Nandrasana Ny Mpaminany

Ny Torah sy ny Salamo

Indray andro nisy olona iray nangataka tamin'ny irak'Andriamanitra mba hampahafantatra ny tenany. Ary hoy izy: "Izaho no ilay nivavahan'I Abraham any fahatongavany ary noho izy no nanambaran'I Jesoa ny vaovao mahafaly".6 Manamafy ity andininy ao amin'ny CORAN ity izany:

(Nivavaka I Abrahama): Ry Tomponay! Aminao ny iray aminy ho mpitondra hafatra amin'izy ireo, mba lilaza aminy ny teninao sy hampianatra azy ny boky sy ny fahendrena ary hanadio azy. Satria ianao no ambony indrindra sy Hendry! (2:129).

Ary rehefa nilaza I Jesoa zanak'I Maria hoe: "Ry zanak'Israely, izaho no tena irak'Andriamanitra aminareo, mpanamafy ny voalazan'ny Torah, dia ny teo alohako, ary mpilaza ilay iraka iray aoriako ka ny anarany dia: "Ahmad". (61:6).

Tena nandrasana ny irak'Andriamanitra; nilaza azy ny mpaminany rehetra teo aloha ary efa nahafantatra ny fiaviany. Ny CORAN (3:81) dia manazava tsarafa to amin'ny fifanarahana nataon'Andriamanitra sy ny mpaminany no naneken'izyireo sy hinoany ary hanampiany ny Mpaminany izay ho avy ao afarany sy hanamafy ny hafatra napetrany.7

Ireo voalazan'ny Torah sy ny Evanjely ary ny Salamo dia ahitana andininy milaza an'I Mohammed sy ireo mpanaradia azy. Nanavaka 114 tamin'ireo filazana ireo I Husayn Jisri (efa maty) ary notantarainy tao amin'ny bokiny "Risalat al-Hamidiya" izany. Misy ohatra amin'izany holazaintsika eto ary atomboka amin'ny hoe: "Ho avy any Sinay amin'izy ireo ny Tompo, hipoitra avy eny amin'ny faravodilanitra akaikin'I Séïr, mamirapiratra hatrany amin'ny tendrombohitr'I Parân" (Deuteronome 33:2).

Mifanaraka amin'ny faminanian'I Moizy io andininy io ary ny an'I Jesoa sy Mohammed. I Sinay dia toerana niresahan'ny Mpaminany Moizy tamin'Andriamanitra sy nandraisany ny Torah. I Séïr indray dia toerana nandraisan'I Jesoa ny fanambaran'Andriamanitra, any Palestina. I Parân indray no toerana nisehoan'Andriamanitra farany tamin'ny olombelona tamin'ny alalan'ny fanambarany tamin'I Mpaminany Mohammed.

Tangoron-tendrombohitra any La Mecque I Parân; io no tany hevitra voalaza ao amin'ny Torah (Jenezy 21:19-21) fa toeraa nanarian'i abrahama an'i Hagara vadiny izay niara niaina tamin'i Ismaela zanany lahy tao. Any no misy an'ilay lavadrano malaza antsoina hoe Zamzam; hoy ny voalazan'ny CORAN (14:35-37): narian'I Abrahama tany andohasahan'I La Mecque I Hagara sy Ismaela, io toerana io dia tsy ahitana mponina, ao anelanelan'ny tangoron-tendrombohitra Parân.

Noho ny faminaniana mazava ao amin'ny Torah no nahatonga ny Jody hiandry ny mpaminany farany ary fantany fa hiseho avy any La Mecque izany.

Ny andininy ao amin'ny Deotoronomia araka ny soratra arabo navoaka tany Londre ny taona 1944 dia manohy hoe: "Tonga niaraka amin'ny olo-masina tsy hita isa izy; famaky lelaroa mitarehinafo no eny an-tànany havanana". Fanamafisana izany fa ny mpaminany dia hanana mpanaradia maro sy masina indrindra ary hanana fahefana sy baiko heady amin'ny fahavalony.

