Gulen Amin

Voasarika hamantatra ireo sekoly tarihin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona manaraka ny foto-kevitr’Ingahy Gülen aho. Nanosika ahy hanadihady ireo hasasarany izany mba hahafantarako ireo hevitra nahatonga ny tetik’asam-panabeazana izay narahin’ny fomba fijerin’I Fethullah sy ireo mpanaradia aminy.

Hanombohana azy, tsar any manamarika ny fifandraisana misy eo amin’ny Gülen F sy ireo sekolu izay mora antsoina amin’ny hoe : “Ny sekolin’ni Gülen” na koa hoe “Ny sekolin’ny hetsik’I Gülen”. I Gülen dia voafaritar manokana ho mpanabe. Matetika izy no mametraka fanavahana mazava eo amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana. “Ny ankamaroan’ny olombelona dia mety ho mpampianatra, fa vitsy dia vitsy kosa ny isan’ny mpanabe”, hoy izy.

Naveriny ihany koa fa tsy manana sekoly izy. “reraka ny mamerimberina aho fa tsy manana sekoly na iray aza”, hoy izy tamim-pisentoana. Naorina ny sekoly rehefa nifanarka ny tsirairay sy ny firenena izay nandray azy sy ny orinasam-pampianarana miorina amin’io tanjona io. Ny sekoly tsirairay dia rafitra fitantanana mahaleotena, fa ny ankabeazan’izy ireny dia miankina amin’ny orinasa Turc mba ahafahana mampiodina ny sekoly (fandaminana ao an-tsekoly sy ny mpiasa)

Ny nahitako voalohany ny iray dia ny taona 1995, tany zamboanga, ao any amin’ny nosin’ny Mindanao , ao atsimon’ny Philippines, rehefa fantatro fa misy sekoly turc kilometra vitsivitsy avy ao amin’ny tanan-dehibe. Rehefa nanakaiky ny sekoly aho , ny zavatra voalohany nisarika ny saiko dia ny nahita ny soratra lehibe eo amin’ny vavahadin’ny sekoly izay mivaky hoe “Sekolin’ny fandeferana Philippe sy Turc”. Zavatra nahagaga izany fanamainana izany tany Zamboanga, tanan-dehibe ahitana kristiana (50%) sy silamo (50%) miara-monina ; hita anatin’ny faritra nanjakana’ny Fanjakana mpizarazara maro (silamo) nandritrin’ny roa taona, niady tamin’ny miaramilan’ny governementan’ny Philippines. Ao anatin’ny faritra ahitana ny fakana an-keriny isan’andro sy ady an-trano, fifampitifirana, fanamborona, fananjavonana sy vono olona ataon’ny miaramila sy ny milisy , ny sekoly dia manome fahalalana ny ankizy kristiana filipiana sy ny ankizy silamo filipiana. Avo lenta sy fomba fiaina sy ny fifandraisana tsara amin’ny hafa.

Ny Jezoita namako sy ny mpampianatra laika any Alténéo (Zamboanga) dia manamafy izany hatramin’ny niandohan’ny sekoly fandeferana Filipina sy turc dia manana fifandraisana sy fiaran-miasa tsara amin’ireo rafim-panabeazana kristiana any amin’ny faritra.

Hatramin’io fotoana dia manana fotoana hamangiana sekoly hafa sy ny adi-hevitra mikasika politikam-panabeazana tamin’ireo mpanabe sy mpandraharahan’ny sekoly . Ny herin’ny fandaharam-pianarana amin’ny siansa, ny informatika sy ny teny avy any ivelany dia miseho amin’ireo fahombiazana maro amin’ireo fifaninanana oniversitera. Tao amin’ny kolejy iray ao Bichkek, ny resaka tamin’ny vondronam-pianatra kirghizes, kilasy fahadimy nandrtitrin’ny atsasakadiny aho. Rehefa nifanarana ny teniko, nangataka tamin’ny mpianatra ny hanavaka ny fomba fanononana sy ny teny izay manamporofo fa miteny anglisy amerikana aho ny mpampianatra. Gaga dia gaga aho fa tsy nananosarotra ireo zaza akory ny nanao izany.

