Fitantarana Ny Hadita

Ny mpanaradia sy ny taranaka nanaraka azy taty aoriana dia nitandrina fatratra tamin'ny fitantarana sy ny famindrana, fampitana ny hadita.37 Nampiseho fitandremana sy fahamalinana fatratra izy tamin'ny fanasarahana ny hadita tena marina sy ny hadita mamboarina (mba hanomezana fahafaham-po ny filana manokana na fisitahana). Rehefa avy notehiriziny tsy hisy fiovana izy ireo dia nampitainy ny hadita tena azo antoka ho amin'ny taranaka manaraka.

Fananaran'ny Mpaminany sy ny fifatoran'ny Mpanaradia amin'ny Sona

Miavaka amin'ny tsy finoana noho izy mifototra mafy afy amin'ny fahamarinana ny finoana silamo. Tsy mba mandainga nys il tena marina. Ny mpanaradia sy ny mpandimby azy ireo dia nanaporofo ny fifatorany amin'ny finoana silamo tamin'ny alalan'ny fanolorany ny tenany manokana. Natahotra an'Andriamanitra koa izy ireo. Niaina tamim-pahatsorana sy tsy nanana haingitraingitra teo amin'ny fiainana izy ireo.

Maro ireo manam-pahaizana nihorehana sy olo-masina niseho teo amin'izy ireo ary noraisina ho ohatra hatrany ny zavatra nataony.

Teo ankilan'io fifatoran'ny silamo amin'ny fahamarinana io dia nitenyny olona mafy tsy handainga amin'izay ataony koa ny Irak'Andriamanitra:

«Ireo izay mandainga noho ny amiko dia manomana ny toeram-ponenany any amin'ny helo»38 ary: "Na iza na iza milaza diso mikasika ny amiko dia mpandainga".39 Manoloana izany fampitandreman'ny Mpaminany izany, moa ve ireo mpanradia izay nanohana ny fiainany nohilazana lainga mikasika ny Mpaminany?

Amin'ny fifatorana amin'io fiheverana io no nifatoran'ny mpanaradia tamin'ny fitandremana fatratra mba tsy hanao fahadisoana na zavatra tsy ampoizina rehefa mitatitra ny hadita. Ohatra, hoy i Ali, ilay zana-drahalahin'ny Mpaminany sady kalifa faha 4 nandimby azy:

«Matahotra ny mitatitra ny haditan'ny Irak'Andriamanitra aho ka aleoko tsy mahazo ny lanitra toy izay hilaza zavatra tsy marina mikasika azy».40

I Abd Allah ibn Mas‛nd, anisan'ireo silamo 4 na 5 voalohany ary mpanradia nahay sy akaiky azy indrindra dia nitandrina dia nitandrina ihany koa. Rehefa angatahina hitatitra haditan'ny Irak'Andriamanitra iray izy dia manomboka toy izao: «Hoy ny Irak'Andriamanitra». mijanona ary manondrika ny lohany, miaina tsara ary mamaha ny bokotra amin'ny vozon'akanjony mandritry ny fahafenoan'ny ranomaso eo amin'ny masony. Aorian'ny fitantarana dia manampy toy izao izy: «Nilaza izany ny Irak'Andriamanitra na zavatra mitovitovy tamin'izany na zavatra mifanakaiky tamin'izany».41

Zubaya ibn Awwam, ilay iray tamin'ireo mpanaradia folo nandray ny vaovao tsara taminy fa anisan'ireo olon'ny paradisa dia tsy mitatitra afa tsy hadita vitsivitsy mikasika ny Irak'Andriamanitra noho ny tahotra ny tianao fahafisoana. Rehefa nanontany azy ny zanany hoe fa inona no antony dia namaly izy hoe: « Matahotra mafy ny hilaza zavatra mifanohitra amin'izay tena nolazain'ny Irak'Andriamanitra aho. Hoy mantsy izy: « Izay mandainga mikasika ny amiko dia manomana ny fiketrahany any amin'ny helo ».42 I Anas ibn Malik izay nanampy ny Mpaminany nandritry ny 10 taona dia niteny hoe: "Raha tsy natahotra ny hanao fahadisoana aho dia nitatitra hadita maro mikasika ny irak'Andriamanitra».43

Nifanena tamin'ny mpanradia 500 i Abd ar-Rahman ibn Abi Layla. Rehefa namangy toerana iray izy dia hoy izy ireo: "Avy any an-tanàntsika ilay lehilahy nifanena tamin'ny mpanaradia 500". Nisy akony lehibe teo amin'I Abou Hanifa sy Abou Yusuf izy. Hoy izy:

«Manaradia 120 ihany no fantatro. Matetika izy ireo no hita miaraka ao amin'ny trano fiangonana iray. Rehefa anontaniana zavatra izy ireo, minadry ny tsirairay fa hamaly ny sasany. Rehefa angatahana hampita hadita izy ireo, tsy misy sahy manao izany.

Farany, nametraka ny fitokisany tamin'Andriamanitra ny iray tamin'izy ireo ary niteny. Nampiany toy izao hatrany. «Niteny izany ny irak'Andriamanitra na zavatra nitovitovy tamin'izany, zavatra manakaikikaiky izany»44

Anisan'ny iray voalohany tmain'ireo olona nanaraka ny finoana silamo I Zayd ibn Arqam. Tany ampanomboan'ny silamo dia nihaona mangina tamin'ny silamo tao aminy ny irak'Andriamanitra. Notondroina ho lehiben'ny tahirin-karenam-bahoaka I Zayd tamin'ny andro naha kalifa an'I Omar sy Othman. Rehefa nahita an'I Othman nanome zavatra ny akaiky azy izy (azy manokana ary napetrany tao amin'ny tahiry) dia hoy izy taminy: "Ry mpitarika ny mpino! mety hiahiahy antsika ny olona ary tsy hahatoky ahy intsony. Mangataka aminao aho hiala". Rehefa nangataka azy hitatitra hadita I Abd ar-Rahman ibn Abi Layla dia hoy nynavalin'I Zayd: «anaka, antitra aho ary reraka ny fitadidiako. Tsy zavatra mora ny mitatitra ny tenin'ny Mpaminany».45

Fitantarana literaly

Na dia tsara sy ironan'ny safidy mandrakariva aza ny fitantarana literaly dia azo atao koa ny fitanisana ara-kevitra raha mahafehy tsara ny teny arabo ilay mpitantara, raha mifanaraka amin'ny faritoe-javatra nitranga, ary raha adino ny tena niandohany. Na dia izany aza dia nitatitra literaly ny hadita ihany ireo mpanaradia na nisy aza io fanomezan-dàlana io. Ohatra, indray andro nitatitra toy izao I Ubayad ibn Umayr: "Ny mpihatsaravelatsihy dia toy ny ondry very ao anelanelan'ny toeram-piandrasana roa". Nanakana I Abd Allah ibn Umara: "Tsy izany no nolazainy. Henoko tsara izay nolazainy: "ny mpihatsaravelatsihy dia toy ny ondry very eo anelanelan'ny andrian'ondry roa".46 Iray ihany ny heviny, ny fisafidianana ny teny nampiasaina fotsiny no maha samy hafa azy.

Noraisin'ny manampahaizana taranaka mifandimby amin'ireo mpanaradia: ny "Tabi‛mu" (ireo mpanaradia). Ohatra, nitatitra hadita eo imason'I Sufya ibn Uyayna ny olona iray: "Nandrara ny hamelana ny zava-pisotro (voaloboka, data, …). Niova endrika ao anaty lovia temerina afo ny Mpaminany". Nanapaka I Sufyan: « Henoko i Zuhri nitatitra hoe: « Nandrara ny fametrahana ny zava-pisoro ho simba ao anaty aolina odidinina saribao mirehitra ny Irak'Andriamanitra ».47 Tsy misy fahasamy hafany amin'ny hevitra izany fa ny fitanisana ny matoateny arabo no nampihavaka azy. Mitatitra toy izao I Barra ibn Azib:

"Nanoro lavitra ahy ny irak'Andriamanitra: "Manaova fidiovana toy ny atao rehefa mivavaka alohan'ny hatory. Ary matoria amin'ny ilay havanana aminao ary mivavaha: "Andriamanitra ô, amin'ny fivavako sy fahatahorana anao dia manaiky anao aho ary apetrako aminao ny zavatra ataoko rehetra. Mialoka aminao aho noho ny fahatahorana anao sy ny fikatsahana anao. Tsy misy fialofana afa tsy aminao ihany. Mino ny bokinao aho fa nampidininao izy, ary mino ny irakao aho fa nirahinao izy". Nahitsiny tamin'io fehezanteny farany io aho ka hoy izy: ary amin'ny Mpaminany izay nalefanao".48

Manofy ny olona rehefa matory. Mametraka ny 1/46n'ny faminaniana ny nofy marina satria nanana nofy marina ny Mpaminany nandritry ny enimbolana voalohan'ny faminaniana izay naharitra 23 taona. Satria mifamatotra amin'ny faminaniana izy ireo fa tsy amin'ny hatsaran'ny irak'Andriamanitra49 dia nahitsin'ny irak'Andriamanitra I Bara. Io fitandremana fatratra nasehon'ny mpanaradia izay nanadihady ny hadita mikasika ny fahatsapany ny irak'Andriamanitra no niadiany hevitra. Hoy ny irak'Andriamanitra tamin'izy ireo: "Tadidio ary halalino ny hadita satria mifamatotra izy ireo. Noho izany mifanatona ianareo ary miadia hevitra".50

Fanamarinana

Nihezaka nanamarina ny hevitry ny hadita tsirairay ny mpanaradia rehetra. Tsy hisy na dia iray aza nandainga satria lehibe ny fahatahorany sazin'Andriamanitra. Na dia izany aza dia mety tsy hahazo loatra izay tena hevitry ny hadita ny mpitatitra azy, manadino toe-javatra tena manandanja nandritry ny nandraisany azy tamin'ny Mpaminany, na koa tsy nadika na nalalininy tsara. Tsy miheritreritra ny hifanohitra amin'ny irak'Andriamanitra izy ireo ka nanao ezaka mafy mba hahazo izay tanjony marina ka niady hevitra tamin'izay azony taminy.

Indray maka nisy vehivary iray nangataka tamin'I Abou Bakr raha afaka mandova ny zafikeliny izy. Hoy ny navalin'I Abou Bakr: "Tsy mahita na inona na inona ao amin'ny CORAN mamela iznay aho, ary mbola tsy naheno ny irak'Andriamanitra niresaka nikasika izany koa".