Ity andininy manaraka ity koa dia mbola milaza ny fiaviany:

Ary ny tompo nilaza tamiko [Moizy]: "Tsara ny nilazany izany. Mpaminany toa anao no hatsangako amin'ny zanak'izy ireo; ho ataoko ao an-tavany ny teniko, ary hilaza amin'izy ireo izay handidiako azy izy. Ary raha misy tsy mihaino ny teniko, ireo izay lazain'ny Mpaminany amin'ny anarako, hanadinako azy izany" (Deotoronomia 18:17-19).

Mazava tsara ao amin'io andininy io "mpaminany toa anao no hatsangako amin'ny zanak'izy ireo", midika fa io mpaminany uio dia avy amin'ny taranak'I Ismaela satria I Ismaela no rahalahin'I Isaka, razamben'ny taranak'Israely.

I Mohammed no mpaminany tokana taorian'I Moizy nanana toetra nitovitovy taminy (ohatra: nitondra lalàna vaovao sy niady tamin'ny fahavalo). Manamarina izany ny CORAN: "Handefasanay mpaminany ho vavolomeblonareo ianareo, tahaka ny efa nandefasanay mpitondra hafatra tamin'I Farao (73:15)".

Lazaina ihany koa fa I Abd Allah ibn ‛Amr, mpampihavana lehibe iray izay notoron'ny mpaminany hevitra mba tsy hanao ambanin-javatra ny fiombonany amin'ny vadiny sy tsy hifady anina afa tsy indray andro ao anatin'ny andro roa dia niteny- toy izao: "Ny vondrom-pivavahana rehetra nisy teo aloha dia samy nahalala fa handefa mpaminany vaovao hoan'ny zanak'olombelona Andriamanitra mba hitondra ny vaovao mahafaly sy hananatra azy ireo. Novakiako tao amin'ny Torah ny andininy mikasika izany:

"Ry mpaminany! Nalefanay ho mpitondra ny vaovao mahafaly ho an'ny olombelona ianao sy ho mpananatra azy ary ho fialofana sy ho fiankinan'ny vahoaka. Ianao no mpanompo ahy sy irako. Antsoiko hoe Moutawakkil ianao [Izay mahatoky an'Andriamanitra]. Tsy mpiteny ratsy izy, tsy mpanositosika, tsy mora tezitra, ary tsy mpitabataba any an-dalambe, tsy mamaly ratsy ny ratsy izy fa mamela heloka sy miala tsiny. Tsy ho alan'Andriamanitra aminy ny fanahiny alohan'ny hanangonany ireo firenena diso lalana handeha amin'ny lala-mahitsy amin'ny fanambarana fa tsy misy faminaniana ankoatran'Andriamanitra".8

Nohamafisin'I Abd Allah ibn Salam sy I Ka‛b-al Ahbar, manampahaizana lehibe indrindra tao amin'ny fiarahamonin'ny Jody tamin'ny andron'ny mpaminany, izany fitantanana izany. Lasa silamo izy roa ireo taty aoriana.

Ahitana andininy milaza an'I Mohammed ihany koa ao amin'ny salamo nataon'I Davida:

"Hifehy ny ranomasina rehetra izy sy ny renirano hatrany amin'ny faran'ny tany! handoalika eo anatrehany ny mpifindra monina, hihinam-bovoka ny fahavalony. Hanolotra fanomezana ho azy ny Mpanjakan'I Tharsis sy ny an'ny tany rehetra. Handoalika eo anatrehany ny mpanjaka rehetra ary hanompo azy ny firenena manontolo. Eny hanafaka ny mahantra mitaraina sy ny malahelo tsy manam-piahy izy. Ho jereny manokana ny mahantra sy ny osa ary ho avotany ny fiainan'ny mahantra: ho arovany amin'ny herisetra sy ny tsy rariny izy ireny, homeny vidiny ny fiainany. Ho velona izy: ar omena ny volamenan'I Saba, hanaovana tonombavaka tsy miato izy, ho tsofindrano mandrakariva! ho eto an-tany hatrany amin'ny tampon-tendrombohitra ny saba midadasika ahitana salohy milonjehitra toy ny livbana sy ny vanilla, tsy ahitana afa tsy firenena maintso mavana. Ho mandrakizay ny anarany, ho zarazarainy eto ambany masoandro mba hifampitsofan'ny tsirairay rano amin'ny fiantsoany azy ary ny firenna rehetra hilaza fa olon-tsambatra izy (Salamo 72:8-17).

