Ny Fahamaotinana

Ny olona tsirairay avy ao amin'ny fiarahamonina dia manana varavaran-kely (ny maha izy azy) ary avy eo izy no mijery mba hahita ny hafa sy mba ho hita koa. Raha mipetraka ambonimony kokoa noho ny mahazatra ilay varavarana dia miavonavona ny olona ary miheritreritra ny hiseho ho lehibe na tsy toy izany aza. Ay raha mipetraka ambnimbany kokoa noho ny mahazatra ny varavaran-kely dia tsy maintsy mihilana ampanetre-tena izy mba ho afaka hijery any ivelany sy mba ho hita. Ny fanetre-tena no fandrefesana ny halebeazantsika ary ny fireharehana sy ny fiavonavonana no fandrefesana ny fahambaniantsika.60

Lehibe sy midadasika ary azo lazaina fa "mahatakatra ny lanitra" ny irak'Andriamanitra. Noho izany tsy mila hita izy. Na iza na iza mivahiny ao amin'ny fanjakan'ny fahamarinana dia hahita azy eo anoloan'ny voary rehetra, anisan'izany ny anjely. Araka ny tenin'I Said Nursidia ny irak'Andriamanitra no fanampiana mendrika indrindra amin'ny toerana misy an'Andriamanitra. Nanetritena hijanona fotoana fohy teto antany izy mba ahafahan'ny olombelona mahita ny lalàn'Andriamanitra. Sady lehibe indrindra amin'ny zanak'olombelona izy no lehibe indrindra amin'ny fahamaotinana ihany koa. Izany no nahatonga ity fomba fiteny malaza ity: "Sady lehibe ilay lehilahy no maotina indrindra koa".

Tsy mihevi-tena ho ambonin'ny hafa na oviana na oviana izy. Ny famirapiratan'ny endriny sy noho izy mahasarika no vavahany ami'ireo mpanaradia azy. Niaina sy miakanjo toy ny mahantra izy ary mipetraka sy miara-misakafo amin'izy ireo toy izay nataony niaraka tamin'ny andevo sy ny mpanompo. Nahita azy nisakafo ny vehivavy iray indray androa ry nanao fanamarihana toy izao: "Mihinana toy ny andevo izy". Ary namaly ny Mpaminany: "Mety hisy va ny andevo tsara noho ny tenako? Andevon'Andriamanitra aho".61

Indray andro raha nikarakara ny namany izy dia niditra ny Bedoina iray ary nitabataba: "Iza no lehiben'ity vahoaka ity?" Nanome ity valin-teny izay lasa lavitra noho ny foto-kevi-pitondrana sy ny fitantanam-bahoaka silamo ity ny Mpaminany: "Ny filohan'ny vahoaka dia izya manompo azy". Nilaza I Ali fa iray amin'izany amin'ireo vahoaka maro ny irak'Andriamanitra. Rehefa tonga tao Qouba izy sy Abou Bakr tamin'izy ireo nifindra monina tany Medina dia nisy medinoa mbola tsy nahita ny Mpaminany mihintsy nanandrana nanoroka ny tànan'I Abou Bakr. Ny tokana azo anavahana ireo olona roa ireo dia I Abou Bakr be taona kokoa noho ny Mpaminany.62

Nandry toy ny fanorenan'ny silamo ny trano fivavahany tany Medina dia nitondra fitaovam-panorenana lehibe roa ny irak'Andriamanitra, ny hafa tsy nitondra afa tsy iray.63 Rehefa nandavaka ny hady vory manodidina an'I Medina izy ireo dia nanatotra vato 1 tamin'ny kibony mba handresena ny hanoanana ny mpanaradia azy, roa kosa no nataon'ny Mpaminany.64 Rehefa nahita azy voalohany ny olona iray dia nangovitry ny tahotra satria hitany ho mampihetsi-po tokoa ny endrika ivelany, nampitonian'ny irak'Andriamanitra izy:

"Aza matahotra ry rahalahy. Olona toa anao ihany aho, nihinana mofo maina koa ny reniko".65 Indray mandeha nisy vehivavy marary saina iray nisintona azy tamin'ny sandriny ary niteny hoe: "Andao hiaraka amiko ary ataovy ny raharaha ao an-tranoko" Nekeny ny fangatahany.66 Nilaza koa I Aïcha fa ny irak'Andriamanitra ihany no manjaitra ny akanjony rovitra, manamboatra ny kirarony ary manampy ireo vadiny amin'ny raharaha ao an-tokatrano.67 Na dia nampakatra azy tamin'ny toerana ambony aza ny fahatsarany dia nihevi-tena ho toy ny mpanompon'Andriamanitra tsotra ihany izy:

"Tsy misy na dia iray aminareo ireo aza hiditra any am-Paradisa noho ny asanareo. –Na ianao aza? ry irak'Andriamanitra! hoy izay nanatrika teo. Iny fa na dia izaho aza raha tsy omen'Andriamanitra famindram-po sy famelan-keloka".68

Mangataka alalana sy torohevitra aminy foana ireo mpanaradia azy mialohan'ny hanao zavatra iray. Nangataka taminy I Omar indray andro raha afaka manao ny fivahiniana masina kely. Navelan'ny irak'Andriamanitra izy ary nangataka taminy aza izy ma hampidininy ao anatin'ny fifonany. Faly dia faly I Omar ka niteny toy izao avy eo: "Raha nomena ahy aza ny harenan'izao tontolo izao dia tsy nahatsiaro sambatra noho ny tamin'io fotoana io aho".69

Iray tamin'ireo toetra lehibe nanan'ny Mpaminany ny fanetre-tena. Arakaraky ny hahatratrany ny laharana farany ambony isan'andro no hitomboana'ny fanetre-tenany sy ny fanompoany an'Andriamanitra. Tonga talohan'ny naha irak'Andriamanitra io fanompoany io araka izay hita ao amin'ny fanambarana ny finoana: "Manamafy aho fa tsy misy Andriamanitra afa tsy Andriamanitra irery ihany ary I Mohammed no mpanompony sy mpitondra ny hafany. Nisafidy ny ho Mpaminany andevo izy fa tsy Mpaminany mpanjaka.

Rehefa niara-nipetra tamin'ny Arakanajely Gabriely izy dia nilaza fa tsy nisakafo nandritry ny andro maromaro. Raha vao niteny izany izy dia nisy angely hafa iray niseho ay nanontany hoe: "Ry irak'Andriamanitra, miarahaba anao Andriamanitra ary hangataka aminao na te ho Mpaminany andevo ianao na te ho Mpaminany mpanjaka".70 Noderain'Andriamanitra ny fanompoany ary ambarany ao amin'ny andininy maro ny maha mpanompo azy: "Ary rehefa mitsangana hiantso ny anarany ny mpanompon'Andriamanitra dia hiroatra hanatona azy izy ireo (ny Jiny)" (72:19), ary "Raha manana ahiahy amin'izay namba tamin'ny mpanompanay ianareo dia manamboara soratra mitovy aminy ary antsoy nyvavolombelona, (ny sampy) izay niankohofanareo ankoatran'Andriamanitra raha olo-marina ianareo". (2:23)

Taorian'ny fahafatesan'I Khadija sy I Abou Talib dia tsy resy lahatra ny irak'Andriamanitra fa tsy hanantena fandresena sy fandriampahalemana ao La Mecque. Alohan'ny tsy hiomboan'ny toe-javatra anefa dia nitady famaharana vaovao tao Taifa izy. Satria tena lozabe ny mponina tao amin'io tanànaio ka tsy nanantena fanohanana sy fiarovana izy. Nasehoan'Andriamanitra anefa ny famindram-pony ary nomeny voninahitra tamin'ny fanatrehany ny fiakarany. Tamin'ny fitantarana tamin'ny antsipirihany izany toe-javatra izany no nilazan'Andriamanitra azy ho mpanompony mba hanehoany fa mendrika azy ny fiakarana noho ny fanompoany:

"Voninahitra sy fahadiovana hoan'izay nitondra ny mpanompony tamin'ny andro alin avy any amin'ny trano fivavahana Al-Haram ka hatrany amin'ny trano fivavahana Al-Asqua izay notsofinay rano ny manodidina azy mba hampahitana azy ny zavatra mahafinaritra anananay. Izy no tena mpitsara sy mpahita ny ho avy". (17:1)

