Ny Fitsanganan-Kovelona Ao Amin'ny Soratra Masina Nambara
Ahitana lohahevitra fototra efa ao amin'ny CORAN, ilay Soratra nambara farany: ny fisiana sy ny maha tokana an'Andriamanitra, ny fitsanganan-kovelona sy ny fiainana aorian'ny fahafatesana, ny faminaniana sy ny fiderana ary ny fahamarinana. Tsindriana mafimafy kokoa noho ireo hafa teo aloha ny fitsnganan-kovelona.
Na dia teo aza ny fiovana nihatra tamin'ny Torah dia mbola ahitana mandrakariva andininy mikasika ny fitsanganan-kovelona ao. Nambara mba hanitsiana ireo fahasimbana ireo ny Evanjely ary manamafy izay tsy nisy fiovana tao amin'ny Torah. Na dia izany aza dia simba koa izy tamin'ny anjara fotonany. Taoriana kelin'ny nialan'I Jesoa teto anatany dia evanjely 300 no niseho ary nozarazaraina. Ny fifanoherana hita tao amin'izy ireo ihany sy izay nisy tamin'ireo filazana samy hafa dia mainka nampitombo ny fahapotehany. Na dia izany aza dia mahita matetika andininy mikasika ny fitsanganan-kovelona sy ny any ankoatra isika ao amin'ny evanjely. Indreto misy ohatra roa amin'izany:
"Sambatra ny mahantra am-po fa izy no handova ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany. Sambatra ianareo mitomany fa hisy mpampionona. Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky izy ireo. Sambata ireo mamindra fo fa hamindrana fo. Sa ny madio fo fa hahitan'Andriamanitra. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana fa ho azy ireo ny fanjakan'ny lanitra" (Matio 5:7-8, 10, 12).mampalahelo ny tontolo miteraka fitotonganana! Marina, ilaina ny fisiany fa mampalahelo ny olona niavian'ny fitotonganana! Raha ny tongotra na tananao no mahasolafaka anao, tapaho izy ary ario lavitra anao, tsara ho anao izany noho ny atsipy miaraka amin'ny tananao na ny tongotrao ao amin'ny afo mandrakizay! Ary raha ny masonao no mahasolafaka anao, esory izy ary ario lavitra anao. Tsara ho anao kokoa ny manana maso tokana eo amin'ny fiainana noho ny atsipy any anaty afo miaraka amin'ny masonao roa!" (Matio 18:7-9)
Hatsangana ara-batana sy ara-panahy ny maty. Arakaraka ny faritoe-javatra dia sady manambara ny fitsanganan-kovelona arabatana ny CORAN no manambara ny fitsanganan-kovelona ara-panahy. Ohatra: "Ianao ry Fanahy afa-tsasatra, miverena any amin'ny Tomponao, afa-po sy mankasitraka, midira, ho anisan'ireo mpanompoko noho izany, ary midira ao am-paradisako!" (89:27-30)
Manambara ny fiverenan'ny fanahy amin'ny Tompony io andininy io. Maro ireo andininy hafa mamaritra ny fitsanganan-kovelona sy ny tontolo amin'ny fisiany ara-batana koa. Manambara ny fahamarinan'ny Paradisa sy ny afobe ny CORAN, indraindray amin'ny antsipirihany, indraindray amin'ny ankapobeny, ao amin'ny toerana 120. amin'ny famariparitany ireo toerana ireo sy amin'ny fanazavana izay mendrika azy no hamaritany ny fiarahan'ny vatana am-panahintsika misy.
Ohatra, manjelanjelatry ny hazavan'ny hasambarana ny endriky ny olon'ny Paradisa ary hitany ao izay iriny rehetra. Miaraka amin'ny vadiny sy ny fianakaviany izay mendrika ny Paradisa izy ao. Hatsangan'Andriamanitra tsy ahitana kilema na kely aza ny vehivavin'ny Paradisa sy amin'ny maha virijiny azy ary tsara kokoa noho ny "Houris" ao am-Paradisa izy ireo. Monina ao amin'ny lapa mahafinaritra miorina ao an-jaridaina feno hazo mahafinaritra ny olon'ny Paradisa, mikoriana ao ambaniny ny riandranon'ny mamy, ny rano madio, ny ronono, sy zava-mamy hafa. ankilany, ny olon'ny afobe dia hiaritra sazy lehibe ary ho may ao anatin'ny afony. Rehefa may tanteraka ny hoditr'izy ireo dia ho soloina hoditra hafa idnray. Ankoatra izany dia ho vavolombelona manohita azy ireo ny taova nanaovany ny fahotany.
