Tombana Ankapobeny Mikasika Ny Fanafihana Nataony

Toetra nampiavaka ny Mpaminany ny maha mpitari-tolona ambony indrindra azy teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Dinihontsika ireto lafin-kevita manaraka ireo mba hahatsapana ny halebeazan'ny asany masina:

  • Tsy misy Mpaminany hafa nandresy tanteraka tamin'ny asany teo amin'ny lafim-piainana manontolo. I Moizy no nahavory betsaka noho ny Irak'Andriamanitra ary maty raha mbola tany amin'ny tany efitra hatrany ny vahoakany ary tsy nahazo an'i älestina taorian'ny zato taona naminaniana. Ny asan'i Jesoa dia nikatsaka indrindra ny hampifoha ny fanahin'ny jody sy ny moraliny izay nilona tao amin'ny fitiavan-karena. Taorianan'y niakarany tany andanitra dia nampita ny hafany tany Roma ireo mpianany ary tsy nisy famoretana. Ny nampalahelo anefa dia novany ny tena maha izy azy an'I Jesoa tany amboalohany.

Rehefa maty ny Mpaminany Mohammed dia namela an'I Arabia silamo sy mpanaadia maro be fitiavana sy vonona ny hampita ny fivavahana silamo maneran-tany. Nahatanteraka io tanjona io tamin'ny alalan'ny olona vitsy monja izay vonona ho sorona sy mbola tsy naheno fitenenana mikasika ny finoana tany amboalohany na ny soratra masina, ary tsy nanana fandrosoana tamin'ny fiainana ara-tsosialy na politika, na fahendrena na fahaiza-mijery tena. Nampiova ny tanefitra difotra tao amin'ny ady antrano izy ary nanome azy ireo ny finoana, ny fahalalana, ny fahendrena sy ny fitiavana ny zanak'olombelona, ny famindram-po sy ny asa. Niady sy nandà ny fianany noho Andriamanitra izy ary namoka tafika mamirapiratra. I Aubi'ibn Amir, ilay silamo nirahina nankany amin'ny mpitaritolona persa nandritry ny ady tao Qadissiya dia nanamafy fa tsy maintsy ampiharina ny fivavahana nentin'ny Mpaminany avy amin'Andriamanitra.

"Esory ao amin'ny lavaka maizin'ity fiainana eto antany ity ny olona hoany amin'ny fanjakana ambony sy tsy takatry ny saina, amin'ny fiankohofana amin'ny sampy namboarin'ny olombelona ho amin'ny voninahitra sy fahamendreham-piderana an'Andriamanitra tokana, ilay mpahary sy mahita ny zava-drehetra; hanafaka azy ireo amin'ny fangejana izy sy ny fmaoretan'ny fivavahan-diso sy ny hevitr'olombelona, ho amin'ny fandriampahaleman'ny fivavahana silamo".

  • Tsy mba voasariky ny fanjakan'ny tany na oviana na oviana ny irak'Andriamanitra; nalefa hitarika ny olona ho amin'ny famonjena eto antany sy any ankoatra izy. Hamelona ny olona no tanjony fa tsy hamono azy. Mba hanatanterahana izany dia tsy maintsy nanao fanafihana tamin'ny miaramila izy ary nitaritolona matetika. 80 eo ho eo no fanafihana natony toy izany ary izy no nitarika ny 28. saika nahomby ny ankamaroan'ny ady nataony ary 1000 teo ho eo no olona maty: 250 ny silamo lasa maritiora ary 750 ireo tsy silamo no maty. Napetrany ny finoana silamo, nitondra fandriampahalemana tanteraka tany Arabia voalohany ary nanokana ny làlan'ny fiadanana ho an'ny aina anarivony. Izany sy ny maro hafa tamin'ireo zava-bitany dia tsy nanan-tsahala teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao.
  • Ny irak'Andriamanitra no namoaka lalàna iraisam-pirenena voalohany indrindra. Na dia efa fantatra talohan'ny fivavahana silamo aza izany hevira izany dia bola nifintina dia nifintina ny lalàna iraisam-pirenena. Ohatra, tsy nisy lalàna fantatra mikasika ny babo an'ady. Nametraika fitsipika maro hoentina amin'ny ady ny Irak'Andriamanitra. Ny baiko avy aminy no arahina sy avy amin'ireo mpandimby azy marina tamin'ny tafika vonona hiainga, ny baiko ekena ety antany amin'ny ady amin'ny maha silamo.

