• Home
  • Terrorisme
  • Fandinihana Mikasika Ireo Fitsipiky Ny Ady Ao Amin'ny Lalana Silamo

Fandinihana Mikasika Ireo Fitsipiky Ny Ady Ao Amin'ny Lalana Silamo

Mampalahelo fa ny fampihorohoroana no tena zava-misy ara-tsosialy mivandravandra amin'ny haino aman-jery. Araka ny fantatra dia tsy voazava amin'ny anton-javatra tokana ny zava-misy ara-tsosialy. Ny psikolojian'ny fampihorohoroana, ny faritoe-javatra misy azy ara-tantara, ny antony ara-politika, ara-toekarena sy sosialy sy ireo vinavinam-bahaolana dia lafin-javatra voakasika avokoa. Ny antony hoe ny hevitra fampihorohoroana miaraka amin'izay ao anatiny sy ny fetrana dia mbola tsy voafaritr'ireo manampahaizana manokana amin'ny lalàna dia maneho tsy fahafenoana goavana. An dia izany aza araka ny hevitra tsara iombonana dia azo heverina fa ny asa ratsy atao izay miafara amin'ny famonoana ny tsy manantsiny no azo hanafiana toetra ny fampihorohoroana.

Zava-miseho hafakely kanefa tsy dia manandanja dia ny fampihorohoroana ary voatonontonona miaraka amin'izany ny silamo. Amin'ny tena fototr'io olana no ahitana fanazavana diso toerana. Miteraka adihevitra maro izy io izay tsy matintsika lolo. Manadihady ireo fanazavan-diso avy amin'ny fahatsapana izay azo atao ny mikasika ny teny hoe «qitâl» (miady) sy «qatl» (mamono izay miseho ao amin'ny andininy sasany ao amin'ny CORAN ihany isika eto.

Ny zo hiaina, hanamboninahitra sy fanan'ny olona iray izay tsy azo zimbazimbaina no manatraka ny foto-kevi-dehiben'ny finoana silamo. Noho izany, ny heloka rehetra manelingelina ny mahatsy azo zimbazimbaina ny aina, ny voninahitra na ny fananan'ny olona iray dia ho voasazy eto an-tany sy any an-koatra. Voalaza mazava ao amin'ny CORAN fa& ny famonoana olona iray dia mitovy amin'ny famonoana ny olombelona manontolo ary ny manavotra ain'olona iray dia toy ny manavotra ny ain'ny olona manontolo. Manamafy ny maha zavadehibe ny ain'ny olombelona ny CORAN amin'ny lafiny rehetra (al-Mâ'ida). Avahan'ny CORAN ihnay ko ny sazin'ny famonoana olona iray izay tafiditra ao amin'ny vondrona nanaovan'ny silamo fifanrahana (an-Nissâ' 4:92). Io filazana io dia nahasahana ihany koa irao olona tsy anisan'ny vondrona nanaovan'ny silamo fifanarahana (Yazar 2/1420-1421). Araka ny voalazan'i Abou Hanifa, raha mamono tsy silamo ny silamo iray dia mitovy ihany ny sazy (kassani 1986, 7/252).

Satria ny zavatra ambony indrindra amin'ny silamo dia ny miaro ny filaminam-bahoaka, ny lalàna, ny filaminana, ny fitandroana ny fananana sy ny aina sy ny fahalalahana mivezivezy, noho izany ny heloka mandika sy manointoina ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny olona dia tafiditra ao amin'ny fitsipidalana famaizan'ny silamo amin'ny «Hadd» (heloka be vava mahavoasazy mafy). Mandidy ny CORAN fa ny olona manao ireo heloka ireo dia ho voasazy mafy ety an-tany ary milaza koa fa ny sazin'izany any ankoatra dia hahatsiravina (al-Ma'ida 5:33).

Ao amin'ny lalana silamo dia fomba hafa mihitsy no hitsarana ny ady. Ny fikomiana ihany koa dia tafiditra ao anatin'ny ady. Ao amin'ny CORAN, na dia misy aza ny teny hoe «harh» sy «ghazw» dia ny teny ho «qitâl» no tena ampiasaina matetika hilazana ny ady. Manaaka ady aratantara, ady ifanandrinan'ny samy vondrona silamo ary matetika ady ifanandrinan'ny silamo sy ny tsy silamo ny CORAN.

