Fa Nahoana Izy No Nanambady Mihoatra Ny Iray?

Ireo mpanaratsy ny finoana silamo, na izy ireo tsy mahafantatra ny anton'io fanambadiana io na te hanova lokoazy ho toy ny faharatsiam-pitondrantena tsy misy dikany, dia manameloka ny Irak'Andriamanitra ho ratsy toetra, tsy mifanaraka amin'ny fahamarinana kely akory ary tsy mifanaraka amin'ny fahamarinan'ny Irak'Andriamanitra farany sy ny ho modely tsara hoan'ny zanak'olombelona. Ny toe-javatra izay mbola tena mora jerena ao amin'ireo tantaram-piainany maro ny maha marina azy dia mandà tanteraka izany fanamelohana izany ary maneho fa tena fiainana manara-dalàna io fanambadiany io ary eta-mavesatra ho azy aza.

Ny anton'ny fampirafesany na dia maha samy hafa azy amin'ny toe-javatra hafa aza dia noho izy niantsoroka ny fitarihana ny fiairahamonina silamo vaovao sy amin'ny andraikiny hitarika ny mpanaradia azy ho amin'ny lalàna sy ny soa toavina silamo.

Nanmbady ny vadiny voalohany i Mohammed raha vao 25 taona, izany hoe, 15 taona talohan'ny tsy hanombohan'ny faminaniany. Noho ny rivotra ara-moraly sy ara-tsaina niainany, tsy ambara amin'izany ny toetr'andro, ny fahatanorany sy ny antony hafa dia mbola niaina tamin'ny fahadiovana ihany izy, ny fahamendrehana hametraham-pitokisana sy ny fahamaotianana. Na dia izany aza dia tsy nanamavo ireo zavatra tsara nataony ireo tena nanenjika azy satria ho maty hasina eo anatrehan'ny olona amin'izany izy ireo. Tsara ny mahafantatra fa mifototra tamin'ny fahadiovan'ny fiainany, ny fifehezantena hatrany amboalohany ary mijanonatoy izany hatrany.

Nanambady an'iKhadija ny Irak'Andriamanitra rehefa ho feno 25 taona. Ambony sy niavaka teo imason'ny Mpaminany sy Andriamanitra io fanambadiana io. Naira niaina tamim-pitiavana nandritry ny 23 taona tamim-pifankatiavana sy tao anatin'ny hafaliana sy fitokisana ireo mpivady ireo. Tsy nanambady afa tsy I Khadija ny mpa tamin'ny fahavelomany na dia namela azy hanao izany azan y lalàam-piarahamonina sy ny hevitry ny vahoaka. Na dia ireo fahavalony aza dia nidera nandritry ireo fotoana ireo fa tsy mba nahita haratsian-toetra taminy. Rehefa maty tao anatin'ny faha valo taona naminanian'I Mohammed I Khadija dia niaina irery indray ny Mpaminany kanefa efa niaraka tamin'ny zaza. Tsy nanambady izy nandritry ny 4 na 5 taona. Ny fanambadiany hafa rehetra dia taty aorian'ny faha 53 taonany na taorianizany, noho izany tao amin'ny taona tsy ahitana tombotsoa manokana na fnairiana hanambady intsony, indrindra fa any Arabia izay mora maha antitra ny lehilahy maaky. Noho izany ny fanamelohana horatsy fitondrantena sy ny fa hoany fa hoany dia tsy misy fototra iorenany.

Manontany tena ny olona matetika hoe fa maninona ny Mpaminany no afaka manambady nihoatra ny iray. Tsy maintsy mijery lafin-kevitra telo aloha alohan'ny hamaliana izany fanontaniana izany. Mialohan'izany anefa dia ho jerentsika aloha ireo izay mametraka izany fanontaniana izany. Kristianina no ankamaroan'izy irney na jody na koa tsy mpino. Matetika dia olona tsy mahalala tanteraka ny finoana silamoizy ireny ka ny fanontaniany dia nifototra amin'ny tsy fahalalana tanteraka tokoa na faniriana hamafy ahiahy fotsiny izao amin'ny mpino.

