Ny Hevitra Tranainy Maneho Ny Fisian'andriamanitra

  • Mety hiseho na tsia ny zava-drehetra, izany hoe, mitovy ny mety hisiany sy ny tsy hisiany. Na zavatra inona na zavatra inona dia mety hisy amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana& rehetra ary amin'ny endrika rehetra sy amin'ny toetra rehetra. Tsy nisy olona nandray andraikitra tamin'ny famaritana ny fomba, ny fotoana sy ny toerana hitondrana azy amin'ny fisiana, na amin'ny famaritana ny toetrany sy ny maha izy azy. Tsy maintsy nisy hery ivelany izay nanao ny safidy teo amin'ny fisiana sy ny tsy fisian'ny zavatra iray tao ary io no manom azy toetra miavaka. Tsy maintsy tsy manam-petra io hery io, manana sitrapo tsy takatry ny saina ary mahalala ny zava-drehetra. Andriamanitra io hery io.
  • Miova ny zava-drehetra. Feran'ny fotoana sy ao anatin'ny habaka ny rehetra, izany hoe, manam-panombohana sy manam-piafarana. Izay manam-panombohana dia mila zavatra tsy manam-pilana ny mba hampisy azy satria tsy izy no nahatonga ny fisiany. Raha atao amin'ny teny hafa dia mila mpahary tsy manam-piafarana. Satria ny saina dia tsy manaiky ny hevitra sasany, mpahary tsy manam-petra, nahary ny tenany, nisy taminy ihany ary tsy niova sy ilaina. Andriamanitra io Mpahary tany amboalohany io.
  • Sarotra hazavaina ny fiainana (satria ny olon'ny siansa dia tsy afaka manazava azy io amin'ny zavatra hita maso na hahafantatra ny fiandohany) ary zavatra mazava (satria maneho herim-pahaizana). Izany no anambaran'ny fiainana hoe: "Andriamanitra no nahary ahy!"
  • Izay rehetra misy sy izao tontolo izao miaraka dia maneho rindra sy filaminana mahafinaritra eo aminy sy ny fifandraisana. Ny fisian'ny singa iray dia mila ny fisian'ny manontolo, ary ny manontolo dia mila ny fisian'ny singa tsirairay avy ilaina amin'ny fisiany. Ohatra, ny sila miova dia mety hanimba ny vatana manontolo. Toy izany koa, mba hisy ny voa iray dia mila ny fiarahamiasan'ny rivotra, ny rano, ny tany sy ny masoandro sy ny fiaraha-miasan'ny voajanahary sy mirindra. Io rindra sy fiarahamiasa io dia manambara ny fisian'ny mpahary ny filaminana, mahalala ny fifandraisana sy ny toetran'ny zava-drehetra sy afaka mandahatra ny rehetra. Andriamanitra io mpahary ny filaminana io.
  • Ny fahariana rehetra dia maneho fahaiza-manao mahavariana sy lanja tsy takatry ny saina. Hitantsika tsara anefa fa tsy nanahirana sy haingana no nananana azy. Ankoatra izany, voazara ho sokajy maro ny voary, fianakaviana, lahy sy vavy, karazana, ary na dia vondrona kely aza, dia misy maro ny isanisany avy. Nanohy io fahasamihafana sy hamaroana io, aza dia tsy ahita afa tsy filaminana, fahaiza-manao sy hafinaretana ambony ao amin'ny fahariana. Maneho ny fisian'ny zavatra sy iray tompon'ny hery sy ny fahalalana tsy takatry ny saina izany, izay tsy iza fa Andriamanitra.
  • Izay nohariana rehetra dia manana tanjona. Raisintsika ho ohatra ny ekolojia. Ny karazan-javaoary rehetra mety hiseho na tsy misy dikany aza dia mitana anjara asa sy tanjona ao amin'ny fisiana. Ny tohim-pahariana izay hatramin'ny olombelona, izay ary farany dia notarihina mazava hankamin'ny tanjona farany. Ny tanjon'ny hazo misy voany dia ny hamokatra voa, ary ny fiainany manontolo dia mirona amin'io tanjona io. Toy izany koa, mamokatra ny olombelona ho vokany farany sy tonga lafatra indrindra ny "Hazom-pahariana". Tsy misy zavatra tsy misy dikany, ny mifanohitra amin'izany ny zavatra rehetra, ny asa rehetra sy ny fotoana dia manana tanjona maro. Mitaky ny fisian'ny zavatra iray hendri izay manaraka ireo tanjona ao amin'ny fahariana izany. Satria ny olombelona ihany no mahatakatra io tanjona io, ny fahendrena sy ny fiafaran'ny fahariana dia manondro marina an'Andriamanitra.
  • Ny zava-drehetra manana aina sy tsy manana aina dia tsy afaka manome fahafaham-po ny tenany sy ireo filany rehetra manokana. Ohatra ny fiasa sy fihodin'ny tontolo dia mitaky ny fisian'ny lalàna voajanahary toy ny fitomboana sy ny fananahana, ny fifampiankinana sy ny tsy fitiavana. Na izany aza dia tsy azo tsapain-tanana ny fisian'ireo lalàna lazaina ho "voajanahary ireo"; fantatra fotsiny ny fisiany. Ahoana no ahafahan'ny zavatra fanta-pisiana fotsiny, tsy mananan-tsaina amam-pahalalana ho tompon'andrainkitra amin'ny fahariana mahaga ga izay mitaky hery, fahalalana, fahendrena sy safidy ary fitiavana manokana tsy manam-petra? Noho izany, zavatra iray ihany izay mananana ireo andraikitra rehetra ireo no afaka hametra ireo lalàna voajanahary ary nampiasa azy ho toy ny takotra hanarona ny asany ao anatin'ny tanjona voafaritra tsara.

