Ny fahiratan-tsaina

Andraikitra iray lehibe amin'ny faminaniana ihany koa ny fahiratan-tsaina. Hafa ny heviny amin'ity fari-toe-javatra ity: fifangaroana fahafahana misain-tsaina, ny saina matsilo, ny hakingan-tsaina, ny fahaiza-mitsara sy ny fahendrena izay mihoatra lavitra ny iombonan'ny mety maty rehetra noho ny fahefana hahatsapa zavatra lalina. Ahitana sy mandrindra ny fahafahan'ny olombelona manao zavatra mifamatotra amin'ny fo sy ny fanahy ary ny saina izy.

Noho ny fiantraikan'ny firehana mandalo sasantsasany dia misy ny sasany mihevitra lamina voasaina fotsiny ny finoana silamo. Heveriny fa ny saina no fahefana ambony indrindra ary tsy avahany ny maha samy hafa ny fitsaran'ny saina fotsiny sy ny fahadisoan'ny fisaintsainana diso tafahoatra. Ny foto-kevitry ny finoana silamo rehetra, io fivavahana nambara izay avy amin'ny fahalalana ny zavatra rehetra io dia azo amarinina amin'ny alalan'ny saina. Na dia izany aza dia mila ny fahiratan-tsain'ny Mpaminany ny fahazoana tanteraka ny finoana silamo mba ahafahana mahatsapa ny dikan'ny tontolo sy ny olombelona; mametraka ny fahefana manontolon'ny saina ny silamo fa tsy amin'ny sain'olombelona voafetran'ny fahafahantsika manao zavatra samy irery izay matetika mifanipaka amin'ilay iray hafa, tsy izany fa ny sainan'ny Mpaminany hoan'ny rehetra satria ny finoana silamo dia anaran'ny fandaharan'Andriamanitra sy ny fandrindrany ny tontolo.

Asehony amin'ny alalan'ny saron-javatra ny anaran'Andriamanitra. Ny maha iray tsy mivaky azy dia mila ny fahazoantsika ny vokatra mivantan'ny fahefany mpahary. Kanefakosa ny fahamoniany, ny halehibeazany sy ny fiandrianany dia mitaky ny fahatakonan'ny antony ara-boajanahary mba tsy ahafahan'ny olona hanome zavatra tsy mendrika amin'izy ireo. Nanabe ny Mpaminany mba hampita ny fanambarany izy. Satria isika tsy afaka mandray mivantana ny fanambarana fa ny Mpaminany no toy ny tara-pahazavana nandray sy taratry ny fanambaran'Andriamanitra. Ataon'izy ireo arakaraka ny fatra-pahatakaran'ny vahoakany ny fampitany ny fanambarana sy arakaraka ny zava-misy amin'ny vanimpotoana iainana. Amin'ny teny hafa, ny fahiratan-tsain'ny faminaniana dia mahatonga ny Mpaminany iray hahafantatra izay mikasika ny vahoakany sy mamaly ny fanontanian'izy ireo rehetra ary mamaha ny olana eo aminy.

Raha mandinika ny fahombiazan'ny Mpaminany isika dia mahita fa olom-panjakana sy mpitaritolona voalohany izy. Amin'ny maha fanahin'Andriamanitra hita vatana azy amin'ny alalan'ny teny, na dia tsotra ety ivelany aza izy dia mahataitra antsika tsirairay ay noho ny fahafoizan'ny saintsika. Arakaraka ny finoan'ny fahalalan'ny olombelona no ahatsapantsika fa aorian'ny teny dia misy ranomasina miafina izay tsy takatry ny saina ny halaliny raha tsy irotsahana lalina ao anatiny, na ny velan-draozy mifamatotra tsirairay aza dia misy dika isanisany avokoa.

Ambony dia ambony ny fatra-pahatakarany noho ny an'I Wahb ibn Munabbih izay hita ao amin'ny Torah sy ny Evanjely manao hoe: "Ny fahatsapana sy ny fahefan'ny sain'olombelona mahalala zavatra ao amin'ny olombelona manontolo dia toy ny fasika madinika indrindra amin'ireo tangorom-pasika any amin'ny tany efitra raha ampitahaina amin'ny an'ny irak'Andriamanitra".121

Ohatra amin'ny fatrapatakarany ara-tsaina:

- Rotiky ny orana sy ny tondradrano nahatsiravina ny ampahany tamin'ny Ka‛ba talohan'ny faminaniana. Narenin'ny Qaraïchite izany. Na dia izany aza dia teraka ny adim-poko teo amin'ny fanapaha-kevitra izay olona mendrika haerina ny vato masina amin'ny toerany. Nanolo-kevitra ny sasany fa hampanaovina izay olona nipoitra voalohany eo amin'ny Ka‛ab izany. Maivamaivana ny rehetra fa i Mohammed io olona io. Hoy ny antsoantson'izy ireo:

- "Tonga ilay mendri-pitokisana!". Rehefa avy nanazava ny olon izy dia navelany tamin'ny tany ny akanjony. Napetrany teo ambonin'io ny vato ary nasainy nitana ny zorony avy ny lehibeam-poko tsirairay avy. Ary rehefa tonga tamin'ny haavo ilana azy ny vato dia I Mohammed no namerina azy tamin'ny toerany. Tamin'izany no nanafoanany ny adim-poko tsy hitranga.122

- Mandrefy ny fatra-pahatakaran'ny olona iray sy ny vhaoaka mandrakariva ny irak'Andriamanitra ary amimpitandremana no anaovany izany. Ho tanteraka ny fomba hiresahana amin'ny olona manokana, amin'ny fotoana sy ny faritra miavaka; tsy mankamin'ny hafetsen-dratsy sy ny fahadisoana na oviana na oviana izy. Indray andro nanadrana ny hampandao azy ny asany I Houssaïn, mpandahateny nikohizana tamin'ny fahaizany mandresy lahatra. Nihaino ny fandaharan-keviny tamim-pahamalinana ny irak'Andriamanitra ary avy eo niresaka taminy toy izao:

  • Ry Houssaïn, firy ny faminaniana derainao?
  • Valo hoy izy: ny iray any an-danitra ary ny hafa ety antany
  • Iza amin'ireo no antsoinao rehefa misy zavatra manjo anao?
  • Ilay any an-danitra
  • Iza amin'ireo no antsoinao rehefa very ny fanananao?
  • Amin'ilay any an-danitra.

Rehefa nametraka fanontaniana iray na roa ny mpitondra hafatra dia nahazo valiny mitovy isanisany ary hoyizy: "Aminao izany dia ilay iray any an-danitra ihany no mamaly ny antsonao. Kanefa mbola afangaronao amin-javatra hafa ihany. Tsy izany va no nandrarako? Tsy misy faminaniana afa tsy Andriamanitra ihany. Meteza ho silamo ary ho voavonjy ianao".123

- Izany zohin-kevitra toa tsotra izany no nandresy lahatra an'I Houssaïn tamin'ny heviny.

- Antsoina hoe ny olon'ny tany efitra ny bedoina matetika. Miavaka ny fombam-piainany ary miteraka fahaverezan-jaara matetika; na ny fihavian'ny rivodozam-pasika. Na dia eo aza ireo faminaniana maro ankasitrahany dia Andriamanitra tokana, ilay tokana nahary izao tontolo izao, ilay mahery indrindra ihany no angatahany famonjena sy fanampiana. Ny herin'ny ao anatiny sy ny fisainany madio no manambara aminy ny fahamarinana eo ambanin'ny lanitra mangan'ny tany efitra na ao anatin'ny aizina izay nahafantarany ny maha tokana an'Andriamanitra. Tonga tamin'I Hamza izay nanambara toy izao izany: "Ry Mohammed, voaraiko tao anatin'ny haizin'ny tany efitra fa lehibe loatra tsy azo atao anaty rindrina efatra Andriamanitra".124

Fantatry ny irak'Andriamanitra ny toetran'ny tsirairay ary niresaka amin'ny fanahiny sy manasa azy hankamin'ny finoana silamo izy. Ohatra, mitantara amin'I Abou Tamima I Ahmad ibn Hambal fa nisy bedoina iray nangataka tamin'ny irak'Andriamanitra raha izy no I Mohammed. Rehefa nandray valinteny marina ilay bedoina dia te-hahafantatra izay niantsoany ny olona. Hoy ny navalin'ny irak'Andriamanitra: "Amin'Andriamanitra ilay ambony indrindra. Miantso azy ho aminy irery ihany aho, tsy asiana fangarony izy. Izy no Andriamanitra, ilay antsoinao rehefa misy mahazo anao ary izy no manala izany aminao. Izy ihany no itarainanao mandritry ny haintany sy ny tsy fahampian-tsakafo, ary izy no mandatsaka ny orana sy mampaniry ny bozaka. Izy ihany koa no manasazy anao rehefa manary zavatra any amin'ny tany efitra ianao ary izy no nahatonga anao hahita izany". Izany teny tsotra sy mazava izany no nampifoha ny Bedoina ho amin'ny fahamarinana sy hanaraka ny fivavahana silamo.125

Tsy nilaza ohatra iray hafa mikasika ny olona nahaforona fiarahamonina marina haingana sy tamin'ny olom-bitsy sy loharanon-harena kely dia kely ny tantara. Nampiasa malaky izay hery nomen'Andriamanitra azy I Mohammed izay tsy azon'ny mpahay tantara sy ny sosiology nosaintsainina tanteraka ny fivoaran'ny fivelaran'ny hafany. Niparitaka nanerana ny tanjato manontoko ny onja nentin'izany ary nitohy nisarika andian'olona maro manerana ny zoro efatr'izao tontolo izao hankamin'ny dadasiky ny finoana silamo.

- Mamaha ny olana amin'ny fomba tsotra toy izay lazain'I Bernard Shaw ho toy ny nisotro kafe iray kaopy ny irak'Andriamanitra. Na dia eo anatrehan'ny zavatra maika tampoka aza izy dia milamina sy mamaha ny olana amin'ny fahafaham-pon'ny tsirairay. Ny fiainany rehetra dia maneho fa olon'ny fahatoniana tanteraka izy ary tsy ariany mandrakariva io fahatoniana io.

Diniho miainga avy amin'io singa farany io ity ohatra manaraka ity. Taorian'ny fanafihana an'I La Mecque dia maro ireo fahavalo taloha no nanambara ny fiovany. Mazava ho azy fa sarotra amin'izy ireo ny hahazo izany marina haingana dia haingana. Izany no antony nitadiavan'ny irak'Andriamanitra ny "fampihavanana ny fon'izy ireo" sy nampitomboany ny andraikiny sy ny nanaovany azy ireo ho ambony noho ny silamo tamin'ny fizarana ny fananana taorian'ny ady tao Hounaïn.

