Ilay Mpaminanin'ny Indrafon'andriamanitra

Efa famindram-po lehibe ny fanomboham-pisiana ary fitiavana tsy mahatonga ny korontana eo amin'ny tontolo. Ny zavatra rehetra dia avy amin'ny fisiana noho ny fitiavana ary noho ny fitiavana no mampitohy ny fisian'ny rehetra.

Ny olon-kendry silamo dia milaza fa ny tontolo dia fofonai'ny fitiavana (Andriamanitra). Raha atao amin'ny teny hafa dia nohariana mba haneho ny anaan'Andriamanitra be fitiavana nyv oary. Miankina amin'io anarana io ny fisiany. Miseho ho toy ny mpahafantatra ny hoavy rehetra aloha io anarana io mba ahafahan'ny voary tsirairay avy ho valona sy hahazo izy ilainy amin'ny fahavelomana.

Ny fiainana no tso-drano lehibe indrindra sy tena mampiseho an'Andriamanitra mahery indridra ary ny fiainana lehibe indrindra sy mandrakizay dia ny any ankoatra. Satria mendrika io fiaianna io isika noho ny indrafon'Andriamanitra, dia nandefasany Mpaminany sy Soratra masina avy amin'ny fitiavany hoan'ny olon-drehetra. Izany antony izany no anehoana ny fanoemzany manoloana ny olona ao amin'ny Sorta "Ar-Rahman" (Ilay tena Mpamindra fo), Hoy ny fanombohany: "Ar-Rahman". "Nampianatra ny CORAN izy. Nahary ny olombelona izy. Nampianatra azy hiteny mazava tsara izy". (55:14)

Ny lafiny rehetra amin'ity fiainana ity dia fanomanana fiainan-kafa ary ny zavaboary rehetra dia tafiditra amin'ny asa mankamin'io tanjona io. Tsy maintsy manaradalàna ny ezaka rehetra ary ny famindram-po dia ao amin'ny fahombiazana rehetra tsirairay no mitoetra. Ny tranga voajanahary sasany na korontana ara-tsosialy dia mety hanafintohina, tys azontsika heverina hot sy mifanaraka amin'ny famindram-po anefa izany. Toy ny rhaona na ny tselatra sy ny kotroka izy ireny ka na dia toa mampahatahotra aza dia milaza vaovao tsara toy ny fiavian'ny orana. Noho izany, midera an'Andriamanitra mahery ny voary manontolo.

Ny olon-kendry silamo dia mihevitra fa ny tontolo dia toy ny "boky novolavolaina" avy amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy misy dikany ny manoratra boky tsy azon'ny olombelona. Noho izany dia namorona an'I Mohammed izy mba hanazava amin'ny olona ny dikan'ny tontolo sy nampitany ny didiny tao amin'ny CORAN mba ahafahantsika mahafantatra izay voarakita ao. Tsy misy hafa tsy amin'ny fanarahan ny didiny no ahazoantsika ny fahasambarana mandrakizay. Ny CORAN no fanambarana feno indrindra sady farany avy amin'Andriamanitra; ny silamo no fivavahan'Andriamanitra farany, napetrany sy hoan'ny rehetra; ary ny Mpaminany Mohammed no famindram-pon'Andriamanitra hita vatana, nalefan'Andriamanitra ho mpanavotra ny olon-drehetra.

Ny Mpaminany Mohammed no loharano ipoiran'ny rano madio any afovoan'ny tany efitra, loharanom-pahazavana ao amin'ny haizina mikitroka. Na iza na iza mankamin'io loharano io dia afaka manovo izay rano ilainy mba hanala ny hetahetany, mba hanadiovany ny fahotana rehetra ary mba hampanjary voatsilon'ny fahazavan'ny finoana. Ny famindram-po no toy ny fanalahidy mahagaga eny an-tànany satria io no hamohany ny fo miaritra mafy sy maloto izy tsy inoan'ny olona ho voavohany. Nanao mihoatra noho izany anefa izy: nandrehetany afom-pitiavana teo amin'izy ireo.

