Gülen sy Kant momba ny tena lanjan'ny olombelona sy ny fitondra-tena mendrika

Gülen sy Kant momba ny tena lanjan'ny olombelona sy ny fitondra-tena mendrika

Ny teny hoe: "mahaolona" dia efa tena nametraka ny zanak'olombelona – ny tsirairay – ny vondron'olona - ny karazana ary ny voahary ho eo anivon'ny fanomezan-danja azy ireny. Noho izany, ny tohan-kevitry ny mahaolona hatramin'izay dia ny fiainan'ny zanak'olombelona amin'ny ankapobeny, ireo fiainana miavaky ny zanak'olombelona ary ireo endrim-piainana manana ny lanjany. Manampy izany, ny haja omena io olombelona manana ny lanjany io, amina fomba manome lanjany ny mahaolona, mamorona teboka iaingana na ny fototry ny fitondra-tena fototra. Tsy misy maneho izany amina hery na amina fifampitohizana misimisy kokoa ohatran'ilay mpandinika Alimanan'ny taonjato faha XVIII Emmanuel Kant. Ao amin'ny bokiny " Fondements de la Metaphysique des Moeurs" nivoaka voalohany tamin'ny 1785. Kant dia niezaka nanazava ny "fisiana fara-tampon'ny fitondra-tena. Tiany ny manazava io fisiana io amina teny tena miorina ary tsy ravan'ny taona mba hanakanana ireo asa atao amin'ny fiaraha-monina tsy hianki-doha amin'ny zava-mitranga, ny fihetseham-pon'ny olombelona, na rendrarendra na ny fepetra.  Ny fotoana sy ny abaka eto dia tsy ampy ilazana ny fahamendrehan'ny fomba fiasa na tsoa-kevitr'i Kant mahakasika ny fitondra-tena tena miorina sy ny fitondra-tena manaraka vanim-potoana; na hamintinana ny zava-dehibe amin'ny heviny amin'ny fomba mifanaraka amin'izany. Noho izany, andeha isika hifantoka amin'ireo teboka tena mifanaraka amin'izay teneniny momba ny zanak'olombelona amin'ny maha izy azy izay manana araka izany ny tena lanjany ka tsy tokony ho hafenina.

Ny hevitr'i kant tao amin'ny "Fondement" dia mifantoka amina fahitana telo lehibe ny fisainana, ny fandava-tena ary ny adidy; ireo dia mifandray sy mifampiditra avokoa amin'ny fomba tena miavaka ary tena mitombina hatrany izany amin'ny firesahana ny tsirairay avy amin'izy ireo mba handaminana ny sehatry ny fahatoniana eo amin'ny fitondra-tenany. Atombony amin'ny fandava-tena. Ny fandava-tena, izay mahakasika manokana ny fandava-tena mendrika izay takian'ny filazana rehetra momba ny fitondra-tena. I Kant dia manamafy izany sahady nanomboka tamin'ny fahatapahana ny anarana nataony:

Amin'izay rehetra azon'ny saina avoitra eto amin'izao tontolo izao sy amin'ny ankapobeny ivelan'ny tontolo aza, dia tsy hisy azo sokajiana ho tsara raha tsy mandalo fanenana, raha tsy hoe angaha ny fandavan-tena mendrika. Ny faharanitan-tsaina, ny fahafahana mandray ny fitovian-javatra, ny fahaizana mamakafaka ny miavaka mba ahafahana mitsara izany ary ny talenta hafan'ny fanahy amin'ireo karazana anarana iantsoana azy , na ny herin-tsaina, ny fanapahan-kevitra, ny fahatsapana ao anatin'ny sary; toy ny ny fahamboniana eo amin'ny toetra, ireo izay tsy isalasalana fa tsara manoloana ireo zavatra meva sy faniry; nefa ireo fanomezan'ny voahary ireo koa dia mety ho lasa tena ratsy sy hanimba, raha toa ka amin'ny fandavan-tena no anaovana izany ary toe-tsaina amin'izany no antsoina hoe toetra tsy mendrika. Mitovy amin'izany koa ireo azo avy amin'ny harena. Ny fahefana, ny harena, ny fisainana, eny na any fahasalamana sy ny filaminana tanteraka sy ny fankasitrahana ny toetran'ireo no antsoina hoe fahasambarana, miteraka ny fahatokisan-tena izay matetika koa miova ho fanambonian-tena raha vao tsy misy fandavan-tena hanitsy sy hanodina mankany amina fiafarana iombonana manintona, izay ny tombony dia ho amin'ny fanahy ary koa ireo rehetra fototry ny asa; tsy hiheverana fa misy mpijery manan-tsaina sy tsy miandany izay tsy hahalala mandrakizay haneho ny fahafaham-po na koa ny fahombiazana rehetra manam-pahataperan'ny voahary iray izay tsy maneho akory endrika madio na fandavan-tena ary amin'izany ny fandavan-tena mendrika dia hiseho toy ny fepetra fototry izay hahatonga antsika mendrika ny ho sambatra.

