Fa Maninona Isika No Mametraka Ny Fandinihana Amin'ny Alalan'ny Siansa Sy Ny Tranga Siantifika?

Mametraka ny fandinihana amin'ny alalan'ny siansa sika rehefa manazava ny finoana silamo satria misy tsy manaiky fa tsy ny trangan-javatra ra-tsiansa. Ireo materialista ny tsy mpivavaka sy ny mpanohitra fivavahana dia mikatsaka mandrakariva izay haninananana ny fivavahana amin'ny fitrandrahany ny siansa mba hanomezana famirapiratana tsy mendrika azy akory ny heviny. Tamin'ny alalan'io fomba fiasa io no nahombiazan'izy ireo nampiditra amin'ny fahadisoana sy namitaka sain'olona maro. Izany no antony tsy maintsy hampianarantsika amin'ny fomba filazany mba hanaporofoana fa ny siansa sy ny teknolojia dia tsy mifanohitra velively amin'ny finoana silamo. Ny heviny ihany no tsy maintsy nanoherantsika azy amin'ny fandrefezana izany sy amin'ny fampiasana azy mba hitarihana ny olona amin'ny lala-mahitsy.

Ekeko ny fomba toy izany satria raha tsy izany, ahoana no ahafahana mandresy lahatra olona tsy resy lahatra amin'ny heviny sy ny zavatra ataony?. Manosika antsika handinika ny CORAN, hanadihady sy hamakafaka amin'ny hatsarantarehin'ny mpahary izy ary mandrisika antsika handeha sy hanadihady ny voary mahatalanjona ny taovantsika sy ny fahariana antsika ara-batana.

Amin'ny mandinika ka hatramin'ny zavatra lehibe indrindra, hatramin'ny fisehoan'ny olona voalohany teto an-tany ka hatramin'ny fahafatesany dia avelatry ny CORAN eo imasontsika avokoa ny voary rehetr. Amin'ny fandinihany trangan-javatra maro no ampahalalany antsika fa "Amin'ireo mapnompon'Andriamanaitra rehetra dia izay manampahaizana tena izy ihany no matahotra azy" (35:28), ary mankahery ny fangetahetantsika fahalalana koa izy, ny fandinihana sy ny fikarohana. Na dia izany aza dia tsy tokony hanadino isiska fa ireo asa reehtra ireo tsy maintsy mifanaraka amin'ny foto-pisainanan'ny CORAN raha tsy izany dia miha manalavitra izany isika eo amin'ny fotoana tiantsika hanarahana ny toro-heviny sy ny fandaminany.

Tsy maintsy hampiasaina hanazava ny fivavahana silamo ny siansa sy ny frongony fa tsy atao hahatalanjona ny olona fotsiny ny fahalalantsika. Na dia ny teny sy ny porofo mamirapiratra sy mandresy lahatra tanteraka aza dia tsy hanan-danja raha tarihin'ny sain-dratsy: Hatreo an-tsofina fotsiny no handehanany. Toy izany koa, raha ny hampangina izay miresaka amintsika ny tanjontsika fa tsy mandresy lahatra azy dia manampina ny lalany fotsiny no ataontsika ary tsy ho tratrantsika ny tanjona tian-kotratrarina.

Na dia izany aza, raha miezaka mandresy lahatra ny olona amim-panhendrena isika, na dia ireo izay mitaky porofo aza vao resy lahatra dia hahazo ny anjarany ka hahazo tombony amin'izany matetika ny fandresen-dahatra mendrika dia misy tombony kokoa noho ny teny tsara lahatra fotsiny. Amin'ny fampisehoana ny siansa sy ny zava-nisy siantifika mifanaraka amin'ny fatrapahatakaran'ny mpihaino antsika no hahazoan'ny taonjontsika fototra ny fankatoavan'Andriamanitra.

Tsy azo heverina na oviana na oviana ho ambony noho ny fivavahana ny siansa ary ny fotokevitry ny silamo dia tsy mahazo mampiasa ny siansa na ny zava-misy ara-tsiansa manara-penitra mba hanamarinana na hanamafisana ny fankatoavana ny fivavahana; Mampiseho izany fa nanana ahiahy amin'ny fahamarinan'ny finoana silamo isika ary mila ny siansa isiska vao afaka manamafy izany. Fanampiny, tsy azontsika ekena ho tonga lafatra ny sansa ny forongony. Ny misafiy ny siansa ho masontsivana tsy azo ihodivirana mba hanaporofoana ny fahamarinan'ny CORAN ihany koa, mahatsiravina sy tena tsy ara-drariny. Ny porofo toy izany sy ny sarintsariny dia ialina amin'ny fanohanan-kevitra faharoa fara faha ratsiny. Ny lanjany tokana azo lazaina dia izy mamoha varavarana ho amin'ny lalan'ny sasasany tsy mahafantatra.

