Manambara Ny Fivelarana Siantifika Va Ny Coran?

Hisy zavatra mana-danja tsy maintsy tsipihantsika mialohan'ny hamaliana io fanontaninana io: ny mihevitra ny siansa ho mifanohitra amin'ny fivavahana sy ny fandinihana ara-tsiansa ho mitoka-mivavaka fa tsy miambina amin'ny CORAN dia diso toy ny mihevitra ny CORAN ho fitaovana azo ampiasaina satria ahitana lesona vaovao na zavatra siantifika fotsiny ihany.

Ohatra, misy olona sasany, indrindra fa any Turquie, mihevitra fa ilay dâbbatou al-ardh (zava-manan'aina bitika dia bitika) izay voalaza ao amin'ny CORAN dia otrikaretina / viriosy miteraka ny sida. Toa tsoa-kevitra amehana ihany izany satria: tsy lazain'ny CORAN akory ny toetoetran'io zava-boary io. Raha ekentsika izany fiheverana izany dia tsy maitsy ataontsika toy izany koa ireo bakteria sy viriosy hafa miteraka areti-mifindra ratsy, ary isika dia tsy mahalala ny mbola ho fisian'ny areti-mifindra ratsiratsy kokoa noho izany amin'ny hoavy.

Ny fari-toe-javaatra isehoan'ny dâbbatou al-ardh dia mihevitra amin'ny fiafaran'izao tontolo izao izy io no hiseho, rehefa tsy hino an'Andriamanitra intsony ny ankamaroan'ny olombelona. Noho izany dia tsy maintsy mitandrina mba tsy ho maika loatra hanao fampitahana ny zava-miseho amin'ny andininy voalaza ao ami'ny CORAN sy ny fandrosoana ara-tsiansa sy tekinika vaovao.Amin'ny ankapobeny dia tsy ny fitafiana ny hevitra siantifika satria izy roa ireo dia samy azo esorina, atao anjorombala rehefa tsy ilaina intsony. Mariky ny fiheverantena ho ambany ny manandrana manaporofo fa ny zava-baovao isanisany sy teoria siantifika dia mety ho hita ao amin'ny CORAN, fanomezana ny siansa toerana ambony noho ny CORAN izany. Manana hevitra mahafaobe sy mahasahana ny manontolo ny andininy tisrairay avy ao amin'ny CORAN ny famakafakana rehetra mifanaraka amina vanim-potoana voamarika dia mifanaraka amin'ny endrika tokana monja amin'io hevitra mahafaobe io.

Ny mpandihady ny tsirairay, ny mpahay siansa tsirairay sy ny olo-masina tsirairay dia mifidy endrika manokana mifanaraka amin'izay tiany sy ny eritreriny ara-panahy, ny porofo azy manokana na maha voary azy fotsiny. Fanampin'izany, manaiky isika amin'ny maha siatifika fa marina ny fizikan'i Newton sy ny an'i Einstein. Eny fa na mety ho diso tanterkaa aza izy roa ireo dia mety ahitana fhamarinana mifanaraka ihany ao aminy.

Lalana novelarin'Andriamnitra eo amin'ny fivoarana malakin'ny fisiana mba ahafahantsika mandamina ny fiainantsika araka izay ilaintsika ny anton-javatra. Midika izany fa araka ny fisehon'ny oe-javatra fotisny no maha-marina ny fizikan'ni Newton sy Einstein. Amin'ny teny fohy, rehefa mandinika ny andininy ao ami'ny CORAN isika dia tsy maintsy mihevitra ny fahamarinana mifanaraka amin'izay hita ao amin'ny fisiana sy eo ami'ny fiainana izay mao kokoa noho ny fahamarinana tsy miova tanteraka.

Manana hevitra maro ny zavatra voalaza ao amin'y CORAN. Ohatra ny andininy hoe: "nampihaoniny mora foana ny ranomasina roa izay misy sakana tsy azony nihoarana teo anelanelany" (55: 19-20). Io andininy io dia manadio ny ranomasina tsiroaroa rehetra nany lafin-kevitra ara-panahy sy ara-materialy, an-tsary na azo tsapaintanana maha Tompo sy ny fanompoana izay tsy maintsy atao eto an-tany ka hatrany an-danitra (anisan'izany ny tontolo hita maso sy fizika sy ny tontolon'ny tsy hita maso, ny oseana pasifika sy Atlantika, ny ranomasina mediteraneana sy ranomasina mena, ny ranomasina sy ny ranomamy any an-dranomasina sy any ambanin'ny tany sy ny renirano rehetra toa an'i Efrata sy Tigra izay nitondran'ny ranomamy ho any an-dranomasina. Izany rehetra izany sy ny heviny hafa koa no tafiditra ao amin'io andininy io na ara-keviny na ara-bakiteny.