«Ataovy ao antsaina isan'andro ny fahatahorana an'Andriamanitra. aza adinonareo fa tsy misy azonareo atao raha tsy noho ny fanomezany. Aza adinoina fa ny fivavahana silamo dia asam-pandriampahalemana sy fitiavana. Aza simbaina ny hazo fihinamboa na ny tany mamokatra eny andalanareo. Mba marina ary hajao ny fihetsepon'ny resy. Hajao ny olom-pivavahana mitokamonina ary vakio ny tranony. Aza mamono sivily ary aza simbaina ny fahadiovan'ny vahivavy sy ny voninahitry ny babo. Aza manisy ratsy ny antitra sy ny zaza ary aza mandray fanomezana avy amin'ny vahoaka sivily. Aza apetraka amin'ny tranon'ny sivily ny miaramilanareo".84

Ny fahamalinana mialohan'ny Mpaminany dia tsy namela zavatra hiseho tsy nampoizina. Malina mandrakariva izy, mahatsikaritra mialoha ary nahomby. Tsy andraikiny ny tsy fahombiazana tao Ouhoud. Foafehiny tsara ny fahazahoana vaovao mikasika ny fahavalo, tsy amin-kery na famoretana. Ohatra, nisy miaramila silamo sasany hahababo olona avy amin'ny fahavalo nanandrana naka vaoao tamin'io tamin-kerisetra. Nasain'ny irak'Andriamanitra novotsorana izy ary nanontaniany hoe firy ny rameva vonoin'ny tafiny isan'andro. Amin'ny fandinihany ny isan'ny olona mihinana rameva iray no hahafantarn'ny irak'Andriamanitra ny mety ho isan'ny miaramila fahavalo.85

  • Namelatra fombazotram-pitsikilovana miafina mba hanangona ny vaovao ilaina mikasika ny fahavalo ny irak'Andriamanitra. Tsy misy mipika anefa etsy ankilan'izany ny vaovao avy aminy. Alohan'ny handehanany hanafika an'I La Mecque, nandefa taratasy miafina tamin'ireo akaiky azy tany La Mecque tamin'ny alalan'ny vehivavy iray I Abi Balta‛Andriamanitra mba hilazana amin'izy ireo ny fiomanan'ny silamo. Fantatry ny Mpaminany anefa izany ka nandefa an'I Ali sy Zubayr izy haka io taratasy olombelona ary nataon'izy ireo izany.

Tanan'ny Irak'Andriamanitra ho tsiambaratelo ny fiomanany ara-miaramila sy izay hiantefan'ny fanafihana. Amin'ny ankapobeny dia lalan-kafa aloha no alehany vao mivily any amin'izay toerana tena ho tafihana izy. Miavaka manokana amin'ny hakingana sy ny fanafihana tsy am-poizina ary mora mifandray amin'ny zava-misy ny paik'adiny. Notampihany hatrany ny fahavalo tamin'ny ankamaroan'ireo fanafihana nataony ary mandresy mora foana izy. Ohatra, tamin'ny ady tao Khaybar dia tsy nahafantatra ny fihaviany ny jiosy raha tsy efa nandao ny toeram-piasany ireo mpiasa tany aminy rehefa nahita azy vao maraina. Fotoana kely fotsiny no nandehanan'izy ireo nody tany antranony. Rehefa nanafika an'I La Mecque izy dia tomombana ny firosoan'ny dingana narahany ka nanaiky tsy nisy fpetra ny mekoa.

