Ny Tena Hevitra Marina Sy Ny Tena Lanja Marin

Ny fanabeazana amin'ny fampianarana sy ny ohatra tsara dia as ambony izay ambaran’ny Anaran’Andriamanitra  Masina Rabb (Ny mpanabe sy ny mpaminany). Mahatratra ny laharana tena maha-olona sy mpanome vokatsoa ho an’ny fiaraha-monina isika raha maha-tanteraka io asa io.

Ain-dehiben’ny fiarahamonina sy ny tsirairay ny fanabeazana . Voalohany dia efa mitoy lenta avy hatrany amin'ny fahadiovan’ny fihetseham-pontsika ny maha-zanak’olombelona antsika. Na dia ireo lanjan’ny sain-dratsy sy ny fanahy eo ambany fiahian’ny fitiavan-tena aza dia mendrika ny ho olombelona, ho fantarina raha tena izany marina izy ireo. Saika ny olon-drehetra no afaka mikolokolo ny vatany fa vitsy amin’izy ireo kosa no afaka manabe ny fanahiny sy ny fieritreretany. Faha-roa, tsy azo atao ny fanatsarana ny fiarahamonina iray raha tsy asandratra ho amin'ny laharana maha-olombelona ny taranaka, fa tsy amin'ny famotehana ny taranaka ratsy. Raha tsy mitsimoka eo amin'ny firenen-dreheetra ny voa avy amin'ny fivavahan sy ny soa toavina netin-drazana avy amin'ny fahalalana ara-tantara dia hisy singa vaovao tsy nirina tsy maintsy hipoitra ary hislo ireo taranaka ratsy naringana.

Miankina amin'ny tanora ao aminy ny ho avin’ny firenena iray. Ny olon-drehetra izay te-hanana ho avy mahafinaritra dia tsy maintsy mandany mondronkery mba hanabeazana ny zanany fa tsy mandany izany amin'ny zavatra hafa. Ny firenena iray tsy miraharaha ny tanora ao aminy fa mamela azy hanjakan’ny lolontsaina avy any ivelany dia mety tsy ho fantatra intsony ary ho osa ara-kolotsaina sy ara-politika.

Ny antony nampahatonga ny hadalàna tsikaritra amin'ny taranaka ankehitriny sy ny fitavozavozan’ny mpitarika sasany ary ny olana hafa manenika ny firenena dia mifototra tamin’ireo anton-javatra sy izay teo amin'ny fitondrana tao anatin’ny 20 taona. Toy izany koa, izay manabe ny tanora ankehitriny dia ho tompon’andraikitra amin’ireo adalana sy fahamarinana hiseho afaka 20 taona. Izay te-hamolavola ny ho avin’ny firenena dia afaka manao izany amin'ny fanomezan-danja ny fanabeazana sy ny fampianarana raisin’ny tanora ao aminy. Ny tena fiaianana dia tsy hisy raha tsy miaraka amin'ny fahalalana. Noho izany,izay manao ambanin-javatra ny fianarana sy ny fampianarana dia azo tsaraina ho toy ny “maty” fa vatana fotsiny, satria noharina mba hianatra sy hamindra amin'ny hafa izay azontsika isika.

Ny fanapahan-kevitra tsara dia miankina amin'ny fahasalaman’ny saina amam-panahintsika. Ny fahaizana (ao anatin’izany ny fahalalana ara-tsiansa) dia manazava sy manabe ny saina; Izany no mahatonga ny saina tsy misy fahalalana tsy ho tonga amin'ny fanapahan-kevitra tsara ary matahotra ny ho diso lalana sy ho very mandrakariva.

Tsy tena olombelona isika raha tsy mianatra sy mampianatra ary maniry ho toy ny hafa. Sarotra ny mihevitra ireo maizin-tsaina sy izay tsy mangetaheta hoe : moa ve ireo manam-pahaizana tsy mety hiova sy hiavao mba ho ohatra ho an’ny hafa mba olombelona marina ihany koa ? Ny zo sy ny fahamendrehana azo avy ami fahalalana dia ambony sy maharitra kokoa noho izay azo avy amin'ny zavatra hafa.

Rehefa hitantsika teo ny maha-zava-dehibe ny fianarana sy ny fampianarana, tsy maintsy faritantsika ihany koa izay anarana sy ny mampianatra/manabe, rahoviana ary ahoana no fanana azy io. Na dia zavatra efa ao anatintsika azan y fahalalana, ny fahazahoana azy dia mikendry indrindra ny fanazavana sy ny fitarihana mankamin’ny fampivelarana ny maha-olombelona. Noho izany, ny fahalalana rehetra tsy mitondra ho amin’izany dia enta-mavesatra ho an’izay mianatra ay, ary tsy hitarika antsika mankamin’ny tanjona amony fa eloka indray .

Ny fahalalana azo amin'ny antony tsara dia loharano tsy manam-pharitan’ny tsodrano ho an’izay nampita azy. Izaymanana io loharano io dia ho tadiavin’ny hafa mandrakariva, toy ny loharano mamy sy mitarika ny olona amin'ny tsara. Ny fahalalan izay mianona fotsiny amina foto-kevitra poakaty sy amina potipoti-javatra fotsiny tsy voalevona izay mampifoha fanendrikendrehana ao an-tsaina sy manamaiziana ny fo, dia toy ny “fandri-betaveta” ka manodina eo amimny ny fanahy diso fanantenana sy mifangaro. Noho izany, ny siansa dia tsy maintsy mitady ny fomba hamantarana ny maha-olombelona ny olombelona sy ny misiterin’ny fahariana. Ny fahalalana rehetra na izay lazaina fa siantifika aza dia tsy marina raha tsy manazava ny zava-miafina maha-olombelona ny olombelona sy ny azin’ny fisiana.

Ny ho avin’ny olona tsirairay dia mifamatotra akaiky dia akaiky amin’izay zavatra azony sy nironany fony fahazazay sy ny fahatanorany. Raha nobeazina tao anatin’ny tontolo izay nifohazan’ny hafanam-pony noho ny fisainana ambony ny zaza sy ny tanora, tsy ho ela izy dia hanana saina matanjaka ary ho porfon’ny fahamarinana sy ny hatsaram-pitondrantena morally. Na dia tsy maintsy beazina amin'ny fomba hentitra sy feno fitandremana toy ny voninkazo aza ny zazavavy mba ho tonga mpanabe malefaka sy mitandrina, dia tsy maintsy atao koa izay hampahatonga azy ho mpiaro tsy milefitra ny fahamarinana. Raha tsy izany, namolavola azy ho osa sy tsy manakery tamin’ny fahalemena sy ny fitandremana isika. Tsy tokony ho adinoina fahalalana liona ihany ny liona vavy.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.