Mba Hampianatra Ny Lal
Anisan'ireo tanjona nanirahana ny mpaminany ny hilaza ny didin'Andriamanitra (ohatra, ireo fivavahana atao indimy isan'andro, ny fifadian-kanina amn Ramadan, ny fanefana ny fanomezana masina, ny fialana amn firaisana ara-nofo tsy ara-dalana, amn zava-mahadomelina sy ny loka, sy ny sisa). Io asan'ny irak'Andriamanitra io no antsoina hoe «Apostola»; Hoy ny CORAN:
"Ireo izay manambara ny hafatr'Andriamanitra dia hatahotra azy ary tsy hieriritretra hafa tsy Andriamanitra ihany" (33:39).
Ankoatra izany dia mbola hoy koa Andriamanitra tamin'I Mohammed:
"Ry mpitondra hafatra, ampitao izay azonao avy amin'ny tomponao. Raha tsy manao izany ianao dia tsy hampitana ny hafany. Ary Andriamanitra hiaro anao amin'ny olon-dratsy. Marina, tsy mitantara ny olona tsy mpino Andriamanitra."(5:67)
Nirahina hanazava ny fianana maha olombelona ny olombelona manontolo ao aminy zanak'olombelona ny irak'Andriamanitra. Ny tsy fitandremana rehetra amin'ny fampitana ny hafatra dia hamerina ny zank'olombelona ho ao anaty aizina. Izany no nikatsahany mandrakariva ireo fanahy sy fo madio ahafahany mampita ny hafatr'Andriamanitra.
Tsy nitory loatra ny finoana silamo tamin'ny olona toandr'I Abou Bakr sy ry Omar alohan'ny hivadihany silamo ny Irak'Andriamanitra. Tsy mitovy amin'izany anefa ny tamin'ny olona toan'I Abou Jahl. Isaky ny mahita azy izy dia milaza aminy hoe "Tsy misy Andriamanin-kafa afa tsy Andriamanitra ihany ary ho voavonjy ianareo". Mankany amin'ny toerana hiangonan'ny olona izy mba hiara-mivavaka aminy. Nisy fihaonan lehibe tany La Mecque matetika ary tany amin'ireo toerana manakaiky azy: "Arafat, Muzdalifah sy 'Aqabah. Mankany isantaona mba hahita ireo olona mpino izy.
Rehefa mivadika ho fihoharam-pefy sy fifanesoana arahin'ny fifamonoana sy ny fampijaliana sy ny ankivy tsy zaka zakaina ny hamafisam-pon'ireo mpino an maro tao La Mecque dia nentin'ny irak'Andriamanitra niaraka taminy nankany Ta'if I Zaïd ibn Haritha; nampijaly azy io mafy noho ny hafa ny mponin'io toerana io. Milahatra amin'ny lany roan'ny làlana ka mitora-bato azy ny ankizy. Ary satria tsy nanana fitaovam-piadiana izy ka nahita fialofana rehefa niala tao an-tanàna; nivoa-dra izy. Natsangany ny tànany ary nitaraina toy izao izy: "Andriamanitra ô! mitaraina aminao amin'ny fahosako aho, ny tsy fananako fitaovana sy ny fanaovan'izy ireo tsinontsinona ahy. Ry mpamonjy ny mpamonjy rehetra! ianao no tompon'ny voageja ary ianao no tompoko. Ho ankiniko amin'iza ianao? Moa va amin'ireo fahavalo izay nomenao hanjakazaka amiko? Hafahafa amiko anefa izany raha tsy tezitra amiko ianao. Ny famindram-ponao ihany no ilaiko fa tsy ny zava-drehetra. Mitady fialofana amin'ny fahazavan'ny tavanao izay nandresenao ny haizina aho sy nanaovana ho tsar any zavatra eto antany sy ny any ankoatra, tsy mankasitraka ny fiavian'ny hatezeranireo amiko. Miandry ny famelan-kelo avy aminao mandra-pahafapo anao aho. Tsy misy fahefana sy hery tsy avy aminao".
Rehefa avy nilaza izany izy dia nahita lovia feno sakafo teo anoloany. Nahatsikaritra ny irak'Andriamanitra notoraham-bato sy nampijaliana teo amin'ny tanim-boaloboka niasany I Addas, kristianina avy any Niniva. Nitondra salohim-boaloboka tamin'ny lovia izy mba homena azy. Ary hoy ny mpaminany: "Amin'ny anaran'Andriamanitra", ary nanomboka nihinana izy. Gaga tamin'izany I Addas satria voalohany naharenesany izany teny izany tamin'io toerana izay fehezin'ny mpino Andriamanitra maro io. Nanontany ny irak'Andriamanitra izy avy eo hoe iza iny ary inona no antonym ahatongavany aty Ta'if. Rehefa nahare ny valinteny hoe "izaho no I Mohammed avy any La Mecque, ny mpaminany farany" izy dia sady nitomany no niteny hoe: "Nataon'Andriamanitra hitako ianao" avy eo nanaraka ny finoana silamo izy.4
Revo tanteraka tamin'ny asany ny Mpaminany Mohammed. Nipariaka isan'andro nanaraka izany ny tara-pahazavana ary nanjavona tsikelikely ny asan'ny tsy finoana: "Te-hamono ny fahazavan'Andriamanitra amin'ny fankahalan'ireo tsy mpino amin'izany. (9:32). Rehefa hitany fa tsy misy atao intsony ao La Mecque dia nifindra tany Médine izy ary tao no nanohizany ny asany. Olona maro no tsy maintsy nosedrainy tamin'ny vondrona nijoroan'ireo jiosy mpanohitra, ireo mpihatsara ivelatsihy nifanindran_dalana tamin'ny fahavalo.
Efa 23 no nanaovany ny asan'Andriamanitra, ary nanomboka nahatsiaro izy fa hifarana ny fiainany. Nanao fivahiniana masina matetika izy ('Umrah) fa tsy mba nanao fivahiniana masina lehibe kosa (hajj). Avy nanao izany izy ny faran'io taona io. Rehefa avy nananika ny tendrombohitra: 'Arafat tamin'ny Rameva izy dia nanao ny antsoina ankehitriny hoe hafatra farany. Notsipihiny fa ny fifandrafiana sy ny varotra afototra amin tombontsoa manokana dia voarara ary nampatsiahiviny koa ny zo ananan'ny vehivavy. Nambarany koa ny fifamatoran'ny fianakaviana sy ny fifandraisan'ny foko sy ny firenena.
Olona tsy tambo isaina no nihaino azy tamin-dranomaso. Nandritry ny toriteniny no nanontaniany azy ireo matetika raha tafita na tsia ny hafatr'Andriamanitra. Manondro ny lanitra amin'ny fanondrony havanana izy isaky ny misy valinteny mahafa-po ary miteny hoe: "Andriamanitra ô, manatre ianao"5. Mety ho nisaina lalina tao amin'ny fiheritreretany ny fanompoany an'Andriamanitra izy: "Naniraka ahy mba hahatontosa ny andraikitro Andriamanitra, manantena aho fa nahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany. Ary vonona ny hihaona amin'Andriamanitra tamim-pahafaham-po izy.
[4] Ibn Hisham, Sira, 2:60-63; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 3:166.
[5] Ibn Maja, "Manasik," 84; Abu Dawud, "Manasik," 56.
- Created on .