Ny ady ao amin'ny lalàna islamika

Hatrany amin'ny fiandohan'ny tantaran'ny finoana silamo no efa nanangona sy nandahatra ireo fanapahan-kevitra nikasika ny lalàna mifandraika amin'ny ady ny mpahay lalàna silamo. Ny boky voahangona natokana hoan'io lohahevitra io mitondra ny lohateny hoe «siyr» dia efa hatramin'ny taonjato faha IIan'ny Hezira (822). Ohatra tokana voalohany eo amin'ny toatohan'ny literatiora izay mandinika ny ady amin'ny lafiny lalàna ireo boky ireo. Nanoratra ny «kitâb as-Siyer as-Saghîr» ny Emam Mohammed izay ahitana ny hevitr'i Abou Hanifa mikasika io lafin-javatra io. Tsikerain'i Awzaî ny hevitra sasany ao amin'io boky io, ary manome valiny isaky ny tsikera i Abou Youssouf ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «ar-Raddou ‛alâ Siyeri al-Awzaî». Taty aoriana kely dia nanoratra boky manazava tsara kokoa ny Imam Mohammed: «kitâb as-Siyer al-Kabîr» (Yaman 1998, 38). Maro ireo fandalinana voasoratra mikasika ireo boky roa nosoran'ny Imam Mohammed ireo satria ireo no boky fototry ny sekolin-dalana Hanifa. Nandritry ny vanim-potoana Ottomane, ny fanadihadian'I Sarakhsi «cherk kitâb as-Siyer al-Kabîr» dia voadika tamin'ny teny hoe ary anisan'ireo boky ao anatin'ny fandaharan-pianarana ao amin'ny sekoly fanofanana miaramila (Zursali 1972, 1/407).

Ny lalana silamo mikasika ny toetry ny ady sy ny fandriampahalemana dia voarakitra ao amin'ny fizarana «Siyer» ao amin'ny literatiora «fiqh» (lalana silamo), io dia miorina amin'ny lalana hita ao amin'ny CORAN sy ny SONA. Ao amin'ireo fizarana ireo dia ny mikasika ny lalana no voalohany ary mikasika ny fifvavahana ny faharoa ary anisan'ireo dia dinihina amin'ny antsipirihany ny mikasika ny ady. Misy hevitra manandanga iadian-kevitra ao, ohatra: ny fifanarahana amin'ny «dhimma» (fiarovana) miaraka amin'ny tsy silamo sy ireo vokany, ny fampidirana ny «emân» (fifanarahana amin'ny filaminana na ny fandriampahalemana), ny fifanarahana iraisam-pirenena tsy silamo aza. Ny ady tao «ar-Ridda» sy ny fanapahakevi-pitsarana mifanaraka amin'ny fikomiana (khanrârij/Baghy) ihany koa dia anisan'ny fizarana mandrafitra ireo boky ireo (Semerkandi 1984, 3/293).

Ao amin'ny lalana silamo, ny ady dia dinihana arak'ireo endriny fototra (oussoul) ankilany sy amin'ny alalan'ireo vokany an-daniny (fourou). Amin'ny fomba fiasan'ny lalana silamo, ny teny hoe «hassane» (tsara) dia dinihina ao amin'ny tontolon'ny adihevitra «housu-koubh» (tsara-ratsy) ary zaraina andiany roa: «hassane li‛aynihi» (tena tsara, tsara eo aminy) sy «hasanne lighayrihi» (tsara tsy mivantana, tsara noho ny vokany). Arak'io fanasokajiana io, ny ady dia tafiditra ao amin'ny sokajin'ny «hassane lighyrihi».

Raha atao amin'ny teny hafa dia tsy tsara mandrakariva akory ny ady satria fototry ny zava-dratsy toy ny fakana ny aina sy fanapotehana faritra manontolo. Matetika dia heverina ho tsara ny ady na, ny filaminana sy ny aina, ny fananana, ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina sy ny taranaka (kassani 1986, 7/100; Bilman 3/380).