Tsy misy noho izany zavatra tsara raha tsy ny fandavan-tena no tsara, na inona na inona ireo talenta hafa sy fahaizana ananan'ny olona iray. Ny fandavan-tena mendrika dia toy ny endriky ny toetra fototra ary dia tsy afa-misaraka amin'ny fitondra-tena, Kant dia manohy hatrany ny famakafakany amin'ny fampivoarana ny fahatsapan'ny fisainana. Ho azy, ny fisainana no manavaka ny zanak'olombelona amin'ny biby amin'ny ankapobeny, nefa tena mampiavaka azy koa; ny fisainana dia miasa ao amin'ny olombelona amin'ny fomba izay manazava ny fahasamihafana lalindalina kokoa eo amin'ny zanak'olombelona sy ny zava-manan'aina. Kant dia nametraka fa ny voahary no mandrindra ny fanorenana rehetra manana endrika, ka ny tsirairay amin'ireo endrika ireo dia maneho andraikitra iray izay efa natao ho azy manorahakana mba hahafahany mameno faran'izay tratra. Kant dia mamaritra ny fisainana ho karazana endrika iray ary manontany tena hoe inona no asany eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona? Hoy izy:

Nefa, raha ao amina voahary iray manana saina sy fandavan-tena; ny voahary dia manana tanjona manokana mba hitahirizany azy ny hatsarany, amin'ny teny iray ny hasambarany diso fandray izy raha nisafidy ny fisainan'ny voahary ho toy ny mpanantanteraka ny fikasany. Satria ny asa rehetra izay tokony ho ataon'io voahary io anatin'ity fikasana ity sy ny fitsipika fenon'ny fitondra-tenany dia fitarihana azony avy amin'ny fahatsapana, ary ity dia tokony ho tena tratran'ny fahatsapana tokoa izay tsy ho azon'ny fisainana na oviana na oviana.

Kant dia efa milaza fa ny fahatontosan'ny fahasambarana voafaritra toy ny fitahirizana antsika na hatsarantsika dia tsy asan'ny fisainana ao amin'ny zanak'olombelona n any zava-manan'aina izay manana fandavan-tena sy fisainana. Ny hatsarana, ny fitahirizana ary ny fahasambarana dia mety ho tratra amin'ny alalan'ny fahatsapana rah any marimarina kokoa noho ny amin'ny alalan'ny fisainana, sahala amin'ny mitranga eo amin'ny biby. Noho izany, Kant dia milaza fa "ny fiafaran'ny fisiana dia samihafa avokoa ary maro nomiavaka, ary amin'io fiafarana io, tsy amin-pahasambarana, fa ny fisainana no fiafarana voatokana. Kant dia mamehy fa ny tanjon'ny fisainana dia ny fivelaran'ny fandavan-tena mendrika. Hoy izy: "Ny fisainana izay mahatsapa fa ny faratampon'ny fiafarany dia ny hanangana fandavan-tena mendrika, dia tsy hahita ao amin'ny fahatontosan'io sary io afa-tsy ny fahafaham-po izay mety aminy.

Inona no antsoina hoe fandavan-tena mendrika? Ahoana no hamaritana? Raha fehezina, Kant dia namaritra ny fandavan-tena mendrika ao amin'ny zanak'olombelon toy ny fahafahana manao zavatra noho ny fahatsapana ny lanjan'ny andraikitra fotsiny ihany fa tsy noho ny trangan-javatra n any fihetseham-po. Io famaritana io no manaitra antsika ny amin'izay mety ho ahiahy fototr'i Kant ao amin'ny andrana nataony, izany hoe mba hahitana fototra mafy orina ho amin'ny fitondra-tena. Araka ny heviny, ireo fomba fitondra-tena izay mirona amin'ny fahafinaretana, ny fahasambarana n any fihetseham-po dia tsy hamorona akory fototra maha ampy ho amin'ny fitondra-tena satria izy ireny dia mandalo sy lohahevitra isan'ny tena niovaova eo amin'ny fiainana'ny zanak'olombelona. Ny fihetseham-pontsika dia mety miova manaraka zava-mitranga. Izay nanome antsika fahafinaretana tany amin'ny lasa dia mety tsy hanome antsika izany intsony ankehitriny. Ao amin'ny sehatry ny fiainana sy ny fananana eto amin'ity tontolo ity, ireo mety miovaova ireo dia tsy dia misy fiantraikany. Ao amin'ny sehatry ny fitondra-tena kosa anefa, ireo dia manana akony goavana. Ao amin'ny fenitra izay ny fitondra-tena no mitantana ny asantsika manoloana ny hafa, ny fototra izay mitantana antsika dia mety miova miaraka amin'ny tontolo androntsika, ny fikasana n any trangan-javatra raha toa izy ireo ka milentika ao amin'ny fihetseham-po na ny fahafinaretana; isika dia tsy voatery hanana fikasana hiteny ny marina na ho mpiantra no ho marina eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Ho an'i Kant, ny manangana fitondra-tena ambony fihetseham-po na fahafinaretana; dia mitovy amin'ny manorina ny tranony amina honahona ary noho izany dia mety ho very fananana. Toy izany i Kant raha mitady fototra azo antoka kokoa ho amin'ny fitondra-tena ary izy dia mino fa ahita izany ao amin'ny fisainana, ny fandavan-tena ary ny andraikitra isany tanteraka rehefa manao zavatra miaraka izy ireo ao amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona.

