Ny Ilana Ny Fifanakalozan-Kevitra Eo Amin

Ankehitriny, resahin’ny olona matetika ny mikasika ny loza ateraky ny ady sy nyfifamolahana tsy misy fijanonany, ny fahalotoan’ny rano sy ny rivotra iainana, ny tsy fahampian-tsakafo, ny fihenandanjan’ny soa toavina ara-moraly, sy ny sisa. Vokatr’izany, lasa laharampahamehana ny fandriampahalemana, ny fitadiavana fahafaham-po, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fahamarinana, ny fifandeferana sy ny fafanakalozan-kevitra. Ary mbola eo koa ireo fe-petra mahavelom-panantenana satria izay miresaka ireo olona ireo dia miezaka ny hamaha azy mandrakariva ami’ny fitadiavana fomba hafa hamahana azy sy hifehezana misimisy kokoa ny tontolo, kanefa mbola mamokatra fitaovam-piadiana mahery vaika. Mandravaka izany koa ireo resaka vetaveta miparitaka amin’ny haino amanjery indrindra fa ny interinety.

Ireny olana ireny no niteraka ny fotokevitra materialista izay tena mamefy ny vokatry ny finoana eo amin’ny fiainana aza-tsosialy amin’izao androntsika izao. Ny vokatr’izany dia ny tsy fifanarahana eo amin’ny zanak’olombelona sy ny zavaboary sy amin’izy samy izy ankehitriny. Ampahan’olombitsy no mba mahatsapa fa ny firindrana ara-tsosialy sy ny fihavanana amin’ny zavaboary, ny olona samy olona sy ny  tenany manokana dia tsy hisy raha tsy miaraka ny ara-materialy  sy ny ara-panahy. Ny fihavanana amin’ny zavaboary, ny fandrianampahalemana sy ny fahamarinana eo amin’ny fiarahamonina, ny tena maha izy azy sy ny tsirairay dia tsy hisy mihitsy raha tsy mihavana amin’Andriamanitra.

Ny fivavahana no mampihavana ny mpi: siansa/ fivavahana, aty antany/ any ankoatra, voary/ boky masina, ara-batana/ ara-panahy, vatana / fanahy. Afaka manangana fiarovana amin’ny famotehana ateraky ny materialisma siantifika ny finoana, mametra ny siansa amin’izay tena toerana tokony hitsy azy marina, ary afaka mampangiana ireo fifandiran’ny firenena samy firenena sy ny mponina samy mponina hatramin’izay fotoana lava izay. Ny hay zavaboary (sciences naturelles) izay tokony tsy maintsy manoritra ny lalana mazava mankany amin’Andriamanitra indray no lasa sakana tsy manampaharoa, antony iray lehibe mahatonga ny tsy finoana an’Andriamanitra. Satria ny tandrefana no nanjary fototra niavian’io tsy finoana io, ary ny Kristianisma izay finoana tena indrindra, tsy azo ialana noho izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpino silamo sy ny Kristianina.

Ny tanjonn’ny fifampidinihana mikasika ny finona atao amin’’izao tontolo izao dia tsy hoe ny fampitsaharna ny materialisma siantifika sy ny foto-kevitra materialista mpanimba fotsiny. Ny maha fivavahana ny fivavahana mihitsy no tena mitaky io fifanakalozan-kevitra io raha tena marina. Samy resy lahatra ny kristianisma sy ny jodaisama ary ny silamo, fa na hindoisma aza fa fototra iray ihany no nipoirany, ary iray ihany ny tanjona miaraka amin’ny Bodaisma. Amin’ny maha mpino silamo, manaiky ny mpaminany rehetra sy ny boky masina rehetra nalefa tamin’ireo firenena samy hafa namakivaky ny tantara aho. Mpanaradia an’I Abrahama sy I Moizy sy I Jesoa sy ireo mpaminany hafa ny mpino silamo. Ny tsy finona ny iray amin’ireo mpaminany ireo sy ny boky masina dia midika fa tsy fanarahana ny finoana silamo.fantatsika amin’izany ny mahatokana sy ny maha iray ny fivavahana izay fandraminanan sy toeranan’Andriamanitra ny famindrampony, sy ny finoana fa manenika ny tany tontolo ny fivavahana. Noho izany, tambazotram-pinoana mahasahana ny olombelona manontolo ny fivavahana, lalana iray mampivondrona ny olona hankeo amin’ny firahalahiana.

Tsy  miankina amin’ny fomba fisafidianana sy ny hiainan’ny olona ny fivavahana mahazatra azy ny soa toavina iombonana sy iaraha-manaiky, tsy ny fitiavana, ny fanajana, ny fafandeferana, ny famelankeloka, ny famindrampo, ny zon’olombelona, ny fiadanana sy ny firahalahiana ary ny fahafahana fa tena finoana velona avy ao anaty fotsiny izao. Ny ankamaroan’ireo soa toavina ireo dia ambony indrindra amin’ny hafatra nampitain’I Moizy sy Jesoa ary Mohammed na tao amin’ny hafatra nampitain’Boudha sy Zarathoustrany andry Lao-tsen sy ny Conficius ary ireo manampahaizana hindo hafa

Ao amin’ny faminaniana iray izay taterin’ny asasoratra mitondra ny fiainan’ny mpaminany Mahomet, voalaza fa hiseho I Jesoa amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Tsy mahafantatra isika na hiseho vatana aman-drà izy, fa ny fantatra dia hanjaka tahaka ny tamin’ny andron’I Jesoa ny fitiavana, ny fiadanana, ny firahalahiana, ny famelankeloka, ny fiheverana ny hafa, ny famindram-po sy ny fanadiovam-panahy, rehefa manakaiky ny ora farany. Ary satria novotsorana ho an’ny Jody I jesoa ary mpaminany hebreo rehetra dia mitory ireo soatoavina ireo, noho izany, ilaina ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Jody sy ny fiarahamiasa ary ny fifandraisana akaiky amin’ny mpino silamo sy ny Kristianina ary ny jodaisma

Maro ireo toe-javatra itoviana izay azo ametrahana fifanarahana tsara eo amin’ny mpino silamo sy ny kristianina ary ny jody mpino an’Andriamanitra. Toy izao no anamarin’I Mickael wyschogrod, mpampianatra filozofia amerikanina azy, misy lafin-kevitra na ara-toeria na dogmatika izay tokony hampifandray ny mpino silamo sy ny jody, toy izany koa ny jody sy ny kristianina. Ankoatra izany, ao amin’ny tantara sy ny zavatra tsapa, azo lazaina fa ny mpino silamo dia tsara fitondrantena manoloana ny jody, tsy misy fifanavakavahana teo amin’izy ireo na dia kely aza ary tsy misy fifamonoana mihintsy, tsy nisy izany tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona izany ary tsy nisy fifandringanana. Ny mifanohitra amin’izany tanteraka no nisy, nampiantranoin’ny mpino silamo ny Jody tamin’ny fotoana nisy korontana, toy ny nandraisan’ny “Etat Ottoman” azy ireo rehefa noroahana tany Andalousie (Espagne) izy.