Mila rivotra, rano sy hazavana ahafahany miaina ny zava-maniry. Moa va afaka manome fahafaham-po ny tenany amin'ny filany izy? raha amin'ny filan'ny olombelona indray, tsy nisy fetrany izy ireo soa ihany fa ny filantsika rehetra ilaina, hatrany ampiantombohan'ny fisiana tao ankibon'ny renintsika ka mandrapahatongan'ny fahafatesana dia nataon'ny zavatra iray izay afaka manome ireo fahafaham-po ireo sy manapaka ny amin'izany ho afa-po. Rehefa tonga teto an-tany isika dia nahita fa vonona ho antsika sy eo am-pelantanantsika mba hanome fahafaham-po ireo filantsika manontolo ny zava-drehetra, ny filana ara-tsaina sy ara-panahy. Maneho izany fa nisy zavatra iray be indra fo sy mahalala ny zava-drehetra manomana ny filan'ny boary rehetra tamin'ny fomba mahavariana, ary mitantana ny voary tontolo hiara-miasa amin'io tanjona io.

  • mifanampy ny zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao na toy inona na toy inona elanelana manasaraka azy. Amin'ny ankapoben-javatra io fifanampiana io tahaka ny fanampian'ny rivotra sy ny rano, ny afo sy ny tany, ny masoandro sy ny lanitra antsika amin'ny fomba efa voalahatra mialoha. Ny selantsika sy ny rantsambatana ary ny vatana manontolo dia miara miasa mba hahavelona antsika. Miara-miasa mba hitondra ny tsarany amin'ny zavamaniry ny tany, ny rivotra, ny rano ny hafanana sy ny bakteria. Ny asa rehetra manala sarona ny fahalalana sy ny tanjon'ny fisainana dia maneho ny fisian'ny mpandahatra mahavariana. Andriamanitra izany.
  • Talohan'ny tsy nandotoan'ny olona ny rivotra, ny rano sy ny tany dia nadio sy voadio ara-boajanahary ny tontolo voajanahary rehetra. Na ankehitriny aza dia mbola voatana izany fahadiovana hatrany amboalohany izany any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, indrindra fa any amin'ny toerana tsy hanjakan'ny fiainana moderina. Mbola tsy nanontany tena va ianareo hoe nahoana no madio ny voary? Nahoana no madio ny ala kanefa maro ireo biby maty any isan'andro? Raha ny lalitra rehetra tonga teto antany no mbola velona teto avokoa dia ho feno fatin-dalitra mivangongo ny tany. Tsy misy zavatra simbasimba fotsiny amin'ny voary satria ny fahafatesana tsirairay dia fanombohan'ny fahaterahana vaovao. Ohatra, simba ny faty ary levona any anaty tany. Teraka ao anatin'ny zava-maniry indray ny zavatra maty; maty ao amin'ny vavonin'ny biby sy ny olombelona ny zava-maniry ary manantena fiainam-baobao ambonimbony kokoa. Io tsingerim-pahafatesana sy fahavelomana io dia antony iray mampanjary ny fahadiovana sy ny hatsaran'ny tontolo. Ny bakteria sy ny biby kely, ny rivotra sy ny orana sy ny iksizena ao anatin'ny vatana organika dia samy mandray anjara amin'ny fahdiovan'ny tontolo avokoa. Io fahdiovana io dia manondro ny fisian'ny zavatra iray tena masina izay miandraikitra ny fahdiovana sy ny tsy fiovana.