Nataoko fa hahita tontolo sy fandaharam-pianarana mifototra manokana amin’ny finoana silamo aho. Raha mbola torovan’ny hagagana nohon’ny tsy fahitako ny tetikasam-panabeazana nositonina avy amin’ny finoana iny aho no nahazo valin-teny hoe satria ny mpianatra dia ahitana kristiana sy silamo ao Zamboanga, ao koa Bodista sy ny Hindo ao Kirghizistan, koa ny nampitaina amin’ny mpianatra dia ireo sotoavina iombonana ihany, toy ny fahamendrehana, ny fahazotoana, ny firindran’ny asa sy ny fisainana fa tsy hoe fanabeazana ny fototra amin’ny fivavahana.

Nanosika ahy handalina ny asa soratrin’ny Fetullah gulen ireo fihaonana ireo mba ahafahako ny antonym sy ny fotokevi-panabeazana manodidina ny sekoly sy mpanabe ahafantarana ny paikadin’ny Gülen izay mampahatonga azy ho mpanabe afaka misarika ny hafa amin’ny fomba fijeriny.

Ny Fahitan’i Fetullah Gülen Ny Fanabeazana

Nadritry ny folo taona nanaraka ny fametraahana ny Repoblika turc, silamo , turc maro no nitsikera ilay fandaharam-pianarana nantsoina hoe “fanavaozana manara-penitra” izay naroson’ny Governemanta satria nametra anjambany fotsiny izay zava-tsara sy izay zavatra ratsy tao amin’ny riban’ny Eropeana izy. Tsy fantany fa ny fidirana ho laika dia vokatry ny dingana hiroso amin’ny fanaraham-penitra fotsiny, ny vokatra azo anefa dia toa fanoherana ny fivavahana. Nohamafisin’izy ireo fa ny hevitra izay mitondra mankany amin’ny fanavaozana manara-penitra dia ny faharesen-dahatra ara-poto-kevitra milaza hoe ny fivavahana no vato misakana amin’ny fampandrosoana ary nanjary natao an-jorom-bala teo amin’ny fiaraha-monina, ny Ekonomia sy teo amin’ny politika raha tiana handroso ny firenena. Ny zotran’ady ho faritana nandritra ny folo taona taorian’ny fametrahana ny Repoblika ary namafisin’ny rafi-panabeazana nifaninana dia niteraka ny ady hevitra finoana/ny maha laika tany Turquie, adihevitra izay nandrenesana mandrakariva ny fiandanian’ny ankamaroan’ireo mpandinika.

Amiko ny antony iray izay nahatonga ny olona hivondrona (ankavanana) sy (ankavia) sy ny (laika) hanohitra ny Fethullah Gülen matetika dia tsy te hiandany amin’io hevitra heveriny fa efa nilaozan’ny toetr’andro io izy dia aleony manome paikady mifototra amin’ny ho avy izay heverina fa hampitsahatra ny adihevitra misy fa tsy miandany amin’ny atsy na aroa. Ny vahaolan’I Gülen dia manamafy ny tanjona tian’ny fanavaozana nanara-penitra ho tratrarina izay navoakan’ny Goernemanta Turc fa nampiseho kosa dingana arahan’ny fampanaraha-penitra tena mahomby dia tsy maintsy ny fampivelarana maha-olona manontolo. Ami’ny fomba fiteny ara-pedagojia, tsy maintsy mijery ireo zavatra atao loha-laharana mahakasika ny fampianarana izay efa misy ary mampiditra azy ireo amin’ny fomba fanabeazana vaovao izay tsy maintsy ahitana ireo zavatra takian’ny toe-javatra ankehitriny.

Tsy misy itovizan’izany mihitsy amin’ireo tetik’asa izay mitady hamerina na hampiditra indray ny zavatra efa lany andro. Tamin’ny fandavana fa ny fanabeazana atolotr’ireo sekoly mifamatotra aminy ireo dia faka-panahy hamerina indray ny rafitra “Ottoman” na hametraka indray ny “Califat” dia nohamafisin’I Gülen mafy fa : “raha tsy misy fankatoavana sy fanarahana ny fepetra vaovao dia ho fanjavonana no vokany”.