  • Amin'ny maha Mpaminany miaraka amin'ny fivavahana hoan'ny rehetra, avy amin'Andriamanitra azy, dia apianariny amim-pahombiazana io fivavahana io ka vonona hanao sorona ny tenany mandrakariva ireo mpiaradia amina. Antony lehibe nahazoany ireo fandresena io. Nahatoky azy tanteraka ireo mpanaradia azy. Noho izany, ampidiriny ao amin'ny fahavalo ny tahotra, araka izao heviny izao: "Manampy ahy Andriamanitra (amin'ny fampidirany tahotra ao am-pon'ny fahaalo) iray volana mialohan'ny fanafihana".86

Mampiasa paik'ady ara-psikolojia izy mba hanakiviana ny sain'ny fahaalo. Ny poeta toandr'I Hassn ibn Thalbit sy Abd Allah ibn Rawaha no manoratra tononkalo na mitanisa andinin-tsoratra masina mba handemena ny sain'ny fahavalo. Nanao ny fivahiniana masina kely izy taona iray taorian'ny fifanarahana tao Houdaïbiya mba hanehoany ny heriny amin'ireo Mekoa izay mitazana avy eny ambony avoana tsy lavitra. Sady mandeha I Abd Allah ibn Rawaha no mihantsa toy izao:

"Atomboko amin'ny Anaran'Andriamanitra
Tsy misy Andriamanikafa hafa tsy izy ihany,
Ary I Mohammed no irak'Andriamanitra
Mohammed: ilay irak'Andriamanitra".

"Ry tsy mpino sy ny zanaky ny tsy mpino
Miala amin'ity làlana ity ianareo".

Faly noho izany ny Mpaminany ka nilaza hoe: "Manindrona noho ny zanatsipika hoan'ireo koraisita izany teny izany".

  • Nanova paik'ady ny irak'Andriamanitra ka nampiparasaka ny fivondronan'ireo foko fahavalo nifandray tendro. Nandritry ny ady nomanina dia tsy nanja ny fifanarahana natao tamin'ny silamo ny jiosy Banu Quraydha tamin'ny fotoana tena namaivay ary niaraka tamin'ny koraisita. Tavela teo anelanelan'ireo andaniny sy ankilany mpifanohitra izy ka nampandry fahalemana ny Banu Ghatafan, nifandray tendro tamin'ny koraisita. Nahatonga io tsy hanampy tamin'ny ady izany. Antao koa izay hisian'ny fifandirana sy ny tsy fifampitokisana teo amin'ny koraisita sy ny Banu Quraydha. Nandritry ny ady tao Kaybar dia mody nandeha tamin'ny foko Banu Ghatafan izy, izaynifandray tendro tamin'ny jiosy Khaybar. Noho izany dia tsy nihetsika io foko io ary tsy nanampy tamin'ny ady.
  • Nanao izay natao tsy tmaim-pisalasalana mandrakariva ny irak'Andriamanitra isaky ny dingam-piainany. Tsy mba diso fanantenana nandritry ny ady nataony izy ary tsy mba nihemotra na oviana na oviana. Entitra mandrakariva izy ary tony nandritra ireo fotoana navaivay tao Ouhoud sy Hunayan. Niantso ny mpiaradia niparitaka izy: "Aza miparitaka ianareo! izaho no Mpaminany, tsy misy fitaka izany! izaho no taranak'I Abd al-Muhaliv". Nanafika ny Banu Quraydha izay nandika ny fifanarahana tamin'ny silamo imbetsaka taorian'ny ady nomanina ny irak'Andriamanitra ary tsy nanaisotra ny akanjo fitondrany miady, ary nifanohitra tamin'ny tafika koraisita ny ampitson'ny tsy fahombiazana tao Ouhoud. Maro ireo zava-niseho tena nanambara vahaolana sy ny tsy fetezan-koresin'ny Mpaminany.
  • Saika tamin'ny fifandonana rehetra dia ny Mpaminany no manafika ary mitarika ny ady. Nataony izany na dia tamin'ny ady efa fantatra mialona toy ny tao Ouhoud sy ny ady nomanina aza. Nandresy ny fahavalo ny fampiasany paik'ady tsy ampoizina sy tetika mahomby. Nampiasainy ampahamalinana tokoa ny fotoana sy ny toe-javatra tokony hararaoina.manova ireo tetika ampihariny amin'ny ady matetika ny irak'Andriamanitra. Ohatra, nandritry ny ady tao Badr dia nanao fanafihana ankapobeny izy rehefa nanakivy ny fahavalo tamin'ny ady ifanaovan'ny tsirairay. Nandry toy ny tapany voalohany tamin'ny ady tao Ouhoud dia nataony tsy nahavita na inona na inona ireo mpitaingin-tsoavaly fahavalo noho ny fisian'ireo mpitifitra amin'ny zanatsipika izay napetrany teny an-tehezan-tendrombohitra. Nandresy izy tamin'ny dingana voalohany tamin'ny fampiasany ireo mpiady namiratra toandr'I Hamza, Ali, Abou Dujana sy Zubayar. Tamin'ny ady nomanina dia niatrika ny fahavalo tamin'ny ady vory lalina sady lava natao manodidina an'i Medina izy. Niaro tena tao an-tanàna izy ary notereny hiverina ireo fahavalo rehefa nipetraka tao nandritry ny efatra herinandro.

