• Home
  • Terrorisme
  • Ny Famonoan'olona Sy Ny Saziny Amin'ny Coran Sy Ny Torah

Ny Famonoan'olona Sy Ny Saziny Amin'ny Coran Sy Ny Torah

Soatoavina ambony indrindra amin'Andriamanitra ny aina satria izy no manana ny endrika ambony indrindra amin'ny fisiana. Ny aina no fiandohana sy fototry ny zava-drehetra. Mahatonga ny zava-drehetra izay hidirany ho mpifehy ny zavatra hafa sisa izy. Na inona na inona voary miaina dia afaka miteny hoe: «Ahy avokoa izay misy rehetra, izao tontolo izao no toeram-ponenako, fanomezana nomen'ny Tompo ahy avokoa ny tontolo rehetra». satria ny aina no mampitambatra antsika amin'ny zava-drehetra izay mamela antsika hanararoatra ny zava-drehetra.

Ankoatra, ny aina –vokatry ny hazom-pisiana- no sampanan-dalan'ny fisiana. Amin'io fomba fijery, izany hoe amin'ny maha fototra iantefan'ny zavatra rehetra ny aina dia ny aina no porofo ambony indrindra ny maha tokana an'Andriamanitra Mahary indrindra, fisehon'ny famindram-pony lehibe indrindra ary ohatra lehibe indrindra amin'ny asany.

Amin'ny teny fohy, ary indrindra amin'ny ain'ny olombelona –«ilay endrika tonga lafatra indrindra» dia tsy amin'ny toetra ara-pahalebeazana fa araka ny hatsarana (izany hoe tsy azo zaraina amin'ny isan'ny olona izy) dia ny ain'ny olombelona iray no maneho ny ain'ny olombelona manontolo, noho izany ny famonoana olona iray dia toy ny famonoana ny olombelona rehetra, ary tahaka izany koa, ny manavotrany ain'olona iray dia toy ny manavotra ny ain'ny olona manontolo. (al-Mâ'ida 5:32). Raha manao io fomba fijery io ny CORAN dia manambara koa fa didy efa nomena ny israelita izany, izany hoe, misy ao amin'ny Torah io foto-kevitra io.

Ny famonoan'olona dia heloka lehibe indrindra ary heverina ho iray amin'ireo fahotana mahafaty voalaza ao amin'ny CORAN sy ny Torah. Io fandrarana io no iray amin'ireo foto-kevitra tena ilaina sy tsy miova izay hita ao amin'ny fivavahana rehetra mino Andriamanitra tokana. Na iza na iza manala ny ain'ny hafa amin'ny fomba tsy aradalana sy antsitrapo dia ny fahafatesana no saziny ao araka ny voalazan'ny CORAN sy ny Torah. (al-Baqara 2:178; Exode 21:12; Levitique 24:17-18)[1].

Voarara ao amin'ny didy fahenina ao amin'ny Torah izao zavatra izao: «Tsy afaka hamono na oviana na oviana ianao!» (Exode 30:13). Miaro ny zo fototry ny olombelona iray hiaiana io fitsipika io ary manipika ny maha masina ny ain'olombelona. Ao amin'ny jodaisma, ny teny hoe «mamono» (qath dia voafaritra ho «mampijanona olona iray tsy hiaina»[2]. Ireo manampahaizana silamo indray dia mamaritra ny matoateny hoe «qath» ho toy ny «asa mahatonga ny fialan'ny fanahy amin'ny atana»[3].

Ny famonoana ao amin'ny Torah: famaritana ny heloka sy ny heloka amin'ny maha heloka azy

Ny didy hoe «Tsy afaka hamono na oviana na oviana ianao» izay voalaza ao amin'ny Torah dia avy amin'ny fakan-teny hoe: r-ts-h amin'ny teny hebreo. Araka ny fanazavan'i Rashbam sy Bekhor Shor, io teny io dia tsy azo ampiasaina raha tsy amin'ny «famonoana tsy andrariny» ka tsy azo ampiasaina ma hamaritana ny fahafatesana sy ny famonoana amin'ny fotoanan'ny ady no ho toy ny sazy aradalana. Io teny io koa dia tsy azo ampiasaina raha miresaka mikasika an'Andriamanitra sy ny anjely. Voamarina ao amin'ny Genesisy toko faha 9:6 koa izy io: « Izay mandatsaka ran'olona dia hahita ny ran'izany olona ziany satria eo amin'ny endrik'Andriamanitra, Andriamanitra no nanao ny olona». Midika izany fa ny aina dia novolavolaina avy tamin'ny fofon'ain'Andriamanitra, ary masina tanteraka ary an'Andriamanitra tokana ihany ny zo hanala na tsy hanala azy. Noho izany, na iza na iza manao heloka famonoan'olona dia manohitra zo masina amin'io asa maharikoriko tsy azo fafana io ary mandika sy maneateva ny fahambonian'Andriamanitra. Nohariana ho toy ny zava-masina ny olombelona, amin'ny asany dia mandoto ny voninahitr'Andriamanitra ihany koa ny mpamono olona. Izany no mahatonga ny famelankeloky ny mpamono olona tsy ho anjaran'ny olombelona na hanolo ny fanamelohana ho faty amin'ny fandoavana onitra araka ny hazavain'ny Isa 35:31.[4]

