Ny Anjely Sy Ny Asany

Novolavolaina tamin'ny hazavana ny anjely. Ny teny ho "anjely" dia mitovy amin'ny teny arabo hoe "melek". Ny fototeny niavian'ny teny hoe "melek" dia midika hoe mpitondra hafatra, mpisolo vava, Iraka, ambony sy mahery. Io fakanteny io koa dia azo adika hoe "taranaky ny avo". Ny anjely no mamolavola ny fifandraisan'ny tontolo tsy hita sy ny tontolo azo tsapaintanana, nampita ny hafatra'Andriamanitra hoan'ny fahoriana sy ny fihodin'izao tontolo izao, mitantana ny asa sy ny fiainan'ny zava-mananaina (amin'ny alalan'ny fanomezan'Andriamanitra alalana), ary maneho ny fideran'ny voary any amin'ny tontolo maha anjely azy manokana.

Amin'ny maha vatana tonga lafatra sy ambony azy dia afaka mifindra toerana malaky dia malaky izy ary afaka miditra ao amin'ny faritry ny fisiana rehetra. Ohatra, ao amin'ny volomasontsika izy, na ao amin'ny vatan'ny vainga hafa mba hanaramaso ny asan'Andriamanitra. Mankany amin'ny fon'ny Mpaminany sy ireo olo-masina koa izy mba hitondra aingam-panahy ho azy ireo izay avy amin'Andriamanitra matetika ary avy amin'ny anjely ihany anefa indraindray.

Ny biby sasany toy ny tantely dia miasa araka ny aingam-panahy avy amin'Andriamanitra. Ny siansa dia manamarina fa ny biby rehetra dia baikoin'ny "fahatsiarovana ao aminy", tsy afaka manazava ny voary amin'ny alalan'io fahatsiarovana ao aminy io anefa izy. Manandrana mikaroka ny fomba hahitan'ny vorona mpifindra monina ny lalan'izy ireo sy ny antony ahitan'ny amalona ny lalana miverina mankany amin'ny reniranon'I Eropa na dia foy tany andranomasina aza izy ny siantifika. Na dia ankinintsika amin'ny hafatra hita ao amin'ny ANDn'izy ireo aza izany dia azo antoka fa avy amin'Andriamanitra mahay ny zava-drehetra, mifehy izao tontolo izao sy mametraka ny anjely hitantana ny fiainan'ny voary izany. Raha milaza ny siansa fa tsy afaka manadihady ny fisian'ny hery tsy hita toy ny lalànan'ny fitomboana ao amin'ny zava-mananaina isika dia siantifika kokoa no manome izay andraikitra izany hoan'ny anjely, ireo mpanompo manokan'Andriamanitra.

Izay misy rehetra, na ny tsirairay na ny daholobe dia manana famantarana iombonana ary manao asa tokana sy iraisan'ny manontolo. Maneho sary sy fifandanjana tsy manampaharoa ny voninkazo tsirairay avy. Miantso ny anaran'ny Mpahary azy izay eo aminy amin'ny teniny manokana izy ireny; ny tany tontolo koa dia misahana ny asa fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra iraisan'ny rehetra tahaka ny hoe voninkazo iray. Ny ranomasimben'ny lanitra dia midera sy manome voninahitra ilay Mpahary ambonin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny masoandrony, ny volana eny aminy sy ny kintany. Na dia ny zavatra tsy mananaina aza dia mandray anjara lehibe amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra kanefa tsikaritra ho tsy miketsika sy tsy misaina.

Maneho ireo vatana tsy azo tsapaina ao amin'ny tontolon'ny halebeazana anatin'ny zavatra ny anjely ary maneho ny fiderany. Ireo vatana hita maso ireo kosa no solontenan'ny anjely, fonenan'izy ireo sy trano fivavahany eto antany.

Amin'ireo karazan'anjely samy hafa, ny iray dia mivavaka tsy ankiato mandritry ny fideran'ny iray amin'ny asa. Ireo anjely mpiasa ireo dia manana andraikitra mitovitovy amin'ny an'ny olombelona, ao ny mpiandry ondry sy ny mpiasa tany ohatra. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, toy ny toeram-piompiana goavana izay hanendrena anjely iray hanaramaso ny karazam-biby manontolo araka ny baikon'Andriamanitra ambony, ny fahefany sy ny hafinaretany. Misy anjely ambany laharana ihany koa izay voatokana hiandry ny biby tsirairay avy.

