Ny Fahitsiana
Ny andraikitra faharoan'ny Mpaminany dia ny "amana" teny arabo izay midika hoe natao ho mendri-pitokisana, ny fahitsiana, iray fakanteny amin'ny hoe "mu‛min" (mpino). Ny mpino dia mendri-pitokisana. Mpino mahafatrapo avokoa ny Mpaminany rehetra ary ohatra velon'ny fahitsiana. Mba hanamafisana io foto-kevitra io dia fintinin'Andriamanitra amin'ny fampiasana teny mitovy ny tantaran'ireo Mpaminany dimy:
"Nataon'ny vahoakan'I Noé toy ny mpandainga ireo Mpaminany rehefa nilaza taminy I Noé sy ny rahalahiny hoe: "Tsy matahotra an'Andriamanitra va ianareo? iraka mendi-pitokisana ho anareo aho."(26:105-107)
Soloy amin'ny an'I Houd, Lota, Chou‛aïb sy Salih ny anaran'I Noé ary hanana ny famintinana ny fahitsian'ireo Mpaminany dimy ireo ianao.
Anaran'Andriamanitra iray koa ny "Mu‛min" satria Andriamanitra no "Mu‛min" ambony indrindra, loharanon'ny fandriampahalemana sy ny fahatokisana. Apetratsika aminy ny fahatokisantsika manontoko ary miala sasatra eo aminy isika. Navahany tamin'ny fahitsiany ny Mpaminany ary mifototra tanteraka amin'io toetra io ny fifandraisantsika aminy avy amin'ny alalan'ny Mpaminany.
Ny fahitsiana koa dia toetra fototry ny arkanjely Gabriely. Faritan'ny CORAN ho mpanaiky ny ao ambony sy mendri-pitokisana izy (81:21). Nandray ny CORAN avy amin'ny hafatra roa mendri-pitokisana isika: Gabriely sy I Mohammed. Ny voalohany no nampita azy taminy ary ny farany no nampita azy tamintsika.
Ny fahitsian'ny irak'Andriamanitra
Mendri-pahatokisana tanteraka manoloana ny zavaboarin'Andriamanitra manontolo ny Mpaminany Mohammed. Mahitsy izy ary tsy mba mamitaka olona. Nofidian'Andriamanitra noho ny fahitsiany ny irak'Andriamanitra mba hahafahany mifantoka tsara amin'ny fampitana am-pahamarinana sy am-pahamendrehana ny hafatra. Sahirana dia sahirana tamin'ny asany izy rehefa namerina ny andininy nandritry ny nampitan'i Gabriely azy taminy. Hoy Andriamanitra avy eo:
«Aza maika hanetsika ny lelanao hilaza azy: hainay ny mamantsika azy (ao am-ponao sy ao amin'ny fitadidianao) sy ireo fomba hitantarana azy. Araho ary rehefa milaza azy izahay. Izahay ihany no hanatanteraka ny fanazavana azy.»(75:16-19)
Nomena azy ambongadiny fotsiny ny CORAN, napetraka taminy. Hampita izany amin'ny olona araka izay azony atao izy. Ho antoka amin'io zava-masina io ny fiainany, hahatsiaro mandrakariva ny andraikiny izy. Nandritry ny taona farany niainany. Kanefa izy nanao ny toriteny fanaovam-beloma tamin'ny fivahiniana masina tany ‛Arafat dia mbola namerina ny didin'Andriamanitra hatsiany izy. Isaky ny fiafaran'ny fehezanteny dia hoy izy tamin'ny olona: "Afaka fotoana foy dia hanontany anareo ny amiko izy". Nangataka tamin'izy ireo izy raha tafita aminy tsara ny hafatra, ary inona no navalin'izy ireo tamin-kafanam-po: "Eny, tafitanao izany!" Avy eo nangataka tamin'Andriamanitra ho vavolombelon'ny tenin'izy ireo izy.66
Vanimpotoana Miavaka
Tsy mba nihevitra ny hanafina na dia teny kely iray akory aza tao amin'ny CORAN ny irak'Andriamanitra. Noho izany ahitana fanomezantsiny malefaka avy amin'Andriamanitra hoan'ireo asany sasany ao amin'ny CORAN. Raha izy no nanoratra ny CORAN hoy ny ahiahin'ny hafa ahoana no ahitana azy ao amin'ny andininy sasantsasany?
