Ny Sekoly

Taoriany naneken’ny fanjakana tsara  ny fisokafan’ny sekoly tsy miankina, maro ny olona nisafidy ny handany an-tsitrapo ny hareny hanompoana ny tanindrazana mialohan’ny handehanany any amin’ny tontolo hafa aoriana’ny fialana ami’ity fisiana tsy misy antonym ity. Ary nataony taminkafanam-po tamim-pinonaa izany. Toa tsy fantatra intsony ireo sekoly maro miorina eto sy ny any ivelany. Satria tsy nisy afa-tsy ny nitaky sy nankahery izany aho, tsy fantatro koa ny ankabeazan’ireo orinasa (anarany) sy ny toerana misy azy izay nanorina ireny sekoly ireny.

Matetika aho no tsy maintsy manaraka io toe-javatra io amin’ny haino aman-jery sy matoandahatsoratra mivoaka amin’ny gazety soratr’ireo mpanao gazety mendrika toa an-dry Ali Bayramoglu, Sahin Alpay sy ny atilganbayar. Sekoly maro no misokatra amin’ny toerana eran’izao tontolo izao, hatrany Azerbaidjan ary Filipina sy any St Petersbourg (renivohitra Rosianina tsarista) ka hatrany Moscou (renivohitra Rosianina kominista), izay dia noho n fanampian’ny jody mpiray tanindrazana amintiska sady mpandraharaha goavana antsoina hoe Uzeyir Garih, any Yakutsky. Ireo sekoly ireo dia misokatra saika any amin’ny firenen-drehetra, afatsy ny toy ny tany Iran izay tsy manome alalana.

Ny mpanoratra sy mpandinika izay nitsidika azy ireo dia nanamafy fa ireo sekoly ireo dia vatsiana sampan-draharaha mpanao asa soa any Turquie. Ny ankabeazan’izy ireo dia sara-pisoratana anarana no fandraisany anjara amin’ny ara-bola. Ny manampahefana ao an-toerana dia mandray anjara lehibe amin’ny fanorenana ny sekoly amin’ny fanomezana tany, na trano amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra n any tale raha ilaina izany. Ny mpampianatra izay miezaka  manompo ny fireneny, ny tanindrazany sy ny maha-olona, sy izay mahatsapa fa ny tena dikan’ny fiainana dia mifototra amin’ny fanampiana ny hafa dia miasa aminkafanm-po na dia kely azy ny karama.

Tamin’ny voalohany, niahiahy tamin’ny fanohanany ireo tompon’andraikitra nampanaovina iraka tany ivelany satria tsy fantany tsara izay zavatra hitranga any. Ankehitriny kosa, ny ankabeazan’izy ierny dia manampy ny sekoly. Ankoatra ireo filoham-pirenena Turc roa ingahy urgut Ozal (efa maty) sy Ingahy Mustafa Kalenli sy I Sulyemen Demirel, filohan’ny antenimiera Turc teo aloha sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Hikmet Catin dia nanohana ireo sekoly ireo ary nitsidika azy.

Tsara ny nanehoantsika etoana ny fanamarihan’ny Ali Bayramoglgu, mpanao gazety nitsidika ny ankabeazan’ireo sekoly ireo.

“Ireo sekoly ireo dia tsy manome fampianarana ara-pinoana ary tsy mametraka tontolom-pinoana amin’ny asa atao any an-tsekoly tahaka ny filazan’ny sasany. Naorina tahaka ny Lycée Anadolu izy ireo, omena laboratoara sy fitaovana teknolojika manarapenitra. Ny fianarana dia omena araka izay fandaharam-pianarana faritan’ny Ministeran’ny fampinarana. Tsy ao anaty program any fivavahana. Ny mpanao gazety Alibulaç izay notsidika ireo sekoly ireo koa dia manamarika fa tsapany ho tsy dia madio loatra ny trano fidiovana ary iniana atao izay mba tsy hieritreretana fa mariky ny fivavahana izany. Ny zavatra atao any an-tsekoly dia manaraka ny filozôfian’ny hery fampianarana sy ny lalana velona ao amin’ilay firenena. Ohatra, any Ousbébissan, rehefa avy mianatra ny teny turc sy ny teny anglisy ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana dia niantra taranja siatifika amin’ny teny anglisy amin’ny mpampianatra turc sy ny siansa mikasika ny olombelona sy ny sosialy any Ouzbek miaraka amin’ny mpanabe avy ao an-toerana. Ny tanjon’ireo sekoly dia tsy manome fanabeazana ara-pinoana na hampita fahalalana ara-pivavahana ho an’ny olon-drehetra ny fanjakana tahaka ny fitondrana turc.

Ny mpanao gazety mazava saina toa an-dry alpay sy Bayar dia nanazava tamin’ny fanamarihan’I Bayaramoglu fa tsy manana ahiahy kely akory amin’ny ho aviny ireo firenena ireo mikasika ireo sekoly ireo. Tmain’ny fanazavana nataony tamin’ny kabary fanokafana ny sekoly tany Moscou, nanambara ny lehiben’ny departemanta misahana ny fanabeazam-pirenena any Moscou hoe : “vanim-potoana manan-danja roa no niseho tamin’ny tantaran’ny Rosia. Ny fipetrahan’I Gagarin teny amin’ny volana ny iray. Ny iray kosa dia ny fisokafan’ny sekoly turc eto amintsika”. Nofaritany ho toy ny vanim-potoana manan-tantara io.

Ho an’ny sasany, ity fiainana ity dia mikendry tanjona tokana dia ny fanomezana fahafaham-po ny faniriana ny vatana manddritra ny andro ivahinianana eto an-tany. Ny hafa kosa dia tsy miombon-kevitra amin’izany fa manome hevitra hafa mikasika ny fiainana. Amiko, ny fiainana ity dia mikendry fifohan-drivotra eto am-pivahinianana izay manomboka any amin’ny tontolon’ny saina amam-panahy ary mitohy mandrakizay any am-paradisa izay hiandrasan’Andriamanitra antsika, na any amin’ny afobe.

Tena zava-dehibe ity fiainana ity satria nanatahaka ny fiainana any an-koatra. Amin’ny fahafantarana izany no tsy maintsy hianantsika amin’nyfiainana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay sy hahazoana ny fankasitrahan’ilay mpanome ny fiainana. Io lalana io dia tsy maintsy mandalo amin’ny fanompoana tanteraka an’Andriamanitra amin’ny fanompoantsika ny ankohonana, ny manodidina, ny mpifanolobodi-rindrina sy ny tanindrazana ary ny firenena sy ny zanak’olombelona sy ny zava-boary aloha. Zon’ny tsirairay io andraikitra io ary ny mampita izany ho andraikintsika.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.