Ao amin'ny fampianaran'ny lalàna silamo dia misy hevitra maro mikasika ny ady eo amin'ny fahitana azy amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny fomba fiasa mijery ny ady ho fototry ny fifandraisana iraisam-pirenena amin'ireo firenena tsy silamo, fomba fiasa hafa –indrindra ny an'ireo rehetra mifamatotra amin'ny tsy finoana (koufr) ho an'izany «lalàn'Andriamanitra» (zavatra misy eo amin'Andriamanitra sy ny mpanompony). Noho izany ny fitsarana io toe-javatra io dia miankina amin'ny any ambony (sarakhsi 1997, 4/186). Amin'ny tena heviny, ny fifandraisana iraisam-pirenena dia mifototra amin'ny fandriampahalemana aloha. Marihin'ny CORAN io foto-kevitra io: «Anareo ny fivavahanareo ary ahy ny fivavahako» (kafîroun 109:6) ary «Anareo ny asanareo fa anay ny anay» (al-baqara 2:139; al-Qassas 28:55; ach-chou‛arâ' 42:15).

Na dia tsy misy miiba aza ao amin'ny hevitra fototry ny finoana silamo, ao amin'ny etikany na ao amin'ny fisehony ara-tsosialy, any amin'ny toerana sasany dia mametraka fanontaniana amin'ireo fanamelohana atao amin'ny Mpaminany ny CORAN indraindray ary eo amin'ny heloka ataon'ny silamo koa indraindray. Ohatra, tamin'ny tantara mikasika ny CORAN nosoratan'olona tsy notonona anarana tamin'ny andron'I Moizy Mpaminany –olona nifidy ny hanaparitaka ny finoany hatramin'ny andro namoahany ny zava-miafiny-, misy andininy iray manao hoe: «Mamonoa ianao olona iray satria izy niteny hoe: «Andriamanitra no Tompoko» (Ghâfir 40:28). Indray mandeha nilaza izany tamin'ny Mpaminany I Abou Bakr, nanonona io andininy io hanoherana ny paiana (Ibn Hicham 1/290). Mbola amin'io fomba fijery io ihany, ny mikasika ny silamo dia voafaritra ao amin'ity andininy ity: «ireo izay voaroaka amin'ny trano fonenany –manohitra ny fahamarinana, satria izy niteny fotsiny hoe: «Andriamanitra no Tompontsika» (al-Hajj 22:40).

«Nandroaka ny irak'Andriamanitra izy ireo ary ianareo koa satria mino an'Andriamanitra ianareo, ilay Tomponareo» (al-Mumtahana 60:1).

Ao amin'ny andininy mikasika ny ady dia faritana amin'ny fomba maro ny asan'ny fahavalo:

«Tsy hitsahatra ny hiady aminareo hatramin'ny hanodinany anareo amin'ny finoanareo izy ireo raha azony atao izany» (al-Baqara 2:217)

«Tsy anovan'Andriamanitra ho mpano soa ianareo na olo-marina manoloana izay tsy miady aminareo hoan'ny fivavahana ary tsy hanafikanareo any amin'ny tranonareo. Satria Andriamanitra tia ny marina» (al-Mumtahena 60:8).

Marihina fa nomena ny silamo ny alalana hiady «satria tena notsinontsinoavina izy ireo» (al-Hajj 22:39).

Voatanisa ihany koa ny anton'ny ady hafa: ny fahavalo no namaky ady voalohany (at-tawba 9:13), tsy nanaja ny teniny amin'ny fandikana ny fifanarahana ny fahavalo (at-Tawba 9:8,10), ary ny famadihan'ny fahavalo (al-Anfâl 8:58). Araka izay nasehon'I Sarakhsi, ny antony hidirana amin'ny ady dia voatondro mazava na tsia (Sarakhsi 1986, 10/110).

Mitanisa fahavalo maro ny CORAN «izay hoavy aminareo avy any ambany ka hatrany ambony» (al-Ahzâb 33:10). Mampiasa ny fomba fiteny toy ny «tsy arabo rehetra dia hifandray aminareo koa ny Mpaminany. Tamin'ny zava-nisehon'ny «ila»[1] dia nampiasa izao fomba fiteny izao I ‛Omar: «Hanafika va ny Ghassanides?»

Ny fiheritreretan'ireo mpitarika Ghassanide fa I Medina dia toy ny «dâr al-hawân» (toerana azo tsinontsinoavina) eny fa na dia taorian'ny ady tao Tabouk aza dia manazava io maripifandraisana io[2]. Amin'ny fandalinana lalindalina kokoa anefa dia tsy maintsy fantarina ny fihetsiky ny sassanides sy ny Byzantins manoloana an'I Medina (ny fanjakana silamo).

