Ny Toetra Tsarany Sy Ny Moraliny Ambony

  • Raha ny fahombiazana vitan'ny olona iray eken'ny rehetra, ny harenany sy ny lazany no tsy manova ny olona iray fa mijanona ho mendrika toy ny toetrany tamin'ny voalohany izy, azo lazaina fa manana moraly ambony io olona io, manana fahamarinana sy hery mahavariana amin'ny toetrany.
  • Maneho ny tontolo ao anaty ny endrika, maneho koa ny toetra anaty ao amin'ny olona. Ireo izay nahita ny Mpaminany Mohammed dia tsy afaka manakana ny hatsaran'ny endriny, ary raha tsy manao fitsarana efa ao amin'ny manokana izy ireo dia hahatsapa ny fahamendrehany. Ohatra, i Abd Allah ibn Salam, ilay manam-pahaizana Jiosy fantandaza tamin'ny fotoan'androny, nino ny Mpaminany raha vao nahita azy dia nilaza hoe: «Ny olona manana endrika toy izao dia tsy afaka mandainga».
  • Raha misandoka ho masoandro ny biby kely misy hazavana dia tsy haharitra mandrapiposaky ny masoandro ny laingany. Ny ohabolana Turc iray dia milaza fa maty amin'ny ora fatoriana ny labozian'ny mpandainga, midika fa tsy maharitra ela ny lainga. Ny mpisandoka ho Mpaminany dia tsy ho ela dia ho sarona ary tsy hisy olona hino azy.na dia ny olona tsy misy dikany indrindra aza dia tsy sahy mandainga mivantana eo anatrehan'ny fiarahamonina misy azy. Sahy mifaninana amin'ny olon-drehetra mandrapiavin'ny andro farany ny Mpaminany Mohammed. Nanao kabary manandanja eo anoloan'ny olona maro mikasika ny anton-javatra ambony tamim-pahatsorana sy fahafahana lalina izy; tsy hisy ahiahy sy fianmbahambana, tamim-pitiavana sy fahamendrehana tsy misy toa azy ary tamin'ny fomba mahafinaritra nampiaka-pofona iro fahavalony.
  • Toa tsy azo inoana raha olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra no afaka miady hevitra amina zavatra ilana manampahaizana manokana. Na dia izany aza dia niadihevita mikasika ny lafin-kevitra rehetra hatramin'ny teolojia, ny metafizika ka hatamin'ny fitsaoana ny tantara, ny fizika sy ny biolojia ary tsy mba voatohitra ny Mpaminany. Nifaninana tamin'ny vahoakany tamin'ny literatiora, ny fahaizamiteny sy ny fahaiza-mandahatra izay zavatra tena hain'izy ireo ny mpa kanefa tsy nisy tamin'izay nataon'izy ireo azo ampitoviana amin'ny CORAN.
  • Tsy manao sorona ny ainy sy ny fahaizany sy ny fananany na miaritra amin'ny fahasarotana sy ny fanenjehana noho ny lainga ny olona, fara faharatsiny izy ireo manantena harena ary manantena hahazo toerana ambony ara-tsosialy. Alohan'ny hanambara ny faminaniany ny Mpaminany Mohammed dia niaina tao anatin'ny fahampiana ary lehilahy tena najaina. Taorian'ny faminaniany anefa dia tsy maitnsy miatrika fahasarotana sy fanenjehana izy ary nandany izaynananany rehetra tamin'izay nataony. Nanala baraka azy ireo fahavalony, nakahala sy nanafika azy. Farany, nanosika azy hiala tamin'ny tanindrazany izy ireo ary namaky ady. Niaritra izany rehetra izany tsy tamim-pitarainana izy ary nivavaka tamin'ilay mahery indrindra mba hamela ny helok'izy ireo satria ny hahita ny olon-drehetra tsy misy ankanavaka hino an'Andriamanitra no faniriany, ary koa ho mendrika ny tany sy ny lanitra sy ho voavonjy amin'ny fampahorian'ny elo.