Nitsangana I Mughira ibn Shu‛Andriamanitra ary niteny hoe: "Namela ny renibeny handray ny 1/6niny ny irak'Andriamanitra". Nangataka an'I Muaghora I Abou Bakr raha afaka mitondra vavolombelona mba hanamarina izany izy. Rehefa nanamarina izany I Muhammad ibn Maslama dia nanome ny 1/6nin'ny fananan'ny zafikeliny ho andramatoa io I Abou Bakr.51

Rehefa nanambara ny irak'Andriamanitra hoe: "Izay antsoina hahatsiaro ny asany amin'ny andron'ny fitsarana dia ho melohina". Nangataka I Aïcha hoe: "Inona no fanambaran'Andriamanitra mikasika izany ao amin'ny CORAN: "Hiatrika fitsarana tsotra izy" (84:8) hoy ny navalin'ny irak'Andriamanitra: "Izy io dia fisehoana. Hitantara ny asany tsirairay avy amin'Andriamanitra ny tsirairay. Raha nanao ny ratsy izy ireo dia hampatsiahivin'Andriamanitra ny asany. Ho foana sy ho ringana ny olona toy izany".52

Araka ny hita ao amin'ny Bukhari dia mitantara toy izao I Omar soratana al-Furqan tsy mitovy tamin'ny fomba nampianaran'ny irak'Andriamanitra azy tamiko aho. Niandry am-paharetana hatramin'ny famaranany ny fivavahany aho avy eo nangataka taminy hoe: "Iza no nampianatra ano ny fomba fitantarana toy izany?" Rehefa niteny izy azony tamin'ny Mpaminany izany dia nentiko niaraka tamiko tany amin'ny irak'Andriamanitra ny Soratra ny irak'Andriamanitra, araka izay nataony. Nanaiky ny irak'Andriamanitra sady niteny hoe: "Toy izany ny fomba nambarany tamiko". Avy eo nangaaka ahy hitanisa izy, araka izay nataoko. Mbola nanaiky ihany koa izy: "Izany koa no nambara". Ary nanampy izy hoe:

"Nambara tamin'ny fomba fito samy hafa ny CORAN. Tanisao amin'izay fomba mora aminareo izy".53

Tena nankasitraka tanteraka ny Sona ny mpanaradia ka nandeha tamin'ny toeran-davitra izy ireo mba hianatra hadita iray monja. Ohatra, nandeha avy any Medina hatrany Egypta I Abou Ayyub al-Ansari mba hanamarina ny fahamarinan'ny famoronana hadita iray. Tamin'ireo izay voarainy tamin'ny irak'Andriamanitra, dia I Uqbba ihany no nanana eritreritra sy nonina tany Egipta. Tonga tao andrenivohitra I Abou Ayyub ary niantso an'I Maslama ibn Mukhallad governorany; mba hitady mpitaridalana hitondra azy any amin'I Uqba. Rehefa hitany tany andalana io mpanaradia io dia nangatahany hanamarina ity hadita ity: "Na iza na iza manafina ny fahadisoan'ny mpino eto an-tany eto dia hafenin'Andriamanitra ny fahadisoany amin'ny andron'ny fitsanganan-kovelona".54 Nanamafy taminy I Uqba fa tsara ny fitadidiany, nangataka fialan-tsasatra kely I Abou Ayyub sady niteny hoe: "Tsy tonga afa tsy ny hanamarina io hadita io aty amin'ny fanontaniana anao aho. Tsy te-ho diso hevitrra amin'ny fijanonana amin'ny antony hafa aho".55

Lazaina amin'ny antsipirihany ao amin'ny Bukhari fa iray volana teny an-dalana I Jabir ibn Abd Allah mba handray mivantana ny hadita tamin'izay mitatitra azy. Rehefa nahita an'I Abd Allah izy dia niteny hoe: "Nampahafantarina ahy fa ianao no nitatitra ny hadita tsy mbola henoko tamin'ny irak'Andriamanitra. Matahotra aho fa sao maty ny iray amintsika alohan'ny hianarako azy ka izany no nanatonako anao". Nianaran'I Jabir tsianjery ilay hadita ka niverina tany Medina izy.56

Dia toy izany no nitohy nandritry ny taonjato maro. Nahavita halavirana lavitra dia lavitra ry Sa‛id ibn al-Musayyib, Masniq in Arda sy ny hafa koa mba hianatra hadita iray fotsiny na hanamarina teny iray ao amin'ny hadita fotsiny. Milaza I Lathir ibn Qays fa ireo liam-pahalalana dia mandeha avy eo Medina mankany Damasy mba hianatra hadita iray amin'I Abou ad-Darda.57

Nampiseho fitandremana toy ny mpanaradia ny Tabi‛un rehefa mitatitra hadita. Araka izay voalazan'i Andriamanitra‛mash dia aleony mianjera amin'ny lohany ny lavitra noho ny hanampy na dia zanatsoratra iray amin'ny hadita aza.58

Resy lahatra tamin'ny fahamarinan'ny mpanaradia tanteraka ny « Ahl al-Sona wa al-Jama‛Andriamanitra ».59 Na izany aza taorian'ny fifandonana anatiny niteraka ny fizaran'ny silamo dia nandinika ampahamalinana ny hadita reny sy naka ny fahamarinany tamin'ireo izay nitatitra azy izy. Hoy i Muhammad ibn Sirin: « Tsy nanontany na inona na inona mikasika izay mpitatitra isika tany aloha. Taorian'ny fishoan'ny fifanolanana anatiny anefa dia nanao ny fanamarinana azy isika ».60

Ny olona manana fahitsiana amin-kahiahy ary tsy misy fototra iorenany ny finoany dia mamorona hadita mba hivoizany ny heviny miataka. Namorona hadita manome rariny an'I Othman ny Nasika (ny Omeyyade sy ireo mpanaradia azy izay nanohitra an'I Ali) sy Mu'auriya, nanohitra an'I Ali sy ny Rafidita (extremista chiites) nanamboatra hadita hanoherana an'I Othman sy Mu‛awiya mpakasitraka an'I Ali. Nanosika ny manam-pahaizana madio saina hikatsaka ny fahamarinana izany tamin'ny fianarana antsipirihany sy ampahamalinana ny hadita tsirairay notaterina izany sy ny toetran'ny mpitatitra azy. Hoy I Abou Al-Alya:

"Tsy afa-po amin'izay taterin'ny mpanaradia iray amintsika isika. Handeha isika mba handray azy mivantana any amin'izay mpanaradia nitatitra azy ary mba hitadiavantsika izany ao amin'ny mpanaradia hafa izay mahafantatra azy".62

Nitatitra amin'I Amir ibn Sharahil ash-Sha‛bi, iray amin'ireo manam-pahaizana Tabi‛un I Ibn Abd al-Barr, ilay manam-pahaizana silamo any Espaina (andalozia): nitatitra hadita iray tamin'I Sha‛bi I Rabi ibn Husayn:

"Izay mitantara impolo hoe: "Tsy misy Andriamanitra hafa afa tsy Andriamanitra irery ihany, ilay tokana, ary tsy manana zavatra mitambatra aminy. Azy ny fanjakana ary azy ny fiderana rehetra. Izy no manome ny aina sy mahatonga ny fahafatesana. Mahery amin'ny zavatra rehetra izy, afaka mahazo valisoa toy izay azon'ny manafaka andevo".

Nangataka tamin'I Rabi izay nitatitra izany hadita izany taminy I Sah‛bi. Nilaza izy fa I Abd ar-Rahman ibn Ab I Layla no nanao izany. Lasa nikaroka an'I Ibn Abi Layla I Sah‛bi, nonina tany amin'ny tanan-dehibe hafa izy io. Nanamafy nymaha marina ilay hadita I Ibn Abd Layla ary nanampy izy fa henony tamin'I Abou Ayyub al-Ansari izany.63

Manam-pahaizana lehibe toandr'I Ibn Shihab az-Zuhri, Ibn Sirin, Sufyana ath-Thawoi, Amir ibn Shurahbit ash-Sha‛bi, Ibrahim ibn Yazid an-Nahka‛I sy Shu‛ba, Abou Hilal, Qatada ibn Di‛ma Hisham al-Dastawa‛ar ibn Qudam no nanao izay azony natao mba hamaritana izay tena marina amin'ireo hadita sy izay noforomporonina fotsiny. Rehefa tsy azony antoka ny maha marina ny hadita iray dia mifampanontany izy ireo. Ohatra nangataka tamin'I Hisham ad-Dastawa‛I amin'izay fomba fandrafetana ny hadita marina I Abou Hital sy Sa‛id ibn Abi Sadaqa mba hahazo antoka tsara. Manontany an'I Miter‛az amin'izay toe-javatra tsy ananany fahalalan I Shu‛ba sy Sufyan ath-Thawri.64 Izy ireo no manam-pahaizana lehibe tsy namela ny fiparitahan'ny hadita notefitefena fotsiny. Hatraiza hatraiza, isaky ny maheno hadita avy amin'ny olona iray fantatra fa nisitaka izy ireo, ireo manam-pahaizana manokana mikasika ny hadita, dia manontany hoe iza no nitatitra io hadita io.

Ireo manam-pahaizana ireo, tia sy mikaroka ny marina dia tsy nijoro hitsikera ny fahalemen'ny fianakaviany na ireo akaiky azy. Ohatra, nananatra ny tradisionista tsy hanaiky ny haditan'ny rahalahiny I Zayd ibn Unaysa, mety ho noho ny faharerahan'ny fitadidiany, tsy fananany fandinihana tsara na noho ny fisitahany.65 Rehefa nahaina ny hevitry ny rainy, Ali ibn al-Madini dia nanoratra tamin'ny mpanaradia ity voalohany, namaly hoe: "Anontanio amin'izay hafa miheritreritra azy". Rehefa nisisika ihany izy ireo dia hoy ny fanazavany: "Ny hadita dia midka hoe fivavahana. Osa amin'io toe-javatra io ny raiko".66

Hoy I Waki ibn Jarrah izay nobeazina tao amin'ny sekolin'I Abou Hanifa ary natao mpampianatra an'I Imam Shafi‛I: "Tsy mba tadidiko izay nanadinoko zavatra iray henoko indray mandeha monja ary tsy tadidiko koa ny namerenako fanindroany zavatra iray tsy henoko afa tsy indray mandeha". Noho ny tsy fananany fitadidiana intsony dia nitaraina I Imam Shafi‛I indray andro. Namaly I Waki hoe:"Ialao ny fahotana, fahazaan'Andriamanitra ny fahalalan ary tsy azo omena hoan'ny mpanota noho izany". Rehefa nitatitra hadita iray I Jarrah rainy dia teo akaikiny foana I Waki‛. Rehefa nanontaniana izay antony izy dia namaly hoe: "Miasa ao amin'ny smapandraharahan'ny vola ny raiko. Matahotra aho sao tsy halefaka amin'ny governemanta ny haditany. Miaraka aminy aho mba hanakana izay mety ho tsy fahafenoana".67

Nandritry ny fandraketana antsoratra ny hadita dia notadidian'ireo tradisista lehibe sasantsasany teo amin'ny tantaran'ny silamo koa izy ireny. Ohatra, I Ahmad ibn Hanbala dia nitadidy hadita iray tapitrisa eo ho eo, ao anatin'ireo ny hadita tena tsy nisy fanovana, tsara, tsy dia manao aho loatra sy namboarina (mitovitovy ny sasany fa saingy avy amina loharano samy hafa). ny "Musnad" izay nataony dia ahitana hadita 40000 fotsiny izay notsongaina tao anatin'ny hadita 300000.

I Yahya ibn Ma‛in dia sady nitadidy hadita tena marina no namorona ihany koa. Reehfa nanontany azy I Ibn Hanbal hoe inona no antony anaovany izany dia hoy ny navaliny: "Lazaiko amin'ny olona ny hadita namboarina mba ahafahan'izy ireo misfidy ny hadita tsy novana hatrany amboalohany".68 Maro ireo manam-pahaizana nanao io asa io sy nianatra tsianjery hadita anjatony. Anisan'ny nalaza indrindra tamin'izy ireo ny Zuhri, Yahya ibn Sa‛id al-Qattan, Bukhari, Muslin, Daraqutui, Hakim, Dhahabi, Ibn Hajar al-Asqalaiu sy Imam Suyuti.

Azo navahana tamin'ireo hadita notefitefena ny hadita tena izy noho ny ezaka lehibe nataon'ireo manam-pahaizana ireo. Ankoatry ny fanangonana hadita tena izy sy nitadiavana azy dia maro koa ireo tradisionista nanoratra mikasika ny toetran'ireo mpitaittra azy mba ahafahany olona manavaka izay tena azo antoka amuin'izy ireny, izay tena natao tamim'pitandremana, lalina sy tamim-pahaahorana an'Andriamanitra.

Rehefa niteny ny olona hoe raha ambara ny fahadisoan'izy ireny dia mety hiteraka henatra eo aminy dia namaly izy ireo hoe: "Ny hadita dia mitovy hevitra amin'ny finoana. Noho izany, aleo mifototra bebe kokoa amin'io toy izay manafina ny fahadisoan'ny mpitatitra azy".69Yahya ibn Sa‛id al-Qattan izay nalaza tman fahatahorany ny fahotana teo amin'ny fiainany dia nilaza hoe: "Amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, aleoko manam-pahavalo azy ireo toy izay manam-pahavalo ny irak'Andriamanitra".70

Miantoka ny tena mahamarina azy

Nisy fomba maro no ahafahana mahafantatra na notefitefena na tsia ny hadita iray. Ny itay amin'ireo dia ny fankaherezana ny mpitatitra azy hanamarina azy. Tsy vitsy ireo nisitaka no oatarika tamin'ny fahamarinana manamarina ireo hadita nataony avy eo.