Nampianatra ny finoana silamo ny irak'Andriamanitra, ny fivavahan'ny famindram-po hoan'ny rehetra. Na izany aza, misy homanista sasany mihevitra fa ny silamo dia "fivavahan'ny sabatra". Diso tanteraka izany. Mitabataba izy iroe rehefa misy mamono ny biby fiompiny na maratra ny iray aminy kanefa mangina rehefa vonoina ny silamo. Mifototra amin'ny tombontsoany manokana ny tontolon'izy ireo. Tsara ho marihintsika ihany koa fa mitera-doza ny fanararotana famindram-po noho ny tena tsy fisian'ny famindram-po.

Ny manapaka ny ratsam-batana mivonto dia famindram-po hoan'ny vatana manontolo. Toy izany koa, rehefa afangaro ny hidrozena sy ny oksizena, ka miaraka amin'ny fifandanjany tsara dia manome rano, zavatra tena ifotoran'ny fiainana. Raha niova anefa ny fifandanjana dia mandray ny toetrany mirhitra tany amboalohany izy tsirairay avy.

Toy izany koa, tsara ny manavaka ny fmaindram-po sy ny manaaka izay mendrika azy satria ny famindram-po amin'ny alika dia hampitombo ny fahzotoany homana, tsy faly amin'izay efa azony izy fa mbola mangataka indray avy eo. Ny famindram-po amin'ny mpanao ratsy dia mandrisika azy indray ary maniraka azy hamely ny hafa. ary ny tena fmainam-po dia manakana ny olona tsy hanao ratsy. Rehefa nilaza tamin'ny mpanaradia azy ny hanampy ny olonany Mpaminany na mpangeja izy ireo na voageja dia nangataka taminy hanazava izany zavatra hafahafa izany izy ireo. Ary hoy ny navaliny: "Manampia ny tsy marina ianareo mba hanakanana ny fanaovany ratsy". Noho izany ny fmaindram-po dia mila mahafantatra ny anton'ny korontana ka manakana ireo izya manao izany tys hanao azy intsony amin'ny fanesorana ny fitaovana fanatanterahany izany eny aminy. Raha tsy izany dia izy no ho mpifehy amin'ny farany ka hanao izay tiany atao.

Nahenika ny voary manontolo ny famindram-pon'ny irak'Andriamanitra. Tamin'ny asa maha mpitarika tsy haresena azy sy maha olom-panjakana manatalenta dia fantany tsara fa ny mamela ny fifehezana ho eo ambany fahefan'ny olona lian-drà dia tena endriky ny fanararaotam-pahefana tsy azo heritreretina. Noho izany, nanitsikitsika izy fa ny zank'ondry dia afaka miaina amim-piadanana sy am-pilaminana manoloana ny fanafian'ny amboadia.

Naniry ny hitarihana ny olon-drehetra izy. Izao no tena nisahiranany: "Mety ho main'ny alahelo ianao satria nanome lamosina anao izy ireo ary tsy mino izany teny izany". (18:6)

Tsy maintsy am-piasaina amin'ireo izay manohy ny filomany ao amin'ny tsy finoana va anefa izy io sy hiady amin'izay mamotika azy sy Andriamanitra sy ny mpitodnra ny hafany? tsy maintsy miady manoloana izay olona toy izany izy satria ny famindram-po dia mahazo, mahatratra ny voary tontolo. Izany no antony nananganany rehefa naratra tao Ouhoud izy ka nivavaka hoe: "Andriamanitra ô, avelaon ny heloky ny vahoakako satria tsy mahafantatra izy ireo".17

Nampiaritra azy ny fangirigiriana maro ny mekoa vahoakany ihany ka nifindra monina tany Medina izy noho ny farany. Taorian'izany dia mbola lavitry ny fandriampahalemana ny dimy taona taty afara. Na dia izany aza rehefa nahazo an'I La Mecque tys nisy rà nikoriana izy tao anatin'ny faha 21 taonan'ny faminaniany dia nangataka tamin'ny mekoa tsy mpino hoe: "Inona no tianareo ataoko aminareo?" Iray toy izo ny valintenin'izy ireo: "Olo-mendrika ianao, zanak'olo-mendrika" . Nomeny azy ireo avy eo ny fanapahan-keviny: "Afaka nandeha ianareo satria tsy misy tsiny azo omena anareo ankehitriny. Aoka Andriamanitra no hamela ny helokareo. Izy no mpamindra fo lehibe amin'ny mpamindra fo rehetra".18

Toy izany koa no nolazain'ny "Saltant Mehmet Le Conquérant" tamin'ny Bizantina babo taorian'ny fanafiana an'I Istamul 825 taona taty aoriana. Toy izany ny famindram-pon'ny silamo hoan'ny rehetra.