  • Maro ireo olona voalazan'ny tantara fa nampianatra kanefa tsy nanao izay nampianarina akory ka tsy nisy ireo mpakasitraka nanaraka azy. Na ireo heviny na ireo lamin-keviny dia tsy nampiova hevitra ireo mpanaradia azy sy tsy naharitra ela. Ny Mpaminany Mohammed anefa dia nampihatra tamim-pahamendrehana sy tamim-pahamotinana izay nampianariny ary mpanompo nanaiky indrindra ny Mpahary ary tena naanraka ny lalam-pivavahana. Maneho ny fahareseny lahatra amin'ny ataony tanteraka izany ary manaporofo fa izy no irak'Andriamanitra nalefa mba hitantana ny olombelona ho amin'ny lalan'ny fahamarinana.
  • Amin'ny ankapobeny dia miorina tsara ny toetran'ny olona iray eo amin'ny faha 30 taonany ary tsy miova intsony aorian'io taona io. Ny manova ny toetran'olona aorian'ny faha 40 taonany dia toa tsy mahomby. Raha nisy kilema na tsy fahatombanana tsy fantatra tamin'ny toetran'ny Mpaminany dia voamarika tsara talohan'ny faminaniana izany. Azo sainina ve fa ny olona iray fantatra teo amin'ny fiarahamonina nisy azy fa anisan'ireo mendrika sy tsara fitondrantena indrindra dia hanao ny asan'ny mpandainga sy mpamadika ny vahoakany amin'ny faha 40 taonany?
  • Ny mpandainga dia tsy afaka mahazo na mahavondrona mpanaradia tia sy vonona hanao sorona ny tenany. Na dia Mpaminany tsy mba nandainga aza I Moizy sy Jesoa dia tsy nanana mpanaradia nitovy taminy. Namadika an'I Moizy Mpaminany ny Jiosy nandritry ny 40 andro tsy naha teo azy izay nandraisany ny Torah tany antendrombohitr'I Sinay, tamin'ny fiankohofany tamin'ny zank'omby volamena namboarin'I Samiri. Na dia taorian'ny fanazarantena aratsaina sy ara-panahy maro tany anefitra aza dia olona roa mpino ihany no nanaiky an'I Moizy rehefa nandidy azy iro hiady tamin'ny Amalesita izy. I Jesoa idnray dia namadika azy ny iray tamin'ireo mpianany akaiky azy indrindra, nanolotra azy ny fahavalo. Be fitiavana tanteraka ka nahafoy antsitrapo izay nananany rehetra ho azy ireo mpanaradia ny Mpaminany. Na dia nobeazina teo anatrehan'ireo olona voalohany sy tsy nahalala hevitra ara-tsosialy mahomby aza izy ireo, na teo amin'ny fitantanana na teo amin'ny Soratra Masina ary difotra tao amin'ny haizina aratsaina sy ara-panahy dia novan'ny Mpaminany Mohammed haingana ho mpampianatra, mpitarika sy mpialoha lalana marina teo amin'ny fanjakana sy ny vahoaka nanjary nivelatra indrindra teo amin'ny lafiny sosialy sy politika ary nandroso indrindra tamin'ny faritra misy azy. Hatramin'io dia noderaina ny fanjakan'izy ireo eny fa na dia ireo nitohy nanohitra ny silamo sy ny fivavahana silamo aza.
  • Toy izany koa, manampahaizana lehibe maro, noderain'ny rehetra no nobeazin'ny mpianatry ny Mpaminany, niampy ireo olo-malazan'ny siansa taty aoriana. Ahoana no nahafahan'izy iro hametra fomba amam-panao tsara indrindra sy mandroso indrindra tamin'ny fotoana rehetra amin'ny fanarahana mpamitaka?
  • Ohatra tonga lafatry ny soatoavina ambony, ny fitondrantena tsara sy ny fahamarinana ny Mpaminany Mohammed. Nipoitra teo amin'ny vahoaka bedoina izay tsy nanana afatsy fandrosoana tsy zarizary sy nanjakan'ny fitondrantena ratsy izy. Iza no nanabe azy ho lasa olona marina sy mendrika idnrindra? Maty talohan'ny nahaterahany ny rainy ary ny reniny raha vao enintaona monja izy. Avy eo izy nobeazin'ny raibeny avy eo ny dadatony. Ahoana no ahafahan'izy ireo nampita taminy ireo fahatsarana ireo kanefa tsy qnanana mitovy lenta tamin'izany izy ireo? Andriamanitra no mpampianatra azy, araka izay nolazainy ihany: "Nobeazin'ny Tompoko tsara aho ary nampianariny fomba mendrika, hatsarampanabeazana toy inona no nomeny ahy ary fomba tsara toy inona no nampianariny ahy!"