Ny Zavatra Sarotra Tojo Ny Mpino Silamo Mandray Anjara Amin’ny Fifanakalozan-Kevitra

Ny kristianina sy ny Jody sy ny mpino hafa dia afaka mifanakalo hevitra tsara rehefa misy ny fahasarotan-javatra ao aminy. Tiako ny hampatsiahy etoana ny anton-javatra maromaro mahatonga ny fahasarotan’ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny mpino silamo. Ary ireo anton-javatra ireo ihany koa no mahatonga ny finoana silamo tsy hanjavozavo ankehitriny.

Raha araka ny voazan’I Fuller sy Lesser dia maro lavitra ny mpino silamo novonoin’ny hery tandrefana tao anatin’iny taonjato iray lasa iny monja noho ny kristianina matin’ny silamo hatramin’ny maha tany ny tany. Mpino silamo maro no manao antontanisa feno tsara ary mino fa ny politikan’ny tandrefana dia novolavolaina hanalefaka ny tanjaky ny silamo. Izany traikefa ara-tantara izany no mitarika ny silamo hahazo fanabeazana sy manankeritreritra hino fa ny tandrefana dia tsy mitsahatra amin’ny fanafihana maty paika ny silamo izay efa natombony tao anatin’ny arivo taona mihoatra, ary ny tena loza, ataony amin’ny fitaovana matanjaka sy tena hary fomba. Vokatr’izany, miteraka tsy fankasitrahana betsaka ny fiantsoan’ny fiangonana hifanakalo hevitra.

Ankoatra izany, niditra tao amin’ny taonjato faha roapolo izay teo ambany fifehezan’I Eoropa tanterana ny tontolo silamo. Nirodana ny fanjakana Ottoman, ilay mpiharo sy endrika lehiben’ny fivavahana silamo, mbola ny fanafihan’ny Eropeanina ihany no nahatonga izany. Nanampy tanteraka ny mpino silamo hanohitra ny fanafihan’ny hafa I “Turquie”. Nanampy trotraka izany koa ny fifandirana anatiny nisy tao “Turquie” teo amin’ny antoko Demokraty sy ny antoko “Populaire” nandritry ny taona faha dimampolo izay nitarika ireo avara-pianarana sasantsasany hilaza ny finoana silamo ho toy ny tsanga-kevi-pifanolanana sy fanoheran ary toy ny lamena politika fa tsy fivavahana makao am-po sy ao amin’ny fanahy sy saina. Ny fiheverana ny finoana silamo ho toy ny tsanga-kevi-piandaniana ataon’ireo firenena silamo sasantsasany, ao anatin’izany I “Turquie”, dia nanamafy io fomba fihevitra io. Vokatr’izany nanomboka natahotra ny mpino silamo sy izay zavatra rehetra mahakasika azy ny Laisista sy ny olona sasany.

Hita ho toy ny tsanga-kevitra pôlitika ny finoana silamo satria nandray anjara mavitrika izy tamin’ny ady ho an’ny fahaleovantenan’ny mpino silamo (musulmans). Izany no ilazan’ny sasany azy ho toy ny tsangan-kevi- pahaleovantena. Ny tsanga-kevitra dia miteraka fisaraham-bazana fa ny fivavahana kosa midika ho firaisankina, fiombonana noho ny fahazavan-tsaina amin’ny finoana sy amin’ny fahafaham-po sy fiadanam-po, amin’ny maha mora tohina ny fieritreretana ary amin’ny fahatsapana tao anatin’ny traikefa tena marina. Amin’ny maha finoana azy, ahitana ny fahamarinana tena ilaina ao amin’ny fivavahana, toy ny finoana, ny fitiavana, ny famindram-po sy ny tsitsinjovana ny hafa. Ny fanambaniana ny fivavahana silamo ara-tantara koa dia nahakivy ny taonjato maro no nanamaritan’ny kristianina fa ny finoana silamo no sombitsombiny sy nalain-tahaka avy amin’ny Jodaisma sy ny Krsitianisma, ary niheverany ny mpaminany ho toy ny mpamitaka, mpisoloky gaigilahy, mpanohitra an’I Kristy, na koa hoe sampy tompoin’ny mpino silamo. Ny boky sasany nivoaka vao tsy ela dia manosopotaka azy ho toy ny olona manan hevitra hafahafa, resy lahatra fa tsy maintsy mahomby na inona na inona hitranga ary mampiasa izay fitaovana azo ampiasaina manontolo mba hahazahoana fahombiazana

Zavatra Tsy Azo Ihodirana Ny Fifampidinihana   

Zavatra tsy azo ihodirana ny  fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fivavahana samy fivavahana ankehitriny. Ny dingana voalohany amin’ny firosoana amin’izany fifanakalozan-kevitra izany dia ny fanadinoana ny lasa, tsy jerena intsony ireo tsy fitovian-kevitra amin’ny dogma fa ny fototra iombonana no atao laharam-pahamehana satria izany no ilana amin’ny fifandirana. Any amin’ny tandrefana, atomboka amin’ny fandinihana akaiky ireo avara-pianarana sy olom-piangonana efa manana fiovam-pijeru manoloana ny hevitr’i Louis  Massignon (efa maty) mikasika ny finoana silamo mano hoe : «  Ny finoan’i Abrahama dia miha mafy noho i Mahomed ». Ary mbola noamafisiny fa manana andraikitra lehibe amin’ny tontolo aorian’ny krsitianina ny finoana silamo satria : « fivavahan’ny finoana ny fivavahana silamo ». Tsy mba finoana voajanahary amin’ny Andriamanitry ny filozofa fa finoana velona ny Andriamanitr’i Abrahama sy Isaaka ary Ismaela, finoana ny Andriamanitsika rehetra. Ny finoana islam dia misitery lehiben’ny sitrapon’Andriamanitra. Mino ny maha avy amin’Andriamanitra ny Coran sy ny faminanian’i Mohammed izy.