Ny Mpaminany sy ny vahaolana ara-diplomatika

Rehefa tonga tao medina ny Mpaminany dia ny nanasonia fifanarahana tamin'ireo mponina jiosy teo antanana aloha no nataony voalohany (Waqidi 1966, 184). Ambaran'ireo bokin'ny tantara ireo fifanarahana maro –mifamatotra amin'ny fivavahana/amin'ny politika- izay nataon'ny Mpaminany tamin'ireo foko maro. Ny manampahaizana Muhammad Hanidyllah (efa aty) dia nametraka fa «ny Irak'Andriamanitra dia efa nanao fifandraisana tamin'ny ampahany tamin'ny fokon'ny Jouhaïne nandritry ny taona voalohan'ny Hezira, ary ny tahirin-kevitra ara-tantara dia maneho fa nanasonia fifanaraham-pifandraisana tamin'ny Bani Demre, ny Bani Moudli, ny Bani Zou‛ra sy ny Bani Rab‛ nandritry ny taona faha roa izy» (Hamidullah, 1987,75). Io mpanoratra io ihany, ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Majmou‛Andriamanitra al-Wathâ'iq as-Siyassia» dia mitondra ny fifanarahana vitan'ny Mpaminany tamin'ireo foko sasantsasany. Hoy ny Mpaminany talohan'ny nanaovany sonia tao Houdaïbiyya: «Loza ity hahazo an'i Qoraïche! namotika azy ny ady. Tafiditra ao anelanelako sy ny tany arabo sisa fotsiny izy! raha mandresy izy dia hanana izay rainy; fa raha omen'Andriamanitra ahy ny fandresena dia hanaiky ny finoana silamo izy. Fa raha matanjaka izy ankehitriny, haharitra afiriana izany?» (Abou Youssouf, 1910, 208).

Nandritry ny adihevitra tamin'ny fanaovantsonia ny fifanarahana tao Houdaïbiyya, na dia teo ambanimason'ny rehetra aza ny zavatra nanjo an'i Abou Jandal izay nampijaiana noho ny fivadihany ho silamo ary notoherin'ny mpanaradia ny Mpaminany izany (tamin'ny fandavana ny famelana an'i Abou Jandal ho any ivelan'ny fiarovan'ny silamo) dia nosoniavin'ny Mpaminany ihany ny fifanarahana (Waqidi 1966, 2/612). Taorian'ny fanasoniavana, io fifanarahana io no nambara ny sorata «fath» (fanafihana). Ny mpanaradia ny Mpaminany dia mitantara fa ireo olona afaka misafidy malalaka ny finoana silamo amin'ny fifanarahana izay mety ho tojon'izy ireo. Nisy akony lehibe io toe-javatra io fa maro ireo silamo vaovao noho ireo silamo efa tranainy talohan'ny fifanarahana (Waqisi 1966, 2/607-610).

Nisy ihany anefa ireo toe-javatra izay tsy maintsy nampiditra ny Mpaminany tamin'ny ady. Ny anton'ireo ady ireo dia voalaza antsipirihany ao amin'ny bokin'ny tantara. Araka ny voalazan'ny tantara dia tsy antony nampiditra ny Mpaminany tamin'ny ady ny tsy fitoviam-pivavahana fotsiny. (mba hahita ny antsipirihany kokoa, jereo Waqidi, al-Maghâzi, Hanidullah, Battufields of the Prophet Muhammad).

Araka ny fantatra dia misy karazam-bahaolana 2 (roa) mba handaminana ny olana iraisam-pirenena: ny vahaolana ara-diplomatika no voalohany ary ny fampiasan-kery no faharoa. Tsy apiasaina ity farany raha tsy efa tena tsy misy azo atao, rehefa tsy mahomby avokoa ny vahaolana ara-diplomatika.

Rehefa tsy milamina ny fifandraisana- araka ny fifanarahana tena atao mafy- dia manandrana mitady vahaolana diplomatika ny Mpaminany.

