Fahamarinana Tanteraka

Toetra iray manan-danja ny fahamarinana izay midika hoe "fahadiovantsaina" eto, izany hoe, atao amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny zava-drehetra.

Mangataka antsika mba hidera an'Andriamanitra amin'ny fahadiovan-tsaina izy "tsy mangataka amin'izy ireo hanao fanompoam-pivavahana fe-fahatany fotsiny sy amin'ny fanomezana izy" (98:5). Ambaran'Andriamanitra fa ny fahadiovam-pisainana koa dia andraikitra lehibe hoan'ny Mpaminany: "Ary ambara ao amin'ny bokin'I Moizy fa olom-boafidy madio fisainana sy mpitondra hafatra ary Mpaminany izy ireo. (19:51).

Tsy hidera afa-tsy Andriamanitra isika satria mpanompo azy ary izany no nandidiany antsika. Ny fenekena azy dia ahazoantsika ny fankatoavany sy ny valisoa any ankoatra. Hoy I Saïd Nursi, mpandinika Turc lehibe iray: "Ataovy amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ataonareo, atomboy amin'ny anaran'Andriamanitra, miasa ho an'Andriamanitra ary ataovy izay hahafapo an'Andriamanitra"9.

Nidera an'Andriamanitra tamim-pahadiovam-pisainana lalina ny Mpaminany farany araka ny voalazan'ny olona hoe: "Tsy misy olona afaka hijanona amin'ny fahamendrehana raha tsy efa nanao izany hatrany amboalohany na teo ampanaovana izany ka tonga tamin'ny farany avo indrindra; afa tsy I Mohammed"; Lehibe sy avo indrindra izy ary mitsangana amin'ny fanajana azy isika, na dia norarany aza ny mpanaradia azy: "Aza mitsangana toy ny ataon'ny Persa amin'ny zokiny ianareo rehefa tonga eo aminareo aho"10.

Nanaja azy fatratra na dia ireo namany aza, mihevi-tena ho andevo mahantran'Andriamanitra izy. Tamin'ny andro nahazahoany an'I La Mecque dia tsy ny nanombohany an-panetretena ny asany ihany. Tamin'ny fanombohany ny faminaniana dia niara-nihinana sy nipetraka niaraka tamin'ny mahantra sy ny andevo izy; nandresy anefa izy rehefa niditra tao La Mecque. Nandeha tamim-panetretena tamin'ny apondra izy ary niondrika teo amin'ny fipetrahana aminy. Nangataka tamin'Andriamanitra sy nialoha taminy izy mba tsy hanjary mpanafika manambony tena sy mpanjakazaka.

Ny mitalaho sy midera an'Andriamanitra no fanirian'ny irak'Andriamanitra. Nidera azy amin-katsaram-po sy fahadiovam-pisainana tonga lafatra izy, tahaka izay nolazainy tao amin'ny hadita malaza hoe: "Mikendry ny hidera an'Andriamanitra tahaka ny mahita azy ny hatsaram-po sy ny fahamarinana tonga lafatra, ary tsy hitanao izy fa tena mahita anao marina"11


[9] Bediuzzaman Said Nursi, The Words, “The First Word,” 5.
[10] Abu Dawud, “Adab,” 152; Ibn Hanbal, 5:253.
[11] Bukhari, “Iman,” 37; Muslim, “Iman,” 5:7.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.