Ny Halehibeazana Hafan'ny Faminaniany

Mivavaka mandrakariva amin'Andriamanitra ny Mpaminany Mohammed alohan'ny hanaovany asa iray. No okin'ny lovantsofina (hafita) dia tsy mitatitra tranga iray tsy nanaovany izany. Araka ny efa voalaza tery ambony dia misiterin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny fivavahana, ny irak'Andriamanitra no tsara indrindra tamin'ny fanompoana azy. Mazava izany amin'ny famerimerenana ny fanamafisana ny finoana: "Manamafy aho tsy misy andriamanitra hafa afa tsy Andriamanitra ihany ary ny mpitondra hafany no mpanompo azy dia I Mohammed". Mariho tsara fa sady antsoina hoe mpanompo izy no mpitondra hafatra. Mangataka amin'Andriamanitra mandrakariva izy amin'izay heverina hatao.

Andriamanitra no mpahary antsika sy izay ataontsika. Na dia mandray ny fepetra ilaina rehetra sy manadihady ny anton-javatra aza isika mba ahafahana manatanteraka azy eto amin'ity tontolo hita maso ity dia tys tokony hanadino na oviana na oviana fa ny fisian'ny zavatra rehetra dia miankina tanteraka sy manokana amin'Andriamanitra. Noho izany dia tsy maintsy manambatra ny asa amin'ny fivavahana isika. Isan'ny finoantsika amin'ny maha tokana an'Andriamanitra koa izany.

Tsy manantsahala ny fahafantaran'ny irak'Andriamanitra azy. Voalohany amin'ny fitiavana an'Andriamanitra izy ary niavaka tamin'ny fahatahoan'azy koa. Fantany tanteraka fa ny fisiany sy ny fahelomany dia miankina tanteraka amin'Andriamanitra. Tanteraka izay rehetra kasain'Andriamanitra: "Rehefa mila zavatra iray izy dia manamafy ny filazana hoe "Sois!" ny didiny ary tonga izany (36:82). Misy ny zava-drehetra ary miasa araka ny lalàn'Andriamanitra ary mifanaraka amin'ny fepetra ilaina. Mahatsapa izany tanteraka ny Mpaminany ka manatanteraka izay ataony ary rhefa avy mampifanaraka ny asa amin'ny fivavahana izy dia avelany ho an'Andriamanitra ny vokany ary mhaatoky azy tanteraka izy.

Nafindrany amintsika ny fivavahany. Rehefa mamaky azy isika dia mahatsapa hevi-dalina ao aminy ary tonga dia mifanaraka tsara amin'ny zava-misy izy. Manambara finoana lehibe izy, fahamarinana lalin,Andriamanitra fanekena mafonga ary fahatokisana tanteraka. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

  • Rehefa hatory ianareo dia ataovy ny fidiovana (Wudhy') toy ny ataonareo alohan'ny fivavahana isan'andro ary mivavaha toy izao:

"Andriamanitra ô, amin'ny fitiavana sy ny fahatahorana anao dia manaiky Anao aho, atoloto ho eo ampelatananao ny asako rehera ary mialoka eo akaikinao aho. Tsy misy fialofana na loharanon'ny fahatahorana ny fahatezeranao hafa raha tsy ao aminao ihany. Mino ny boky nampidininao sy ny Mpaminany nobeazinao aho".1

  • Raha tsy misy fahotana ny fanahy dia toy ny fitaratra madio na lamba fotsy mangatsakatsaka. Mandoto ny fanahy ny fahotana ary tsy voafafa raha tsy amin'ny alalan'ny fanitsiana sy ny fangatahana ny famelany. Manam-pahazarana ny manao izao fivavahana izao ny Mpaminany na dia tsy manam-pahotana aza: "Andriamanitra ô, hametraka elanelana lavitra noho ny nanaovanao ny atsinanana sy ny andrefana eo amiko sy ny fahdisoana. Andriamanitra ô, dioy amin'ny fahdisoako toy ny fanadiovana ny loton'ny akanjo fotsy aho".2 Tsy hahasoratra ny fampitahana sy ny teny feno hevi-dalina toy ny ampiasaina eto na dia boky iray manontolo aza.

