Mba Hitarika Ny Olona Hanompo An'andriamanitra

Hoy Andriamanitra ao amin'ny CORAN: «Tsy nihary ny jiny sy ny olona afatsy ny hidera ahy aho». (51:56).

Tsy natao afatsy hihinana, hisotro sy hanaraka isika, zavatra ilain'ny fiainana ara-boajanahary izany: "Ary tsy mbola nandefa mpaminany tsy avy aminay talohanao izahay: "Avy amiko ny faminaniana. Noho izany, derao aho." (21:25) ary:

"Nandefasanay mpitondra hafatra tany amin'ireo fiaraha-monina rehetra mba hilaza aminy hoe: "Derao Andriamanitra ary miala amin'ny ratsy". Notantanan'Andriamanitra tokoa ny sasany kanefa mbola misy koa ireo toa voatokana ho diso làlana mihintsy" (16:36)

Nalefa mba hitantana antsika ho amin'ny fanompoana an any mpaminany. Nitovy ny asan'izy ireo. Na dia izany aza, ireo mpaminany teo aloha dia nalefa hoan'ireo iray fiavina aminy ihany ary tamin'ny fotoana voafetra, fa I Mohammed kosa nalefa hamonjy ny olon-drehetra tsy ankanavaka ary tsy manampetra ny fotoam-piasany.

Hoy I Ibn Mas‛ud araka ny hadith tena marina, rehefa nanatona ny jiny ny mpaminany:"Nitsangatsangana aho sy ny Irak'Andriamanitra indray andro. Nanoritra faribolana manodidina ahy izy ary nandrara ahy ny tsy hivoaka ao raha tsy efa tonga izy. Niainga izy ary fotoana fohy taorian'izay, nahare tabataba tany amin'ny toeran-kafa aho. Nanontany tena aho zao nisy zavatra hahazo azy kanefa nanaiky ny teniny fa tsy hivoaka ao mandra-pahatongany. Tonga izy afaka fotoana foy ary nanontaniako mikasika ilay tabataba. Hoy ny navaliny: "Nino ahy ny jiny ary nilokaloka tamiko fa hanao ny tsara, raha mbola niziriziry tamin'ny tsy finoany ny sasantsasany tamin'izy ireo dia raikitra ny ady. Avy amin'io ady io ny tabataa renao. Midika izany fa hifarana ny fiainako afaka fotoana foy".2

Notondroin'ny irak'Andriamanitra tamin'io teniny farany io fa nirahina hanokatra ny lalam-pitantanana ny zanak'olombelona sy ny jiny izy. Rehefa tanterany izany dia tsy misy antonym ahavelomany intsony satria nahatanteraka ny asany izy. Midika izany fa tsy tokony hanao ambanin-javatra ny asany ny mpino eto an-tany ary tsy maintsy mivavaka araka izay nampianarin'ny mpaminany izy: "Andriamanitra ô! Aleo aho ho faty raha tsara ho ahy ny fahafatesana, raha tsy izany, aoka aho ho lava andro iainana raha tsara amiko ny miaina".3


[2] Tabari, Jami' al-Bayan, 24:33; Ibn Hanbal, 1:499.
[3] Bukhari, "Marda," 19; Muslim, "Dhikr," 10.