Ny velaran'ny tany koa dia toy ny tany mamokatra hamafazana ny zavamaniry rehetra. Mpisy anjely iray hafa koa tendrena hanaramaso ireo zavamaniry ireo amin'ny anaran'Andriamanitra sy amin'ny heriny manontolo. Midera sy manome voninahitra an'Andriamanitra ny anjely ambany karazana no sady manaramaso ny karazan-javamaniry manokana. Ny arakanjely Mikaela[9] no mpitarika ireo anjely rehetra ireo.

Tsy misy hitovian'ny olombelona mpiandry omby amin'ny anjely misahana ny asa fiompiana sy fiandrasana omby satria ny asa fanarahamaso ataon'izy ireo dia atao amin'ny fitiavan'Andriamanitra madio rano, amin'ny anarany, amin'ny alalan'ny didiny sy ny fahefany. Manaramaso ny fisehon'ny maha Tompo an'Andriamanitra ao amin'ny karazana eo ambany fanarahamasony izy, mandinika ny hery sy ny famindrampon'Andriamanitra izay miseho aho, mampita amin'izy ireo ny didin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny aingam-panahy ary mandrindra ny antsitrapon'izy ireo.

Ny fanarahamason'izy ireo dia mifototra idnrindra amin'ny fanehoana ny fanomezam-boninahitra ao amin'ny fomba fitenin'izy ireo ka amin'ny fitenin'ny anjely. Amin'ny fiteny hafa, manonona ny fiderana araka ny fitenin'ny anjely izy ireo sy ny fankasitrahan    Andriamanitra atolotry ny zavamaniry hoan'ny Mpahary azy ambony ao amin'ny fiainany. Mandrindra sy mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahfahan'ny zavamaniry sy mitarika azy amina tanjona voafaritra ireo anjely ireo. Manao izany asa izany amin'ny sitrapony sy amin'ny alalan'ny fitiavana amam-piderana ireo anjely ireo.[10] Tsy mamorona na mamolavola ny asany izy ireo satria ny voary tsirairay dia mitondra ny dian-tanan'Andriamanitra hapahany ny zava-drehetra manokana. Andriamanitra irery no mahary. Amin'ny teny fohy, fiderana avokoa izay ataon'ny anjely rehetra, ary tsy ahitana asa tsotra mitovy amin'ny an'ny olombelona ao.

Ny karazana tsirairay dia samy manana ny anjely voatokana ho azy mba hampiseho sy hanolotra ireo asany sy ireo fiderany amin'ny fitsaran'Andriamanitra, lojika sy marina ny famariparitana ny anjely nataon'ny Mpaminany. Araka ny voalazany, manana loha 40000 ny anjely sasany, vava 40000 ary ny vava tsirairay dia mankalaza fiderana 40000 amin'ny alalan'ireo lela 40000 ananany.

Midika io hadita io fa ilaina amin'ny tanjona iombonana ny anjely ary ny voary sasany dia midera an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny loha 40000 sy fomba 40000 samy hafa. ohatra, ny lanitra dia midera ny Mpahary amin'ny loha 40000 amin'ny alalan'ireo masoandro sy kintana; na dia vatana iray aza ny tany dia midera an'Andriamanitra amina loha anapitrisany manana vava anapitrisany tsirairay avy izay manana lela mitovy isa amin'izany. Io voalazan'ny Mpaminany io dia nosintonina avy amin'ny anjely izay maneho ny tany ao amin'ny tontolo anatin'ny zavatra (ny tontolo tsy azo tsapaintanana).

Mampiasa sokajim-piasa efatra ny Mpahary ambonin'ity fahariana mahavariana azo ampitahaina amin'ny lapa goavana iray ity ny anjely sy ny zava-panahy; ny zavatra tsy mihetsika sy ny zavamaniry (mpanompo tena misy lanjany eo anatrehan'Andriamanitra izay miasa maimaim-poana); ny biby (izay ilaina atao takalom-balisoa kely miendrika sakafo sy hafinaretana); ary ny olombelona (izay miasa amim-pahatsiarovana ny tanjon'ny Mpahary ambony). Misintona fampiarovana avy amin'ny zavaboary ny olombelona ary manaramaso sy mitarika ny mpanompo amin'ny laharana ambany fa manome valisoa (karama) eto amin'ity tontolo ity sy any ankoatra.