Nampiseho ny famindram-po lehibe teo anatehan'ny mpino ny irak'Andriamanitra:

"Marina, ho tsongaina eo aminareo ny irak'Andriamanitra ary avy aminareo, hitambesatra aminy ny fahsarotan-javatra iainanareo sy mihatra aminareo, hiahy anaro tanteraka izy, izy no mpamindra fo sy mpamonjy ny mpino". (9:128)

Nampidinany ela-pitiavana tamin'ny famindram-pony ny mpino (15:88), ary izy no mpiaro ny mpinon akaiky azy indrindra ireo ary manakaiky azy koa (33:6). Mety ny mpanaradia azy iray indray andro any nanontanian'ireo izay afaka nandevina izy raha nanan-trosa ny maty. Rehefa nahafantatra ny Mpaminany fa nanan-trosa izy dia nanambara hoe: "Ny mpino tsirairay dia nolovain'ny akaiky azy na amin'ny inona na amin'ny inona. Ary izay maty namela trosa na olona mbola eo ambany fiahiana ka mitady ahy ireo dia izaho no hiahy azy".19

Nahazo ny fmaindram-pony hatramin'ireo mpihatsaravelatsihy sy tsy mpino. Fantany ireo izay mpihatsaravelatsihy kanefa tsy tondroiny na oviana na oviana, tsy avahany satria mety hahavery zo azy ireo amin'ny maha olom-pirenena azy izany.

Tsy noravan'Andriamanitra tanteraka ny tsy mpino manontolo na namongotra olona maro toy izany aza izy tany aloha: "Tsy hanasazy azy ireo Andriamanitra satria eo anivony ianao. Ary tsy hanafay ireo izay mangata-pamelana Andriamanitra". (8:33)

Voakasik'io andininy io ireo tsy mpino rehetra mandritry ny fotoana manontolo. Tsy potehin'Andriamanitra miaraka ny olon-drehetra ary ireo izay manaraka ny irak'Andriamanitra dia ho vleona. Ankoatr'izany, vokany midanadana mandrampahatongan'ny andro farany ny varavaran'ny fanitsiana. Na iza na iza dia afaka manaraka ny fivavahana silamo ary afaka mangata-pamelana amin'Andriamanitra azony ekena ny mpanonta sasany ary heveriny ny fisiany.

Ny fanoheran'ny silamo dia nankamin'ireo tsy mpino fa tsy tamin'ny olona tsirairay. Izany no antony nipetrahan'I Omar sady nitomanizany rehefa nahita pretra 80 taona izy indray andro. Rehefa nanontaniana ny antony hitomaniany dia hoy ny navaliny:

"Nomen'Andriamanitra fiainana lava izy kanefa tsy afaka nahita ny làlan marina". Mpianatry ny Mpaminany I Omar ary hoy ny Mpaminany:

"Tsy nalefa hanozona ny olona aho fa nalefa hanavotra".20

"Manana anarana 5 aho. Izaho no I Mohammed, Ahmad, Mugaffi (ilay Mpaminany farany); izaho no Mashir (ilay Mpaminany farany ary hitsangan-ko velona ny maty amin'ny fisiany); ilay mpaminanin'ny fanitsiana (ilay Mpaminany namoha mandrakariva ny varaaran'ny fanitsiana), ary ilay mpaminanin'ny famonjena".21

Nanararaotra ny famonjen'ny CORAN koa ny Arakanjely Gabriely. Nanontany azy ny Mpaminany indray andro raha mba nandray famonjena tamin'ny zavatra hita ao amin'ny CORAN koa izy. Eny hoy I Gabriely sady nanazava izy: "Tsy nahatoky ny anjarako aho. Rehefa nambara anefa ny andininy manao hoe: "Maneke, ary mendri-pitokisana (81:21), dia nahatsiro tena ho tony aho".22