Toy izany koa no fahitan’ny mpaminanintsika ny an’ny Tatsiananana. Ankoatr’ireo olom-piangonana kristianina sy olom-pivavahana, maro koa ireo mpandinika tandrefna no naneho fihetsehana tsara mikasika ny fivavahana silamo sy ny mpaminany ary mankasitraka ny antso amin’ny fifanakalozan-kevitra toy ireto tanisaina manaraka ireto: Charles J Ledit, Y. Moubarac, Irène M. Dalmais, L. Gardet ?orman Daniel, Michel Lelong, H. Maurier, Olivier Lacombe et Thomas Merron.

Ankoatra izany, tsy azo tsinontsiniavina ihany koa ny fanambaran’ny Konsily vatikanina II farany teo mikasika ny finoana silamo izay nanokatra ny dingam-pifanakazozan-kevitra eo amin’ny finoana samy finoana. Midika izany fa miova ny fiheveran’ny Fiangonana katolika romanina ny finoana silamo. Hoy ny Papa Paoly faha IV nandritry ny tapany faharoan’ny Konsily:

“Ny fiangonana katolika mijery ampahendrena ny mpino silamo izay midera sy manaja an’Andriamanitra tokana, velona sy mobla ho velona mpamindra fo sy mahery indrindra, mpahary ny lanitra sy ny tany ary miresaka amin’ny olombelona. Mikatsaka mandrakariva amin’ny fanahiny manontolo ny fanajana ny lalàn’Andriamanitra izy na dia tsy tia misehoseho loatra toy ny nataon’i Abrahama tamin’Andriamanitra aza; izany no tahafin’ny finoana silamo. Na dia tsy manaiky an’I Jesoa ho Andriamanitra azy izy ireo dia mandray azy ho toy ny mpaminany, manaja an’I Maria reniny virijiny, ary matetika miantso azyamimpanetre-tena. Ankoatra izany, miandry ny andro ny fitsarana farany hananganan’Andriamanitra ny maty rehetra izy. Tsy izany ihany fa manandratra avo ny fiainana ara-moraly sy manompo an’Andriamanitra izy, indrindra indrindra fa amin’ny fivavahana, ny fahafoizana sy ny fifadian-kanina”

Nambarany koa fa ny fiangonana katolika dia mankasitraka ny toetra tsara rehetra izay marina sy mifanaraka amin’ny maha olona avy amin’ny finonaireny. Tsy manary na dia zavatra kely indrindra ka marina sy masina avy amin’ireny finoana ireny ny fiangonana katolika.

Mba hamonjena ny tena dikan’ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra – tsy azo ialana ry tena ilain’ny fandrosoana no solontenan’Andriamanitra ao amin’ny zanak’olombelona.

Vokatr’izany dia nisy tatitra an-tsoratra mitondra lahateny hoe : “ Fanambarana mikasika ny fifandraisan’ny Eglizy amin’ireo finoana tsy kristianina” nohon’ny konsily izy io ary manambara izao zavatra izao: “ Amin’izao androntsika izay mampitambatra akaiky isan’andro isan’andro ny olombelona sy mampiomno ny fifandraisan’ny mponina samy hafa izao, (…) mindray ny valin’ny ankamantatra miafina ao amin’ny fiainany avy amin’ny fivavahana ny olombelona, zavatra mampikorontana mafy ny tany hatramin’ny omaly ka mandraka ankehitriny: Inona ny olombelona? Inona no hevitra sy tanjon’ny fiaianana? Inona ny tsara ary inona ny fahotana? Avy aisa no nipoirany ary inona no tanjon’ny fangirifiriana? Aiza no lalana tena mitondra mankany amin’ny fahasambara marina? Inona  no dikan’ny fahafatesana, ny fitsarana sy ny fitsnganan-ko velona, ary farany , inona ny misiteny miafina tsy hay lazaina farany manodidina ny fisiana izay nipoirantsika sy mbola andrasana?

Rehefa avy nanampy fa manandrana mamaly ireo fanontanina ireo amin’izay hiheverany azy ny fivavaha isan-karazany , ary ny Fiangonana dia tsy manary tanteraka ny lanjan’ny fivavahana hafa, dia mampirisika ny kristianina hametraka ny fanakalozan-kevitra amin’ny mpino ao amin’ny fivavahana hafa ny konsily:

“Mampahery ny zanany ary ny fiangonana fa hahafantatra sy hahatahiry ny soatovaina ara-panahy, ara-moraly sy ara-kolotsaina ao aminy izy, ami-pahamalina sy fitiavana, amin’y fifampiresahana sy fiaraha-miasa amin’izay manaraka fivavahana hafa, amin’ny fanaovana izany amim-pinoana sy fiainana maha kristianina” Tsara ho  tsipihintsika ihany koa fa ny Papa Joany Paoly faharoa dia milaza ao amin’y bokiny mitondra ny lohateny hoe “Eo an-dalan’ny fanantenana” fa na dia ao aza ny tsy fitandremana sy fiahiahian’ny mpino silamo dia izy ireo no tena midera an’Andriamanitra an-kitsimpo izy amin’izany fa ny kristianina dia tsy maintsy mandray ny mpino silamo ho ohatra velona.