Ankoatra izany dia mora tohina amin'ny lainga tokoa ireo tradisionista. Raha voamarina fa nandainga na dia indray mandeha fotsiny aza ny mpitatitra iray dia tsy ekena avokoa ny hadita rehetra avy aminy. Tsy maintsy marina tanteraka ny mpitatitra hadita, manana fitadidiana tonga lafatra, mitandrina dia mitandrina amin'ny zavatra ataony sy amin'ny finoana silamo, tsy tafiditra amin'ny fisitahana. Ankoatra izany koa, rehefa manomboka tsy dia tsara loatra ny fitadidian'ny mpitatitra azo antoka iray na ahitana fahasarotana ara-tsaina toy izany dia tsy ekena ny haditany. Ohatra, rehefa fantatra tamin'ny fiainany tao anatin'ny fiainana, tsotra sy ny fitiavany ana I Ibn Abi Lahi‛Andriamanitra, nanary ny boky nitanterany ireo hadita izy dia nanapa-kevitra I Imam Bokhari ny hametra ireo hadita marina na tohanan'ny mpitatitra hafa azo antoka.

Lazaina fa ny fomba fanoratry ny olona dia mitovy amin'io olona io. Noho iznay raha mpamaky mahatsikaritra tsara ianao dia afaka mamantatra mpanoratra amin'ny alalan'ny fomba fanoratany sy hanavaka azy amin'ny hafa. Ireo hadita azony avahana tsara no tena nojeren'ireo tradisionista, izay azony avahana tsara amin'ny tenin'ny Mpaminany na manan-talenta toy inona aza izy ireo.

Ny fomba hafa koa dia ny fitsarana ny hadita amin'ny CORAN sy ny "hadita mutawatir". Raha misy mpanaradia 2 na telo mitatitra haditan'ny Mpaminany ka nampitain'ireo mpitatitra azo antoka tamin'ny fomba isan-karazany io dia antsoina hoe "mutawatir". Ny hadita no taterin'ny Mpaminany sy ny mpanaradia iray dia "ahadi" amin'izy ireo. Maro ny hadita heverina fa marina rehefa nampifanandrifiana tamin'ny CORAN sy ny hadita "matawatir".

Na dia tsy fomba fiasa nifototra amin'ny zava-misy aza izany dia nisy kosa ireo masina nanam-pahaizana hahita ny Mpaminany fahavelony, nandray ny hadita mivantana taminy ary samy togna saina tsara izy ireo tamin'izany. Ny hadita "quds": "Tahiry miafina aho. Nahary ny olombelona aho mba hahalalany ahy", dia anisan'ny tafiditra ao anatin'io vondrona io.71 matetika I Jahal al-Din no nahita ny irak'Andriamanitra tonga saina tsara (tsy nanofy). Alohan'ny hanoratany hadita iray izay heveriny fa marina I Imam Bukhari dia nanao ny fidiovana aloha, manontany ny irak'Andriamanitra, ary tsy manoratra ziany ao amin'ny bokiny raha tsy mahazo ny fankatoavan'ny Mpaminany.72 Nisy ireo tradisionista sasantsasany mpanaradia amin'izao vanim-potoana izao izay mitatitra ny haditan'ny Mpaminany.

Nanoratra boky maro mikasika ny mpitatitra ny tradisionista ary asehony amin'ny antsipirihany ao ny tantaram-piainan'izy ireny: oviana izy no teraka, taiza no nifindrany monina na taiza no niainany, iza no mpampianatra nandraisany ny hadita sy ireo izay nitanterany hadita ary oviana izy no maty ary taiza.

Ny boky voalohany toy io dia ny an'I Ali Ibn al-Madini, "Kitab ma‛rifat as-Sahaba" (Ny boky famantarana ny mpanaradia), ny an'I Ibn Abd al-barr (Ny boky manontolo, feno mikasika ny fahalalan ireo mpanaradia), hita ihany koa ity: ""Al-Isti‛ab fiarahamonina ma‛rifat al-Ashab" (Ny boky feno mikasika ny fahalalana ireo mpanaradia), ny an'I Ibn Hajar al-‛Asqalami; "Usd al-Ghaa" (Ny lion'ny ala); "At-Tabaqat al-Kubra'" (Rakibolana feno mikasika ny tantaram-piainan'ireo mpanaradia lehibe sy manam-pahaizana Tabi‛un) an'I Ibn Sa‛d; sy "Tarikh Ibn Asakir" (Ny tantara entin'I Ibn Asakir), "Tarikh al-Bukhari" (Ny tantara entin'I Bukhari) sy "At-Tarikh al-Kabir (Ny tantara lehibe) an'I Yahya ibn Ma‛in.

Nanagona hadita tena marina ao anaty boky lehibe dia lehibe ny tradisionista goavana toandr'I Bukhari, Musbim, Tirmidhi, Abou Dawud, Nasa'I, Ibn Maja sy Ahmad Hanbal. Ny hafa toandr'I Mqdisi dia nanangona hadita namboarina. Ny hafa taty aoriana dia nanamarina ny fahamarinan'ny hadita voahangona ho tena izy tokoa.

Ohara, mihevitra I Ibn al-Jawzi (maty ny taona 654 taorian'ny Hezira) fa maro amin'ny hadita hita ao amin'ny "Ny Musad" nosoratan'I Ibn Hambal no namboarina na vokatry ny fampitana tsy dia manao ahoana loatra (ary marina fa amin'ireo tao amin'ny sekolin-dalànan'I Ibn Hanbal izany). Taty aoriana kely dia nanao fandinihana lalina ireo hadita ireo I Ibn Hajar l-Asqalami afa tsy ny 13 tamin'izy iroe ka nahita ny fahamarinany. Nandinika azy indray avy eo I Jalal ad-Din as-Suyvty (m 911/1505) ary hahita fa tsy misy na iray tmain'izy ireo aza namboamboarina na dia teo aza ny sasantsasany avy amin'ny fampitana tsy dia nanao ahoana loatra. Naveriny nodinihana ihany koa ny "Al-Mawdhu‛at al-Kubra‛" (Angon'adita lehibe namboamboarina) nangonin'I Ibn al-Jawzi ary navahany tao ny hadita tena marina. Nihevitra izy fa ny sasany dia tsy namboarina akory aza, nanoratra ny "Al-Laa'li al-Masm‛Andriamanitra" izy (Ny vakana namboarina).

Ny tradisionista sasany nanangona tantara fohy fanampiny. Ny tradisionista malaza toandr'I Bukhari sy Muslim -manam-pahaizana nihorehana- dia tsy nampiditra hadita tao amin'ny zavatra nangoniny. Ny "Al-Mustadrak‛ ala as-Sahihayn" (Fanampin'ireo Angon'hadita roa lehibe tena marina) nataon'I Hakim dia toerana lehibe ao amin'ny asan'I Bukhari sy Muslim. Novakian'I Hafiz Dhahabi izay nalaza tamin'ny fitadidiany tsara izy io.

Taonjato maro taty afara dia maro ireo boky nosoratana mikasika ireo teny malaza, na ohabolana toy ny hadita. Nodinihin'I Al-Maqasid al-Hasana tany Sakhawi sy Kashy al-Khafa' tany Ajhui tsirairay izy ireny ary hitany izay hadita tena izy sy izay mifanohitra amin'izany. Ohatra, maro ireo hadita avy ao amin'ny CORAN mandrisika ny olona hianatra, ao koa ireo teny malaza toy ny hoe: "Mikatsaka fahalalana hatreo amin'ny fahaterahana ka mandrapahafaty" sy "Mikatsaka fahalalana na dia tsy maintsy any Sina aza iznay", namarinin'ny tradisionalista ireny ka tsapany fa tsy tena hadita marina.

Vokatry ny fanadihadiana lalin, nandinihana ampitandremana sy fanamarinana tonga lafatra no ahafahantsika manamafy fa tsy ahitana hadita namboarina intsony ao amin'ny angon'hadita tena izy. Ireo izay mbola nametraka ahiahy amin'ny hadita sy ny Sona dia tsy nanao afa tsy ny fitsikerana avy amin'ireo fivavahana hafa, politika sy ideolojika ary mametraka fahitana misy tangona manokana mba ahafahana mampihen-danja io loharano sarobidin'ny finoana silamo io sy ny zava-pnaony amin'ny fiainany andavanandro.

Ohatra vitsivitsy

  • Nety ho mpitsara lehibe silamo I Aou Hanifa ary mbola nitohy ny famirapiratany ho toy ny masoandro eny andanitry ny làlana silamo. Na iznay aza dia tsy hadita ny fanamafisan-kevitra diso nolazaina fa notenenin'ny Mpaminany hoy: "I Abou Hanifa no fanilon'ny fireneko". Namboamboarina hoan'ny tombotsoan'ny mpisitaka fotsiny izany fa tsy hadita.73
  • Ny hoe "Manana akoho lahy fotsy" dia heverina marina fa namboarin'ny mpivarotra akoho lahy fotsy na dia tia akoho lahy fotsy aza isika.74
  • "Tandremo ny ratsy avy amin'izay nanaovanareo ny tsara", io dia teny tsy marina sy tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy nandisoana ny Mpaminany.75 Mety hahazo ny fon'ny hafa ianareo raha manao ny tsara aminy. Aleo aza farafaharatsiny milaza ny Mpaminany ho niteny hoe toy izao, hoy aho: "Manaova ny tsara amin'izay atahoranareo hanisy ratsy anareo", satria voalaza fa: "Andevon'ny tsara ny olona raha anaovana izany".

Na dia foto-kevitra ijoroan'ny silamo aza ny fisainana tsara sy fandinihana dia tsy miantehitra amin'ny rasionalisma ny finoana silamo. Tsy misy afaka mitsara ny Mpaminany sy ny CORAN amin'ny alalan'ny sainy manokana. Ny finoana silamo dia fitambaram-poto-kevitra napetran'Andriamanitra, mpahita sy tompon'ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina rehetra. Noho izany ny fanamafisan-kevitra hoe: "Iadionareo hevitra ny teny izay nomena ahy. Raha mifanaraka amin'ny marina izy dia hamarino izany ary ampifandraiso amin'ny foto-kevi-pivavahana. Tsy maninona na nambarako izany na tsia" dia fanambatambarana singan-javatra be fahatany fotsiny.