Ny Evanjely (Filazantsara)

Maro kokoa noho ny an'ireo mpaminany hafa ny fiverimberenana sy ny fanamafisan'I Jesoa ny filazana an'I Mohammed. Maneho ny fiaviany amin'ny alalan'ny fampiasana anarana maro samy hafa I Jesoa ao amin'ny evanjelin'I Joany.

"Tombotsoa ho anareo ny fandehanako, tsy hoavy aminareo ny paradise raha tsy mandeha aho; fa raha mandeha kosa aho ho alefako aminareo izany. Ary amin'ny fihaviany ho hita eto an-tany ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana" (Joany 16:7-8).

Ambara ho toy ny "Paraclet" ny mpaminany Mohammed eto. Io teny grika io dia midika hoe "Izay manavaka ny marina sy ny diso" sy "izay deraina indrindra". Manome hevitra maro izany ireo mpandinika soratra masina kridtianina, toy ny hoe "ny mpanolotsaina" (hevi-baobao iraisam-pirenena nataon'ny "International Bible Society" na ilay mpampionona (The Company of the Holy Bible), ary manamafy izy ireo fa toy ny Fanahy Masina izany. Fa tsy mbola afaka namaritra na oviana na oviana kosa izyireo rah any Fanahy Masina no tonga talohan'I Jesoa ary hoe nanao izay noheverin'I Jesoa ho ataony ve izy.

Raha ny arkanjely Gabriely no Fanahy Masina, tonga imbetsaka tamin'ny Mpaminany Mohammed izy mba hitondra ny fanambarana avy amin'Andriamanitra; izy koa no nambaran'I Jesoa sy nolazainy fa "Paraclet" tamin'ny anarana hafa kanefa asa iray ihany no nosahanin'ny toy izao hita manaraka izao:

"Rehefa tong any "Paraclet" izay alefako aminareo avy amin'Andriamanitra, ny fanahin'ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, ho vavolombeloko izy" (Joany 15:26).

"Mbola manan-javatra ho lazaina aminareo aho kanefa tsy ho afaka hizaka izany ianareo ankehitriny: rehefa tonga anefa ny Fanahy fahamarinana dia ho aminareo ny fahamarinana rehetra. Satria tsy hanary ny lehibeny izy fa lilaza izay henony ary anambara aminareo izay ho avy rehetra. Hanome voninahitra ahy izy satria nandray ny avy amiko ary hampita izany aminareo (Joany 16:12-14).

"Tsy ho ela dia tsy hiaraka aminareo intsony aho fa ho avy ny mpanjakan'ity tontolo ity. Marina, tsy hananako fahefana akory izy." (Joany 14:30)

Iza no ankoatran'ny mpaminany Mohammed tonga taorian'I Jesoa ho mpampionona izay nampahery ny zanak'olombelona manoloana ny fahafatesana, ny fanahiana ny ho avy sy ny fanahy ratsy? ho tohana nanampy ny zanak'olombelona hanatratra ny fandriampahalemana sy ny fiadanana marina ao amin'ny tontolo roa? ho mpanjakan'izao tontolo izao izay nanjaka tamin'ny an-tsasaky ny tany manontolo nandritry ny taonjato 14 ary nanjary nankasitrahan'ny olona anapitrisany maro? ho fanahin'ny fahamarinana sy vavolombelon'I Jesoa, nanome voninahitra azy tamin'ny fanambarana ny faminaniany tamin'ny fanoherana ny fanovan'ny Jody sy ny fananganana ny kristianina, ary nitondra ny fivavahany ho amin'ny fahadiovany hatrany ampiandohana tamin'ny alalan'ny boky nomena azy?