Ankoatra izany, ny fanoheran’ny silamo ny foto-kevitra materialista dia anjara andraikitry ny manana ny lanjany amin’izao tontolo moderna izao, ary mahavariana ny mpandinika tatsinanana. Tena manamafy izany izao fanamarihan’ny E.H Jurji manaraka izao: “Ao amin’ny fahamendrihany sy ny fahaleovantena ary ny hafanam-pony azo tsapaintanana, amin’ny ady ataony amin’ny ho amin’ny firaisankina hanohitra ny foto-kevitra mampiazarazara, amin’ny fanoherany mafy ny fifampitsetsefana, toy ny faminanin’ny hafatra nalefany ho an’ny zanak’olombelona mpikomy sy ny lian-drà, tena mifanandrina marina sy manokana amin’izao tontolo izao moderina izay ny finoana silamo. Tsy mifangaro na potiky ny vangongon’ny teolojia tsy takatry ny saina; tsy voalevina ao ambanin’ny enta-mavesatry ny dogma, fa ny tena hevitry ny asa ataony dia maka ny heriny avy amin’ny faharesen-dahatra tanteraka ny faharetan’ny mpino silamo”.

Niady saika nandritry ny 2400 taona ny silamo sy ny tandrefana. Raha ny fomba fijerin’ny tandrefana dia nandrahona sy nanafika tokantrano maro tany aminy ny silamo, zavamisy mbola tsy adino izany.

Izany no manazava ny anton-javatra mitarika ny mpino silamo hifanandrina amin’ny tandrefana ary ny hanosika izany tsy hanararaotra ny finona sy mpino silamo na oviana na oviana. Nanova izao tontolo izao ho tontolo be iray ny fitaovam-pitanterana sy fifaneraserana avo lenta ary ny fifandraisan’io tontolo io dia mifameno. Tsy afaka hampanjavona na oviana na oviana ny mpino silamo sy ny taniny ny tandrefana ary tsy afaka hametraka ny tongony any amin’ny tanin’ny tandrefana ny miaramila silamo.

Ny zavatra mahafinaritra amin’izao andron’ny fahatontoloana izao dia efa samyu mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fafanantonana ireo mpifanandrina roa ireo.

Marina fa manana ny fahamboniany eo amin’ny lafiny siantifika, teknolojika sy toe-karena ny tany tandrefana, manana toe-javatra ambony lanja sy tena ilaina koa anefa ny silamo: ny finoana silamo, izay hita ao amin’ny Coran sy ny Sounna izay mampahazo aina ankehitriny sy isan’andro ny finoany, ny maha izy azy ara-panahy, ny fanaovantsoa sy ny soa toavina morally nandritry ny taonjato 14 farany. Manampy  izany, manana ny hery hamelombelona ny fanantenana sy ny fiainan’ny mpino silamo nopotehana nandritry ny taonjato maro izy ireo, eny fan a dia ireo vahoaka maro sasany tafaroboka ao anaty onaonan’y materialisma koa aza.

Koa satria mbola tsy nahatanteraka ny ady amin’ny tsy finoana izay mifototra amin’ny siansa sy ny filozofia ny fivavahana, noho izany dia tsy misy afaka hilaza fa tsy hanafiotra mafimafy kokoa izany rivotra izany amin’ny ho avy. Ireny anton-javatra rehetra ireny, ary mbola misy hafa koa, no tsy mamela ny mpino silamo hijery sy hampitovy ny finoana silamo amin’ny tsangan-kevitra politika na lamina ara-ekonomika, na mahatonga azy tsy ho heverin’ny tandrefana sy ny kristianina sy ny jody sy ireo fivavahana hafa toy ny bodisma aza; tsy noho ny antony ara-tantara fotsiny hamaritan’izy ireo ny tena maha silamo ny silamo

Rahoviana ireo mihevitra ny finoan silamo ho ty y lamina politika fotsiny fa tsy finoana tena manana ny maha izy azy , no hahafantatra ny asany sy ny toetrany, indrindra indrindra koa fa ny politikany dia takiany hitovy amin’ny finoana silamo, aharihariny anefa fa ny tena hery manosika azy ireo dia ny fahatezerana sy ny fankahalana sy ny fomba hafa toy izany.

Na inona na inoa zava-mitranga dia tsy maintsy manaiky sy manangana toetra silamo ho fototra iaingana amin’ny asa isika fa tsy ny toe-javatra mandoro ankehitriny. Ny mpaminany dia nilaza fa ny tena mpino silamo dia toy ny olona eo am-pelatanan’ny lela sy ny tanan-dratsiny, kanefa izy no taratra mendrika ny fandriam-pahalemana indrindra eto amin’izao tontolo izao. Miaraka isan’andro amin’ny fihetseham-po ambony izay mamelona ny aty fanahiny ny mpino silamo. Lavitra ny fampiaretana ny fijaliana sy ny fangirifiriana, mifanohitra amin’izany ny mpino silamon tandindon’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana. Aminy, tsy misy mahasamy hafa ny famonoan’olona amin’ny fanompana amin’ny vava, toy ny fitenenan-dratsy, ny fanendrikendrehana, ny ompa sy ny fanesoana.

Tsy maintsy ny fotokevitra silamo no iaingantsika voalohany

Ny mpino silamo raha miteny dia tsy maneho fiandraniana amina fotokevitra na politina iray, avy eo mody manamboamboatra izany hanahatahaka ny fotokevitra silamo, ary tsy maneho faniriana tsotra toy ny hevitra fotsiny. Raha afaka miala amin’io firehana io isika dia mahita masoandro ny tena endriky ny finoana silamo. Ny endrika dison’ny finoana silamo ankehitriny izay vokatry ny fanodinkodinanan’ny mpino syny tsy mpino silamo azy dia mampihorohoro ny mpino silamo sy ny tsy mpino silamo.

Manoritra zavatra manandanja mahakasika ny fahitan’ny tatsinanana ny finoana silamo I Sidney Griffith: “tsy ampianarina amin’ny maha finoana azy ny finoana silamo ao amin’ny sampana fianarana teolohia any amin’ny Oniversite amerikanina fa amin’ny maha foto-kevitra politika azy, ampianarina any amin’ny sampana “science politique” na any amin’ny sampana fianarana ny fifandraisana iraisam-pirenena”. Somary ahitana toy izany koa any amin’ny ampahamparitry ny firenena silamo miaina amin’ny kolontsaina tandrefana, sy ny faritra tsy silamo any Azia sy Afrika. Mbola mahatalanjona ihany koa, maro ireo vondrona izay miseho amin’ny famantarana silamo kanefa tsy manao afa tsy ny manamparitaka sy ny manamafy io endrika io.