Nobeazina tamina fiarahamonina mbola tsy voapentin-javatra hafa ny Mpaminany, ahitana fomba amam-panao nanohitra ny zava-misy ara-piarahamonina sy ara-tsiansa. Ohatra, satria ny zaza natsangana dia manan-jo toy ny zaza nateraka, noho izany tsy afaka manambady ara-dalana ny vehivavy maty vady ny lehilahy ray na ny renin'ilay zaza natsangany. Nanjavona izany fomba izany satria ny fananganana dia tsy miteraka fifandraisana mitovy amin'ny an'ny ray sy reny niteraka. Ho vahan'Andriamanitra io olana io tahaka izay hita tamin'ny fiainan'ny Mpaminany mba hanasarahana ny zavatra ara-dalana amin'ny zava-misy ara-boajanahary ary mba hanorenana fomba amam-panao vaovao.
Novotsorana I Zaïd, andevo mainty ary nanompo ny Mpaminany ary zaza natsangany. Araka ny fangatahan'ny Mpaminany dia nivady tamin'I Zaïnab bint Jahsh I Za¨d. na dia izany aza dia tsy naharitra ny fanambadiana. Midika izany fa ambany noho ny vadiny ara-tsaina sy ara-panahy izy, nihevitra I Zaïd fa tsaratsara kokoa aminy ny misara-panambadiana. Nandidy an'I Mohammed hanambady azy ny CORAN tamin'ny farany: "Ataonay vadinao izy".(33:37)
Mazava ho azy fa mamotika ny finoana ara-tsosialy ny zavatra atao sasantsasany. Noho izany zavatra izany no nanalan'ny mpihatsaravelatsihy baraka azy, nametraka ny làlana ny Mpaminany taty aoriana. Izany no nilazan'Andriamanitra toy izao:
"Raha milaza amin'izay nofenoin'Andriamanitra ny zavatra tsara ianao dia ho feno zavatra tsara koa: "Tano ho anao ny vadinao ary matahora an'Andriamanitra" ary afeno ao anatin'ny fanahinao izay asehon'Andriamanitra ny vahoaka. Matahotra ny olona ianao, ary tsy Andriamanitra va no mendrika ny fahatahoranao? Avy eo rehefa namela ny fifandraisana taminy I Zaïd, nataonay vadinao izy mba tsy hisy fanakanana ny mpino tsy hanambady ny renin'ny zaza natsangany rehefa nisaraka taminy izy ireo. Tsy maintsy tanterahina ny didin'Andriamanitra. (33:37)Hoy ny voalazan'I Anas afaka fotoana fohy: "Raha afaka nanafina ampahany tamin'ny fanambarana ny irak'Andriamanitra dia nafeniny io andininy io".67
Raha tsy mendri-pitokisana I Mohammed dia ho nataony izany. Na dia izany aza, misy zavatra sasany nifanohitra tamin'ny asany sy tamin'ny toetrany ary midka izany fa tsy nahatafita,u hafatra izy. Soa ihany fa noraran'Andriamanitra tsy hanao izany izy:"Ry mpitondra hafatra, ampitao izay nampidinin'ny tomponao taminao. Raha tsy manao izany ianao dia tsy hampitana ny hafany. Ary ho arovan'Andriamanitra amin'ny olona ianao. Marina, tsy mitaridàlana ireo tsy mpino Andriamanitra".(5:67)
Ary nampita antsakany sy andavany izay nambara taminy amin'izay ny irak'Andriamanitra.