Nahitana rameva 24000 sy ondry 40000 ary volamena sy vola 4540 teo ho eo ireo fananana ireo. Nomen'ny irak'Andriamanitra rameva 300 sy volamena sy vola 113 kilao I Soufyan sy ny fianakaviany, ramea 200 hoan'I Hakim ibn Hizam ary rameva 100 avy hoandr'I Nysayr ibn al-Harith, Qays ibn Asiyy, Safwan ibn Umayya, Malik ibn Awj, al-Aqra ibn Habis sy I ‛Uyayna ibn Hisn. Izany fankasitrahana izany no nanorenana ny ratram-pahambonian'ny lehiben'ny mponin'I La Mecque.

Nisy tanora Ansars maromaro tohina tamin'izany na dia tia ny irak'Andriamanitra aza izy ireo satria tsy nihevitra izy fa ho azy samy irery ny fananan'ny babo fa ny fahitana ireo fahavalo taloha nomena fankasitrahana. Mety hiteraka fihetsiketseham-pisitahana eo amin'ny silamo izany. Rehefa nilazan'I Sa‛d ibn ‛Ubada, lehiben'ny Ansari iray ny Mpaminany dia nampiantso azy ireo mba hiresaka aminy. Raha vao tafavory izy ireo dia nanomboka ny lahateniny tamin'ny fomba mampangitakitaka izy mba hitazonana ny fifantohan'izy ireo sy mba hametrahana ny akon'izany ao amin'ny fanahiny: "Ry fiarahamonin'ny mpamonjy voina [Ansars]! heno fa tsy afa-po amiko ianareo".

Nanoy tamin'io fomba manindrona io izy ary nanambara tamin'izy ireo ny zava-tsoa nomen'Andriamanitra azy eo amin'ny maha olona azy. Nangataka izy hoe: "Moa va tys tao amin'ny fahaverezan-dàlana ianareo rehefa tonga teo aminareo aho? Ary tsy nitarika anareo ho amin'ny fahamarinana tamin'ny alalan'ireo va Andriamanitra? Tsy tao amin'ny fahantrana tanteraka va ianareo rehefa tonga teo aminreo aho? ary tsy nataon'Andriamanitra nanankarena tamin'ny alalako va ianareo? Tsy tao anatin'ny ady antrano va ianareo no tonga teo aminareo aho? Ary tsy nampihavana anareo tamin'ny alalako va Andriamanitra? Namaly toy izao isaky ny fanontaniana izy ireo: "Marina ry irak'Andriamanitra! Manan-trosa manoloana an'Andriamanitra sy ny irany izahay!"

Taorian'ny nanambarany tamin'izy ireo ireo zava-tsoa ireo dia nitanisa ny asa nataony tamin'ny finoana silamo ny irak'Andriamanitra: "Ry Ansars, raha sitrakareo izany dia afaka mamaly ianareo sy miteny hoe: "Nandà anao ny vahoakanao kanefa nino anao izahay. Tonga teto aminay tsy nanana na iza na iza hiaro ianao fa izahay no niaro anao. Nataon'ny vahoakanao sesitany ianao fa izahay no nandray anao an-tanandroa. Tonga teto aminay ianao tsy nanan-tsakafo fa izahay no nanana izay nilainao rehetra. Raha namaly ahy ianareo dia hiteny hoe marina ary tsy misy na iza na iza hitsangana handiso anareo.

Ary notohizany hoe: "Ry Ansars! Na dia sorena tamin'ny nataoko aza ianareo, tsy tianareo Andriamanitra ny mody any aminareo miaraka amin'ny irak'Andriamanitra ny hidiran'izy ireo miaraka amin'ny rameva sy ny ondry?

Milokaloka eo anatrehan'Andriamanitra aho tompon'ny fanahiko eo ampelan-tànany mahery aho fa raha nandeha tamin'ny làlana samy hafa amin'ny nizoran'ny Ansars ny olona hafa rehetra dia tsy misalasala manaraka ny Ansars aho! Raha tamin'ny hifindra monina, tiako tamin'ny fanahiko manontolo ny ho iray tamin'ny Ansars! Ry Andriamanitra. Arovy ny Ansars sy ny taranany!". Ampy nampitomany ny ansars izany teniny izany ary nitaraina tamin'ny feo niaraka toy izao izy ireo: "Ampy anay Andriamanitra sy ny mpitondra hafany! Tsy maniry hafa noho izy ireo izahay".126

Na dia tsy nomaniny noho ny faneren'ny toe-java-nisy aza izany lahateny izany dia sady nampitony ny fisaraham-bazana saika hitranga no nahazoana ny fon'ny Ansars indray. Ndeha ho dinihintsika io lahateny io mba ho azo tsara izy ary ho fantatra ny lanjany marina.

- Ny Ansars ihany no nitenenany saria izy ihany no anarina. Mampiseho amin'izy ireo izany fa homem-boninahitra manokana izy ary mba hampisy fiantraikany ara-tsaina eo aminy. Mba hitsinjovana ny fisehoam-pihetseham-po eo amin'ny Mouhadjiroun izay tsy oatery nifindra monina an-terisetra tany Médine izany, na eo amin'ireo silamo vaovao any La Mecque izay mbola tsy resy lahatra tsara ny ankabeazany.

- Raha vakiana amin'ny teny arabo niandohany ny lahateniny dia ohatra iray amin'ny kaary fandresen-dahatra hafa kely.

- Mampangitakitaka ny fiandohan'ny kabariny satria te-hitana ny fifantohan'ny mpantrika izy, vokatr'izany dia voatana tsara ny fifantohan'izy ireo satria ny gadona mampangitakitaka dia voatana hatramin'ny farany.

- Tsy mba nampiasa hafetsen-dratsy na tsikombakomba izy. Ny mifanohitra tamin'izany no hita, niteny tamim-phamarinana tsotra fotsiny, izany mantsy no ilaina mba ho voarain'ny mpihaino ny vokatra tiana hiampita.

- Ny tsy fanomanana ny kabary koa ny nitana anjara asa lehibe tamin'ny fahazoana ny vokatra nirina. Ny hahatsara sy ny herin'ny lahateny tsy nomanina ao amin'ny toe-javatra maro samy hafa dia mamokatra kokoa matetika noho ny lahateny omanina dieny mialoha.

Manazava ny fahiratan-tsain'ny irak'Andriamanitra ireo ohatra vitsivitsy ireo ary mampiseho fa tsy miteny na manao zavatra amin'ny alalan'ny tenany manokana izy; ny mifanohitra amin'izy, izay ambarany dia avy amin'ny hery izay mahatonga azy hahatanteraka ny asan'Andriamanitra.

Zavatra maro voalaza amin'ny teny fohy

Toetra mampiavaka ny halehibeazan'ny fahiratan-tsainy ihany koa ny fahafohizan'ny lahateniny kanefa mazava. Aerina eto indray fa tsy mpitarika ireo izay velona tamin'ny fotoanandrony fotsiny izy fa ireo izay mpino ho avy koa. Nalefa mba hiteny amin'ny sokajin'olona rehetra izy, na ny bedoina na ireo olona avarapianarana, na ny olon'ny siansa mandrapahatongan'ny andron'ny fitsarana. Amin'io andro io, tsy misy na iza na iza afaka handà ny teniny. Rehefa tena mandika tsara ny Sounna sy ny CORAN isika dia mifameno izy ireo na eo amin'ny otoatiny na eo amin'ny fomba filazan-javatra. Ankoatra izany dia tsy ahitana fifanipahana eo aminy sy ny fahalalana siantifika. Hatramin'ny fanambarana dia maro ny olona nahita ny valin'ny olana ara-tsaina nihatra taminy tao amin'ny CORAN sy ny fanafody hoan'ny aretiny ara-panahy ary ny fombam-pitondrantena amin'ny faritoe-javatra maro.

Nanazava ny sain'ny mpanaradia azy sy namelombelona ny fanahiny sy nisy akory toy izany tamin'ireo manampahaizana maro toy ny olon'ny siansa sy ny mpandinika ny CORAN, ny mpahay hadita manokana, ny mpitsara sy ny mpitarika ara-panahy sy ny mpahay siansa ara-pizika manokana ary ny fahalalana ny olombelona ny teny mahafaly sy mahavariana ary mitondra fanabeazana nataon'ny irak'Andriamanitra. Maro ny olona nampiasa ny CORAN ary tsy arabo ny ankabeazany ho loharano fototry ny ezaka ataony sy ny fianarany amin'ny ambaratonga ambony.

Mandraka ankehitriny dia ampy hitarika ny olona hanaraka ny finoana silamo ny teniny. Fantany fa zava-tsoa nomen'Andriamanitra ny fanomezana ao aminy ary tanany mafy izany amin'ny filazana hoe: "Izaho no I Mohammed. Miavaka amin'ny teny fohy kanefa misy hevi-dalina aho"12, ary ny hoe: "Ry vahoaka, noderaina tamin'ny zavatra maro kanefa voalaza tamin'ny teny fohy aho ary tamin'ny fitsarana farany ny zava-drehetra".128

Lazaina fa mampita ny fahafaham-pon'ny voninkazo sy ny zavamaniry amin'Andriamanitra ilay mahery indrindra ny vorombazaha.

Toy izany koa, tonga hihira ny fiderana an'Andriamanitra amin'ny zanak'olombelona sy hanambara nydidiny amin'ny hirany mahafaly ny irak'Andriamanitra? Sekolin'ny voninkazo velomelombolo mandrakariva ao am-pon'ny olombelona tsirairay ny teniny ary manamontsamontsanany tenin'ny hafa na dia eo aza ny hatsarany ety ivelany fotsiny. Voadion'ny fahatoniana lalin'ny teniny ny mpino, velombelomin'ny rivotra avy amin'ny lahateniny sy amin'ny fitiavany. Nakipaky ny irak'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asany sy ny teniny ny voaly namorona ny endriky ny voary ary nohatsarainy tamin'ny alalan'ny diantanan'Andriamanitra ny "bokin'izao tontolo izao".

Maro ireo mpandahateny malaza, mpikabary sy poeta no mankafy ny miaina ny Mpaminany na misintona fatratra ny teniny. Olon'ny soratra analiny maro no nanokana ny androm-piainany tamin'ny fanadihadiana ny teniny ary nahangona sangan'asa maro tamin'izany na ay amin'izany. Maro ireo mpandinika sy manampahaizana "afa-po" tamin'ny "loharanom-piainana" hita tao. Hitanisa andininy vitsivitsy saika mifanaraka sy nolazaina noho ny CORAN isika mba ahafahana milaza ny hatsaran-tarehy sy ny lanjan'ny teniny:

"Toa tsinontsinona ny eto an-tany
Tsy tonga tamim-pahadiovana na tsy nisy sarona,
Afa tsy ny tenin'ny mpitondra hafatra
Izay miaro ny hatsaran-tarehiny tsy misy pentina
Ary miandry ny ho tsapa mandrakariva".

Tsy nahay namaky teny sy nanoratra ny irak'Andriamanitra ka tsy mba nisy akory taminy ny kolontsain-tsoratra tamin'ny fotoan'androny. Nadio tanteraka ny fisainany, tonga laatra ny fahiratantsainy ary ny toetra madio nananany no nahafahany nandray ny fanambarana avy amin'Andriamanitra. Ny teniny sy ny asany tsirairay avy dia taratr'io fanambarana olombelona, mariky ny faminaniany. Toy ny riandrano madio, mazava sy manjopiaka ny fahiratantsainy izay nidiran'ny fanambaran'Andriamanitra ary nipoitra tao tsikelikely, araka ny endriky ny teny toy izy tany amboalohany.