Mandidy ny Torah fa ireo izay meloka noho ny famonoan'olona dia tsy maintsy melohina ho faty koa, ny «lalana verbaly» (ny Talmud) dia mametraka fitsipika vitsivitsy mikasika ny famaritana ireo izay antsoina hoe heloka. Araka ny voalazan'ny Talmud dia tsy maintsy ampilazana ilay mpamono olona alohan'ny hanaovana ny heloka, amin'ny alalan'ny vavolombelona roa fa ny zavatra nataony dia efa teo ampanaovana azy izy dia voarara ary voaheloka ho faty izy noho izany. Ankoatra izany dia tsy maintsy nahita ny fanatanterahana ilay vonoan'olona ireo vavolombelona. Na dia aorian'izany rehetra izany aza, rehefa tsy azo lavina ny porofo dia tsy ampy ilazana fa natao ny heloka. Tsy maintsy apetraka amin'ny fitsaran'ny olom-pivavahana ahitana mpitsara 23 ny heloka. Elanelam-bato iray fotsiny dia efa azo anafahana ilay meloka fa raha tsy mihoatra ny roa kosa ny elanelam-bato dia tsy azo anamelohana azy. Na dia manameloka azy zato isan-jato aza ireo mpitsara rehetra dia tsy azo ampiharina avy hatrany ny fanamelohana ho faty satria sarotra izany. Vokany, i R. Akiva sy R. Tarfon izay niasa ela tao amin'ny fitsarana fanamarinana dia nanamafy fa tsy misy olona azo melohina ho faty. Raha tsy mampihatra matetika ny fanamelohana ho faty ny fitsarana dia melohiny ela, ataonany maro any ampigadrana kosa ilay olo-meloka.[5] Ankehitriny i Israely dia tsy mampihatra ny fanamelohana ho faty intsony.[6]

Ny vonoan'olona sy ny saziny ao amin'ny Torah

Ny Torah sy ny CORAN dia manavaka ny heloka famonoan'olona sy ny saziny arakaraky ny nanaovana ilay asa ratsy, na izy fanahiniana na tsy nahy ary ampifandrahina amin'ny lalàna famaizana. Araka ny voalazan'ny Torah dia voasazin'ny fanamelohana ho faty ny famonoan'olona antsitrapo. (Exode 21:12, 14, 23-25; Levitika 24:17-18; Fanisana 35:16-21; Deteronomia 19:11,21). Ireo manampahaizana mikasika ny Torah dia manome vaovao amin'ny antsipirihany amin'ny fanadihadiana ny andininy mifamatotra amin'io lalàna famaizana io. Ohatra araka ny voalazan'ilay mpanadihady malaza antsoina hoe Maimonide dia na iza na iza mamono olona dia mandika ny didy foly (Exode 20:13; 21:20) ary tsy maintsy melohina ho faty. Na tamin'ny alalan'ny vy na tamin'ny afo no nanaovan'ilay mpamony ny asany dia tanterahina toy izany koa ny famonoana azy.[7]

Toy izany koa, araka ny voalazan'ny mpanadihady mahay ny Torah antsoina hoe Hirah dia soa toavina faran'izay ambony indrindra ny aina amin'ny maha aina azy, ambonin'ny zava-drehetra izy ary izy no mampifandray ny zava-drehetra eto antany. Manazava izany ity manaraka ity:

«Izay mikapoka olona ho faty dia hovonoina. Na dia izany aza, izay tsy mikendry ilay niharam-boina –satria Andriamanitra no nanao azy teo ampelantanana- dia apetraka amin'ny toerana ahafahanao mandositra ianao» (Exode 21:12-13).

«Raha misy olona iray mamono olona ho faty dia ho vonoina koa izy» (Levitika 24:17).

Ao amin'ireo andininy ireo dia toa ny olona ihany no voalaza fa iharam-boina. Ireo manampahaizana talmodika dia manamafy fa ny famonoana vehivavy sy zaza dia tsy tafiditra ao amin'ny sahan'ny «qatl». Atambatra amin'ny asa fikapohana ny famonoana raha ny hamono no tanjon'ny fihetsika. Fanampiny, ny fikapohana sy ny fahafatesana vokatr'izany dia atokatokana mba ahafahana manazava tsara izay nomanina tao amin'ny heloka. Ny famonoan'olona fanahiniana ihany no mahavoasazy ho faty. Ny sazy mikasika ny famonoana fanahiniana dia voalaza amin'ny antsipirihany ao amin'ny andininy hafan'ny Torah. Satria I Hirsh dia namaritra ny aina ho toy ny soatoavina fotora dia manamafy izy –ao amin'ny fanadihadiana io andininy io izay hiadiana hevitra mikasiktra ny lanjan'ny aina- fa raha vehivavy na zaza ilay niharam-boina dia tsy azo ampiharina io andininy io, tsy voafaritra ao amin'io andininy io ny sazy raha izay no zava-misy. Maneho izany fa hoan'ny mpandinika ny Torah sasany dia heverina fa tsy mitovy nylanjan'ny ain'ny lehibe sy ny zaza miampy vehivavy.[8]

Na dia izany aza dia manamafy ilay mpanadihady malaza, I Rashi (1040-1105) rehefa niteny mikasika io andininy io fa ny fahasamihafana, ny fanavahana dia atao amin'ny «olombelona iray» sy «ny olombelona manontolo». Nanamarika izy fa: «raha mandray ireo andininy ireo isika dia mazava ho azy fa tsy mipetraka eo amin'ny fanavahana ilay mpamono ny tsindrim-peo fa eo amin'ny fomba nanatanterahany ny asany sy ny tao antsainy». Araka ny hevitr'I Rishi, na dia tsy maty aza ilay niharam-boina taorian'ny nikapohana azy izay tena saika natao hamono azy dia voameloka ho nanao famonoana ampanahiniana ilay mpanao ratsy ary melohina ho faty. Azo ampiharina ny fanamelohana ho faty voalazan'io andininy io «raha mamono olona iray ka mila hahafaty azy ilay olona». Araka ny hevitr'I Rashi dia tsy manavaka io andininy na lahy na vavy na zaza ilay niharam-boina. Vokany, na lahy na vavy na zaza[9] ilay niharamboina na saika ho vonoina dia melohina ho faty ilay olon-dratsy. Ireo andininy hafa ao amin'ny Torah izay mifandray amin'ny famonoan'olona sy ny lalàna famaizana mifanaraka amin'izany sy ireo fandalinan'ny manampahaizana jiosy dia toy izao manaraka izao: «Na dia tezitra toy inona aza amin'ny olona iray manakaiky azy ka ndeha hamono azy ampitaka aza ny lehilahy iray dia hesorinao eo ambony hoteliko izany ho faty» (Exode 21:14). Manazava zavatra tsy mazava tsara ao amin'io andininy io I Rashi. Araka ny heviny, ny zavatra toy izao manaraka izao dia tsy famonoanolona fanahiniana: mamono tsy mpino, ny dokotera mamono marary mandritry ny fitsaboana azy, ny manamboninahitry ny fitsarana izay mamono ny olo-eloka mandritry ny famonoana azy amin'ny kapoka karavasy in-40, ny ray mahafaty ny zanany rehefa manasazy azy, ny mpampianatra nahafaty ny mpianany tamin'ny fanitsiana azy ary izay nahafaty olon-kafa tamin'ny teraka izay tsy nahakendry izay nokendreny anefa. Ireo antom-pahafatesana ireo dia sarahina amin'ny famonoana niniana natao ampitaka na tamin'ny famadihana. Izay mamono ampitaka dia ho vonoina; na dia olo-manankaja ao amin'ny isnagogany aza ilay mpamono olona dia henjehina hatreny amin'ny oteliny ary vonoina.