  • Maro ny olombelona niaina hatramin'ny nahariana an'I Adama sy I Eva. Noho ny fiandohany mitovy –spermatozoida sy aody iray, voaforon'ny sakafo mitovy nohanin'ny ray amandreny- ary na dia mitovyq rafitra na avy amin'ny singa mitovy na organisma aza dia manana endrika miavaka ny olombelona. Tsy voazaan'ny siansa izany. Tsy voazava amin'ny alalan'ny AND na kromozona fotsiny izany satria io fahsamihafana io dia niseho voalohany teto antany. Ankoatra izany, io fahasamihafana io dia tsy amin'ny endrika fotsiny; nomena toetra ny olombelona tsirairay avy, fahaiza-manao, faniriana, hetahetam-po sy zavatra hafa maro azy manokana. Ny vondron'ny karazam-biby dia saika mitovitovy ary tsy mampiseho fahsamihafana amin'ny fitondran-tenany fa ny olombelona tsirairay dia samy hafa karazana izay manana ny toerany manokana ny maha izy azy ireny eo anatrehan'ireo tontolo midadasiky ny olombelona. Mampiseho mazava ny fisian'ny zavatra iray miaraka tamin'ny safidy malalaka sy fahalalana ny rehetra izany: Andriamanitra io zavatra io.
  • Mila taona 15 eo ho eo isika vao afaka mitantara ny fiainantsika sy manavaka ny tsara amin'ny ratsy. Maro anefa ny biby manampahalalana sahady aoriana kelin'ny fahaterahany. Ohatra, raha vao foy ny ganagana dia manomboka mandavaka trano any anaty tany. Ny tantely sy ny akala dia mianatra malaky ny fanorenany trano, asa sarotra tsy vitantsika olombelona, tsy voaverintsika izany. Iza no nampianatra ny zanak'olombelona teraka tany amin'ny ranon'ni Eropa hahita ny lalana mankany amin'ny tranon-drazany any aminy Pasifika? Toy izany koa ny fifindramonin'ireo voromanidina izay mbola mametraka misy tery. Ahoana no hanazavana ny zavatra mahavariana toy izany raha tsy ianarana na amin'ny alalan'ny fitarihan'ny zavatra iray mahalala ny rehetra sy nandahatra ny tontolo sy ireo monina ao aminy tamin'ny fomba ahafahan'ny voary tsirairay mitantana ny fiainany?
  • Noho ny fandrosoan'ny siansa nihoam-pampana dia tsy afaka manazava ny fiainana isika. Fanomezan'ilay velona mandrakizay izay nampisy fanahy ny saika tsirairay ny aina. Zavatra kely monja no fantatsika momba ny fanahy sy ny fifandraisany amin'ny vatana fa tsy midika ho tsy fisian'ny fanahy anefa ny tsy fahalalansika. Nalefa teto antany mba ho tanteraka sy hahazoany endrika mendrika ny fiainana any ankoatra ny fiainana.
  • Ny fisainantsika no ivon'ny fironana hankamin'ny ratsy sy ny tsara. Manam-potoana handrenesana io feon'ny fiheritreretana io ny tsirairay; ary natokana manokana hitodika amin'Andriamanitra ny ankamaroan'ny olona amin'ny lafin-javatra mzava tsara. Io fironana sy finoana an'Andriamanitra io dia miankina amin'ny tsirairay. Na dia lavinay tsotra izao aza ny fisian'Andriamanitra dia mipoitra tsy ampoizina foana io finoana io. Milaza izany ao amin'ny andininy maro ny CORAN:

    "Izy no nampandeha anareo ambonin'ny tany sy ambonin'ny ranomasina rehefa eny ambony sambo ianareo. Notsofin'ny rivotra tsara hitondra azy ireo sambo. Faly izy ireo hatramin'ny fotoana nitsofan'ny rivo-mahery, natopatopan'ny onja etsy sy eroa ary nahatsiaro tena ho difotry ny fahafatesana, nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo, nanao sorona ho azy sady niteny hoe: "Marina, raha avotanao amin'izao izahay dia hoanisan'ireo mahalala anao!" (10:22).