  • Nahita olo-marina maro tao amin'ny tantara. Na dia izany aza dia tonga nisy tamin'izy ireo nahangona tao aminy ny fahamarinana sy ny toetra tsara re sy tanteraka toy ny an'ny Mpaminany. Ohatra, maro ny olona tsara fanahy tsy afaka maneho faharisihana rehefa ilaina izany sy amin'ny fomba tokony ho izy, ary maro koa ireo olona mahery fono tsy be fitiavana sy tsy mamindra fo. Ny Mpaminany Mohammed dia nampivondrona ao aminy ny toetra mendrika rehetra ambony.
  • Mitaky tsy fitanilana ny fahamarinana sy ny moraly tsara. Manjary hafahafa ny fahatsorana diso tafahoatra ary manjary fitiavam-bola ny fitiavan-kanina be loatra, ny tsy fitandremana dia raisina ho herim-po ary lasa haranitantsaina ny dialektika na ny kobaka am-bava. Ny fahamarinana dia mitaky ny fahalalana izay tokony hatao eo anatrehana toe-javatra iray. Ohatra, ny fanajantena izay tsy maintsy ananan'ny osa manoloana ny matanjaka dia manjary fiavonavonana raha ataon'ilay farany, ary nyf itserana tokony hananan'ny matanjaka manoloana ny osa dia manjary tsy fanajantena raha ataon'ity farany. Ny faharetana sy ny fandaan-tena dia zavatra tsara sy fahamarinana fa fanosihosena ny zon'ny hafa kosa ny fanaovana sorona ny zony. Afaka miaritra ny fangirifiriany manokana ampaharetana ny olona, tsy afaka manao izany amin'ny anaran'ny firenena fa tsy toy izany kosa raha atao amin'ny anarana manokana.

Nifandanja tsara sy nifandrindra ny fahamarinana sy ny toetra ara moraly nananan'ny Mpaminany Mohammed. Nahery fo tanteraka izy rehefa nihaina izany, nandefitra tanteraka izy, tsotra sy maotina manoloana ny olona; nanam-pahamendrehana tanteraka sy mpamindrafo, be fitiavana noho ny olondrehetra kanefa nahay nitsitsy sy tsy nankasitaka ny fandaniana be loatra koa. Amin'ny teny fohy dia nametraka ny fifandanjana tanteraka tamin'ny fahamarinana sy ny toetra tsara rehetra izy.

  • Araka ny voalazan'ny teolojianina silamo dia manana fotokevitra 6 ny faminaniana: ny fahamarinana, ny fahatsorana, ny fampitana ny hafatr'Andriamanitra, ny fahranitantsaina, ny tsy fetezan-koresy sy ny tsy fisian'ny tsy fahtomombanana aratsaina sy arabatana. Manambara ny tantara fa nana ireo toetra enina tena ilaina amin'ny faminaniana ireo ny Mpaminany Mohammed.
  • Mandray fanapahan-kevitra haingana izay mety hiteraka olana amin'ny ho avy ny olona matetika. Ny fahombiazana lehibe nataon'I Mohammed tao anatin'ny 23 taona dia tsy nisy nitovy taminy tao anatin'ny tantaran'ny olombelona. Tsy mba nisalasala na oviana na oviana izy ary tsara mandrakariva ny fanapaha-keviny. Ankoatra izany, ny asany sy ny teniny dia sady miantefa amin'ireo nanatrika no amin'ny taranaka ho avy, tsy niankina amin'ny fotoana sy ny habaka. Tsy misy notoherina ireo teniny rehetra, tsy misy olona afaka mitsikera ny asany, ny teniny sy ny fanapahakeviny. Izay tsy Mpaminany nobeazin'Andriamanitra, ilay mahalala ny zava-drehetra va mety hanana haranitantsaina toy izany, fahitana mialoha, fahendrena, fitandreana sy fomba fihevitra marina koa?