  • Teny hafa handisoana ny Mpaminany koa ny hoe: "Teraka tamin'ny vanim-potoana nahaterahan'ny mpanjaka marina aho".76 Namboarina mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka Persa Anushirwan izany; tsy misy na iza na iza afaka mampifanindran-dàlana ny voninahitry ny Mpaminany amin'ny an'ny zavaboary ary indrindra eto an-tany.
  • Ity fomba fiteny malaza sy tsara ity koa dia diso ny fiheverana azy ho hadita: "Anisan'ny finoana ny fahadiovana". Marina ny heviny kanefa tsy teny avy amin'ny irak'Andriamanitra tamin'ny fampitana azo antoka izy. Ny mifanohitra tamin'izany, hoy izy: "Ny fahadiovana mahazatra (ny fahadiovan'ny vatana, ny sina sy ny fo) dia aneho ny antsasaky ny finoana sy "al-hamdy li-Allah" (fiderana an'Andriamanitra) mameno ny tsy fitongilanana (hanandanja lehibe ao amin'ny andron'ny fitsarana farany ny asa tsara).77
  • I Aqiq dia toerana iray hita eo anelanelan'I Medina sy La Mecque. Nandritry ny fivahiniana natao dia niteny tamin'ireo mpanaradia azy teo ny irak'Andriamanitra: "Avelaro ao Aqiq ny trano lainareo". Amin'ny teny Arabo ny dikann'y hoe "Avelaro ny tralainareo" dia "Tak hayyamu". Satria ny tendro fanavahan-tsoratra mitovitovy dia tys mbola nampiasaina nandritry ny vanim-potoana voalohan'ny silamo dia nafangaro io teny io tamin'ny hoe: "takhattamu" (mitondra peratra). Niteraka hadita diso izany rehetra izany: "Mitondra peratra vita amin'ny kormalina" miaraka amin'ny fanampiana hoe: "satria manavotra amin'ny fahantrana izany".
  • "Ny mankasitraka hatsaran-tarehy dia anisan'ny fiderana", io koa dia mbola hadita diso, fanalam-baraka madiodio sy tena mifanohitra tanteraka amin'ny Mpaminany.
  • Tena diso ihany koa ny koe: "Katsaho ny fahalalana na dia hatrany Sina aza". Mety ho fampaherezana ny fianarana fotsiny no nanamoarana izany. Maro anefa ireo haditan'ny Mpaminany tena marina sy ao amin'ny CORAN no ahitana io famporisihana ny silamo hianatra sy hikatsa-pahalalana io: "Tamin'ireo mpanompo azy dia izay nanam-pahaizana ihany no matahotra an'Andriamanitra". (35:28), sy: "Mitovy va izy iroe, izay mahalala sy tsy mahafantatra?" (39:9) Ankoatra izany, hoy ny Mpaminany:"Mampidina ny elany (noho ny fanajana sy ny fanetretena) eo anoloan'ireo izay mikatsaka fahalalana ny anjely".79

Indreto ary misy hadita tena marina ziay noheverina fa namboarina:

  • Mitatitra toy izao I Bukhari ao amin'ny "Sahih": "Ao amin'ny Torah ity: "Ry Mpaminany, alefanay ho mpilaza ny vaovao mahafaly sy ho mpampitandrina ianao sy ho fialofana hoan'ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ianao no mpanompo ahy sy mpitondra ny hafatro. Antsoiko hoe "Moutawakkil" ianao (izay mametraka ny fahatokisany amin'Andriamanitra). Tsy ho mafy loatra na hihenjana izy, tsy hitabataba eny ampandehanana. Tsy ny ratsy no hanosehany ny ratsy; hihala tsiny sy hamela heloka izy. Tsy haka ny fanahiny mandrapitarihany ireo diso làlana Andriamanitra, ho ahitsiny amin'ny alalany ny fivavahan-diso, manokatra ny maso jamba izy, ny sofina narenina sy ny fe mihidy".80

Mitsikera io hadita io nytatsinana sasany sy ny silamo nanaraka azy satria notanterin'I Abd Allah ibn Amir ibn al-As izy io, izay notateriny matetika tamin'I Ka‛b al-Ahbar. Ny ataony ambanin-javatra dia ireto:

  • Tsy mifanohitra amin'ny toetran'ny Mpaminany io hadita io araka izay hamaritana azy ao amin'ny CORAN sy amin'ny loharano niteraka ny silamo sasany.
  • Na dia izany aza anefa, na dia hafa aza ny fanovana azy sy ny fahasimbany dia famantarana ny irk hatrany ny Torah sy ny Evanjely. Manondro azy io amin'ny andininy maro ny Torah, anisan'ireny ireto: "Ireo izay manaraka ny irak'Andriamanitra, ilay Mpaminany tsy mahay mamaky teny sy manoratra izay hitany nanoratra tao amin'ny Torah sy ny Evanjely (7:157) ary: Hitanao nitanondraika izy, niankohoka, mitady fahasoavana sy fankatoavana avy amin'Andriamanitra. Voamariky ny faritra noho ny fiankohofana ny andrin'izy ireo. Toy izany no endriny ao amin'ny Torah. Ary ny sary ilazana azy ireo ao amin'ny Evanjley indray dia toy ny voa nafafy izay namelana, niha mafy, niha natevin aayr nanjary lasa taho lehibe ka gaga sy talanjona ny mpamafy" (48:29). Mahita sarisary 124 hilazana ny irak'Andriamanitra ao amin'ny Torah sy ny Evanjely I Husayn niaina tao aantin'ny tapany voalohan'ny taonjato faha XX.

Milaza mazaa ny Mpaminany Mohammed ny Evanjelin'I Barnabe.

  • Jiosy nanarka ny fivavahana silamo I Ba‛b al-Ahbar. Maro ireo hiosy sy kristianina nivadika ho silamo, indrindra fa tamin'ny tapany voalohany tamin'ny fianahan'ny silamo tany Azia sy Afrika.

tonga niaraka tamin'ireo fahalalana efa tao aminy izy ireo, izay tsy nifanaraka tamin'ny finoana silamo tamin'ireo fahalalana anefa dia nahitsy na marina. Mpanaradia maro toandr"I Abd-Allah ibn Abbas, Abou Houraïra, Anas ibn Malik sy Abd Allah ibn Amr ibn al-As no nihaino izay notaterin'I Ra‛b tao amin'ny Torah. Sarotra ho azy ireo ny hanaiky izay zavatra mifanohitra amin'ny finoana silamo. Lehilahy iray tso-piaina antsoina hoe Abd Allah ibn Amr izay tsy fantatra na tena tia marina ny Mpaminany sy ny fivavahana silamo na tsia, na mandainga na tsia na nanamboatra hadita kanefa fantany tsara ny sazy hango azy amin'ny fanaovany izany?

  • nandritry ny hanoanana sy ny hain-tany nahatsiravina, nitana ny tanan'I Abas ny kalifa Omar ary nivavaka: "Andriamanitra ô, raha sitrany dia hivavaka aminao mba hilatsahan'ny orana ny Mpaminaninay ary halatsakao ny orana. Ankehitriny, raisinay ny dadatoany ho toy ny fitaovana hivavahana mba hilatsahan'ny orana, noho izany mba handatsao orana izahay!"81

Misy olona sasany mitsikera io hadita io amin'ny fifatorana tamin'ny fanakanan'I Jahidh. Tsy tradisionista anefa I Jahidh; lavitra azy izany, manda izy na dia ireo hadita marina aza. I Nadhdham no mpampianany, materialista anisan'ny nisitaka sy niaraka tamin'ny Mu'Tazia. Kianin'I Jahidh toy izao manaraka izao ao amin'ny "Al-Bayan wa at-Tahym" nataony io hadita io:

Ao amin'ny hadita rehetra nomena an'I Omar mikasika ny fivavahana mba hilatsahan'ny orana dia misy fahadisoana izay mahatonga ny tsy fanekena ny fahamarinany. Ao amin'ny filazana hafa izy dia mivavaka eo amin'ny oerna voatokana ho azy, ary ivelany; ao amin'ny hafa indray tohin'ny fivavahana efa voatokana. Fifangaroana maro no maneho fa tsy marina io hadita io.

Misy fianarana llina manokana ny fandinihana ny hadita. Tsy manam-pahaizana manokana I Jahidh, na dia nanana fiainana tsotra aza I Ibn Abi ad-Dunya dia nitsikera io hadita iotao anatin'ny bokiny be fahadisoana sy hadita ntefitefena. Anisan'ny mpitondra fiovana lehibe teo amin fandinihana ny fivavahana silamo I Imam Ghazali. Na dia izany aza, raha ataonao ho fanamafisan-kevitra ao amin'ny hevitra tsy mitovy mikasika ny hadita izy dia ho esoin'ireo tradisionista ianao. Tsy any amin'ny dokotera mihintsy no hitadiavana vahaolana miksika ny olana ao amin'ny lafiny mekanika ny fanafody.

Faharoa, ny mampiasa olona na zavatra hafa hanatrarana an'Andriamanitra ny dia fantatrao aza fa tsy hitondra vokany izany dia anisan'ny toy izao:

"Ry mpino! matahora an'Andriamanitra ary tadiavo ny fomba hanakaikezanareo azy" (5:35). Mangataha amin'ny Mpaminany ny hivavaka amin'ny anaran'izy ireo manokana ny mpanaradia matetika. Indray andro, tamin'ny fotoan'ny hain-tany dia nangataka azy hivavaka mba hirotsahan'ny orana izy ireo. Nataony izany ary nirotsaka betsaka ny orana (nandritry ny herinandro) ary nangataka azy hivaaka mba hitsaharan'ny orana izy ireo. Nivaaka teo amin'ny seza natokana ho azy izy ary nitatitra teo aminy teo ambany masoandro be izao ny olona. Toarian'io fanomeza'Andriamanitra tsy manam-paharoa io dia hoy ny irak'Andriamanitra: "Manamafy aho fa mahery indrindra eo amin'ny zava-drehetra Andriamanitra, ary izaho no mpanompony sy mpitondra ny hafany".82

Mandrisika ny mpanaradia hamapangata-bavaka ny irak'Andriamanitra ny CORAN, hangata-pamelana amin'Andriamanitra ho azy ireo, marihina fa ny fivavahany dia fitaovana nampahatonga ny fandriampahalemana sy ny filaminana:

"Tsy nandefa Iraka afa tsy ny hanaiky amin'ny famelan'Andriamanitra izahay. Raha manao fahadisoana amin'ny nahim-pony izy ireo dia ho avy eo aminao ka hangataka ny faelan'Andriamanitra ary raha mangataka ny famelana ho azy ireo ny Iraka dia hahita an'Andriamanitra marina, tena mpanday ny fivevahana sy maminda fo izy ireo". (4:64)

Ary: "Mivavaha ho azy ireo, fialofana ho azy ireo ny vavakao". (9:103)

Indray andro nisy lehilahy jamba iray nitaraina tamin'ny Mpaminany mikasika ny fahajambany. Nanorohevitra azy hanao ny fivavahana fidiovan-tena ny irak'Andriamanitra sy hivavaka andro hoe: "rar'Andriamanitra" sady hiteny hoe:

"Andriamanitra ô, mangataka sy mitodika aminao amin'ny fitiavan'ny Mohammed Mpaminaninao aho, mpaminan'ny famindram-po. Ry Mohammed, mitodika amin'ny Tpompoko tamin'ny anaranao aho mba hot onga ny zavatra iriko. Andriamanitra ô, ekeo ny fangatahany ho ahy eo akaikinao!"

Nataon-dralehilahy izany ary nahiratra izy.83 Farany, tsy nisy tamin'ireo hadita ireo niova tamin'ny fhamarinany.

  • Hita ao amin'ny boky 6 ahitana ny hadita tena marina indrindra izao: "Raha lelafin'ny alika iray ny lovinareo, esory avokoa izay ao anatiny ary diovy impito izy; ny voalohany amin'ny tany ary ny faha enina sisa amin'ny rano".64

Misy olona sasany tsy mahafantatra ny foto-kevitra ijoroan'ny hadita sy ny fivoaran'ny fanasitranana miahiahy amin'ny fahamarinan'io hadita io na dia eo aza ny fomba fampitana azy tsy nisy nanovana sy ny maha porofom-paminanian'ny Mpaminany azy koa. Raha tsy Mpaminany novolavolain'Andriamanitra izy, ahoana no fomba ahafantarany zavatra mikasika ny fahasalamana izay tsy fantatra raha tsy taonjato maro taty aoriana? fantatsika ankehitriny fa afaka namindra otrikaretina ny alika ka miteraka aretina amin'ny alalan'ny rorany sy ny ranoka avoakany ary manimba ny fahasalaman'ny olona ziany raha mifindra aminy.

Ankoatra izany, tsy nisy olona tamin'ny andron'ny Mpaminany mbola nahay fanafoanana ny fianaky ny otrikaretina. Mpaminany nobeazin'ilay mpahalala ny zava-drehetra ny irak'Andriamanitra, nandidy ny tany hanadiovana ny lovia voalelaky ny alika. Ankehitriny dia fantatsika fa ny tany dia ody fery tsara ahitana fanafody toy ny tetrasiklina.

Misy olona sasany milaza fa ny hevitry ny hoe "impito" dia ilaina ny manadio tanteraka ny loia. Ny mpahay lalàna Hanefita dia mihevitra fa ampy ny fanadiovana azy intelo.