Ankoatra ireo fivavahany noho ny antony manoka dia namela fivavahana amin'ny ankapoben-javatra hoantsika koa izy ary ireto misy ohatra vitsy amin'izany:

  • Andriamanitra ô, mangataka aminao hoan'ny tsara rehetra aho, anisan'izany izay entin'ny tànana sy mbola ho entiny, izay efa fanatro sy mbola tsy fantatro. Mialoka aminao aho amin'ny ratsy rehetra, tafiditra amin'izany izay entin'ny tànana sy izay mbola ho entiny, izay efa fantatro sy mbola tsy fantatro.3
  • Andriamanitra ô, tsy misy mahasakana izay avelanao, ary tsy misy azo omena raha sakananao. Tys misy manankarena afaka manao ny tsara aminay satia ny harena dia eo ampelantananao.4
  • Andriamanitra ô, tsy hiteny aho, tsy hilokaloka, tsy hampanantena na inona na inona, raha tsy efa nirinao mialoha. Tsy izy izay tsy sitrakao fa izy kosa izay sitrakao. Tsy misy hery sy fahefana hafa afa tsy avy aminao ary marina fa mahery indrindra eo amin'ny zava-drehetra ianao.5
  • Andriamanitra ô, ataovy maharaka ny olon-drehetra anananao famindram-po ny fivavahana ataoko ary izay zavatra tsy nety vitako, ataovy mahatratra izay voaozonao. Marina, ianao no mpiandry ahy eto an-tany sy any ankoatra. Ataovy maty amin'ny finoana silamo aho ary ataovy anisan'ireo olo-marina.6
  • Andriamanitra ô, mangataka ny hafalianao aho raha misy zava-manjo, fiainana am-piadanana aorian'ny fahaatesana, hafinaretana amin'ny fibanjinana ny tavanao sy ny faniriana hifanatri-tava aminao. Mialoka aminao aho mba tsy hanao ratsy ny hafa ary mba tsy hanaovan-dratsy amiko, mba hampisehoana ady hevitra manimba ary mba tsy ho tratran'ny ady hevitra manimba. Naelanao tao anatin'ny fahosana aho, ny filana, ny fahotana sy ny fahadisoana. Tsy miankina afa tsy amin'ny famindram-ponao aho, noho izany afaho amin'ny fahotana satria azonao atao izany. Ekeo ny fnaitsiana ahy satria ianao no tena mpamindra fo sy be fitiavana.7
  • Andriamanitra ô, mendrika ny ho hajaina foana ianao, ary tsy misy olon-kafa mendri-piderana hafa tsy ianao. Manapy izany rehetra mangataka fanampiana ianao. Manatanteraka noho ny mpitarika rehetra ianao, malala-tànana noho izay rehetra angatahan-javatra ary malala-tànana noho ireo mpanome. Manam-pahefana tokana amna-tany ianao, ilay tokana tys manan-tsahala. Mety simba ny zava-drehetra hafa tsy ianao.

Tsy ekena ianao raha tys amin'ny alalanao aryt sy laivna ianao raha tsy amin'ny fahafantaranao. Raha misy manaiky anao dia valianao soa, raha misy tsy manaiky anao dia avelanao heloka. Vavolombelon'ny zava-drehetra ianao, akaiky indrindra noho ny vavolombelona rehetra hafa; ary miaro ny rehetra ianao sady akaiky indrindra noho ny mpiaro hafa. ianao no mandidy izay ataon'ny olona rehetra arymamaritra ny ora sy ny andro ahafatesany. Fantatrao avokoa izay ao antsaina rehetra ary tsy misy miafina aminao ny zava-miafina.