Na dia ilaina aza ny fampanaraha-penitra araka ny heviny nitera-doza ny fialana tanteraka amin’ny lasa. Raha tsy mahafantatra ny soatoavina nentin-drazana, ny tanora dia beazina tsy hanana soatoavina afa-tsy ny fahombiazana ara-materialy. Ny soatoavina imaterialy toy ny hevitra lalina sy fihetsem-po, ny fandiovam-pisainana, ny fahafantarana ny kolontsaina sy ny zavatra ara-panahy dia toa hodian’ireo vondrom-panabeazana moderne tsy ho hita izay mikendry fotsiny hamoaka mpiasam-panjakana maro eo amin’ny tsena faobe.

Mpianatr’iza no afaka hikarakara tsara ny asany kanefa tsy nahazo ny famolavolana ilaina mba ahzoana ny tena fahafahan’ny olombelona. Ny Mpitarika politika sy eo amin’ny sokajin’ny toe-karena dia mankasitraka ny fanabeazana “tsy ahitana soatoavina” fa hafatra amin’ny asa fotsiny mba ahafahan’izy ireo manara-maso mora foana ny mpiasa “nofanina fa tsy nobeazina”. Nohamafisin’I Gülen F raha te hanara-maso ny vahoaka ianareo , ampy ny tsy fanomezana azy fahalalana fotsiny izao. Tsy afaka miala amin’ny karazam-pangejana ny olona raha tsy amin’ny alalan’ny fanabeazana ny lalana mankany amin’ny fahamarinana sy filaminana ara-tsosialy dia mifototra amin’ny fanabeazana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ho an’ny rehetra satria io no zavatra tokana hanome ny fifankazahoana sy ny fandeferana ilaina amin’ny fanajana ny zon’ny hafa. Avy amin’I Gülen F, tsy ny fametrahana ny filaminana ara-tsosialy ihany no voaelingelin’ny fanabeazana tsy mirindra, fa indrindra indrindra koa ny fahalalana ny zon’olombelona sy ny toetra hanaiky ny fandeferana manoloana ny hafa. Raha nobeazina tsara hahay hisaina sy hanaja ny lanjan’ny filaminana ara-tsosialy, ny zon’olombelona sy ny fandeferana ny olona, ho afaka hitondra fanovana mba hampiharana ireo rehetra heverina fa mitera-boka-tsoa.

Raha tsy maintsy ovana ny fanabeazana dia tsy azo adinoina ihany koa ny fanofanana ny mpanabe. Nomariahan’I Gülen fa “tsy mitovy ny fanabeazana sy ny fampianarana.” Ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mety ho mpampianatra fa tena voafetra ny isan’ny mpanabe. Ny fahasamihafana amin’ireo zavatra roa ireo dia mifototra amin’izao zavatra izao : raha samy mampita ny zava-baovao sy ny teknika ny mpampianatra sy ny mpanabe dia itsy farany ihany no afaka mampipongatra ny maha-olona ny olona ao amin’ny mpianatra (personnalité), manaitra ny fisainany sy ny fandinihany, manampy azy amin’ny famolavolana ny toetrany ary mahatonga azy hahay hitondra tena samirery amin’ny fandeferana sy ny tena hevitry ny asany. Faritany ho toy ny “jamba mitarika jamba” ireo izay mampianatra mba ahazoana karama fotsiny fa tsy mba mampita famolavolana ny toetra ho an’ny mpianatra.

Ny tsy fahampian’ny rindran-damina eo amin’ireo rafi-panabeazana mifanenjika sy mifanohitra no niteraka ilay ambaran’I Gülen F hoe “ady mafy tsy tokony hitranga : ny siansa mifanohitra amin’ny fivavahana. Io fifanoheran-diso io no mandany ron-doha an’ire manam-pahaizana, mpitondra fivavahana sy mpanao politikan’ny vondrona roa nandritra ny taonjato faha sivy amby folo sy faha roapolo ary niterka ny faha-samihafan’ny fomba sy ny filozofiam-panabeazana. Ny mpanabe laika manara-penitra dia mahita ny finoana ho toy ny fandanian’andro fotsiny ka tsy ilaina, ary ny tena ratsy, heveriny ho vato misakana amin’ny fandrosoana. Teo amin’ireo manam-pahaizana mandala ny finoana indray, ny ady hevitra dia tonga hatrany amin’ny fanariana ny fampanaraha-penitra ary nijery ny fivavahana ho toy ny “tolo-kevitra politika fa tsy fivavahana amin’ny tena heviny sy andraikiny.” Mihevitra izy fa amin’ny dingam-panabeazana ahitana ny hevitry ny manam-pahaizana mandala ny finoana voaofana ara-tsiansa tsara sy ny an’ny siantifika ahitana soatoavina ara-panahy sy ara-pinoana no foana ny fifanoherana siansa / fivavahana na ho fantatra fara faharatsiny ny antony”.