• Misy fitsikerana ankehitriny, anisan'izany I Maurice Bucaille, ilay frantsay nivadika ho sik, maika hitsikera ity hadita notaterin'ni Abou Houraïra ity: "Raha misy lalitra iray mianjera eo amin'ny lovianareo, alenteo tanteraka ao anaty sakafo aloha izy alohan'ny hanesorana azy tao satria misy otrik'aretina ao amin'ny elany iray ary fanafody ny ao amin'ny iray".85 Tsy azo omentsiny ny mpitatitra io hadita io. Anisan'izany I Bukhari, Abou Dawud, Nasa'I Dami sy Ahmad ibn Hanbal.

Toy ilay hadita tery aloha koa, ahitana porofon'ny faminanian'ny Mpaminany ao amin'io hadita io. Tamin'io vanim-potoana io dia tsy mbola nisy nahalala fa mitondra otrik'aretina ny lalitra. Na dia izny aza dia hitantsika fa rehefa miditra ao anaty sakafo ny lalitra dia tsy ampidirina ao ny elany ilany mba ahafahany manidina idnray avy eo. Vokany dia mamela mikraoba ao anaty sakafo izy. Rehefa alatsaka ao anaty sakafo anefa izy dia misokatra ilay kiapokely ery amin'ny elany iray ary vaky mba hanaparitaka zavatra mamono otrik'aretina izay mamono ny mikraoba navelan'ny elany ilany.

• hadita marina iray ihany koa kanefa tsikeraina ity: "Tsy tokony hanahirana izany ka hiverenan-dàlana indray hovangiana [amin'ny tangona hahazo valisoa ara-panahy] ny trano fivavahana hafa toy ny al-Masjud al-Haram [Ny trano fivavahana masina manodidina ny Ka‛ba], ny trano fivavahan'ny Mpaminany [any medina] sy al-Masjid al-Aqsa' [eo atsimon'ny "Dome du Roc" any Jerosalema]"86 Notsikeraina io hadita io satria notaterin'ny mpanaradia nandray azy tao amin'ny Ka‛b al-Ahbar na satria nanamasina ny trano fivavahana al-Masjid al-Aqsa'. Tsy misy fototra iorenany io hevitra io satria tsy an'ny jiosy. Nitodika tamin'izy ireo ny Mpaminany rehefa nivavaka tao La Mecque.

Mariky ny fanjakan'ny silamo ety an-tany koa izany. Nentina tao amin'ny al-Masjid al-Aqsa aloha ny mpaminanintsika tamin'ny fiakarany ary nitarika ny fivavahana teo anoloan'ny fanahin'ireo Mpaminany teo alohany. Nekeny tamin'izany Andriamanitra: "Ny trano fivavahana Al-Aqsa izay notsofintsika rano ny manodidina azy" (17:1). Io tany masina manodidina azy io dia azon'I Youcha (Josoa) ibn Nun Mpaminany taorian'ny nahafatesan'I Moizy. Taorian'ny Mpaminany Mohammed dia nalaina indray izy tamin'ny andron'ny kalifa Omar. I Salah ad-Din Ayyubi, iray tamin'ireo mpitarika ady silamo no naka azy tamin'ny "Goisé". Matoa ny irak'Andriamanitra nametraka azy io ho anisan'ireo trano fivavahana 3 masina idnrindra sy mendrika ho vangiana dia satria io hamasinin'Andriamanitra.

Na dia eo aza ny toetra masina ananany dia diso ny fiheverana fa tsy maitnsy manao fivavahana manokana ao amin'ireo trano fivavahana ireo. Araka izay tanterin'I ibn Abbas dia nisy vehiavy iray nanome toky an'Andriamanitra fa hivavaka ao amin'ny al-Masjid al-Aqsa rehefa salama. Raha vao sitrana izy dia niantso an'I Maymuna (iray tamin'ireo vadin'ny Mpaminany) alohan'ny handehanany ary hoy izy taminy:

"Mijanona eto ihany, andraso ny tranonao ary mivavaha ao amin'ny trano fivavahan'ny Mpaminany. Henoko ny irak'Andriamanitra niteny hoe:

"Ny fivavahana iray ao amin'ny trrano fiangonako dia lehibe noho izay vavaka arivo atao any amin'ny hafa, ao Hormis, ilay trano fiavahana masina". Ny fivavahana tanterahina eto dia tsara lavitra noho izay atao any amin'ny trano fivavahana hafa, afa tsy ny ao amin'ny Ka‛ba".87

  • Na dia tantaraina ao anatin'ny bokin'ny hadita tena marina aza izy io ary voamarin'ny tantara lavan'ny finoana silamo, mbola hioharan'ny fitsikerana tena tsy azo hamarinina. Niharitra ny fahafihana hatrany ny finoana silamo. Tsy misy fahefana eto an-tany afaka hamotika azy. Na dia taorian'ny ezaka lehibe natao tao amin'ny taonjato telo farany dia mbola ny finoana silamo no matanjaka hatrany ary mbola mahazo aina tsara hoan'ny fahasambaran'ny olombelona sy ny fanambinana eto antany sy any andanitra.

Nanokanan'Andriamanitra fiarahamonina tia azy tanteraka isaky ny vanim-potoana iainana ny finoana silamo. Tany Damasy io fiarahamonina io tamin'ny vanim-potoana iray, tany Bagdad avy eo, tany Istambyl rehefa nanodidina an'I Omar ibn Abd al-Aziz ary manodidina an'I Imam Ghazeli na Imam Rabbani koa avy eo. Toy izany koa no nisy tamin'ireo vondrona taty aoriana.

  • Hadita hafa tsikerain'ny sasany ihany koa ity: "Rehefa mifoha avy eo ampandriana ianareo dia aza mandroboka ny tànana ao anaty lovia misy sakafo na zava-pisotro alohan'ny hanasana azy intelo. Tsy fantatrareo izay nisy ny tànanareo nandritry ny torimaso".89

Nodisoin'I Ahmad Amin sy Abou Rayya noho ny fiantraikan'ny tatsinanana tao aminy (I Goldziherà io hadita io na dia ahitana foto-kevi-pidiovana sy fitandremana aza. Miharitra tsy fahazakan-javatra ny olona indraindray. Mety ho mikasika faritra misy otrik'aretina izy nandritry ny torimasony ary tafahangona tao amin'ny hohony ny otrik'aretina. Raha misy olona misakafo kanefa tsy nanasa tànana tamin'izany dia mety hamindra amin'ny hafa ihany koa.

Miankina mandrakariva amin'ny fanambarana ny irak'Andriamanitra na mivantana izany na ankolaka. Ireo mpanaradia azy akaiky arak'izay azony hatao ary mitantara izay voarainy taminy. Maro ireo tradisionista mitandrina tsara sy tia fahamarinana no nanangona hadita voarainy tamina mpitatitra azo antoka, mendri-pitokisana sy manan-jo. Misy hadita marina sasany mahatsikaritra dieny mialoha zavatra hitranga sy ny fandrosoana ara-tsiansa ho avy. Tsy misy voamarina fa diso na iray aza tamin'ireny ankehitriny ary tsy misy olona afaka maka tahaka na hadita iray aza.

Mbola ahitana misitery ny voary ary mbola mitohy hatrany na dia eo aza ny firoboroboan'ny siansa sy ny zavatra hafa avy amin'ny olombelona. Ny tranga ara-psikolojika na ny tranga voajanahary toy ny telepatia sy ny fahitana roa, ny nekromansia sy ny zavatra saro-takarina hafa dia manome famantarna ny fisian'ny tontolo hafa tsy mitovy amin'ny antsika. Mety hahitana fanamarinana mikasika izany ao amin'ny CORAN ary misy hadita sasan-tsasany koa natao arak'io fomba fijery io.

  • araka izay tanterina ao amin'ny hadita tena marina dia milaza zavaboary volovoloin iray antsoina hoe "Jassasa" hitany tao amina nosy hafahafa sy iray goavana tao andavabato izay miseho ho "Dajjal" (Mpanohitra an'I Kristy)90 I Tamim ad-Dari, kristianina nivadika. Tsy afaka mandà io hadita io isika noho ny heviny tahaka ny tsy ahafahantsika mandà fa niseho ny tratran'ny Mpaminany.
  • Hadita hafa iray azontsika jerena amin'ny alalan'io fomba fijery io koa dia ny nandefasan'Andriamanitra ny fivavahana 50 isan'andro tamin'ny mpino nandritry ny fiakaran'ny Mpaminany Mohammed. Tamin'ny fiverenany I Moizy dia nanarina tamin'ny fahasarotan'ny didy taorian'ny antso maro nataon'ny Mpaminany dia nahenan'Andriamanitra ho 5 io fivavahana io.91

Misy lafin-javatra sasany saro-pady ao amin'io hadita io. Rehefa maharitra ny mpanompo ary miandry izy mba hifona sy hahazo famindram-po izy ireo sy mba hahatratra ny tanjony. Misiterin'ny fanompoana ny vavaka sy ny fibebahana amin'Andriamanitra ary vato fototry ny fanompoana. Raha mahantra ny mpanompo dia tonga miankina amin'ny harena sy nyhery tsy manampetra sy tsy azo ihodivirana ananan'ny Tompony ary maka fahefana tsy hay refesina eo sy harena tsy mety ritra. Tsy maintsy mahatsiaro izany ny mpanompo mba tsy ho hadino amin'ny fanahin'izy ireo mpikatsaka ny ratsy, ny izahony ara-nofo sy ny fiavonaonany. Raha tsymahatsiaro ireo zava-misy ireo izy dia manjary tsy manan-kery ary mahantra tsy azo sitranina sy tsy azo asandratra.

Satria ny Mpaminany Mohammed no Mpaminany farany. Ny asany dia mahasakana ny endrika rehetra sy ny dadasiky ny faminaniana ary manamafy ny Mpaminany rehetra teo aloha. Raha ampitahaintsika amin'ny hazo lehibe voatsodranon iray ny faminaniana, ahitana rantsana mivelatra sy misandrahaka manerana ny voary tontolo dia ny Mpaminany Mohammed no solontenany manontolo. Niorim-paka lalina tamin'ny asan'ireo Mpaminany teo aloha ny faminaniana. Mazava ho azy raha manararaotra tamin'ireo faka ireo izy.

Teo alohany I Moizy, naniry ny hahamora ny fanatanterahana ireo zavatra tsy maintsy tanterahina tamin'ny finoana teo amin'ny fireneny, nanaraka ny toro-heviny akaiky ny Mpaminany Mohammed. Na dia izy aza no Mpaminany lehibe indrindra dia tsy namela ny mpanaradia azy hihevitra ireo Mpaminany hafa ho ambany noho izy.

Mila famelabelarana misimisy kokoaio toe-javatra io, misy zavatra tsy maintsy ambara eo. Mihoatra ny zavatra tokony ho lazaina ato amin'ity boky ity anefa io lafin-kevitra io.

Ny isan'ny hadita tena marina

Misy tatsinanana sasany sy ireo silamo mpanaradia azy nanely tsaho milaza fa mampiahiahy ny fahamarinan'y Sona amin'ny filazany fa nisy mpanaradia sasany nitatitra hadita maro loatra ka misy hadita mihoatra amin'ny tokony ho izy ao.

Voalohany aloha dia tsy voafaritra fotsiny amin'ny tenin'ny Mpaminany ny hadita. Ny mifanohitra amin'iznay, mihevitra ny fianany manontolo izy: ny asa nataony, izay zavatra tiany, izay zavatra tsy tiany, ny zavatra nekeny na ny fanamafisany ara-dalàna ireo izay notenenina na nataon'ny mpanaradia azy. Niaina 23 taona teo anatrehan'izy ireo tamin'ny maha Mpaminany azy izy. Nampianatra azy ireo ny finoana silamo hatramin'ny lafiny madinika indrindra izy. Indimy isan'andro izy no mitarika ny fivavahana ary tadidy tsara ny antsipirihany satria hoy izy tamin'izy ireo: "Mivavaha araka izay ahitanareo ahy". Mifady hanina izy ary manazava amin'izy ireo ny antsipirihanya amin'ny fifadian-kanina izy tahaka izay nanazavany ny fanomezana voafaritra sy ny fivahiniana masina. Tsy misy afa tsy ny fototra iorenan'ny finoana sy ny andry iankinan'ny finoana silamo (ny fivavahana, ny fifadian-kanina, ny fanomezana voafaritra sy ny fivahiniana masina) no nanaovan'izy ireo boky maro sy nahatonga azy hanao boky maro.

