Ireo Fanambadiany

Noho ny tsy fahafantaran'izy ireo sy ny fitsarany mitanila dia misy ireo mitsikera ny finoana silamo izay mampiseho ny Mpaminany ho tia fiainan-janga. Melohin'izy ireo ho toy ny fahalemena tsy mifanaraka na dia kely akory amin'ny olona manana fahamasinana ziany, indrindra fa hoan'ny Mpaminany indrindra ihany koa fa hoan'ny Mpaminany farany izay tokony ho modely tsara harahin'ny olona. Tantara tsotran'ireo fanambadiany izay mazava tsara ao amin'ny tantaram-piainany maro sy ao amin'ny fitantarana voamarin'ny teniny sy ny asany dia mampiseho fa ireo fanambadiany dia ara-dalana tsara ary ireo dia anisan'ny enta-mavesatra netiny amin'ny maha irak'Andriamanitra farany azy.

Miovaova ny anton'ieo fanambadiany maro ireo. Na dia izany aza dia mifanaraka tamin'ny asa maha mpitarika sy mpitaridalana ny silamo avokoa izy ireo ho amin'ny lalàna sy ny soa toavin'ny finoana silamo. Ao amin'ny pejy manaraka dia handramantsika hazavaina ny antony mahatonga ireo fanambadiany ireo ary haseho fa diso sy tsy mitombina ireo fanamelohana azy.

Rehefa feno 25 taona I Mohammed alohan'ny hanombohany ny asanyho avy dia nanambady an'I Khadidja, vadiny voalohany. Na dia teo aza ireo faritoe-javatra ara-kolotsaina niainany, tsy lazaina intsony ireo antonjavatra toy ny toetr'andro sy ny fahatanorany dia tsapa fa nadio tamin'ny fitondran-tena izy, mendrika fitokisana sy tsara toetra. Vao nanomboka ny faminaniana dia nanam-pahavalo tsy nihambahamba ny nanalabaraka azy izy. Ny olona tsy mihambahamba namorona zavatra tsy azo inoana. Tsy hay ny tsy hanamarika fa ny fiainany dia niorina tamin'ny fahadiovana sy ny fifehezan-tena hatrany amboalohany ary notohiziny izany lalana izany.

Nanambady an'I Khadidja zokina 15 taona I Mohammed. Ambony dia ambony sy niavaka tamin'ny Mpaminany io fanambadiany io. Niaina ampahasambarana tao anatin'ny 23 taona io fanambadiana io, tao anatin'ny fifampitokisana tanteraka. Na dia izany aza, nandritry ny faha valotaonan'ny faminaniana dia maty I Khadidja ary ny Mpaminany ihany no nanabe ireo zanany. Na dia ireo fahavalony aza dia nanaiky fa tsy nisy ho kianina ny toetra nandritra ireo taona ireo.

Fony fahavelon'I Khadidja dia tsy nanambady afa tsy izy ihany ny Mpaminany na dia neken'ny rehetra aza ny toy izany. Tsy nanambady indray izy raha tsy taty aoarian'ny faha 55 taonany, taona izay itsaharan'ny faniriana ara-nofo lalina sy ny tombontsoa manoka amin'ny fanambadiana. Tsy nisy fotony sy tsy nisy dikany noho izany ireo filazana fa ireo mariaziny dia nandeha ho azy na fiainan-janga.

Manontany tena ny olona idnraindray hoe fa maninona no afaka manambady maro ny Mpaminany? Misy lafin-kevitra 3 azo ambara eto. Tsy maintsy fantarina mialoha anefa faireo tsy mpino sy ny kristianina sy ny jody izay tsy mahalala marina ny mikasika ny finoana silamo amin'ny ankapobeny ka mampifangaro fanahiniana na tsia ny marina sy ny diso mba handisoana ny olona sy hamafazana fiahiahiana no manana fomba fijery lafin-kevita toy izany.

