Nanafoana Ny Fanavakavaham-Bolonkoditra

Iray amin'ireo olana lehibe amin'izao anim-potoana iainantsika izao ny fanavakavahana ara-piaviana. Efa naheno ny fitanterana ny afrikanina maintsy namakivaky ny ranomasina Atlantika tao anaty sambo efa voahomana manokana avokoa ny olon-drehetra, nofolahina toy nybiby izy iroe tao. Natao andevo izy ireo, noterena hanova ny anarany, ny finoany sy ny fiteniny ary tsy mba manam-panantenana ny hahazo fahafahana na dia kely aza. Mbola toy iznay ny toetran'ireo tandrefana eo anatrehan'ireo tatsinanana. Vokany, tsy zarizary ny fiainana ara-tsosialy sy politikan'ny Afrikanina, ary na ireo taranany miara-miaiana amin'ny tandrefana miaraka amin'ireo Amerikanina tsy mainty na ny Eropeanina amin'ny maha olom-pirenena mitovy ara-taratasy aza dia manjary olom-pirenena laharana faharoa na latsak'izany.

Nandritry ny fahatanoran'i Mohammed dia nahazo vahana ny fanavakavahana tao La Mecque izay naka endrika adim-poko. Nihevi-tena ho ambonin'ny hafa ny Koraisita sy ny Arabo. Tonga niaraka tamin'ny hafatr'Andriamanitra ny Irany ka nanambara hoe:

«Tsy misy Arabo ambony noho ny tsy arabo, tys misy fotsy ambony noho ny maintsy».27 "Izay mendrika indrindra aminareo eo akaikin'Andriamanitra no tena mpino" (49:13) ary: «Na ny Abysinianina silamo mainty aza no nitarika ny silamo dia tsy maintsy ekeny izany».28

Nofongoran'ny Irak'Andriamanitra hatramin'ny fotony ny fanavakaahana ara-bolon-koditra sy ara-pihaviana, ohatra, hoy i Omar tamin'i Bital, andevo nafahana iray indray andro: «I Bital no lehibentsika ary efa nafahan'i Abou Bakr lehibentsika izy».29 Nanjary zanaka natsangan'ny Mpaminany i Zayd ibn Haritha, andevo mainty nafahany mandrapiavin'ny fanambarana tsy manakana fananganana. Nampivadian'ny Mpaminany tamin'i Zaynab bint Jahsh izy, iray tmain'ireo vehivavy silamo mendrika sady arabo tsy mainty. Ankoatr'izany dia notendreny ho lehiben'ny tafika silamo nalefa hiady tamin'ny fanjakana Byzance izy, na dia nahitana mpiady mahery toandr'i Abou Bakr, Omar, Ja'far ibn Talib (zanadrahalahin'ny Mpaminany sy Lhalid ibn Walid (Jeneraly tsy hay noresena tamin'ny fotoanandrony)30 aza izany tafika ziany.

Nandry ny zanak'i Zayd Usama hitarika ny tafika izay noforoniny talohan'ny fahafatesany izy. Nahita mpanaradia lehibe toandr'i Abou Bakr, Omar Khalid, Abou Ubayada, Talha sy Zubayr koa io tafika io. Nifantsika tao am-pon'ny silamo tamin'izany fa tsy avy amin'ny fahaterahana ny fahamboniana na avy amin'ny volon-koditra na avy amin'ny saranga fa ay amin'ny fitiavana sy ny fanompoana an'Andriamanitra. Nandritry ny naha kalifa azy dia nanome karama betsaka an'i Usama noho ny an-janany lahy (i Abd Allah) i omar. Rehefa nanontany azy ny antony ny zanany dia novaliny hoe: "Nataoko izany satria fantatro fa tian'ny Mpaminany ny rainy noho ny nitiavany ahy ary tiany noho ianao koa I Usama".31


[27] Ibn Hanbal, 5:441.
[28] Muslim, "'Imara," 37.
[29] Ibn Hajar, Al-Isaba, 1:165.
[30] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 63.
[31] Ibn Sa'd, Tabaqat, 4:70; Ibn Hajar, 1:564.