Amin'ny maha lamina avy amin'Andriamanitra hoan'ny rehetra izay ahitana ny lafim-piainana manontolo izay mifamatotra aminy, manana lalàna sy fitsipika hoan'ny tsirairay sy daholobe izy: ara-panahy sy ara-batana, sosialy sy toe-karena, politika sy miaramila sy ny endri-piainana rehetra hatrehintsika amin'ny fiainana andavanandro.

Nametraka foto-kevitra mifamatotra amin'ireny rehetra ireny ny Mpaminany. Mampatsiahy ny mpanaradia azy amin'ny ady amin'ny fivilianan-dalana tsy ankijanona ny Mpaminany ary mankahery izy ireo ho mpanompo tena tia an'Andriamanitra sy hanam-paharetana.

Nilaza tmain'izy ireo ny mikasika ny firenena teo aloha izy ary naminavina ny zavatra hiseho amin'ny manaraka. Milaza I Abou Zayd Amr ibn Akhtab fa matetika ny Mpaminany miakatra eo amin'ny toerana voatokana ho azy aorian'ny fivavahana vao mangiran-dratsy ka miteny amin'ny mpantrika hatramin'ny fisasahan'ny andro. Avy eo dia mbola manohy ny fitenenany ihany aorian'ny fivavahana atoandro sy tolakandro ma hitantara amin'izy ireo izay zava-nitranga hatramin'ny fiandohan'ny fahariana ka hatramin'izay hitenenany sy izay hiseho hatramin'ny andro farany. Maro ireo teny ahitana ny vaovao mikasika ny fikorontanana eto an-tany, ny fahafatesana, ny fitsanganan-kovelona sy ny fivoran-dehibe, ny havesatry ny asan'ny tsirairay, ny fitsarana farany, ny tetezana, ny afobe sy ny Paradisa.92

Nitarika tafika ny irak'Andriamanitra, niandry fitoriana sy nandray anjara tamin'ny fitsarana amin'ny maha mpitsara azy ary nandefa sy nandray solontena. Nanasonia fifanaraham-pandriampahalemana izy, namaky ady, nandefa tafika hanafika ihany koa. Nametraka fitsipi-pitandremana ny fahadiovana izy, nametraka ny fitsipi-pitondrantena tsara sy ny moraly ambony. Anjatony ireo fahagagana nataony. Ohatra velona narahin'ny silamo izy sy antony lehibe mampisy lanjany ny hadita silamo sy tamin'ny fitiavany ny mpanaradia azy, raikitadidy hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany ny fiainany. Nanome voninahitra ny tontolo tamin'ny toetra maha irak'Andriamanitra azy izy, ny fanompoany an'Andriamanitra, tsy manan-tsahala ny maha izy azy. Nandrakitra antadidy izay mikasika azy rehetra ireo mpanaradia sambatra niara-niaina taminy. Rehefa niparitaka tany amin'ireo tany samy hafa azon'ny silamo izy ireo dia nangataka azy kitatitra hadita avy amin'ny irak'Andriamanitra ny silamo vaovao. Tena tia azy tanteraka izy ireo ary mifantsika tanteraka ao amin'ny fitadidian'izy ireo izy.

Nandalo indray mandeha teo anoloan'ny tranon'I Abbas, dadatoan'ny irak'Andriamanitra I Omar nandritry ny naha kalifa azy rehefa handeha hivavaka amin'ny Zoma. Ny ra-nipatraka avy amin'ny fitetezan-drano teo amin'ny akanjony. Raiki-tahotra mafy fa hoe nanongotra ny fitetezandrano hianjera tamin'ny tany sady niteny hoe: "Iza ary no namono biby teo amin'io tafon-trano io izay nahatonga ny akanjoko hisy rà kanefa ho entiko any ampiangonana?" Tonga tany amin'ny trano fivavahan ziy ary nananatra ny mpivavaka rehefa nifarana ny fotoam-pivavahana:

"Nanao fahadisoana ianareo. Nandalo tamin'ny rindrina iray aho teny andalana mankaty ary tampoka teo ny rà latsaka avy amin'ny fitetezan-drano tamin'ny akanjoko. Nazerako tamin'ny tany ilay fantsona".

Tsy naha tafandry mandry an'I Abbas izany ka nitsangana izy:

"Inona no nataonao tany ry Omar? Izaho tenako izao no nahita ny irak'Andriamanitra nametraka io fantsona io tany". Anjaran'I Omar indray ankehitriny no tsy tafandry mandry. Niteny tamim-pahatairana sy fihetseham-po tamin'I Abbas izy: "Amin'ny anaran'Andriamanitra, hiankohoka amin'io rindrina io aho ary ianao hametraka ny tongotrao eo mba hamerina an'ilay fantsona. Tsy manandratra ny lohako aho raha tsy efa vitanao izany". Toy izany ny fitiavany sy ny fahatokisany ny irak'Andriamanitra.93

Nametrahan'ny irak'Andriamanitra hafanana lehibe tao am-pon'ireo mpanaradia azy mba hianatra fa ny fomba amam-panao sy ny fandrosoana silamo, niaina ampilaminana sy am-piadanana teo ambany alokalony voatso-drano ny ampahany betsaka amin'ny olombelona tao anatin'ny taonjato maro, naorina teo amin'ny andry fototry ny finoana, ny fahalalana, ny famindram-po sy ny firahalahiana. Any amin'ny tany hikorianan'ny rano madion'ny silamo, voninkazo anarivony maro no mianoka ao an-tànan'ny siansa ary manahanitra ny tany tontolo ny hanitra aparitany.

Ny voninkazo sasany amin'ireo dia mamaky indroa mihodidina ny angon'hadita tena marina manontolo nangonin'ni Imam Muslin, dia I Ibn Hajar al-Asqalani izany. Nanokan-tena manokana tamin'ny fampianarana sy ny fanoratana ary tsy nanambady mihintsy I Imam Nawawi. Tsy te-handokana fotoana hoan-javatra hafa afa amin'ny fahalalana izy. Nogadrain'ny mpanjaka iray tao andavadrano I Imam Sarakhsi, mpitsara lehibe Hanefita iray. Nandritra io fotoana io izy dia nanonona tao antsainy ireo tantara nosoratany fohy tao anatin'ny boky telopolo "Al-Mabsut" tamin'ireo mpianany. Rehefa niteny taminy ireo mpianany fa I Imam Shafi‛I, ilay mpanorina ny sekolin-dalàna Shafita ary heverin'ny sasany ho toy ny mpanova ny finoana silamo faha roa, dia nahatahiry hadita 300 dia mamaly izy hoe: "Fantany ireo zahata tamin'izay fantatro".94

Ny asan'I Imama Suyuti sy ny hafa ahitana halebiazana lehibe mitovy amin'ny androm-piainany rehefa zarazaraina, azo tsoahina amin'izany fa nanoratra pejy 20 isan'andro izy ireo. Tsy vitantsika ny mianatra na mamaky ny asa vitan'izy ireo tsirairay avy mandritry ny androm-piainantsika.

Milaza I Anas ibn Sirin, zanak'I Muhammad ibn Sirin, ilay iray tamin'ireo manam-pahaizana lehibe Tabi‛nu fa: "4000 no olona nanoratra ny fampianarana hadita tao amin'ny trano fivavahana rehefa tonga tao Kufa aho; 400 no manam-pahaizana manokana mikasika ny lalàna silamo".95 Mba hahalalana ny dikan'ny lalàna silamo dia hevero kely ity: tsy noheverin'I Ibn Jarir at-Tabari ho manam-pahaizana manokana mikasika ny lalàna silamo I Ahmad ibn Hanbal kanefa nahitana hadita 40000 nofantenana tamin'ireo anetsiny efa niparitaka. Tsy nomena sata mitovy amin'I Abou Hanifa koa izy, I Imam Abou Yusuf, Imam Strafi‛I, Imam Halik sy ireo mitovy amin'izy ireo. Ny antony tsy hieverana ny sasany ho toy ny manam-pahaizana manokana dia maneho ny hahavo ara-tsaina sy ara-pahaizana tsy maintsy tratran'ny mpitsara mba hahatonga azy ho manam-pahaizana manokana.

Ny rivotra iainana ankapobeny dia tsara amin'ny fivoaran'ny fahalalana ara-pivavahana indrindra fa amin'ny fandinihana ny hadita. Ny silamo tsirairay dia nanao izay azony atao rehetra mba hahazoana ny fahalalana mikasika ny fivavahana silamo sy hahafantarana feno ny Mpaminany masina. Mahay fatratra ny literatiora ny olona, ny tany satria ny poezia dia ena niparitaka nandritry ny fotoana talohan'ny silamo.

Niseho ho toy ny zavatra tokana sy tsy azo ampitahaina amin'ny zava-mahagaga araka haifiteny aloha ny CORAN. Tsy nisy manam-pahaizana manokana amin'ny literatiora na poezia afaka nanao ny hatsarany ary saika niala tamin'ny poezia ny rehera taorian'ny fivadihany mba hanonkanam-pototana tamin'ny CORAN sy tamin'ny hadita. Anisany tamin'izy ireny I Khansa, Poeta vavy izay nanjary tia fatratra ny fivavahana silamo ka rehefa maty maritiora tao Qadissyah ny zanany efadahy dia nidera an'Andriamanitra izy sady niteny hoe:

"Andriamanitra ô, nomenao zanaka efa-dahy aho ary natao sorona teny an-dàlanao izy ireo. Fiderana lehibe ho anao".96

Tsotra dia tsotra ny fiainana any an-tany efitra. Izany no namela ny olona hanokana fotoana hoan'ny fivavahana silamo, tamin'ny fianarana azy. Izany koa no nananany fitadidiana tsara. Ohatra, nangataka an'I Zays ibn Thabit hianatra ny hebreo ny iraj indray andro; tao anatin'ny 2 na telo herinandro fotsiny izy dia afa namaky sy nanoratra taratasy tamin'ny teny hebreo.97 Ibn Shikab az-Zuhri, Qatada ibn Diama, Sha‛bi, Ibrahim ibn Yazod an-Nabeha‛I, Imam Shafi‛I sy ny maro hafa dia nanamafy ho ren'ny rehetra fa tsy hadinon'izy ireo na oviana na oviana ny teny iray nianarany tsianjery. Afaka mitadidy zavatra iray izy raha vao henony na novakiany indray mandeha monja.

Rehefatonga tao Bagdad I Imam Bukhari dia nisy silamo folo manam-pahaizana manokana mikasika ny fahalalana silamo nitsapany fahalalany ny hadita sy ny fitadidiany. Nitanisa hadita 10 izy tsirairay avy ka na novana ny filaharan'ireo mpitatitra azy tamin'ireo zotram-pitatitra azy na ny fifampitohizany. Ohatra ity hadita malaza ity: "Tsy manandanja noho ny fiheritreretana hanao azy ny asa" amin'ity fitohizana ity (milahatra midina): Yahya ibn Sa‛d al-Ansari, Muhammad ibn Ibrahim al-Taymi, Alqama ibn Waqqas al-Layshi, Omar ibn al Khahab. Rehefa namarana izy ireo dia nahitrin'I Imam Bukhari tsirairay ny fitohizan'ny fitadidiana ary naveriny ny hadita isanisany tamin'ny fiampitany tena izy. Farany dia niaiky ny fahalalany ireo manam-pahaizana.98 Tafateny aza I Ibn Khuzayma hoe: "Na ny lanitra na ny tany dia tsy hahita olona faharoa mahay toa anao eto an-tany".99

Tsy mivarotra na oviana na oviana ny fahalalany ho an'ny tombotsoa eto an-tany I Imam Bukhari. Rehefa nanasa an'I Bukhari hoao an-dapany ny mpitondra azy mba hanabe ireo zanany dia nandà mafy I Imam lehibe sady niteny hoe: "Tsy ho atao tsinontsinona ho eo an-tongotry ny mpitarika ny fahalalana. Raha mangetaheta fahalalana ny mpitarika dia izy ihany no mankeo aminy".