Ireo izay tsy nino nyfivavahana iray sy tsy mampihatra azy dia tokony tsy hitsikera ireo mino sy mampihatra izany. Misy olona maro matetika fantatra amin'ny fitondrantena ratsiny sy manambady maro ary mandà ny fahendrena sy ny lalàna morally. Mialokaloka ao amin'ny fanadiovan-tenany izy ireny kanefa tsy mba miafina akory ary mandà ny vokatra aterak'izany eo aminy sy eo amin'ny tanora amin'ny ankapobenyeny fan a dia eo imason'ny fiarahamonina. Mihevitena ho malalaka tanteraka dia miroboka amin'ny zavatra heerin'ny fiarahamonina fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna morally: firaisana amin'ny olom-pady, firaisan'nyolona mitovy fananahana, fanambadiana maro amin'ny fotoana iray, sy ny sisa. Tsy mba mijanona mihintsy mba manontany tena izay mety ho vokatr'ireny zava-panaony ireny amin'ny zaza mety ho tonga izy ireo.

Rehefa azontsika izay dia afaka manao fitsikerana sy mijery ny tena marina mikasika ny filana tsy ampiheverana na ampiheverana isika sy hampisaintsaina ny fifangaroana sy fisavoritahana ara-moraly sy adalana izay mahazo azy.

Inona moa no anenjehan'ny kristianina sy ny jody ny Mpaminany amin'ny fanambadiany maro. Hadino ve fa ny patriarka hebreo heverin'ny Baiboly sy ny CORAN, sy olon-tsambatra jody sy kristianina sy ny silamo ho fakantahaka amin'ny fahamboniana ara-moraly tsy nanambady maro? iza no nahavita be tamin'izany ankoatran'I Solomona?22 Nanambady maro mihoatra ny an'I Mohammed izy ireo. Toa mampanntany tena satria toa entanin'ny fisaintsainany manohitra ny finoana silamo izy ireny fa tsy ny tombotsoany manokana.

Tsy ny silamo no nanomboka voalohany ny fanamadiana mihoatra ny iray. Ankoatra izany, raha mikasika ny amin'ireo Mpaminanin'ny silamo dia nandray anjara lehibe tamin'ny fampitana ny hafatra sy ny fiantsoana ireo tsy mpino hanaraka ny finoana silamo izy ireny. Ohatra, ny fivavahana mahazo ny faim-piainana manontolo dia tsy mangina rehefa tojo zavatra saro-pady manokana. Misy zavatra maro tsy fantatra raha tsy ifampiresahan'ny mpivady. Noho izany, tsy maintsy manambady izy mba hanoro hevitra azy amin'izany sy hanome azy fe-petra mazava satria nisy toe-javatra sasany tsy azo ankinina amin'ny fahazarana fotsiny na amin'ny fiheveran-diso sy ny zavatra takona. Mpampianatra sy mpampita amin'ny vehivavy hafa ny vadin'ny Mpaminany, mampita amin'izy ireo ny lalàna silamo sy ireo fitsipika mikasika ny fanambadiana, ny fianakaviana sy ireo hevitra hafa manokana.

Nisy fanambadiana sasany natao noho ny antony manokana toy izao manaraka izao:

  • Satria ireo vadiny dia nahitana ireo sala taona samy hafa, azo ampiharina tsara isaky ny dingam-piainan'izy ireo sy ny haizatrany ny fomba amam-panao silamo sy ny zavatra didian'ny lalàna silamo hampiharina. Nianarana sy nampiharin'ny fianakavian'ny Mpaminany io lalàna io ary nampitaina tamin'ny silamo hafa tamin'ny alalan'ireo vadiny.
  • Avy amin'ny foko sy tarika samy hafa ireo vadiny tsirairay avy, nahafahany nametraka fifamatorana ara-pianakaviana sy fifandraisana mirindra nanerana an'I Arabia izany. Niteraka ny fifatorany lalina tamin'ny vahoaka samy hafa izany dia ireo fiarahamonina silamo vaovao ary nahatonga sy niantoka fitoviana sy firahalahiana teo amin'ny lafiny fivavahana sy fomba amam-panao.
  • Na teo aloha na taorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany dia nahazo tombotsoa sy fanampiana lehibe avy ny vadin'ny Mpaminany. Nampita sy nanazava ny finoana silamo tamin'ny vahoakany araka ny habeny na tety avelany na tao anatiny izy ireo sy ny hatsarana ary ny fomba sy ny finoan'ny olona izay CORAN hita vatana amin'ny fiainany manontolo. Tamin'izany fomba izany no nahatsapan'ny vahoakany ny CORAN, ny Sounna ny "tafsir" (Famahavahana sy fanadihadiana ny CORAN), ny "figh" (Fahafantarana ny lalàna silamo) ary nahatonga azy ireo hahatsapa tanteraka ny fototra sy ny hevitra mitondra ny finoana silamo.
  • Tamin'ny alalan'ny fanambadiany no nahafahan'ny Mpaminany nametraka ny fifamatorana ara-pianakaviana nanerana an'I Arabia sy nahafahany nivezivezy ankalalahana sy nekena ho anisan'ireo fianakaviana isanisany ireo. Ankoatra izany, ireo izay mahatsapa fa mifamatotra akaiky aminy dia afaka mangataka torohevitra mivantana amin lafin-kevitra isan-karazany. Nanararaotra namtraka fifandraisana taminy ihany koa ny foko manontolo ary mihevitra izy ireo fa nananjara ka faly tamin'ny fifandraisany ara-pianakaviana vaovao. Ohatra fifamatorana maro no vita: tamin'ireo Omeyyades (noho I Oumm Habiba), tamin'ireo Hashimites (noho I Zaynab bint Jahsh) ary tamin'ireo Banon Makhzoum (noho I Oumm Salama).

Ny ankapoben-javatra sy ny fanirian'ny Mpaminany hamariparitra fohyfohy ny fianampiainan'ireo vadiny tsy amin'ny fanabadiany azy fa amin'ny lafin-javatra hafa.i Khadija no vadin'ny Mpaminany voalohany. Efapolo taona izy ary 25 taona kosa ny Mpaminany tamin'ny fotoana nitambarany. Izy no renin'ny zanany rehetra afa tsy Ibrahim izay maty mbola kely fironantsainy sy ny heviny koa izy. Voatsodrano tsar any fanambadiany ary niaina ampilaminana tanteraka izy ireo nandritry ny 23 taona. I Khadija no namany akaiky sy nanampy azy tamin'ireo fanenjehana sy fampijaliana nataon'ny mponin'I La Mecque azy. Tiany tokoa ravehivavy ary tsy nanamady afa tsy io izy tamin'ny fahavelomany.

Maneho ny endripahamonian'ny fifankatiavana sy ny fifanajana sy ny fifanohanana io fanambadiana io. Na dia nahatoky sy mendrika tamin'ireo vadiny aza izy dia tsy nanadino an'I Khadija nandritry ny androm-piainany sisa, tsy nitsahatra namerimberina ny fahamarinany sy ny fahamendrehany izy. Tsy nanambady ny Mpaminany tao anatin'ny eftra na 5 taona taorian'ny nahafatesany. Nahatonga azyho sady ray no reny ny fitadiavana ny sakafo sy ny filan'ireo zanany sy ny fiharetany ny fahasarotana sy ny olona isan-karazany. Raha tsy ny fananany fahamarinana tamin'izany dia tsy ho afaka niaina araka ny fiainany tanterin'ny tantara izy.

I Aïcha no vadiny faharoa (fa tsy araka ny filahaana ara-potoanan'ny fanambadiana) dia zanak'I Abou Bakr, namana akaiky azy indrindra sy mpianany tena tia azy. Iray tamin'ireo nivadika ho silamo voalohany indrindra. Io lehilahy io dia nanampaniriana hatry ny el any hanamafy ny fifotorany tamin'ny Mpaminany ary nkeny ho an'ny irak'Andriamanitra I Aïcha zanany vavy. Io fanekeny io dia hanome voninahitra ambony sy haja lehibe hoan'ny lehilahy iray izy nizarany ny tsara sy ny ratsy rehetra tamin'ireo fotoana niarahana taminy nandritry ny fiandohan'ny asany.