Ho an'i Kant, raha fehezina, dia hisy mihitsy zavatra tsara raha tsy misy ny fandavan-tena mendrika ary ny fisainana dia misy amintsika mba hampivelatra io fandavan-tena io, izay ny fahafahan'ny zanak'olombelona manao zavatra noho ny fahatsapana ny lanjan'ny andraikitra fotsiny ihany, na inona na inona fihetseham-po, trangan-javatra na fahafinaretana izay ho haterak'izany amintsika. Kant dia manokana ny ankamaroan'ny fanehoan-keviny mba hanazavana ireo fahitana telo fototra ireo, tsy inona fa ny fisainana, ny fandavan-tena ary ny andraikitra ary ny fisian'izy ireo ao amin'ny fahalalana ny fototry ny fitondra-tena nanomboka teo amin'ny nahalalan'ny zanak'olombelona namadika ireo fototra avon'ny fitondra-tena ho mpitarika ny fanapahan-kevitra rehetra sy ny asa. Io fototra avo io no antsoina hoe didy mazava, izay maka endrika maro ao amin'ireo fanehoan-kevitra, ny tena iraisana dia: "Izaho dia tokony hitondra tena sahala amin'izay ahafahako koa maniry hoe ny fitondra-tenako dia anjary ho lalana ho an'ny rehetra."

Inona ary no ifandraisan'izany rehetra izany amin'ny tena lanjan'ny olombelona? Ho an' i Kant, ny zanak'olombelona, amin'ny maha voahary miara monina azy, dia manana ao aminy ny tena fototry ny fitondra-tena ary noho izany dia manana izy ny tena lanjany. Ivelan'ny zanak'olombelona amin'ny maha olon'ny fiara-monina azy, dia tsy misy filaza ampiasana ny hatsaran'ny fitondra-tena, satria tsy misy voahary afaka hamaritra azy ara-piaraha-monina sy hampihatra izany ho an'ny rehetra ankoatra ny olombelona. Ny voahary miara-monina dia voahary izay mamaritra amin'ny alalany ihany. Voahary sahala amin'izany izay miteraka ireo fototry ny hasina dia izy tenany no hasina na hatsarana. Araka ny tenin'i Kant, "ny voahary misaina dia misy sahala amin'ny fifarana ao amin'ny tena."

Kant dia mamaritra noho izany filaza iray ny didy mazava mifantoka amin'ity: "manao zavatra amin'ny fomba izay hitondranao ny olombelona na amin'ny maha olona azy sy amin'ny maha fiafarana, fa tsy ho toy ny fitaovana akory." Izy dia maminavina "ny fanjakan'ny farany", izany hoe vondrona iray voalamina araka ireo fototra fitondra-tena izay ny zanak'olombelona, amin'ny maha olon'ny fiaraha-monina sy ny fiafarana ao amin'ny tena azy, namorona ny lalan'ny fitondra-tena ho an'ny rehetra, amin'ny fifandraisana hatrany ny zanak'olombelona ho toy ny fiafarana ao amin'ny tena fa tsy toy ny fiafarana fotsiny ihany. Ao amin'ny fanjakan'ny farany an'i Kant, ny zavatra rehetra dua misy vidiny na hajany avokoa, vidiny ara-barotra na tena lanja. Manazava i Kant:

Ao amin'ny fanjakan'ny farany ny zavatra rehetra dia manana vidy na haja. Izay manana vidy dia afaka soloina amina zavatra hafa izay mifandanja aminy; mifanohitra amin'izany, izay ambony indrindra amin'ny vidin-javatra, izay tsy manana zavatra mifandanja aminy, dia izay manana ny hajany. Izay rehetra mifandray amin'ny fitongilanana sy amin'ny filana ankapoben'ny olombelona dia nisy vidiny ara-barotra; […] sainga ho an'izay managana ny fepetra, izay tokana afaka mametraka zavatra iray ho fiafarana ao aminy, izy io dia tsy hoe manana lanja ara-pifandraisana fotsiny ihany koa, izany hoe hajany. Nefa ny fitondra-tena no fepetra izay tokana afaka manao ny olona mana-tsaina iray ho fiafarana ao aminy; satria tsy mitombina raha avy aminy no haha mpikambana mpanao lalana ao amin'ny fanjakan'ny farany. Ny fitondra-tena, ary koa ny olombelona amin'ny maha izy azy dia afaka ho fitondra-tena, eo noho izany ireo izay manana ny hajany. Ny fahakinga sy ny fidirana amin'ny asa dia misy vidiny ara-barotra; ny fanahy, ny fahaveloman'ny eritreritra ary fisehoana dia manana vidy mampihetsi-po; etsy ankilany, ny fanajana ny teny nomena, ny fahaizana mitondra tena manoloana ny hafa sahala amin'ny filamatra (tsy fahaizana mitondra tena manoloana ny hafa noho ny fahatsapana) ireo no tena misy lanjany.