Fahadisoana ny an'ny kristianina sasany mampifanohitra an'I Jesoa sy ny mpaminany hafa amin'I Mohammed, amin'ny fisisihany handà azy hatrany kanefa ny ankamaroan'izy ireo (kristianina any Moyen-Orient) dia nino azy nandritry ny folo taona taorian'ny nahafatesany?

Lazain'I Jalal ad-Din ar-Rumi, masina soufi lehibe, amin'ity andalantsoratra manaraka ity ny tena filazan'ny Evanjel ny fihavian'I Mohammed:

"Lazaina ao amin'ny Evanjely amin'ny alalan'ny andraikiny I Moustafa ao aminy no mitoetra ny misiterin'ny mpaminany rehetra;Izy no mpitondra ny fahasambarana.

Milaza azy amin'ny endriny sy ny toetoetrany ny Evanjely, ary koa amin'ny fahamarinany sy ny toetra maha mpaminany azy"

Na dia eo azan y fanahina amin'ny zava-boalazan'ny Testamenta taloha sy Testamenta vaovao ankehitriny dia ahitana mandrakariva ny mikasika ny mpaminany Mohammed ao. Efa nolazaintsika ny sasantsasany tamin'ireny. Raha indray andro any ka hit any dikan'ny Torah sy ny Evanjely mbola tena tany ampiandohana dia ho hita ao mazava ny momban'ny iraka farany. Hazava izany amin'ny alalan'ny hadith izay milaza faho diovina amin'ny zavatra nindraminy ny kristianina.

Maro koa ny hafa niandry ny fiavian'ny Mpaminany

Noho ny hamaroan'ny faminaniana ny fiaviany dia niandry ny mpaminany Mohammed ny olon-drehetra. Nandritra io vanim-potoana maizina teo amin'ny tantara io, niandry izay zavatra hanorotoro ny tsy finoana sy hanome aina vaovao izao tontolo izao ny zanak'olombelona. Tsy nanan-katolotra tamin'izany ny Jodaisma sy ny kristianisma izay fiandohan'ny fivavaha avy amin'Andriamanitra. Ny toandr'I Bahira (mpitokamonina) izay nandinika tsarany boky tranainy tamim-pahamarinana no niandry ampaharetana ny fiaviany;

Maro koa ny mponin'I La Mecque niandry azy. Anisan'ny lehibe indrindra tamin'ireny ry Zaïd ibn ‛Amur, dadatoan'i Omar ibn al-Khattab. Nariany ny fanompoan-tsampy, niaina tamin'ny fiainana madio izy ary niteny tamin'ny olona hoe: «Tsy misy ny tsara ao amin'ny sampy izay tompoinareo. Mahalala fivavahana ho ampianarina afaka fotoana fohy aho ary hiparitaka izany. Ho hita izany afaka taona vitsy monja kanefa tsy fantatro na mbola ho lava elona aho na tsia ho vavolombelon'izany».

Namariparitra ny momban'ilay Mpaminany andrasana I Zaïd araka ny voalazan'I ‛Amr ibn Rabi‛Andriamanitra:"Miandry mpaminany iray efa mby ho tonga aho. Hiseho amin'ny taranak'Israely sy ny zafikelin'I Abd al-Muttalib izy. Tsy dia ranjanana loatra izy, tsy dia lehibe na kely loatra koa. Tsy tsotra tsy ngita ny volony. I Ahmad no anarany. Ao La Mecque izy ary hifindra moninaany Yathrib (Médine) ary ao no hiparitaka ny fivavahany. Nandeha hatraiza hatraiza aho nikatsaka ny fivavahan'I Abrahama. Na izany aza nanolo-kevitra ahy mba hiandry izany ireo manampahaizana sy kristianina Jiosy. Izy no mpaminany farany, tsy hisy mpaminany intsony ho avy aoriany. Mety tsy dia ho ela velona intsony aho hahita azy, mino azy anefa aho".