Izay tsy mino sy tsy mivavaka dia tsy manan-jo hanome tsiny ny olona miaina ao anatin'ny fivavahana. Ny fomba fiainan'izy ireo, indrindra fa ny fampirafesany dia ohatra amin'ny fanaovany ratsy tsy misy fitsaharany, tsy misy fiambahambana kely akory na fiheverana kely akory izay ho fiantraikany eo amin'ny fahasambarana sy ny mahatsara ny tanora amin'ny ankapobeny sy ireo zanany manokana. Ireo izay milaza tena ho olona afaka sy mpisolo vava ny fahafahana dia tsy manameloka ny fampiharana ny firaisan'ny samy lahy na samy vavy, ny fijangajangana sy ny fanambadiana maro akory. Tsy misy fifandraisana izany eo amin'ny zanak'ireo olona ireo. Tanjona iray ihany no tian'ireny tsikera ireny hiaviana: hampijanona ny silamo ao amin'ny korontana ara-moraly izay iainany sy ao amin'ny hadalana mahafandrika azy ireo.

Ny jody sy ny kristianina izay mitsikera ny Mpaminany Mohammed amin'ny fanambadiana maro dia atosiky ny tahotra sy ny fialonana ary ny fialonana ny silamo. Adinon'izy ireo fa ny patriarka lehibe hiosy antosina hoe Mpaminany ao amin'ny Baiboly sy ny CORAN izay hajain'ny mpiandany amin'ireo fivavahana 3 ireo sy aseho ho toy ny ohatra ambony amin'ny fahamendrehana ara-moraly dia nanambady maro avokoa ary nanoatra noho ny Mpaminany Mohammed aza[1].

Holazaintsika eto ny tenin'I Isaac Taylor izay niteny mikasika ny fomba hanovan'ny finoana silamo ny olona manaiky hanaraka azy tao amin'ny kongresin'ny fiangonana anglikanina:

"Ny fahamarinana izay alentiky ny finoana silamo dia ny fandanjalanjana ny faniriana, ny fahadiovana ara-batana, ny fahamasinana, ny fahamarinana, ny herim-panahy, ny herim-po, ny fiheverana ny hafa, ny fahasalamana sy ny fahamarinana. Mampianatra ny firahalahiana iainana sy ny fitoviana ara-tsosialin'ny silamo ny finoana silamo. Tsy anisan'ny finoana silamo ny fanandevozana. Zavatra sarotra ny mikasika ny fanambadiana maro. Tsy nandraran'I Moizy izany. Nanao izany I Davida ary tsy rarana mivantana izany ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nidiran'I Mohammed ny fahafahana manamady maro. Zavatra maningana izany fa tsy fitsipika…"

Tsy avy amin'ny silamo ny fanambadiana maro. Raha mikasika ny Mpaminany, ny fanambadiana maro dia nisy dikany maro fa tsy toy izay heverin'ny olona amin'ny ankapobeny, noho ny asany manodidina ny asam-paminaniana.

Amin'ny lafiny iray dia zavatra tsy azon'ny Mpaminany nialana ny fanambadiana maro satria avy tamin'izany no namolavolany ireo lalàna sy ny fitsipiky ny lalàm-pianakaviana silamo. Satria ny fivavahana dia mahazo ny lafim-piainana rehetra, ny fifandraisan'ny mpivady sy ny fiainana manokana ziay tsy misy mahalala afa tsy ny mpivady dia tsy azo alana amin'izany. Vokany, tsy maintsy nanambady maro mba hanome toro hevitra sy toromarika mazava azy izy fa tsy sarisary sy faminaniana fotsiny mba ho azony tsara ny rehetra. Ireo vehivavy masina sy marina ireo dia nampita sy nanazava ny lalana sy ny fitsipika izay mitantana ny fiainana manokan'ny silamo.

-         Satria samy hafa taona rieo vadiny ka azo faritana manoloana ny dingam-piainana maro ireo lalàna sy fitsipika silamo. Nampianarina sy nampiharina tao an-tokatranon'ny Mpaminany aloha ireo fepetra ireo ao nampitain'ireo vadiny tamin'ny silamo hafa.

-         Ny vadiny tsirairay dia avy amin'ny foko samy hafa avy, izany no nahafan'ny Mpaminany nametraka fifamatorana ara-panambadiana tamin'ny fiarahamonina maro. Vokatr'izany dia maro ireo vahoaka anenho fitiavana azy lalina sy namolavolany ary niantohany ny fitovian-tsaranga sy firahalahiana tamin'ny fomba mivantana sy niorina tamin'ny fivavahana.

