Fahamendrehana Sy Fanaovana Asa Soa

Mendri-pitokisana tanteraka ny Mpaminany ary tsy mila tambiny tamin'ny asa nataony. Miverina indimy ao amin'ny SOURATE io toetra fototra io: "Ask shu ‛ara'". Zavatra mitovy no nolazain'ny Mpaminany rehetra: "Mpitondra hafatra mendri-pitokisana ho anareo aho. Matahora an'Andriamanitra ary maneke ahy. Ary tsy mila tambiny avy aminareo amin'izany aho; tsy misy afa tsy avy amin'Andriamanitra no karamako" (26:107-109, 125-127, 143-145, 162-164, 178-180);

Efa nalaza tamin'ny fahamendrehany teo anatrehan'ireo mpiray firenena taminy ny Mpaminany Mohammed talohan'ny nanambarana ny faminaniany. I Al-Amin (ilay mendri-pitokisana) no nahafantarana azy tamin'izany. Toy ireo teo alohany dia tsy nangataka tambiny tamin'ny fiantsoan'Andriamanitra azy izy.

Tsy mba mihevitra na oviana na oviana ny tombontsoa materialy ny Mpaminany, na fankasitrahana ara-panajy, eny fa na dia ny paradisa aza – natao ho an'ny fankatoavan'Andriamanitra ny fikirizany rehetra ary ma hitarihana ny olona ho amin'ny lala-mahitsy. Ny Mpaminany Mohammed no nanatombo kokoa tamin'izany. Natokany manokana hikatsahana ny maha-tsara ny olombelona eto antany ny fiainany, ataony hatrany amin'ny toeram-pivoariana izany. Ny hafa kosa tsy misahirana afa-tsy amin'ny nahim-pony, miondrika eo anatrehan'Andriamanitra ny Mpaminany, mivavaka hoan'ny famonjena ny silamo ary mangataka amin'Andriamanitra izay mahasoa ny olona tsirairay.4

Izay maniry hanapariaka ny lanjan'ny finoanoana silamo dia tsy maitnsy manaraka izany fomba izany ary tsy miandry valisoa. Ny hafatra rehetra mifototra amin'ny faniriana maloto na dia tsara toy inona aza dia tsy misy vokany amin'ny olona. Marihina matetika ao amin'ny CORAN izany: "Manaraka an'ireo izay tsy mitaky tambiny aminareo sy ireo izay mandeha amin'ny làlana tsara" (36:21)

Milaza ny fitsinjovana ny tombontsoa iombonana, ny fahamarinanana sy ny faharetan'ny irak'Andriamanitra amin'ny teny velona toy izao I Imlam Busiri: "Te-hiazakazaka manodidina azy ho toy ny volamena ny tendrombohitra kanefa laviny". Hoy ny Mpaminany indray maka: "Noana aho indray andro ary niaritra tamim-paharetana; voky tanterana aho tamin'ny andro hafa ary nidera ny Tompo ary nahazo fankasitrahana indroa miantoana hoan'ny faharetako sy ny fiderako azy".

Ambaran'I Aïcha fa indraindray dia tsy misy sakafo masaka efatra andro misesy ao an-tranon'izy ireo.5 Hoy koa I Houraïra Abou: "Tao amin'ny efitranon'ny Mpaminany aho indray andro. Nivavaka sy nitoloko izy. Nanontaniako izy sao marary. Namaly izy fa noana loatra ka tsy afaka mitsangana. Nalahelo mafy aho kanefa najanony ary hoy izy: "Aza mitomany fa izay miaritra ny hanoanana ety an-tany dia ho eo ambany elatr'Andriamanitra any ankoatra".6

Hoy izy tamin'ny anjely Gabriely indray andro: "efa andro maromaro izay no tsy nisy afo nirehitra nandrahoana sakafo tao an-tokatranon'I Mohammed". Nisy anjely iray niseho ary nilaza hoe: "Ry irak'Andriamanitra, ho arabain'Andriamanitra ianao, ary hanontany anao izy na te-ho Mpaminany mpanjaka ianao na ho Mpaminany andevo?" Nijery an'I Gabriely izay nitaky fanetretena taminy izy. Ary nampakatra ny feony ny Mpaminany sady namaly hoe: "Te ho Mpaminany andevo izy nitodika amin'Andriamanitra amin'ny androm-pahanoanana aho ary manome voninahitra azy amin'ny androm-pahavokisana".7

Manam-pahazarana misakafo miaraka amin'ny mpanompo sy ny andevo ny irak'Andriamanitra. Nisy vehivavy iray nahita azy nihinana indray andro ary nanamarika hoe: "Mihinana toy ny andevo izy" ary hoy ny navalin'ny Mpaminany: "Moa ve misy andevo tsara afa tsy ny tenako ihany? andevon'Andriamanitra aho".8

Eken'ny irak'Andriamanitra ny maha andevon'Andriamanitra azy, ilay mpampianatra antsika sy ny zaaboary arak'izao lazain'I Galip bede izao:

"Mpanjaka avy amin'Andriamanitra, Mpanjakan'ny Mpaminany, o! ry mpampianatro.

Loharanom-pamonjena hoan'ny osa ianao, o! ry mpampianatro.

Ao amin'ny fisian'Andriamanitra, ianao no lehibe indrindra, o! mpampianatro.

Ianao no tian'Andriamanitra tanteraka, derainy sy homeny voninahitra, o! ry mpampianatro.

Ianao no mpanjaka mandrakizay izay nirahin'Andriamanitra, o! ry mpampianatro.


[4] Bukhari, “Tawhid,” 36; Muslim, “Iman,” 326.
[5] Bukhari, “Riqaq,” 17; Muslim, “Zuhd,” 28.
[6] Muttaqi al-Hindi, Kanz al-‘Ummal, 7:199.
[7] Ibn Hanbal, 2:231; Haythami, Majma‘ az-Zawa’id, 9:18-19.
[8] Haythami, 9:21.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.