Ny tsikombakomba ratsin'I Ma‛iz anefa dia nitarika ny saziny (noho ny fangatahany ihany) noho ny fijangajangana nataony, nanome tsiny azy ny olona sasany, izany no nanamelohan'ny Mpaminany azy ary hoy izy hoe: "Tsy maintsy ahitsy tanteraka ity vehivavy ity noho ny fahotany amin'ny anaran'Andriamanitra raha zaraina amin'ny mponin'I Medina rehetra ny fanitsiana azy vao voavela ny helony".23

Be indrafo tamin'ny zaza koa ny irak'Andriamanitra. Isaky ny mahita zaza mitomany izy dia mipetraka eo akaikiny ary manambitamby azy. Mahatsapa ny fahsahiranan'ny noho ny reny izy. Hoy izy idnray andro:"Nitsangana mba hitarika ny fivavahana aho indray andro, rehefa nahare tarainan-jaza nitomany anefa aho dia namonjy izany noho ny tahotro ny fahsahiranan'ny reny".24

Trotroiny ny zaza ary orohany. Indray andro, raha ndeha hitrotro an'I Hassan sy Houssaïn zafikeliny iny izy dia niteny taminy I al-Aqra ibn Habit hoe: "Folo ny zanako ary mbola tsy nanoroka ny iray tamin'ireo aho. Ary namaly ny irka hoe: "Tsy manana famindram-po amin'izay tsy mamindra fo amin'ny hafa Andriamanitra".25 Hoy ny hadita iray milaza manampy izany: "Inona no azoko atao aminao raha esorin'Andriamanitra aminy famindram-po?"26

Hoy izy: "Manana famindram-po amin'izay ety an-tany mba hananan'izay any an-danitra famindram-po aminareo".27 Rehefa narary I Sa‛d ibn Ubada dia namangy azy ny irak'Andriamanitra ary nitomany izy rehefa nahita ity mpinony tao anatin'ny endrika mampalahelo. Hoy izy: "Tsy manasazy noho ny ranomaso na amin'ny fahasahiranana Andriamanitra fa manasazy amin'ity" sady nasehony ny lelany.28 Rehefa maty I Othman ibn Madh‛nu dia nitomany izy. Nandritry ny fandevenana dia nisy nilaza hoe: "Nanidina toy ny vorona any am-Paradisa I Othman" Na dia mbola tao amin'io fisaonana io aza dia tsy nahatana ny fahatairany ny irak'Andriamanitra ka nanitsy an-dravehiavy: "Ahoana no ahafahanao mahafantatra izany? na izaho aza tsy mahafantatra kanefa aho Mpaminany".29

Nikapoka ny mpanompo vaviny ny zanaka lahin'I Muqarrin indray andro. Nilaza tman Mpaminany izy ary nampanalain'ny Mpaminany ny lehibeny avy eo. Hoy izy taminy "Nokapohinao tamin'ny tsy an-drariny, tsy misy antony mazava izy. Afaho izy".30 Tsaratsara kokoa hoany tompony ny manafaka io andevo io noho ny mahita ny zanany voasazy any ankoatra noho ny zavatra nataony. Niaro sy nanampy ny vehivavy maty vady sy ny kamboty ary ny mahantra sy ny tsinontsinona ny irak'Andriamanitra na talohan'ny fmainaniany aza. Rehefa nody avy any antendrombohitra Hira tao anatin'ny fangitangitahana ny Mpaminany noho ny fanambarana voalohany dia hoy I Khadija vadiny taminy: "Manantena aho fa ianao no ho mpaminanin'ity Oumma ity satria milaza ny marina mandrakariva ianao, miambina tsara ny fananana, manampy ny manodidina anao, ny kamboty ary manampy ny mahantra sy ny osa ary manome sakafo ny vahininao".31