Araka ny hevitry ny mpanadihady hafa, ny fiteny hoe «olona iray» ao amin'ny andininy 24:17-18 ao amin'ny Levitika dia tsy manavaka na iza na iza akory, na lehilahy, na vehivavy na ankizy. Ny fampiasana ny fomba fiteny hoe: «ny aina solon'ny aina» any amin'ny fiafaran'ilay andininy hoan'ny biby dia adika ho ny tombambidin'ilay biby maty miaraka amin'ny tambimbidy omena ilay tompony.[10] Amin'ny fomba fisainana mitovy, ny hevitra manao hoe:

«Izay mikapoka olona ho faty dia ho vonoina» dia mitarika ny fanamelohana ho faty dia azo ampiharina amin'ilay mpamono raha vehivavy na lehilahy ilay niharam-boina na zaza.[11]

«Izay mikapoka biby dia manefa; izay mikapolka olona dia ho vonoina». Lalàna iray ihany no anananareo: mitovy hoan'ny mpifindramonina sy ny tompontany; satria izaho, ny Tompo no Andriamanitrareo» (Levitika 24:21-22).

Amin'io fomba io no hanavahan'ny Torah ny lanjan'ny biby sy ny an'ny olombelona. Ny lalanan'I Moizy dia mijery ny olona ho toy «olombelona» ary ny biby ho toy «fananana». Noho izany dia tsy azo ampiharina ny fanamelohana ho faty raha tsy natao tamina olombelona ilay heloka. Amin'ny fiafaran'ny andininy dia voatsindry mafy ny fitovian-jo hiaina hoan'ny rehetra, vahiny na tompontany.[12]

Ny fomba fiteny hoe: «izay mamono biby» ao amin'io andininy voalaza io dia manondro ny fikapohana mafy mety hahafaty ilay biby.[13]

Ny olombelona izay mikapoka olona iray mafy ka mety hahafaty azy dia meloka ho toa azy koa. Matetika, hoan'ny olona mikapoka ny iray amin'ireo ray aman-dreniny dia heverina ho toy ny amin'ny famonoana ny ratra vokatr'izany. Eny fa na dia tsy maty eo noho eo vokatr'izany aza ilay voakapoka dia voaheloka ho faty ilay zaza meloka.[14]

«Raha tamin'ny vy no nikapohana ilay niharam-boina ka nahafaty azy izany dia vono olona ihany koa ary melohina ho faty ilay mpamono. Raha mikapoka azy tamin'ny torabato izay niteraka fahafatesana izy dia mpamono olona ary melohina ho faty ilay mpamono olona. Na koa ilay mpamono nampiasa hazo mety hahafaty dia mpamono olona izy ary melohina ho faty ilay meloka. Ny mpamaly faty no mamono ilay meloka; raha vao mifanena amin'ny izy dia izy no namono azy. Raha fialonana no nafatesan'ny sasany olona na notsipazany zavatra tamim-pahasiahana izy ka nahaaty azy izany, raha nasiany totohondry izy ka nahafaty azy izany dia melohina ho faty ilay namono: mpamono olona izy. Ny mpamaly faty no mamono ilay olo-meloka raha vao mifanena aminy izy» (µFanisana 35:16-21).

Ireo andininy ireo dia mikasika ny famonoana olona sy ny masontsivana ampiasaina mba hametrahana ny valiny. Ohatra, apetraka ao ny lamin-kevitra amin'ny ankapobeny mikasika ilay vono olona, ny fitaovam-piadiana nampiasaina, ny porofo sy antony. Nosoratana mba ho ampiasaina amin'ny fitsarana ilay lahatsoratra. Toy izany koa ny ao amin'ny bokin'ny fitsarana 35:16 ao no anambarana amin'ny antsipirihany ny haben'ny fitaovam-piadiana nampiasaina, ny akora nanaovana azy, ny toe-batan'ilay niharam-boina sy ny ratra nihatra taminy.[15] Ao amin'io andininy io, ny sazy natokana hoan'ny famonoana olona antsitrapo/fanahiniana dia ambaran'ny fehezanteny hoe «Mpamono olona izy, ary melohina ho faty ny mpamono olona»[16]. Voalaza mialoha ny vy satria matetika ny singam-by kely fotsiny dia afaka manome ratra betsaka noho ny bolongan-kazo; raha mafy loatra ilay ratra dia melohina ho faty ilay mpanafika.[17] Ny tena ifantohana eto dia ny toetra mety ho mahafaty amin'ilay fitaovam-piadiana nampiasaina sy ny finiavana hampiasa azy.