Nandritry ny vanim-potoana makozy, dia tsy nitsahatra niaran'ny fanafihana ny paiana koraisy ny silamo. Mna handosirana io fampijaliana io dia nifindra monina tany Abisinia (Etiopia ankehitriny) ny silamo sasany, ny paiana sasany anefa dia nanelingelina io fifindrany io. Noho izany dia tsy maintsy nifindra monina tany Medina ny Mpaminany sy ny ankamaroan'ireo mpanaradia azy. Noho izany toe-javatra izany dia tsy nilamina mihitsy ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'ny silamo tao Medina sy ny koraisita tao La Mecque noho ny fihetsik'ireo paiana mekoa. Noho io toe-javatra io no nandefasan'ny Mpaminany mpitsikilo miafina mba hanangona ny vaovao sy hiantohana ny fandriampahalemana. Tian'ny Mpaminany ho geazana ny mpitondra entam-barotra mekoanina notarihin'I Abou Soufyane niditra avy any Siria satria ny ankamaroan'ireo entam-barotra dia fananan'ny silamo norobaina tao La Mecque. Tamin'ny alalan'ny vaovao nangoniny antsokosoka anefa dia nanova ny lalany I Abou Soufyane ka nihazo lalan-kafa nankany La Mecque. Na izany aza anefa, rehefa nahazo io vaovao io koa ireo koraisita dia niomana tamin'ny ady ka nizotra tamin'izany. Tafahoana tampoka teny amin'ny lalana mankany Medina ireo vondrona mpifanandrina, io dia sampanandalana hivilian'ireo mpitondra entam-barotry ny koraisity mankany Siria. Manamafy tsara ny CORAN fa ny tanjon'ny silamo dia ny haka ny entany sy ny fananany (al-Anfât 8:7). Manamafy ny tsy finiavany hiditra amin'ny ady ny fihaonan'ny Mpaminany tamin'ireo mpitarika ny fokon'ny Medina talohan'ny ady mba hiadin-kevitra mikasika izany. Farany naniraka an'I ‛Omar mba hifampiraharaha amin'ny fandriampahalemana saingy tsy nampiova ny olana izany (Waquidi 1966, 1/61).

Araka ny fomba fanao iraisam-pirenena, ny fanafihana olona iray ao amin'ny vondrondra dia toy ny fanafihana ny vondrona manontolo. Tamin'ny fifanarahana tao Houdaïbiyya dia nametraka fifandraisana na tamin'ny silamo na tamin'ny paiana tao La Mecque ny foko arabo. Ny fokon'ny Bani Bakr nitambatra tamin'ny koraisy sy ny fokon'ny Houzâ‛Andriamanitra dia nitambatra tamin'ny silamo. Taty aoriana kely anefa, noho ny fanampian'ny koraisita dia namono silamo vitsivitsy avy amin'ny fokon'ny Houzâ‛Andriamanitra nandritry ny fanafihana tamin'ny alina ny fokon'ny Bani Bakr. Rehefa henon'ny Mpaminany io toe-javatra io dia nampanao fanadihadiana mikasika izany izy. Rehefa tsikaritra ny anjara andraikitr'ireo koraisy dia nandefa Iraka nantsoina hoe Damra ny Mpaminany ma ho solontenany hifampiraharaha tamin'ny koraisy: na izy ireo manefa ny vidin-dran'ireo olon'ny Houzâ‛Andriamanitra novonoiny na tapahina ny fifandraisana amin'ny fokon'ny Bani Bakr. Raha tsy tanteraka ny iray amin'ireo fepetra ireo dia midika izany fa tsy nanaja sy nandika ny fifanarahana tao Houdaïbiyya ireo koraisy. Tsy nisy neken'ireo koraisita ireo na dia iray aza ka nitondra tanam-polo nody tany Medina ny solontenan'ny silamo. Fotoana fohy taorian'izay dia nandefa an'I Abou Soufyane hanavao ny fifanarahana I koraisy kanefa tsy nahomby izany ka foana ny fifanarahana. (Waqidi 1966, 2/783-844).