Namaly ilay mpitondr ary nangataka azy mba hanokana herinandro ho an'ireo zanany. Mbola nandà ihany I Bulehari: "Tsy te-handany ny fotoanako amin'ny fanomezan-desona ny zanakao aho fa manome lesona an'I Oumma an'I Mohammed". Nataon'ilay mpitondra sesitany izy ary nandany ny androny sisa tany an-tsesitany ilay endrika lehiben'ny fahalalana ny hadita.100

Ny soratry ny hadita

Ny angon'hadita voasoratra dia natao voalohany nandritry ny naha kalifa an'I Omar ibn Abd al-‛Aziz, tamin'ny fanombohan'ny taonjato faharoa amin'ny silamo (719-722). Na iznay aza dia tsara ny manamarika fa efa nisy hadita nangonina tanaty boky efa niparitaka am-bava. Ny ankamaroany dia efa voanona tao anaty fanangonana manokana.

Ny ankamaroan'ny Arabo dia tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Rehefa nanomboka ny faminaniana dia naniry hahay mamaky teny sy manoratra ny silamo ary nampahery azy ireo hanao izany izy. Aza adinoina fa nafahany ny babo an'ady tao Badr izay nahay namaky teny sy nanoratra raha vao nampianatra silamo 10 hamaky teny sy hanoratra fotsiny izy tsirairay avy.101 Nanomboka tamin'ity didy ity ny Fanambarana:

"Vakio, amin'ny anaran'Andriamanitra mpahary, nahary ny olombelona. Vakio! Ambony ny Tomponao, izay nampianatra tamin'ny panina, nampianatra ny olona izay zavatra tsy hainy". (96:1-5)

Na dia teo aza ny maha zava-dehibe ny fahalalana sy ny fahazoana azy dia nanome alalana iro mpanaradia azy hanoratra izay holazainy ankoatra ny faminaniana ny Mpaminany tamin'ny tapany voalohany tamin'ny asany. Ohatra, hoy izy: "Aza soratana izay lazaiko. Raha manoratra zavatra noraisina tamiko ianareo kanefa tsy ao amin'ny CORAN izany dia poteho".102 Tsy tiany hofangaron'ny mpanaradia azy amin'ny andininy ao amin'ny CORAN ny teniny tsotra fotsiny. Mbola teo am-panambarana azy sy ampandraketana azy antaratasy ny CORAN tamin'izany na tamina sominkazo; tsy mbola vita boky izy raha taty aoriana kely.

Fitandramana mazava tsara izany satria te-hahazo antoka tsara izy fa tsy hafangaron'ny taranaka aty afara ny teny nolazainy sy ny tenin'Andriamanitra. Mazava tsara izany ao amin'ny hadita tanterin'I Abou Houraïra:

"Nanatona anay ny irak'Andriamanitra indray andor satria nisy namana nanoratra izay zavatra reny taminy. Nanatratra azy ireo ny irak'Andriamanitra hoe: Fantatrareo va fa diso làlana ny fiarahamonina teo alohanareo satia nanoratra izay tsy hita teo amin'ny bokin'Andriamanitra?"103

Ny antony hafa nahatonga io fandrarana io koa dia satria tonga tamina vanim-potoana miavaka ny fanambarana maro ao amin'ny CORAN. Mazava tsara noho izany ny sasany tamin'izy ireo fa tsy dia mora azo ny hafa. andininy tsy dia mazava loatra no miseho indraindray eo akaikin'ny andininy mazava tsara sy tsy azo esorina. Satria tsy nitsaha-nivoatra ny fiarahamonina silamo ka misy didy hafa tonga hanoloana ny sasany teo aloha.

Noho ny anton-javatra maro sany hafa dia niteny tamina karazan'olona maro tsy mitovy fomba fihevitra sy fatra-pahatakarana ny Mpaminany, teo koa ireo silamo vaovao sy silamo tranainy. Ohatra, raha manontany ny silamo vaovao hoe inona no asa mendrika indrindra dia namaly izy hoe ny finoana sy ny fampiharana ny fivavahana mahazatra indrimy isanandro. Tamin'ny fotoana nahatonga ny Jiady ho laharam-pahamehana anefa dia nilaza izy fa ny Jiady eny an-dàlan'Andriamanitra. Fanampiny, satria ny finoana silamo dia mety amin'ny fotoana rehetra sy ho an'ny vahoaka rehetra ka matetika izy no mampiasa sarinteny, fampitahana, parabola sy filazan-javatra tsy ara-bakiteny.ireo anton-javatra ireo sy ny hafa tsy voalaza eto no nahatonga azy handrara ny fanoratana ny teny nambarany. Raha nanangona ny lisitry ny teniny avokoa ny olon-drehetra ka tsy mahay manavaka ny manana hevitra mazava sy ny miafina ao anaty sarisary, ny azo tsapain-tànana sy ny tsy hita maso, ny foanana sy ny mpanafoana, ny ankapobeny amin'ny antsipirihany sy araka ny toe-java-mitranga dia mety hisy korontana sy zavatra tsy ampoizina mitranga. Izany no nahatonga an'I Omar hananatra ny olona matetika tsy hitantara hadita anjambany fotsiny.

Na dia izany aza dia nahitana hadita maro ihany nanomezan'ny irak'Andriamanitra alalana ireo mpanaradia azy handrakitra an-tsoratra ny teniny. Tonga mantsy ny fotoana hananan'izy ireo fahamatorana ara-tsaina sy ara-panahy ilaina ahafahana manavaka ny CORAN sy ny hadita. Noho izany afaka mametraka fahamalinana izy tsirairay avy sy mahatsapa ny toe-javatra mifamatotra amin'ny hadita tsirairay avy. Izany no nandrisihan'ny irak'Andriamanitra azy ireo hanoratra ny hadita taty afara.

Hoy ny filazan'I Abou Houraïra: "Tsy nisy mpanaradia ny mpa mitatitra hadita maro noho ny tenako afa tsy I Abd Allah ben‛Amri satria izy nanoratra [ny hadita] fa izaho kosa tsy nanoratra".104 Milaza I Abd Allah fa nosoratany avokoa izay reny tamin'ny irak'Andriamanitra.

Ny olona sasany niteny taminy hoe: "Raisinao an-tsoratra avokoa izay rehetra nivoaka amin'ny vavan'ny Mpaminany. Olombelona anie izy e, tezitra izy indraindray ary faly koa indraindray". Nanankina ny asa tamin'ny irak'Andriamanitra I Abd Allah ary nasehony ny vavany voatso-drano sady niteny izy hoe: "Soraty satria milokaloka amin'ny tompon'ny fanahiko eo ampelatànany aho fa tsy misy afa tsy ny marina no mivoaka avy eto".105

Na faly izy na tezitra, tsy mba "manonona na inona na inona noho ny firehetana ao anaty ny irak'Andriamanitra afa tsy izay nambar taminy ihany" (53:3-4). Satria ny teniny sy ny asany tsirairay dia misy an-tsoratra. Nanatanteraka izany asa masina ziany ireo mpanaradia azy na tamin'ny alalan'ny fitadidiana na tamin'ny fandraketana an-tsoratra ziay reny sy hitany. Ireny endri-javatra sy karazany tsirairay ireny dia niampita tamin'ny antsipirihany tamin'ny taranaka mifandimby. Izany no tsy maintsy hankatoavantsika ny mpanaradia sy ireo taranaka voalohany na faharoa nandimby azy, indrindra fa ireo tradisionista izay nanoratra sy nampita ny asany sy ny teniny.

Indray andro nisy nitaraina tamin'ny Mpaminany: "Ry irak'Andriamanitra, miandrandra zavatra maro avy aminao izahay. Tsy takatry ny sainay anefa ny ankamaroany satria tsy tadidinay izy ireny". Hoy ny naalin'ny irak'Andriamanitra: "Mangataka fanampiana amin'ny tananao havanana".106 Amin'ny teny hafa, soraty izay henonao. Rehefa nangataka tamin'ny irak'Andriamanitra I Rafi‛ ibn Khadij raha afaka manoratra izay reny aminy dia niteny izy fa azony atao iznay.107 Tanterin'I Sona amin'I ad-Darimi fa manoro hevitra toy izao ny irak'Andriamanitra:

"Tehirizo an-tsoratra ny fahalalana".108 Nanao toriteny ny irak'Andriamanitra tamin'ny fanafiana an'I La Mecque. Nitsangana ilay Temenita iray antsoina hoe Abou Shah ary niteny hoe: "Ry irak'Andriamanitra, soraty ho ahy izany teninao izany raha sitrakao". Nandidy ny irak'Andriamanitra fa ho vita iznay.109

Nisy ravi-taratasy nafatotr'I Ali teo amin'ny sabany izay ahitana ny hadita mikasika ny vidin'ny rà aloha amin'ny ratra sy ny fanamasinana an'I Medina. Hoy aho indray maka tamin'I Ali: "Manan-javatra hafa voasoratra afa tsy ny CORAN va ianao?" Tsia hoy izy namaly zavatra miavaka noho ny fahatsapana nomena ny olon-drehetra notsoahana tao amin'ny bokin'Andriamanitra no ato amin'ity ravina ity. Ary inona no ao anatin'io ravina io? Izay milaza ny vidin-drà, amin'ny fanafahana ireo babo".110 Namela rameva feno oky ahitana izay henony tamin'ny Mpaminany sy tamin'ny mpanaradia hafa teo aoriany I Ibn Abbas.111 Nandefa taratasy tamin'I Amr ibn Hazina ny irak'Andriamanitra izay nilazalaza ny vidin-drà amin'ny famonoan'olona sy ny fandratrana sy ny lalàna mikasika ny sazy tokony hifanaraka amin'ny heloka vita.112 Nampitaina tamin'I Abou Bakr ibn Muhammad zafindohaliny io taratasy io.

Toy izany koa, nisy tahirintsoratra nomen'ny irak'Andriamanitra an'I Abou Rafi‛ nampitainy tamin'I Abou Bakr ibn Abd ar-Rahman ibn Harith, iray tamin'ny Tabi‛nu.113 Manam-pahaizana iray lehibe tamin'iny faritra iny I Mujahid ibn Jabr nahita ny angon-tsoratr'I Abd Allah ibn Amr, "As-sahijatu as-Sadiqa". Nanoratra I Ibn Athir, mpahay tantara nihorehana fa nahitana hadita 1000 tao ary ny antsasany dia oatatitra ao amin'ny bokin'hadita tena marina ary nampita tamin'I Amr ibn Shu‛ayb avy amin'ny rainy sy ny raibeny.

Namela boky goavana ahitana izay norenesiny tamin'ny Mpaminany koa I Jabir ibn And Allah al-Ausari.114 Ny "As-Sahifaty as-Sahiha" dia loahranon'hadita manana ny maha izy azy hatrany amboalohany ihany koa. I Hummam ibn Munabbih nanangona ny zavatra voalazan'I Abou Houraïra dia nanaraka azy tamin'izay toerana nandehanany rehetra ary nanoratra ny teny faminaniana izay notanteriny. Navoakan'I Muhammad Hamidullah io avy eo tamin'ny tady nanaovana ny fanadihadiana ny "CARBONE 14", taonjato 13 na 14 talohany. Ny hadita hita ao anatiny dia saika hita ao amin'ny "Musad ibn Hanbal" na ao amin'ny "Sahihayr" an'I Bukhari sy Muslim.

Taorian'io fanangonana voalohany io dia nanapa-kevitra I Omar ibn Abd al-Aziz, kalifa nanjaka taona 719 hatramin'ny 722 fa ny hadita rehetra na voasoratra na tsy voasoratra dia tsy maintsy angonina anaty boky. Nanendry an'I Abou Bakr ibn Muhammad, governoran'I Medina hanaramaso io asa io izy. I Muhammad ibn Shihab az-Zuhri izay nalaza tamin'ny fahaizany sy ny haranitan-tsainy no nanao ny asa ary nahazo ny voninahitra ho mpanangona ny hadita voalohany indrindra.