Ilaina ny siansa mba hamohazana ny saina rendremana sy kamo. Izy dia toy ny borosy ampiasaina mba hanadiovana ny vovoka mety hiantefa amin'ny fahamarinana sy eo amin'ny fikatsaham-pahamarinana mbola mifangaro ao amin'ny saina kamo. Raha manomboka milaza isiska fa tonga lafatra ny siansa dia hiafara ami'ny fampioviantsika azy ami'ny CORAN sy ny hadita izany fa tsy ny mifanohitra aminy. Ny vokatry ny fanaovana izany dia ahiahy sy fifangaroana, indrindra fa raha mbola tsy haintsika ny mampifanaraka ny hadita sy ny CORAN miaraka amin'ireo fanamafisan-kevitra ara-tsiansa ankehitriny izay mety ho diso amin'ny ho avy. Tsy maintsy mazava ny toerana misy antsika. Marina sy tonga lafatra ny CORAN sy ny Hadita. Ny hevi-pamarinan'ny siansa sy ny fahadisoana dia miankina amin'ny fanarahany ireo loharano roa ireo. Na dia ny toe-javatra ara-siansa tsy azo lavina aza dia tsy azo hanorenana ny fahamarinan'y finoana. Mety ho fitaovana nanome hevitra antsika fotsiny izy na hanombohana ny fandinihantsika mikasika an'Andriamanitra izay maetraka ny fahamarinan'ny finoana ao anatin'ny saintsika. Fahadisoana lehibe ny fitarihan'ny siansa: ny finoana dia avy ami'ny fitarihan'Andriamanitra ihany.

Na iza na iza tsy mahasambatra izany dia nanao fahadisoana tena sarotra ahitsy. Ny olona toy izany, mitady sy managona porofo amin'ny tontolo, ary manamosana mampiteny azy ireo amin'ny anaran'Andriamanitra dia manjary mpanompo sy mpiankohoka tsy ampisainana amin'ny voary. Mety tsy nahatsapa ny fisian'Andriamanitra akory izy ireo ao antsainy ao. Mianatra sy miresaka amin'ny voninkazo izy, amin'ny zava-maitso sy ny lohataon'ny voary fa tsy misy zava-maitsy na sampam-pinoana kely mipoitra akory ao an-tsainy. Ety ivelany izy toa tsy miankohaka amin'ny voary kanefa raha ny tena marina dia izany mihitsy no ataony.

Mpino ny lehilahy na vehivavy iray noho ny finoany (imâm) ao am-pony f atsy noho ny fahalalana betsaka ao amin'ny ati-dony. Aorian'ny fahazoana tanteraka, araka izay tratra, ireo porofo azo tsapain-tanana na tsia izany voankazontsika dia tsy maintsy miala ami'ny fiankinan-doha amin'ny fari-toe-javatra isika, izay toetra sy fepetra ivelan'ireo porofo ireo.

Tsy misy afa-tsy izany no ahafahantsika mandroso ara-panahy. Reehfa mamela io fiankinan-doha io isika ary manaraka ny fo amam-panahintsika amin'ny fahazavana ary manaraka ny fitarihan'ny CORAN, amin'ny alalan'ny fanomezan-daln'Andriamanitra no ahitantsika ny fahazavana katsahintsika. Hoy ny voalazan'i Kant, filozofa aemana,: "Tsaroako ny ilana ny famelana ireo boky reehtra novakiko ao afarako mba hinoana an'Andriamanitra"

Ny boky lehiben'ny tontolo sy ny an'ny tena toetra marin'ny olombelona dia mitana toerana lehibe tsy amim-pihambahambana. Aorian'ny fampiasana azy ireo anefa dia tsy maitsy ataontsika anjoron-trano izy ary miasa mivantana amin'ny finoantsika avy eo. Mety hanjavozavo amin'izay tsy manadrana ny farany lalina tamin'ny fanandramana ara-panahy izany. Ho an'ireo izay hazavain'ny firaketam-po amin'Andriamanitra anefa ny aliny, sy izay manidina ami'ny elatry ny fangetahetana ny Tompo dia mazava tsara ny hevitra.