Ny an'ny anjely no kilasy voalohany. Tsy miakatra grady amin'izay aza ataony ireo zavatra ireo satria samy manana laharana tsy azo ovana izy ireo ary mahazo hafinaretana amin'ny asa ataony izy sy famirapiratana avy amin'ny fiderana.? Tafiditra ao anatin'ny asany ny fankasitrahana azy. Na dia misakafo rivotra, hazavana, rano sy sakafo aza isika ka misintona hafinaretana amin'izany, ny anjely koa dia misakafo sy mandray ny hafinaretany amin'ny hazavan'ny fiantsoana, ny fanomezam-boninahitra, ny fiderana ny fahalalana sy ny fitiavana'Andriamanitra. Satria novolavolaina tamin'ny hazavana izy ireo ka ny hazavana no mampisakafo azy. Na dia ny fofona manitra izay mitovitovy amin'ny hazavana aza dia sakafo tsaran'ny anjely avokoa. Noho izany, ny fofona manitra malefaka dia manome hafinaretana hoan'ny fanahy madio.

Noho ny asa vitany tamin'ny fanekena izay naniraka azy, noho ny asany hoan'ny fitiavany, noho ny asany natao tamin'ny Anarany, noho ny fanarahamason'izy ireo teo ambany fifehezany, noho ny voninahitr'izy ireo azo avy Aminy, noho ny fiadanam-panahy nogohiny tao amin'ny fandinihana ny halebeazana azo tsapaintanana sy tsy azo tao amin'ny fanjakany, nohony fahafahampon'izy ireo tsapa tamin'ny fandinihana ny voninahiny sy ny fisehony mahefa dia nandray fanomezam-pahasoavana mihotra ny fandrenesantsika ny anjely ary izy ireo ihany no afaka mahatsapa izany.

Tsy mba manao fahotana ny anjely aryt sy mba manda na oviana na oviana satria tsy manana ny izaho mpanao ratsy izay tsy maintsy toherina ny anjely. Efa voafaritra mialoha ny toerany, tsy miroso izy ary tsy mihemotra. Tsy manana ny toetra miiba toy ny fialonana, ny lolom-po sy ny fnaoherana sy ny fanirian'ny nofo rehetra sy ny filana sakafo ananan'ny olombelona sy ny jiny koa izy. Sady tsy lehilahy izy no tsy vehivavy, tsy misakafo, tsy misotro sy tsy mahatsiaro noana na mangetaheta na vizana. Na tsy mahazo valisoa amin'ny fiderany aza izy ireo dia migoka hafinaretana avy amin'izany kosa. Ny fiderana no sakafony, ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra Azy ankoatry ny hazavana sy ny fofona mamerovero.

Ankoatra izany miady amin'ny izahontsika mpanao ratsy sy I Satana isika. Ny anjely anefa manasa antsika amin'ny lalana marina, ny fitondran-tena tsara sy ny fahamarinana sy ny finoana ary manosika antsika hiady amin'ny fakam-panahin'I Satana sy ny izahontsika mpanao ratsy izay manandrana mandrebireby antsika. Noho izany ny fiainan'ny olombelona dia mifototra amin'ny tantaran'ny ady mitohy ifanandrinan'ny aingam-panahin'ny anjely sy ny fakam-panahin'ny devoly. Izany no ahafahantsika miakatra amin'ny laharana ambony kokoa na midina amin'ny ambany indrindra. Io anton-javatra io no mahatonga ireo olombelona voafidy sasany, toy ny Mpaminany sy ny olo-marina lehibe hanana lanja mihoatra ny anjely manana ny maha izy azy indrindra, ary ny an'ny mpino tsotra dia ambony noho ny an'ny anjely tsotra. Na dia amony noho ny antsika aza ny fahalalan'ny anjely an'Andriamanitra sy ny anarany sy ny Andraikiny dia isika no fitaratra ahitana ny Anarana sy ny Andraikitr'Andriamanitra noho ny fahatsapantsika mivelatra tsara, ny halebeazan'ny fandinihantsika sy maha isika antsika lalina dia lalina.

Ankoatry ny anjely natao hisahana manokana ny fanehoana sy ny fanarahamaso ny karazan-javatra eto anatany sady maneho ny fideran'izy ireo an'Andriamanitra dia misy arakanjely efatra sy anjely mitondra ny seza fiandrianan'Andriamanitra[11]. Ny vondrona anjely hafa dia fantatra amin'ny anarana hoe: "Mala al-Alâ" (ny mpanolotsaina ambony), "an-Nadiyy al-Alô (Mpisolo vava ambony) ary ar-Rafia al-Alâ (ny Mpanaradia ambony).

