Mba Ho Vavolombelon'andriamanitra

Nalefa ihany koa ny Mpaminany mba tsy ahafahan’ny olona miala tsiny amn tsy fahafantarany rehefa any ankoatra. Hoy Andriamanitra amin’izany: «Amin’ny maha mpitondra hafatra, mpanambara sy mpananatra, tsy misy fialantsiny hoentin’ny olona eo anoloan’Andriamanitra intsony aorian’ny fahatongavan’ny Mpaminany» (4:165).

Nahazo fitarihana marina avy amn Mpaminany ny zanak’olombelona izay nanaraka mpitarika nandiso làlana azy maro nifandimby. Nohariana hanao asa manokana ny mpanompo an’Andriamanitra. Efa Mpaminany hatrany ankibon-dreniny izy ireo, nahagaga ny fahaterahany. Toy ny rindram-peo mahafinaritra ny fiainany, tena mirindra sy marin-drano. Toy ny feon-kira malefaka miantefa any anaty fanahy ny teniny.

Mihaino azy ny zavaboary rehetra na ny miaina na ny tsy miaina. Miarahaba ny mpam ny vato aman-kazo ary miarahaba azy ireo koa izy. Hoy I Busiri ao amin’ny Qasidat al-Burda malazany: “Mamaly ny antsony eo ampandohalehana ny hazo. Manatona azy ny hazo rehefa antsoiny. Misy dikany aminy avokoa ny zavatra rehetra na dia ny tsy manana aina aza, ary manjary tontolo tsara ny korontam-piainana, ary ny zavatra rehetra nanjary lela nidera sy nanome voninahitra an’Andriamanitra: “Ary tsy nisy tsy nankalaza ny voninahiny sy ny fiderana azy. Tsy azonareo fotsiny ny fomba hiderany azy (17:44). Manambara ny fisiany sy maha tokana an’Andriamanitra ny rindram-piainan’ny tontolo rehetra. Tsy misy noariana ho tsinontsinona sy tsy misy tanjona: “Mihevitra va ny olombelona fa havela fotsiny amin’izao tsy misy fanerena handinika ny manodidina azy? (75:36).

Raha tsy nirahina ny mpaminany dia afaka niaro tena sy naneho fialantsiny amin’ny sazy any ankoatra isika. Hoy anefa ny CORAN: “Tsy ho saziana alohan’ny hahatongavan’ny irak’Andriamanitra isika (17:15). Tsy maintsy nandefa ireo mpaminany Andriamanitra mba ahafahan’ny olona manavaka ny ratsy sy ny tsara. Izany no tsy ahafahan’ny olona manambara ny tsy fahalalany ho fialantsiny intsony mba hiarovany tena amin’ny andro farany fitsarana.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.