Ny Mpaminany Mohammed Ao Amin'ny Baiboly

Saika ireo Mpaminany rehetra teoq aloha dia naminany ny fandefasana ny Mpaminany Mohammed. Noho ny fanovana nihatra tamin'ny Torah dia azontsika herena ao amin'ny salamo sy ny evanjely ny fanamarihana ny fiavian'ny Mpaminany farany. Ohatra, nampanatena ity ny Torah:

«Nilaza tamiko (Moizy) ny Tompo hoe: "Tsara ny milaza izany. Mpaminany toa no hatsangako ho azy ireo avy ao amin'ny rahalahiny, ataoko ao ambavany ny teniko ary hanambara amin'izy ireo izay handidiako azy irehetra izy. Ary raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazain'ny Mpaminany amin'ny anarako dia izaho ihany no hanadina azy ireo» (Deotoronomia 18:17-19).

Ny fehezanteny hoe "Mpaminany toa anao no hatsangako ho azy ireo eo afovoan'ny rahalahiny" dia manazava fa toa Mpaminany taranak'I Ismaela, rahalahin'I Saaka izay razamben'ny vahoakan'I Moizy (Zanak'Israely). Ny Mpaminany tikana izay nipoitra avy amin'io taranaka io sy misy itovizany betsaka amin'I Moizy (toy ny fametrahana lalana vaovao sy famakiana ady tamin'ny fahavalo) dia ny Mpaminany Mohammed. Ny Deteronomia toko faha 34:10 ihany koa dia manambara fa tsy misy Mpaminany mitovy amin'I Moizy niseho tamin'ireo Israelita: "[Raha jerena amin'ny fahamarinany sy ny asany lehibe] Tsy nisy Mpaminany nitsangana toan'I Moizy tany Israely, izay ilay fantatry ny Tompo teo anoloany". Maneho toe-javatra toy izany koa ny CORAN: "andefasanay Mpaminany ianareo mba ho vavolombelona manohitra anareo, tahaka ny nandefasanay Iraka tany amin'ny I Faraona" (73:15)

Ny fehezantenin'ny Baiboly voalaza tery ambony "Ataoko ao ambavany ny teniko ary hanambara amin'izy ireo izay handidiako azy izy" dia midika fa ny Mpaminany voalaza dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary hiteny izay rehetra nambara taminy. Ambaran'Andriamanitra ao amin'ny CORAN izany: "Ary tsy hiteny na inona na inona noho ny fiaretana izy; tsy hilaza afa tsy ny fanambarana voaray" (53:3-4).

Ity andininy manaraka ity "Tao Sinai ny Tompo, nipoitra teo amparavodilanitra akikin'ny Seira ho azy ireo izy, namirapiratra hatrany antendrombohitr'I Parana izy" (Deteronomia 33:2) dia nifanaraka amin'ny faminanian'I Moizy sy Jesoa izay voaray tamin'ny Fanambaran'Andriamanitra tao Seira, faritra iray any Palestina,Andriamanitra ry niseho tamin'ny olombelona farany tamin'ny alalan'ny fanambarany ny Mpaminany Mohammed tao Parana, tangoron-tendrombohitra eo akaikin'ny La Mecque Andriamanitra. Ny Torah dia manambara ny Parana (ao amin'ny jenezy 21:21) ho toy ny tany efitra izay namelan'I Moizy an'I Agara sy Ismaela. Ao no ahitana ny lava-drano Zamzam. Araka ny ambaran'ny CORAN (14:35-37), navelan'I Abrahama tany andohasahan'I La Mecque izy ireo, toerana any antany efitra eo akaikin'ny tangoron-tendrombohitry Parana.

Araka ny teny Arabo navoaka tany Londre ny taona 1944 sy amin'ny teny turque otomana tranainy (Istambul, 1885), dia ahitana izao fomba fiteny manaraka izao ny andininy ao amin'ny Deteronomia:

"Ho avy miaraka amin'ny olo-masina maro izy, hiseho amin'izy ireo eo antanana ankavanany ny afon'ny "charia" Toy izany koa ny filazan'I Roi James: "Ary ho tonga miaraka amin'ny olo-masina analiny maro izy, avy eo ankavanany no hiseho ny lalanan'ny afo ho azy ireo" Manafatra ny mpa nampanantenaina ireo andininy ireo, I Mohammed izay nanana mpanaradia maro izay nitana ny laharana ambony indrindra tamin'ny fahamarinana. Ny afon'ny charia dia sarisarin'ny fananany fahazoan-dalana, ny fandidiana, ny ady amin'ny fahavalo. Ao amin'ny evanjelin'I Matio dia ahitantsika andininy manandanja ilazan'I Jesoa hoe:

«Tsy mbola novakianareo tao amin'ny Soratra va fa: "Ny vato natsipin'ny mpanao trano no atao fehizoro; izany no asan'Andriamanitra: tsara tarehy eo imasontsika" Izaho koa milaza aminareo izany: halana aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ary homena ny vahoaka hafa mamokatra. Ho montsana avokoa izay mianjera eo amin'io vato io ary ho montsamontsany izay hianjerany» (Matio 21:42-44)