Ny lanjan'ny maha olona dia zavatra tsy azo ifanarahana, tsy zavatra vidiana na amidy izy io, na manana lanja arakaraky ny fepetran'ny varotra. Ny filazalazana marina momba ny zanak'olombelona raha arak'i Kant dia mamela ny fahalalahan'ny olona "mba fantatra sahala amin'ny haja omena azy ary toerana avo mihoatra lavitra ny rehetra; izay tsy azo ampifandanjana na amin'ny fomba manao ahoana na manao ahoana, na ampifanoharina amina vidy hafa raha tsy mametraka mialoha ny fahamasinany." Manohy izy amin'ny filazana fa "ny voahary manan-tsaina dia miavaka amin'ny hafa amin'ny alalan'ity, tsy maintsy mametraka amin'ny tenany izy fiafarana. Vokany, misy endrika didy marina hafa indray dia ny "ho fepetra fototry ny lalanan'ny fitondra-tena rehetra ka izay asa atao dia hametrahana fa misy ny fiafarana, izany hoe io voahary manan-tsaina io ihany, tsy tokony mihitsy atao sahala amin'ny fomba tsotra, fa kosa fepetra avo mandrara eo amin'ny fampiasana ny fomba rehetra, izany hoe amin'ny fotoana rehetra dia miaraka amin'ny fiafarana."

Tahaka ny voatondro any ambonimbony any, ny zanak'olombelona rehetra dia miafara eo aminy avokoa, tsy fomba ahatrarana ny fiafaran'ny hafa fotsiny. Tsy afaka ampiasaina izy sahala amin'ny fitaovana mba hahatoa ny fikasana fotsiny ihany, fandaharam-potoana na fandaharan-kevitry ny hafa. Na dia afaka ampiasaina tahak'izany azan y zanak'olombelona, dia tsy azo atao hoe mpiasa amina vinan'asa fotsiny. Miaraka amin'ny fiafarana eny aminy hatrany izy, mitondra ny tena lanjany ary ny hajany, na inona na inona tombontsoa na hatsarana entiny ho an'ny vinan'asa na fandaharam-potoanan'ny hafa.

Io filazalazan'i Kant io dia mari-pototra tamin'ny vanim-potoana niainany. Amin'ny heviny hafa, izy dia manosika lavitra kokoa resadresaka mankany Andrefana izay manomboka fotoana elaela taloha niaraka tamin'ny filôzôfa sahala amin-dry John Locke, izay namosa-kevitra nanohana rafi-pitondrana iray tsy mifantoka amin'ny lalana masin'ny fanjakana, fa kosa amin'ny sitrak'ireo izay entina, izany hoe ny vahoakan'ny vondrona politika. Ny filazana sahala amin'izany dia mety ho azon'ny saina avoitra sy itombina raha toa ka mifanaraka amin'ny zanak'olombelona ny haja maha izy azy amin'ny maha olombelona. Lehibe sahala amin'izany koa ny fametrahana fa ny fahitana ny hasin'ny olombelona ampiasain'i Kant dia tsy mifototra amin'ny finoana, na dia Kant izy ihany aza dia Krisstianina. Ny hevitr'i Locke dia tsy kristianina ihany koa, na eo azan y finoany. Izy roa ireo dia samy te-hanangana ny heviny avy momba ny lanjan'ny olombelona amin'ny filaza tsy mirona amin'ny finoana mba hisorohana faran'izay zokiny ireo antsoina hoe haingitraigitry ny finoana. Tokony ho tadidiana fa izy roa lahy ireo dia samy niaina vanim-potoana nifandonan'ny finoana nanerana an'i Eraopa manontolo, izay namonoana olona maro satria ny finoany dia hafa noho ny an'ireo mpanjaka izay nanjaka noho ny lalanan'ny fahamasinana, izay nifandonana tamin'ireo izay tsy manana an'iza akory iantsoana fanarenana. Manampy izany, Kant dia mahalala tsar any fihetseham-po izay miara-dalana matetika amin'ny finoana, izy dia tsy mametraka noho izany ny finoana ho fototra azo antoka ho an'ny lalanan'ny fitondra-tena mampiditra ny haja masin'ny olombelona tsirairay. Nanoratra boky iray manontolo izy ho "La Religion dans les limites de la Seule raison" izay nohezahany namahana ny fampiarana sy ny finoana marina ny fisian'ny fiankohofana ary fihetseham-po nino sy ireo fifampitohizana mankany amin'ny famoronana toetra nendrika sy asa mifototra amina lalana. Ny ahiahy goavana izay miely ao amin'ny asany dia ny hanipika amin'ny fomba tokana arak'izay tratra, izay heveriny araka ny fisainana fa ny zanak'olombelona rehetra dia mahay, ny tena lanjan'ny olomnelona ho hanam-pitondra-tena mifanaraka dia hisy eto amin'ity tontolo ity na ho inona na ho inona ireo tsy ampoizina amin'ny fiainana, toy ny fiovan'ny fitondrana, ny resadresaka momba ny finoana vaovao, ny filana manokana, sy ny sisa rehetra.