-         Nisy antony lehibe nilana azy ny vadiny tsirairay avy sy nanampy betsaka tamin'ny fankatoavana ny finoana silamo taloha sy tamin'ny nahafatesan'ny Mpaminany. Nampitany ny hafany izy ireo tsirairay avy sy nanazava izany tamin'ny foko niaviany. Ny haizatra rehetra na anaty na ivelany, ny toetra, ny fitondran-tena sy ny finoan'ny lehilahy iray dia fampodina ny CORAN ho tonga nofo ny fiainany manontolo amin'ny antsipirihany, na ny fiainany manokana na ny fanta-bahoaka. Tamin'izany fomba izany no nianaran'ny tarika sy ny foko rehetra ny CORAN, ny hadita sy ny "Tefsîr" (famakafakana sy fanadihadiana ny CORAN) ary ny "fikh" (Lalàna silamo), ary nanjary nahafantatra ny lanja sy ny maha iz azy ny finoana silamo tanteraka izy ireo.

-         Tamin'ny alalan'ireo fanambadiany nonametrahan'ny Mpaminany fifamatorana ara-pianakaviana tao amin'ny vondron'I Arabia manontolo. Nanome azy ny fahafahana mivezivezy malalaka sy nekena ho anisan'ireo fianakaviana isanisany izany satria ireo foko rehetra tsirairay avy ireo dia nihevitra azy ho mpiray foko aminy. Noho ireo fifandraisana arapianakaviana nateraky ny fanambadiana ireo dia nahatsapa ho nalalaka tamin'ny fifandraisana tamin'ny Mpaminany mivantana irao foko ireo na tamin'ny lafiny inona na tamin'ny lafiny inona mikasika ny fiainana eto an-tany. Nahatsiaro ho nahazo tombontsoa iraisana tamin'io fifamatorana io ireo foko ireo. Nahatsiaro tena ho sambatra izy ireo ary taminy dia voninahitra io fifandraisana io. Anisan'ireny foko ireny ny Omeyyades (tamin'ny alalan'I Oumm Habiba), ny Hachimites (tamin'ny alalan'ni Zaynab bint Jahih) ary ny Bani Makhzoum (tamin'ny alalan'I Oumm Salama).

Toa amin'ny ankapobeny sy marina hoan'ireo Mpaminany rehetra izay voalazantika hatreto. Ankehitriny isika dia hijery fohifohy ny momba an'I Oummahât al-Mouminîn (ireo Renin'ny mpino) saingy tsy araka ny filaharan'ireo fanambadiana.

Khadidja no vady voalohan'ny Mpaminany. 40 taona izy ary ny Mpaminany kosa 25 taona tamin'ny fotoana nitambarany. Izy no niterahan'ny Mpaminany ireo zanany rehetra, afa tsy I Ibrahim izay tsy velona raha vao zaza kely monja. Ankoatry ny maha vadiny azy dia namany nifampizara taminy ireo fironan-keviny sy heritreriny izay nanandaja toko ai Khadidja. Voatso-drano tanteraka ny fanambadian'izy ireo izay naharitra 23 taona, niara-niaina tao anatin'ny filaminana tanteraka izy ireo. Nanampy sy nankahery azy nandritra ireo fitsapana sy fanenjehana I Khadidja. Tiany tanteraka izy ary tsy mba nampirafy azy ny Mpaminany fony fahavelony.

Fanambadiana faka tahaka indrindra teo amin'ny lafiny fitiavana, ny fifanajana, ny fifanampiana sy ny fampiononana io fanambadiana io. Na dia nahatoky sy tsotra teo anatrehan'ireo vadiny tsirairay avy aza ny Mpaminany dia tsy nanadino na oviana na oviana an'I Khadidja ary nampatsiahy matetika ireo fahamarinany sy ireo zavatra tsara vitany. Taorian'ny fahafatesany dia ny Mpaminany ihany no nikarakara ireo zanany tao anatin'ny 4 na 5 taona, sady reny izy no ray. Ambaran'ny sasany fa ny lehilahy toy izany dia sansialista na lasifa ary hafahafa.