Ny fifandraisany tamin'ny hafa
Mendri-pitokisana ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra ary namporisika ny hafa hanaraka izay ataony. Namangy azy i Safiyya vadiny indray maka nandritry ny 10 andro tsy ifaran'ny Ramadany kanefa izy manao fandinihana ara-panahy ao amin'ny trano fivavahana. Niaraka taminy niaraka tamin'ny lehilahy roa izy tao aminy. Nijanona ny Mpaminany ary nesoriny ny voaly nanarona ny endriky ny vadiny ary hoy izy tamin'izy ireo: «Indro i Safiyya vadiko». Hoy izy ireo taminy: «Enga anie hiaro ary tsy hisaina ratsy kely akory amin'ny fisainanao Andriamanitra ry mpitondra hafatr'Andriamanitra. Te-hanakana azy ireo tsy hanana hevi-diso avy aminy ny irak'Andriamanitra satria mitarika ny fahaverezan'ny finoany izany sy ny fidirany any amin'ny elo. Nanome lesona azy ireo mitovy amintsika izy ary nilaza hoe: «Mivoivoy tsy mijanona ao amin'ny lalan-dran'ny olombelona i Satana».68
Fahitsiana hita vatana ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra. Ny mponiny dia efa niantso azy hoe i «Al-Amin» (ilay mendri-pitokisana) na dia talohan'ny faminaniany aza. Raha vao nambara ho Mpaminany izy dia mbola nanoy nanankina ny fananan-tsarobidin'izy ireo taminy ny fahavalony.
Nananatra ny mponiny mikasika ny lainga izy, ny fialana aminy tsy fanatanterahana ny teny nomena sy ny tsy famerenana ny zavatra nindramina amin'ny tompony. Melohina ho toy ny mendrika isehoan'ny fiatsarambelatsihy avokoa ireo toe-javatra ireo. Tsy mandry ny sainy amin'io toe-javatra io isaky ny mahita ray aman-dreny miantso ny zanany izy manao hoe: "Avy ety fa omeko zavatra ianao!", nangataka aminy izy raha tena marina nolazainy. Indray mandeha nisy vehivavy iray namely fa hanome fe potoana ary hoy ny navalin'ny Mpaminany tamin'izany: "Raha tsy manome azy na inona na inona ianao dia mandainga".
Hatramin'ny biby no nahasahirana azy tamin'io toe-javatra io. Indray andro izy tohina noho ny fahitany mpanaradia azy iray mamitaka ny soavaliny ary hoy izy: "Ajanony ny famitahana ny biby ary mba mahitsy manoloana azy ireny"70. Indray mandeha hafa koa, rehefa avy any an'ady dia nisy mpanaradia maromaro naka voron-kely tao anaty tranony mba ho safosafoina. Tonga ny renim-borona fotoana fohy taorian'izany ary nanidintsidina teo amin'ny manodidina sy mikiakiaka satria tsy nahita ny zanany tao amin'ny fitoerany. Rehefa nahafantatra izany ny irak'Andriamanitra dia nalahelo fatratra ary nandidy ny hamerenana ny voronkely any amin'ny toerana nisy azy.71 Izany baikony izany dia maneho fa ny endrika isehoan'ny fahatsorana dia tsy manao ratsy amin'ny zavatra velona na dia kely akory aza. Ny mpanaradia tsirairay avy dia fahitsiana tonga vatana. Noho izany fahamarinana izany sy ny toetra hafa maha te-hidera no naneken'ny firenena maro ny finoana silamo. Nandritry ny naha kalifa an'I Omar sy Abou ‛Ubayda dia ny fahamarinana tonga nofo no nibaiko ny tafika silamo tany Syrie. Nanapakevitra ny Wa tao Ermèse I Abou ‛Ubayda rehefa nanafika tao ny Amperora Byzance satria maro noho ny miaramilany ny herim-pamoretana Byzantina. Nangoniny ny vahoaka tsy silamo ary nilazany hoe: "Naka hetra taminareo izahay mba hahafahanay miaro anareo kanefa tsy afaka hiaro anareo amin'ny firohotana mahery vaikan'ny Byzantina izahay dia indro haverinay aminareo ny vola nalainay tany aminareo". Naverina izay nalaina rehetra. Faly noho ny fihetsiky ny mpitondra silamo ny mpitondra fivavahana jiosy sy kristianina ka nanao andiany nankany am-piangonana mba hitondra ambavaka ny fandresena hoan'ny silamo.72
Toy izany no toetran'ireo mpanafika sy mpitondra fanjakana silmo tany amin'ny tany nentin'izy ireo. Nijanona tany Espagne nandritry ny taonjato valo ny silamo. Matoa nisy kristianina vitsivitsy nahazo fahefana teo antrehan'ny silamo dia noho ny fandeferana ara-pinoanan'ireo mpitondra fivavahana silamo izany. Tsy mifangaro amin'ny fivavahana sy ny teny ary ny kolontsain'ny tany babony ny mpitarika silamo. Raha nanao izany izy dia tsy nisy krsitianina hahazo an'I Espagne intsony, tsy nisy jiosy hahazo an'I Palestina intsony, tsy hisy kristianina afaka hikarakara famonoana intsony tany Balkany. Ary ny krsitianina dia tsy afaka hamotika ny mponina sy ny teniny ary ny kolontsainy satria maro izy ireo. Mifototra amin'ny fahitsiana ny silamo mandrapahatapitry ny kisendrasendra sy ny fitenenan-dratsy.