Any Andrefana, ny taonjaton'ny hazavana, izay Kant dia isany, dia mamporisika ireo filazalazana ny haja ambonin'ny olombelona ireo, izay mitondra fiovana fototra ara-piara-monina tamin'ny taonjato XVIII sy mihoatra aza. Tena marina, ireo hevitra ireo dia tsy Tandrefana fotsiny ihany; mpandinika sy mpanoratra maro manerana izao tontolo izao ihany koa dia milaza izany eo anivon'ny kolontsainy, ny finoana ary ny foto-pisainana misy ao aminy. Ireo manam-pahaizana mosilimo, ohatra, nanomboka taonjato maro izao ary tamina toerana maro teto amin'izao tontolo iza, dia nandika ny Korany toy ny filazana ny tena lanjan'ny olombelona sy ny hasin'ny fitondra-tena. Ny asa-soratr'i Gülen dia ohatra iray amin'ny manam-pahaizana mosilimo izay mametraka eo amin'ny "feon'" ny korany ny hatsarana sy ny lanja miavaky ny zanak'olombelona. Gülen dia nahita noho izany ao anatin'ny korany sy ny loharano hafa momba ny silamo fanehoana momba ny lanjan'ny olombelona mafy orina; tsy mitatitra ny filazan'ny Korany izy rehefa avy nanamarina izany tamin'ny fomba sy loharano hafa. Gülen dia maka ohatra matetika amin'ny voalazan'ny mpaminany rehefa mamaly fanontaniana momba ny ady masina, ny herisetra, ny fampihorohorona ary ny fanajana ny fiainana maha olona amin'ny ankapobeny (tsy ny fiainan'ny mosilimo ihany). Ao anatin'ireo voalazan'ny asany, ny fiakon' i Gülen amin'ireo hevitr'i Kant dia mazava, na dia samy mamelatra ny heviny avy aza izy ireo mahakasika ny tena lanjan'ny olombelona sy ny fitondra-tena mendrika miainga amina fahitana tena samihafa.

Gülen dia miresaka mandritra ny asa-sorany ny haja ambonin'ny zanak'olombelona. Misy asany iray atombony amina filazana mavesatra:

Ny zanak'olombelona, fitaratra lehiben'ny anarana rehetra, avy ary asan'andriamanitra, dia fitaratra mamiratra, voa mevan'ny fiainana, loharano ho an'izao tontolo izao, ranomasimbe izay sahala amin'ny rano kely mitete, masoandro iray miforona sahala amin'ny voa tsara, rindram-peo goavana na dia eo aza ny tsy fahampiany ara-batana, ary loharanon'ny fisiana manontolo anatine vatana kely iray. Ny zanak'olombelona dia mitondra tsiambaratelo masina izay mampitovy izao tontolo izao amin'ny harenany; harena izay mety hivelatra hatrany amin'ny fahamendrehana.

Tohizany izany amin'ny flazana fa ny "fisiana rehetra dia manjary lasa boky azo vakiana amin'ny alalan'ny fahazoana azy sy ny fitsinjovana azy [olombelona] … Ny zanak'olombelona – miaraka amin'izay rehetra ao aminy sy manodididna azy – […] dia vavolombelon'ny fanjakan'ny tompony." Feheziny ny heviny ao amin'io voalaza io manao hoe: "Rehefa ny fitambaran'ity tontolo tsy misy fetra ity, miaraka amin'ny harenany rehetra, ny singa mandrafitra sy ny tantara rehetra no ifandray amin'ny maha olona, dia azo hoe nahoana ny lanjan'ny olombelona no ambony indrindra mitaha amin'ny rehetra … Araka ny finoana silamo, ny zanak'olombelona dia ambony satria izy dia olombelona." Ao amin'ireo voalaza ireo, Gülen dia milaza noho izany fa ny olombelona dia manana ny haja ambony indrindra, mifanohitra amin'ny anjely n any biby noho ny fahafahan'izy ireo mijoro vavolombelona sy mandika ny tontolo. Amin'ny maha vavolombelona azy, dia izy ireo no fitaratry ny endrik'Andriamanitra, taratry ny boky masin'ny tontolo. Raha tsy misy azy ireo, tsy ho fantatra ny tontolo ary tsy hisy na iza na iza hahalala azy.

Any amin'ny hafa, Gülen dia mamerina fa ny olombelona no ivo ary hevitry ny tontolo, amin'ny maha izany azy, izy dia manana ny lanja ambony indrindra mihoatra ny anjely. Ny zanak'olombelona amin'ny alalan'ireo asa sy fifankahazoany, dia manome ny maha izy ny fisainana. Hoy izy:

Ny zanak'olombelona no maha izy sy singa mamelona ny voahary, fiantombohana sy singa fototry ny tontolo. Ny zanak'olombelona dia eo anivon'ny fahariana; ny zavatra hafa rehetra, velona na tsia, mandrafitra faribolana aminny manodidina azy … Ary handrasany hatrany ny haja rehetra izay nomena ny olombelona, mitaha amin'ny amby rehetran'ny fahariana, ny olobelona dia tokony ho jerena sahala amin'ny feo milaza ny fisian'ny zavatra rehetra, ny tranga ary indrindra ny fisian'ilay Tsy Toa izay fiafaran'ny zava-drehetra ary koa heverina ho fo mamono ny tontolo rehetra. Miaraka amin'ny zanak'olombelona, ny fahariana dia nahita ny dikany, ary ny singa dia nihely tamin'ny alalan'ny fahalalan'ny olombelona, nahita arak'izany ny heviny ara-panahy. Ny fanaraha-maso ny zavatra dia fahafahana natokana ho an'ny zanak'olombelona,  ny fahafahan'izy ireo mamaky sy mandika ny bokin'ny tontolo dia tombony ary ny nanomezan'ilay Mpahary azy ireo ny zava-drehetra dia zava-tsoa miavaka. Ny fahitana tonin'izy ireo dia mifono hevi-dalina, ny teniny dia fahendrena, ny dika mamehy ny zava-drehetra dia fitiavana.