Anjely manokana no tondroina ho ao am-paradisa sy anyamn elo. Antsoina hoe "kirâmonn Kâbiboun" (ny mpanjakan'ny Soratra) ireo anjely mandrakitra antsoratra ny asa ataon'ny olombelona, ary araka ny voalaza ao amin'ny hadita iray dia 360 no anjely ampiasaina amin'ny fiainan'ny mpino tsirairay, mivavaka sy mitalao ny famelan-keloka ho azy ireo izy. Tompon'andraikitra amin'izy ireo, indrindra fa amin'ny andron'ny fahazazany sy ny fahanterany. Ary anjely sasany manampy ny mpino an ady, nanatrika ny vondrona havaka hiantsoana sy hitanisana ny Anaran'Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra azy ary ao no ivondronan'ny olona hoan'ny fitiavan'Andriamanitra sy mba hanampiana ny hafa.

Ny anjely, indrindra fa ireo an'ny famindram-po dia tsy miditra amina toerana ahitana sarivongana sy alika. Manalavitra ny olona maloto izy.manalavitra ny olona manana fotoana ratsy (azo avy amin'ny fihinanana tongolo na sigara…) koa izy, ary tsy mamangy ireo izay manapaka ny fifandraisany amin'ny ray amin'ny-dreniny sy ny havany.

Mifehy ny rehetra Andriamanitra. Na dia afaka manaramaso tsara sy miandry ny rehetra aza izy dia afaka manome andraikitra ny anjely hiaro ny mpanompony. Mba hahazo ny fiarovana sy ny fiarahana ary amin'ny anjely dia tsy maintsy misafidy antsitrapo ny tsara sy mametraka fifandraisana miavaka amin'Andriamanitra mahery indrindra. Mba ahafahana manao izany dia tsy maintsy manana finoana mafy an'Andriamanitra sy ireo fototra hafa ijoroan'ny finoana isika, tsy manao ambaninjavatra ny fiderana manara-penitra sy ny fivavahana, miala amin'ny fahotana sy ny fandrarana sy manara-dalana amin'ny fiainana.

Nanampy ny mpino nandritry ny ady tao Badr sy tao Ouhoud ny anjely ary nandry toy fanafihana an'i La Mecque. Manampy mandrakariva ny mpino mitolona ampahamendrehana eny andalan'Andriamanitra hatraiza hatraiza sy amin'ny fotoana rehetra izy ireo.

Misy tombony betsaka ny finoana ny anjely. Ohatra, io finoana io dia mitondra fiadanam-po ary manalavira ny fihetseham-po manirery.

Mamelona antsika ny angom-panahin'ny anjely, manazava ny saintsika ary manokatra fahalalana vaovao sy fisainana vaovao ho antsika. Ny fahatongavan-tsaina fa miaraka amin'ny anjely mandrakariva dia manampy antsika hiala amin'ny fahotana sy ny fitondrantena tsy mendrika. Hitanisa andininy vitsivitsy ao amin'ny CORAN isika mba hahafantarana kokoa ny anjely:

"Nalefa tamin'izy ireo ny rivotra, ary nitsoka toy ny rivo-mahery! ary nanaparitaka azy ireo [tany amin'ny nalehany avy]. Aminy no anasarahana mazava (ny ratsy sy ny tsara), ary mandefa antso mba ho fialantsiny na fampitandremana!" (77:1-6)

"Amin'ny no hanongotana mafy! ary izy ireo no mampiantrano amim-pahafalefahana! aminy no mampandeha tsara, avy eo mandeha haingana sy mandrindra ny asa!" (79:1-5)

"Mandritra izany no idinan'ny anjely sy ny fanahy, amin'ny fanomezan'ny Tompony baiko" (97:4)

"Olombelona ry mpino! randremo tsara ny olonareo sy ny fianakavianareo amin'ny afo handoro ny olona sy ny vato arahin'ny anjely romotra maso, maneke an'Andriamanitra amin'izay handidiany ary ataovy tsara izay asainy atao" (66:6)

"Fahadiovana no aminy! mpanompo nomen-boninahitra izy ireo. Tsy mihoatra ny Didiny izy ireo ary miasa araka ny baikony" (21:26-27)

[9] Cet ange est un officier de rang élevé que Dieu emploie pour voiler Son approvisionnement de toutes les créatures. (Tr.)

[10] Said Nursi dit que les anges possèdent un libre arbitre partiel comme le montre leur réponse à Dieu quand Il annonça qu'Il choisirait un Lieutenant sur terre. Cependant, ce libre arbitre ne leur permet pas de désobéir aux ordres de Dieu. Leur libre arbitre est donc plus faible que le nôtre.

[11] Nous ne savons pas exactement ce que le Coran entend par «Trône Divin» ni comment il est soutenu. (Tr.)

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.