«Ry mpino! aza mitsara ny hafa fa fahotana izany. Ary aza mitsikilo ary aza mifampiteny ratsy. Tia mihinana ny nofon'ny rahalahiny maty va ny iray aminareo? (Tsia!) ho mpihinan'olona ianareo amin'izany. Ary matahora an'Andriamanitra. Satria lehibe sy mandray izay minatehitra aminy Andriamanitra, tena mpamonjy». (49:12)
Tena nahataitra ny irak'Andriamanitra ny lafin-kevitra noadihadian'I Aïcha indray andro: "Ireo izay lava soroko!" hoy izy taminy: "Nosaintsaininao izy ary nohaninao ny nofony!"73
Nivavaka lalandava izy: "Ry Andriamanitra, mitady fialofana mandrakariva eo anilanao aho hanoherako ny fanohanana, satria tena naman-dratsy izy! ary mitady fialofana mandrakariva eo akaikinao aho hanoherana ny famitahana satria resaka tena ratsy izy"74. Niteny mafy ireo mpamitaka sy tsy mahitsy koa izy: "Rehefa ho avotin'Andriamanitra ny olona efa lasa sy ny ho avy, hisy marika ny anaran'ireo tsy mahitsy. Ary hiteny izy hoe: "Noho ny tsy fahintsiana ity zavatra ity"75
Mihidy amin'ny ratsy rehetra ny fon'ny irak'Andriamanitra kanefa mivoha amin'ny tsara. Miaina ao amin'ny tontolon'ny fahamendrehana izy, ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po. Tsy mamitaka sy tsy mandainga na oviana na oviana izy ary tsy mamadika na iza na iza na miteny ratsy ary tsy manao fitsaratsarana be fahatany na amin'ionona na amin'inona. Nanalabaraka azy ny fahavalony fa tsy nisy nilaza azy ho mpandainga na tsy mahitsy. Nivalo taminy ny olona ary nahatoky azy. Izay manome lamosina azy dia mamita-tena ary mandeha amin'ny lalan-dratsy.
Azo itokisana mandrakariva ny irak'Andriamanitra. Nanana endrika roan y fahamendrehany: teo amin'ny fifandraisany tamin'ny olona andaniny ary tamin'Andriamanitra ankilany. Niseho tamin'ny fitokisana tanteraka ilay voalohany ary fahatokisana tanteraka an'Andriamanitra ny faharoa. Rehefa nitambatra ireo endrika roa ireo dia azo ny antoka ny rivo-pandriampahalemana sy ny tsy fivadian-kevitra.