FANAMARIHANA: Ny fanirian'ny CORAN amin'ny tontolo

Araka ny finoana silamo, ny tontolo dia toy ny boky nosoratan'Andriamanitra, toy ny lapa nahoriny mba hifankalalan'ireo voary misaina, indrindra fa ny olombelona. Misy tanteraka ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra ny tontolo amin'ny heviny. Ny ary dia midika fa noho ny sitrapon'Andriamanitra dia nomeny toetra sy endrika miavaka mba ho karazana, taranaka, fianakaviana na tsirairay. Avy eo, noho ny heriny dia notafiany vainga tsirairay izy ireo mba hisy amin'ny lafiny ara-batana voafetran'ny habaka sy ny fotoana. Aorianan'ny fitsaharampisian'ny zavatra iray dia mbola mitohy ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra ny fisiany, ao amin'ny fahatsiarovana izay hita taminy. Ohatra, ny voninkazo maty dia mbola mitohy ao amin'ny fahalalan'Andriamnitra ny fisiany, ao amin'ny fahatsiarovana izay hita taminy sy ao anatin'ny voany.

Ny zava-drehetra dia manana dingam-pisisana dimy. Ny voalohany sady manan-danja indrindra dia misy ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra toy ny dikany izy. Na dia tsy noharian'Andrimanitra aza izy (ara-batana), dia efa misy tao amin'ny fahalalan'Andriamanitra toy ny fisian'ny voary rehetra. Avy eo izy dia misy ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra toy ny endrika planina iray, avy eo toy ny vainga materialy ara-batana. Avy eo toy ny fahatsiarovana, ary farany amin'ny alalan'ny fisiany mandrakizay any ankoatra. Ampiasan'Andriamanitra mahery indrindra ny potipotik'ity tontolo ity mba hanorenana indray ilay tontolo hafa. Eto dia mitohy ny fisian'ny biby, ny karazana isanisany amin'ny alalan'ny mpisolo toerana azy. Ny olombelona indray, izy tsiriray avy dia hahita tontolo voamboatra araka ny fomba itondrany ny fiainana eto antany.

Inoako fa voazava ny fifandraisana eo amin'ny siansa sy ny finoana silamo. Ny tontolo, vainga adihadian'ny siansa dia maneho ireo anaran'Andriamanitra ary manana toetra masina noho izany. Izy hita maontolo ao aminy dia sombin-tsoratra nosoratan'Andriamanitra mahery indrindra izay manasa antsika hianatra azy sy hahazo fahalalana mikasika an'andriamanitra. Ny tontolo no fitambaran'ireo soratra ireo araka izay aroson'ny olo-kendry silamo azy iero hoe, ny bokin'Andriamanitra avy amin'ny fahariana, vokatry ny andraikitr'Andriamanitra sy ny sitrapony dia mitovy amin'ny soratry ny tontolo. Toy izany no tsy nisian'ny fifanoherana eo amin'ny toerana iray sy ny famaritana azy ara-tsoratra, toy izany ny tsy hisian'ny fifanoherana eo amin'ny tontolo syy ny CORAN, satria izy ireo dia soratra roa samyhafa kanefa mitovy zavatra ambara, milaza fahamarinana iray.

Toy izany koa, ny olombelona dia bokin'Andriamanitra izay mifanaraka amin'ny finoana ny CORAN sy ny tontolo. Izany no teny ampiasaina mba hanomezana ny dikan'ny andininy ao amin'ny CORAN sy izay mazana ny zava-mitranga ao amin'ny fanahin'ny olombelona sy ny trangan-javatra miseho eo amin'ny zava-boary.

Ny dikan'ny didy voalohany CORAN hoe "Lis!"

Zava-dehibe koa ny nahita fa ny fanombohan'ny fanambarana ny CORAN dia hoe "Lis! Amin'ny anaran'ny Tomponao, ilay Nahary! Izy no nahary ny olombelona tamin'ny tsirinaina tsy mihetsika. Lis! Ny Tomponao no ilay ambony indrindra. Izy no nanao tamin'ny penina ilay fitaovam-pahalalana, ary nampianatra ny olona izay tsy fantany" (96:1-6)