Tsy mety ho ny Mpaminany Jesoa io vato fototra olombelona satria ny andininy dia mifototra amin'ny fandresena miezinezin'ny mpanaraka ny "vato fototra" Tsy nisy vahoakaa resy na oviana na oviana tamin'ny fiaretany tamin'ny kristianisma. Tsy niparitaka tao amin'ny fanjakana Romanina ny kristianisma raha tsy taorian'ny fahasimbana nihatra taminy ary nampifanarahana tamin'ny fivavahana Romanina. Ny fifehezan'ny tandrefana izao tontolo izao dia avy tamin'ny fandresen'ny fahalalan'ny eglizy medievala ary nanjary nandray ny endriky ny fanjanahana tsy azo ivalozana.

Ny silamo kosa nanjaka saika teo amin'ny antsasak'izao tontolo izao nandritry ny taonjato maro. Tsy nanary na oviana na oviana ny fahadiovany hatrany amboalohany izy, resy mandrakariva ireo fahavalony ary niaro tena tamim-pahombiazana tamin'ny kristianisma izy. Ankehitriny ny silamo dia mipoitra idnray toy ny fivavahana madio sy tsy niaran'ny fahasimbana, toy ny fomba fiainana aryt oy ny fanantenana ho famonjena ny zanak'olombelona. Ny Mpaminany Jesoa ihany no manao sarisary izany amin'ny filazana fa halana amin'ireo mpianany ny fanjakan'Andriamanitra ary homena ny firenena hamokatra amin'izany.

Fanampiny, ao amin'ny hadita iray tanterina ao amin'ny Sahîh al-Boukhari sy Mouslim, mamariparitra ny tenany ny Mpaminany Mohammed ho toy ny "vato fototra" mamaranana ny fanorenana ny faminaniana.

Milaza ny Mpaminany Mohammed koa ny evanjelin'I Joany, izy no "Fanahy sy Fahamarinana" izay lazain'I Jesoa ao amin'ity andininy manaraka ity:

«Na dia izany aza dia holazaiko aminareo ny marina: tombontsoa ho anareo ho handehanako. Fa raha tsy mandeha aho, tsy ho avy aminareo ny fanahy masina; raha mifanohitra amin'izany, handeha aho, halefako aminareo izany. Ary izy amin'ny fahatongavany dia hampifangaro izao tontolo izao ho ao amin'ny fahotana, fahamarinana hampifangaro izao tontolo izao ho ao amin'ny fahotana, fahamarinana sy fitsarana» (Joany 16:7-8).

Mampahatonga ny Mpaminany Mohammed ao antsaina amin'ny maha Fanahy Masina azy ireo andininy ireo. Io teny hoe "Paralet": (Fanahy Masina io) dia avy amin'ny teny grika hoe "Pariktytis" izay midika hoe: ilay deraina indrindra". Ny mitovy dika aminy amin'ny armenianina dia "Mawhamana" izay midika hoe Ahmed. Ny Ahmed sy Mohammed dia midika hoe: "ilay deraina" dia samy avy amin'ny fakanteny hoe "hamida" (midera). Ny teny ho Ahmed koa dia midika hoe "ilay midera". Zavadehibe no nahitana an'I Said Nursi nitatitra fa ny Mpaminany Mohammed dia voalaza ao amin'ny Torah koa amin'ny anarana hoe Munhamana, izay midika hoe Mohammed, ilay deraina. Manambaa ihany koa ny CORAN fa I Jesoa dia nilaza ny Mpaminany Mohammed tamin'ny anarana hoe Ahmed (mitovy dika amin'ny Mohammed) rehefa naminany ny fiaviany.

Ankoatra izany, I Jesoa dia nanambara sy naminany ny fiavian'ny fanahy masina amin'ny anarana maro samy hafa kanefa manana asa mitovy hatrany aaka ny asehon'ity andininy manaraka ity:

«Rehefa tonga nyf anahy masina –ilay fanahin'ny fahamarinana- izay alefan'ny Ray dia hanamafy ny amiko» (Joany 15:26).

«Mbola manan-javatra hambara aminareo aho fa tsya faka mitondra izany ianareo ankehitriny; rehefa tonga ny Fanahin'ny Famanarimanana dia hanome anareo ny marina rehetra. Satria tsy hiteny amin'ny aanran'ny tenany izy fa hilaza izay reny ary hanambara aminareo izay tsy maintsy ho avy. Hanome voninahitra ahy izy satria nandray izay avy amiko ary hampitainy aminareo izany» (Joany 16:12-14).

Ohatra vitsivitsy mikasika an'I Mohammed ao amin'ny Baiboly fotsiny ireo. I Houssain Jisri (efa maty) dia nahita sarisary 114 mitovy amin'ireo avy ambarany ao amin'ny asany "ar-Risâla al- Hamîdiyya" izany.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.