Manome ohatra maro amin'ny fahatokisan'ny Mpaminany tanteraka an'Andriamanitra ny CORAN ary impiry izany no niverina aminy. Tsy hitanisa afa tsy andininy vitsivitsy isika:
"Notantarainy tamin'izy ireo ny tantaran'I Noé rehefa niteny tamin'ny vahoakany izy hoe: "Ry vahoaka, raha mafy aminareo ny fisiako eto aminareo sy ny famerenako ny fanambaran'Andriamanitra, apetrako tanteraka amin'Andriamanitra ny fahatokisako. Mirasaka amin'izay iresahanareo ary aza afempenina ny sarivonganareo. Avy eo manapaha-hevitra amiko ary aza omena fialantsasatra aho". (10:71)
Hoy I [Houd] tamin'ny vahoakany: "Raisiko ho vavolombelona Andriamanitra ary meteza ho vavolomeblona koa ianareo ary tsy ekeko izay afangaronareo aminy. Mampiasa hafetsena amiko ary aza omena fialantsasatra aho. Apetrako amin'Andriamanitra ny fahatokisako, ilay Tompoko sy anareo. Tsy misy zava-mananaina tsy fantany. Marina ny Tompoko ary amin'ny lala-mahitsy" (11:54-56)
"Marina, manana an'I Abrahama ho ohatra tsara ianareo sy ireo izay miaraka aminy rehefa nilaza tamin'ny vahoakany izy hoe:
"Tsy anksitrahinay ianareo sy izay iankohofanareo ankoatran'Andriamanitra. Ho lavinay ianareo. Tokony tsy hisy amintsika ny fifanoherana sy ny fialonana mandrapinoanareo an'Andriamanitra tokana". Hanao izay nolazain'I Abrahama tamin-drainy: "Mangataka marina ny famelana avy amin'Andriamanitra aho noho ianao na dia tsinontsinona aminao eo anatrehan'Andriamanitra aza". "Tompo ô, apetrako aminao ny fahatokisanay ary hiverina amin'ny famonjenao izahay. Aminao no tsy maintsy hiafaran'ny zavatra rehetra". (60:4)
Ny fivilian-dalana sy ny fanoherana no endriky ny tsy finoana. Mahita izao tontolo izao milentika ao anatin'ny haizina sy mahatsiaro tena ho irery eto amin'ity tontolo ity ny tsy mpino; mahita izao tontolo izao ho toy ny fandrianam-pirahalahiana kosa ny mpino ary mahatsapa ho mifamatotra amin'ny zava-drehetra. Manapaka ny fifandraisana amin'ny maha izy azy ny tsy finoana, avy eo mahatsapa ho mifandaka amin'ny zava-drehetra ny tsy mpino. Manao izay hamongorana ifotony ny finoana izy ireo satria tsy mahazaka ny fisian'ny mpino. Izany no antonym nahatonga ny mpaminany rehetra niharan'ny fanoherana mahery vaika niaraka tamin'ireo mpanaradia azy, miharitra ny asan'ny fahasiahana. Kanefa noho ny fahatokisany tanteraka an'Andriamanitra sy nyf iankinany taminy dia "Tsy nihemotra tamin'izay nahazo azy tamin'ny asan'Andriamanitra izy ireo. Tsy nihena ny heriny ary tsy nihemotra mihintsy izy".(3:146)
Ny fahatokisan'ny Mpaminany an'Andriamanitra no nahatonga azy tsy hatahotra. Niseho tany amin'ny tany efitra nonenan'ny mponina faran'izay tsy nandroso indrindra eran-tany izy. Na dia teo azan y fanoherana tsy misy indrafo sy ny fanafihana tsy hay notohaina nataon'ny rahalahin-drainy iray dia nahatanteraka tamim-pahombiazana ny iraka nampanaovina azy izy, niaiky izao tontolo izao izy ary ary nametraka izany teo am-pelan-tànan'Andriamanitra. Tsy nanana mpanaradia afa tsy vitsy monja izy kanefa nahazo ny fandresena tao anatin'ny fotoana foy, zavatra mbola tsy mpiseho izany. Azontsika an-tsaina amin'izany ny tsy fisian'ny tahotra tao aminy sy ny herim-pony izay nitombo noho ny fahatokisany tanteraka an'Andriamanitra nandritry ny tantara nifanesy.