Tsy dia ampy fitaovana sy miaramila fanampiny ny Mpaminany ary nifandray tamin'ny hafa mandrkariva. Ankoatra ireo olom-panjakana nobeaziny toandr'I Abou Bakr sy Omar dia teo koa ireo mananam-pahaizana sady ambony fanahy, miaramila mahery sy mpitarik'ady tsy mety resy.? Singa fototra telo no nomen'ny fanabeazany:

  • Fanazaran-tena mitohy. Nasainy nanaza-tena tamin'ny fitifirana zanatsipika, tamin'ny ady, tamin'ny filomanosana sy ny fitaingenan-tsoavaly ireo miaradia taminy.

Sarotiny tamin'ny hery sy ny fahasalamana izy.

  • Ny hatsaran-tsaina sy ny fahaiza-miaina.
  • Ny fitiavana an'Andriamanitra amim-pinoana, fanekena sy fahatokisana tsy nety lefy, fanekena tanteraka an'Andriamanitra sy ny fahefany.

Nitondra ny fandriampahalemana ny tafika si tamin'ireo tany azony. Tia ny finoana silamo tanteraka ny miaramila tsirairay avy. Ny finoana an'Andriamanitra ihany no toetra tokana hitsarany ny olona. Tsy miaraka amin'ireo izay manohitra an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany izy ireo na dia ny ray aman-dreniny aza no manao izany, na ny zanany, na ny rahalahiny, na ny anabaviny na ny olona iray foko aminy. (58:22) Vokatr'izany, tsy maintsy manohitra ireo fahavalo eny am-piadiana ny isam-pianakaviana.

Ny finoana sy ny fanekena no nampahery sy nahabe herim-po ny miaramila silamo ka na ny hamaroan'ny fahavalo na ny vahotra ny fahafaesana dia tsy nahasakana azy ireo hampita ny hafatra avy amin'Andriamanitra. Idnray andro, nisy pretra kristianina irayniteny tamin'I Abd Allah ibn Hudhafa as-Sahmi izay babon'ny Bizantina fa ho avotra ny ainy raha miadika ho kristianina izy. Nomena telo minitra izy handinihany. Ary namaly I Abd Allah hoe: "Misaotra anareo nanome ahy telo minitra mba hitenenanareo ny finoana silamo".


[84] Andrew Miller, Church History, 285.
[85] Ibn Hisham, 2:269.
[86] Bukhari, "Tayammum," 1, "Salat," 56.
[87] Nasa'i, Sunan, 5:212; Ibn Hisham, 4:13; Ibn Sa'd, 2:121.