Mba hanatanterahana izany dia naveriny ny tsy maintsy liana fomba fanabeazana vaovao “izay manambatra ny fahalalana ara-pinoana, fahalalana siantifika, ny morally sy ny ara-panahy mba ahafahana mamokatra olona tena mazava, sy manana fo voazavan’ny fahalalana ara-pinoana sy ara-panahy ary saina voatsilon’ny siansa miabo”. Olona vanona hiaina araka ny soatoavina morally sy ny toetra maha olombelona ary koa “mahafantatra ny fepetra mikasika ny teo-karena sy sosialy ary politika amin’ny vanim-potoana iainany”.

Maro ireo voambolana saro-takarina ao amin’ny asa soratr’I Gülen mikasika ny fanabeazana izay tsy maintsy hialana amin’y hevi-diso. Ny voalohany dia ny hoe : “ara-panahy” na “soatoavina ara-panahy”. Tsy misy ifandraisany ireo amin’ny dikany hoe “fivavahana”. Izay ampiasaina mba hampangina an’ire hevi-diso manoloana ny fivavahana ami’nizao fiarah-monina tsy misy finoana ankehitriny. Ampiasain’I Gule amin’ny dikany malalaka kosa ireo voambolana ireo. Aminy, ny ara-panahy dia tsy mahakasika ny fampinarana manokana mikasika ny finoana ihany fa ao koa ny etika, ny lojika, sy ny fahasalaman’ny saina ary ireo harena ara-pihetsem-po rehetra. Amin’ireo teny fototra ao amin’y asany koa dia ahitana “famindram-po” sy “fandeferana”. Ny andraikitry ny fanabeazana dia ny hampiditra toetra tsy azo refesina ao amin’ny mpianatra amin’ny fanabeazana azy amin’ny taranja siatifika antsoina hoe “marina” ihany koa.

Misy voambolana hafa fampiasan’I Gülen matetika ihany koa tsy maitsy jerena akaiky, miteny matetika ny filana ny soatoavina “ara-kolotsaina” sy”nenti-paharazana”. Ny antsony amin’ny fampidirana karaza-tsoatoavina ao amin’ny fanabeazan dia mitsikera ho antso hiverina any amin’ny fiarah-monina “Ottoman” talohan’ny faha-Repoblika. Nomelohina ho toy ny “Irtidjâjî” izy, izay azo adika amin’nyhevitra turc hoe “fanoherana miverin-dalana” na “fondamentaliste”, fanamelohana notoherinyhatrany izany hoy izy miaro ny heviny : “miteny hoe : Irbidjâ” dia midika hoe fiverenana amin’ny lasa na mitondra ny lasa ho amin’ny ankehitriny. Anisan’ny olona nisafidy ny tanjony mandrakizay aho fa tsy ny ampitso ihany, liana amin’ny ho avin’ny firenentsika aho ary miezaka araka izay azoko atao mba hanompoana azy. Na tamin’ny teny noteneniko na tamin’ny soratra nosoratako na amin’ny asa rehetra ataoko, tsy miombona mihitsy amin’ireny hevitra mampihemotra ny fireneko aho ary tsy misy olona hafa hanafi-toetra ny finoana an’Andriamanitra ho “Irtidjâ”.

Raha miteny ny soa toavina ara-kolotsaina sy nenti-paharazana izany dia toy ny miery ny lasan’I Turquie ho toy ny fotoana lasa nanovozam-pahendrena miadana izay mbola manan-javatra maro ho an’ny olona ankehitriny ary mbola maro amin’ireo fahendrena nentin-drazana ireo no tena ilaina sy mifanaraka amin’ny filan’ny fiaraha-monina ankehitriny. Ankoatra izay, ny fakam-panahy hamerina manontolo ny lasa dia mampiseho tsy fahampiam-pijery ary miteraka tsy fahombiazana. Azo lazaina fa ny hevitr’I Gülen dia milaza fa ny fanariana ny ezaka mba hiala amin’ny lasa dia fanariana ny ezaka mba hametraka fiarahamonina moderina ihany koa.