Noho izany, raha nanambara ny tena lanjan'ny olombelona i Kant tamin'ny fifotorana amin'ny filazana fa olon'ny fiaraha-monina ny olombelona amin'ny alalan'ny lalan'ny fitondra-tena misy ampiarina eto amin'izao tontolo izao, Gülen dia milaza fa ny lanjan'ny zanak'olombelona dia miorina eo amin'ny fipetraky ny olona tokana amin'ny alalan'ny boky masin'ny fahariana mety ho fantatra ary ireo hatsaran'ny fisiana azo ambara. Amin'ireo tranga roa ireo, ny zanak'olombelona, amin'ny maha olo-tokana aza ary amin'ny maha vondrona azy, dia sarobidy amin'ny fototry ny fisiana amin'ny tranga iray ny fitondra-tena amin'ny alalan'ny fisainana ary amin'ny tranga hafa ny fahalalana rehetra, ny fahendrena sy ny fitiavana noho izy ireo fitaratry ny anarana sy izay rehetra an'Andriamanitra.

Fanampin'izany, Gülen, sahala amin'i Kant,  dia samy mandray ny lanja sy ny hasin'ny olombelona ho toy ny fototra hamaritana ny fitondra-tena ara-dalana sy tsy manara-penitra manoloana ny hafa eo amin'ny fiaraha-monina, na dia nafatotr'i Gülen amin'ny korany aza ny filazany fa tsy amin'ny fisainana sahala amin'i Kant. Amin'ny andalana izay handraisany ny zon'olombelona eo amin'ny silamo, milaza izy fa ny silamo dia manana fahatsapana ambony indrindra ny zon'olombelona maneran-tany ary izy dia tsy mbola nosongonan'ny finoana hafa mandrake izao, tsisy fomba na olon-kafa afaka manao izany. Hoy izy: "ny silamo dia mandray ny vono olona iray tahaka ny famonoana ny olombelona iray manontolo, satria ny famonoana olombelona iray dia mampanaiky ny hevitra hoe na iza na iza dia mety ho faty." Gülen dia mandika izany fitenenana izany amin'ny fomba iombonan'ny ankamaroan'ny mpandalina ara-pinoana sy filôzôfa, izany hoe afaka vonoina ihany koa izay rehetra mamono olona, izay mihezaka manimba ny fiaraha-monina sy ny sisa manaraka. Ao amin'ireny ohatra ireny, ny mamono dia tsy mamono, izany dia sazy na fiarovan-tena ara-dalana. Miteny izy any ho any fa amin'ny fahitana silamo:

Ny zanak'olombelona, na lahy izy na vavy, tanora na antitra, fotsy na mainty, dia hajaina, arovana ary tsy azo zimbazimbaina. Ny fananana dia tsy azo robaina ary ny fandavany ny filan'ny nofo dia tsy azo kitikitihina. Izy dia azo esorina amin'ny tany nahaterahany, ny fahaleovantenany dia azo lavina. Tsy azo atao koa ny mandrara azy tsy iaina araka izay itiavany azy. Fanampin'izany, dia voarara ho azy koa ny manao ny habibiana rehetra amin'ny hafa. Tsy manan-jo hanao ratsy amin'io fanomezana [olombelona] izay miseho aminy amin'ny alalan'Andriamanitra io izy, satria izy dia tsy manana afa-tsy io harena voafetran'ny fotoana io; Andriamanitra no tena tompon'ny zavatra rehetra … Ny zanak'olombelona dia tokony hiaro sy hitahiry io fanomezana io. Masina io ho azy ireo, tsy tokony hanimba izany izy ireo, na hametraka azy am-baravaran'ny loza na inona izany na inona. Raha ilaina, ho hiady sy ho faty ho azy.

Hafa indray, Gülen dia mbola manome ny lanjan'ny olona an'Andriamanitra. Ny mahaolona sy ny zanak'olombelona dia fanomezana tsy azo simbaina na lotoina. Amin'ny maha izany azy, io no fototra asa miabo tsy maintsy, sahala amin'ny miaro olona sy mitandro ny fahalemana, mihoatra ny fandraisana ny asa manimba toy ny manao ny asa amin'ny hafa na mangalatra ny harenany. Gülen dia mandray ireny asa ratsy ireny ho toy ny fanoherana mivantana ny fanahin'ny fitiavana izay atao hoe fon'ny silamo. Hoy izy:

Raha ny marina, ny fitiavana dia raozy iray izay mivelatra ao anatin'ny finoana, sehatra iray amin'ny fo izay tsy halazo mandrakizay. Ambonin'ny rehetra, mitovy amin'ny namboaran'Andriamanitra izao tontolo izao sahala amin'ny peta-kofehy ambony velaran-damban'ny fitiavana, ary koa izay mozika tsara indrindra sy tena  eo anivon'ny fisiana dia mbola ny fitiavana hatrany.