Rehefa nifarana ny fampidirany dia hoy I Zaïd tamin'I ‛Amr ibn Rabi‛a: "Raha mbola lava velona ianao ka afaka mahita azy, miarabà azy amin'ny anarako"; taona maro no lasa talohan'ny nanambaran'I Mohammed ny faminaniany. Nanambara ny finoany tamin'ny mpaminany I ‛amr ibn Rabi‛a, mitantara izay nolazain'I Zaïd taminy ary nampita ny fiarabany. Nirary soa ho azy koa ny mpaminany ary nanampy hoe: "Hitako ao anatin'ny akanjo fotsy lavany any amparadisai Zaïd".9

Anisan'ireo nitady ny fahamarinana I Waraqa ibn Nawfal, manam-pahaizana kristianina sady anadahin'I Khadija vadin'I Mohammed vy amin-drainy. Nilaza tamin'I Waraq I Khadija rehefa tonga ny fanambarana voalohany. Hoy izy taminy: "Olo-marina I Mohammed. Izay tonga taminy sy hitany dia fiatombohan'ny faminaniana rehetra. Niseho taminy ny anjely Gabriely izay efa niseho tamin'I Moizy sy Jesoa koa. Ho mpaminany I Mohammed. Raha mbola velona aho mba ho vavolombelon'ny fanambarana ny faminaniany dia hinoazy sy hanampy azy"10

I9ray amin'ireo nitady ny mpaminany farany ny Jiosy iray antsoina hoe Abd Allah ibn Salam. Azon'ny Jiosy antoka izy ary ny Jiosy hiantso azy hoe: "Ny tompo, zanaky ny tompo". Ho toan'ny an'ireo mpino lehibe toandr'I Omar sy ry Abou Bakr ny halebeazany. Napetrak'Andriamanitra ao amin'ny CORAN ny vavolombelon'ny finoany ho toy ny an'ny olona rehetra. Ity ny andinny milaza izany:

Lazao: "Ahoana hoy ianareo raha avy amin'Andriamanitra io fanambarana io ary tsy hino azy va ianareo, hanamafy azy ny vavolombelona iray eo amin'ny zanak'Israely (amin'ny Torah) ary hino izay voalaza ao mandrapanosikareo azy amin'ny avonavona… Marina tsy mitaridalana ny olona manao ny tsy marina Andriamanitra" (46-10).

Ireo mpino lehibe ireo dia nilazalaza ny fahitany ny mpaminany:

Rehefa nifindra monina tany Médine ny irak'Andriamanitra dia namangy azy toy ny fanaon'ny olon-drehetra aho. Mipetraka eo afovoan'ny antokon'olona izy ary rehefa niditra aho dia nahare azy niteny hoe: "Omeo sakafo ny hafa ary miarabà azy". Malefaka ny teniny ary mahafinaritra ny tavany ka hoy aho: " Miniana amin'Andriamanitra aho fa tsy mba mandainga ny olona manana endrika toy izao". Tsy ela akory, nambarako taminy ny finoako azy.

Nanaiky ny irak'Andriamanitra ny Jiosy sy ny kristianina tamin'izany fotoana izany. Hoy ny voalazan'ny CORAN "Ho fantatr'izy ireo tahaky ny hahafantarany ny zanany izy" (2:146). Taorian'ny naha mpino azy dia nangataka tamin'I Abd Allah ibn Salam I Omar raha mba mahafantatra ny irak'Andriamanitra izy. "Fantatro izy" hoy I ibn Salam ary nampiany hoe: "Mety mbola hanahiahy ny zanako sy ny fahatokisan'ny vadiko aho kanefa mino tanteraka fa ny irak'Andriamanitra no Mpaminany farany".12

Na dia mahafantatra azy aza ny Jiosy sy ny kristianina dia tsy mino azy ny ankamaroany noho ny fanirian-dratsy sy ny fitsarandisony:

Ary rahoviana vao ho tonga amin'izy ireo avy amin'Andriamanitra ny boky manamafy ireo izay efa ananany –kanefa teo aloha izy nitady ny fahamboniana tamin'ny tsy mpino- rahoviana no ho avy amin'ny tsy mpino anie ny fahatezeran'Andriamanitra". (2:89)

Hoy I Abd Allah ibn Salam tamin'ny irak'Andriamanitra taorian'ny fiovany: "Ry irak'Andriamanitra! afeno amin'ny takona aho, antsoy avy eo ny manam-pahaizana jiosy ao Médine mba ho anontaniana izay heveriny momba ahy sy ny raiko. Mety hahafapo ny valintenin'izy ireo. Avy eo avelao aho hiseho ary hanambara ny fiovako". Neken'ny mpaminany izany tolo-kevitra izany.