Ny andininy 35:17-19 ao amin'ny Fanisana dia miresaka ny vato sy ny hazo izay tsy miteraka ratra mahafaty raha ara-dalana ny habeny syny fepetra nampiasana azy kanefa mety hampidi-doza koa izany[18]. Amin'ny fiafaran'ny andininy no iresahana mikasika ny vato sy ny hazo izay mety hiteraka fahafatesana ny fampiasana azy, na ampiasaina hamonoana mihitsy izy. Amarinina tsara ao amin'ireo andininy roa ireo fa ny fitaovana ny fitaovam-piadiana nampiasaina mba hikapohana olona dia tsy maintsy antonony ny habeny mba hahafaty. Tsy ampisalasalana fa ny sazin'izay mampiasa fitaovana na fitaovam-piadiana toy izany dia ny fanamelohana ho faty.

Na dia niafina any amin'ny toerana masina toy ny sinagoga aza ilay meloka dia mahasakana azy tsy ho vonoina izany satria ny havana iray akaikin'ilay niharam-boina dia manan-jo hamono azy na aiza ahitany azy na aiza.[19]

Araka ny andininy ao amin'ny Torah hiadian-kevitra eto, raha tsiraina ho nahavita ny heloka ilay voapanga ary raha manatrika eo mandritry ny fitsarana ny fianakavian'ilay niharam-boina dia azon'ny fitsarana atao ny manome azy ireo ilay meloka. Raha manda ny hanolotra ilay oapanga eo amplatanan'ny fianakavian'ilay niharam-boina ny fitsarana rehefa fantatra fa meloka izy (vita ny fitsarana) na mandositra ilay olo-meloka dia mananjo hamono ilay olomeloka izay akaiky azy any amin'ny toerana izay hahitana azy.[20] Amin'ny heviny iray, manome fahefana ilay mahita azy hamono ilay olo-meloka ny Torah.

Ankoatra izany, voalaza ao amin'ny andininy faha 35:20 ao amin'ny fanisana koa ny fomba hafa hamaritana ny fomba nanaovana ilay asam-pamonoana raha-meloka ho faty: «Raha manao heloka amin'ny tsy fitiavana ny olona»

Araka ny hevitr'I Chumash mpandinika ny Torah ny fomba fiteny ho «raha nanao ny olona» dia midika hoe «manosika olona amin'ny toerana avo mba hampianjera azy»[21]. Raha ampiasaina mba hamonoana olona ny fitaovam-piadiana dia mazava ny finiavana; io antonjavatra io no ilazana ny asa toy izany ery amboalohany ao amin'ny andininy faha 16-18 ao amin'ny Fanisana. Vokany, misy asa hafa mitarika ho amin'ny fahafatesana voatanisa ao. Raha ny tena marina dia mitovy ny finiaana tao amin'ilay voapanga na inona fomba nampiasaina na inona ary mitovy koa ny sazy azo. Ny andininy «Tsy hanaiky tambimbidy hoan'ny ain'ny mpamono olona mandrika ho faty ianareo fa tsy maintsy vonoina izy» (Fanisana 35:31) dia milaza fa ny sazy hoan'ny mpamono olona fanahiniana dia ny fanamelohan-kofaty; tsy misy adihevitra. Raha ny voalazan'io andininy io, ny fandoavam-bola na ny vahaolana hafa ankoatry ny fanamelohan-kofaty dia tsy ekena tanteraka.[22]

Misy ao amin'ny Torah koa ny fitsarana fantatra amin'ny anovana hoe «qissâs» (lalanan'ny maso solon'ny maso) amin'ny silamo. Ohatra: «Rehefa tonga anefa ny loza, ny maso solon'ny maso, vidin'aina aina, ny nify solon'ny nify, ny tanana solon'ny tanana, ny tongotra solon'ny tongotra, izay mandoro dia ho dorana, izay mandratra dia ho ratraina, izay mamono dia ho vonoina» (Exode 21:23-25).

«Tsy fantatrao va fa ny aina solon'ny aina, ny maso solon'ny maso, ny nify solon'ny nify, ny tanana solon'ny tanana, ny tongotra solon'ny tongotra» (Detoronomi 19:21).

«Ny tapaka solon'ny tapaka, ny maso solon'ny maso, ny nify solon'ny nify, apetraka aminy ny kilema mitovy izay nataony tamin'ny hafa» (Levitika 24:20).

Ny resaka mikasika ny «qatl» ao amin'ny CORAN

Maro ireo andininy mandrara ny famonoan'olona ao amin'ny CORAN, Andriamanitra mahery indrindra dia milaza ao amin'ny Sorata al-tsrâ (araka ny dikany nadika) fa:

«Ary afa tsy amin'ny lalàna, aza vonoina ny aina izay nataon'Andriamanitra ho masina. Na iza na iza vonoina tys an-drariny dia homenay fahefana ny havany akaiky. Aoka mba tsy hanararaotra izy satria efa hatrehana (amin'ny lalàna)» (al-Isrâ' 17:33).

Ao amin'ny andininy hafa dia manambara ny CORAN fa ny mamono tsy misy antony ara-drariny dia heverina ho toy ny heloka atao amin'ny olombelona manontolo:

«Izany no efa nilazanay tamin'ny zanak'Israely fa na iza na iza mamono olona tsy meloka tamin'ny vono olona na kolikoly tety antany dia toy ny namono ny olombelona rehetra izy. Ary na iza na iza mamonjy ny ainy dia toy ny mamonjy ny ain'ny olona rehetra izy. Ary ny irakay dia eny aminareo miaraka amin'ny porofo. Ary amin'ny alalan'io dia mora aminareo ny hanao fanararaotana ety an-tany» (al Ma'ida 5:32).[23]

Misy andininy hafa koa mampatsiahy fa ny heloka dia tsy maintsy mahavoasazy ary ny mpanao azy dia hahazo ny sazy mendrika azy (al-Baqara 2:178-179; al-Mâ'ida 5:45).