Io Fitiavana io dia voadikan'ny fandalana ny fototry ny maha olona izay ny olona dia lasa ao aminy fitiavana ny manododina azy sy ho an'ny voahary rehetra ary manetsika io fitiavana io hanohanana sy hanompoana ny tontolo. Io dia eo anivon'ny silamo, milaza Gülen. Matetika nefa, ity hevitra ity dia tsy raharahiana na lazaina fa ratsy. Manazava izy:

Ny fandalana ny maha olona dia foto-pisain'ny fitiavana sy ny maha olona izay voadika tamin'ny fomba mamoa-doza amin'izao vaninandrontsika izao; izy dia isan'ireo azo ahodinkodina mora foana amin'ny alalan'ireo fomba ankolaka hanomezana azy dika hafa … Tokony ho sarotra ny fampihavanana azy amin'ny fandalana ny maha olona ireo fitondra-tena hafahafa mafy orina mba hanosehana "ny fiantrana sy ny famelana" manoloana ireo izay tafiditra ao anatin'ny korontana sy ny fampihorohoroana mba hanimbana ny fiombonan'ny firenena, manoloana ireo izay namono tsy ankitsitsy olon-tsy manan-tsiny tany amin'ny fotoana ela tany amin'ny taonjato maro tany mikendry ny hanimba ny soan'ny firenena, ary ny tena mampihoronkoditra aza, dia ny manoloana ireo izay manao izany amin'ny anaran'ny lanjan'ny finoana sy ireo izay ao anatin'ny tsy fahatongavan-tsaina dia mitoroka ny silamo hoe mamela ny fanatanterahan'ny fampihorohoroana.

Gülen eto dia mampahafantatra ny fihetsarambelatsia lalina sy ny herisetra misy amin'ireo herisetra maro manara-pivoarana izay mihevitra fa isan'ny mpandala ny maha olona, ary miteny izy ao amin'ny andalana ireo izay manatanteraka asa faran'izay mampihoron-koditra amin'ny finoana. Amin'ireo tranga roa ireo, dia very tanteraka ny" foto-kevitry ny fitiavana sy ny mahaolona" izay manome azy roa ireo ny tena endriny sy ny fasiany marina. Amin'io fomba fijery io, ny silamo dia mizara noho izany miaraka amin'ny fandalana marina ny mahaolona fanoloran-tena ho an'ny fitiavana ny maha olona; ny mahasamihafa azy dia ny silamo misintona io fanoloran-tena io avy amin'izay voalazan'ny Korany, raha toa ka ny filozofa mpandala ny maha olona maka amin'ny loharano hafa sy n any fisehoan-javatra.

Raha hazavaina, Gülen dia mamaly ny fomba fisainana'ny fandalinana nataon'i Kant na dia avy amina sehatra tena samihafa aza izy, fantatra amin'izany ny fijery ara-pinoana sy ny ara-poto-pisainana silamo. Ny tena lanja, eny na dia ny toetra masin'ny maha olona aza dia mitaky ny fiarovan'ny rehetra ary dia tena mandrara tokoa ny fanosihosena azy. Any Andrefana, ny hevitr'i Kant (sy Locke) momba ny tena hasin'ny olombelona sy ireo zo fototra dia mahita ny fihetsehany ara-politika ao amin'ny demokrasian'ny fahalalahan'ny firenena mandroso. Ny fiaraha-monina mosilimo dia mampivaingana ny fanoloran-tenany ho an'ny hasin'ny olombelona tena miavaka. Na eo aza ny fahasamihafana izay itantsika eo amin'ny tandrefana sy ny firenena mosilimo, Gülen dia mahita fototra tsy fifankahazoana eo amin'ny silamo sy ny demokrasia amin'ny ankapobeny, ireo fanoloran-tena fototra manoloana ny zanak'olombelona sy ireo zony manokana, na dia avy amina fiaingana samy hafaaza izy ireo (ny iray finoana, ny iray fanimbazimbana) dia mifandray avokoa. Gülen dia milaza fa ny silamo dia afaka mampivoatra ny demokrasia amin'ny endrika mihaja. Miteny izy fa ny demokrasia amin'ny vanim-potoanan'ny fandrosoana dia mifandray amina foto-pisainana manalasala, tahaka ny fifotorana amina vainga samihafa sy ny fifotorana amina tantara, izay raisina ho zavatra efa voasoratra mialoha. Ny demokrasia dia mety hiteraka fiolonolonana izay hamotika ny hasoan'ny fiaraha-monina, na dia milaza aza Gülen fa amin'ny Silamo "ny zo rehetra dia manan-danja ary ny zon'ny tsirairay dia azo atao sorona ho an'ny soa hiombonana. Gülen dia mamarana amin'ny filazana fa ny Silamo dia fitambarana tena fenon'ny lalana nalaina avy amin'ny finoana izay afaka mitarika ny demokrasia mandritra ny fivelarany sy ny fivoarany.