Mahazo ny famindram-pony hatramin'ny biby. Mikasika io dia hoy izy: "Navela heloka ny mpijangajanga iray satria nanome rano hoan'ny alika matin-ketaheta. "Natsipy any aminy afo ny vehivavy iray hafa satria namela saka ho fatin'ny hanoanana".32 Rehefa avy tany an'ady ny mpanaradia sasany dia naka zanaboron-kely tao anaty tranony mba ho safosafoina. Rehefa niverina ny reniny ka tsy nahitany zanany dia nikiakiaka sady nanidintsidina teo amin'ny manodidina. Ontsa dia ontsa ny Mpaminany rehefa nilazana ziany ary nandidy izy fa tsy maintsy averina any amin'ny toerany ireo voron-kely.33

Nitantara tamin'ny mpanaradia azy izy indray andro fa nisy Mpaminany nandoro tranom-bitsika ka nomen'Andriamanitra tsiny.34 Rehefa tany Mina izy dia nisy mpanaradia azy sasany nisambotra biby lava mba ho vonoina. Soa ihany fa tafandositra ilay izy. Rehefa nahatsinjo izany tery lavidavitra ny Mpaminany dia niteny hoe:

"Voavonjy tamin'ny haratsinareo izy, ianareo koa voavonjy tamin'ny haratsiany".35 Mitantara I ibn Abbas fa rehea nahita lehilahy iray ndeha hanandro antsy tao anoloan'ny biby novonoina iray ny irak'Andriamanitra dia nanome tsiny azy io hoe: "Impiry ianao no te-hamono azy".36

Hoy ny voalazan'I Abd Allah ibn Ha‛far:

"Nankany anjaridaina niaraka tamin'ny mpanaradia maroamro ny irak'Andriamanitra tany Medina. Nisy rameva iray mahia dia mahia tery amin'ny zoron-tany tery. Nitomany ny irak'Andriamanitra rehefa nahita izany. Nanakaiky azy ny irak'Andriamanitra, ary rehefa nijanona teo naharitraritra izy dia nampitandrina mafy ny tompony mba hanome azy sakafo ara-dalàna".37

Tsy mitovy amin'ny an'ireo mpandala ny tontolo voajanahary ankehitriny ny fitiavany ny zavaboary satria mendrika sy marina ary mahalanjalanja tsara izy amin'io fomba fijery io –Mpaminany nobeazin'Andriamanitra, ilay mpahary sy mpahita ny zavatra rehetra mialoha, mankasitraka ny fitarihana sy ny fahasambaran'ny olombelona sy ny jiny sy ny firindran'ny fisiana. Izany no maha velona azy hoan'ny rehetra sy mpamindra fo, famindram-po hita vatana.


[16] Tirmidhi, "Da'awat," 89.
[17] Bukhari, "Anbiya'," 54; Muslim, "Jihad," 104.
[18] Ibn Hisham, Sira, 4:55; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:344.
[19] Muslim, "Fara'iz,' 14; Bukhari, "Istiqraz," 11.
[20] Muslim, "Birr," 87.
[21] Ibn Hanbal, 4:395; Muslim, "Fadha'il," 126.
[22] Qadi 'Iyad, Ash-Shifa', 1:17.
[23] Muslim, "Hudud," 17-23;
[24] Bukhari, "Adhan," 65; Muslim, "Salat," 192.
[25] Bukhari, "Adab," 18.
[26] Bukhari, "Adab," 18; Muslim, "Fadha'il," 64; Ibn Maja, "Adab," 3.
[27] Tirmidhi, "Birr," 16.
[28] Bukhari, "Jana'iz," 44; Muslim, "Jana'iz," 12.
[29] Bukhari, "Jana'iz," 3.
[30] Muslim, "Ayman," 31, 33; Ibn Hanbal, 3:447.
[31] Ibn Sa'd, Tabaqat, 1:195.
[32] Bukhari, "Anbiya'," 54; "Musaqat," 9; Muslim, "Salam," 153; Ibn Hanbal, 2:507.
[33] Abu Dawud, "Adab," 164; "Jihad," 112; Ibn Hanbal, 1:404.
[34] Bukhari, "Jihad," 153; Muslim, "Salam," 147.
[35] Nasa'i, "Hajj," 114; Ibn Hanbal, 1:385.
[36] Hakim, Mustadrak, 4:231, 233.
[37] Suyuti, Al-Khasa'is al-Kubra', 2:95; Haythami, Majma', 9:9.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.