Rehefa tafavory ireo manam-pahaizana Jody dia nanontany azy ireo mikasika ahy sy ny raiko ny irak'Andriamanitra, ary namaly izy rehetra hoe anisan'ireo olona manana ny maha izy azy sy manam-pahalalana fatratra eto aminay izy ireo. Ary hoy ny mpaminany: "Ahoana hoy ianareo raha milaza ahy ho mpaminany izy ireo?", "Tsy azo ekena izany" hoy izy ireo namaly. Nivoaka tao amin'ny toerana niafenany niaraka tamin'izay I Ibn Salam ary nanambara ny fiovany, niova hevitra tampoka tamin'izany ireo manampahaizana jiosy ary nilaza hoe: "Ratsy indrindra aminay I Ibn Salam zanaky ny ratsy".13

Ny mpaminany Mohammed no ilay notadiavina tao anatin'ny taonjato maro. Iray tamin'ireo nitady azy I Salam al-Farisi. Avy any Perse izy ary nandao an'I Perse niaviany mba hanomezany fahafaham-po ny hetahetany ny fahamarinana mandrakizay. Niasa tamina mpitokamonina kristianina maro izy alohan'ny nivadihany ho silamo. Nanome ny toroheviny farany ho azy teo amin'ny farafaram-pahafatesany itsy farany:

"Anaka, tsy nisy na iza na iza intsony azoko ampahafantarina anao. Araja uzat bivajuabtsuja tai al bijt abefa dua efa gi avt bt loalubabt farabt. Hoavy miaraka amin'ny finoana toy ny an'I Abrahama izy ary hiseho any amin'ny toerana nifindran'I Abrahama monina. Na izany aza, hifindra any amin'ny toeran-kafa hanorenany fonenana izy. Hisy famantarana mazava mikasika ny mpaminany ao. Ohatra: tsy hihinana zavatra atolotra izy fa tsy handa fanomezana kosa ary ny tombok'avatsan'ny faminaniana dia ho hita eny an-tsorony."

Ankehitriny, aloe I Salam no avela hitantara ny tantara sisa tavela:

"Nanaraka ny laharana mankany amin'ny toerana nolazain'ilay mpitokamonina maty aho. Ary rehefa tonga tany Wadi al-Qura aho dia namidin'izy ireo tsy ny andevo tamina jiosy iray. Rehefa nahita zaridaina feno hazo palma aho dia nino fa nifindra monina amin'io toerana ion y mpaminany. Rehefa niasa tao aho anefa dia ny jiosy hafa iray avy amin'ny fokon'ny Banon Qouraïdha nividy ahy indray ary nentiny tany Médine aho. Nanomboka niasa ho azy tao amin'ny sahany aho. Mbola tsy nisy vaovao nikasika ny irak'Andriamanitra tao tamin'izany. Indray andro anefa rehefa nioty vokatra tao an-tsaha aho dia tonga nidodododo tany amiko ny rahalahin'ny mpampiasa ahy iray. Hoy izy tamim-pahatezerana: "Loza! miriotra mankany Qouba ny olon-drehetra. Misu lehilahy iray avy any La Mecque milaza ho mpaminany tonga ao. Manizingizina izy fa tena mpaminany".

Nangovitry ny fahatairana aho. Nidina teny ambony hazo aho ary nanontany azy hoe: "Inona ity lazainao?". natsikaritra ny fahatairako ny tompoko ary namelaka tehamaina ahy sady nilaza hoe: "Tsy raharahanao izany, ny asanao atao".