Aïcha no vadiny faharoa (fa tsy amin'ny filaharan'ny fanambadiana). I Abou Bakr no rainy, ilay namana akaiky indrindra ny Mpaminany, mpanaradia tena tia azy fatratra ary iray tamin'ireo nanaraka voalohany ny fivavahana silamo. Efa hatramin'ny ela I Abou Bakr no nikasa hanamafy ny fifandraisana taminy tamin'ny alalan'ny fanambadiana. Rehefa nanambady an'I Aïcha ny mpa dia nanome voninahitra sy tombony ambony hoan'ilay lehilahy izay nifampizara taminy ny ratsy sy ny tsara rehetra nandritry ny asany. I Aïcha izay vehivavy nanantsaina manokana sy hendry dia nanana toetra sy fahaiza-mandanjalanja hanohy ny asam-paminaniana. Ny fanambadiany no mamolavola azy ho mpitaridalana ara-panahy sy ho mpampianatra ny vehivavy rehetra. Noho ny vadiny dia nanjary iray tamin'ireo mpianany lehibe ravehivavy. Toy izany ny zava-niseho teo amin'ireo silamo maro tamin'io vanimpotoana voatso-dano io, nampivoatra sy nanatsara ireo fatrapatakarany sy ny talentany izy ary afaka nanaraka azy any an fonenan-tsambatra ihany koa amin'ny maha vady sy maha mpianatra. Iray tamin'ireo manampahefana lehibe mikasika ny hadita izy, mpanadihady ny CORAN nihorehana ary mpahay manokana sy niavaka izay mikasika ny lalàna silamo. Izy no naneho ny toetra sy ny traikefa anaty sy ivelan'ny Mpaminany Mohammed noho ny haranitantsainy tsy manam-paharoa.

Oumm Salam dia avy amin'ny foko Banon Makhzoum, nanambady ny zana-drahalahiny aloha tamin'ny voalohany. Nanaraka ny finoana silamo hatrany amboalohany izy mivady ary nifindra monina tany Abyssinia mba handositra ny fanenjehana. Taorian'ny fiverenany dia nifindra monina tany Medina niaraka tamin'ny zanany 4 izy. Maty noho ny ratra nahazo azy tamin'ny ady tao Ouhoud ny vadiny izay efa mpiady tranainy. Nahatsapa ireo filany sy ny fangirifiriany tamin'ny maha maty vady miaraka amin'ny famelana zaza efatra I Abou Bakr sy Omar ka nanolokevitra azy ny fanambadiana. Nanda izy satria nihevitra fa tsy misy olona tsara noho ny vadiny maty.

Taty aoriana kely, nikasa ny hanamady azy koa ny Mpaminany. Rariny sy hitsiny tokoa izany satria io fianakaviana lehibe izay tsy nihemotra na oviana na oiana teo anatrehan'ny fiafiana sy nyf angirifiriana hoan'ny finoany io dia irery ankehitriny, rehefa niaina antaonany maro tao amin'ny iray tamin'ireo olo-manankajan'ny fokony Arabia. Tsy azo tsinontsinoavina sy avela hangataka izy mba ho velona. Raha heverina ireo fahatsorapony, ny fahamendrehany sy izay rehetra niharetany dia mendrika fanampiana tokoa izy. Nataon'ny Mpaminany izay nataony rehetra fony fahatanorany rehefa nanambady azy izy: nanome ny fitiavany hoan'izay mila namana, nanohana ireo izay mila fanohanana ary niharo ny olona tsy manampiahy.

Nanantsaina sy fitadidiana lalina I Oumm Salama ary nanana ireo toetra nilaina mba ho mpitantana sy mpanabe ara-panahy koa. Rehefa nalain'ny Mpaminany ho teo ambany fiarovany izy, mpianatra vaovao izay hajain'ny vehivavy rehetra sy nekena tao amin'ny sekolim-pahalalana ny lalàna sy ny lala-mahitsy. Satria tamin'io fotoana io ny Mpaminany dia efa nananika ny faha 60 taonany, nanambady vehivavy maty vady, renin-jaza maro, ary niantoka ireo fandaniany sy ny andraikitra avy amin'izany dia tsy azo adika afa tsy ny hoe fisehoan'ny famidnram-po tsy misy fetrany ao aminy sy ny maha olona azy izay mendrika ny fiderantsika.