Ny CORAN no fanehoana fototra ny fanambaran'Andriamanitra. Io ihany koa no loharano fototry ny lalàna silamo. Na ahitana ny torohevitra mahakasika ny lafim-piainanny olombelona aza izy dia mitarika filana endrika faharoan'ny fanambarana ny fanontaniana sy ny olana maro nipetraka tamin'ny Mpaminany. Naka endrika ny fisaintsainan'Andriamanitra io, fanampbarana nosintonina tamin'ny efa voalaza mba hanazavana ny andininy ao amin'ny CORAN na mba hametrahana foto-kevi-baovao mifamatotra amin'ny fitsipi-pitondran-tena silamo. Izany no niaraka tamin'ny fitondran-tenany sy ny teniny andavanandro no namolavolana ny loharano faharoan'ny lalàna silamo, dia ny Sounna.nampian'ny fahagagana nampiarahana tamin'ny fotoan'androny tamin'ny faritoe-javatra niainany avokoa ny Mpaminany rehetra. Ohatra, ny fahagagan'I Moizy dia tsymaintsy nipoitra toy ny fanovamaso satria maro izany tamin'ny fotoan'androny. Nipoitra tamin'ny fanasitranana ny fahagagan'I Jesoa satria mahomby izany tamin'ny vanim-potoana niainany ary nila mpanasitrana tamin'izany. Toy izany koa, rehefa niseho tamin'ny maha Mpaminany azy I Mohammed, ny zavatra tena nalaza tany Arabia dia ny fahaiza-mandresy lahatra sy ny fahakingana amin'ny fitenenana, ny poezia sy ny fahaiza-miteny, ny faminaniana sy ny fahalalana ny lasa sy ny niandohan'izao tontolo izao. Tsy nahomby ny CORAN ireo manampaizana fantadazany tamin'ireo lafiny ireo ary nampilefitra azy ireo. Noharan'ny Mpaminany Mohammed tamin'ny alalan'ny fandaharan-teny mahasondriana izy ireo, ny fahafantarany ny tontoly sy ny faminaniany.

Toy ny faminaniany natao hoan'ny rehetrasy maharitra mandrapahatongan'ny andro farany dia tsy manantsahala na oviana na oviana ny fanehoan-keviny sy ny fandresen-dahany. Nihoatra noho ny sangan'asa literera rehtra ny teniny niaraka tamin'ny CORAN. Mandrakizay ny hatsaran'izy ireo ary nanajary velona arakaraka ny fahatsapana ny hevi-dalina indrindra olombelona aminy eny andalam-pivoaran'ny fotoana. Zavatra tsy fahita ny teniny sy ny CORAN, hafahafa, mihoatra ny zavatra heverina ary avy amin'izy ireo no nikatsahan'ny olo-masina anrivony sy ny olona ny fahalalana an'Andriamanitra ka nahatonga azy nahatratra ny fahalalana lalina ny maha Andriamanitra an'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ireo koa no nahafantarana ny fahamarinana miafin'ny tontolo tsy hita maso (ny anjely, ny fanahy ratsy, ny any ankoatra, ny paradisa, ny helo, sns).

Ireo loharano roa ireo koa no loharano madio tsy mety ritra notovizin'ny pitsara maro, ny mpandinika ny CORAN, ny mpahay hadita, ny mpahay tantara, ny olon'ny siansa, ny sosiology, ny psikology, sy ny maro hafa. nanazava olona anapitrisany sy nampianatra azy nivavaka sy nifady hanina sy nanome fanolorana ary nanao fivahiniana masina –hatramin'ny fihinanana sy fisotroana ary fitenenana ny CORAN sy ny Sounna, raha atao amin'ny teny fohy dia ny hoe ahoana no hitondrantsika ny tenantsika amin'ny fiainana rehetra.

Indreto misy ohatra vitsivitsy:

- Mitantara amin'I Ibn ‛Abbas, manampahaizana Omma izay nambaran'ny irak'Andriamanitra taminy I Imam Tirmidhi:

- "Ralehilahy, avelao aho hampianatra foto-pisainana vitsivitsy anao: diniho tsara ny làlan'Andriamanitra mba ho arovany ianao. Diniho tsara ny lalàny mba hahafahanao mahita izany mandrakariva eo anilanao. Rehefa mangata-javatra ianao, angataho amin'Andriamanitra izany. Raha mitady fanampiana ianao, tadiavo eo akaikin'Andriamanitra izany. Fantaro fa raha mivondrona hanampy anao ny olona dia tsy afaka manao afa tsy izay nodidin'Andriamanitra ho ataony aminao. Ary raha mivondrona hanao ratsy anao ny olona, tsy afaka manao afa tsy izay nodidin'Andriamanitra hataony aminao koa izy. Mitsangana ny mponina efa voatondro ary voarakitra andalana ny zava-drehetra".129

Mankahery ny fanekena an'Andriamanitra sy ny finoana ny maha iray azy io hadita io. Tsy nisy azo hamaranana izany afa tsy ny hoe faniriana tsy ahitana sitrapo manokana, manamafy ny asantsika avy ary avy any alavitra any izy sy ny fivavahantsika ary ny filantsika hanao ezaka mba hahazoana ny vokatra katsahina; mananatra antsika izy fa tsy maintsy miasa mifanaraka amin'ny didiny siika ary tsy hanantena vokatra afatsy avy aminy ihany satria tsy maintsy ho eo ampelantanany ny zavatra rehetra amin'ny andro farany.

- Mitatitra amin'I Ibn ‛Omar izay nolazain'ny irak'Andriamanitra I Imam Tirmidhi: "Iaino ho toy ny olon-kafa sy mpivahiny ity tontolo ity. Hevero ho toy ny maty ny tenanao"130. Io hadita fohy io dia mitaona antsika hiaina amin'ny fiainana madio sy manara-pitsipika, mifototra amin'ny fisainan'Andriamanitra. Mamerina amintsika ny fiainana amin'ny fanitrikitsihana ny tsy faharetan'ity tontolo ity izy sy ny fametrahana ny fifandanjan'ity fiainana ity sy ny fiainana any ankoatra.

Mpivahiny isika eto antany. Ilaza I Mawlana, sofista Turc tamin'ny taonjato faha XIII gz toy ny bararata nanaovana sdina no sarahana tamin'ny vondrona misy azy ny olombelona tsirairay avy. Mitoloko tsy ankijanona amin'ny fisarahana amin'ny mpampianatra marina isika sy amin'ny fialana amin'ny tanindrazantsika. Miainga amin'ny tontolon'ny saina isika ary ao amin'ny fijanonana ao ankibon'ny ranomasimbe, ny fahatanorana sy ny fahanterana ary ny fasana sy ny fitsanganan-kovelona. Ary amin'ny farany dia mifarana ao am-paradisa na ao amin'ny helo ny fivahinianantsika. Raha maniry fivahinianana mahafinaritra sy ho tonga tsara ao am-paradisa isika dia tsy maintsy mandinika lalina ny toetra mandalon'ity fiaianana ity ary manomana ny fiainantsika mandrakizay. Marina fa afaka migoka ny hafinaretana amin'ity fiainana ity isika indraindray raha tsy voarara izany, kanefa kosa tsy afaka manao diso tafahoatra na manadino ny tena hiafarantsika marina.

- Bokin'ny hadita maro tena tsy nisy nanovana toy ny Sahih al-Bukhari, Sahih Muslim sy Sunan Abu Dawud no mitantara amin'I Abd Allah Ibn Mas'ud fa hoy ny Mpaminany: "Lazao mandrakariva ny marina, satria mitondra mankany amin'ny famindram-po tanteraka izany ary ny famindram-po mitarika mankany amin'ny paradisa. Ireo izay milaza ny marina mandrakariva sy mikatsaka azy dia ho soratan'Andriamanitra ho isan'ireo olo-marina. Aza mandainga satria mitarika mankamin'ny fahasiahana izany ary ny fahasiahana mitondra mankany amin'ny helo. Ireo izay mandainga mandrakariva sy mikatsaka izany dia ho soratan'Andriamanitra ho isan'ireo mpandainga".131

Andraikitra lehiben'ny faminaniana ny fahamarinana. Manokatra ny varavaram-pahasambarana ao anatin'ny tontolo roa ny fahamarinana. Tsy misy na iza na iza afaka manandrana ny fahasambarana marina amin'ny fiainana ao amin'ny aizina sy nylainga sy ny fahadisoana. Ny lainga dia "Fanamafisana mifanohitra amin'ny fahalalana an'Andriamanitra", andry fototry ny tsy finoana ary tena mariky ny fihatsarambelatsihy. Ny fahamaroan'ny lainga ankehitriny dia mamotika sy mandrava fahamalinana sy ny moralintsika ary mamindra amin'ny fiarahamonina (indrindra fa ny tontolo politika) toy ny areti-mifindra. Ny rafitra rehetra haorina amin'ny lainga dia voatokana ho rava noho ny endriny ihany.

Ity hadita ity dia milaza fa nyfah dia mitondra mankamin'ny famindram-po tanteraka ary mankamin'ny fahotana ny lainga. Nyteny arabo hoe "birr" adika hoe: "famindram-po" dia arafitry ny fahamarinana, ny saina madio, ny fahamarinana sy fahadiovam-pisainana, ny fahamendrehana, ny fahamaontinana sy ny fitondrantena tsara. Ny mifanohitra aminy kosa, "fujur" (fahasiahana) dia midika ho ny endriky ny ratsy rehetra sy ny fahdisoan-dalana, anisan'ireny ny fijangajangana, ny tsy fahamaontinana sy ny fiovana amin'ny ratsy.

Mitantara amin'I Ibn Mas'Ud I Bukhari sy Muslim fa hoy ny irak'Andriamanitra "Ny lehilahy na ny vehivavy dia natokana hoan'izay tiany ihany".132. Io hadita io dia fanantenana sy fiononana hoan'ireo izay tsy mahaja tsarany didin'Andriamanitra. Ireo izay tia ny Mpaminany sy ny mpanaradia azy dia ho mpinamana aminy any ankoatra.

Noho izany, na iza na iza maniry izany dia tsy maintsy tia ary am-pahamendrehana sy manaraka azy araka izay azony atao. Ireo izay tia ny fahavalon'Andriamanitra dia hiaraka amin'izy ireo any amin'ny helo.

Tsy nety tafajanona tamin'ny fimamoana I Nu‛ayman mpanaradia iray. Voasazy imbetsaka izy. Rehefa nanome tsiny azy tamin'ny mbola fisotroana ny mpanaradia iray dia tsy maintsy nananatra toy izao ny irak'Andriamanitra: "Aza manampy an'I Satana hifanohitra amin'ny rahalahinao! milaza ny marina amin'Andriamanitra aho fa tian'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany izy"133. Noho izany, ireo izay manao ny azony atao mba hampiova azy hanaramaso sy ny zavatra ataony sy miala amin'ny fahotana lehibe dia tsy maintsy ankaherezina fa tsy homentsiny. Fepetra voalohany amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny irany izany.