Mandidy ny olona hamaky ny CORAN kanefa ny fandrosoana nanambarana azy dia tsy na very ho vakiana aza. Inona no ambaran'izany fifanoherana izany amintsika? Tsy misy hafa tsy ny hoe tsy maintsy mamaky isiska, amin'ny heviny hoe mianatra ny tontolo toy ny bokin'ny fahariana sy ny mitovy amin'ny voasoratra dia ny CORAN. Tsy maintsy mandinika ny tontolo isika, mihevitra ny dikany sy ny ao aminy ary mampiasa ny fahalalana azo mba handalinana ny fahatsapantsika ny hatsarantarehy sy ny halebeazan'ny tamin'ny mpahary sy ny tsy fahataperan'ny heviny. Noho izany, voatery tsy maitsy miditra ao amin'ny hevitra maron'ny tontolo isika, mamantatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny voary aary manorina tontolo fameno'nny finoana sy ny sansa mba ahafahantsika ho mpitantana manarakaraka an'Andriamanitra sy hanatrarana ny tena fahasambarana marina eto an-tany sy any an-danitra.

Manana karazan-dalana roa Andriamanitra mahery indrindra. Ny "Charia" ny iray izay ahitana ny lalana avy amin'ny asany sy ny teniny sy mitantana ny fiainana ara-pivavahan'ny olombelona. Ilaina izy ho an'ny fankasitrahana sy ny sazy izay horaisina any ankoatra. Ny faharoa dia ny lalana ahitana ny karazan-dalan'Andrimanitra mitantana ny voary sy ny fiainana ankapobeny. Ireo indray dia avy amin'ny andraikitry ny sitrapo ary antsoina amin'ny ankapobeny hoe: "Ny lalanan'ny voary sy ny Gûna". Ny valisoa sy ny sazy dia azo eto an-tany raha arak'io lalana io. Ohatra, ny fahareana sy ny fikirizana dia fahombiazana no valisoany fa ny fanaovana rainazy kosa dia mitarika ny tsy fananana. Miteraka harena ny asa ary vahaolana dia mitondra fandresena.

Mitarika ny saintsika amin'ny tranga voajanahary ny CORAN, fikirakiran'ny siansa izany, ary mandrisika antsika handalina azy. Nandritry ny taonjato dimy voalohan'ny silamo dia natambatry ny silamo ny fivavahana sy ny siansa, ny fo sy ny saina ny vainga sy ny fanahhy. Na dia izany aza taty aoriana kely dia ny tandrefana no manohy ny fikaroahana siantifika ary manaiky azy (tsy tampisainana) ho lalan'Andriamanitra amin'ny voary. Nifehy ny tontolon'ny silamo ny tandrefana satria tsy nahatsapa sy tsy nampihatra ny lalana ara-pivavahan'ny silamo araka ny tokony ho izy teo amin'ny andavanandrom-piainany ny silamo ary naano antsirambina ny fikarohana siantifika sy ny fianarana ny voary. Izany no mitarika ny tsy fanekena ny lalan'Andriamanitra mikasika ny voary.

«Mihazakazaka mankamin'ny toerana voatoakana ho azy ny masoandro» (36:38)

Alohan'ny hanasongadinana ny dikany hafa sy ny hevitra entiny dia tsarovanareo fa ny vaovoa novolavolaina tamin'ny fampiasana ny fandrenesana dimy no mitarika ny vahoaka teo aloha hino fa ny masoandro dia mihodina manodidina ny tany izay ninoany fa tsy mihetsika. Ny siansa sy ny fandinihana no nampiseho taty aoriana fa miodina eo aminy ihany ny tany ary manodidina ny masoandro izay toa tsy mihetsika. Voalohany, satria ny olona dia mahita ny masoandro ho mihetsika, faritan'ny CORAN koa izany. Faharoa, ambaran'ny CORAN izany mba hanazavana ny lamina mahafinartira hita eo amin'ny voary tontolo toy ny mariky ny fahalebeazan'Andriamanitra sy ny fahlalany: "Hoy ny porofo ho azy ireo dia ny alina.Halanay amin'izy ireo ny andro ary ho ao anaty aizina izy. Ary ny masoandro hiazakazaka hamonjy ny toerana voatokana ho azy. Izany no fametrahan'Andriamanitra mahery indrindra, ilay mahita ny zava-drehetra. Ary ny volana, hametrahanay dingana izy mandrapahatongany ho toy ny rafin-kazo palma. Tsy hahenjika ny volana ny masoandro, ary ny alina tsy hialoha ny andro, ary samy handeha amin'ny lalany izy ireo tsirairay avy" (36:37-40)