Oumm Habiba dia zanak'I Abou Soufyan, ilay fahavalo goavan'ny Mpaminany voalohany ary ilay mpiharo tanteraka ny tsy finoana. Na dia izany aza dia ny zanany vavy no nanaraka ny finoana silamo voalohany. Nifindra monina tany Abyssinia izy ary maty tany ny vadiny ka tavela irery tany sy nampalahelo dia nampalahelo izy.

Tamin'io vanimpotoana io dia mbola vitsy dia vitsy ny mpanaradia ary zara raha nahavelon-tena. Vahaolana maro no nomena an'I Habiba: hiova ho kristianina ary hahazo fanampiana avy amin'izany (tsy azo heritreretina); hiverina any La Mecque, any amin-drainy izay toerana isian'ny ady hanoherana ny silamo (tsy azo heritreretina koa); na hangataka mba ho velona na dia anisan'ireo fianakaviana nanankarena indrindra tamin'ireo olona ambony aza ny fianakaviany, hahapitrangamenatra ny fianakaviany izany.

Hamalisoa an'I Oumm Habiba amin'izay rehetra nafoiny sy niafiany teny amin'ny lalan'ny finoana silamo Andriamanitra. Niharitra ny sesitany mitokamonina teo anatrehan'ireo olona tsy mitovy razana sy tsy mitovy fivavahana taminy izy ary nangirifiry tamin'ny fahafatesam-badiny. Rehefa nahafantatra ny toerana mampalahelo nisy azy ny Mpaminany dia nangataka azy ho vady tamin'ny alalan'ny mpanjaka (Nego). Io fihetsika feno fiderana nataon'ny Mpaminany io dia porofon'ity andininy ity: "Tsy nandefa anao afa tsy ny ho mpamindra fo hoan'izao tontolo izao izahay" (21:107).

Noho io fanambadiana io no nitambaran'ny Mpaminany tamin'ny fianakavian'I Abou Soufyan sy ny tokantranony. Io fivoaran-javatra io no nitarika ny fianakaviany hanao fihetsika hafa manoloana ny fivavahana silamo. Nampiova ny fianakavian'I Abou Soufyan io fanambadiana io: ny fokony, ny omeyyade dia hanjaka eo amin'ny fiarahamonina silamo afaka fotoana fohy nandritra ny taonjato iray teo ho eo ary nahavariana azy ireo ny fahamboniam-panahin'ny Mpaminany.

Zaynab bint Hahch dia zanak'olona ambony sy nifanakaiky tamin'ny Mpaminany. Tena marina izy, nifady hanina matetika, nanao fiharetan-tory lava tamin'ny fivavahana ary nahafoy hoan'ny mahantra. Rehefa nampanambadian'ny Mpaminany an'I Zayd (zanaka natsangany afrikanina) izy tamin'ny voalohany dia tsy nankasitraka izany loatra I Zaynab sy ny fianakaviany. Ny Mpaminany no nantenain'ny fianakaviany ho vadiny. Rehefa hitan'izy ireo fa hafa noho izany ny fanapahan-kevitry ny Mpaminany dia rariny raha nanaiky noho ny fitiavana ny Mpaminany izy ireo.

Mbola zaza I Zayd dia babo tamin'ny ady. Novidin'I Khadidha ho fanomezana ny Mpaminany izy. Nafahan'ny Mpaminany izy ary natsangany afaka fotoana fohy. Tamin'ny alalan'ny fanambadiany no noheverin'ny Mpaminany hanamafisana ny fitovian-jo amin'ny fametrahana io idealy io hanjary zavatra azo tsapaintanana amin'ny alalan'ny fandevenana nyf omba fihevitry ny arabo manoloana ny andevo na ny andevo afaka manambady vehivavy olona afaka. Sarotra teo anatrehan'ny fianakaviany ny nanatanterahan'ny Mpaminany izany toe-javatra izany.

Nampalahelo anefa io fanambadiana io. I Zaynab olona ambony dia silamo namirapiratra tena nino tokoa. I Zayd kosa dia andevo novotsorana sady anisan'ny iray tamin'ireo nanaraka ny finoana silamo voalohany ary tena silamo nahafatrapo ihany koa. Samy tia sy nanaiky ny Mpaminany izy roa kanefa tsy nifanentana. Nangataka ny fisarahan'izy ireo tamin'ny Mpaminany matetika I Zaynab. Ny Mpaminany kosa nanolokevitra mba hanam-paharetana sy hitana ny vadiny.