- Mitatitra amin'I Mu‛adh ibn Jabal izay nolazain'ny mpama I Ibn Hanbal: "Matahora an'Andriamanitra na aiza ianao na aiza. Araho fanaiovana ny tsara ny fahotanareo mba ho voafafa, ary manaova ny tsara miaraka amin'ny olona"134. Manitsikitsika ny fanorenana foto-pisainana ho amin'ny fiainan-tsambatra io hadita io ary mamariparitra ny làlana mankany amin'ny fahasambarana rehetra sy ny fitondrantena tsara ary mitondra mankany amin'ny paradisa. Izany no ahafahan'ny olona mamafa ny fahotany amin'ny fanaovana zavatra tsara ary ny fomba tsara dia mampakatra azy ireo amin'ny laharan'ny fahamendrehana.

- Hoy ny nambaran'ny irak'Andriamanitra: "Tarihina araka izay tianareo ianareo (arakaraka ny finoanareo sy ny fombam-pisainanaro)"135. Mamariparitra ny foto-kevi-pitantanana ny raharaham-bahoaka sy ny politika indray io hadita io: aorina arakaraka ny firehan'ny vahoaka ao aminy ny rafitra politika itantanana ny tany iray, na amin'ny fahalalahana mivantana na amin'ny fomba hafa ankolaka. Samy manana ny lalàna mifehy azy ny fahalalana mikasika ny aina sy ny fahalalana mikasika ny sosialy izay antsointsika hoe "ny lalàm-paharian'Andriamanitra sy ny lalàm-pitondrany ny tany". Araka io lalàna io, raha miroboka amin'ny ratsy sy ny fahotana ny olona dia tsy azo lavina fa notantanan'ny olona ratsy. Raha mifanohitra amin'izany kosa dia nahitana olona tsara ireo mpitondra azy.

Misarika ny saina ny hadita fa tsy manana ny saziny manokana ny lalana ary ny fahefana dia miankina amin'ireo izay mampihatra azy. Manana ny lanjany lehibe noho izany ny toetran'ny mpikambana ao amin'ny fitondrana. Raha marina ny vahoaka dia marina toy izany koa ny mpikambana ao amin'ny fitondrana. Raha tsy toy izany izy ireo dia tsy tokony hanantena fitondrana fitantanana marina. Ny olom-boafidy eo amin'ny fitondrana dia toy ny kirema miseho eo ambonin'ny ranoka: manana ny kiremany avy ny ronono sy ny sokay. Rehefa nolazaina tamin'I Hajjaj, mpitondra jadona iray ny fahamarinan'I Omar dia hoy ny valinteniny: "Raha vahoaka toy ny vahoakan'I Omar ianareo dia ho toan'I Omar aho".

Mandrisika antsika hahafehy tena sy hahatsapa ny fahadisoantsika koa ny hadita. Tsy tafapetraka ny rindram-piarahamonina raha tsy mijanona mifanameloka ny olona. Toy izao no voatsipika ao amin'ny CORAN: "Tsy manova velively ny toetry ny vahoaka iray Andriamanitra raha tsy manova izay eo aminy ihany izy [ny tsirairay] (13:11). Isika ihany no mamaritra ny anjarantsika ary mamolavola ny tantarantsika. Mitantara amin'I Omar izay nolazain'ny irak'Andriamanitra I Bukhri sy Muslim ary I Aboy Dawud: "Tsaraina arakaraka ny fikasana hanao azy ny zavatra atao. Izay nanam-pikasana ny hanao azy ho omena ny valiny. Izay mifindra amin'Andriamanitra sy ny irany dia afindran'ny iraka amin'Andriamanitra. Na iza na iza mifindra monina mba hanambady na mba hanangona ny fananan'izao tontolo izao dia hifindran'ny sainy hanao izany"136. Mikasika ny mpanaradia iray mba hanambady an'I Oumm Qays io hadita io ary maneho ny vato fototry ny lalàna silamo sy ny fitsipika handrefesana ny asan'ny mpino.

Ny finiavana no mitondra ny asantsika. Ohatra, raha manatanteraka ny fivavahana tsy maintsy ataontsika isika kanefa mbola tsy nisaintsaina izany manokana mialoha dia tsy ekena eo imason'Andriamanitra izany. Raha tsy mikatsaka ny fankatoavan'Andriamanitra isika dia tsy ahazo valisoa avy aminy izay ataontsika. Ny fifindrana masina ho amin'ny asan'Andriamanitra dia azo heverina ho toy ny djihad (ady masina amin'ny asan'Andriamanitra).

Na dia tsy misy intsony aza ny tena ady masina (toy ny tany Médine sy La Mecque) hatramin'ny hanafihana an'I La Mecque dia mbola mitohy amin'ny zavatra hafa amin'ny djihad hatramin'ny andro farany izany. Afaka mifindramonina mba hampianatra ny finoana silamo tahaka ny hataon'ny Mpaminany sy ireo mpanaradia azy rehefa tsy namela azy hanao izany tao La Mecque. Ekena ny fifindramonina toy ny ady masina raha atao manokana hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra izany. Mety hahazoana valisoa ny finiavana raha tsynivadika ho asa. Ohatra, raha saika hanao zavatra tsara isika kanefa noho ny antony tsy azo nanoharana dia tsy afaka nanao izany, hahazo valisoa isika tahaka ny efa nahavitra ilay asa saika hataontsika.

Mampitombo ny fankasitrahana hoan'ny asa iray ny finiavana ary manova ny asa isanisany ho toy ny asa fiderana. Tsy hahazo zom-pahasambarana feno na oviana na oviana ao anatin'ny fiainana foy isika. Kanefa amin'ny fananana finiavana hidera an'Andriamanitra toy izay hiainantsika ao amin'ny mandrakizay any amparadisa, dia tsapantsika izany. Ny mpino matory aorian'ny fivavahana amin'ny alina ka nanan-keritreritra hifoha hivaaka alohan'ny mangiran-dratsy dia heverina ho nidera an'Andriamanitra nandritry ny alina tontolo. Izany no nilazan'ny irak'Andriamanitra hoe: "Mitondra valisoa maro noho ny asany ny finiavan'ny mpino".137

- Mitantara I Bukhari fa hoy ny irak'Andriamanitra: "Ny silamo dia izay eo ambny elatry ny lelany sy ny tanany. Ny mpifindra monina dia izay nandositra ny voasakan'Andriamanitra".138

Manambara fahamarinana maro io hadita fohy dia fohy io. Voalohany, manariparitra ny idealy izy amin'ny fanombohana ny hoe silamo, fa tsy ho silamo iray. Amin'izany fomba izany no isarihan'ny Mpaminany ny fisaintsainantsika amin'ny toetran'ny silamo tonga lafatra fa tsy izay tsy misy maha silamo azy afa tsy ny anarany.

Ny teny hoe silamo izay avy amin'ny fototeny hoe "silm" (fandriampahalemana, fiadanana, famonjena) dia midika hoe izay mikasa sy manome ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny famonjena. Ary ny silamo dia ny mpino izay fiadanana tonga nofo, tsy manao fahadisoana amin'ny hafa ary ilay fandriampahalemana sy fiadanana hita vatana. Miezaka mitondra ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny famonjena hoan'ny hafa izy ary natokana hanaparitaka ny fiadanany anaty sy ny fahasambarany.

Faharoa, milaza ny mpaminanintsika fa ny lela aloha vao ny tànana, satria ny fanalambaraka sy ny fanevatevana ary ny fitenenandratsy dia mitera-doza noho ny herisetra ara-batana. Ary mora amintsika ny manafoana ny finiavana hanao hery setra ara-batana noho ny amin'ny teny.

Ankoatra izany, ny fiarovan-ena amin'ny herisetra ara-batana dia mora kokoa noho ny fiarovan-tena amin'ny fanamelohana tsy ara-drariny sy ny vavaka. Tsy nanao ratsy amin'ny vavany noho izany ny silamo sy ny amin'ny tanany sy amin'ny zavatra hafa ary tsy misy atahoran'ny hafa ny aminy.

Ao amin'io hadita io ihany, ny fifindramonina dia midika hoe mandao ny fianakaviany, ny tranony, ny fananany sy ny tany nahaterahany noho ny fitiavana an'Andriamanitra. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mifindra monina amin'ny tontolo materialy ho amin'ny tontolo ara-panahy, miala amin'ny fahafinaretan'ny tany mankamin'ny fiheverana ny hafa, sy ny fitiavantena mankamin'ny fanokanana nyfiainana ho an'Andriamanitra. Noho izany, ny tsy fanaovana nyzavatra voararan'ny lalàn'Andriamanitra dia endriky ny maha silamo mendrika sy ny fanokanana ny fiainana hanompoana ny olombelona ary hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra ihany.

Hoy ny irak'Andriamanitra: "Ny maha silamo mendrika dia mitondra ny olona handao ny tsinontsinona sy tsy hitana izany"139. Ny olona mampihatra ny "ihsan", midika hoe deraontsika Andriamanitra tahaka ny ahitantsika azy, amimpisaintsainana lalina na dia tsy afaka mahita azy aza isika, marina, mahita antsika tsara mandritra ny fotoana rehetra izy.140 Ireo izay mahatratra io laharana io dia afaka miteny hoe: "Nozahako tany amin'ny tontolo ivelany izy ary indro fantatro fa izy no Fanahy ao anatin'ny fanahiko" hoyny poeta izay milaza amin'izay mitovitovy ao amin'ny CORAN: "Akaikikaiky azy tahaky ny lalandrahany isika", na toy ny lzain'ny hafa hoe:"Maheno vaovao avy any ivelany aho, avy any ankoatry ny tontolo; afaka ny sarom-panahiko ary afaka nahita azy aho".Mba hahatongavana amin'io oerana io dia tsy maintsy mandao ny tsinontsinona sy tsy misy dikany ny mpino. Tsy maintsy mahafantatra izy fa Andriamanitra sia mijery azy ary ny irak'Andriamanitra sy ny mpino mahita mazava dia mahatsapa ny lanjan'ny asany.

Hoy Andriamanitra:

"Miasà satria mahita ny asanareo Andriamanitra; manao toy ny mpino sy ny Mpaminany ary mahafantatra ny miafina. Ary izy no hilaza aminareo izay ataonareo"(9:105)

Mandao ny fiahiahiana sy ny tsy fanapahan-kevitra ny tena silamo, manao ny asany araka qizay tokony ho izy, mametra ny heriny rehetra amin'izay ataony, matotra sy marina amin'ny ataony rehetra sy ny varotra ataony. Ny tsy fahafaham-po sy ny toetra tsy mendrika dia manimba ny fahatokisantsika ary mampihena ny fahamendrehantsika.