I Aïcha dia vehivavy Hendry sy manantsaina, manana ny toetra sy ny hafanam-po hampandrosoana ny asan'ny faminaniana. Nanome azy ho mpanabe sy ho mpitantana ny vehivavy rehetra ara-panahy ny fanambadiany. Nanjary mpianatra sy mpanaradia ny Mpaminany izy ary tamin'ny alalany no nahafan-dravehivavy io nivlatra sy niha tsara tamin'ireo talentany mba hahafahany mihazo ny toeran'ny famonjena toy ny vadiny sy ny mpianany, toy izany koa ireo olona voatsodrano tamin'io vanim-potoana niainany io. Ny fiainany sy ny asa nataony hoan'ny silamo taoian'ny fanambadiany dia manaporofo fa mendrika ho vadin'ny Mpaminany ny olona irey miavaka tahaka azy.

Nandritra izany fotoana izany izy no nanambarana ny maha iray azy amin'ireo manampahefana mahefa amin'ny fanaovana hadita, famahavahana tonga lafatra ny CORAN ary manampahaizana fanta-daza sy niavaka tamin'ny "fiqh" (lalàna silamo). Nampiseho tanteraka ny traikefa sy ny toetra anatiny sy ivelan'ny Mpaminany Mohammed izy tamin'ny alalan'ny hakingan-tsainy manokana.

Oumm Salama, avy amin'ny foko Makhzoum, nanambady ny zana-drahalahindrainy aloha. Nanaraka ny finoana silamo hatrany amboalohanyizy roa ary nifindra monina tany Abyssinie mba handositra ny fanenjehan'ireo Qoraïchites. Nifindra monina tany Medina niaraka tamin'ireo zanany efatra izy avy eo. Nandray anjara betsaka tamin'ireo ady ny vadiny ary naratra mafy tamin'ny tao Ouhoud ary lasa maritiora afaka fotoana fohy. Nanolotena (hanambady azy I Abou Bakr sy Oumar rehefa nahatsapa ny filany sy ny fiharetany amin'ny maha maty vady azy kanefa manan-janaka efatra tsy manampiahy. Nandà izany izy rehefa nandresy lahatra fa tsy misy olona tsara noho ny vadiny maty.

Afaka fotoana fohy taorian'izany dia nanolo-kevitra ny hanambady azy ny mpa. Mendrika izany ary mazava satria io vehivavy ambony io dia tsy mba nandositra ny fiafiana na oviana na oviana sy fiharetana hoan'ny finoana silamo amin'ny maha maty vady miaraka amin'ny zaza efatra taorian'ny taona maro tao anati'ny foko ambony arabo. Tsy nataon'ny irak'Andriamanitra ambanin-javatra izy ka hangataka izay zavatra ilainy. Raha mihevitra ireo famindram-pony sy ny fahamendrehany sy ny fiharetany dia mendrika ny hampiana izy. Nanao izay nataony tamin'ny fahatanorany taminy ny Mpaminany rehefa nanambady azy toy ny fanomezany fitiavana hoan'ireo izay tsy manana namana, manokana ireo izay tsy mahazo fanohanana ary miaro ireo izay manana fiarovana.

Manantsaina koa I Oumm Salama ary mora mahazo zavatra haingana. Manana ny toetra sy ny fnaomezana manokana hanjary mpitarika ara-panahy izy. Taorian'ny hanombohan'ny fanambadiany ny Mpaminany dia nanjary mpianatra vaovao tao amin'ny sekolim-pahalalana sy ny fitarihana izy, nanaja azy ny vehivavy rehetra. Iaina ny manamarika na efa nanakaiky ny faha 60 taonany ny Mpaminany tamin'io fotoana io. Ny fanambadiany vehivavy maty vady manan-janaka efatra sy ny fanekeny hiantoka ny fandaniana sy hitana ny andraikitra rehetra vokatr'izany dia tsy azo raisina afa tsy ny amin'ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy manam-petra amin'ny olombelona.