Indray andro anefa rehefa niresaka tamin'ny olona ny Mpaminany dia nanambara taminy I Gabriely fa tsy mainty manambady an'I Zaynab izy[2]. Toy ny fifamatorana efa nipetraka tao aminy io: "Nomenay ho vadinao izy" (33:37). Iray tamin'ireo sedra mafy nihatra tamin'ny Mpaminany io didy io. Tsy maintsy nanambady an'I Zaynab izy ary vokatr'izany dia nandika ny ara-t-sosialy satria Andriamanitra no nandidy azy. Taty aoriana kely dia nitatitra toy izao I Anas: "Raha azon'ny Mpaminany nolavina ny sasany tamin'ireo fanambarana dia nataony izany tamin'io"[3]

Mendrika ho vadin'ny Mpaminany I Zaynab. Tsapany tsara ireo andraikiny sy ireo toetra andrasana aminy ary hanatanteraka ireny hoderain'izao tontolo izao izy.

Talohan'ny fivavahana silamo dia noheverina ho toy ny zanaka nateraka ny zaza natsangana. Vokany, ny vadin'ny zanaka natsangana dia toy ny vadin'ny zanaka nateraka. Araka ny voalazan'ny CORAN, "Ny vadin'ny zanakao lahy avy amin'ny vihinao" (4:23) dia anisan'ireo vehivavy tsy azonao vadina. Io fandrarana io anefa dia tsy mahakasika ny zanaka lahy natsangana satria tsy ahitana fifamatorana ara-dra ao. Io lalam-piarahamonina tena nahazo faka teo amin'ny paiana io dia nanjavona noho ny fanambadian'ny Mpaminany an'I Zaynab araka ny nandidian'Andriamanitra.

Sawda bint Zamah dia vady navelan'I Sakrane. Iray tamin'ireo voalohany nanaraka ny finoana silamo izy ary nifindra monina tany Abysinnie mba handositra ny fanenjehana tao La Mecque. Maty tany an-tsesitany I Sakrane ka namela ny vadiny hahantra irery. Mba hanampiana azy satria sarotra dia sarotra taminy ny namelon-tena dia nanambady azy ny Mpaminany. Taorian'ny nahafatesan'I Khadidja io fanambadiana io.

Jouwayriya bint Harith dia zanaka vavin'I Harith, lehiben'ny foko Banon Moustaliq izay resy, azo babo niaraka tamin'ireo vahoaka iray foko taminy izy io. Rehefa niseho teo anoloan'ny Mpaminany izy dia nikorontana tanteraka satria very avokoa ny havany akaiky ary izy dia nakahala sy nanohitra fatra ny finoana silamo. Tsapan'ny Mpaminany izany fangirifiriany izany sy ny fahamendrehany sy ny fiandrianany voahosihosy sy ny fomba hanarenany ireo. Nanaiky hanefa ny vidim-panafahana azy ny Mpaminany avy eo nangataka azy ho vady. Sambatra tokoa I §Jouwayriya tamin'ny fanekena izany fangatahana izany.

Rehefa nahafantatra ny Ansara (ireo mpanavotra) sy ny Mohajirona (ireo mpifindra monina) fa nifandray tamin'ny mpma ny Banon Moustaliq tamin'ny alalan'io fanambadiana io dia nanafaka fianakaviana 100 tsy nakana tambiny izy ireo satria tsy azo avela ho ao amin'ny fanandevozana ny foko be voninahitra toy izany[4]. Azo tamin'izany koa ny fon'I Jouwayriya sy ny an'ny foko nisy azy.

Safiyya dia zanaka vavin'ny lehibem-poko jiosy Khaybar. Io foko io dia nandresy lahatra ny foko Banon Qourayza hanapaka ny fifandraisana tamin'ny Mpaminany. Hatramin'ny fahakelin'I Safiyya dia hitany ny fifanoheran'ny fianakaviany sy ny ray aman-dreniny tamin'ny Mpaminany. Efa novinaniany ny hahababon'ny silamo ny rainy, ny anadahiny sy ny vadiny.