Ny Antso Manerantany Ataon’ny Silamo Amin’ny Fifanakalozan-Kevitra

Efa taonjato 14 izay, nanao antso lehibe indrindra amin’ny firaisampinoana tsy mbola nisy toy izany ny finoana silamo, miantso ny mpino ny boky masina ny Coran:

“Ry olombelona, avia amin’ny tany iombonantsika sy ianareo: tsy hidera afa tsy Andriamanitra isika,  tsinontsinona izay tsy mitambatra aminy, ary tsy misy ho raisintsika ho tompo na iza na iza ankoatran’Andriamanitra”. Avy eo, raha manome lamosina izy, lazao hoe: “Mba vavolombelona noho izahay, manaiky izahay” (3:64)

Io antso nalefa ny fahasivitaona amin’ny tetiandro silamo io dia natomboka tamin’ny (tsy misy) fanambarana ny finoana hoe Lâ i lâha I ela Allah ( tsy misy faminaniana afa tsy Andriamanitra).

Ankoatry ny maha fandidiana hanao zavatra tsara azy, izy io dia antso tsy hanao na inona na inona raha tsy efa manila ny fahasamihafana manasaraka azy ny olona miditra amin’ny fivavahana. Io filazana io koa dia maneho ny hevitra ankapobeny niavina izany antso izany, hamaly ny mpino silamo hoe: “ Anareo ny finoanareo fa ahy kosa ny finoako”.(109:6); izany hoe, raha tsy ekenareo izany antso izany, haverinay amin’Andriamanitra. Manohy ny lalana efa nofinidinay izahay ary avelanay hanohy izay efa nombanreo ianareo.

I Elmalili Hamdi Yazir, Turc mpandalina ny Coran malaza dia nanao fanamarihana tsara ho fantatra ao amin’ity andininy ity: “ Naheno hoe, ahoana no hahafahan’ny boky sy ny hevitra maro ary ny firenena samy hafa sy ny fivavahana mitambatra ao anaty saina iray sy ho tenin’ny fahamarinana iray, ary ahoana no hampianaran’ny mpino silamony zanak’olombelona ny lalàm-pahafahana sy ny lalana iray mitondra mankao amin’ny famonjena izay mivoha midanadana sy marina ary malalaka. Nohamasisiny tsara sy mazava fa tsy voafaritra ho an’ny Arabo sy ny tsy arao ihany izy io. Tsy hahomby amin’ny saina tery sy mizarazara ny finoana, fa amin’ny saina malalaka sy misokatra.

Nataon’ny finoana silamo ho antsika izany fahalalahan-tsaina izany, izany làlam-pamonjena malalaka izany sy io lalàm-pahafahana io. Nanazava io halebeazan’ny finoana silamo io amin’ny fandinihana lalina izay tonga tao an-tsainy tao amin’ny Mosquée Bayezid any Istanbul i Said Nursi:

“Indray andro aho nandinika ny mpisolotena “ Isika” tao amin’ny andinin-tsoratra masina: ianao irery ihany no derainay, ary ianao ihany no angatahanay famonjena (1:5), ary ny foko nitady ny antony ampiasaina ny “ isika, izahay” fa tsy “ izaho”. Tampoka, fantatro ny fahamarinany sy ny zava-miafin’ny fivavahana iombonana noho io mpisolotena “isika, izahay” io.

Tsapako fa rehefa miaraka mivavaka amin’ny rehetra ao amin’ny moske Bayezid aho dia ty ny mpanampy ahy avokoa ny tsirairay; ary rehfa mamaky ny Coran ao amin’io toerana io aho, vavlolombelona ho ahy avokoa ny tsirairay. Nahazo hery avy amin’ny fanompoam-be niraisana aho mba hanehoako ny tsy fahafenoan’ny finoako eo antokotany masina”

Avy eo koa, niseho tamiko ny zava-marina hafa iray: mitambatra ny rehetra tao Istanbul ka niaraka tao amin’ny Mosquée Bayezid. Noheveriko fa izany no manamafy ny zavatra nosaintsainiko sy mampiray ahy ao amin’ny fivavahan’izy ireo. Tamin’io fotoana io, nahita ny tenako tao amin’ny Moske tety an-tany aho, nanao faribolana manodidina ny ka’ba. Ary hoy aho: “Dera ho anao ry tompon’izao tontolo izao. Manana mpiomba maro aho; miteny zavatra tokana izy ireo tahaka izay notanisaiko tao amin’ny fivavako ary mampiorina ahy”

Rehea niseho izany rehetra izany, nahatsiao aho fa nitangana ka nivavaka nanolona ny ka’ba masina. Nohararaotiko io toe-javatra io, noraisiko ho vavolombelona ireo laharan’ny mpivavaka ary hoy aho: ‘Ambarako fa tsy misy zava-masina ankoatr’Andriamanitra; ary ambarako fa I Mohammed no mpitondra ny hafatr’Andriamanitra. Ankiniko amin’ny vato masina io asan’ny finoana io. Rehefa nanao izany aho, zavatra hafa indray no nitranga. Hitako nizara faribolana telony firaisam-bavaka nisy ahy.

 Fiombonan’ny mpino silamo ny borobory voalohany sy izay mino ny fisian’Andriamanitra tokana. Tao amin’ny boribory fahroa no nahitako ny voary manontolo nanatanteraka ny fivavahan-dehibe sy ny fiantsoana an’Andriamanitra. Tao amin’io fiombonambe io aho, ary ny sokajy sy ny karazan-javatra rehetra tao dia revo nihira fivavahana tamin’ny fombany avy, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny mpitondra hafatra. Tao amin’ny fari-bolana faha telo no nahitako firibolna mahavariana kely kanefa rehefa tena dinihina amin’ny asa vitany sy ny toetrany dia tena lehibe tokoa ny singa kely indrindra mamorona ny vatako manontolo dia ahita fihombonana revo mameno ny asa-mpanompoany sy ny fanaksitrahany.

Raha atao amin’ny teny fohy, ny mpisolotena “isika, izahay” ao amin’ny hoe “midera isika” dia manondro ireo faribolana telo ireo. Heveriko, fa ny mpaminantsika no mpandika sy mpampita ny Coran tany Médine, tao izy noniteny tamin’ny zanak’olombelona hoe:

“Ry olombelona, derao ny Tompo Andriamanitrareo: (2:21).