Omm Habiba dia zank'I Abou Soufyan izay fahavalon'ny Mpaminany nasiaka indrindra nandritry ny fotoana ela ary tena anisan'ireo tsy mpino. Na dia izany aza dia anisan'ireo nivadika voalohany ny zanany vavy ary nifindra monina tany Abyssinie niaraka tamin'ny vadiny. Maty tany ity farany ary namela azy ho sesitany irery tany.

Nandritra io fotoan-tsarotra io dia ny mpanaradia no niantoka ny filany. Nianjadian'ny safidy maro izy tamin'izany: ny fivadihana ho krsitianina ho takalon'ireo fanampiana avy amin'ireo kristianina abyssinianina (tsy azo heritreretina), hiverina any amin-drainy izay toeram-pamaharan'ny ady hifanandrinana amin'ny silamo, sa hangataka isan-tokatrano. Ity vahaolona farany dia toa tsy azo heritreretin noho iretsy roa voalohany ary etsy andaniny koa ny henatra ny fianakaviana izay iray amin'ireo mpanakarena sy fianakaviana ambony arabo.nomen'Andriamanitra valisoa tamin'izay rehetra nafoiny sy niafiany tamin'ny anaran'ny finoana silamo I Oumm Habiba. Sesitany irery izy ary maty vady nampahonena tany amin'ny tany izay ahitana olona maro tsy iray finoana sy tsy iray fiaviana aminy.

Rehefa nahatsapa ny alahelony ny Mpaminany dia nanolokevitra ny hanambady azy tamin'ny alalan'ny fanelanelan'ny Negu Mpanjaka. Io asa ambony io dia porofo mitohoka amin'ny tendany amin'ny fampiharana ny hoe: "Ary tsy nalefanay afa tsy hamindra fo an'izao tontolo izao ianao". (21:107)

Nanomboka tamin'io fanambadiana io dia nitambatra tamin'ny Mpaminany sy ny tokatranony ny fianakaviana maherin'I Abou Souffyan. Toe-javatra iray nanosika azy ireo handinika indray ny fanoherany. Marina koa ny mahatsapa ny fiantraikan'io fanambadiana io, tsy ho eo amin'ny fianakariana akaikin'I Abou Soufyan ihany fa eo amin'ny foko Omeyyades rehetra izay nitarika ny finoana silamo nandritry ny taonjato iray mihintsy. Io tarika io izay tena mpanenjika ny finoana silamo dia namokatra mpiady sy mpitarika ary mpitondra fanta-daza tamin'ny vanim-potoana voalohan'ny finoana silamo. Ny fanambadiany ani Oumm habiba no nahatonga io fiovana io: nampifangaro azy ireo tanteraka ny halalin'ny fitiavan'ny mpaminany sy ny halebeazam-panahiny.

Zaynab bint Jahsh din olona avo razana sady fianakavian'ny Mpaminany akaiky. Izy dia vehivavy manampamindram-po lehibe, mifady hanina imbetsaka, nivavaka maharitra amin'ny alina ary manampy am-pitiavana ny mahantra. Rehefa nilaza tamin'ny Ray amndreniny ny Mpaminany fa naniry ny zanany vavy ho vadin'I Zaïd (zanaka natsangan'ny Mpaminany), tsy tamin'izany aloha izy sy ny fianakaviany. Ny Mpaminany no noheverin'ireo fianakaviany ho vadiny. Mazava tsara fa nanaiky noho ny fitiavana ny Mpaminany izy ireo raha hanatanteraka ny faniriany sy noho ny fijerena ny fahefany.

Tahaka izay efa voalaza tery aloha, nalamin'ny irak'Andriamanitra io fanambadiana io mba hamongorana ny fomba amam-panao sasany: ny andevo afaka dia tsy mahazo manambady vehivavy tsy andevo hatrany amboalohany, ny fanavakavaham-bolon-koditra (mainty I Zaïd; mifanohitra amin'izany I Zaynab), ny ray nanangana dia tsyq mahazo manambady ny vadin'ny zanaka natsangana raha maty ity farany. Tsy nitondra fahasambarana tao amin'ireo mpivady anefa io fanambadiana io. Samy mpino silamo tanteraka izy roa ary tia ny Mpaminany amin'ny fony tokoa kanefa tsy nifanentana. Nangataka alalana matetika tamin'ny Mpaminany mba ho afaka misaraka amin'I Zaynab I Zaïb kanefa niteny azy hanampaharetana sy tsy hisaraka aminy ny Mpaminany.