Endrika lehibe indrindra tamin'ny fanompoan'ny Mpaminany ny fanetretena. Hoy izy: "Sitrak'Andriamanitra ny fanetretena ary halany ny fiavonavonana".71 Toy izay no hamariparitan'I Ali ny irak'Andriamanitra:

"Tena olona mahafoy izy rehefa manome, tena malefaka ary lasa aloha indrindra amin'ny faharetana sy ny tsy fahakiviana. Teny marina indrindra amin'ny teniny izy, mahate ho tia sy mahafinaritra indrindra ireo. Na iza na iza nahita azy vao voalohany dia azon'ny tahotra avy ami-panajana, ary na izay na iza mahafantatra azy akaiky dia babo tanteraka. Ary na iza na iza te-hamariparitra azy dia milaza hoe: "Tsy mbola nahita zavatra toa azy na oviana na oviana aho".72

 

Ny Zavatra Tsara Novolavolain'i Mohammed (LE GÉNIE CRÉÉ PAR LE MESSAGER*)

 

Sarotra amintsika ny tena hahafantatra tanteraka ny Mpaminany Mohammed satria isika manana fironana hanasaraka mazava tsara ny tontolo, ny fiainana ary na ny maha olona fotsiny aza dia ananantsika tsy fitoviam-pijery. Ny Mpaminany Mohammed fotsiny anefa nanambatra tao aminy miaraka ny haranitan-tsain'ny filozofa, ny herim-pon'ny mpitarika an'ady, ny fahaizan'ny olon'ny siansa, ny fitandreman'ny olon-kendry, ny fahaiza-mitsara ananan'ny olom-panjakana, ny hakingana ara-pitantanana, ny halalim-panahin'ny mpampianatra sofia sy ny fahalalan'ny manam-pahaizana andrarezina.

Mamokatra mpianatra ny filozofa tsy mpampianatra, mamolavola olona tia tanidnrazana ny mpitarika ara-tsosialy sy revolisionera fa tsy mamokatra olona feno; manofana « Tompon'ny fanompoana » ny mpampianatra sofia fa tsy mamolavola avara-pianarana sy mpiady mahery. Ahitantsika ny toetran'ny filozofa, ny mpitarika revolisionera, ny mpiady sy ny olom-panjakana sy ny mpampianatra sofia anefa ao amin'ny Mpaminany Mohammed. Ny azy dia sekolin'ny fisainana, ny hakingan-tsaina ny hatsaram-po, ny hatsaran-tarehy sy ny asa.

Novan'ny Mpaminany Mohammed ho fiarahamonina mpampihatra ny finoana silamo marina sy resy lahatra amin'ny anton-javatra ambony, fiarahamonina malefaka sy mamindra fo, vondron'ny fahamasinana, vondrona manan-tsaina sy manam-pahaizana, ny fiarahamonina Arabo tany amin'ny tany efitra mahery setra, maizin-tsaina ary olon-dia.

Tsy mbola nahita na taiza na taiza hafanam-po sy faharisiana nampiarahana tamin'ny fahalefahana sy ny hatsaram-panahy ary ny fahamarinana sy ny famindram-po toy izany isika. Voatokana hoan'ny fiarahamonina silamo io toetra io ary niseho hatramin'ny nahitany masoandro voalohany.

Ny «zaridainan'I Mohammed»

Ny finoana silamo –sekolin'ny Mpaminany Mohammed dia zaridaina nahitana voninkazo isan-karazany. Toy ny fatsakana nanapoiran'Andriamanitra olo-mendrika toandr'i Abou Bakr, Omar, Othman, Ali, Omar ibn Abd al-Aziz, Mahdi al-Abbasi, Harum ar-Rashid, Alp Arslan, Mehmed Le Conquérant, Selim sy Sulayman. Tsy olom-panjakana nanana ny maha izy fotsiny izy ireo fa olona nanam-panahy lalina ihany koa sy nanam-pahalalana lehibe sy nanan-talenta tamin'ny fandaharan-teny sy ny literatiora.