Noho izany, na dia manondro toe-javatra siantifika mitombina aza ny andininy ao ami'ny CORAN dia tsy azontsika atao ny mamintina ny heviny ho amin'izany toe-javatra izany fotsiny. Tsy mainsty dinihitsika ny hevitra manontolo mety ho antony sy ny fanadihadiana rehetra azo atao.

Ankoatra izany, ny CORAN dia manamarika fivelarana ara-tsiansa na zava-misy ara-tsiansa miaraka indrindray. Amin'ny maha-fanambaran'Andriamnitra izay ahitana ny zava-drehetra (na ny maina na ny mando dia tsy misy na dia kely aza tsy voarakitra ao anaty boky mazava: 6:59), tsy afaka mamitika izany izy. Noho izany, milaza azy irenyizy na mivantana na an-kolaka fa tsy toy ny fanaon'ny siansa sy ny filozofia materialista sy nationalista.

Tsy boky fianarana ny siansa izay maneho ny lafin-kevitra kosmolojika na siatifika ny CORAN, fa izy dia fandinihana mandrakizay ny bokin'ny tontolo sy ny fandinihan'ny siansa natoraly manontolo sy ny hafa manadihady ny tontolon'ny hita sy ny tsy hita izy ary maneho ny tahiry tsara ara-panahy ao amin'ny anaran'Andriamanitra toa any an-danitra sy eto an-tany. Ny CORAN no fanalahidy mitondra ho amin'ny fahafantarana izay miafina ao ambadiky ny zava-miseho eo ami'nny voary sy ny fiaina'ny olombelona ary tenin'ny tontolo miafina ao amin'ny tontolon'ny hita maso.

Ny CORAN dia toy ny masoandro mamirapiratra eny an-danitrry ny fanahy sy sain'ny silamo. Sry masin'ny tontolo ho avy izy; fisehoan', ny andraikitra sy ny asan'Andriamanitra, ary izy no mpanabe ny zanak'olombelona izay mitarika amin'ny fahamarinana. Bokin'ny lalàna sy ny fahendrena izy, fiderna sy fivavahana, fampitandremana sy fandrarana avy amin'Andriamanitra. Mahafa-po tanteraka ny filantsika ara-panahy sy ara-tsaina izy, ny hadiheviny dia mahasahana ny lafin-kevitra manontolo, na ara-teolojia, sosialy, ekonomika, politika na siatifika, na mifintina na amin'ny antsipiriany, mazava tsara na ami'nny alalan'ny sarisary sy famantarana.

Tsy mihevitra ny voary hafa afa-tsy ho fitaovam-pamantarana ny Mpahary azy ny CORAN, ny siansa anfa dia mihevitra ny voary amin'ny maha voary azy fotsiny. Raha miteny amin'ny olona tsy ankanavaka ny CORAN, ny siansa kosa dia tsy miresaka afa tsy amin'ny manampahaizana manokana. Satria ny CORAN dia mampiasa ny voary ho fandresendahatra sy porofo mba hitantana antsika ka tsy maintsy tokony ho mora azotsika rehetra ny heviny na tsy manam-pahaizana nanakana aza.

Ny fitantanana dia mitaky fa ny zavatra tsy dia ilaina loatra dia ambara fohifohy fotsiny fa ny zavatra tena maan-danja dia tsy maintsy hiadinan-kevitra lalina sy ambara mazava tsara raka izay tokony ho izy amin'ny fampiasana sarinteny sy fampitahana. Tsy fitarihana izay efa mazava tsara mba tsy hifangaro ami'ny olona. Raha toy izany ny toe-javatra, ahoana no ahafahantsika manararaotra azy? Toy ny zavatra rehetra, ny loharanon'ny siansa ihany koa dia iray amin'ireo anaran'Andriamanitra Mahery indrindra. Mamirapiratra ao amin'ny fitsaboana ny anarana hoe mpanasitrana ny rehetra; ny geometra sy taotrano dia miankina amin'ny hoe Ilay marina; tanteraka, I mpamolavola ny rehetra sy ilay mpanapaka mahery. Ary ny filozofia dia ao amin'ny anarana hoe ilay hendry indrindra. Araka izay efa voalaza tery aloha dia amabaran'ny mpahary ao ami'ny CORAN ny zavatra azontiska ianarana sy ampiasaina ho amin'ny filantsika ara-batana sy ara-panahy.