Nandre ny baikony toy ny olon-drehetra ho ary toy izany koa oreo mpiombona rehetra tao amin’ny faribolana telo ka namaly hoe: “ianao, ianao ihany no ho tomponay”

Ahoana No Atao Eo Anatrehan’ireo Mpanaraka Fivavaha Hafa

Milaza izao Andriamanitra:

"Inty ny boky tsy ananana ahiahy na kely aza ny zava-boalazany, torolalana ho an’ny mpino rehetra izy” (2:2). Ao afara ao dia hohazavaina fa ny mpino dia: “Izay mino ny tsy hita maso sy manatanteraka ny fivavahana ary mandany ampahamendrehana ny fananana rehetra nomeny azy eto ambonin’ny tany: izay mino amin’izay nambara taminy sy nambara talohany ary mino mafy ny fiainan-ko avy” ( 2:3-4)

Raha mampiasa fomba filaza malefaka sy tsy dia mivantana loatra, hatrany amboalohany, miantso ny olona hanaiky ny mpaminany teo aloha sy ny tokiny ny “Coran”.Tena misy dikany amiko ny fananana ny fepetran’ny CORAN hatrany ampiandoana raha eo amin’ny fanombohana ny fifampidinihana amin’ireo mpanaraka fivavahana hafa. Ao amin’ny andininy iray hafa, mandidy antsika Andriamanitra:

“Aza miady hevitra afa tsy amimpahamendrehana amin’ny olon’ny boky masina” (29:46).

Mamaritra ny paika sy ny fomba izay tsy maintsy ampiharina raha hanao fifanakalozan-kevitra io andininy io. Tena mifanaraka tsara amin’izany ny hevitr’I Bediüzzaman amin’ny endrika sy fomba fiadian-kevitra. “Na iza na iza mahatsiaro fahasambarana amin’ny fandresena ny mpifanandrina aminy nandritra ny ady hevitra iray dia tsy manana famindram-po ary tsy marina”. Azavaina misimisy kokoa io toe-javatra io: “Tsy mahzo na inona na inona main’ny faharesena ianao. Raha resy ianareo ary raha mpandresy ny mpifanandrina aminareo, nanan fotoana hanitsiana na dia iray monja amin’ireo fahadisoanareo asa ianareo ary nianatra zavatra hafa” Tsy natao hanomezana fahafaham-po ny filantsika samy irery ny ady hevitra fa mba hahitana ny marina. Voamarina ao amin’ny Coran izany:

“ Tsy miaro anareo ho mpanao ny tsara sy marina manoloana izay mifanandrina aminareo ho an’ny fivavahana Andriamanitra ary tsy hitady anareo any amin’ny toeram-ponenanareo. Satria Andriamanitra tia ny marina( 60:8)

Araka ny sasany, misy maro ireo andininy ao amin’ny Coran mitsikera mafy ny olon’ny boky marina. Raha ny tena marina dia natao ho an’ny toetra ratsy sy ny hevi-dratsy mifanohitra amin’ny fahamarinana ary ny filana ady sy ny tsikera tsy ilaina io fiheverana io.

Na ny baiboly koa aza mbola ahitana tsikera mafimafy kokoa momba ireo tsikera mahakasika ny toetra tsy mendrika ireo. Na izany aza, aorian’ireo tsikera toa masika sy manindrona ireo dia ahitana teny malefaka namohazana ny fo ho amin’ny fahamarinana ary mifototra ao ny fanantenana. Manampy izany, ny tsikera sy ny fiarovantenan’ny Coran manoloana ireo fitondran-tena sy toetra sasantsasany ananan’ny Jody sy kristianina sy ny mpino andriamanitra maro dia miantefa amin’ny mpino silamo izay miaina amin’io Coran io koa. Miombon-kevitra amin’io lafin-javatra io koa ny mpiara-dia sy ny mpandinika ny Coran.

Ny finoana avy amin’Andriamanitra dia mankahalo mafy ny korontana, ny fitaka, ny fifandirana sy ny fangejana. Ara-bakiteny, ny finoana silamo dia midika ho fandriampahalemana”, “arofanina” ary “zavatra tsara”. Mifototra ara-boajanahary amin’ny fandriam-pahalemana, ny fiarovana ary ny firindran’izao tontolo izao, fanimbana tsy maintsy fehezina no fahitan’ny silamo ny ady sy ny fifandirana. Asiana fanavahana anefa ny fiarovan-tena, toy ny vatana miady amin’ny otrik’aretina manafina azy. Na izany aza, tsy maintsy manara-pitsipika ny fiarovan-tena. Zavatra mitera-doza ny ady, ilaina ny mametraka fitsipi-dalao mba handanjalanjana sy hamerana azy, ohatra, ny nampanjary ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana teo amin’izao tontolo izao ny finoana silamo amin’ny maha fototra azy, toy ny ambaran’ity manaraka ity:

“Ary aoka ny fanajihana mponina iray tsy hahatonga anareo ho tsy marina” (5:8)

Mampitombo llàlam-piarofana mifototra amini’ny fotokevitra izay miaro ny finoana , ny aina ,ny fananana , ny saina sy ny voninahitra ny finoana silamo.tsy paika moderina aradalàna dia nanao toy izany koa.

Manome haja ambony ny ain’ny zanak’olombelona ny silamo.heveriny ho toy ny famonoana ny olombelona manontolo ny famonoana olona iray, satria ny vono olona iray manjo dia miteraka hevitra fa azo vonoina ny olon-drehitra.Ikaina zanak’I Adama no mpamono olona voalohany.Na dia tsy voaferitra mazava tsara ao amin’ny Coran aza ny anaran’izy ireo na ao amin’ny Sounna, nianarantsika tao tamin’ny Baiboly fa vokatry ny fangahalan’i Kaina an’I Abela noho ny fialonana dia novonoin’I Kaina tsy an-drainy I Abela.Teo no nisokatra ny vanimpotoana mikoriandra.noho izany antonjavatra izany nonitateran’ny hadita (hadith) irayity tenin’ny mpitondra ny nofotr’Andriamanitra ity:”tsaky ny misy olona novonoina tsy an-drariny, ny ampahany amin’ny fahotany dia omena ny zanaka lahimatoan’I Adama (kaina), satria izy no meloka voalohany indrindra.Manambara koa ny Coran fa:”Na iza na iza mamono olona iray kanefa io olona io tsy namono olona na mamafy korontana teto antany dia heverina ho nahafaty ny olon-drehetra.Izay mamonjy ain’olona iray monja dia mpanavotra ny olon-drehetra “ (5:32)

Ireo Fepetra Tsy Maintsy Ilaina Amin’ny Fifampidinihana: Ny Fitiavana, Ny Fifandeferana Sy Ny Famelankeloka Ary Ny Fiheverana Ny Hafa

Ny finoana no mibaiko ny fitiavana, ny fiheverana ny hafa, ny fandeferana sy ny famelan-keloka. Izany no antony itazako teny vitsivitsy mikasika ireo soa toavina fototra sy hoan’ny rehetra ireo.