  • Ny manara-dalàna dia izay ataonao manara-dalàna ary ny tsy manara-dalàna dia izay tsy ataonao manara-dalàna. Ny fivavahana dia izay naorinao; ny didy dia izay nodidinao. Ny voary dia hary tànanao ary ny mpanompo dia mpanomponao. Andriamanitra ianao, be indra-fo, ilay tena mpamonjy. Mpangataka aminao ny hanazavan'ny famirapiratan'ny tavanao amin'ny lanitra sy ny tany aho, mangataka ny zo rehetra anananao ary hijery ireo izay miantso anao, mba hamela heloka ahy amin'ity maraina sy hariva ity ary mba hiaro ahy amin'ny fahefanao tsy ho any amin'ny helo.8
  • Andriamanitra ô, mikatsaka fialifana aminao aho hanoherana ny fahalalana tsy mitondra zava-tsoa, hanoherana ny fo tsy manaiky izay tsy matahotra anao, hanoherana ny fanahy tsy afa-po isan'andro ary hanoherana ny fivavahana tsy mahafa-po.9
  • Andriamanitra ô, mangataka aminao ny faharetana amin'ny asako aho, ny vahaolana amin'ny fitantananao, asa ekenao ary lela marina sy fo madio. Maloka aminao aho hanoherana ny ratsy avy amin'ny zavatra fantatrao. Mangataka aminao ny tsara fantatrao aho sy ny famelana amin'izay efa fantatrao. Marina, mpamantatra ny tsy hita maso ianao.10
  • Andriamanitra ô, mangataka aminao ny mba ho afaka hanao ny tsara aho, hanala ahy amin'ny adalana, ho tia ny mahantra ary hamelany ny heloka sy ho be fitiavana amiko. Raha sitrakao ny fivilianan-dàlana sy ny fisaratsarahan'ny vahoaka sy ny fikorontanan'ny fiainam-bahoaka dia ataovy maty aloha aho mba tsy ho anisan'ny tafiditra amin'io korontana io. Mangataka ny fitiavanao aho sy hoana'ny fitiavan'izay tinao ary ny fitiavana ny asa mampanakaiky ahy ny fitiavanao.11
  • Andriamanitra ô, mangatakla aminao ny tsara hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany aho amin'ny endriny feno indrindra hatrany amboalohany ka hatramin'ny vokany, ireo endriny miafina sy hita maso nefa mihatra sy ny laharana ambony any amparadisa.12
  • Andriamanitra ô, mangataka ny fitantananao aho, ny tahotra anao, ny fahadiovana sy ny fahaleovantena eo anatrehan'ny hafa.14
  • Andriamanitra ô, ampio aho mba hahatsiaro anao sy hiantso anao, hisaotra anao sy hidera anao amin'ny fomba tsara sy mendrika.13
  • Andriamanitra ô, tariho mba ho tanteraka soa aman-tsara ny asanay, arovy amin'ny loza sy ny fahafahambarakan'ety sy ny fijaliana any ankoatra.15
  • Andriamanitra ô, mangataka aminao ny tsara rehetra nangatahan'ny Mpaminany Mohammed taminao izahay (ny fiadanan sy ny tso-dranon'Andriamanitra anie ho eo aminy).

Nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny fiainan'ny Mpaminany ny fivavahana. Ny vavaka rehetra nolazaina miaraka amin'ireo rehetra hafa dia nanjary fanalahidy teo ampelantanan'ny olo-masina lehibe toandr'I Abou Hasan al-Shadhili, Ahmad al-Badawi, Ahmad al-Rija‛I sy Abd al-Qadir al-Jilani izay nampiasain'izy ireo mba hamohana ny varavaran'ny famindram-pon'Andriamanitra hivoha amin'izy ireo.


[1] Bukhari, "Da'awat," 6; Muslim, "Dhikr," 56.
[2] Bukhari, "Adhan," 89; Muslim, "Masajid," 147.
[3] Ibn Hanbal, Musnad, 6:147.
[4] Bukhari, "Adhan," 155; Muslim, "Salat," 205; Abu Dawud, "Salat," 139.
[5] Ibn Hanbal, Musnad, 5:191.
[6] Nasa'i, "Sahw," 62; Ibn Hanbal, 5:191.
[7] Ibn Hanbal, 5:191.
[8] Haythami, Majma' az-Zawa'id, 10:117.
[9] Muslim, "Dhikr," 73; Abu Dawud, "Witr," 32.
[10] Tirmidhi, "Da'awat," 23; Nasa'i, "Sahw," 61.
[11] Tirmidhi, "Tafsir al-Qur'an," 39; Imam Malik, Muwatta', "Qur'an," 73.
[12] Hakim, Mustadrak, 1:520.
[13] Ibid., 1:499.
[14] Ibn Maja, "Du'a," 2; Muslim, "Dhikr," 72; Tirmidhi, "Da'awat," 73.
[15] Ibn Hanbal, 4:181; Hakim, 3:591.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.