Taimn'io andro io ihany, rehefa maty ny masoandro dia lasa nijery azy tany Qouba aho ary nitondra fanomezana ho sakafony. Tsy nikitika azy io ny irak'Andriamanitra fa nilaza izay dikany: "Te hihinana ianareo" ary hoy aho "Ity no famantarana voalohany"; afaka fotoana fohy dia tapakeviotra aho fa hanome fanomezana ho azy. Nekeny izany ary nohaniny niaraka tamin'ny mpiaradia taminy. "Ity no famantarana faharoa" hoy aho.

Indray andro nanatrika fandevenana ny mpanaradia azy izay maty aho; nanakaiky ny irak'Andriamanitra teo amin'ny tany fandevenana aho. Nijanona teo aoriany aho ary nanantena ny hahita ny tombok'avatsan'ny faminaniana teo an-tsorony rehefa avy niarahaa azy. Nianjaka ny sorony ary tena hita teo amin'ny toerana notondroin'ilay mpitokamonina tamiko ny tombok'avatsa. Nanoroka azy aho sady nitomany, avy eo nitantara taminy ny tantarako. Faly dia faly izy ary naniry ny hihainoan'ireo mpanaradia azy izany koa".14

Ny olona izay nitady azy marina dia tsy maintsy hahita azy. Na iza na iza mitady azy marina dia hahita, izy tsy mitady azy koasa fa mety ho entin'ny filan-dratsiny dia ho difotry ny tsy finoana sy ny fiatsaram-belatsiky. Hoy I Mughira ibn Shu‛ba mitantara:

"Niaraka tamin'I Abou Jahl aho tany la Mecque indray andro. Tonga teo aminay ny irak'Andriamanitra ary nanentana anay hanaraka ny finoana silamo. Naneso azy toy izao I Abou Jahk: "Raha manao izany ianao mba ho izahay no ho vaolombelona eo anatrahan'Andriamanitra any ankoatra fa nahatanteraka ny asa faminanianao ianao dia hanao izany izahay. Noho izany, avelao hangina izahay aloha ankehitriny ralehilahy!". Rehefa nandao anay ny irak'Andriamanitra dia nanontany an'I Abou Jahl aho raha manaiky ny faminanian'I Mohammed izy. Eny hoy izy ary nampiany hoe: "Fantatr fa mpaminany tokoa izy, kanefa hiezaka ny hihoatra izany izahay sy ny Hahémite. Nihafokafoka ho mpanome rano sy sakafo ireo mpanao fivahiniana masina izy ireo. Noho izany, raha mieoebo ho manana mpanimany izy ankehitriny, tsy tantiko izany"15

Mampiavaka an'I Abou Jahl taloha sy ankehitriny io karazan-toetre io. Ny olona manan-tsaina izay tsy manao fitsaran-diso ary manan-tsitrapo dia tsy afaka ny tsy hino ny fivavahana silamo sy ny Irak'Andriamanitra. Hoy Andriamanitra amin'ny Iraka masiny manoloana ny toy izany: "Fantatray fa hampalahelo anao izay lazain'izy ireo. Tsy hino anefa izy fa mpandainga ianao, ny famantaran'Andriamanitra anefa no nolaviny ireo tsy marina" (6:33).

Ahoana moa no ahafahan'izy ireo hanameloka azy ho mpandainga, izy izay fantatry ny rehetra amin'ny anarana hoe: Al-Amin (ilay mpilaza ny marina)? I Utha ibn Abi Rabi‛Andriamanitra, isan'ireo fahavalony aza manamarina fan a dia ireo mpankahala azy aza mahafantatra ny fahamarinanany.

Nivory mba niady hevitra amin'izay fonmba hampitsaharana ny fianaky ny finoana silamo ny lehiben'ny Qoraïchites. Nandefa an'I ‛Utba izy ireo ary nanantena azy haharesy lahatra ny irak'Andriamanitra hijanona. Hoy izy: "Ry Mohammed! izy moa no ambony, ianao sa ny rainao?". Tsy namely ny irak'Andriamanitra, tsar any mangina amin'ny fanontaniana tsy mazava. Ary mbola hoy I Utba: "Raha tsara, noho ianao ny rainao, mazava ho azy fa tsy hanaraka ny fivavahana ataonao. Raha mifanohitra amin'izany kosa dia ambony noho ny rainao ianao ary vonona ny hihaino izay nolazainao aho".