Ny tanojona fototry ny CORAN dia ny hampahanfatatra an'Andriamanitra, hanohatoa ny lalana ami'ny finoana sy amin'ny fiderana ary handamina ny fiainanatsika tsirairay sy mitambatra mba hahazoana ny fahasambarana eto an-tany sy any an-danitra mba hanatrarana io tanjona io dia mitodika ami'ny zava-misy ary ny zava-mitranga sy ny trangan-javatra siantifika arakaraky ny lanjany ny CORAN. Noho izany, manome fanazavana amin'ny antsipiriany mikasika izay fototry ny finoana ny CORAN, ny fototry ny fivavahana, ny fotottry ny fisian'ny zanak'olombelona sy ny fototra iorenana'ny fiderna asehon'ny ami'ny alaln'ny sary fotsiny kosa izay zavatra tsy dia manan-danja loatra. Azo ampitahaina amin'ny vonindraozy ny heviny sy andininy iray: afenin'ny felana mifanesy izy. Isaky ny tonga lafatra ny felana iray dia miseho ny heviny hafa, ary ny fkarohana sy fahafaham-po azon'ny olona avy amin'izany dia miankina amin'ny fatra-pahatakariny.

Ohatra:

Amin'ny filazana ny fahagagana nataon'ny mpaminany ny CORAN dia manao sarisary amin'ny fandrosoana teknolojika sy manamarika ny fandrosoana ambony mety ho tratrany.

Mandrisika antsika hanidina izy ary manao sarisary fa indray andro isika dia hahavita sambon-danitra sy fiara manidina: "ataonany mahavita ny lalana tokony hatao iray volana ao anatin'ny indray maraina amin'ny alalan'ny rivotra i Salomomna, ary hanao toy izany koa amin'ny hariva" (34.12)

Mandrisika antsika hianatra hanasitrana ny aretina rehetra koa izy. Hoy Jesoa: ‘Ary hataoko sitrana ny jmaba sy ny boka, ary hatsangako ny maty amin'ny anaran'Andriamanitra" (3.49), ary lazainy koa fa ho avy ny fotoana handrosoa'ny olona ka tsy hino intsony izy ka ho faty indray andro any.

Ity andininy ity "ilay olona iray nomena ny fahlalana ny boky dia milaza hoe netiko ho anao io (ny seza fiandrianan'i Saba no Jerosalema ho anao ry Solomona) ao anatin'ny indray mipi-maso monja" (27.40) dia manambara fa indray andro any dia hikisaka aminahim-pony ny sary, eny fa na dia ny zavatr goavana aza noho ny fahafantarana ny bokin'andriamanitra sy ny tontolo, ho toy ny olona nomena fahafantarana ny boky avy amin'ny fanambaran'Andiamanitra izay afaka mamindra zavatra lavitra ao anatin'ny indray mipi-maso.

  • Mampahafantatra antsika amin'ny alalan'ny famantarana ny CORAN fa azo fantarina amin'ny alalan'ny sela bitika amin'ny vatan'ny maty ny mpamono olona: tamin'ny andron'i Moizy dia nisy mpamono olona fantatra tamin'ny alalan'ny fikasihana ny fatin'ilay niharam-boina tamin'ny ampahany avy tamin'ilay ombivavy nodidian'Andriamanitra novonoin'ny zanak'Israely (2:67-73)

Mbola hitanisa ohatra hafa isika mba hampazava tsara ny filazan'ny CORAN ny mikasika ny zava-misy sy ny fivoarana ara-tsiansa.