Amin'ny finoana silamo, ny famonoana olona tsy an-drariny dia heverina ho toy ny heloka ary dia anisan'ireo fahotana lehibe. Io toejavatra io dia tafiditra ao amin'ireo fahotana lehie fito voalazan'ny Mpaminany ary manameloka izay nahavita azy amnf ijaliana ety an-tany ka hatrany an-danitra (ny lalanan'ny maso solon'ny maso ety an-tany ary ny afobe any an-danitra).[24] Ny mamono olona dia heloka manohitra ny aina sy ny mpanompon'Andriamanitra izay nataony homasina; fanankorontanana ny filaminam-bahoaka sy ny fahatsaran'ny fiarahamonina izany.

Ny teny hoe «qatl» dia midika hoe «mamono olona, manala ny ain'ny zava-mananaina iray» voafaritra ho asa «mampanalavitra ny fanahy amin'ny vatana» izany.[25] Antsoina hoe «mpamono olona» izay mamono zava-mananaina ary mitarika ny fanasarahana ny fanahiny amin'ny vatany, ary «iharan-doza» ilay maty.[26] Amin'ny finoana silamo, ny mamono olona tsy misy antony ara-drariny dia heloka lehibe indrindra: io no faharoa aorian'ny «chirk» (fanambarana zavatra hafa amin'Andriamanitra)[27] Andriamanitra no nanome ny aina ka tsy nisy afaka manala izany tsy fanomezan-dalana avy aminy sy tsy misy lalàna mifehy izany. Masina ny ain'ny olombelona tsirairay avy, tsy azo zimbazimbaina ary arovana raha tsy misy fanamelohana ho faty notapahin'ny manampahefana ara-dalàna. Ny sazy rehetra notinapaka dia tsy azo ampiharina, afa tsy ireo vondrona fantatra ara-dalana no mampihatra azy. Ary na dia ny fanamelohana ho faty izay fanomezan-dalana hanala ny ain'olombelona aza dia feran'ny lalàna. Manambara ny Mpaminany fa ny fanomezan-dalàna hamono silamo iray dia tsy azo atao raha tsy ao anatin'ireo toe-javatra telo ireto: na hampiharana ny lalàna maso solon'ny maso amin'ny mpanao vonoan'olona efa nomarinana, na sazin'ny fijangajangana nataon'olona manambady, na sazin'ny fivadiam-pinoana tsy miverina ilay olona ao anatin'ny fotoana voafetra ho amin'izany. Ny heloka lehibe dia vokatry ny fandikana ny fifanekena efa nipetraka.[28]

Marokoa ireo hadita miresaka io lafin-kevitra io toy izao manaraka izao: «Ny mamono silamo iray tsy andrariny dia heloka mitovy amin'ny famotehana an'izao tontolo izao»[29]. «Raha mivondrona mamono silamo iray ny zava-drahetra eto an-tany sy any an-danitra dia hatsipin'Andriamanitra marina any amin'ny afobe ny lohany amin'ny oalohany, hopotipotehiny sy tsy hekeny»[30]; «Tsy misy fiambahambana, tsy azo zimbazimbaina ny rà sy ny fanananareo»[31]. Ao amin'ny hadita hafa ny Mpaminany dia mananatra antsika amin'ny «zavatra 7 manimba»; anisan'ireny «manala ny aina izay nataon'Andriamanitra ho masina raha tsy amin'ny antony marina»[32]. Hadita iray hafa koa manohitra ny famonoana olona: «Ireo izay mamono tsy silamo izay nanasonia fifanarahana tamin'ny silamo, na olona iray tsy silamo nanaiky ny fahefan'ny silamo dia tsy handra ny fofon'ny Paradisa»[33].

Nanavaka sokanjim-pamonoana olona samihafa ny manam-pahaizana silamo. Misy 5 izy ireo raha aaka ny sekoly hanifa: ny famonoan'olona fanahiniana, ny famonoan'olona manakaiky ny fanahiniana, ny famonoan'olona tsy nahy, ny famonoana olona manakaiky ny tsy nahy sy ny famonoan'olona nisy namporisika[34]. Araky ny hevitr'ireo manampahaizana tena maro anefa (Joumbour), anisan'ireny I Hanbalî sy ny Châfiî, dia tsy misy afa tsy sokajiny telo, roaihany aza raha ny hevitr'I Mâlikî. Eto isika dia hanaraka ny karazam-pamonoana olona telo: fanahiniana, manakaiky ny fanahiniana sy tsy nahy.

Ny famonoan'olona sy ny saziny ao amin'ny CORAN

Alohan'ny hilazana fa ny famonoana olona dia tena voarara tanteraka araka ny fivavahana (al-Isrâ 17:33) dia mametra ny famaizana hoan'io heloka io koa ny CORAN raha tsy afa-po ny mpandova an'ilay niharam-boina tamin'ny tambiny eto an-tany, na dia «na iza na iza manda izany ampitiavana dia toy ny fandrobana ho azy izany» (al-Baqara 2:178; al-Mâ'ida 5:45) sy ny Afobe mandrakizay any andanitra (raha tsy amin'ny alalan'ny fanomezana avy amin'Andriamanitra) (an-Nissâ' 4:93; az-Zoumar 39:53). Hoan'izay mino, goavana ny sazin'ny any an-koatra, ny lehibe indrindra, ny mafy indrindra amin'ny fanamelohana. Midika izany fa raha voameloka ao amin'ny fanjakan'ny mandrakizay satria namono olona dia sazy tena mampangovitra ny mpino ary manakana azy tsy hanao fahotana toy izany. Izany no handidian'Andriamanitra mahery hoe:

«Na iza na iza mamono antsitrapo mpino iray dia ny afobe no anjarany, fonenany mandakizay. Hokinapok'Andriamanitra amin'ny fahatezerany izy, hozoniny ary hanomanany sazy goavana» (an-Nissâ 4:93).