Singa iray manana ny maha izy azy ao amin’ny zavaboary iray ny fitiavana , ary fahefana lehibe iray mamela hanohitra sy hiala amin’ny vato misakana. Manandrana ny fanahy rehetra izay misy azy izy ary ary manomana azy amin’ny làlan’ny mandrakizay. Izay nifandray amin’ny mandrakizay noho ny fitiavana dia mamboly izay azony tao ao amin’ny fanhy hafa. Manokana ny fiainany amin’io asa masina io izy ireo ary mihanitra ireo fahasarotana rehetra noho ny fitiavana io andraikitra io. Na dia manonina ny teny hoe”fitiavana”fohony azy izy amin’ny fofonainy farany, dia mbola miaina ny fitiavana amin’ny fitsanganany velona amin’ny andron’ny fitsarana farany.

Ny fiheverana ny haja dia fihetseham-po tena avy amin’Andriamanitra, mahatonga ny fitiavana. Izay nanam-be amin’io fitiavana io no tena mahery fo amin’ny zanak’olombelona, ary iza io no hamongotra hatramin’ny fakany ny fihetsempo amin’ny fiavonana sy ny fo. Ireny mehery fo ireny dia mbola hovelona na aorian’ny fahafatesany aza.ireo fanahy misandrandra, izay mandretra afom-pitiavana vaovao ao anatin’izy ireo ary mampanjary ny fony ho loharanom-pitiavana sy fiheverana hafa, izy ireodia ho raisin’ny hafa sy hotrany. Hahazo ny zo amin’ny fianana mandrakizay eo an-tokotanin’Andriamanitra izy ireo. Tsy hahajaja ny dindony na ny fahafatesana na ny andron’ny fitsarana.

Ny fitiavana izay lalana mivantana indrindra mankamin’ny fon’ny hafa no làlan’ny mpaninany. Tsy ho voailika izay manaraka izany. Maro ny hampiantrano azy na atosiky ny hafa aza izy ireo. Tsy misy afaka hanakana azy tsy hahatra ny tanjona raha vao ampiantranoin’ny fitiavana indray nandeha fotsiny io.

Mitany ny fitiavana sy ny fifampiheverana avokoa ny rehetra. Raha izany, azo heverina ho rindram-pifampiheverana ny tontolo rehetra. Tsy maintsy maneho fiheverana manoloana ny zavaboary rehetra ny olombelona, satria takian’ny maha olombelona azy izany. Raha mapiseho fiheverana kokoa ny olona,ary amin’Andriamanitra kokoa izy, hanjary hankohatra ny ratsy sy ny famoretana ary ny hasikana ary ho alam-baraka sy ho soina. Efa nampahafantatra antsika ny mpaminany fa hiditra ao am-paradisa ny mpijangajanga ray mendrika azy izany satria nampisotro rano alikanangetahata iray izay saingy ho any amin’ny helo kosa ny vehivavuyhafa iray satria namela saka ho fatin’ny anoanana.

Iahamarinana lehibe ny famelan-keloka. Tsy azo sarahina amin’ny fahamarinana ny famelan-keloka, ary ny famelan-kelo tsy azo sarahina amin’ny fahamarinana. Hatsaran’izany fomba fiteny izany :”Avy amin’ny kely ny fahadisoana, ary amin’ny lehibeny famelan-keloka”. Marina izany! Ny dikan’ny hoe voavela heloka dia mila fiovana, fiverenana amin’ny tena izy sy fandinihan-tena. Noho io antonjavatra io no maha asa mendri-piderana indrindra eo imason’nympamindra fo symandrakizay, izay tanteraka ao amin’ny fangitangitahan’io fiverenana io.

Isaky ny diso lalàna ny olona ka mangozotra io tady mahagagan’ny famelankeloka io, miala amin’ny henatry ny fahotana vitany izay miteraka fahakiviana, mahazo ny famindram-po tsy manam-petra izy ary mianatra ho mpandefitra eo anatrehan’ny hafa.  Hoy i Jesoa tamin’ny  vahoaka izay te-hitoratato vehivavy iray :”Izay tsy nanonta taminareo no aoka hitora-bato azy”. Ahoana no hahazoan’izanymisaintsainy ny zavatra tsy azony atao io hevitra saro-pady io, ho afa handinika kely akory hitorabato ny akaiky azy ve satria mendrika ny ho toraham-bato izy?

Ny lolom-po sy ny fialonana dia zavatry ny afobe nafafin’ilay ratry teo amin’ny olona. Tsy mba mitovy amin’ireo mpitarika ho amin’ny ratry sy manova ny tany ho lavaky ny elo isika fa tsy maintsy mamela heloka mandrampivarin’ny olona any andavaka. Ny fanararaotan’ireo izay tsy mamela heloka sy tsy mandefitra, mamela ny hafa no nahatonga ny tao ny ato farany amin’izao vanim-potoana izayhampataotra indrindra teo amin’ny tantara manontolo. Raha mbola hanjaka amin’ny ho avy ireo olona ireo, hampangovitra izany. Noh izany,ny valisoa indrindra azon’ny taranaka ankehitriny homena ny sy ny zafikeliny dia ny tsy maintsy mampianatra azy ireo hamelana heloka any fa na dia manoloana ny toetra ratry indrindra sy venimpotoanamandreraka indrindra aza. Mino isika fa hanasite ny ratsintsika maro ny fandeferana sy ny famelan-keloka io fitaovana masina io.