  • Ny Mphary izay tsy feran'ny fomba fanehoan'ny olombelona ny fotoana dia mampahafantatra antsika amin'ny ankapobeny fa ny vanim-potoana ho avy dia ho fotoanan'ny fahlalana sy ny fampahalalam-baovao ary ho fotoanan'ny finoana sy ny fivavahana: "hasaronay amin'izy ireo ny famantaranay ao ami'ny tontolo sy eo aminy mandra-pahazava an'izany amin'izy ireo fa io no izy (ny CORAN), ny fahamarinana. Tsy ampy va fa ny Tomponao no vavolombelon'ny zava-dreehtra?" (41:53)

Hatrany am-piandohan'ny finoana silamo dia efa nadika io andininy io ho famantarana ny antoky,u fahendrena ara-panahy katsahiny ireo mpandala ny foto-kevitra sofisma. Raha adika sy vakiana ao main'ny faritra javatry ny fandrosoana siantifika anefa ny CORAN, fandrosoana natomboka sy novelabelarin'ny mpino silamo dia toa fahagagana ny fisian'io andininyio aza.

Ny zava-dreehtra manodidina ny fisainana sy ny fikaroh'ny zanak'olombelona dia manamafy ny maha okana ny mpahary arakaraky ny hahafantarana sy ahatsapana tsara ny fifandraisana marina eo amin'ny zavatra kely sy lehibe. Rehefa mahita boky an-jatony mikasika io lafin-kevitra io isika dia maheno, mahita sy mahatsapa ny voambaran'ny fiderana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo voambaran'ny Natana "Ny lanitra fito sy ny tany ary izay rehtra eo aminydia mankalaza ny voninahiny. Ary tsy misy na kely aza tsy mankalaza ny ny voninahiny sy ny fiderany. Tsy takatrareo anefa ny fomba hanomezam-boninahitra azy marina" Izy no Mpanmindra fo sy mpamela heloka (17:44)

Efa misy zavtra azontsika raisina sahady ny maha-zava-dehibe izay voalaza ao amin'io andidny io. Hatramin'ny bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra soa miteny amintiska ny voary tontolo, amin'ny fitenenanany avy amin'ny fanekeny an'Andriamanitra tokana ary manome voninahitra azy. Na izany aza, vitsy ireo afaka mandre sy mahasambatra io taraina ho an'ny rehetra io.

Raah lasa ny taona izay ambaran'ny CORAN mikasika ny fifaranan'ny tsaika sy ny dingam-pivoarany ao anatin'ny tranon-jaza. Ho dinihantsika ity andininy manaraka ity.

"Ry olombelona! raha manahy ny mikasika ny fitsanganan-ko velona ianareo, dia izahay no mamolavola anareo tamin'ny teny, avy eo tamin'ny tsirin'aina kely, avy eo mitombo, avy eo tsaika izay natao hampahafantatra a,areo (ny fahaizanay ny zava-dreehtra) (22:5)

Hazavaina amin'ny antsipiriany kokoa io fivoarana io ao amain'ny andininy iray maiaraka amin'ireo arahany ary mazava tsara/ "marina, novolavolainay tamin'ny ampahana tanimanga ny olombelona, avy eo nataonay tamina ranoka. Esorinay vao apetrakay ao anaty fialan-tsasatra mafy. Avy natambatray tamin'ny zavtra hafa ny tsirin'aina lahy, avy ami'nio fitambarana io no nahazoanay tsaika, avy eo nasianay taolana izay tafianay nofo ny tsaika. Avy eo nofanay ho voary manana ny maha izy azy manokana izany. (23: 12-14)

  • Mahavariana ihany koa iay voalazan'ny CORAN mikasika ny ronono sy ny famokarana azy, ary mitondra tombotsoa lehibe koa ny fiheverantsika mikasika io sakafo io: "marina, misy fampianarana tsara ho anareo koa ao amin'y biby satria avy amin'ny nonon'izy ireo, ary mamakivaky ny avokavony sy ny rany no nampisotroanay anareo ronono madio sy mahavariana" (16:66)
  • Ambaran'ny CORAN amin'ny antsipiriany io dingana io: ny fandevonana amin'ny ampahany sy ny fitrohana izany sakafo tsy levona, arahin'ny dingana faharoa sy ny fanatsarana izany ao anaty taova. Ho karazan-tsakafo mahomby sy tsara ho an'ny olona ny ronono na dia arian'ny tompony ho toy ny zavatra tsy ilaina aza.