Tsy misy heloka hafa ao amin'ny CORAN manameloka mafy toy izany. Ny andininy ao amin'ny CORAN izay feno indrindra mikasika ny lalàna mifamatotra amin'ny vonoanolona sy ny sazy mifanaraka aminy dia hita ao amin'ny Sorata al-Baqara:

«Ry mpino! efa nambara taminareo ny maso solon'ny maso amin'ny famonoana: olona afaka solon'ny olona afaka, andevo solon'ny andevo, vehivavy solon'ny vehivavy. Fa izay voavela heloka ny rahalahiny dia tsy maintsy miatrika ny fepetra ilaina ary tsy maintsy manefa ny onitra. Fanalefahana avy amin'ny Tomponareo izany ary famindram-po. Noho izany, na iza na iza mandika lalàna aorian'izany dia hahazo sazy henjana tokoa» (al-Baqara 2:178).

Io andininy io dia mamaritra fa zavatra tsy azo ialana ny maso solon'ny maso «quissâs» izay tsy azo ialana raha tsy mamela heloka ny iray amin'ny mpandova ny niharam-boina ary io famelan-keloka io dia fomba fanao tena mendrika sy tsara indrindra. Azo atao ary ve ny mihavana rehefa mahazo tambiny (ad-diyya) fa tsy mampihatra ny lalanan'ny maso solon'ny maso. Ankoatra izany, io andininy io dia manambara ny fitovian'ny rehetra manoloana ny «zo hiaina». Nanova ny lalàna jody mikasika ny fitsarana izy izay tsy manaiky ny famelan-keloka sy ny fitsarana kristianina manao hoe tsy azo atao ny maso solon'ny maso. Io andininy ambony io dia manipika ny fahambonian'ny tambiny eo amin'ny fampiharana ny maso solon'ny maso ary mamarana ny fomba taloha sy ny lalàna arabo izay manome alalana ny fanaovana valifaty amin'ny anaran'ny voninahitra, manosihosy ny zon'olombelona ary manimba ny fitovian-jo hiaina[35]. Araka ny voalazan'ny manam-pahaizana silamo dia tsy ahitana afatsy ny fanamelohana ho faty ao amin'ny lahatsoratra voalohan'ny Torah –tsy misy famelan-keloka, tsy misy tambiny[36]. Ary hoy ny Mpaminany:

«Hoan'ny zanak'Israely dia tsy misy ny tambiny afatsy ny maso solon'ny maso (quissâs)»[37] Io hadita io dia hamafisin'ny andininy hita ao amin'ny Torah ankehitriny: «Aza manaiky tambiny hoan'ny ain'ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty ianareo fa tsy maintsy vonoina izy» (Fanisana 35:31).

Noho izany tsy mamela ny hialana amin'ny fahafatesana amin'ny fandoavana tambiny va ny Toraha.[38]

Ny famelan-keloka sy ny vidin'aina

Manome alalana ny fampiharana ny maso solon'ny maso amin'izay nanao heloka ny finoana silamo an maha lalàna azy; mitaky ny tambiny amin'ny fiarovana ny soatoavina tsy ho voahitsakitsaka ny fahamarinana. (al-Baqara 2:94). Ny mamerina ny mitovy anefa dia raran'ny CORAN matetika (tsy hoe tsy maintsy atao). Ny mifanohitra amin'izany, maro ireo andininy mandrisika ny mpino hamela heloka satria mendrika kokoa izany:

«Ny fisintonana dia manakaiky kokoa ny famindram-po. Ary aza adino ny fifamalianareo soa. Satria hitan'Andriamanitra tanteraka izay ataonareo» (al-Baqara 2:237).

«Tsy mitovy ny asa tsara sy ny asa ratsy. Tohero ny ratsy satria ratsy izy; ary ho tonga namanao izay nifanandrina taminao» (Foussilat 4:34).

«Ny sazin'ny asa ratsy dia asa ratsy, sazy mitovy. Na iza na iza anefa mamela heloka sy miova dia ao amin'Andriamanitra ny karamany. Tsy tiany ireo tsy marina» (ach-Chourâ 42:40).

«Ary izay miharitra sy mamela heloka, dia naisan'ny fanapahan-kevitra tsara marina izany sy vahaolana ao amin'ny resaka» (ach-Chourâ 42:43).

Manamarika ihany koa ny finoana silamo fa amin'ny fampiharana ny sazy dia tsy azo ioharana ny fetran'ny tokony ho izy (al-Isrâ' 17:33).

Hamarinintsika eto fa tsy maintsy ampaherezina ny olona hamela heloka amin'ny ratsy natao azy. Matetika tsy misy olona manana fahefana hamela heloka ny fandikana lalana mandritra ny fiarahamonina, manohitra ny soatovaina masina na manohitra ny soatovaina napetrak'Andriamanitra. Na dia ny govenemanta aza tsy afaka mamela heloka ny fanafihana amin'ny anaran'olona iray ary ny tsyrairay koa dia tsy manana ny fahefana ny hamela heloka amin'ny anaran'ny fiarahamonina. Mampitandrina ny fiarahamonina amin'ny fampiharana ny sazy koa ny CORAN ary manoro hevitra mba hitandrina ny fetra apetraky ny famindram-po:

«(…) Mihatra amin'ny zava-masina rehetra ny maso solon'ny maso. Noho izany, na iza na iza mandika lalana manohitra anareo dia tohero izy ho amin'ny fandikan-dalana mitovy. Ary matahora an'Andriamanitra. Ary fantaro fa miaraka amin'ny mpino Andriamanitra» (al-Baqara 2:194). Milaza lafin-kevitra lehibe tsy voalaza ao amin'ny Torah ny CORAN ary mikasika ny sazy ampiharina amin'ny mpamonoolona izany: ny zo hisafidy sy hamela heloka homena ireo mpandova ilay noharam-boina: «Fa izay navela heloka ny rahalahiny dia tsy maintsy manefa ny tamberim-bidy mifanaraka amin'izany. Fanalefahana avy amin'ny Tomponareo izany ary famindram-po» (al-Baqara 2:178). Hita eto ny fampihononana hoan'ilay mpamono olona izay mety ho voavela heloka sy fampihononana vitsivitsy hoan'ny fianakavian'ilay niharam-boins ihany koa amin'ny alalan'ny tamberim-bidy. Ny safidy amin'ireo lafin-javatra telo (maso solon'ny maso, famelan-keloka sy tamberimbidy) dia fampihononana sy famindram-po izay omen'Andriamanitra sy ekeny amin'ny fiarahamonina sil[39]. Io fahatsaram-pon'Andriamanitra dia fanomezana tsy maintsy ankasitrahin'ny silamo. Maneho vahaolana ara-dalana omena nysil io mba hamelana ny olona hanohy hiaina amin'ny fiainany amin'ny famitranm-pihavanana sy tsy hanapahana ny fiainan'ny hafa.[40] Manazava io toe-javatra io ny Mpaminany amin'ny filazana hoe: «Na iza na iza maty, na tamin'ny tsy andrariny aza, dia manan-tsafidy amin-javatra telo ny mpandova azy: ny lalanan'ny maso solon'ny maso, ny famelan-keloka na ny tamberim-bidy. Raha misy safidy fahefatra tiany noho ireo dia aza avela ataony»[41].

Raha manome vola ny fianakavian'ny mpamono olona na fananana hoan'ny fianakavian'ilay niharam-boina dia foana miaraka amin'izany ny «qissâs» (maso solon'ny maso), alohan'ny fitsarana, atao anefa izany rehefa nahavita fifanarahana mialoha ireo andaniny sy ankilany. Avy eo izy roa dia tsy maintsy manao ny fepetra voalazan'ny fomba amam-panao[42]: ny fianakavian'ilay niharam-boina dia heverina ho naneho famindram-po fa ilay fianakavian'ny mpamono kosa dia tsy maintsy mandoha ny tambiny, aryny fianakavian'ilay niharam-boina dia tokony hionona amin'ny zavatra nataony ary tsy mahazo mitaraina intsony na hanao fanamarihana vy eo[43]. Satria tsy azo atao ny mampihatra am-pahany amin'ny lalàna maso solon'ny maso na dia ampahany aza ny famelan-keloka dia heverina ho tanteraka izy[44]. Amin'io foto-pisainana io ihany, raha iray amin'ny fianakavian'ilay niharam-boina no mamela heloka dia heverina fa tanteraka koa io famelan-keloka io, heverina ho toy ny avy amin'ny fianakaviana manontolo.

Ny fanesorana tsy ho mpandova sy ny zo atao an-taratasy miafina

Ankoatra ireo fitsipika voalaza amin'ny finoana silamo ireo dia misy fitsrana hafa hamafisin'ny SONA nataon'ny Mpaminany izay manondro ny mpamono olona tsy handova ilay niharam-boina. Ireo manam-pahaizana rehetra dia samy manaiky fa ny famonoana olona dia vato misakana ny zo mifandraika amin'ny fandovana sy ny zo atao amin'ny didy miafiny. Hoy ny Mpaminany araka ny hadita: «Tsy manana ny toerany ao amin'ny didy miafiny ny mpamono olona»[45]. Raha misy mpandova na iza na iza manan-jo hanana anjara ao amin'ny didy miafina dia foana izany[46], esorina ao amin'ny didy miafina izy ary tsy omena lova. Ireo mpitsara Hamza dia milaza fa ny heloka dia tsy maintsy nataon'ny mpamono olona ihany (moubâchara) fa tsy hoe tsy mivantana na tafiditra tao tsy nahy (tassabboub). Amin'ny sehatry ny moubâchara, dia tsy misy faha samihafana na fanahiniana na tsy nahy ny famonoan'olona.

Dr. Adil Oksuz – Doctorat sur la Loi Islamique. Il enseigne actuellement à l'Université Sakarya, Adapazarı.

Références

  • Baruch A. Levine, Bible Commentary Series: Leviticus, Philadelphia: The JPS (Jewish Publication Society): 1989.
  • Suzan Alalu et autres, Sara Yanarocak, Yahudilikte Kavram ve Değerler, Istanbul: 2001, Gözlem Gazetecilik Basın ve Yayın A. Ş.
  • Bilmen, Ömer Nasuhi, Hukukı İslâmiye ve Istılahatı Fıkhıyye Kamusu, Istanbul: Bilmen Basım ve Yayınevi.
  • Nahum M. Sarna, Bible Commentary Series: Philadelphia: The JPS (Jewish Publication Society): 1991.
  • Yusuf Besalel, Yahudilik Ansiklopedisi, II, 317.
  • Moses Mainmonides, Code of Mainmonides, Book Eleven, the Book of Torts, Yale University Press: 1954. Traduit de l'hébreu vers l'anglais par Hyman Klein.
  • Rashi (Rabbi Solomon ben Isaac ou Shlomo Yitzhaki).
  • Rosenberg, A. J., A. Cohen, Soncino Chumash, England: 1947.
  • Hirschler, Gertrude, Ashkenaz: The German Jewish Heritage, New York: Yeshiva University Museum, 1988.
  • Hirsh, Rav Samson Raphael, Commentary on Genesis 22:2, New York: Judaica Press, 1971.
  • Jacob Milgrom, Bıbl Commentary Series: Numbers. Philadelphia: The JPS (Jewish Publication Society): 1991.
  • Mawdudi, Tafhîm al-Qour'ân.
  • Udeh, Abdulkadir, At-Tachrî al-Jinâ'î al-Islâmî, Beyrouth: Moussassat'ar-Risâla, 1996.
  • Yazır, Elmalılı M. Hamdi, Hak Dini Kur'an Dili.
  • Kassani, Alaouddin Abou Bakr Ibn Massoud, Badâi'ou's-Sanâi'fî Tartîbi ach-Charâı', VII, 351-352, Beyrouth: Dar al-Fiqr, 1996.
  • Az-Zhauyli, al-Fıqh al-Islamî.
  • Jassas, Al-Ahkâm.
  • Qourtoubı, Al-Ahkâm, an-Nissâ'.
  • Alusi, Rouhou'l-Ma'ânî, al-Baqara.
  • Qotb, Fî zilâl al-Qur'ân, al-Baqara, 178, I, 164.
  • Jabr Mahmud al-Fudaylat, Soukout al-'Ouqoubât fî'l-Fıqhi al-Islamî. Edited by Ahmad Khalifa, Amman: Dar al-Ammar, 1987.
  • Ibn Humman, Fath al-Qadir.