Indray andro anefa ary nolazainy tamin'ny olona izany, tonga taminy ny arkanjely Gabriely nampita ny hafatra avy amin'Andriamanitra.23 Ny andininy nambara dia milaza ny fanambadian'ny Mpaminany an'I Zaynab toy ny fifamatorana efa voapetraka: "Ataonay ho vadinao izy". (33:37)

Mazava ho azy fa tsy nanana anjara toerana tamin'izany fanambadiana izany ny firaisana ara-nofo. Mifanalavitra amin'izany io fisedrana lehibe io araka ny voalazan'I Anas hoe: "Raha nanampahefana hanafoana ny sasany tamin'izay nambara taminy ny mpa dia ho nataony izany".24

Juwayriya bint Harith, zanaka vavin'ny lehibem-poko Banu Mustaliq izay resy sy babo nandritry ny ady. Napetraka ho olon-tsotra tahaka ireo fianakaviany ambony sasany izy. Reraka dia reraka izy tamin'ny nitondrana azy teo anoloan'ny Mpaminany satria very zavatra ny olona akaiky azy manontolo ary tena halany ny silamo. Tsapan'ny Mpaminany tsar any ratra nentin'ny fiandrianany sy ny fahamendrehany ary hainy ny nanarina izany. Nekeny ny fandoavana ny vola ho famotsorana azy ary nanambady azy izy.

Azo heverina antsaina mora foana ny hafalian'I Juwayriya tamin'ny fanekena izany fangatahana izany. Fianakaviana zato eo ho eo no nafahana rehefa fantatry ny Ansars (mponin'I Medina) sy ny Moubadjiroun (mpifindra monin'I La Mecque) fa hifandray ara-pianakaviana amin'ny Mpaminany ny Banu Mustaliq afaka fotoana fohy noho ny fifamatorana amin'ny fanambadiana. Tsy mahazo monina ao amin'ny fanandevozana ny foko nomemboninahitra.25 Izany fomba izany no nazahoana ny fon'I Juwayriya sy ny vahoakany manontolo.

Safiyya dia zanaka vavin'I Huyayy, lehiben'ny foko jody tao Khaybar izay nandresy lahatra ny Banu Quraydha ny hanapaka ny fifanarahana natao tamin'ny Mpaminany. Hitany hatramin'ny fahazazany ny fifanoheran'ny fianakaviany sy ireo manodidina azy tamin'ny Mpaminany. Aty rainy taorian'ny ady natao tao Khaybar, maty koa ny anadahiny sy ny vadiny ary izy irery no babo.

Mety ho ny toetra sy ny zavatra nataon'ny fianakaviany sy ireo manakaiky azy no nahatonga ny fankahalany tanteraka sy ny faniriany hanao valy faty amin'ny silamo. Telo andro taorian'ny nisehoan'ny Mpaminany teo anoloan'ny "Citadelle" tao Khaybar anefa niainan'I Safiyya tao anaty nofy ny volana mamirapiratra avy any Medina sy manatona an'I Khaybar ary niankohoka teo andohaliny.

Hoy izy afaka fotoana fohy: "Rehefa babo aho dia nanantena fa ho tanteraka ny nofiko". Rehefa nentina teo anoloan'ny Mpaminany izy dia faly taminy ny Mpaminany ary nafahana izy sady nomena safidy na hijanona ho jody ihany dia hiverina any amin'ny vahoakany na hivadika ho silamo dia hanjary ho vadin'ny Mpaminany. "Hisafidy an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany aho" hoy izy. Ary nivady izy ireo afaka fotoana fohy.