Ambaran'ny CORAN fa nohariana tsiroaroa ny zavatra rehetra: "Dera ho an'ilay Mpahary ny zavatra tsiroaroa izay vokarin'ny tany sy ireo izay tsy fantany akory" (36:36)

Izay misy rehetra dia misy eo akaikiny: na ny mifanohitra aminy na ny mifameno aminy. Ny fisian'ny fifamenoana eo amin'ny olombelona, ny biby sy ny karazan-javamaniry dia efa fantatra hatramin'ny ela. Inona anefa no ho lazaina mikasika ireo zavatra tsiroaroa izay tsy fantatsika? Mety ho ami'ny zavatra manan'aina izany na tsy manan'aina. Ao ami'ny hery sy ny hevitry ny voary ao amin'ny zavaman'aina na tsy manan'aina dia ahitantsika karazan-javatra tsiroaroa maro. Miseho tsiroaroa ny zava-drehetra, hamafisin'ny fitaovan-tsika manara-penitra izany.

Tantarain'ny CORAN amin'ny fomba filazany miavaka ny voary voalohany teto an-tany sy ny mponiny manan'aina: "Ireo izay tsy mino va tsy nahita fa vainga iray ihany ny lanitra sy ny tany? Avy eo nosaronany ary nasiany rano ny zava-belona rehtra. Mbola tsy mino noho izany va izy ireo?" (21:30)

Mazava ny hevitr'io andininy io ary tsy azon'ny hevitra hafa izay milaza fa ny namorona ny voary dia ny etera hamaizinina sy izay milaza fa ny namorona ny voary dia rahona matevina, gazy mafana sy mivangongo na zavatra hafa. Amafisin'ny CORAN fa ny zavaman'aina rehtra dia nohariana tamin'ny rano. Io rano io dia avy amin'ny gazy sy entona avy ao anaty tany, mitambatra ireo avy eo nilatsaka toy ny orana mba hamorna ny ranomasina sy namolavola tontolo mifanaraka ami'ny fiainana, na tamin'ny alalan(ny dingana nanana ny maha izy azy koa.

Mampiseho izao tontolo izao ho toy ny fahagagana tokan'ny fahariana ny andininy. Tsy ampahany tsirairay avy eo aminy dia an'io fahgagana io. Mitambatra toy ny rahona amin'ny hazo lehibe ny rehtra. Samy hafa izy rehetra kanefa ny andininy koa ny maha zava-dehibe ny rano sy ny fiavahany satria izy no mandrafitra ny ampahefany ny vatan'ny voary anakiray.

Manana ny toerany lehibe sy miavaka ihany koa masoandro. Ambaran'ny CORAN amin'ny teny efatra izay saotra adihadiana ireo endriny tena manana ny maha-izy azy: Ary ny masoandro dia mihazakazaka any amin'ny toerana izay voatokana ho azy toy izany no fahitan'ilay mahery indrindra, ilay mahay ny zava-dreehtra" (36:38)

Raha io fari-toe-javatra io no jerena dia azo adika ho fiadiana voafaritra ny hoe moustagar", toeram-piafarana voatondro na lavaka iray, na lalana iray voatondro ao amin'nyfotoana. Ny andininy dia mampianatra fa ny masoandro dia manaraka lalana efa voasoritra manakamina fivangongan'ny hira amin'ny hafainganam-pandeha tsy takatry ny eritreritra. Manakaiky io fivangongoana io amin'ny hafangainam-pandeha 16km isan-tsegondra isika (manodidina ny iray tapitrisa kilometra sy sasanny isan'andro). Mahasarika ny fisainantsika ny andininy ain'ny hoe manaiky ny baiko hiala sasatra ny masoandro reehfa mahavita ny andraikitra voatokana ho azy.

Toy izany ny harena ao amin'ny CORAN izay manazava zavatra maro amin'ny teny kely mnoja. Eto dia faritra javatra manjavozavozavo no voazavan'ny teny efatra monja, ary tamin'ny fotoana izay ninoan'ny olona fa ny masoandro dia mihodina manodidina ny tany.