- Mitatitra I Bukhari sy Muslim fa hoy ny irak'Andriamanitra: "Tsy maintsy aseho amin'ny zava-mihatra voalohany ny faharetana".141

- Tao anatin'ny fotoana voalohan'ny asany dia noraran'ny irak'Andriamanitra ny mamangy fasana mba hamangy ny havana maty satria mbola nampihatra ny fomban-drazana mifanohitra amin'ny silamo ny olona. Rehefa fongotra anefa izany dia namporidika ny hanohy hamangy fasana izy, ary na izy aza nanao izany satria mandrisika ny olona hanatsara ny fitondran-tenany izany sy hiasa hoan'ny fiainan-koavy.

Rehefa namangy fasana tany Médine dia nahatsikaritra vehivavy nitomany mafy ny irak'Andriamanitra ary nitoloko. Rehefa nampionona azy izy dia tezitra ilay ehivavy tsy mbola nahafantatra azy ary nandroaka azy sady niteny hoe: "Tsy misy fantatrao ny fanaintainana mahazo azo!". Rehefa fantany fa izy no Mpaminany dia nikoropaka nitady azy izy mba hangata-pamelana. Ary hoy ny irak'Andriamanitra taminy: "Tsy maintsy aseho amin'ny fifonan-javatra voalohany ny faharetana". Ny faharetana no fanalahidin'ny fahombiazana, fanekena ny fijaliana izany, tsy asiam-pitarainana, na hanariana ny fifehezantena, ny finoany an'Andriamanitra sy ny Anjarany. Matetika dia mety haharitra ihany ao antin'ny zava-tsarotra rehefa miova toetra, ny toerana, ny zava-panao. Ny manao ny fidiovana mahazatra na ny mivavaka koa dia manampy antsika amin'ny fotoan-tsarotra mampanaintaina.

Misy karazany maro ny faharetana:

- Ny finiavana hiala amin'ny fanaovam-pahotana izay mampiakatra antsika ho amin'ny laharan'ireo matahotra an'Andriamanitra.

- Ny fiderana tsy ankihanona an'Andriamanitra izay mitondra ho amin'ny laharan'ireo tian'Andriamanitra.

- Ny fanekena ny zavatra manjo tsy ampitarainana izay mampiditra antsika ao amin'ny vondron'ny olona manam-paharetana sy ireo miankina tanteraka amin'Andriamanitra.

- Tonga amin'ny fetra farany, midika hoe manana fisainana mibanjina ny zava-misy izay ilaina mba hanatrarana ny vokatra ilaina. Ohatra, mba hamokarana mofo dia tsy maintsy mamboly varimbazaha, mioty azy, mamolavola azy, mametraka azy ao anaty fatana. Raha tsy nanaraka izany dingana izany sy nanao tsinontsinona ny dingana narahina dia tsy ho afaka namokatra mofo.

- Mitatitra I Muslim sy I Ahmad ibn Hanbal fa hoy ny irak'Andriamanitra: "Tsara ny tànana misandratra noho ny tànana milefitra"142. Hazavan'ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita hafa fa ny tànana misandratra dia manome ny mahantra sy izay mila izany fa ny tànana midina kosa, miady aman'olona. Noho izany, mankahery ny olona hiasa mba ho velona tsara io hadita io ankoatra ny fiantsoany hanao asa soa.lafin-kevitra ambony: tsy milaza izay manome sy mandray ny irak'Andriamanitra fa "ny tànana misandratra sy ny tànana midina". Ny zavatra atao izany fa tsy ny olona izay tsara kokoa. Noho izany, mety ho tsara kokoa izay manome noho ny mandray. Ohatra, ny mpanompon'Andriamanitra toandr'I Bara'ibn Malik dia ambany dia ambany (tamin'ny lafiny ara-materialy) kanefa tian'Andriamanitra kokoa kanefa tanteraka avokoa izay nilokalokany tamin'Andriamanitra. Tsy misy olona tsy mangata-javatra amin'ny hafa ary mifampiankina tanteraka izy ireo. Nanoro-hevitra an'I Thawkan mba tsy hangataka ny irak'Andriamanitra. Taorian'izany dia tsy nangataka na tamin'iza na tamin'iza izy mba hangorona ny karavasy nazerany nandritry ny nitaingenany rameva. Noho izany, rehefa mandray fanomezana avy aman'olona ny mpino iray toa maharitra dia tsy azo lazaina ho ambany noho izay mpanome.tsy mankasitraka ny fahantrana ny finoana silamo. Na hoan'ny tsirairay na hoan'ny firenena. Averintsika fa ny voninahita sy ny fahamendrehana ary ny fahamboniana dia an'Andriamanitra irery ihany mandrakariva, an'ny mpitondra ny hafany sy ny mpino. Noho izany, tsy manaiky ho eo ambany fifehezan'ny tsy mpino ny silamo satria mamotika ny fahamendrehany sy ny fahamboniany izany.

- Niteny tamin'ny irak'Andriamanitra toy izao I Imam Muslim: "Tsy hiteny Andriamanitra amin'ny andro farany, tsy hisahirana ary tsy hanadio karazana sokajin'olona telo. Sazy mamaivay no miandry azy ireo. Ireo izay "ao anatin'ny akanjo lavany" izay niteny tamin'ny olona ny tsara vitany taminy ary izay nivarotra ny fananany tamin'ny teny tsy marina".143

Manomboka amin'ny "thalathatum" (telo) ny hadita, midika hoe na telo inona na telo inona, tsy voamarika tsara, tsy mendrika ny omena anarana. Amin'ny teny hafa, mety ho hita na aiza na aiza izy, ary izy sy ny asany dia tsinontsinona izay tsy maintsy ialan'ny silamo izany. Tsy fantatr'Andriamanitra ny olona rehefa any ankoatra (Ny olona toy izany). Sazy enjana izany satria araka ny voalaza ao amin'ny Sourate Surat ar-Rahman, ny teny no lehibe indrindra ary ny ankasitran'Andriamanitra indrindra amin'ireo ankasitrahany amin'ny olombelona. Ankoatra izany dia mila miteny isika amin'ny andro farany mba ahafahana manamarina antsika. Matetika izy no miteny amin'ny olona hoe: "Mandehana ary aza miresaka amiko intsony" (23:108)

Amin'io andro io dia samy ho sahirana amin'ny ahiahiny avy ny olona, ary tsy hisy fialofana hafa ankoatran'Andriamanitra Mahery indrindra. Te-hahazo ny fifantohan'Andriamanitra manokana avy ny tsirairay, manantena fa ho heveriny am-pitserana avokoa izy ireo ary ho dioviny. Kanefa kosa tsy hanampanantenana ireo vondron'olona telo voalaza, tsy hanam-panantenana ny ho diovina na havela heloka satria tsy fantatr'Andriamanitra Mahery indrindra izy ireo.

Ao amin'ny hadita dia voatonona mialohan'ny fanatsikafonana ny fahotany ny sazin'izy ireo. Amin'io fomba io no hanitsikitsihan'Andriamanitra ny halehiben'ny fahotan'izy ireo ary hananarany ny olona mba hiala amin'izany. Ny voalohany sy ny lehibe indrindra tamin'ireo fahotany dia "ny namelany ny akanjony hitehaka amin'ny tany", fomba arabo ampiasaina hoan'ny fiavonavonana, fizahozahoana.

Ny fizahozahoana dia faninanana an'Andriamanitra mba hitondra ny tany. Na dia osa dia osa sy mahantra ary feno fahalemena aza ny zanak'olombelona dia midera tena. Heveriny ho fahombiazana ny fahafahany manao zavatra, ny talentany sy ny harenany sy ny toerana misy azy sy ny sisa, toy ny antom-pireharehana. Na dia noariana tamin'ny piti-drano mitete aza izy ary tsy afaka misafidy ny toerana ny firazanany, mitombo arakaraky ny tsy fahafahany manao ny filany ara-batana ny fiavonavonany.

Ohatra, tsy afaka miharitra ny hanoanany izy, ny hetahetany sy ny torimasony. Ny antony tokana ahafahan'ny olombelona mivelona dia ny fanomezan'Andriamanitra azy talenta isankarazany sy fahafahana manao zavatra. Tsy fantatry ny olona anefa izany toe-javatra izany, manana ny talentany izy ary maninàna an'Andriamanitra. Miafara amin'ny fahajamban'ny fizahozahoana toy izany ary manokana azy tsy hahita ny famantaram-pisiana maro, ny maha tokana sy ny fahefan'Andriamanitra. Hoy ny CORAN:

"Alàko amin'ny famantarako izay tsy misaina, voky avonavona eto antany. Na dia efa mahita fahagagana aza izy ireo dia tsy mino ihany. Ary raha mahita ny làlana tsara izy dia tsy mandray izany io làlana io. Kanefa rehefa ny làlan'ny fahadisoana izy dia raisiny ho làlana. Raisiny ho toy ny lainga ny porofontsika ary tsy asiany dikany akory" (7:146)

Ny fahotana lehibe faharoa dia ny nilazany tamin'ny olona ny tsara hataony. Mifamatotra tanteraka amin'ny fizahozahoana izany, satria ireo izay mihevitra ny nomen'Andriamanitra azy ho toy ny fananany manokana dia manao io fahotana io koa. Fa izay mihery ny zava-drehetra ho toy ny fnaomezan'Andriamanitra kosa dia mahatsapa fa tsy afaka manampy ny hafa izy raha tsy avelan'Andriamanitra hanao izany. Avy eo, izay manao tsara dia tsy maintsy mieritreritra ny hahazo tambiny manokana ireo izay nanaovany soa satria ny asa& toy izany dia hahazoana valisoa ara-panahy. Mamporisika ny olona hihevitra ny hafa io hadita io sy amin'ny toetra mendrika. Hoy ny irak'Andriamanitra mikasika izany: "Eo akaikin'Andriamanitra ny olo-mendrika, akaikin'ny paradisa, ny tia harena, lavitra ny paradia sy ny olona fa manakaiky ny afobe".144

Ny fahotana lehibe farany dia ny fitaka amin'ny varotra. Araka ny lalàna silamo dia tsy maintsy ampahafantarina ny olona ny ki_leman'ny entam-barotra. Raràna ihany koa ny miozona amin'ny anaran'Andriamanitra indrindra fa amin'ny fifampivarotana. Raha manandrana mivarotra ny fananany amin'ny alalan'ny lainga ny mpivarotra sy amin'ny teny tsy marina na mandrisika ny fividianana amin'ny ananran'Andriamanitra dia mahavita fahotana lehibe mendrika sazy mafy dia mafy. Io fahotana io dia mifamatotra akaiky amin'iretsy roa voalohany satria matetika izy io avy amin'ny fitiavam-bola sy ny tsy fahalalana an'Andriamanitra. Ankoatra ny fifandraisany amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra sy ny tsy fahatokisan-tena dia manapoizina ny fiarahamonina koa ireo hafotana telo ireo ary mampiseho fahalemen-toetra; avy amin'izany sazy enjana izany.