[1] Baruch 1989, 167.
[2] Suzan Alalu et autres, 2001, p. 156.
[3] Jurjani, Ta'rifat, entrée «q-t-l», p. 172; Abu al-Baka, Kulliyyat, p. 179; Ragib, Moufradât, entrée «q-t-l», Bilmen, Vol. III, p. 17.
[4] Nahum M. Sarna, Bible Commentary: Exodus, Philadelphia: The JPS (Jewish Publication Society), 1991, 20/13, p. 113.
[5] Besalel, Yusuf, Yahudilik Ansiklopedisi, II, 317.
[6] Ibid. II, 318.
[7] Moses maimonides, code of maimonides, Book of Torb, yall Uniersity Press; 1954. nadika tamin'ny teny hebreo ho amin'ny teny Anglisy, nadikan'I Hyman Klein, pp. 195-203.
[8] Hirsh, II, 304.
[9] Ny adihevitra eto dia mikasika ny tsaika, araka ny voalazan'ny Torah dia velona ny zaza teraka 2 volana alohan'ny tokony hahaterahany fa ny zaza teraka iray volana aloha dia tsy velona. Ny mamono io farany io dia tsy mahameloka ho faty (Rashi, II, 304; Rosenberger sy Cohen 1947, 474).
[10] Rosenberg et Cohen 1947, 760.
[11] Rashi, III, 112a-113.
[12] Hirschler, p. 486-487.
[13] Rosenberg et Cohen 1947, 760; Rashi, III, 112b.
[14] Rashi, III, 112b.
[15] Hirschler, p. 643.
[16] Rosenberg et Cohen 1947, 979.
[17] Hirsh, IV, 559.
[18] Rosenberg et Cohen 1947, 980.
[19] Rashi, IV, 168.
[20] Hirsh, IV, 559.
[21] Rosenberg et Cohen 1947, 980.
[22] Jacob Milgrom, Bible Commentary Series: Numbers, Philadelphia: The JPS (Jewish Publication Society), 1991. VErsets 35:30-31, p. 295.
[23] Fomba fiteny mitovy amin'izany ao amin'ny Talmud, jereo Mawdudi, Tafhîm al-Qur'âm, 1/495: «Na iza na iza mamono, mamono ny ain'Israely iray, araka ny bokin'Andriamanitra, dia mamotika izao tontolo izao. Ary izay miaro ny ain'Israely iray dia manavotra izao tontolo izao eo imason'ny bokin'Andriamanitra». Ankoatra izany dia taterina ao amin'ny Talmud fa ny Mpitsara Israelianina dia miteny amin'ny vavolombelona hoe : «Na iza na iza mamono olombelona dia hanontaniana toy ny namono ny mponin'ny tany rehetra».
[24] Boukhari, al-Houdoud, 44; Mouslim, al-Imam, 144-145.
[25] Jurjani, Ta'rifât, p. 172; Abu al-Baka, Kulliyyat, p.729; Ragib, Mufradât, «q-t-l»; Zuhayli, al-Fiqh al-Islâmî, VI, 217.
[26] Bilmen, Ömer Nasuhi, Hukuk-u Ïslamiyye, III, 17.
[27] Mouslim, al-Imâm, 144; Boukhari, al-Foudoud, 44.
[28] Boukhari, ad-Diyyât, 6; Mouslim, al-Qassâma, 25-26.
[29] Nasai, Tahrîm ad-Dam, 2.
[30] Tirmidhi, ad-Diyyât, 8.
[31] Boukhari, al-‛Ilm, 37; Mouslim, al-Hajj, 147.
[32] Boukhari, al-Houdoud, 44; Mouslim, al-Imâm, 144-145.
[33] Boukhari, ad-Diyypat 30; Abou Dawoud, al-Imâm 153.
[34] Udah, Abdulkadir. At-Tachrî‛ al-Jinâiry al-Islâmî, II, 8-9, Beyrouth : Mouassasat ar-Risale, 1996; Zuhayli, al-Fiqh al-Islâmî, VI; 221.
[35] Yazir, elmahh M. Hamdi. Had Dini Kur'an dili, 1/601.
[36] Zamahchari, Kachchâf, al-Baqara, 178, I, 220; Radhi, Mafâtîb, al-Baqara, 178, II, 221, 225.
[37] Boukhari, at-Tafsîr, 23, ad-Diyyât, 8.
[38] Rashi, IV, 170.
[39] Alusi, Rouh al-Ma‛ani, al-Baqara, 178-I, 51.
[40] Quth, Fi zilal al Qur'an, al-Baqara, 178, I, 164.
[41] Abou Dawoud, ad-Diyyât, 3, 4; Tirmidhi, ad-Diyyât, 13.
[42] Jassas, Ahkâm, I, 184.
[43] Ibn Humam, X, 239.
[44] Yazir, al-Baqara, 178, I, 604-605. cf. ar-Razi, Mafâtîb, al-Bakara, 178, II, 225-6.
[45] Ibn Maja, ad-Diyyât, 14; Ahmad ibn Hanbal, Mousnad, 1/49.
[46] Zaylai, Nasb ar-R^paya, 4/402.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.