Andininy hafa iray ao amain'ny CORAN maharesy lahtra tokoa izay fotorin'ny teny efatra monja no milaza ny fihanaky ny tontolo: "Hevero koa ny lanitra izay novolavolaina ho antsika ary alalantsika tsy an-kijanona ny halebeazany" (51:47)

Manambara io andininy io fa mitombo ny elanelana amin'ireo vainga any an-danitra, midika izany fa midadasika ny tontolo. Ny taona 1922 dia manambara ilay Assonome iray antsoina hoe Hubble fa ny tamba-mitranga ankoatra ireo dimy izay tena manakaiky ny tany, dia mifanalavitra amin'ny hafangainam-pandeha mitovy ami'ny elanelany amin'ny tany eny amin'ny habakabaka. Araka ny voalazany, ny tambahitana iray izay hita teo amin'ny elanelana iray tapitrisa taona avy amin'ny elanelana roa tapitrisa taona dia miha manalavitra avo roa heny izany, ary toy izany hatrany. Taty aoriana kely i Maître, pretra sady matematisiana Belge dia nanolotra sy namelabelatra ny fihanaky ny tontolo. Tsy dia ny fomba hanazavantsika io toe-javatra misy io loatra no tena zavatra na amin'ny alalan'ny fampitomboan'ni Hubble na amin'ny laaln-tsina hafa fa ny fahazavan'ny fanambarana mikasika io zava-nisy io.

Nanolotra famatarana maro mikasika ny fiasan'ny lalana ara-pizika tsy hita maso ny CORAN, tsy ny lalanan'ny fisarihana sy ny fanosehana, ny lalanan'ny fihodinana sy ny fivoarana: "Andriamanitra no ilay nanangana ny lanitra (ambony) tsy ahitana andry hita maso" (13:2)

Mifindra, mihetsika am-pilaminana amin'ny fifandajana sy fisindran'ny vaingan'ny lanitra rehetra. Mitoetra sy hamafisin'io filaharana io ami'ny alalan'ny andry tsy hita maso izy ireo, ny sasany herin'ny fifanosehana ary ny sasany herin'ny fifanatonana: "Tohanay ny lanitra, tsy avelany hianjera amin'ny tany rehetra amin'ny alalana avy aminy" (22:65)

Avy amin'io andidniny io no ahatsapantsika fa mety hirodana amin'ny tany amin'ny fotoana tsy ampoizina ny lanitra. Andriamanitra mahery indrindra no tsy manao izany dia mbola ohatra hafan'ny faneken'izao tontolo izao ny teniny. Hanazava izany ho fifandanjan'ny herim-pifampisintonana sy fifanosehana ny siansa manarapenitra. Na dia izany aza, ny tena zava-dehibe dia mbola ny fampitodiana ny saintsika ho amin'io fanekena io sy ny tontolo ho azo antoka fa tsy vesarany ireo ny fisafidianana ireo taorian'i Newton na ny an'i Eisntein amin'ny lafin-kevitra mekanika sy matematikan'io fanekena io.

Anjato taonany taloha tany raha mbola tsy fantatra akory ny fandehanana mankeny amin'ny habakabaka lavitra no efa nandinihan'ny mpanadihady ny CORAN ny fandehanana mankeny amin'ny volana: "Amin'ny volana, amin'ny hatsaran-tarehiny! marina, tsy hijanona amin'ny dinga-miandalana ny hankeny ianareo." (84:18-19)

Ny sasany tamin'ireo mpandinika voalohany izay nahazo ny dika ara-kevitra io andininy io ho mifandraika amin'ny fiainana ara-panhy izay fiakarana amin'ny dingana iray mankamin'ny hafa, na amin'ny lanitra iray mankamin'ny lanitra hafa. Ny hafa indray mandinika azyio ho fiovan-javatra amin'ny ankapobeny mankamina toetra hafa. Taty aoriana, tsy dia mazava loatra ny famoaboasan'ireo mpandinika sasany io andininy io satria tsy mifanaraka tamin'izay ninoan'izy ireo ho fantatra mikasika ny ahavitana dingan-davitra toy izany ny dikany ara-bakiteny. Ny dikany mifanaraka kokoa amin'ny teny araka ny teny (nataon'ny volana!), rhefa nomena ny fari-toe-javatra mikasika ny andininy dia tena ny fandehanana makany amin'ny volana, na ara-bakiteny na ara-kevitra.

