Mba Ho Ohatra Velona

Nalefa mba ho ohatra velona izay tsy maintsy arahina amin'ny-pisainana ny Mpaminany. Niteny tamin'ny irany farany toy izao Andriamanitra rehefa avy nanambara azy tao amn « Sourate al-An'am»: «Indreo izay notarihin'Andriamanitra. (6:90). Ary angatahina manokana isika mba ho toan'i Mohammed: «Ary manana ny iraka farany ho ohatra velona arahina ianareo, izay manantena an'Andriamanitra amn andro farany sy miantso azy matetika». (33:21).

Ny irak'Andriamanitra no mpitarika antsika. Na dia mivavaka toy ny ataony aza isika dia tsy maintsy miazaka koa hiaina amn fiainana niainany. Ireo izay nanaraka azy nandritry ny taonjato voalohan'ny silamo dia tena naneho ny fiainan'ny silamo marina. Hoy ny irak'Andriamanitra tamin'izy ireo:

«Tonga taoriako teo ambavahadin'ny vohitra ny tafika silamo. Ary hoy aho tamin'izy ireo: « Efa nahita ny Mpaminany va ny iray taminareo?» eny hoy izy ireo ary nivoha ho azy ny varavarana. Ireo izay handimby azy ireo dia hanao ny djihad koa ary hanontaniana hoe: «Efa nahita ny hitan'ny Mpaminany va ny iray taminareo?» Ary hamaly eny izy ireo ka ho azony ny tanàna. Ny taranaka fahatelo kosa hanontaniana hoe: « Efa nahita izay hitan'ny mpanaradia ny naman'ny Mpaminany va ny iray aminareo? » Reha eny no valin'izany fanontaniana izany dia hahomby ny fanafihana ».6

Ao amin'ny hadita hafa tanterin'I Bukhari sy Mustim dia hoy ny irak'Andriamanitra: "Ny taranako no tsara indrindra amin'ny fireneko, avy eo izay handimby azy, avy eo ireo izay manaraka ny farany".7

Hiroatra hanaraka ny mpam ireo taranaka telo ireo ary noho izany dia hahazo fandresena miezinezina manerana izao tontolo izao. Efa nanambara azy ireo I Jesoa: «Eny an-tànan'izy ireo ny fanevan'ireo olo-masina».8 Ny olo-masina dia ny mpanaradia an'I Mohammed sy ireo izay manaraka ny làlany amin'ny vanim-potoana mifandimby.hoy ny adita iray, na dia halefako azan y fiampitany dia hoy ny irak'Andriamanitra: «Toy ny mpaminanin'Israely ny manampahaizana mpino eto amn tanindrazako»9. anisan'izany I Omar izay nanaiky an'Andriamanitra tamim-pahamarinana amin'ny maha mpanompony azy. Nahomby mihoatra izay nantenaina taminy izy. Nandritry ny fitondrany no nahazoana an'I IRAQ sy IRAN sy EGYPTA. Niasa tamina tany maro ny tafika silamo ary notarihin'ny mpitaritafika lehibe toandr'I Abou ‛Ubayda sy Shurahbil ibn Hasana, Sa‛DJIHAD ibn Abi Waqqas, ‛Amir ibn al-‛As, sy ry Yazid ibn Abi Soufyan.

Azo nandritry ny fitondrany koa I Jerosalema. Rehefa nangataka ny fanalahidin'ny tanàna tamin'ny mpisorona ny kaomandy ambonin'ny silamo dia hoy izy ireo: "Tsy hitanay izay tsy maintsy homena ny fanalahidy aminareo" Hitanay tao anatin'ny bokim-pivavahany ny mombamomba ny olona tokony ho mendrika handray ny fanalahidy.

Noho izany dia niandry ny fiavian'I Omar sy ny mpanampy azy ho tonga tao Jerosalema ny mpisorona sy ireo mpitari-tolona. Nifandimby nitaingina rameva izy ireo taimn'izany. Na dia lehibe aza ny toerana nanjakan'I Omar dia tsy mba nanana rameva izy. Nindraminy tao amin'ny tahirim-bolam-panjakany io rameva io ary nentiny sy ny mpanampy azy. Rehefa nanakaiky ny reniranon'I Jordany izy dia niandry azy tery andafin'ny rano fatratra ireo mpitaritolona ary nivavaka: "Andriamanitra ô! Ataovy eo ambony rameva I omar rehefa miampita ny rano izy ireo, satria tia haingo sy avonavona ny Romanina. Mety tsy hanisy dikany anay izy raha mahita ny kalifa mitana ny lamboridin-drameva taingenan'ny mpanampy azy". Andriamanitra anefa nampiseho ity trangan-javatra farany ity. Rehefa nanakaiky I Omar dia tsikaritry ny mpisorona ary mbola nahitana tampina aza teny amin'ny akanjony. Io tokoa ilay olona nolazaina tao amin'ny bokin'izy ireo, ary nomeny azy ny fanalahidin'I Jerosalema. Tsy nivily tamin'ny lalan'ny riak'Andriamanitra na oviana na oviana I Omar. Nanda tsy nety nisakafo izy na dia efa hofaty aza rehefa notsindronin'ny andevo parsi antsy, satria osa dia osa. Nivavaka mandrakariva anefa izy na dia izany aza rehefa tonga ny fotoana fivavahana na dia nampiombo ny hirifiriny aza izany. Hoy izy: «Tsy hahita na inona na inona amin'ny silamo izay tsy mivavaka»10. Mpanaradia mitovy amin'ny irak'Andriamanitra, izy koa no hanjary ho ohatra ho tahafin'ny taranaka manaraka.


[6] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 1; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 208-9.
[7] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 1; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 212.
[8] Ibrahim al-Halabi, Sira, 1:218.
[9] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 2:83.
[10] Ibn Sa'd, Tabaqat, 3:350; Haythami, Majma' az-Zawa'id, 1:295.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.