Namokatra jeneraly tsy hay noresena ny tontolo madio sy voatsodranon'ny Irak'Andriamanitra. Tamin'ireo taranaka voalohany dia hahita miaramila hanan-tsaina toandr'i Khalid, Sa‛d ibn Abi Waqqas, Abou Ubayda, Shirabil ibn Hasana sy Andriamanitra‛la al-Khadhrami. Nodimbiasan'ny jeneraly toandr'i Tariq ibn Ziyad sy Uqba ibn Nafi izy ireo ary iretsy roa farany no miaramila tamin'ny fitiavana ny olombelona sy ny faharesen-dahatra ary ny fitiavana ny fivavahana.

Rehefa tonga tany amin'ny ranomasina Atlantika i Uqba, ilay nanafika an'i Afrika Avaratra, 3000 kilometatra avy eo Arabia dia nitaraina hoe:

« Ary ankehitriny ry Andriamanitra ô! Raha tsy noho ity ranomasim-be midadasika eto anoloako ity dia naheliko hatrany an tany farany lavitra indrindra ny anaranao, ilay loharanon'ny fahazavana ». Toa sarotra no misaintsaina an'i Alexandre le «Grand» sy izay tao an-tsainy tamin'ny fanafihana an'i Persa. Amin'ny maha samy mpanafika azy anefa dia nahavita zavatra mitovy izy roa ireo.

Nibanjina ny sitrapon'Andriamanitra ny hevitr'I Uqba sy ny fahefany ka nanjary asa tsy hay notohaina teto an-tany. Nirodana ny fanjakan'I Alexandre taorian'ny fahafatesany; nitazona ny foto-pinoana silamo ho toy ny fahitany izao tontolo izao hatramin'izao kosa ny tany azon'I Uqba, ny finoany sy ny fomba fiainany na dia misy halaim-panahy saika hanova izany aza tao anatin'ny taonjato 14 taty aoriana.

Mpitarik ady nandresy I Tariq, tsy tamin'ny nandresena tafika Espaniola 90000 tamin'ny alalan'ny olom-bitsy mahery fo vonona hanao sorona ny tenany ihany fa tamin'ny nitsanganany teo anoloan'ny tahirin-karenan'ny mpanjaka koa izay nilazany hoe: "Tandremo ry Tariq! vao omaly ianao no mbola andevo tsinontsinona. Mpitarika ady nandresy kosa ianao ankehitriny. Ary ho ao ambanin'ny tany rahampitso".

I Yavuz Selim, ilay Sltana otomana izay nihevitra fa tery loatra hoan'ny mpitarika roa izao tontolo izao dia nivoaka mpandresy rehefa nanadratra mpanjaka sasantsasany sy nanjera hafa dia niditra mangina tamin'ny ora fitoriana tao Istambul ihany koa rehefa avy nandresy an'I Siria sy Egypta mba hialana amin'ny fandraisana amin-kafanam-po ataon'ny olona. Nandresy ihany koa izy rehefa nandidy fa apetraka eo amin'ny vatapaty nitondrana azy noho ny hasina hananany ny akanjo feno fotaka napetraky ny soavalin'ny mpampianatra azy –naloton'ny fotaky ny soavalin'ny manam-pahaizana iray izy io.

Nandritry ny fanafihana nisesisesy taorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany dia maro ireo fananan'ny babo an'ady nozaraina tamin'ny fiarahamonina silamo. Ireo andevo nahahana avy eo no nanjary nanam-pahaizana tamin'ny finoana: Hasan al-Basri (Basra); Aba ibn Rabah, Mujahid, Sa‛ia ibn Jubayr sy Sulayman ibn Yassar (La Mecque); Zayd ibn Aslam, Muhammad ibn al-Munkadir sy Bafi ibn Abi Nujayh (Medina); Alqama ibn Qays an-Nakha'I, Aswad ibn Yazid, Hammad sy Abou Hanifa Nu‛man ibn Thabit (Kouja), Tawus sy ibn Munabbih (Yemen); Ata ibn Abd Allah al-Khorasani –Khorasan); ary Maqhul (Damasy); sambatra toy ny voninkazo manitra tao an-jaridainan'ny Mpaminany Mohammed izy ireo. Nametraka ny fepetra ara-dalanan'ny finoana silamo ary namolavola mpitsara maro izy ireo, izy ireo dia nanoratra sy nanangona angon-dalàna mbola manankery sy lasitra ara-dalàna ankehitriny.