    "Nopotipotehany I Hormisy [sary vongana] lehibe indrindra. Mety hiverina eo aminy izy ireo. Hoy izy iroe: "Iza no nanao toy izao ny Andriamanitray? azo antoka fa anisan'ireo tsy marina izy". Hoy ny sasany: "Naheno zaza lahy niteny ratsy azy izahay: antsoina hoa Abrahama io". Hoy izy ireo: "Ento eo anatrehan'ny olona izy ma ho tsaraina". Ary hoy izy ireo: "Ianao va ry Abrahama no nanao ny Andriamanitray toy izao?" Hoy izy: "Ity no lehibe indrindra amin'izy ireo. Anontanio azy ireo ary raha afaka miteny izy". Falifaly izy ireo ka nifampiteny hoe: "Ianao izany no tena tsy marina indrindra". Niova hevitra izy ireo ka niteny hoe: "Fantatrao tsara fa tsy niteny izy ireo". Hoy izy: "Tompoy any ivelan'Andriamanitra ary izay tsy ilainareo sady tsy manimbanareo ihany koa! tsy mandinika va ianareo?" Hoy izy ireo: "Dory izy ary vonjeo ny Andriamanitrareo raha te-hahazo zavatra aminy ianareo". (21:58-68)

Noho izany, ny saina sy ny feon'ny fiheritreretan'ny olombelona dia maneho hevitra mafy mikasika ny fisian'Andriamanitra tokana.

  • efa ao anatin'ny olombelona ny fitiavana ny tsara, ny hatsarantarehy, ny fahamarinana sy ny soatoavina moraly, ary ara-boajanahay ny fanosehany ny ratsy sy ny haratsiantarehy. Vokany, raha tsy tratran'ny fahalovana amin'ny anton-javatra ivelany isika dia mitady ara-boajanahary ny tsara sy ny soatoavina moraly. Manambara ny fahamarinana sy ny moraly aparitaky ny fivavahana rehetra avy amin'Andriamanitra izany araka izay ambaran'ny tantara, efa nanam-pinoana hatrany ny zanak'olombelona. Tsy misy rafitra hafa mahasolo ny fivavahana zo amin'ny fiainan'ny olombelona; niaraka tamintsika ireo Mpaminany sy olom-pivavahana ary namela marika tsy maty vonoina amintsika. Porofo tsy azo lavina hafa manamafy ny fisian'Andriamanitra tokana koa izany.
  • Manana faminaniana betsaka sy mahatsapa fihetseham-po maro be isika ary hafatra avy amin'ny faritra tsy azo tsapain-tanana izany. Anisan'ireny ny faminaniana ny mandrakizay izay mampahatsiahy antsika ny fiainana azy izay andramantsika homena fahafaham-po amin'ny fomba isankarazany. Na izany aza dia tsy afa po io faniriana io raha tsy amin'ny finoana ny mandrakizay izay nambomba azy sy amin'ny fiderana an'Andriamanitra tokana. Ao amin'io fahafaham-pon'ny faniriana ny mandrakizay io no mifototra ny tena fahasambaran'ny olona marina.
  • Raha mamerina amintsika matetika ny laina mitovy ny mpandainga dia mety hivo azy isika noho ny tsy fisian'ny vaovao azo antoka. Na izany aza anefa, tsy nandainga ny Mpaminany anarivony, ny olo masina anarivony maro sy ny mpino anapitrisany izay nampiasa ny fahamendrehana ho andry ifotoran'ny finoana, nahatsapa ny fisian'Andriamanitra avokoa, koa rariny ve ny handa ny maha vavolombelona azy ireo ka hanaiky ny tantara tsotran'ny mpandainga vitsivitsy?
  • Ny porofon'ny maha avy amin'Andriamanitra ny CORAN ihany koa dia porofon'ny fisian'Andriamanitra[1]. Mampianatra ny fisian'Andriamanitra tokana ny CORAN, tahaka izay ataon'ny Baiboly ao amin'ny testamenta taloha sy vaovao, amin'ny hevitra matotra sy fitandremana fatratra. Ankoatra izany, anarivony ireo Mpaminany nalehfa hitarika ny olona ho amin'ny fahamarinana. Nanana ny lazany avokoa izy ireny tamin'ny fahamendrehany sy tamin'ny fahamarinany maha-te hidera ary samy nanao vaindohan-draharaha ny faminaniana ny fisiana sy ny maha tokana azy.

[1] Sur l'origine Divine du Coran, consulter M. Fethullah Gülen, Questions this Modern Age Puts to Islam, 1, (Londres, Truestar, 1993), p.53-97.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.