Manazava izy:

Ny demokrasia dia nivoatra nandritra ny fotoana. Sahala aminy izay nahita dingana maro tamin'ny lasa, dia mbola hitohy handroso sy hivoatra amin'ny ho avy. Noho izany, izy dia hiova ho fomban'olombelona kokoa ary hitovy, iorina ambonin'ny fahamarinana sy ny fisiana. Raha raisin any fitambaram-ben'ny zanak'olombelona, tsy anivaivana ny sehatry ara-panahin'my fisiany, ny filany ara-panahy ary hanadinoana fa ny fiainan'ny olombelona dia tsy vofetran'ity fiainana misy fahafatesana ity sy hoe ny olombelona rehetra dia maniry dia maniry mafy ny fiainana mandrakizay, ny demokrasia dia mety hahatratra ny faratampon'ny fetezana ary hitondra fahasambarana bebe kokoa ho an'ny olombelona. Ny lalana mosilimon'ny fitoviana, ny fandeferana sy ny fahamarinana dia afaka tokoa manampy amin'ny fanatanterahana izany.

Gülen dia mahita mazava ireo lesoky ny demokrasia izay afaka tsarain'ny silamo, indrindra ny mahakasika ny maha olona, sy ny hoe ahoana no fahazoana ny zanak'olombelona. Ny demokrasia dia mirona any amin'ny tsy firaharahiana ny fiainana sy ny fisian'ny olombelona – tsipika izay mitaky ny fanajan'ny rehetra sy ny fitantanana ny zanak'olombelona. Kant dia afaka manontany an'i Gülen momba io, noho ny antony tsotra dia ny ampifotorana ny fiaraha-monina rehetra ao anatin'ny fijery ara-pinoana, tafiditra amin'izany ny fomba fitsarana sy ny fitondra-tena, apetraka am-pelea-tanan'ilay antsoin'i Kant hoe raha zohina dia tsy azo porofoina ary tsy hisy akory, satria izany dia amin'ny sehatry ny fiheritreretana sy ny finoana, voatohitra nefa tsy manao herisetra amin'ny olombelona izay tadiaviny ho harovana sy ho tompoina. Etsy andaniny, Kant dia ho afa-po tokoa amin'izay vokatry ny fahitana ara-pinoana rehetra izay hanome fahadiovana kokoa sy haja ny olombelona, satria ny tena lanjan'izy ireo dia anjary raisina ho toy ny fahamarinana masina, hiteny tsotra izy hoe ny fahitana ny tontolo dia tsy hanana fototra mafy orina araka izay hiriany, satria efa mifototra anaty fihetseham-po na finoana lalina tsy hita nohonoho.

Na izany na tsy izany, mino aho fa azo atao ny milaza fa ny filazalazana momba ny tena lanjan'ny hasin'ny fitondra-tenan'ny zanak'olombelona, na avy amin'ireo mpamdinika tandrefana ny hazavana, na ireo manam-pahaizana mosilimo mandika ny Korany, na lalana hafa amin'ny fomba dia ilain'ny tontolo ankehitriny. Ny filazalazana fotsiny ihany dia tsy ahahefa na inona na inona. Sahala amin'ny anehoan'ny tantara azy mazava, ny olon-drehetra dia afaka mifandamina amin'ny endrika maro samihafa tahaka ny "maha olona', "ny zon'olombelona", "ny olombelona tsotra" ary mapaharitra ny habibiana sy ny vono olona faobe mihitsy aza atao amin'ny zanak'olombelona izay heverin'izy ireo fa hajaina. Izany no fiantsarambelatsia sy lesoka lalina izay manimba faran'izay mafy ny fiainan'ny olombelona. Na izany aza, rehefa ny zanak'olombelona no manolo-tena marina sy manaiky ny hitovy amin'izany filazalazana izany ary mamaritra ny asany araka izany, ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina dia hanjary ho vanona kokoa, tsy hifandatsa-dra ary hiatony. Ny tantara, ankoatrantsika dia mampiseho kokoa fampijaliana sy famonoana, mampiseho amintsika fa ny fiara-monina izay mitana ny tena lanjan'ny maha olona manoloana ny fisian'izy ireo ara-politika sy ara-kolontsaina dia mamela toerana ho an'ny fandriampahalemana sy ny fahatoniana ho an'ny mponina sy ny vahoaka. Ny fiaraha-monina sahala amin'izany dia teraka tamin'ny fotoana rehetra sy toerana rehetra nandritra ny tantaran'olombelona. Rehefa ireny fiara-monia mitovy ireny no milatsaka amin'ny fampijaliana sy ny famonoana, dia amin'ny ankamaroan'ny fotoana satria izay ireo namela ny lalanan'ny lanjan'ny olombelona sy ny fitondra-tena mendrika.

Amin'ny filazalazana ny lanja sy ny tena hasin'ny maha olona, dia milaza koa na tsy mazava aza ireo fepetra izay mihazona sy miaro ity maha olona ity. Manome lanja ny maha olona, dia manolo-tena ho amin'ny rafitra ara-pomba fisainana, ara-panahy, ara-piaraha-monina sy politika izay mikolokolo ny maha olona, ary mamela azy ireo hitombo sy hivelatra mba ho tanteraka tokoa ao amin'ny tsirairay sy ny vondrona izany. Iray amin'ireny fepetra ireny ny fahafahana – ny fahafahana mihevitra, mianatra, miteny ary miaina amin'izay itiavana azy.

Io lahatsoratra io no resahina ao amin'ny fizarana manaraka.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.