Ireo Fahagagany

Ny fahagagana dia zava-miseho mahatalanjona tanterahin'Andriamanitra mahery indrindra amin'ny alalan'ny Mpaminany mba hanaporofoana ny faminaniany, hanamafisana ny finoan'ny mpino ary hamotehana ny hamafisankatoky ny tsy mpino.

Mihodina araka ny lalana voapetrak'Andriamanitra ny tontolo. Ary ny tsy fisian'io lalanany io sy ny toetra mitovin'ny tranga voajanahary dia ao amin'ny fiovaovana mitohy. Ao amin'ny toerana iray dia tsy ahafahantsika mikaroka lalanan'ny natiora na ahafahana manao fandrosoana siantifika. Na dia nampiseho aza ny fahitana siantifika vao haingana fa ondy avokoa ny zava-drehetra misy ary mihetsika tsy misy fitsaharany dia miodina amin'ny lalana taloha na neotonianina ny fanamboniny. Mahery ny olon'ny siansa hanaiky izany fa tsy afaka manamafy afa tsy zavatra iray izay afaka mitana ny toetrany hita maso ao anatin'ny segondra iray izy.

Raha ny tena izy dia manana ny lalanany manokana ny fiainana ary arakarak'izany no hitondrantsika tena. Mila sakafo sy rano isika mba hanalefahana ny hanoanana sy ny hetahetantsika, ary mamonjy dokotera rehefa marary. Mampiasa ny biby isika mba hanao ny asa tany kanefa tsy afaka miresaka aminy. Mipetraka amin'ny toerana misy azy ny hazo, ary na izy ireo na ny vato na ny tendrombohitra dia tsy misy mahafantatra ny fisiantsika. Toy ny lalanan'ny fiodinana isika, toy ny fisarihana sy ny fanipahana, ary isika dia tsy nanandrana manidina eny amin'ny lanitra raha tsy efa mikajy nialoha izay zavatra ilaina.

Ilaina mba hampihodina ny fiainan'ny olombelona izany rehetra izany. Andriamanitra irery ihany no mamaritra, tsy voafaritr'ireo lalanany izy. Foanany ireo indraindray na ovany ny fiodin'ny zava-mitranga mba ahafahan'ny Mpaminany iray manao fahagagana na hanehoany fa afaka manao izay sitrany izy amin'ny fotoana rehetra. Ny teny arabo ao amin'ny literatiora silamo adika hoe "fahagagana" dia "moudjiza" (zavatra tsy vitan'ny olona afa tsy ny Mpaminany). Raha misy zava-miseho toy izany vita amin'ny alalan'ny olo-marina dia antsoina hoe "karâma" (fanomezam-pahasoavana hafahafa). Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia manamafy na fanamafisana hafan'ny faminanian'ny Mpaminany Mohammed sy ny fahamarinan'ny finoana Andriamanitra. Iray amin'ireny ny faminaniana ny ho avy. Ohatra, I Mouhyi ad-diu ibn al-arabi, olomarina silamo iray, maty 50 taona talohan'ny fiorenan'ny fanjakana Ottoman dia naminany zavaniseho maro tamin'ny tantaran'io fanjakana io. Ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "Chajarat am-Noumâniyya" izay mitovy amin'ny tantara mampiavaka ny fanjakana ottoman dia naminany ny fanekeny an'I Damasy sy Ezypta izy, ary ny Solitana Mourat faha IV nanjany Bagdag ary nahazo azy taorian'ny 14 andro nijanonany tao.

Naminany koa izy fa ny Solitana Abd al-Aziz dia ho faty voatapatanana. Tamin'ny fampiasany ny Soratra S sy CH izay fanombohan'ny Selim sy Cham (Damasy), nampiasainy ireo soratra ireo mba ho famantarana sy faminaniana ny fitadiavana ny fasany. Nanoratra izy fa rehefa miditra ao amin'ny CH sy S dia ho hita ny fasany. Io zavatra io dia marina tanteraka tahaka izay rehetra novinaniana. Rehefa nahazo an'I Damasy ny Solitana Selim I dia hitany ny fasany ary nodidiny ny fanorenana fasana lehibe mba hoan'ny voninahiny.

I Mouchtaq Dada tao Biths (faritany iray any atsinanan'I Turquie) dia naminany 71 taona mialoha fa aorian'ny ady maro dia ho soloina an'I Ankara I Istambul renivohitr'I Turquie taloha. Tena mahatalanjona fa efa novinaniany koa ny anaran'ny olona hanao azy io (kemal) amin'ny fanambarana ny fiandohan-tsoratry ny tononkalony.