Tsy maintsy lahibe ny fandeferantsika mba hahafahana manidy ny manoloana ny fahadisoan’ny hafa, manja ny fahasamihafan-kevitra ary mamela heloka izay azo avela heloka. Na dia voahosihosy aza ny zontsikatsy azo fafana, tsy maintsy mamaky amikalefahana toy izay azavain’ny Coran aminin’ity andininy ity asika:

"Mitenena aminy amimpehamendrehana”(20:44).

Tsy maintsy miasa amim-pitiavana isika mba ho afaka manoina ny fon’ny hafa amin’ny fanantenana azy. Tsy maintsy mpandefitra kokoa isika amin’ny hevitra tsy mitovy, satria manery hampanjary ny fontsika, ny fanahintsika sy ny fisainantsika ho tsara izy ireny,na tsy mampianatra antsika na inona na inona aza. Ny fandeferana izay ampiasaintsika matetika noho ny fanajana,ny famindram-po, ny fahatsarana, sy ny faharetana dia singa manana ny lanjany amin’ny fotokevitra ara-moraly. Izy io koa dia sady loharanon’ny fitsipi- pitondrantena ara-panahy goavana, fahamaivan’ny lehilahy sy ny vehivavyvoa volavola tsara.

Eo ambany mason’ny fandeferana, miha lalina ny fahamandrehan’ny mpino ary tsy misy fetra ny fivelarana, mila miala ny fahadisoana sy ny tsy fehezan-javatra mandr-pahatonga azy ho tsy misy dikany. Arak’izany, ny fananavan’ilay any ankoatry ny habakabaka sy ny fotoana dia mandalo mandrakariva amin’ny famirapiratan’ny fandefasana, ary manantena isika fa ny fandeferany ho amintsika sy ny voany rehetra. Ny famindram-pony lehilahy hivelatra na amin’ny mpijangajanga izay nanome rano hoan’ny olona mangetaheta aza ary afaka mandondona eo “Ambaravaran’ilay Mpamindra fo” izy ka ho hita eo amin’ny lalana mankany amp-paradisa. Toy izany koa, noho ny fitiavana lalinaizay tsapany ho an’Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany, ho afaka amin’ny fahazaran-dretsiny ny mpinamo ary hanjary ho mpanaradia ny mpaminany. Ary koa, amin’ny kely indrindra amin’ny voninahitran’Andriamanitra, voavonjy tamin’ny arentin-dratsiny ny mpamono olona: niverina nankany amin’ny laharan’ny avo indrindra izy ary nahatratra izany, lasa lavitra noho ny halebeazany efa tao antiny izany. Maniry isika tsirairay ary fa hijery amin’io maso io, ary manantena isika fa ny rivo malefaky ny famindran-po sy ny famelan-keloka hitsoka tsy miato eo amin’ny manodidina antsika. Maniry avokoa asika hamerina ny lasantsika sy ny ankehitrintsika amin’ny rivotry ny fandeferana sy ny faharetana izay manempo sy manova, mamotsy sy manadio, ary mampizotra mankamin’ny ho ary tsy amin’ahiahy. Tsy tiantsika ho tsikeraina ny lasantsika sy ho amaizinina ny hoavy noho ny ankehitriny. Isika rehetra miandry ny fitiavana sy ny fanajana, manantena handray fandeferana sy famelana ary maniry ho fohinin’ny fahfahena sy ny fitiavana. Manantena fandeferena sy ny famelan’ireo ray amandreny ny hadisoana tao an-trano isika, sy ny an’nimpampianatra antsika noho nytsy fahamarinan-tsika sy ny fangejan-tsika, ny mpitsara (Andriamanitra) ao amin’ny fitsarana any an-koatra.

Kanefa, tsy maintsy tanterahantsika ho mendrika aloha izay andrasatsika. Izay tsy mamela heloka dia tsy ho voavela heloka. Raha tsy manaja ny hafa isika, tsy ho voahaja ihany koa. Izay tsy tia dia tsy mendrika ho tiavina. Izay ny manoroka ny zanak’olombelona amin’yfandeferana sy ny famelan-kelony dia tsy hahazo na fiantrana na famelan-keloka. Izay manompa ny hafa, tsy tokony hiandry afa tsy ozona vahin’izany. Izay manimba zimba dia ho zimbazimbainaary izay mikapoka dia ho kapohina. Raha manaraka ny lalana ny tena silamo ary mandefitra ny ompa amin’ny fotokevitry ny Coran toy izao:

“Rehefa mandalo eo akaikin’ny fahavetavetana izy, ialany ampahendrena (25:72) ary izay mahafehy ny fahatezeranasy mamela heloka ny hafa satria Andriamanitra tia ny mpanao ny tsara (3:134) ho voavela heloka tanteraka izy.tsy tianareo ve ny hamelan’Andriamanitra ny helokareo? (24:22) manaova ny tsara na ampahiremaso ny miafina,ary mamela heloka ny ratsy…(4:134) avelao ny elony amin’ny natakatahany/volonolonany, mamindra fo: Tia izay manao ny tsara Andriamanitra (5:13)”

Teny Farany

Tsy maintsy manova ny tenany aloha ireo maniry hanome hendrika vaovao izao tontolo izao. Tsy manasa ny tontolo ao anatiny aminin’ny fialonana, ny lolom-po sy ny fankahalana aloha izy ireo avy mandravaka fahamarinana ny tontolony ivelany vao mitarika ny hafa mankamin’ny lalana mizotra any amin’ny tontolo tsara. Ireo izay lavitra ny fifehezan-tena sy ny fametraha fitsipika ho azy sy tsy afaka hanova ny fiheverana ao aminy, tokony hahasarika sy malefaka voalohany. Kanefa, tsy afaka hihevitra ny afa amin’ny fomba maharitra na oviana na oviana izy ireo, ary ny heritreritra izay novoaziny manjavona vetivety. Ny hatsaram-po, ny hatsaran-tarehy, ny fahamarinana no fototry ny maha izy azy ny tontolon’ny olombelona; na inona na inona mitranga, hahita io tena maha izy azy io izao tontolo izao indray andro, ary tsy misy na iza na iza hahasakana izany.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.