Iray tamin'ireo mpitsara ireo I Iman Abou Hanifa, nanorina ny sekolin-dalàna Hanefite izay ahitana mpanaraka anapitrisany ankehitriny. Namolavola manam-pahaizana ambony toandr'I Imam Abou Youssouy, Imam Zufar sy Imam Muhammad Idris ash-Shafi‛i. ny soratr'I Abou Hanifa notononina tamin'I Imam Ask-Shaybani dia nazavain'I Imam Sarakhsi nandritry ny taon-jato maro taty aoriana ("ny masoandron'ny Imams") tao anatin'ny "Al-Mabsut", asa tao anatin'ny voky telopolo.

Imam Shafi‛I izay nanorina ny foto-kevitry ny fomba fiasan'ny lalàna silamo dia noheerina ho mpampivoatra ny fahalalana ara-pivavahana. Rehefa niteny tamin'I Sarakhsi Imam ireo mpianany fa nanangona boky mirakitra ny lovan-tsofina mikasika ny faminaniana miisa 300 (hadita) I Imam Shafi‛I dia namaly tamim-pahamaotinana izy hoe: "Nanana fanomezana tamin'ny hadita izay nangoniko izy". Imam Shafi‛I, Abou Hanifa, Imam Malik sy Ahmad ibn Hanbal sy ireo maro hafa dia novolavolaina tao amin'ny sekolin'ny Mpaminany Mohammed.

Nisy koa mpandalina ny CORAN toandr'I ibn Hariri at-Tabari, Fakhr ad-Din ar-Razy, Ibn Kathir, Imam Suynti, Allama Hamdi Yazir sy Sayyid Qutb. Ankoatra izany dia tao koa ireo mpitatitra malaza ny hadita toandr'I Imam Boukhari, Mouslim, Tirmidhi, Abou Daword, Ibn Maja, Nasa'I, Ibn Hanbal, Bayhaqi, Darimi, Daraqutui Sayf ad-Din al-Iraqi, Ibn Hajar al-Asqalani sy ireo maro hafa. Izy rehetra ireo dia samy kintana manjelanjelatra mandrakariva eny andanitry ny fahalalana silamo. Nandray ny fahazavan'ny Mpaminany Mohammed izy rehetra.

Araka ny finoana silamo dia noharian'Andriamanitra ho tsara indrindra ny olombelona, toy ny tantara an-tsehatra fantatry ny rehetra indrindra ary feno ny Anaran'Andriamanitra sy ny andraikiny. Mety hianjera amin'ny farany ambany indrindra anefa izy noho ny fiahiahiany. Mitondra ny olona ho amin'ny fahatsarana ny sofisma. Fahalebeazana anatin'ny finoana silamo, na ihany koa mamela azy haka ny toetran'ny anjely nananany hatrany amboalohany. Namokatra olo-masina maro ny finoana silamo. Satria izy tsy misaraka amin'ny fikatsahantsika ny tontolo tsy hita maso ao amin'ny voary dia lasa olon'ny siansa ihany koa ny sofista maro. Olo-masina maro toandr'I Abd al-Qadir al-Jilani, Shah Naqshband, Ma‛ruf al-Karkhi, Hassan Shaziti, Ahmad Badawi, Shaykh al-Harrani, Ja‛far al-Sadiq, Junayd al-Bezhdadi, Bayazod al-Bistami, Muhy ad-Din al-Arabi sy Mawlana Jalal ad-Din ar-Rumi no nitsilo ny làlan'ny fahamarinana ary nampianatra olona maro hanadio ny izahony.