- mitantara ao amin'ny sahih I Imam Bukhari fa hoy ny irak'Andriamanitra:"

- "Na iza na iza afaka miantoka izay avy amin'ny vavany sy izay ho anelanelan'ny tongony amiko dia iantohako ho azy ny paradisa".145

Satria ny teny no mendrika indrindra nataon'Andriamanitra ho antsika dia tsy mahazo mampiasa ny teny afa tsy amin'ny tsara isika sy ny zavatra ilaina araka ny voalazan'ny CORAN hoe, mivavaha, lazao ny marina, manaova ny tsara ary rarao ny ratsy. Tsy maintsy mendrika sy madio amin'ny fomba fiteny isika ary tsy mahazo mandainga, manompa, ny fitaka sy ny sisa. Tsy maintsy fidiana amim-pitandremana ny teny araka ny voalazan'I Ali: "Miankina aminao ny teninao mandrapanononao azy; kanefa raha vao voatonona izy dia ianao no miankina aminy".

Ny fifehezana ny faniriana amin'ny filana ara-nofo dia tena zava-dehibe amin'ny fanatrarana ny fahamendrehana ny zanak'olombelona ary mendrika ny paradisa. Nanome antsika tosika anaty maro sy fahafahana manao zavatra toy ny fahafantsika miroso ara-panahy amin'ny familiana azy mankamin'ny fahamarinana sy ny asa tsara ary hahafahana mankamin'ny laharana ambony ara-panahy. Raha miady ny hahafapo ny faniriantsika amin'ny fomba ara-dalana ihany isika dia mety hahatratra ny fahamarinana toy ny anjely ary ho ambony noho ny anjely. Tsy manana faniriana ara-nofo ny anjely ary tsy afaka miady amin'ny fakam-panahy noho izany tsy afaka mivoatra ara-panahy koa izy. Amin'ny maha zavatra roa antsika anefa dia mitsingevana eo anelanelan'ny fetra farany ambany sy farany ambony isika (ambany noho I Satana, ambony noho ny anjely).

Satria ny finoana silamo dia mandrara ny fanaovana zavatra mitondra mankamin'ny zavatra tsy ara-dalana, tsy maintsy ialana ny angolangolany sy ny hatsarantarehiny, ny mandinika ny tsy mitovy fananahana sy ny miresaka amin'ny tsy mitovy fananahana amin'ny tena any amin'ny toerana manokana izay misarika ho amin'ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalana. Mitaky finiavana betsaka toy ny fitanana ny vava izany, fahaiza-mifehy tena sy ady amin'ny fahazarana. Na dia sarotra eo ampanombohana aza izany dia miteraka hasambarana lehibe ara-panahy, satria ny hafinaretana amin'ny asa sy ny ezaka dia ao anatin'ny asa sy ny ezaka ihany. Mendrika ny paradisa ireo izay mahomby.

- Mitatitra I Muslim fa hoy ny irak'Andriamanitra:

- "Henoy! Tsy maintsy hitondra anareo mankamin'ny zavatra hamafan'Andriamanitra ny fahotana va aho sy hampakatra amin'ny laharana ambony?" Rehefa nangataka azy lilaza amin'izy ireo y mpanaradia azy, dia hoy indray izy: "Ataovy ny fidiovana mahazatra anareo ho marina araka izay azo atao na dia ao amin'ny toe-javatra sarotra aza; isaky ny fivavahana, mandehana tongotra mankao amin'ny trano fivavahana; ary andraso izao vavaka manaraka izao rehefa avy mivavaka: fanomanantena, fitiavana".146

Manomboka amin'ny hoe: "Henoy! ny hadita mba hanamarihana ny mahazava-dehibe ny manaraka. Ny fivavahana 5 sahaza no ao anatin'io toe-javatra io. Ny vavaka voasoritra dia andry ifotoran'ny finoana silamo. Raha tsy misy azy dia tsy tafatoetra ny finoana silamo. Rehefa mivavaka araka ny tokony ho izy ny mpino dia voaaro amin'ny fisainan-dratsy sy ny asa ratsy. Làlana masina hiakarana amin'ny fisian'Andriamanitra izany. Alohan'ny hahafahantsika mananika azy io anefa dia tsy maintsy manatanteraka ny fidiovana isika, araka izay azo atao. Raha vao manao ny fidiovana voalohany ny mpino dia efa manomboka mahazo valisoa. Mandritry ny hanaovany ny fidiovana dia maivamaivana izy amin'ireo harerahan'ny fiainana andavanandro ary voadio tamin'ny fahotany. Raha tanteraka ao anatin'ny toe-javatra sarotra ny "wudu'", dia mahazo valisoa ambonin'ny mpino.

Ny fiantsoana amin'ny fivavahana dia sady fiantsoana hiditra ao amin'ny fisian'Andriamanitra no antso ho amin'ny fanambinana ao anatin'ny tontolo roa. Ny "wudu'" no fanomanana tsy maintsy ataon'ny kristianina mba hahafahany miseho amin'Andriamanitra. Rehefa tanteraka ny fivavahana (sounna) alohan'ny fivavahana voasoratra (fardh) dia mahatanteraka ny fimantarany ny mpino ary mahazo ny famelan'ny fanampian'ny toeran'Andriamanitra ny Mpaminany Mohammed. Rehefa miantso ho amin'ny fivavahan ny tokony hanao izany, niditra am-panjana eo anatrehany ny mpino sy amim-pahamendrehana tanteraka, miresaka amin'ilay mpanapaka izao rehetra izao, ary mangataka aminy izay ilainy sy iriny.

Ny mpino mivavaka indimy isan'andro dia mahita ny fahotany voafafa ary lasa kaly toy ny "voan-javatra voatsodrano amin'ny tsara sy ny fahamarinana" ny fahafahany manao fahotana. Misy fepetra anefa matetika: tsy maintsy tanterahina amim-pahamarinana tanteraka ny fivavahana, ny fisaintsainana madio mba hahazo ny fankatoavan'Andriamanitra sy ny fisaintsainana fa miaraka aminy, ilay Mpahary sy Tompon'izao rehetra izao, Mahery indrindra, mahita ny rehetra, mandre ny rehetra sy mifehy ny rehetra.

Faritan'ny irak'Andriamanitra ho ny "Ribat" ny fivavahana voasoratra, izay azo adika hoe "Fitiavana ny zava-drehetra" na koa "Fiandrasana ny elanelana". Voalaza ao amin'ny CORAN izany: "Ry mpino! mahareta! maharisia ianareo amin'ny faharetana. Miadia hatrany (vonona amin'ny ady amin'ny fahavalo) ary matahora an'Andriamanitra, mba hahomby ianareo! (3:200). Ary omany hiadiana aminy izay rehetra hery anananao sy toy ny mpitaingin-tsoavaly ampy fitaovana (8:60)

Ny "Ribat" dia midika hoe vonona sy taitra ao amin'ny andininy voalohany, ary fitiavana ao amin'ny faharoa. Raha faritany avy amin'io teny io ny vavaka dia mifototra amin'ny lanja sy ny halehiben'ny ady amin'ny làlan'Andriamanitra ny Mpaminany sy eo amin'ny fahamboninan'y fivavahana voasoratra amin'ny silamo sy ao amin'ny fiainan'ny mpino. Lazainy ao amin'ny hadita hafa ho "Djihad kely" iry voalohany ary "Djihad lehibe ilay faharoa" mba hahomby amin'ny voalohany dia tsy maintsy mifantoka tsara amin'ilay farany ny mpino.

Raha mamaritra ny fivavahana ho toy ny "ribat" ny Mpaminany dia manipika ihany koa fa ny silamo dia tsy maintsy manokana ny fiainany amin'ny fiderana an'Andriamanitra ary mandrindra ny asany andavanandro hifanaraka amin'ny fivavahana 5 voatondro. Tsymaintsy mahazo antoka izy fa afaka mivavaka rehefa tonga ny ora hanaovana izany ary afaka manao izany amim-pifantohana tanteraka izy. Aorian'ny fivavahana tsirairay dia tsy maintsy mitoetra amin'ny fiandrasana ny fivavahana manaraka izy. Izay mivavaka amin'izany fomba izany dia ho voadio amin'ny fahotany rehetra ary ho voaaro tsy hanao hafotana hafa. miaina ao anatin'ny zavatra toy ny mi‛raj izy (Fiakarana amin'ny fahatongavan'Andriamanitra), toy izay hamafisin'ny hadita.

- Milaza I Bukhari fa hoy ny irak'Andriamanitra: "Hoy Andriamanitra: manomana zavatra mbola tsy hitan'ny mpanompo ahy ho azy aho, heno na saintsainina".147. toerana tsy ampoizina ny paradisa. Milaza amintsika ny hatsarany an teny mahazatra antsika ny CORAN mba hananantsika hevitra mombamomba azy. Hoy anefa I Ibn ‛Abbas: "Zavatra mitovitovy (amin'ny endrikedrika) [no haroso azy ireo] (2:25). Ireo hatsarana ireo dia hatokana hoan'ny paradisa, amin'ny maha izy azy sy ny tsirony kanefa ny endrikendriny dia toy izay fantatsika ety antany. Hahazo valisoa any amparadisa amin'ny alalan'ny famotsorana mivoatra mandrakariva ny mpino any ankoatra izany dia afaka mandinika an'Andriamanitra izy, tsy misy fepetra. Raha vao lasa ny fotoana kely fotsiny amin'io fandinihana io, ampahafinaretana sy amin'ny famotsorana dia toy ny anarivo taonany ao amparadisa. Ary tena fahafaham-po any amparadisa dia ho afa-po mandrakariva amin'ny mpino Andriamanitra.

Tsy maintsy marina sy mahitsy amin'ny asantsika rehetra ary manao izay rehetra atao ho tonga lafatra araka izay azo atao isika mba ho mendrika ny paradisa. Tsy mandainga sy tsy mamitaka ny mpino marina, azo itokisana tanteraka izy. Mahatoky Andriamanitra fa hahatanteraka ireo tsy maintsy ataony amin'ny finoana amim-pahamarinana araka izay azony atao izy ary hanaja ny zava-boarara. Ary satria hahazo ny fankasitrahan'ny Tompony izy noho izany voaisa ho isan'ireo "mpanompo mahatoky", izany hoe tian'Andriamanitra ary vokatr'izany: "Izy no maso ahitan'izy ireo, sofina handrenesany, tànana handraisany, tongotra handehanany".

Mampitombo ny asa tsara hoan'ny mpanompo azy Andriamanitra ary manome fankasitrahana maro arakaraka ny faritoe-javatra amin'ireo asa ireo. Izany no antony ahitan'ny mpino famontsoran-keloka izay tsy azony noheritreretiny tety antany any am-paradisa.

- Hoy ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita tanterin'I Sahih al-Bukhari sy Muslim: "Saron'ny fiharetana sy ny hafinaretana ny helo ary saron'ny fahasarotana ny paradisa"148. Raha ny tena mahaizy azy dia fanomezana hoan'ny olombelona ny helo sy ny paradisa. Manosika antsika tsy hanao izay voararan'Andriamanitra ny tahotra ny afobe mba hahafahantsika mankany amparadisa. Na izany aza, ny mendrika ny paradisa fa voavonjy amin'ny afobe dia mitaky fifehezantena sy fibeazana ara-tsaina sy ara-panahy tena izy.