Mananatra ny olona mba hampijanona ny tsy finoana sy ny fahotana ny afobe amin'ny alalan'ny fampitahorany: ny Paradisa kosa mamporisika izay manana fihetseham-po ambony hiezaka hahazo fahatsarana ambony kokoa. Ary ny CORAN dia milaza ny Paradisa sy ny elo ho toy ny fanomezana na tombotsoa:
"Indro ny afobe noheverin'ny mpanao ratsy ho lainga. Hivezivezy eo anelanelan'ny afo miredareda sy ny rano mangotraka noho ny hafanany izy ireo. Zavaboarin'ny Tomponareo izany ka handa azy va ianareo? Ary hoan'izay manan-tahotra ny hiseho eo anatrehan'ny Tompony, hisy zaridaina roa ao, zavaboarin'ny Tomponareo ireo handa izany va ianareo?" (55:43-47)
FANAMARIHANA: Fanazavana fanampiny mikasika ny Bodisma
Heverina ho toy ny fivavahana tsy misy Andriamanitra na fotopampianarana ny Bodisma. Izany dia tsy maintsy avy amin'ny fifantohany amin'ny fahatsarana sy ny fahdiovan'ny fiainana ara-panahy manokana sy ao amin'ny fiainana ara-tsosialy mirindra. Manipika ny fahambonian'ny Etika ny Boda ary ny fiheverany dia azo ampiharina sy azo tsapain-tanana. Noho izany tsy mandefitra amin'ny doctrina izay toa mampivily ny saina amin'ny olana fototry ny fangirifiriana ny anton'ny fangirifiriana sy ny fanafodiny sy ny fahamehan'ny andraikitra moraly izy. Vokany tsy manilika tanteraka sy manontolo ny finoana ilay zavatra ambony indrindra ny bodisma, tsy azo lazaina ho manao izany izy.ny famaranana nataon'I Wendy Erickson –mpanoratra tsy mpino kanadianina izay nanjary agnostika taorian'ny fianarana nataony mikasika an'Andriamanitra sy ny fanambarana- mikasika ny toetra tena izy an'Andriamanitra dia manandanja amin'io fomba fijery io:
"Ao amin'ny okiny "Ny volon'ny Meduse", I Gananate Obeyeskere dia maneho amintsika fa mandraka ankehitriny ny Bodista any Inde dia ny maha Andriamanitra ho toy ny fangirifiriana ao anaty amin'ny alalan'ny zavatra mifehy tanteraka ny vatany.
Ny fanandramana dia mitarika ny olona miandany amin'ny fivavahana maro samy hafa hanao fanambarana tsy mitovy tanteraka amin'ny lafinjavatra mikasika ny tena toetran'Andriamanitra na ny zava-misy ambony, ny fahariana na ny fisaintsainana. Ny Jiosy, ny kristianina sy ny silamo dia mahatsapa ny ambony amin'ny maha fitiavana tsy takatry ny saina, hery sy amin'ny maha fahariana ihany koa. Ny mpitokamonina Indo dia mahatsapa ilay ambony ho zavatra miafina, na Atman izay mitovy amin'ny faminaniana B‛ahami. Rehefa betsaka ny fihetseham-po sy ny fitiavana dia tadiavina amin'ny fiderana ny fahamboniana matetika sy amin'ny famindram-po eo anoloan'ny hafa. mikatsaka ny hahazo zavatra tsy takatry ny sainy amin'ny fahatsapana fa tsy mihodina eo anoloany izao tontolo izao ny mpino, misy zava-misy ambony izay lehibe idnrindra sy ao anaty fahatsapana hafa marina kokoa noho izy ihany. Ilay voalohany dia mety ho hita ho toy ny fitaovana hampisakafoanan'ny mpino ny fihetseham-pony ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Hita ao amin'ny zavatra tsirairay avy koa io zava-misy (Andriamanitra) io [http://atheism.about.com].
Izay ambaran'I Boda mikasika ny finoany sy ny andraikiny dia mampiseho fa ny tangony marina dia hanorina fiarahamonina mifototra amin'ny soa toavina moraly tsy handrenesan'ny olona fangirifiriana fa tsy manilika ny finoana na ny zava-misy ambony:
"Saino mandrakariva izay tsy qhazavaiko sy izay hazavako tsara. Ary inona no tsy nazavaiko? Tsy nazavaiko fa mandrakizay izao tontolo izao; tsy nazavaiko fa mandrakizay izao tontolo izao…; tsy nazavaiko fa mitovy ny vatana sy ny fanahy; tsy nanazava aho fa ny mpino bodista mahatratra ny (arahat) dia hisy aorian'ny fahafatesana; tsy nanazava aho fa hisy ny arahat aoarian'ny fahafaesana; tsy nanazava aho na hisy na tsy hisy ny arahat aoarian'ny fahafatesana. Ary maninona aho no tsy nanazava izany? Satria tsy mitondra tombotsoa na fifandraisana amin'ny foto-kevi-pinoana izany noho izany tsy nazavaiko… Ary inona no nazavaiko? Nazavaiko ny fahantrana; nazavaiko ny fiandohany; nazavaiko ny fiafaran'ny fahantrana ary nazavaiko ny lalana mitondra mankany amin'ny fijanonan'ny fahantrana. Ary maninona no azavaiko izany? Satria izany misy tombony ary mifandraika amin'ny foto-kevi-pinoana, ary mampiala amin'ny fangirifiriana, mitondra amin'ny fahalalana, amin'ny fahendrena ambony sy amin'ny Nirvana. [Henry Clarke Warren, Budhism in Translation(Harvard University: 1922), 122; Majjhiwa Nikaye 63, ao amin'ny John B. Noss, Man'sy ny Religion (New York: Macmillan, 1956). 166-(Trad)].
- Created on .