Navelan'Andriamanitra hanao fahagagana ireo Mpaminany. Ireo Mpaminany teo aloha anefa dia nalefa hoan'ny vahoakany ka vaogeja ny faminaniana, noho izany ny fahagagana nataon'izy ireo dia mikasika ny fahaizamanao sy ny talenta izay tena nihanaka tamin'ny vanim-potoanany. Ohatra, tamin'ny andron'I Moizy dia nanana ny voninahiny ny fanova-maso tany Ezypta, novan'Andriamanitra mahery indrindra ho biby lava nitelina ireo biby lavan'ny mpanao fanova-maso ny tehin'I Moizy. Tamin'ny andron'I Jesoa indray ny fahaizamanao sitrana no tena nalaza, izany no nahatonga ny ankabeazan'ny fahagagany mikasika ny fanasitranana aretina tsy ahitam-pahafany. Tamin'ny Mpaminany Mohammed indray, ny faminaniana dia natao hoan'izao tontolo izao ary satria izy no Mpaminany farany dia isan-karazany ny fahagagana nataony ary saika mahakasika ny voary tontolo.

Rehefa niditra tao amin'ny tanandehibe iray niaraka tamin'ny fanomezana avy amin'ny mpitarika ny miaramilan'ny mpitarika iray, solontenan'ny vondron'ny mponina na ny vondron'ny mpiasa tsirairay, ny vondrona na fikambanana no nandray azy am-pifaliana; toy izany koa, rehefa nanome voninahitra ny voary amin'ny maha Iraka azy ho amin'ny mponin'ny tany ny irak'Andriamanitra ambony indrindra dia nitondra ny fahazavan'ny fahamarinana hoan'ny voary sy ny fanomezan'ny fanahy mifamatotra amin'ny fahamarinan'ny voary isanisany -singa mineraly sy zavamaniry, hatramin'ny biby sy ny olombelona, ny volana sy ny masoandro hatramin'ny kintana- nandray azy tamin'ny fombany sy ny fiteniny avy, amin'ny toetrany ary nanjary fitaovam-pisehoan'ny fahagagana isan-karazany.ny teny sy ny asa ary ny toetran'ny Mpaminany manankaja iray dia manamafy ny faminaniana sy ny fahamendrehany. Tsy mila fahagaga maro izy. Nandefa azy amin'ny maha olombelona mba ho afaka hitantana sy hitarika ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ny asa rehetra manokana sy iraisana ho amin'ny fahasambarana eto anatany sy any ankoatra sy mba ho afaka nahita ny zavatsoan'Andriamanitra sy ny asany sy ny heriny Andriamanitra. Ny asany tsirairay dia fahagagana avokoa kanefa toa miseho ho zavatra mahazatra sy tsotra fotsiny amintsika izy ireny.

Raha hafahafa avokoa ny asan'ny Mpaminany dia tsy afaka ny hitarika antsika na hanabe antsika. Navelan'Andriamanitra hanatanteraka zava-miseho ary mahavita fahagagana izy indraindray. Tanteraka amin'ny fomba tsy nanaterena ny finoana anefa izy ireny raha tsy iznay dia hanafoana ny tanjon'ny fisedrana antsika sy hahafahana mampihatra ny fahafahantsika misafidy malalaka. Raha manery ny olona amin'ny finoana ny fahagagana fa tsy manome safidy azy mba hino na tsia dia tsy misy dikany ny fisiantsika sy ny heviny manontolo.

Ny ankamaroan'ny fahagagana (1000 eo ho eo) nataon'ny Mpaminany dia notaterin'ny mpanaradia azy aloha, avy eo notaterin'ireo mpitantara azo antoka avy eo voarakitra ao amin'ny fomba amam-panao tena tsy nisy fanovana. Ny tavela indray, na dia tsy nisy nitatitra afa tsy iray na roa tamin'ny mpianany aza dia tsy azo lavina ihany koa satria marina sy voatsaran'ireo manampahefana azo antoka rehetra ary notaterin'ny fiampitan'ny hadita maro. Ankoatra izany, ny ankamaroan'ireo fahagagany dia teo anatrehan'ny vahoaka maro (ohatra, nandritry ny fanafihana ara-miaramila, fankalazana fanambadiana na fety), ary iray na roa amin'ireo mpanatrika no mitatitra azy ary ny sisa dia mijanona ho mpanamafy fa tsy manda izany;

Noho izany dia tsy azo lavina ny fahagagana voasoratra ao amin'ny bokin'ny hadita aryt sy azo ariana na tsy ekena.