Noho izy ireo fahamarinana sy fitiavan'Andriamanitra hita vatana sy saina madio dia ny mpampianatra Sofi no nanjary hery anatin'ny loharanom-pahefana tao afaran'ny fanafihan'ny silamo sy ny vokatra namadihana ireo tany ireo ho silamo. Mpanavao malaza ry Imam Ghazali, Imam Rabbani sy Bedinzzaman Said Nursi ry izy ihany no fahazavan'ny olon-kendry, fahalalanan'ny manam-pahaizana amin'ny fivavahana ary loharanom-panahin'ny olo-masina.

Làlana tsy mirona havia sy havanana ny finoana silamo. Ny antanan-tohatra vita antsipirihany ara-pahalalana ao aminy dia nampidirin'ny hevitra maha tokana an'Andriamanitra. Misy ny fahalalana mikasika ny làlana, ny sosialy, ny teolojika sy metafizika izay miataka amin'ny foto-kevitry ny CORAN. Teny andalam-pivoaran'ny fotoana dia nametraka siansa filozofika, natoraly sy matematika faran'izay sarotra ny finoana silamo. Izy ireny tsirairay avy dia nipoitra avy tamin'ny iray amin'ny anaran'Andriamanitra (Asmâ-ul-Husna). Ohatra, ny fansitranana (médecine) dia miankina amin'ny anarany hoe mpanasitrana ny rehetra sy mpamaritra ny zavatra rehetra sy ny mpampiofana ny rehetra sy mpandrindra ny rehetra; ny filozofia dia taratry ny ho faratampon'ny fahendrena.

Mahita ny voary amin'ny fahazavana miavaka ny dingam-pahalalana tsirairay avy. Mahita azy ho toy ny faritra hiasan'ny olombelona ny mpitsara sy ny teolojianina; mahita azy ho toy ny seha-panadihadiana sy ho tsapa ny filozofia sy ny siansa ny mpetafizika indray dia mahita azy ho toy ny vainga hodinihina sy fitaratra itarafana ny zava-misy tsy azo tsapain-tànana. Nanoratra ny fahendreny eny amin'ny ravina sy ny vato isanisany, ny atoma sy ny singa madinika isanisany avy ary nahary ny tontolon'ny voary tamin'ny fomba milaza fa ny zava-mitranga tsirairay dia mihira ny voninahitry ny mahatokana azy ny mpahary ny voary.

Mampifandray tanteraka ny fahalalan siantifika sy ny fandinihana ny finoana silamo ny silamo. Noho izany ny fanabeazana ny silamo teo aloha, indrindra fa nandritry ny taonjato voalohany, tafiditra ao anatin'izany ny siansa ankehitriny (ny ankamaroany). Afaka fotoana fohy tao amin'ny fiainany, ny tombontsoa sy ny talentany tsirairay avy dia hamolavola manam-pahaizana manokana ao amin'ny iray na siansa maro.

Ny toeram-pampianarana ambony, ny trano famoaham-boky, ny sampa-pitsikilovana sy ny rafitra siantifika maro dia manana ny anjara asany lehibe amin'ny fanohizana ny maha izy azy ny siansa silamo. Ireo toerana ireo sy ny mpianatra avy amin'ny toeran-davitra mba hianatra ireo manam-pahaizana fanta-daza dia miantoka fa ny angom-pahalalana maro dia tsy hiova ary hifindra amin'ny toerana iray sy mankamin'ny toeran-kafa any amin'ny taranaka iray mankamin'ny taranaka iray. Tsy mijanona ho vakoka fotsiny ireo fahalalana ireo; miamahantra sy miha manankarena izy ireo. Misy anapitrisany maro ny sora-tànana silamo any amin'ny tranom-boky ankehitriny (amin'ny teny arabo ny ankamaroany) manerana ireo tranomboky eto amin'izao tontolo izao ary maro amin'izy ireo no manadihady toe-javatra siantifika.73

Ohatra, I Abou Youssoy Ya‛quls al-Kindi ("ilay filozofan'ny arabo") dia sady nanoratra mikasika ny filozofia, ny mineralozia, ny metalorizia, ny zeolozia, ny fizika, ny medisina no sady fizisianina ihany koa.