Tsapantsika amin'io toe-javatra io saro-pady ny asan'ny masoandro. Nyteny hoe "moustaqarr" (toeram(pialofana na tsy fihetsehana) dia midika fa namonjy toerana ahitana fifandanjana azo antoka ny masoandro. Io tenyio dia midika fa mitana toerana eo amin'ny filaminan'ny tontolo ny masoandro. Faharoa, ny teny hoe "lin" (ao amin'ny li moustaqarrin laba) dia ampiasaina amin'ny dikany telo dia: ho an'ny hoe mankany na ao anaty. Ny tena dikan'io fomba fiteny io izany dia hoe: mifindra amin'ny fanarahana lalana mankany amin'ny toerana voatokana ho azy mba hiantohana ny tsy fihetsehan'ny masoandro (ny amin'ny lamina voatokana ho azy)

Vao tsy ela ny Abbonoma no nahatsikaritra fa tsy hoe tsy mihetsika ny masoandro. Noho izany dia mangovitra izy, miararetra ary miodina tsy ankijanona toy ny zavatra mahazo na mahery vaika. (M. Bastrusiae a sound of the sun, American scientist, january-february 1994, P.61-68). Ny fihovitrovirana dia vokatry y filazam-taovao manan-danja ao amin'ny aty lalin'ny masoandro sy ireo sosny miafina, fampahalalam-baovao izay misy akony eo amin'ny fikajiana ny taom-paharetan'ny tontolo. Zava-dehibe koa izany ny fahafantarana ny fihodina anatin'ny masoandro mba hanamarinana ny teorinan'i Einstein. Toy ireo fikarohana mikasika ny astronoma sasany dia mandika fa ny masoandro dia toy ny orkestra mirindra izay lalaovina amin'ny fotoana iray ny mozika rehetra. Indraindray mitambatra ny fihararetana manontolo mba hamokatra fihetsehana miaraka eo amin'ny fanambonin'ny masoandro izay fihararetana anarivony mihoatra noho ny an'ny hamafiny.

Taona folo maro talohan'io fikarohana tsy nampoizina io, Said Nursi no efa nadika ny andininy tao amin'ny CORAN fa ny masoandro dia mihazakazaka mankany amin'ny toerana voatokana ho azy, ao amin'ny toerana maro samy hafa avy amin'ny angon'ny Pusale-i Nur izay toy izao ny andininy fhaa 25:"ny teny hoe miazakazaka dia manondro fomba filazan-javatra ny teny hoe mankamin'ny toerna iray" dia mampisehoh zava-misy. Ny masoandro toy ny sambo volamena, mitsingevana eny ambony ranomasin'ny lanitra ahitana ny atera ary faritana ho toy ny onja miakatra sy midna. Mihetsika ho toy ny mifindra toerana, mampiasa ny teny hoe ‘miazakazaka" ny CORAN na "mitsingevana". Na dia izany aza, satria ny "Evom-pijanonana dia miandoha avy ao amin'ny hetsika ka mifindra toernaa sy mangovitra ao amin'ny lalana voatokana ho azy ny masoandro. Amin'ny alalan'io fangovitana izay kodiaran'ny fihetsehany io no hifatoran'ireo planetany aminy sy voaaro amin'ny fianjerana sy ny fiparithana. Rehefa mihovitrovitra ny hazo iray dia mihintsana ny voary. Fa raha ny masoandro kosa no mihovitra dia tsy mianjera ireo voa, satelitany".

Mitaky ny fanhendrena fa ny masoandro dia mifindra toerana eo amin'ny seza fiandrianany mihetsika (ny lalana voatokana ho azy mianaka amin'ireo miaramilany (ny satelitany). Ny herin'Andriamanitra dia nahary ny zava-drehetra hihetsika ary tsy manameloka ny fialantsasatra na ny tsy fihetsehana. Ny famindrapon4andriamanitra dia tsy manameloka ny tsy fihetsehana izay itoviana aminy maty. Noho izany dia malalaka ny masoandro; aza mifindra toerana izy rehefa manaraka ny lalan'Andriamnaitra ary tsy manelingelina ny fahafahan'ny hafa. Mety ho azo tsapain-tanana na ara-keviny koa ny fihetsehany. Araka ny voalazan'ny CORAN anefa, ny tena zava-dehibe dia ny firindran'ny tontolo izay ny masoandro ny kodiarany sy fihetsehany. Noho ny masoandro dia azo antoka ny tsy fihetsehan'ny lamina sy filaminany.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.