Milaza ny CORAN fa ny olona dia voasariky ny zavatra iriny: vola, vehivavy, zanaka, tahiry maro amin'ny volamena sy volafotsy, omby sy ny biby fiompy (3:14). Manana fifantohana araboajanahary amin'ny fihainoana sy ny hafinaretana ny olona. Ny afobe dia toerana isaziana voaravaka amin'ny haingo manintona sy mahavariana miaraka amin'ireo zavatra mampilendalenda hafinaretana ao aminy. Raha voasinton'ny angolangola sy tsy mivelona mba hanome fahafaham-po ny filantsika isika dia ho voafitaka hiditra ao amin'ny helo. Mora amintsika no tonga amin'ny firon-dàlana satria ny làlan'ny afobe dia mandalo amin'ireo zava-maninton'ny tany rehetra.

Mba hahatratrarana ny paradisa dia tsy maintsy manaza-tena tsy ho voasariky ny zavatry ny tany isika. Eny amin'ny làlana mankany amparadisa ny afobe, satria isika tsy maintsy mandalo eo kanefa tsy manaiky ho voarebirebin'ny angolangolany. Mitaky fifehezantena sy ady mitohy amin'ny fakam-panahy izany sy ny fanirian'ny nofo rehetra. Isaky ny voasariky ny filomanosana ao amin'ny hatsaran'izao tontolo izao toy ny laza sy ny harena ary ny toerana isika dia tsy maintsy mieritreritra ny fetra voalzan'ny didin'Andriamanitra. Tsy maintsy mivavaka mandrakariva isika, mifady hanina manome ny mahantra, manao fivahiniana masina raha afaka ao amin'ny "Ka‛ba". Tsy maintsy marina sy mendrika sy tsara fo manoloana ny mahantra sy ny kamboty koa isika ary manao tsara sy mandrara ny ratsy. Tsy maintsy miala amin'ny fitaka, ny fampanaham-bola, ny loka sy ny zava-mahadomelina, ny fitenenandratsy sy ny fihatsarambelatsihy ary ireo endrika rehetra isehoan'ny tsy fahamarinana. Tsy maintsy miandry ho voamarina isika: satria hanamarina antsika amin'ny alalan'ny "fahavoazana sy ny hanoanana, ny fahaverezan-javatra sy faharinganan'ny olona na ny vokatry ny asa" (2:155). Tsy maintsy maharitra sy mahazaka ny hirifiry, manatanteraka izay tsy maintsy tanterahina, miala amin'ny fanaovam-pahotana, misaotra an'Andriamanitra amin'ny fankasitrahany sy ny fanomezany isika vao mahazo ny paradisa. Mankahala ny asa am-pahamarinana toy ireny ny isika ara-nofo.

- Mitatitra I Imam Tirmidhi fa hoy ny irak'Andriamanitra:

«Manoro hevitra anareo mba hatahotra ampinoana an'Andriamanitra sy hanaiky azy, eny fa na dia andevo mainty aza no tonga mpitarika anareo. Ireo izay ela elona aminareo dia hahita fiovan-javatra lehibe, noho izany ekeo ny Sounna-ako sy ny Sounna an'ny kalifa voatarika tsara. Mifanaraha aminy tsara ianareo. Tandremo ny manova ny fivavahana satria ny zavatra noforonina rehetra dia fanavaozana. Ny fanavaozana rehetra dia fivilian-dàlana ary ny fivilian-dàlana dia afon'ny afobe».149

Ny teny arabo hoe "taqwa" no adika hoe "atahory am-pinoana Andriamanitra" eto, izay avy amin'ny hoe "wiqaya" (fiarovana). Taqwa dia midika hoe eo ambany fiarovan'Andriamanitra. Manana endrika roa io: ny voalohany dia ny fahatahoran'ny mpino an'Andriamanitra ary ny fanekena azy amin'ny fitandremana ny didiny sy ny zavatra rarany. Ny faharoa dia ny fandinihana ny fiainana, ny voary sy ny fiainany mba hahitana ny lalàn'Andriamanitra mifehy azy sy mitantana azy hahazoan'ny olona fahalalana siantifika ary handrindrany ny fiainany. Tsy tafapetraka ny siansa raha tsy nahita ireo lalàny ny zanak'olombelona.

Mba ho eo ambany fiarovana sy fialofan'Andriamanitra dia tsy maintsy mitambatra ny finoana marina sy ny siansa satria zavatra roa milaza fahamarinana iray izy ireo. Araka ny manam-pahaizana sy olonkendry silamo, izao tontolo izao dia "ny CORAN noforonina" ary ao no iasan'ny lalàn'Andriamanitra avy amin'ny asany sy ny sitrapony sy ny fahefany. Ny CORAN, io fitambaran'ny lalàn'Andriamanitra avy amin'ny asany lasa teny io no "izao tontolo izao voasoratra" na "izao tontolo izao amin'ny teny".

Ny lafin-kevitra faharoa dia tsy mahazo mandà ny mpitondra azy tsy misy antony mazava ny mpino. Raha tsy misy mitarika ny fiarahamonina dia ho toy ny voan-javatra miparitaka. Ny korontana politika sy sosialy dia miteraka fikorontananam-panjakana sy faharavana. Manambara ny hadita fa na ny demokrasia manara-penitra aza dia tsy milamina.: mbola ahitana fanavakavahana ara-piaviana. Lazainy mazava fa na ny andevo afaka aza dia afaka mitarika ny fiarahamonina silamo tsara. Tsy kabary fotsiny izany fa voamarina tamin'ny asa nandritry ny fitondran'ireo governora, olomasina sy manampahaizana mainty izay nekena sy najaina.

Eto ny irak'Andriamanitra dia misarika ny saina ho amin'ny Sounna-any ihany koa. Satria izy no ohatra tsara indrindra amin'ny lafinm-piainana rehetra ka tsy maintsy manaraka azy ho ohatra ny mpino mandrapahatongan'ny andro farany. Ny fidirana amin'ny finoana silamo dia miantoka ny fiarovana ny fahadiovany hatrany amboalohany. Ny fisaratsarahana rehetra dia miteraka fizarazarana ara-tsosialy sy ara-poto-kevitra sy fanampiana zava-baovao ny finoana silamo, ilay fivavahana napetrak'Andriamanitra. Ny fanekena ny lalàn'ny kalifa efatra voalohany ihany koa dia miantoka ny fitambaran'ny silamo sy ny fametrahana ny finoana silamo.

Io hadita io koa dia ahitana ny faminaniana fa voatarika tsara ireo mpitarika politika efatra nifandimby ireo ary ny tsy fanekena ireo kalifa ireo dia miteraka fisaratsarahana anaty. Ny tantaran'ny silamo dia manamarina ny fahatanterahan'io faminaniana io. Ampy ny mijery ny korontana nisy tamin'ny andro nitondran'I Ottman sy Ali.

- Mitantara I Bukhari sy Muslim fa hoy ny irak'Andriamanitra:

"Ny mpino dia tsy hifandramatra indroa amina toe-javatra iray".150

Mpahita ny hoavy ny mpino, mahay mitsara sy manan-tsaina satria miavaka amin'ny fisaintsainany masina sy ny fidirany ao amin'ny ara-panahy izy ireo. Ny fiarahamonina silamo dia manana ary tsy maintsy manana ny fidirana mitovy ary tsy maintsy tonga saina mandrakariva amin'ireo olona sy loza lehibe. Mety ho diso indray mandeha izy kanefa ny fahaiza-mitsara sy ny saina azony avy amin'ny finoana dia manakana azy tsy ho diso fanindroany. Ahitana fampitandremana tsy azo tsinontsinoavina hoan'ny silamo ankehitriny io hadita io, izy ireo izay nodisoan'ny tandrefana nandritry ny taonjato maro sy ny fihatsarambelatsihin'ny tatsinana. Fotoana tokony handaminan'ny silamo ny aminy ankehitriny sy handinihany indray ny hatsaran'ny finoany.

- Ny hadita iray tanterin'I Bikhary sy Muslim dia miantso ny mpanabe handinika indray ny fomba fanabeazany: "Toy ny volamena sy volafotsy ny olombelona. Ireo izay mpanao kobakam-bava sy lasa ambony indrindra nandritry ny naha tsy mpino azy dia ho tsara noho ny hafa (amin'ny fahamarinana) raha vao nanaiky ny finoana silamo sy nahazo tsara ny mikasika io fivavahana io"151. Tena misy dikany io hadita io indrindra fa mikasika ny fanabeazana sy fiantsoana amin'ny anton-javatra, zavatra mitaky fahitana mazava sy fahaiza-mitsara. Niteny toy izao ny Mpaminany: "Indro ny làlako: miantso ny olon'Andriamanitra aho [ho amin'ny finoana], izaho sy izay manaraka ahy, mifototra amin'ny porofo mazava izahay, voninahitra ho an'Andriamanitra! Ary tsy mba anisan'ireo mpino Andriamanin-kafa aho"(12:108).

Mahatonga hahalala ny toetra ny fahitana mazava, ny hahafahana hanao zavatra sy ny fahadisoan'ny olona tsirairay. Tsy mitovy ny toetran'ny olombelona, azo lazaina fa "ao ny arina, ny varahana, ny volafotsy, ny volamena na vatosoa". Ny dingana voalohany mba hanomezana fanabeazana tsara dia ny mamantatra ny zavatra tsara ao amin'ny olona sy ny fahaizana mampivoatra izany. Tsy nahazo volamena amin'ny alalan'ny arina ianao, tsy afaka hanova olona ho varahana izay efa volamena. Raha nanandrana maka varahina amin'ny fomba fakana volamena ianao dia tsy hisy vokany ny ezaka ataonao.

Raha voamaritsika ihany koa dia afaka miavaka mandrakariva izay manana endrika lehibe. Ohatra, ny mpanohitra farany ambony ny silamo toan-dr'I Omar dia mivadika silamo ihany tamin'ny farany ary lasa endrika taratry ny fiarahamonina silamo. Maneho izany fa y herijikam-pahamarinany dia voatefy sy mivelatra tanteraka tao amin'ny finoana silamo.

- Hoy ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita hafa: "Marina, manome fe-potoana hoan'ny mpanao ratsy Andriamanitra, ary koa ny mpangeja. Kanefa raha vao tratrany indray mandeha dia potehiny".152 Avy eo dia hoy izy: "Toy izany ny hatezeran'ny Tomponao rehefa nikapoka ny tanàna tsy marina izy. Mangirifiry ny saziny ary mafy dia mafy"(11:102).

Manome fialantsasatra ny mpanao ratsy Andriamanitra mba hahafahany manenina ny ratsy nataony sy hanitsiany ny fitondran-tenany. Raha tsy manararaotra izany dia ho saziany mafy.

Indraindray Andriamanitra dia mampiasa ny mpanao ratsy ho toy ny "sabany" mba hanasaziana ireo mpandika lalàna. Matetika ny silamo no iharan'ny fanaovan-dratsy rehefa miataka amin'ny finoana silamo ny tsy manaraka ny didin'Andriamanitra. Hoavy izany raha tian'Andriamanitra ho saziana eto antany izy ireo alohan'ny andron'ny fitiavana.