Ibn al-Haythan dia matematisianina goavana silamo ary inoana tsy ampihambahambana fa fizisianina tena lehibe koa. Fantatsika ny mihoatra ny zato amin'ireo asany. Ny 19 amin'izy ireo dia manadihady ny matematika ary alalininy manam-pahaizana manaraka ny toetr'andro ankehitriny. Hahasarika ny manam-pahaizana ho avy ihany koa ny asany, sady any amin'ny tany tandrefana no eo aminy tamin'ny silamo no nahafantarana azy tamin'ny anarana hoe Alhazan. Nadika tamin'ny teny latina ny iray tmain'ireo bokiny mikasika ny optika ny taona 1572.

Iray tamin'ireo manam-pahaizana silamo tamin'ny medievala I Abou ar-Rayhan al-Biruni ary anisan'ireo lalin-kevitra sy tena niavaka. Tafarotsaka tamin'ny matematika, ny astronomia, ny siansa natoraly sy ny fizika koa izy ary niavaka ihany koa tamin'ny maha zeografy sy mpahay tantara ary kronolozista sy mpahay haifiteny azy tamin'ny maha mpandinika ny fomba amam-panao sy ny lalam-pivavahana azy. Mbola tsaroana hatramin'izao ny endrika toandr'I al-Khawarizmi (matematika) Ibn Shatr‛I (Astronomia), al-Khazini (fizika) Jabir ibn Hayyan (medisina). I Andalousie (Espaina silamo) no ivon-toerana nakan'ny tandrefana ny fahalalana sy ny fahazavan'ny taonjato maro.

Nanorina fandrosoana namirapiratra indrindra ny silamo. Tsy tokony hampahagaga izany satria ny cora dia manomboka amin'ny didy hoe:

"Vakio, amin'ny anaran'ny Tomponao nahary" (96:1). Mandrisika ny olona hamaky ny CORAN kanefa tsy nisy zavatra maro ho vakiana ary tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny ankamaroan'ny vahoaka. Izay tsapantsika voalohany tamin'ny voalohany ary hafahafa dia ny tsy maintsy hamakian'ny zanak'olombelona ny tontolo ho toy "ny bokin'ny fahariana".

Ny CORAN no mitovy aminy, boky vita amin'ny soratra sy ny teny, tsy maintys mandinika ny tontolo isika, mahatsapa ny dikany sy ny ao aminy, ary mahazo fahatsapana lalina ny hatsaran-tarehiny sy ny hahasoan'ny fahamamian'ny Mpahary sy ny tsy fahataperan'ny heriny. Noho izany, voatery tsy maintsy mandalina ny hevitra maron'ny tontolo isika, mikaroka ny lalanan'ny voary ary manorina tontolo ifamenoan'ny siansa sy ny finoana. Mahatonga antsika hahatratra ny tena fahasambarana marina eto an-tany sy any ankoatra izany rehetra izany.

Ny nanaiky ny lalàn'ny CORAN sy manaiky ny Mpaminany ho ohatra, nianatra sy nandalina ny bokin'ny fanambaran'Andriamanitra (ny CORAN) ny silamo ary nahatafaparitaka fandrosoana lehibe. Manam-pahaizana maro avy any Eropa no nanararaotra ny toeram-pampianarana ambony tany Dmasy, tany Boukhara, tany Bagdad, tany Caire, tany Fez, tany Qairwan, tany Zeituna, tany Cordou, tany Sicile, tany Delhi ary tany amin'ireo tanàn-dehibe silamo haa. Mampitaha ny tontolo silamo tamin'ny vanim-potoanan'ny (medievala) ny mpahay tantara –maizina amin'I Eropa kanefa mivohom-bolamena ary fahaizana hoan'ny silamo avokoa. Feno mpianatra ny arabe, olon'ny siansa sy manam-pahaizana mivezivezy amin'ny toeram-panaeazana iray mankamin'ny hafa.

Niaina tao anatin'ny fandrosoan'ny fombam-piainana sy ny fomba amam-panao ny fanjakana silamo nandritry ny taonjato dimy voalohany nisiany. Hita tetsy sy teroa ny tanàn-dehibe nahafinaritra, trano fivavahana tsara tarehy sy toeram-pampianarana abmony, ny silamo tatsinanana dia niavaka tamin'ny kristianina tandrefana izay difotra tao anatin'ny haizin'ny fandrosoana. Na dia taorian'ny firohotana mahatsiravina nataon'ny mongola sy ny kroazady tamin'ny taonjato faha XIII sy taorian'io taonjato io aza dia mbola nanankery ny mihoatra ny tandrefana hatrany izy.