Amin’I Gülen ny fironan’ireo mpitaky fiovana “ho afaka amin’ny gejan’ny lasa” dia fanomezam-pahasoavana. Ireo toe-javatra mangeja sy tsymampivoatra avy amin’ny lovatsika sy ireo izay efa tsy misy liana azy intsony dia mednrika ho soloina, fa tsy maitsy hamafisina kosa ireo toe-javatra manafaka sy mifanaraka amin’ny maha olona raha tiana ho afaka hamolavola ho avy mahafinaritra ny taranaka vaovao. Mazava fa ny fisainany dia tsy voafetran’ireo ady hevitra anatiny mikasika ny politika hzaran’I Turquie na ihany koa amin’ny ho avin’ny fiarah-monina silamo. Ny fahitany ny fanabeazan dia mahasahana ny fiarah-monina manontolo manerana izao tontolo izao. Te hamolavola mpitaky fiovana hamafisin’ny tambajotran-tsoatoavina izay manambatra ny ara-materialy sy ny imaterialy maha-olombelna izy. Hoy izy : “izay te hanova izao tontolo izao dia tsy maintsy manova ny tenany aloha voalohany indrindra”. Mba hahafahany mitondra ny hafa amin’ny lalana mitondra tontolo mahafinaritra dia tsy maintsy manadio ny tontolo ao anatiny sy manadio ny fialonana, ny lolompo sy ny fankahalana aloha izy, ary mandravaka fahamarinana ny tontolony ety ivelany. Ireo izay rafitra ny fahaiza-mijihy tena sy tsy afaka manatsara ny fisaintsainany, dia mety hahafaritra ihany amin’ny voalohany. Kanefa tsy afaka nyhahasarika ny haja amin’ny fomba maharitra izy ary ny fisaintsainana azo no fohazina dia tsy ela dia hanjavona.

Manamafy Gueln fa : “tsy tena olona ny olona iray raha tsy mianatra, mampianatra sy mihevitra ny hafa. Sarotra ny mihevitra ny sasany izay tsy mahalala na inona na inona na tsy mangetaheta fianarana ho tena olombelona. Azo saintsainina koa raha tena olombelona ny manam-pahaizana tsy miha-vao sy tsy miova mba ho ohatra ho an’ny hafa”.

I Fetullah Gülen Anisan’ny Mpampianatra Ny Foto-Pinoana Silamo Izy

Ny maha mpanabe an’I Gülen no tena hifotoran’ity matoan-dahatsoratra ity.

Ny andraikiny amin’ny manam-pahaizana sy mpampianatra ny finoana dia hevitra mendrika ho jerena amin’ny manaraka toy ireo fanadihadiana ny fisainany mikasika ny finoana ami’nny maha mpandinika ny finoana silamo azy. Hevitra maro no mety tsy dia hita ato amin’ity matoan-dahatsoratra ity, na izany aza anefa tsy feno ny fandinihana ny fahitany ny fanabeazana raha tsy mijery ireo hasosorany mikasika ny finoana silamo.

Amin’ireo boky telopolo nosoratan’I Gülen dia ahitana sasantsasany manambara ireo kabary sy toriteny nataony tamin’ny mpianatra sy ny mpino. Ny sasany indray dia valim-panontaniana napetraky ny mpianatra taminy. Ary ny amaphany sisa rehtra amin’ireo asany dia nandinihana ny fiainan’ireo mpaminany Mohammed sy fampidirana ny iray amin’ny sofisma, fandihadiana ny fanontaniana taloha izay navoitran’ny siansa Kalâm, ary vondron-kevitra manana ny maha izy azy amin’ny finoana silamo. Tsy mikendry manokana ireo manam-pahaizana manokana ny fanadihadiana nataony fa ho an’ny vahoaka silamo manontolo nahazo fanabeazana.

