. Pour ces derniers, ce sont en plus des avertissements. Nous devons endurer de telles épreuves patiemment, car elles sont généralement suivies de bien et apportent la perfection dans ce monde et beaucoup plus de récompenses pour la vie future dans l'Au-delà.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.