Ohatra, vokatry ny fisamatsamahan'ny silamo ho vondrona maro mifaninana, taonjato sivy lasa izay, dia nisho taminy ny fanafihan'ny Mongola sy ny famonoany. Afaka fotoana fohy dia nahita faharesena mangidy izy ireo sy ny fanarenana nandritra ny taorian'ny ady lehibe voalohany. Niseho izany saria tsy nampihatra ny finoana silamo tamin'ny fiainany izy ireo ary nanjary nanantsaina sy nanampanahy sy fitaovana tsy mifanaraka amin'ny finoana silamo avy amin'ny tandrefana.

Tonga tamin'ny silamo ny loza satria vokatry ny fahotany, toe-javatra hanaovana fanadiovan-tena sy fangataham-pamelana avy amin'Andriamanitra; fanombohan'ny fotoana tsara sy fifohazana amin'ny torimaso. Ary ny hoavy tsy ho ela dia ho vavolombelon'ny fahapotehan'ny fikorontanana raha sitrak'Andriamanitra izany, sy ho fahterahana mahafinaritra hoan'ny finoana silamo indray sy ny vahoaka silamo.

- Araka y lovan-tsofina marina dia hoy ny irak'Andriamanitra:

"Hametraka vondron'olona fito eo ambany alony Andriamanitra amin'ny andro tsy nirian'ny aloka afa tsy ny azy: ny lehibe tsy miangatra, ny tanora lehibe nobeazina tamin'ny fiderana an'Andriamanitra, nanome voninahitra Azy; ireo izay tena nifatotra tao amin'ny trano fivavahana; zavatra roa nifankatia tamin'Andriamanitra, mitambatra teo aminy sy nisaraka teo aminy; ny lehilahy izay tsy nandray ny fanasan'ny vehivavy tsara ambony laharana sady niteny hoe: "Matahotra an'Andriamanitra aho"153; ireo izay mandany am-pahamendrehana ny fananany amin'ny làlan'Andriamanitra ary tsy fantatry ny tànany havia izay homen'ny tànany havanana ho fanomezana; ary ireo izay mitomany fatratra rehefa irery sy miantso ny anaran'Andriamanitra".154

Ho hotsaky ny hatsembohana hatreny amin'ny vozony ny olona noho ny hafanana amin'ny andron'ny fitsarana. Tsy maintsy midio izay maniry ny alokaloka avy aminy ary manaraka ny fampianaran'io hadita io mba hahazoana azy.

Ny fahamarinana no fototry ny fiainana sosialy ary vitsy ny mpitarika marina.

Ny tanora mahafehy ny filan'ny nofony sy manolotena amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia tena ho voatsodrano sy masina. Ny mandahatra ny fiainana araka ny fivavahana isan'andro dia fahamarinana mendri-piderana ary sitrak'Andriamanitra mahery indrindra. Toetra hafa tena manandanja eto amin'ity tontolo fiolonolonana sy fitiavantena ity ny mifankatia hoan'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny mijery ny tany ho toy ny "fandriampahalemana-pirahalahiana". Mitaky ny fifehezan-tena ny fahamarinana ary mendrika hampihatra izay mampihatra azy ho amin'ny laharana ambony izy. Atao miafina mba hoan'ny fitiavan'Andriamanitra ihany ny fanaovantsoa ary ampirisihina ny mpino silamo toy ny fanaovana ny fivavahana voatondro. Ny fandinian-tena sy ny fifehezan-tena ampiarahana amin'ny fanatrehan'Andriamanitra dia manakana ny olona tsy hanota ary mahatonga azy ho mendrika ny paradisa.

- Mijery ny hafa sy manome ny fankasitrahany ho an'ny olona manontolo Andriamanitra. Izay ananan'ny olona rehetra dia avy amin'Andriamanitra. Na izany aza dia manome fanomezana manokana ny Mpaminany sy ny fiarahamonina izy arakaraka ny faritoe-javatra amin'ny vanim-potoana iainany. Ohatra, nomempahasoavana manokana hahafantatra ny anarana I Adama (Faralahidin'ny sampam-pahalalana rehetra); nomena faharetana sy natao ho entitra I Noé; nomemboninahitra tamin'ny fitiavana manokan'Andriamanitra sy ny maha rain'ny mpama rehetra I Abrahama. I Moizy nomena fahaizana mitam-bahoaka avy amin'ny tenin'Andriamanitra mivantana ary I Jesoa niavaka tamin'ny faharetana sy ny fandeferana ary ny famindram-po. Ny Mpaminany rehetra dia manana anjara amin'io toetra mendri-piderana io kanefa arakaraka ny asany izany, mihoatra ny hafa amin'ny iray na maro amin'ireo toetra ireo izy.

Nanana ireo toetra rehetra voalaza ireo ny Mpaminany Mohammed afa tsy maha rain'ny Mpaminany. Noho ny asany hoan'izao tontolo izao dia navahana kokoa tamin'ireto fanomezana 5 manaraka ireto izy. Toy izao no taterin'I Bukhari no nolazain'ny Mpaminany:

"Nahazo fanomezana 5 izay tsy nananan'ny olona teo alohako aho: nampian'Andriamanitra tamin'ny fametrahana ny toetra tao am-pon'ireo fahavalo iry volana mialoha aho. Natao ho toeram-piderana ny tany sy ho fitaovam-panadiovana ahy; ary afaka mivavaka ny olon'ny firenen-drehetra any amin'izay toerana tiany rehetra tonga ny fotoana fivavahana. Nomena ahy ara-dalàna ny fananan'ireo babo an'ady kanefa tsy ara-dalàna izany hoan'ireo hafa teo alohako rehetra. Nomena ahy ny fanomezana manokana ho eo akaikin'Andriamanitra sy ny mpino. Ary farany, ny Mpaminany rehetra nalefa teo alohako dia natokana hoan'ny vahoakany ihany fa izaho kosa nalefa hoan'izao tontolo izao".155

Azo tsoahana avy amin'io hadita io izao zavatra manaraka izao:

- Ny faminaniana dia fanomezana nomen'Andriamanitra ho an'izay sitrany;

- Natao manokana hoan'ny silamo ireo zavatra 5 voalaza ireo.

- Mandetika ny tahotra ao amin'ny fahavalo avy amin'ny elanelana lavitra sy ny mitazona fahamendrehana tanteraka sy ny manokana ny fiainana ho an'Andriamanitra toy ny natao nandritry ny taonan'ny fahasambarana rehefa nanjaka teo amin'ny silamo ny Mpaminany sy ireo mpandimby azy marina.

- Satria ny silamo dia tsy mila mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olombelona noho izany tsy nisy fiangonana na mpitondra fivavahana araka ny laharany avy teo aminy. Na dia nisy aza olomasina nomendalana nanelanelana ny silamo amin'ny andron'ny fitsarana farany dia manan-jo feno hanelanelana ny mpino rehetra amin'izany ny irak'Andriamanitra.

- Ny fananan'ny babo an'ady izay voarara tamin'ny fiarahamonina rehetra teo aloha dia nanomezan-dalana ny fiarahamonina silamo satria tsy maintsy miady amin'ny làlan'Andriamanitra mandrapiavin'ny andro farany izy ireo sy mampita ny hafatra manerana izao tontolo izao.

- Ary ny isan'ny Mpaminany teo aloha dia voatokana hoan'ny vahoaka iray sy vanimpotoana voatikana fa ny irak'Andriamanitra kosa dia nalefa ho famonjena ny olon-drehetra.


[121] Qadi Iyad, Shifa’, 1:67.

[122] Ibn Hanbal, 3:425; Ibn Hisham, Sira, 1:209.

[123] Ibn Hajar, Al-Isaba, 1:337.

[124] ‘Ajluni, Kashf al-Khafa’, 1:147.

[125] Ibn Hanbal, 4:65; 5:64.

[126] Bukhari, “Manaqib al-Ansar,” 1:2; Muslim, “Zakat,” 132-41.

[127] Hindi, Kanz al-‘Ummal, 11:412.

[128] Ibid., 11:425.

[129] Tirmidhi, “Qiyama,” 59.

[130] Tirmidhi, “Zuhd,” 25.

[131] Bukhari, “Adab,” 69; Muslim, “Birr,” 105; Abu Dawud, “Adab,” 80.

[132] Bukhari, “Adab,” 96; Muslim, “Birr,” 165.

[133] Bukhari, “Hudud,” 4:5.

[134] Tirmidhi, “Birr,” 55; Ibn Hanbal, 5:153.

[135] Hindi, Kanz al-‘Ummal, 6:89.

[136] Bukhari, “Bad’u al-Wahy,” 1; Muslim, “‘Imara,” 155; Abu Dawud, “Talaq,” 11.

[137] Dahabi, Majma‘ az-Zawa’id, 1:61, 109.

[138] Bukhari, “Iman,” 4.

[139] Tirmidhi, “Zuhd,” 11; Ibn Maja, “Fitan,” 12.

[140] Bukhari, “Iman,” 37; Muslim, “Iman,” 1.

[141] Bukhari, “Jana’iz,” 43; Muslim, “Jana’iz,” 14, 15.

[142] Bukhari, “Wasaya,” 9; “Zakat,” 18; Muslim, “Zakat,” 94; Ibn Hanbal, 2:4.

[143] Muslim, “Iman,” 171-4; Suyuti, Al-Fath al-Kabir, 2:57.

[144] Tirmidhi, “Birr,” 40.

[145] Bukhari, “Riqaq,” 23.

[146] Muslim, “Tahara,” 41; Tirmidhi, “Tahara,” 39.

[147] Bukhari, “Tawhid,” 35.

[148] Bukhari, “Riqaq,” 28; Muslim, “Janna,” 1.

[149] Tirmidhi, “‘Ilm,” 16; for different versions, see, Ibn Maja, “Muqad-dima,” 6.

[150] Bukhari, “Adab,” 83; Muslim, “Zuhd,” 63.

[151] Bukhari, “Manaqib,” 1; Muslim, “Birr,” 160; Ibn Hanbal, 2:539.

[152] Bukhari, “Tafsir,” 5; Muslim, “Birr,” 61.

[153] De même, les femmes qui résistent aux hommes sont aussi certaienement incluses dans le sens de ce hadith. La raison pour laquelle les hommes sont mentionnés est qu’ils sont souvent attirés par les femmes et suivent leurs désirs. De ce point de vue, les hommes sont plus en danger que les femmes et plus susceptibles de tomber dans le péché. Ainsi, le hadith avertit les hommes de se protéger contre les relations illicites. Les hommes exploitent la beauté et les charmes des femmes pour leur profit, et les femmes sont malheureusement employées pour répandre l’immoralité et l’obscénité. L’on a rarement vu dans l’histoire humaine de cas où la femme commanderait et emploierait les hommes de cette manière.

[154] Bukhari, “Adhan,” 36; Muslim, “Zakat,” 91; Tirmidhi, “Zuhd,” 53.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.