Inona ary no azo ambara amin’ny paikady manokan’I Gülen amin’ny fanadihadiana ny loharaono nipoiran’nyfinoana silamo sy ny fomban-drazana. Ny zavatra mahasarika ny mpamaky voalohany ny fanatitraterany mikasika ny morally sy ny fahamarinana ara-moraly izay nohamafisiny tsara ho ivo ifotoran’ny finoana avy amin’ny CORONa fa tsy fahazarana fotsiny. Amin’ny fanamafisana tsar any liana ny fivavahana isan’andro, I Gülen dia mihevitra ny fahitsiana ara-pahendrena ho ao am-pon’ny firehetana ara-panahy. “na hamafisina fa ny morally no fototra maha finoana ny finoana ary anisan’ireo hafatra fototra avy amin’Andriamanitra. RAha manana ny fahamarinana sy ny morally mendrika, tena mahery fo - ery tena izy-, ny mahery fo lehibe voalohany dia ny mpaminany, avy eo izay manaraka azy am-pahamendrehana sy fitiavana. Ny tena silamo marina dia izay mampihatra ny morally ho an’ny rehetra. Nohamafisiny tamin’ny filazana “Hadith” iray ny heviny ; hadith an’I Mohammed izay milaza hoe “hifototra amin’ny morally mendrika ny finoana silamo, nirahina mba hanatomombana sy hameno ny morally mendrika aho.”

Ny endrika samihafa ananan’ny fiainana silamo dia miara-mihevitra miaraka mirona mba hamokatra olona mendrika sy fahitsiana tsy hay tohaina. Amin’ny hevitra malalaky ny voambolana hoe : islâm na fanekena ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra, azo lazaina fa ny sekoly naorina tamin’ny hetsika niaraka amin’I Gülen dia nosintonina tamin’ny hevi-pahendrena mifototra amin’ny loharano nipoiran’ny finoana silamo, kanefa kosa tsy mikambana amin’ny vondrona “La Omma” (fitambaran’ny vondrona silamo) fotsinyihany. Rehefa nilaza fa hamolavola mpianatra hiova hiaina araka ny tena maha olombelona sy ny soatoavina ara-moraly izay mandravaka ny tontolon’ny ivlany amin’ny fahamarinana I Gülen, dia manolotra fepetra ara-pahendrena iraisana izay nianarany tao ami’nny finoana silamo amin’ny maha silamo azy (F. Gülen) Mazava ho azy koa fa tsy ny fahamarinana n any toetra mendrika maha olombelona sy ny soatoavina ara morally ihany no noheveriny ho hampitaina satria ny mpianatra tsy silamo koa dia raisina amin’ireny sekoly ireny.

Mazava amin’izany fa ny finoana silamo dia toy ny “fitaovana hitondrana ny olona mankany amin’ny fahamedrehana ara-moraly ny finoana silamo, tsy maintsy heverina fa toy ny fivelarana ara-boajanahary sy tsy azo ialana ao amin’ny fomba silamo ny sofisma ( Tasawwuf). I gulen dia manome famaritana ny sofisma ho toy ny “ezaka mitohy mba hialana amin’y hevi-dratsy rehetra sy fitondran-tena tsy mendrika sy ahazoana ny fahamarinana”. Mankato any sofisma izy, toy ny mpitarika ara-panahy teo amin’ny tantaran’ny silamo ary mampiseho tamin’ny taranaka silamo ny fomba hanarahana ny lalana mankany amin’ny fahamedrehan’ny olombelona.

Ny famakiana ny foto-kevitra sofista no mitarika nysasany hanondro azy ho nanorina hetsika karazann’ny sofisma vaovao (néo-soyi) = “Tariqat”. Nolaviny mafy fa tsy miandany na oviana na oviana amin’ny “tariqat” izy ary tsy nanorina ny sofisma vaovao, naverin’I Gülen F. fa ny manameloka ny sofisma, ny halebeazana ara-panahin’ny finoana silamo, dia mitovy ami’ny fanoherana ny finoana silamo ihany. Hoy izy : “efa impiry no nilazako fa tsy mpikambana amina laharana ara-pinoana aho. Amin’ny maha finoana ny finoana silamo dia mifatotra voajanahary amin’ny tontolo ara-panahy izy. Raisiny ho toy ny foto-kevitra ijoroana ny fitsipika maha-finoana azy. Ny fiantrana, ny fanajana, ny hatsaram-po sy ny fahatsorana dia ilaina tokoa amin’izany. Ao amin’ny tantaran’ny silamo, ny fitsipika tena mifamatotra amin’io hevitra io dia ny sofisma. Ny manohitra azy dia manohitra ny tena maha finoana silamo ny finoana silamo. Averiko indray anefa fa tsy mitambatra amin’ny vondrona sonfi na oviana na oviana aho, tsy mbola nanana fifandraisana na inona na inona tamin’izy ireo aho”

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.