Ny toetra sy ny asan'ireo fianakaviany ary ireo havany akaiky no nety niteraka fankahalana lalina sy faniriana hamaly faty tao aminy. Na dia izany aza, telo andro talohan'ny hahazoan'ny Mpaminany an'I Khaybar dia hitany avy tamin'ny nofy ny volana manjopika avy any Medina nankany Khayar avy eo nianjera teo andohaliny. Afaka fotoana fohy dia hoy izy: "Raha babo aho dia hanomboka hanantena fa tanteraka ny nofiko". Rehefa nampifanatrehana tamin'ny Mpaminany izy dia nafahany ary nanontaniany izay tiany na hijanona ho jiosy na hiditra ao amin'ny fiarahamoniny ka hanaraka ny finoana silamo. Izao no navaliny: "Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany no ho safidiko" Taoriana kelin'izany dia nivady izy ireo.

Rehefa nasandratra tamin'ny laharan'ny fianakavian'ny Mpaminany izy dia nanjary "Renin'ny mpino". Nanome voninahitra sy nanaja azy ireo mpanaradia. Vavolombelon'ny fahatsorana sy ny fahamendrehan'ny finoana silamo koa izy. Niova tanteraka ny toetrany ary tsapany ny voninahitra lehiben'ny sata nisy azy. Noho io fanamadiana io dia maro ireo jiosy niova hevitra satria afaka nahita sy nahafantatra akaiky ny Mpaminany izy ireo.

Hafsa dia zanaka vavin'I Omar ibn al-Khahab. Namoy ny vadiny izay nifindra monina tany Abyssinia sy tany Medina izy noho ny ratra goavana nihatra taminy tamin'ny ady. Tsy nanambady izy tao anatin'ny fotoana vitsivitsy. Toan'I Abou Bakr koa I Omar ka mba naniry ny voninahitra sy ny tsodrano ho eo akaikin'ny Mpaminany misimisy kokoa eto an-tany sy any an-danitra. Noho izany dia nanambady an'I Hagsa ny Mpaminany mba hiaro sy hanampy ny zanaka vavin'ny mpianany mahatoky.

Hitantsika teo ireo antony vitsivitsy manazava ny fanambadian'ny Mpaminany maro. Tsy hoe ny faniriana ara-batana no nanambadian'ny Mpaminany vahivavy maro fa mba hanome ireo osa (maty vady sy kamboty) ny fitaovana ahafahana mivelona ao amin'ny fahamendrehana, nampionona sy nanome voninahitra ireo vahoaka resy sy tsy salama saina, nametraka fifandraisana sy fifanarahana tamin'ireo fahavalo teo aloha, nahazo olona tena befitiavana noho ny anton'ny fivaahana silamo, indrindra fa ireo vehivavy nanantalenta manokana dia nametraka fifandraisana vaovao sy lalana vaovao teo amin'ny fiarahamonina silamo samy hafa tamin'ny fanambarana azy amin'ny atoram-pinoana an'Andriamanitra, ary nomen'ny fifandraisana ara-pianakavian'ireo lehilahy roa izay ho mpandimby azy ara-po roa voalohany nifanesy.

Tsy nahitana fiainan-janga tanteraka tamin'ireo fanambadiana ireo na faniriana manokana sy ireo fanamelohana rehetra nataon'ireo nanohitra azy. Ankoatran'I Aïcha dia maty vady avokoa ireo vadin'ny Mpaminany ary ireo fanambadiana rehetra ireo dia taorian'ny nahafatesan'I Khadidja ary efa taty amin'ny naha be taona azy. Raha noheverina hanomezana fahafaham-po amin'ny hafinaretan'ny nofo ireo fanambadiana ireo dia virijiny no nofinidiny. Tena lavitry ny hafinaretana ara-tsapa, ireo fanambadiana ireo dia asan'ny fifehezan-tena sy fanaovana sorona ny tena.

Ny isan'ny fanambadian'ny mpa dia fahafahana manokana nomen'ny lalàna silamo azy ary voatokana ho azy irery. Efa vita ny fanambadian'ny Mpaminany vao nambara ny fialana tamin'ny fanambadiana maro. Avy eo izy tsy afaka nanambady vehivavy hafa intsony.

[1] Par exemple, le Prophète Salomon eut 700 épouses, princesses, et 300 concubines (Les rois, I, 11:1-3).
[2] Boukhari, Tawhîd, 22.
[3] Boukhari et Mouslim.
[4] Ibn Hanbal, Mousnad 6:277.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.