Ny fitsipiky ny ady mafana

Ao amin'ny rakibolana, ny teny hoe «qitâl» (ady) dia avy amin'ny fakan-teny «qath» (mamono). Midika izany fa ny ady dia mitarika fahaizana mamono na maty. Ampiasain'ny CORAN amin'ny endrika pasiva sy aktiva ny teny ho «qath» mba hilazana ny zavamisy mamono na novonoina na hoan'ny silamo na hoan'ireo fahavalony (at-Tawba 9:11). Na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana dia zavatra tsy azon'ny silamo hireharehana ny famonoana. Izany no antony maha andraikitra ara-pivavahan'ny silamo ny fanarahan-dalana izay mipetraka na misy na tsy misy ady mafy. Azo fintinina ho toy izao manaraka izao ireo fitsipika ireo:

1) Ny fitsipike voalohan'ny ady mafana dia ny fisian'ny anton'ny ady. Misy karazany 20 ny fametrahana azy ao amin'ny andininy mifandraika amin'ny ady: ao amin'ny andininy sasany toy ny «raha miady ianareo dia vonoy izy» (al-Baqara 2:291) kely ny fanomezan-dalana hanala ny ain'ny hafa amin'ny ady. Manan-danja manokana ny sorata at-Tawba satria izy no nambara farany indrindra ary ahitana fanapahan-kevitra mikasika ny ady. Ao amin'io fizaran'ny CORAN io, kanefa izy milaza fa tapaka ny fifanarahana natao tamin'ny foko sasany, voadidy koa anefa ny fanajana ny fifanarahana izay tsy neken'ny foko sasany. Zavadehibe ny manamarika fa ao amin'ny toe-javatra misy ireo foko roa voalaza ireo (izay nanapaka ny fifanarahana sy izay mankasitraka) dia paiana (at-Tawba 9:1-4).

2) Ny fitsipika faharoa mikasika ny ady ao amin'ny lalàna silamo dia tsy maintsy mpiady ny fahavalo. Ireo izay tsy mpiady dia heverina ho tsy manantsiny. Araka io maha tsy manantsiny io dia tsy azo tafihana ny mpisorona sy ny mpitokamonina (moine), tsy mahazo mikasika ny sivily, ny zaza sy ny vehivevy, eny na dia ireo manampy ny mpiady aza; ireo mahandro sakafo sy mitsabo ny ratra. Rehefa nahatsikaritra vehivavy maty teo amin'ny toeran'ny ady ny Mpaminany dia niteny hoe: «kanefa izy tsy anisan'ireo mpiady!» (sarkhsi 1997, 1/32). Raha tafiditra ao anatin'ireo miaramila mandray anjara mavitrika amin'ny ady anefa ireo sokajin'olona voalaza ireo dia tsy tafiditra ary tsy arovan'io fitsarana ankapobeny io (Sarakhsi 1986, 10/110).

3) Mikasika ny fitsipika fahatelon'ny ady ao amin'ny lalàna silamo indray dia ny fanaovan-dratsy ataon'ny fahavalo. Araka io fitsipika io, ny mpiady tsy manisy ratsy na kely aza tamin'ny silamo dia tsy azo vonoina na eny amin'ny sahan'ady aza. Araka ny fantatra, ny fahavalo izay tsy nanao fahadisoana teny antsahan'ady dia atao babo an'ady. Manome safidy ny CORAN na halefa ny babo fa manome zavatra ho takalon'izany na alefa fotsiny ka tsy hiverina (Muhammad 47:4). Nentin'ny Mpaminany am-pahamendrehana tokoa ireo babo an'ady, nambarany tamin'izy ireo fa omena sakafo sy misotro tsara izy ireo. Voalaza ao amin'ny CORAN fa na eo aza ny fahantran'ireo silamo dia tsy maintsy mampisakafo ireo babo izy ireo na inona finoany na inona ary tsy miandry valisoa amin'ny eto an-tany. Ataony fotsiny izany hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra (al-Insân 76:8-9).

Na dia mandritry ny ady aza dia tsy mba nanozona ireo tena fahavalony goavana ny Mpaminany. Mivavaka hoan'ireo tena vonona hamono azy izy, izy sy ny silamo rehetra: «Andriamanitra ô! Mpanomponao izy ireo, tahakanay mpanomponao koe» (Sarakhsi 1997, 1/56).