Nikasa ny hamono azy ny Qoraïsista, teo alohakelin'ny hifindrany monina tany Médine dia nifidy olona iray avy isam-poko namono azy izy ireo. 200 (roanjato) lahy izy ireo raha atotaly ary I Abou Lahab no sefony. Nifahatra teo anoloan'ny tranony izy ireo. Niantso ani Ali hiara-matory taminy ny irak'Andriamanitra ny alina ary namafy vovoka tamin'ny mpanafika sady niteny hoe: "Ametrahanay sakana eo anoloanareo sy eo afaranareo; ho rakofanay voaly iry ireo: ary indro fa tsy nahita na inona na inona izy ireo. (36:9), niainga izy kanefa tsy nisy nahita. (76). Nandao an'I La Mecque niaraka tamin'I Abou Bakr namany tsy foiny izy ary tonga tamina lavaka iray tany Thawr teo antehezan-tendrombohitra. Mailo dia mailo I Abou Bakr ary natahotra ny ain'ny irak'Andriamanitra.
Nankahery azy anefa izao: "Aza reraka ianao satria miaraka aminao Andriamanitra" (9:40) ary miampy hoe: "Ahoana no heritreritrao amin'ny zavatra telo izay Andriamanitra no fanintelony?"77
Zavatra maro no manambara fa nandritry ny ady tany Ghatafan sy Anmar dia nisy lehibem-poko mahery fo iray antsoina ho Ghowras niseho tampoka teo akaikin'ny irak'Andriamanitra izay nitsilany teo ambody hazo. Sady nanandratra ny sabany izy no niteny hoe: "Iza no afaka hamonjy anao eto ampelantànako ankehitriny?" "Andriamanitra hoy ny navalin'ny Mpaminany sady nivavaka hoe: "Andriamanitra ô, arovy eo anatrehany araka izay sitrakao aho!" Nitsirara tamin'ny tany niaraka tamin'izay I Ghowaras ary niala tamin'ny tànany ny sabany. Nalain'ny irak'Andriamanitra io ary hoy izy taminy: "Ary ankehitriny, iza no afaka hamonjy anao eto ampelatànako?" Nangovitra I Ghowras ary nitalao taminy mba tsy ho vonoina: "Olo-mendrika sy mpamela heloka ianao, tsy ahenoana afa tsy famelan-keloka avy aminao". Namela ny helony ny irak'Andriamanitra.78 Ary rehefa niverina tamin'ny vahoakany I Ghowras dia niteny hoe: "Avy nankafia ny hatsaran'ny zanak'olombelona aho"
Vato fantsiky ny finoana ny fahitsiana (La loyauté est une Pierre angulaire de la croyance):
«Marina, mandidy anareo hanome izay manango tokony homena Andriamanitra, ary rehefa mitsara olona ianareo, aza miangatra. Fankaherezana toy inona no nataon'Andriamanitra taminareo! Marina Andriamanitra, ilay mandre sy mahita ny rehetra» (4:58).
Ny manararoatra fitokisana sy ny tsy mamerina izay nalaina amin'ny tokony hambenana. Izany dia mariky ny fiafaran'ny fotoana hoy ny irak'Andriamanitra: "Rehefa tsy naverina izay nalaina, miandry ny fotoana farany ianareo"79
Faharesen-dahatra ara-tsosialy ary mitana andraikitra lehibe eo amin'ny fitantanana ny raharaha sosialy sy ny fandaminam-bahoaka ny fametrahana ny olona mahay tsar any asa amanadraikitra iray. Ny fanararaotana amin'io lafiny io dia miteraka korontana sosialy. Tsy maintsy mila filaminana ny sokajim-piarahamonina rehetra satria manana andraikitra amin'ny hafa ny tsirairay. Hoy ny irak'Andriamanitra: "Mpiandry ondry ianareo tsirairay avy ary tompon'andraikitra amin'ny andian'ondriny avy. Mpiandry ondry tompon'andraikitra amin'ny ondriny ny mpitondra. Mpuiandry ondry tompon'andraikitra amin'ny fianakaviany ny lehilahy. Mpiandry ondry tompon'andraikitra amin'ny tokatranony sy ny vadiny ny vehivavy. Mpiandry ondry tompon'andraikitra amin'ny asa ampanaovin'ny lehibeny azy ny mpiasa".80 Raha mahatanteraka ny andraikiny avokoa ny olon-drehetra ao amin'ny fiarahamonina dia miaina ao amina fiarahamonina mendri-pitokisana isika. Ho nofinofintsika ny hevi-dravina etsy sy eroa.