Hoy ny mpitondra hafatr'Andriamanitra taminy: "Voalaza avokoa va izay tianao ho lazaina?" Nanaiky I Utba ary nangina; ary nandohalika ny irak'Andriamanitra ary nivavaka ny "sourate fussilat". Rehefa tonga tamin'ny andininy hoe "Raha tsy manaiky izy ireo dia ilazao hoe:"Efa nilaza taminareo tamin'ny varatra toy ny namely ny ‛Aad sy ny Thamud" aho (41:13), dia nangovitra toy ny voan'ny tazo I Utz; tsy maintsy nametraka ny tanany teo amin'ny molotry ny irak'Andriamanitra izy ary nilaza hoe: "Ajanony raha sitrakao! amin'ny anaran'Andriamanitra izay inoanao, ajanony!" Nody tany aminy sady badenina I Utba.

Niandry azy fatratra ireo lehiben'ny Qoraïchite. Natahotra izy ireo sao hanaiky ny finoana silamo I Utba. Nandondona teo ambaravarany I Abou Jahl ary raha vao tafiditra dia nitezitra an'I Utba ary niteny hoe: Andriamanitra henoko fa notambatambazan'I Mohammed ianao ary nomeny sakafo be, ary nino azy ianao ho tambin'izany. Izany no nolazain'ny olona". Namaly tamim-pahatezerana I Utba:

"Fantatrao fa tsy mil any tambitambiny aho. Manankarena noho ianareo rehetra aho. Ny teniny no nanindrona ahy. Tsy tononkalo izany ary tsy misy itovizany akory amin'ny tenin'Andriamanitsika. Tsy fantatro hoe ataoko ahoana ny family azy. Olo-mendrika izy. Rehefa nihaino ny teniny aho dia natahotra izay tonga tamin'ny ‛Aad sy ny Thamud ho tonga amintsika koa"16.

Teo ampiandrasana mpaminany hatramin'ny ela izy ireo. Nahafantatra ny toetran'I Al-Amin avokoa ny olon-drehetra ary tsy nisy mbola naheno azy nandainga. Eo ambany fiahian'ny hatsaran'ny tsy afaka mandre sy ny fiavonavonany sy ny fievoeboany, ny filandratsiny sy ny fanambonin'tenany mba ahafahany manambara ny finoany. Tsy afaka mampifanaraka ny fahazarany sy ny fomba fiainany amin'ny hafatra entiny koa izy ireo. Izany va tsy toy ireo izay mahafantatra ny fahamarinana kanefa mbola mikiribiby ao amin'ny tsy finoana?


[6] Muttaqi al-Hindi, Kanz al-'Ummal, 11:384.
[7] Et lorsque Dieu prit cet engagement des Prophètes: "Chaque fois que Je vous accorderai un Livre et de la Sagesse, et qu'ensuite un messager vous viendra confirmer ce qui est avec vous, vous devez croire en lui, et vous devrez lui porter secours." Il leur dit : "Consentez-vous et acceptez-vous Mon pacte à cette condition?" - "Nous consentons", dirent-ils. "Soyez-en donc témoins, dit Dieu. Et Me voici, avec vous, parmi les témoins. (3:81)
[8] Bukhari, "Tafsir", 48/3; "Buyu'," 50; Ibn Hanbal, 2:174.
[9] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 2:223.
[10] Bukhari, "Bad'u al-Wahy," 3.
[11] Ahmad ibn Hanbal, Musnad, 5:451.
[12] Mukhtasar Tafsir Ibn Kathir, 1:140.
[13] Bukhari, al-Anbiya', "Bab Khalq Adam," 1.
[14] Ibn Hisham, Sira, 1:228-34.
[15] Kanz al-'Ummal, 14:39-40; Ibn Kathir, 3:83.
[16] Ibn Kathir, 3:80-81; Ibn Hisham, 1:313.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.