Mahatalanjona ihany koa ny voalazan'ny CORAN mikasika ny famaritana ny tany ara-jeografika sy ny fiovan'ny endriny: "Tsy hitan'izy ireo va fa ho avy eny ami'ny tany izahay ary ho akelezinay ny zorony avy? Ho mpandresy va izy ireo amin'izany" (21:44)

Ny mikasika ny fihateren'ny tany dia mety ho mifandray amin'ny fikarohana hita vao haingana fa ny tany dia mifanatona avy eo amin'y tendrony, eo koa ny fiotsahan'ny tendrombohitra amin'ny alaln'ny rivotra sy ny orana, ny morontsiraka amin'ny fifahan'ny ranomasina, na amin'ny alalan'ny fahasimban'ny tany mamokatra tsikelikely. Tamin'ny fotoana ninoan'ny olona fa fisaka ny tany ary tsy mihetsika dia efa nilaza mazava tao amin'ny andininy maro ny CORAN fa ny tany dia boribory. Mbola mahatalanjona ihany koa ny fampahafantarany antsika fa ny tena vokany marina dia miendrika atody ary toy ny asodina tsisy fa tsy toy ny faribolana: "Avy eo izay nanao ny tany ho toy ny atody. Apoitra avy eo ny rian-drano sy ny fisaofana" (79:30-31)

Ny matoanteny arabo hoe "Dahâ" dia midika hoe "manome endrik'atody. Ny teny iray fianakaviana aminy hoe "dahia" dia mbola ampiasaina hatramin'izao hilazana ny atody." Toy ny tsy mahamarina ireo toe-javatra siantifika ireo toe imasoan'ny olon'ny siansa miaina talohan'ny vanim-potoanan'ny siansa mnara-penitra no tsy nahazoan'ireo mpandinika sasany tsara ny dikan'io tenyio koa. Nambaran'ny hoe "malalaka" no dikan'io mety ho matahotra izy ireo fa sarora raisina ny heviny ara-bakiteny ka hitarika ny olona amin'ny fahadisoana. Ny fitaovan'ny siansa manara-penitra dia vao tsy ela no nanambara fa ny tany dia natao toy ny atody fa tsy tena faribolana tanteraka, ary somary fisaka kelyny tendrony ary ahitana ary ahitana fiolahana kely manodidina ny Ekoatera.

Ho raisintsika ho ohatra farany izay voalazan'ny CORAN mikasika ny masoandro sy ny volana: "Asianay famantarana ny andro sy ny alina, ary ho marihina amin'ny aizina ny alina fa hataonay hita maso kosa ny mariky ny atoandro" (17:12)

Araka ny voalazan'i abbas, ny mariky ny alina dia ny volana, ary ny mariky ny andro dia ny masoandro. Vokany, amin'ny hoe "Ataoany maizina ny mariky ny alina", dia ahatsapantsika fa taloha ny volana dia nandefa hazavana toy ny an'ny masoandro ayr noho ny antony ilana izany dia nalain'Andriamanitra taminy io hazavana io ka izany no naha maizina ny alina. Amin'ny fampahafantarana antsika misimisy kokoa mikasika ny lasan'ny volana, dia naeho antsika ny fanirian'ny kintana hafa ny andininy.

Maro ireo andininy ao amin'ny CORAN no manambara ireo izay heverintsika ho trangan-javatra siantifika ankehtriny. Ny fisian'izy ireo dia manondro fa anisan'ny famindrapon'Andriamanitra ny faniriantska sy ny fikatsahantsika fahalalana ary avelan'ilay mpahary antsika amim-boninahitra izany. Noho izany anisan'ny anaran'ny CORAN iray koa ny famindrampon'Andriamanitra, ary tsy takatry ny saintsika ny hametraka ny fahalalana sy ny fahamarinana voarakitra ao aminy.

Na dia izany aza dia tsy maintsy hampahatsiahivintsika fa manambara fahamarinana siantifika maro ny CORAN dia tsy hoe toy ny fitaovana ara-tsiansa na fanazavana siantifika izy. Izy dia boky voatarika izay mampianatra ny finoana marina sy ny asa tsara mba ho mendrika ny famindrampo sy ny famelankelok'Andriamanitra araak ny efa fantatrireo mpino isan'andro. Mandrisika antsika izy fa ny fikatsaham-pahalalana siantifika sy karazam-pahalalana hafa dia tarihina amin'ny fahazavan'ny CORAN izay manome azy herim-po sy manohana azy. Ny fomba fikarohana toy izany dia manome fahalalana tsy miteraka fiavonavonana sy fireharehana satria ireo fiheverana ireo dia mitarika amin'ny tsy fahamendrehana ara-tsaina sy ami'ny fahapotehan'ny zanak(olombelona, tsy lazaina intsony ny fahapotehan'ny tany izay fonenantsika vonjy maika ary fananan'Andriamanitra nakininy tamintsika.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.