Endrika iray hisehoan'ny finoana ny toetra mahitsy araka ny voalazan'ny irak'Andriamanitra indray andro: "Tsy mpino izay tsy mendri-pitokisana"81 ary nofaritany ho toy izay hametrahan'ny olona fitokisana ny mpino"82. Ankoatra izany dia hoy izy:
"Ampanantenao ahy ireto zavatra enina manaraka ireto fa hampanantenaiko ny paradise ianareo: rehefa miteny ianao, lazao ny marina; rehefa manao fampanantenana ianao, tanterao izany; rehefa hanankinan'ny olona zavatra ianao, mba mendrika; mijanona ao amin'ny fahadiovana mandrakariva, aza mijery izay tsy ara-drariny ary aza manao izay voarara."83
Na dia ny mijery ny olona tsy ho vadinao aza dia efa voarara. Hoy Andriamanitra: "Ny fijery dia toy ny zanatsipika misy poizina natsipin'I Satana. Ary na iza na iza miala amin'izany man fahatahorana ahy dia ho afantsiko ao ampony mafy ny finoana ary higoka izany ao izy".84
Tsy hisy ny fianana ao anaty fandriampahalemana tanteraka raha tsy olona mendri-pitokisana no mitondra. Raha mandinika ny fananana nankinin'Andriamanitra taminy ny silamo ary solontenan'ny fahamendrehana sy ny fandriampahalemana eto amin'izao tontolo izao dia hisy ny "lamina iraisam-pirenena vaovao miorina amin'ny fahamarinana sy ny fifandanjana". Raha tsy izany dia mbola hiazakazaka amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahamarinana ny zanak'olombelona.
Namela tombokavatsa tamin'ny olona rehetra tamin'ny alalan'ny fahamarinana sy ny fahitsiany sy ireo toetra mendrika hafa nananany ny Mpaminany Mohammed. Ny teniny tsirairay sy ny asany dia manambara ny maha Mpaminany azy, nanambara fa nirahin'Andriamanitra hitondra ny olona ho amin'ny fahamarinana mba hialany amin'ny haizin'ny tsy fahalalana sy ny toetra tsy mendrika mbamin'ny fanandevozana sy ny faharatsian-tsaina, hankamin'ny fahazavan'ny fahalalana, sy ny fahambonian-tsaina, ny fitiavana sy ny fihantrana ary ny fahafahana marina izy.
[66] Abu Dawud, “Manasik,” 56; Ibn Maja, “Manasik,” 84; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 5:173.
[67] Bukhari, “Tawhid,” 22; Muslim, “Iman,” 288.
[68] Bukhari, “I‘tiqaf,” 8; Ibn Maja, “Siyam,” 65.
[69] Abu Dawud, “Adab,” 80; Ibn Hanbal, 3:447.
[70] Muslim, “Iman,” 107.
[71] Abu Dawud, “Jihad,” 112, “Adab,” 164; Ibn Hanbal, 1:404.
[72] Abu Dawud, “Adab,” 164; Ibn Hanbal, 1:404.
[73] Ibn Kathir, Tafsir, 7:359; Al-Targhib wa al-Tarhib, 4:285.
[74] Abu Dawud, “Witr,” 32; Nasa’i, “Isti‘adha,” 19:20; Ibn Maja, “At‘ima,” 53.
[75] Muslim, “Jihad,” 9.
[76] Ibn Hisham, Sira, 2:27.
[77] Bukhari, Tafsir, Sourate at-Tawba, 9; Ibn Hanbal, 1:4.
[78] Bukhari, “Jihad,” 84; Muslim, “Fadha’il,” 13.
[79] Bukhari, “‘Ilm,” 2; Ibn Hanbal, 3:361.
[80] Bukhari, “Jumu‘a,” 10; Muslim, “‘Imara,” 20; Abu Dawud, “‘Imara,” 1.
[81] Ibn Hanbal, 3:135.
[82] Tirmidhi, “Iman,” 12; Ibn Maja, “Fitan,” 2.
[83] Ibn Hanbal, 5:323.
[84] Hindi, Kanz al-‘Ummal, 5:328.
- Created on .