Nomem-boninahitra koa anefa ny hafa: Abd al-Malik ibn Abd al-Aziz ibn Jurayj (La Mecque), Sa‛d ibn Abi Aruba (Irak'Andriamanitra), Awza‛I (Damasy) Zayd ibn Qudama sy Sufyan ath-Thawri –Kufa), Hammad ibn Salama (Besra) sy Abd Allah ibn al-Mubarak (Khorasan).

Ny vanim-potoanan'ny fanangonana ara-panjakana dia narahin'ny vanim-potoanan'ny fanasokajiana nataon'ireo tradisionista toandr'I Abou Dawud at-Tayalisi, Musaddad ibn Musrhad, al-Humaydi sy Ahmad ibn Hanbal izay namoaka ny "Musnad"ny'izy ireo. I Abd ar-Razzaq ibn Hamman sy ny hafa nanao ny "Musannafs" ary I Ibn Abi Dhi'b sy Imam Malik nanao ny "Al-Muwattas". Yahya ibn Sa‛id al-Qatan sy Yahya ibn Sa‛id al-Ansari dia tsy maintsy lazaina koa fa anisan'ireo nanana ny maha izy azy tamin'io vanim-potoana io.

Tonga avy eo ny vanim-potoanan'ny tradisionista malaza toandr'I Bukhari, Muslim, Abou Dawud, Nasa'I, Timidhi sy Ibn Maja izay nanao ny boky enina misy ny hadita marina idnrindra, fantatra tsara. Ireo olo-malaza ireo sy ny hafa toan'iYahya ibn Ma‛in dia nampiditra tao amin'ny fanangonany izay hadita noheveriny fa marina taorian'ny fisedrana azy ireny tamin'ny fitsikerana tena enjana. Ohatra, I Imam Bukhari dia nitady sy nikatsaka ny haditan'olona iray fantatra mba ho azo antoka izany. Rehefa hitany mitana satroka hanatona ny soavaliny io olona io, nino izy fa hahatratra azy satria mbola oky tsara, nanontany ilay lehilahy izy raha misy sakafo hoan'ny soavaly ao amin'ilay satroka. Rehefa naheno valiny miiba I Bukhari dia lasa fa tsy nandray ny hadita avy aminy akory.

Aminy, izay mahavita mamitaka biby amin'ny fomba toy izany dia mety handainga na hamitaka olona ihany koa. Toy iznay no tsikera enjana nampiasaina tamin'ny fitsikerana na ahatokisana ny mpitatitra azy na tsia.

Raha atao amin'ny teny fohy, ny "tradition prophétique" (ny hadita) dia na nosoratana na natao an-tadidy fotsiny tamin'ny fotoan'andron'ny mpanaradia. Rehefa tapita ny taonjato silamo voalohany dia nihelim-patrana hatraiza izy ireny, na am-bava na an-tsoratra. Nanome andraikitra hoan'ny manam-pahaizana ambony ny kalifa Omar mba hanangona ara-dalàna ny hadita nanerana ny tanan-dehibe maro. Navahana tamin'ireo notefitefena foana ny hadita tena marina tamin'ny alalan'ny fitandremana lalina sy mason-tsivana henjana. Taorian'ny nanasokahiana azy, ny fanangonana ireny tena azo antoka dia nankinina tamin'ireo tradisionista tena nafana fo tamin'izany fotoana izany.

Nivoaka ny boky vaovao nahitana hadita tena marina taty aoriana kely. Ankoatra izany, nanao tatitra mikasika ny hadita rehetra sy nanoratra angona mikasika ireo mpitatitra azy ireo mpanivana ny hadita fanta-daza toandr'I Ibn Hajar al-Asqalani, Ibn Abd al-Barr, Dhahabi, Ibn al-Jawzi, Zayn ad-Din al-Fraqi.

Noho ny asa tamin-kafanam-po nataon'ireo manam-pahaizana dia tonga tamintsika tamin'ny alalan'ny fampitana azo antoka ny SONA.

Tsy misy olona afkaa hiahiahy io loharano faharoan'ny finoana silamo io izay manakaiky dia manakaiky tanteraka ny CORAN amin'ny fahadiovany sy ny fahamarinany sy ny maha azo antoka azy.


[36] Imam Malik, Muwatta', "Qadar," 3.
[37] Il s'agit des deux ou trois premiers rapporteurs cités dans la chaîne de transmission d'une Tradition.
[38] Bukhari, "'Ilm," 38; Muslim, "Zuhd," 72; Abu Dawud, "'Ilm," 4; Tirmidhi, "Fitan," 70.
[39] Muslim, "Muqaddima," 1.
[40] Bukhari, "Istitaba," 6; Abu Dawud, "Sunna," 28.
[41] Ibn Maja, "Muqaddima," 3.
[42] Bukhari, "'Ilm," 38; Muslim, "Zuhd," 72.
[43] Darimi, "Muqaddima," 25.
[44] Dhahabi, Siyar A'lam an-Nubala', 4:263.
[45] Ibn Maja, "Muqaddima," 3.
[46] Abu Dawud al-Tayalisi, Musnad, 248.
[47] Khatib al-Baghdadi, Al-Kifaya fi 'Ilm ar-Riwaya, 178.
[48] Bukhari, "Da'awat," 6.
[49] Un Prophète est celui qui reçoit une révélation divine mais à qui il n'est pas accordé de Livre, et il suit donc la voie d'un Messager précédent. Un Messager est celui souvent qui reçoit un Livre ou des Feuillets et apporte une voie à suivre. (Tr.)
[50] Darimi, "Muqaddima," 51.
[51] Tirmidhi, "Fara'idh," 10.
[52] Bukhari, "'Ilm," 36, "Tefsir al-inchiqâq verset 8", 84; Muslim, "Janna," 79.
[53] Bukhari, "Khusuma," 4; Muslim, "Musafirin," 270; Abu Dawud, "Witr," 22. Certains mots du Coran peuvent être prononcés avec une légère différence. Par exemple, dans Surat al-Fatiha, le mot Mâlik peut aussi être prononcé comme Melik avec guère de différence de sens. Un autre exemple, le mot heyte dans 12:23 peut aussi être prononcé comme hîte avec aucune différence de sens. Il ne s'agit que d'une différence d'accent. (Tr.)
[54] Muslim, "Birr," 58.
[55] Khatib al-Baghdadi, "Ar-Rihla fi Talab al-Hadith," 118-24.
[56] Ibn Sa'd, Tabaqat, 3:178; Bukhari, Al-Adab al-Mufrad, 337.
[57] Al-Baghdadi, "Ar-Rihla fi Talab al-Hadith," 78; Ibn Maja, "Muqaddima," 17.
[58] Khatib al-Baghdadi, Al-Kifaya fi 'Ilm ar-Riwaya, 178.
[59] Les Ahl as-Sunna wa al-Jama'a (les gens de la Sounna et de la Communauté) forment la grande majorité des musulmans qui suivent la voie du Prophète et des Compagnons. Plusieurs factions diffèrent d'eux pour certains sujets se rapportant à la croyance (comme les Mu'tazila et les Jabriya) ou au rôle des Compagnons dans la religion (comme les Kharijites et les Chiites), en partie à cause de tendances politiques et en partie parce qu'ils furent influencés par des philosophies anciennes. (Tr.)
[60] Muslim, "Muqaddima," 5.
[61] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna Qabl at-Tadwin, 178.
[62] Muslim, "Muqaddima," 5.
[63] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna Qabl at-Tadwin, 222.
[64] Ibid., 229.
[65] Muslim, "Muqaddima," 5.
[66] Ibn Hajar, Tahdhib at-Tahdhib, 5:176; Dhahabi, Mizan al-I'tidal, 2:401.
[67] Ibn Hajar, Tahdhib at-Tahdhib, 6:84.
[68] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna Qabl at-Tadwin, 229.
[69] Ibid., 234.
[70] Ibn Salah, 'Ulum al-Hadith, 389.
[71] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 1:132; 'Ali al-Qari, "Al-Asrar al-Marfu'a," 269.
[72] Ibn Hajar, Tahdhib at-Tahdhib, 9:49.
[73] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 1:33.
[74] Ibid., 1:36.
[75] Ibid., 1:43.
[76] Ibid., 2:340.
[77] Muslim, "Tahara," 1; Tirmidhi, "Da'awat," 86.
[78] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 1:299; Daylami, Musnad al-Firdaws, 56.
[79] Abu Dawud, "'Ilm," 1; Tirmidhi, "'Ilm," 19.
[80] Bukhari, "Tafsir," 48/3; "Buyu'," 50; Darimi, "Muqaddima," 2.
[81] Bukhari, "Istisqa'," 3; "Fadha'il al-Ashab," 11.
[82] Bukhari, "Istisqa'," 14; Abu Dawud, "Istisqa'," 2; Ibn Maja, "Iqama," 154.
[83] Ibn Maja, "Iqama," 189; Tirmidhi, "Da'awat," 118.
[84] Muslim, "Tahara," 91; Bukhari, "Wudhu'," 33; Abu Dawud, "Tahara," 37.
[85] Bukhari, "Tib," 58; Abu Dawud, "At'ima," 48; Ibn Maja, "Tib," 31; Darimi, "At'ima," 12.
[86] Bukhari, "Al-Salat fi Masjid Makka," 1; Muslim, "Hajj," 511; Tirmidhi, "Salat," 126.
[87] Muslim, "Hajj," 510; Bukhari, "Masjid Makka," 1; Nasa'i, "Manasik," 124.
[88] Muslim, "'Imara," 170; Bukhari, "I'tisam," 10; Abu Dawud, "Fitan," 1.
[89] Abu Dawud, "Tahara," 50; Bukhari, "Wudhu'," 26; Muslim, "Tahara," 87-88.
[90] Muslim, "Fitan," 119; Abu Dawud, "Malahim," 15; Ibn Maja, "Fitan," 33.
[91] Bukhari, "Salat," 1; Nasa'i, "Salat," 1; Muslim, "Iman," 263; Ibn Maja, "Iqama," 194.
[92] Muslim, "Fitan," 25.
[93] Ibn Hanbal, 1:210.
[94] Sarakhsi, Muqaddima li-Usul as-Sarakhsi, 5.
[95] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna qabl at-Tadwin, 150-51.
[96] Ibn Athir, Usd al-Ghaba, 7:90. Cette femme bénie trouva huit erreurs linguistiques ou poétiques dans une strophe de Hassan ibn Thabit, un célèbre Compagnon et poète. Après la Révélation, elle abandonna la poésie et se concentra sur le Coran et le Hadith.
[97] Ibn Hanbal, 5:186.
[98] Ibn Hajar, al-Hady as-Sari', 487.
[99] Dhahabi, Tadhkirat al-Huffaz, 2:556.
[100] Ibn Hajar, Tahdhib at-Tahdhib, 9:52.
[101] Ibn Sa'd, Tabaqat, 2:22.
[102] Muslim, "Zuhd," 72; Darimi, "Muqaddima," 42.
[103] Khatib al-Baghdadi, Taqyid al-'Ilm, 34.
[104] Bukhari, "'Ilm," 39.
[105] Abu Dawud, "'Ilm," 3; Ibn Hanbal, 2:162; Darimi, "Muqaddima," 43.
[106] Tirmidhi, "'Ilm," 12.
[107] Hindi, Kanz al-'Ummal, 10:232.
[108] Darimi, "Muqaddima," 43.
[109] Abu Dawud, "'Ilm," 3; Tirmidhi, "'Ilm," 12.
[110] Bukhari, "'Ilm," 39; Ibn Hanbal, 1:100.
[111] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna qabl at-Tadwin, 352.
[112] Darimi, "Diyat," 12.
[113] Khatib al-Baghdadi, "Al-Kifaya," 330.
[114] Ibn Sa'd, 7:2; Khatib al-Baghdadi, "Al-Kifaya," 354.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.