Tsy ny zanak'olombelona ihany no voalazan'ny CORAN: hita ao koa ny tantaran'ny mpanjakan'ny vitsika ao amin'ny fitantarana ny tafiky ny Mpaminany salomona. Mandidy ny vitsika hiditra ao antrano io mpanjaka io mba hialana amin'ny fanitsakitsahana tampoka ataon'ny tafik'I Salomona (an-Naml 27:18). Ara-boajanahary no ahazoana manasokajy ny voary tontolo ho ao anatin'ny sokajy mitovy, anisan'izanyny biby sy ny zavamaniry. Nanome fanamarihana ny Mpaminany sy ireo kalifa 4 voalohany fa rehefa any an'ady dia voarara ny fanimbana ny natiora sy ny famotehana ny hazo fihinamboa (Waqidi 1966,3/1117).

Tena nandrara tanteraka ny fanapahana ny rantsambatan'ny maty avy amin'ny fahavalo ny Mpaminany (moutula) izay natao indrindra hanapahana ny sofina, ny orona, famotsirana ny maso…[3]. Nandidy ny silamo mba tsy hanao ratsy ny fatin'ny fahavalo ny Mpaminany izay manome lanja ny olondrehetra amin'ny maha olona azy, mba tsy hanafihana ny fianakavian'izy ireo.[4]

Nahamarika ilay manampahaizana silamo Muhammad Hamidullah (efa maty) fa –na dia teo amin'ny fahefany tanteraka aza ny Mpaminany- fa ny isan'ny olona maty tamin'ny ady nandraisany anjara dia nahatratra maritiora 150 tamin'ny silamo ary 250 olona taty amin'ny fahavalo (Hamidullah 1981, 21). Ny antony lehibe nahatonga ny finoana silamo hahasarika olona maro tamin'ny fahazoana ny fony tao anatin'ny 10 taona teo amin'ny tany tena nidadasika dia ny hevitra sy ny finoana silamo, ny fomba fijery ny aina asehony, ny faharanitantsain'ny irak'Andriamanitra, ny toetra maha mpaminan'ny famindram-po azy sy ny tontolon'ny fahatokisana nentiny.

Famaranana

Ny fandriampahalemana no hevitra fototra amin'ny finoana silamo. Tsy antony hanaovana ny ady na oviana na oviana ny tsy fitoviam-pivavahana. Ny ady matetika dia teraka avy amin'ny fandikana ny fotokevitra sasantsasany. Na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza dia misy fepetra sy fitsipika arahina mba ahafahana mamono ny fahavalo. Napetraky ny Mpaminany sy ny CORAN ireo fitsipika rieo; tena narahin'ireo kalifa efatra voalohany antsakany sy andavany ireo ary nametrahana ny fitsipiky ny ady ankehitriny taty aoriana kely ary manana ny toerany izany ankehitriny eo amin'ny lalàna silamo.

Amin'ny lafiny lalàna, ny fahazoan-dalana hamono –na inona finoan'ilay olona na inona- dia natokana ihany hoan'ireo mpiady mandray anjara mavitrika amin'ny ady mangotraka ary hita mazava fa hampitondra faisana (Merinani 1986, 2/138). Ireo izay tsy mahafeno ireo fepetra ireo dia heverina ho tsy manantsiny ary tsy maintsy tandrovana ny ainy. Vokany, ny fanafihana mikendry sivily dia manohitra ny fotokevitry ny finoana silamo na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza, ary tafiditra ao anatin'izany ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery. Tsy mety ho tratra amin'ny fitaovana tsy ara-drariny ny tanjona mendrika.

Dr. Ahmet Gunes – Doctorat sur la Loi Islamique. Il enseigne actuellement à l’Université Ataturk, Erzurum.


[1] Ila: (Ara-bakiteny; endri-pisaraham-panambadiana). Nandao ireo vadiny tao anatin'ny iray volana ny Mpaminany taorian'ny hangatahan'izy ireo zavatra be loatra satria nifady hanina izy ireo. Izany no nanambarana ny andininy Al-Ahzâb 33:28,29 ka nanana safidy 2 ireo vadiny : na mifidy ny fiainana an-tany sy ny hafinaretany na Andriamanitra sy ny mpitondra hafany. Rehefa nampahalala an'I ‛Omar izany toe-javatra izany ireo mpanaradia niandry ny tranon'ny Mpaminany dia nanontany I ‛Omar raha nanafika ny Ghassanides satria norahonany foana ny silamo.
[2] Boukhari, al-Maghâzi, 79; Mouslim, at-Tawba, 53.
[3] Boukhari, al-Maghazi, 36.
[4] Tirmidhi, al-Birr, 51.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.