Na dia nanjaka tao anatin'ny roa ampahatelon'izao tontolo izao izay fantatra fa nivoatra nandritry ny taonjato 11 aza ny finoana silamo dia nitarika ny fiemorany ny hakamoana sy ny hatsirambina nataon'ireo izya niaina tany amin'ny faritra ankoatra ireo. Na dia izany aza dia tsara ho marihana mazava fa io fitotonganana io dia teo amin'ny fomba amam-panao silamo ihany fa teo amin'ny finoana silamo akory. Ny fahamboniana sy ny fandresena aa-miaramila izay nitohy hatraty amin'ny taonjato faha XVIII dia nankahery ny silamo mba hiala sasatra teo amin'ny fahombiazany sy ny tsy fanaovana laharam-pahamehana tamin'ny fikarohana siantifika diso tafahoatra. Niaina tamin'ny fiainany manokana izy, nitantara ny CORAN ary tsy nandinika izay dikany lalina. Nandritra io fotoana io I Eropa dia nandroso fatratra teo amin'ny siansa izay nindraminy tamin'ny silamo.

Ny antsointsika hoe "siansa" eto dia ny fiteny smay hafa ao amin'ny bokin'Andriamanitry ny fahariana (endriky ny silamo hafa koa). Tsy hahomby eto amin'ity tany ity izay tsy mahalala io boky io. Matoa ny silamo nanomboka tsy dia taitra loatra tmain'io dia noho ny fotoana talohan'ny nifehezan'ny hery avy aty ivelany azy fotsiny. I Eropa no lazaintsika hoe hery ivelany eto. Ny fanafiana tsy ankiato sy ny fanjanahana nataon'ny hery Eropeanina dia nandray anjara betsaka tamin'io vokatra io.

Samy manana ny toetra manavaka azy ny fandrosoana tsirairay. Na dia nandray anjara lehibe tamin'ny fampivoarana ny zanak'olombelona aza ny fandrosoana manara-penitra ankehiriny amin'ny lafiny siansa sy teknolojika, indrindra fa ny ara-pitaovana dia mbola tsy mahafa-po lavitra ny filan'ny zanak'olombelona tsy manam-pahataperana. Iznay no antony hilazan'ny sosiology maro toandr'I Oswald Spenlen hoe tsy haharitra ela toy inona izy. Mahtsikaritra sahady ny ho fitotonganany I Spengler noho izy io tsy mifanaraka amin'ny voajanahary sy ny hasina maha olombelona. Ny tontolo mazava amin'ny ho avy dia mifototra mafy amin'ny fampifandraisana nys iansa sy ny finoana, ny ara-panahy sy ny moraly ary mifamatra amin'ny fanomezan-danja ny hasina sy ny zon'olombelona ihany koa. Nandray anjara lehibe tamin'ity tontolo ity ny finoana silamo.


[60] Said Nursi, Letters, 2:315.
[61] Haythami, Majma', 9:21.
[62] Ibn Hisham, 2:137.
[63] Bukhari, 1:111; Muslim, 2:65; Semhudi, Wafa', 1:237; Ibn Sa'd, 1: 240.
[64] Tirmidhi, "Zuhd," 39.
[65] Ibn Maja, "At'ima," 30; Haythami, 9:20.
[66] Qadhi 'Iyad, Ash-Shifa', 1:131, 133.
[67] Tirmidhi, Shama'il, 78; Ibn Hanbal, 6:256.
[68] Bukhari, "Riqaq," 18.
[69] Ibn Maja, "Manasik," 5; Tirmidhi, "Da'awat," 109; Abu Dawud, "Witr," 23.
[70] Ibn Hanbal, 2:231; Haythami, 9:18.
[71] Hindi, Kanz al-'Ummal, 3:113; Haythami, 10:325.
[72] Tirmidhi, Hadith No. 3880.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.