Nasandratra ho amin'ny laharan'ny fianakavian'ny Mpaminany ary ho "renin'ny mpino" afaka fotoana fohy, izy ihany no vavolombelona mitohoka amin'ny tendany tamin'ireo fanenjehana mendrika nataon'ny mpanaradia tmainy. Niaina ampilaminana sy ampahamendrehana tanteraka niaraka tamin'ireo nanaiky an'Andriamanitra tamin'ny fony sy ny sainy izy, niova tanteraka ireo fombany vokatry ny haizatrany taloha ary nanomboka nigoka ny halebeazana sy ny voninahitry ny atao ho vadin'ny Mpaminany izy. Nampiova ny toetran'ny jody maro koa io fanambadiana io arakaraky ny fanirian'izy ireo hamantatra akaiky ny Mpaminany.

Sawda bint Zam‛Andriamanitra, vady navelan'I Sakran. Anisan'ireo voalohany nanaraka ny finoana silamo izy roa ireo. Maty tany antsesitany I Sakran ary namela ny vadiny tsy hanana na inona na inona. Nanambady azy ny Mpaminany mba hanalefahana ny fijaliany na dia nanana fahasahiranana lehibe koa aza vao nahita izay ilainy isan'andro. Nisy taona vitsivitsy taorian'ny nahafatesan'I Khadija io fanambadiana io.

Hafsa, zanak'I Omar ibn al-Khattab, ho kalifa faharoan'ny silamo. Voasesitany tany Abyssinie ihany koa ary nifindra nonina teny Medina, nanjary tsy nanambady izy rehefa lasa maritiora teny an-dalan'Andriamanitra ny vadiny. Nijanona tsy nanambady nandritry ny fotoana maromaro izy. Nangetaheta tamim-boninahitra sy tamin-tsodrano ny mba ho akaikin'ny Mpaminany I Omar na ety antany na any ankoatra, tahaka izany koa no nirian'I Abou Bakr. Koa moa va hanambady an'I Hafsa ny Mpaminany mba hahafahana miaro sy manampy ity zanaka vavin'ny mpanaradia mahatoky azy.

Izany sy izany no anton-javatra tao aorian'ireny fanambadiana isan-karazany nataon'ny Mpaminany ireny. Tsy nahitana faniriana ara-nofo tao. Ny mifanohitra amin'izany no nisy, nanambady izy mba hamelona sy hiaro ny fahamendrehan'ireo maty vady izay tsy nanam-piahy; mba hampionona ireo foko tezitra tamin'ny fitondrana ireo fahavalo taloha ho ao amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana sy mirindra; mba hahazoana olona sasany manantsaina manokana, indrina fa ny vehivavy manana talenta miavaka amin'ny finoana silamo; mba hametrahana l)La Mecque-pifandraisana vaovao eo amin'ny olona smay olona manodidinina ny firahalahiana mampitambatra ao anatin'ny finoana an'Andriamanitra ary mba hanomezam-boninahitra amin'ny fifamatoran'ny fianakavian'ny olona izay ho mpandimby azy avy eo.

Tsy nisy hifandraisany amin'ny fitadiavam-pahafinaretana sy ny filana ara-nofo ireo fanambadiana ireo. Maty vady avokoa ireo vady afa tsy I Aïcha arynatao tao anatin'ny fahanterany avokoa ireo fanambadiana ireo (afa tsy ny tamin'I Khadija).

Natao hifehezantena ireo fanambadiana ireo fa tsy natao hitopoanteny fantatra amin'ny famonjena.

Nanana fifandraisana manokana tamin'Andriamanitra ny Mpaminany ary natao manokana ho azy izany mba hananany ireo vady maro ireo. Nampihena ny fanaovana vady maro ny fanambarana avy amin'Andriamanitra taorian'ny hanatanterahany ireo fanambadiana ireo. Vokatr'izany dia voasakana tsy hanambady maro koa izy.


[21] Bediüzzaman Said Nursi, Lemalar, 4. "Lema."
[22] Selon Livre I, Rois 11:3, Salomon avait 700 épouses, princesses, et 300 concubines.
[23] Bukhari, "Tawhid," 22.
[24] Bukhari and Muslim.
[25] Ibn Hanbal, Musnad, 6:277.