Ireo Mpanaradia

Ireo olona ireo no nanamboatra ny làlana madio voalohany sy voatsodrano indrindra, tamin'izy ireo no nanapariahana ny CORAN sy ny SONA, izy no nampihelipatrana azy. Andriamanitra no mendri-pitokisana indrindra sy mpanome fahatokisana. Faritan'ny CORAN ho nomena hery lehibe indrindra ny Arakanjely Gabriely, nanaiky sy mendri-pitokisana (80:20-21). Fantatra tamin'ny fahitsiany ny Mpaminany Mohammed.

Nankinina tamin'ireo mpanaradia ny CORAN, izy ireo no nitadidy azy sy nandrakitra azy an-tsoratra ma ho azo ampitaina. Io fiarahamonina voatso-drano sy deraina ao amin'ny Torah sy ny Evanjely io no fahamarinana mendrika hita vatana,tsy nikatsaka afa tsy ny fankatoavan'Andriamanitra koa izy. Ankoatry ny CORAN di nanangona ny SONA koa izy, niaina tamin'ny fiainana nanara-dalàna araka izay azony natao mba hanahafana ny Mpaminany ary nanao ny ezaka araka izay vitany ka naneho ireny sy hampita azy amin'ny fahamarinany tsy hanampiana tsy hanalana.

Araka ny voalazan'i Ibn Hajar al-Asqalavi dia faritan'ny manam-pahaizana ho mpanaradia « ny mpino nahita sy nandre ny Irak'Andriamanitra farafaharatsiny indray mandeha ary maty teo ampototry ny finoana ».1 Na dia nilaza aza ny manam-pahaizana sasany fa ny « mpanaradia » mahery dia tsy maintsy niaina iray na roa taona tamin'ny ekipan'ny Mpaminany dia mihevitra ny ankamaroan'ny manam-pahaizana fa ampy ny fidirana ao amin'ny tontolony voatso-drano naharitra ela na afaka nahazo tombontsoa tao.

Miovaova araka ny laharany sy ny habeny ny mpanaradia. Nisy ireo avy dia nino ny irak'Andriamanitra raha vao nahita azy voalohany ary nitohy hatramin'ny andro fahafatesany ny fiovana. Sokajian'ny CORAN arakaraky ny haavon'ny finoany izy ireo sy ny fivadihany tafara na talohan'ny fahzoana an'I La Mecque. (9:100; 57:10)

Fanasokajiana toy iznay koa no nataon'ny irak'Andriamanitra. Ohatra nomeny tsiny I Khalid fa naevateva an'I Ammar: "Aza kasikasihana ny mpanaradia ahy".2 Tsy faly tamin'I Omar koa izy rehefa nisintona an'I Abou Bakr izy: "Ahoana no tsy avelanao hanatona ahy ny mpanaadia ahy? Nino ahy avy hatrany I Abou Bakr fa ianareo kosa mbola nandà ahy".

Nandohalika I Abou Bakr ary nanazava hoe: "Fahadisoako izany ry irak'Andriamanitra".3

Nosokajian'ny Hakim tao anatin'ny laharana 12 izy ireo ary ny ankamaroan'ny manam-pahaizana dia nanaiky io fanasokajiana nataony io:

  • Ireo kalifa efatra voatarika tsara –Abou Bakr, Omar, Othman, sy Ali) ary ireo folo hafa nahazo fampanantenana fahavelony fa hiditra any am-Paradisa (Zubay ibn al-Awwam, Abou Ubayda ibn al-Jarrah, Abd ar-Rahman ibn Awf, Talha ibn Ubayd Allah, Sa‛d ibn Abi Waqqas sy Sa‛id in Zayd).
  • Ireo izay nino talohan'ny fivadihan'I Omar ary izay nihaona mangina tao amin'ny trano ARqam mba hihaino ny irak'Andriamanitra.
  • Ireo nifindramonina tany Abisinia.
  • Ireo mpanavotra (ny Ansara) izay nifanolotànana tamin'ny irak'Andriamanitra tao al-Aqaba.
  • Ireo mpanavotra nifanome tànana tamin'ny iral tao al-Aqaba tamin'ny taona manaraka.
  • Ireo mpifindramonina nanaraka ny Mpaminany nandritry ny Hezira talohan'ny nahatongavany tao Medina Quba izay nijanonany fotoana fohy.
  • Ny mpanaradia niady tao Badr.
  • Ireo izay nifindra monina tao Medina teo anelanelan'ny ady tao Badr sy ny fifanarahana tao Houdaïbiya.
  • Ireo mpanaradia nilokaloka fa hifanome tànana nandritry ny ady tao Houdaïbia, teo ambody hazo.
  • Ireo izay nivadika ho silamo ka nifindra monina tany Medina taorian'ny fifanarahana tao Houdaïbiya.
  • Ireo nivadika ho silamo taorian'ny fanafihana an'I La Mecque.
  • Ny zaza izay niaina teny akaikin'ny toerana nisy ny Mpaminany taorian'ny fanafihana an'I La Mecque.

Ny manam-pahaizana ambony indrindra silamo izay nazavain'ny siansa, ny siany sy nazavain'ny fahalalana ara-pivavahana sy tamin'ny fampiharana ny fanahiny dia miray hevitra amin'ny filazana fa ireo Mpaminany no olombelona ambony indrindra teo amin'ny fiarahamonin'ny olombelona. Taoriana kelin'izany dia tonga ireo mpanaradia ny Mpaminany farany, izy no Mpaminany lehibe indrina.

Na dia teo aza ireo mpanaradia sasany afaka nitovy laharana tamin'ny Mpaminany teo aloha noho ny fahamarinany manokana dia tsy misy afaka mitovy laharana amin'ny Mpaminany teo laoha izy ireo amin'ny ankapobeny. Ny sasany tamin'ireo masina lehibe sy manam-pahaizana dia afaka nifaninana na nihoatra ny mpanaradia hafa noho ny fahamarinany manokana. Na dia ny mpanaradia ambany laharana indrindra toan'I Wahshi (namono an'I Hamza) aza anefa dia lehibe ihany amin'ny ankapobeny noho ireo izay tonga taorian'ny mpanaradia. Ireo manam-pahaizana silamo rehetra sy ireo tradisionista sy ny teolohianina sy ny masina dia miombon-kevitra amin'io fomba fijery io.


[1] Ibn Hajar, Al-Isaba, 1:7.
[2] Ibn Athir, Usd al-Ghaba, 4:132.
[3] Bukhari, "Tafsir," 7:3.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.